Telovolana 1 : Famille terrestre et famille spirituelle

Lesona faha 10 : IZAY REHETRA AZON'NY TANANAO ATAO

Daty : 03-03-2007 hatr@ 09-03-2007. Toko dinihina : Mpitoriteny 9

Tsianjery : Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.Mpit.9:10

Sabotsy 03-03-2007 : Izay rehetra azon'ny tananao atao ( mpit.t.9)

Nisy lehilahy italianina iray, 70 taona, maty tamin’ny taona 2004. Tsy zavatra mahagaga tsy akory izany hoe italianina 70 taona maty izany, saingy ny fomba nahafatesan’ity anakiray ity no tsy fahita andavanandro. Baomba tamin’ny Ady Lehibe voalohany no namono nahafaty tsy tra-drano an’I Aldo Busato, mpamboly sy mpiompy iray efa misotro ronono. Anankiray tamin’ireo zavatra nangoniny ataony fahatsiarovana ny ady io baomba io. Tao anjaridainany izy tamin’io fotoana io, nampiseho io zavatra sisa tavela tamin’ny ady io tamin’ny namany vitsivitsy, no nipoaka ilay baomba, namono nahafaty azy ary nandratra mafy koa ilay olona nampisehoany izany baomba izany.

 

Misy dikany ve ny zavatra toy izany, hadalana be izay tsy hain’ny saina mandanjalanja hazavaina ? ny marina dia izao, araka ny hitantsika tamin’ny herinandro lasa, tsy misy dikany azontsika hanazavana izany. Ny hany tsy maintsy hataontsika dia ny mianatra fotsiny ny hatoky ny hatsaram-panahin’Andriamanitra, na dia eo aza ny zavatra tsy hay hazavaina hatramin’izao.

 

Resahin’I Sôlômôna indray any amin’io loha hevitra io (sy ny hafa koa) ao amin’ny toko hianarana mandritra ity herinandro ity. Ny fahafatesana anefa no ifantohany eto, loha hevitra izay efa niseho tany amin’ny toko hafa ao amin’ny bokin’I Mpitoriteny. Rehefa mamaky ity toko ity isika, dia tsarovy fa hevitra araka ny fijerin’izao tontolo izao, indraindray, no ambaran’I Sôlômôna, fijery izay tokony hanampy antsika hahafantantra ny maha-tsinontsinona sy maha-tsy misy dikany ny fiainantsika raha toa ka tsy misy Andriamanitra mampanantena antsika fahamarinana sy valiny ary fiainana mandrakizay. Etsy an-danin’izany, marina fa mifantoka amin’ny fahafatesana ny eritreriny, kanefa miresaka amintsika momba ny fiainana sy ny fomba tokony hiainantsika ankehitriny koa izy.

____________________________________________________________________

Étude de la semaine : Ec.9  

TOUT CE QUE TA MAIN TROUVE A FAIRE

°°°°°°°°°°

 Versets à mémoriser :" Tout ce que tu trouves à faire, fais-le avec l'énergie que tu as, car il n'y a plus ni activité, ni réflexion, ni science, ni sagesse dans le séjour des morts vers lequel tu es en route. " (Ec 9:10) 

 En 2004, un italien de soixante-dix ans est mort. Même s'il n'a rien d'extraordinaire à ce que des italiens de soixante-dix ans meurent, la mort de cet homme-la n'eut rien d'ordinaire. Aldo Busato, agriculteur en retraite, fut tué sur le coup par une bombe de la première guerre mondiale qui faisait partie de sa collection de souvenirs militaires. Il se trouvait dans son jardin, montrant la relique à des amis, quand, la pièce explosa, le tuant et blessant gravement la personne à qui il montrait la bombe.

Comment trouver un sens à ce type d'événements, qui défie les explications rationnelles? En fait, comme nous l'avons vu passée, ce n'est pas possible. La seule chose à faire est d'apprendre à placer sa confiance en la bonté de Dieu, malgré ce qu'on peut expliquer aujourd'hui.

Salomon, une fois de plus, aborde ce thème (et d'autres) dans le chapitre de cette semaine. Cependant, son attention porte sur la mort, thème qui apparaît ailleurs dans l'Ecclésiaste. En lisant, n'oublions pas que Salomon exprime par moments une vision d'ordre " séculaire ", nous aidant à comprendre la futilité et l'absurdité d'une existence sans Dieu, qui nous promet justice, réponses et vie éternelles. En même temps, même s'il parle de la mort, Salomon évoque aussi la vie et comment nous devons vivre.

 

 

 

 

 

Alahady 04-03-2007 : An-tanan’andriamanitra . mpitoriteny 9:1

Ny andininy 1 ao amin’ny toko 9 dia manohy ny hevitra ao amin’ny adininy farany amin’ny toko 8. raha tsaroanao dia niresaka momba ny tsy fahafahantsika mahafantatra ny lalan’Andriamanitra I Sôlômôna tao amin’io andininy 17 ao amin’ny toko 8 io. Na dia izany azan y eritreritra namaranany ny toko 8, dia io andalana eo ambony io kosa no anombohany ny toko 9, izay, raha raisikan miaraka amin’ny fanambarana teo alohany dia azo lazaina toy izao. Marina tokoa fa tsy fantantsika ny lalan’Andriamanitra, nefa azontsika fantarina kosa fa mikarakara ireo izay mitoetra mahatoky Aminy ny Tompo, na inona na inona toe-javatra atrehin’izy ireo.

 

Araka ny hevitrao, mitombina ve izany fehin-kevitra izany ? ary na dia ekenao aza izany, inona no dikan’ny filazana fa “eo an-tanan’Andriamanitra” ny olona mahatoky ?

 

Ny filazana fa eo an-tanan’Andriamanitra isika dia tsy midika tsy akory fa tsy hisy fijaliana na fahoriana na loza mihitsy hihatra amin’ny fiainantsika. Ny olona mahatoky indrindra amin’ny kristianina dia tsy afaka ny hahazo antoka na oviana na oviana ny zavatra miandry azy “aty ambanin’ny masoandro”.  Izany angamba no tian’I Sôlômôna hambara amin’ny fehezanteny farany ao amin’ny andininy 1. Eny, mety ho eo an-tanan’Andriamanitra tokoa isika, saingy tsy midika aroky izany fa tsy hiaritra fahoriana isika.Ny maha-samy hafa azy kosa dia izao : isika kristianina dia afaka ny hatoky ny hatsaram-panahin’Andriamanitra sy ny famindrampony na dia eo aza ireny loza ireny. Alaivo sary an-tsaina hoe miaritra ireny zavatra izay matetika iaretantsika ireny isika, tsy manana ny finoana fa misy Andriamanitra tia sy miahy, izay mampanantena ny hamafa “ny ranomaso rehetra amin’ny mason-tsika" (Apokalipsy 7 : 17).

 

Meteza ianao ho eo amin’ny toeran’ny sasany amin’ireo olona mahatoky tantaraina ao amin’ny Baiboly, izay tao anatin’ny fitsapana mafy kanefa dia mbola teo an-tanan’Andriamanitra marina tokoa. Ahoana ny amin’i Josefa na i Jaona mpanao batisa, fony izy ireo tany an-tranomaizina ? Ahoana ny amin’i Joba teo amin’ny antontam-pako nipetrahany, izay namoy saika ny zavatra rehetra, afa-tsy ny ainy ? na koa angamba i Daniela natsipy tao an-davaky ny liona ? na iza na iza raisinao, ezaho alaina ary an-tsaina fa mora amin’io olona io, ao anatin'ny fitsapana mahazo azy, ny hisalasala na ho velom-panontaniana ny amin’ny fitiavan’I Jehovah sy ny fiahiany.

Inona no lesona azonao sintonina avy amin’izany, izay, angamba, afaka manampy anao ao anatin’ny toe-javatra atrehinao ankehitriny, na inona izany na inona, raha alaim-panahy hisalasala koa ianao ?

____________________________________________________________________

DANS LA MAIN DE DIEU (Ec. 9 :1)

°°°°°°°°°°°

 Le verset 1er du chapitre 9 poursuit dans la même veine que le dernier verset du chapitre 8. Rappelez-vous, Salomon parlait de notre incapacité à comprendre les voies divines. S'il termine par cette pensée, le chapitre 9 débute par les lignes ci-dessus que l'on pourrait exprimer ainsi en tenant compte de ce qui précède : Il est certain que nous ne comprenons pas les voies de Dieu, mais nous savons que le Seigneur veille sur ceux qui lui sont fideles, quelles soient les circonstances affrontées.

 

" Oui, j'ai beaucoup réfléchi à tout cela, et tout ce que j'ai compris, c'est que les justes, les sages et tous leurs travaux sont dans la main de Dieu. L'homme ne sait pas s'il rencontrera l'amour ou la haine : il peut tout envisager. " Ec 9 :1, La Bible du Semeur)

 

Dans quelle mesure cette conclusion vous parait-elle juste ? Et, même si vous êtes d'accord, dire que les fideles sont " dans la main de Dieu " signifie quoi exactement ?

Dire que nous sommes entre les mains de Dieu ne signifie pas, bien sur que nous ne connaitrons plus dans cette vie ni douleur, ni souffrance, ni tragédie. Le chrétien le plus fidèle ne peut être certain de ce qui l'attend " sous le soleil ". C'est sans doute ce que voulait dire Salomon dans la dernière partie du verset 1er : nous sommes entre les mains de Dieu, mais cela n'implique pas que la souffrance nous sera épargnée. La différence réside dans le fait que nous, chrétiens, plaçons notre confiance dans la bonté et la miséricorde de Dieu en dépit de ces tragédies. Imaginez que vous traversiez les épreuves de la vie sans avoir foi en un Dieu aimant et rempli de sollicitude qui nous a promis qu'un jour il essuierait " toute larme " de nos yeux (Ap 7.17) !

Mettez-vous à la place d'un personnage biblique fidele traversant une grande épreuve et qui, pourtant, se trouvait entre les mains de Dieu. Que dire de Joseph ou de Jean Baptiste quand ils étaient en prison ? Que dire de Job, assis sur un tas d'immondices, ayant pratiquement tout perdu, sauf la vie ? Ou Daniel jeté dans la fausse aux lions ? Essayez d'imaginer combien il aurait été facile pour eux, dans leurs épreuves de douter ou de remettre en question l'amour et la sollicitude divines. Quelles leçons en tirer, leçons vous aidant dans votre situation présente, quelle qu'elle soit, lorsque vous aussi, vous êtes tentes de douter ?

 

Alatsinainy 05-03-2007 : Anjara iray ihany ve no miandry ? mpitoriteny 9 : 2

Ny Mpitoriteny 9 : 2  no ohatra tsara mampiseho ny maha-zava-dehibe ny famakiana ny bokin’I Mpitoriteny ao anatin’ny tontolon-kevitry ny baiboly manontolo ; eto koa no toerana tsara amerenana ny fampitandremana omenao ao amin’ny SDABC, b. 3, t 1060, manao hoe : “tokony tsy hotsoahina avy amin’ny tontolon-kevitra misy azy ny fanambarana toy itony ka entina ampianarana zavatra lazaina fa fahamarinana kanefa tsy izany velively no fampianarana tian’Andriamanitra hampitaina avy amin’izany fanambarana nomena tamin’ny alalan’ny tsindrimandry izany”.

 

Etsy an-danin’izany, raha azo tsara ao anatin’ny tontolon-kevitra tokony hisy azy ny hevitrin’I Sôlômôna, dia tena tsara. Rehefa voalaza sy vita avokoa izay rehetra izay, maty avokoa ny olona. Ny fahafatesana dia mahery noho ny zava-boary, dia io zava-boary araka ny ahafantarantsika azy amin’izao fotoana izao io, fara faharatsiny. Mety hiteny ny olona hoe ny fahafatesana anie ka anisan’ny zava-boary e ; na inona na inona miaina dia maty. Ary fantatsika rehetra tsara loatra fa tsy manova zavatra ny hoe marina ianao na tsia. Ny fahafatesana foana no mandresy.

 

Ny filazana anefa fa anjara iray ihany no miandry ny olona rehetra (tsy inona izany fa ny fahafatesana) ary tsy miankina amin’ny fomba fiainana izany, dia toy ny milaza hoe anjara iray ihany no miandry ny olona rehetra izay misotro (mitelina) na rano no sotroiny na poizina mahafaty. Raha tsy mijery lavitra isika dia ny fahafatesana tokoa no anjara miandry ny rehetra. Izay fijery tsy lasa lavitra izay anefa dia araka izany ilazana azy ihany, fijery tsy lasa lavitra tokoa ; tahaka izany ny fahadisoan-kevitry ny olona iray mihaino ireo naoty vitsivitsy voalohany amin’ny feon-kiran’I Beethoven Fahasivy ka mihevitra fa ny amboaram-peon-kira (Symphonie) manontolo no reny. Ny baiboly manontolo no manome antsika izay fijery mahita lavitra izay.

 

Jereo ireto toko sy andininy ireto : inona no anjara farany miandry ny taranak’olombelona ? Daniela 12 : 2 ; Matio 25 : 32 – 41 ; Jaona 3 : 16 ; Jaona 5 : 29 ; Apôkalipsy 20 : 6 – 15.

 

Tsy misy iadian-kevitra, mazava ny voalazan’ny baiboly fa tsy misy zany hoe anjara iray ihany iraisan’ny rehetra izany ; iray amin’ireto anjara anankiroa ireto no misy : na fiainana mandrakizay na fandringanana mandrakizay. Tsy misy ny eo anelanelany eto ; tsy misy ny marimaritra iraisana. Na isika ho velona mandrakizay, na isika ho faty mandrakizay.

 

Ny vaovao mahafaly dia izao : manana fahafahana ho velona mandrakizay ny olombelona rehetra amin’ny alalan’i Jesôsy. Maty nisolo ny taranak’olombelona rehetra i Kristy, ary tsy misy avahana na iray aza amin’izany.  Io famonjena nomaniny io dia manana amby ampy ho an’ny rehetra. Fa amin’ny farany, ny valin’ny fanontaniana hoe inona amin’ireo anjara anankiroa ireo no antsika, dia tena miankina tanteraka amin’ny safidintsika manokana.

 

Eritrereto ny safidinao, tsy ireo safidy goavana  fotsiny, fa ireo safidy “madinika” atao isan’andro koa. Araka ireny safidy ataonao ireny, inona no anjara safidinao amin’ny farany ?

 

____________________________________________________________________

 MÊME SORT ?

 

 

°°°°°

 

 

Le point de vue de Salomon, s'il est compris dans un cadre correct, est pertinent. Il est certain que tous meurent. La mort est plus forte que la nature, du moins la nature telle que nous la connaissons. On pourrait argumenter que la mort fait partie de la nature ; tout ce qui vit meurt. Et comme nous le savons que trop bien, que nous soyons on non des justes ne fait aucune différence, la mort est toujours victorieuse.

Pourtant, dire que la même sort guette tous les hommes (c'est-à-dire la mort) indépendamment de la façon dont nous vivons revient à dire qu'un même sort guette la personne qui boit de l'eau et celle qui boit de l'arsenic. Si nous regardons par le petit bout de la lorgnette, la mort est certes le lot de tous. Mais regarder de la sorte revient à écouter les premières notes de la neuvième symphonie de Beethoven en les prenant pour la symphonie entière. La bible dans sa totalité revient à regarder par le grand bout de la lorgnette !

Nul doute, la Bible déclare clairement qu'il n'y aura pas un seul sort pour tous, mais l'un de ces deux sorts : la vie éternelle ou la destruction éternelle. Il n'y a pas ici de moyen terme, pas de compromis possible. Ou nous vivons éternellement, ou nous mourrons pour l'éternité.

La bonne nouvelle, c'est que par Jésus, tout être humain a la possibilité de vivre éternellement. Le Christ est mort à la place de tous les hommes, sans en oublier aucun. Ce qu'il a accompli, est amplement suffisant pour toute l'humanité. C'est à nous de choisir ces deux sorts.

Réfléchissez a vos choix, non pas les importants, mais les quotidiens. A quel sort ultime tous ce " petits " choix vous amènent-ils ?

Recherchez les textes suivants : quel est le sort ultime de l'humanité ? Dn 12.2; Mt 25.32-41; Jn 3.16; 5.29; Ap 20.6-15.

 

 

Talata 06-03-2007 : Ny maty

Avelao aho faty : fa ny miteraka olona

Hijaly mandritra ny taona maro ary ho faty avy eo,

Dia heveriko fa fampielezana ny fahafatesana fotsiny ihany,

Sy fampitomboana ny famonoana olona

 

Lord Byon

 

 

“Raha vantany vao mahatsaapa ny olona iray”, hoy Léon Tolstoï, mpanoratra rosianina, “fa ny fahafatesana no faran’ny zavatra rehetra, dia tsy misy zavatra ratsy kokoa noho ny fiainana”.

 

Marina fa tsy milaza zavatra tsara ireo tenin’I Tolstoï ireo, kanefa misy hevitra tsara ihany azo raisina avy aminy. Mafy tokoa izany hoe mamakivaky ny fiainana, mahafantatra fa miafara amin’ny fahafatesana ny fiainana, ary ny fahafatesana no faran’ny zavatra rehetra, sa tsy izany ?

 

Vakio  Mpitoriteny 9 : 3 – 6, ary saintsaino izany araka ny fijerin’olona iray tsy mino an’Andriamanitra na ny fisian’ny any an-koatr’izao fiainana izao. Miezaha ianao hametraka ny teninao hanana ny fisainan’ny olona iray mino fa ny fahafatesana no faran’ny zavatra rehetra. Inona no antony hitanao amin’ny fiainana ? misy dikany inona ny zavatra rehetra ataonao, amin’ny fahafantaranao fa indray andro any dia ho faty ianao, ary toraka izany koa ny zanakao rehetra sy ny zafikelinao rehetra ?

 

Vakio indray anefa izao ireo toko sy andininy ireo, araka ny fijerintsika kristianina advantista, miaraka amin’ny finonantsika fa ny fahafatesana dia torimaso ihany, ka amin’ny alalan’ny zava-bitan’I Kristy ho antsika dia hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay any amin’ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika rehefa miverina izy – toa “toy ny indray mipi-maso” fotsiny aorian’ny ahafatesany izany ho an’ny olona maty. Moa ve tsy hafa mihitsy ny hafatra azo avy amin’ireo toko sy andininy ireo rehefa jerenaa araka io fijery io, mitaha amin’ilay fijery anankiray etsy ambony ?

 

Tokony ho feno fisaorana an’I Kristy indrindra isika noho izay natolony ho antsika tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty.  Raha tsy nisy Azy tokoa dia tsy fisian’ny fanantenana toy izay ambara ao amin’ireo toko sy andininy voatokana ho amin’ny androany ireo no hatrehintsika. Tokony ho sarobidy indrindra amintsika rehetra àry izany ny finonantsika ; ary tena zava-dehibe iankinan’ny aintsika mihitsy ny fiambenana sy ny fiarovana azy. Eny, tena iankinan’ny aina tokoa izany.

____________________________________________________________________

   LES MORTS

°°°°

"Une fois qu'on a réalisé, écrivait le russe Léon Tolstoï, que la mort est la fin de tout, il n'y a rien de pire également que la vie. "
Si négatives que soient ses paroles, Tolstoï n'a pas tout à fait tort. Il est dur, en effet, de traverser la vie en sachant qu'elle finit par la mort et que celle-ci est la fin de tout.

Nous devrions être reconnaissants pour ce que le Christ nous a offert par sa mort et sa résurrection ! Sans lui, nous connaitrions le désespoir exprimé dans les textes d'aujourd'hui. Comme notre foi est précieuse ! Il est primordial que nous la gardions et la protégions comme si notre vie en dépendait- ce qui est le cas !

" Ici, laissez-moi mourir : car donner la vie à ceux qui ne feront que souffrir de longues années puis mourir revient, me semble-t-il, à propager la mort et à multiplier le meurtre.   " Lord Byron

 

 

Lisez Ec. 9 :3-6 Réfléchissez à ce verset en le remplaçant dans la perspective d'une personne qui ne croit pas en Dieu ni en une existence, quelle qu'elle soit, après la mort. Mettez-vous à la place de quelqu'un qui croit que la mort est la fin de tout. Quel but trouvez-vous à la vie ? Quel sens donnez-vous à tout ce que vous faites en sachant qu'un jour vous mourrez, ainsi que tous vos enfants et petits-enfants ?


Relisez maintenant ces textes en vous plaçant dans la perspective du chrétien adventiste du septième jour que vous êtes, sachant que la mort n'est qu'un sommeil et que grâce à ce que le Christ a fait pour nous, lorsqu'il reviendra - après un temps qui ne semblera aux morts que l'espace d'un clin d'œil - il nous relèvera pour vivre éternellement, les cieux et la terre ayant été recrées.

 

 

 

 

Alarobia 07-03-2007 : Indro, ankehitriny no andro famonjena ; mpitoriteny 9 : 5 – 10

Isika advantista dia tia mampiasa ny Mpitoriteny 9 : 5, 6 hanohanana ny hevintsika momba ny toetry ny maty. Ary ara-dalàna izany satria “tsy mahalala na inona na inona” tokoa ny maty ary “tsy manana anjara intsony amin’izay rehetra atao aty ambanin’ny masoandro” (dikan-tenin’ny baiboly NASB) tokoa izy ; izany hoe, mandra-piverin’I Jesôsy. Tsy dia ny hanao fanambarana ara-teôlôjia momba ny toetry ny maty anefa no tian’I Sôlômôna hatao eto, fa ny hanao fanambarana momba ny fiainana.  Marina fa miresaka momba ny fahafatesana ireo andininy ireo, saingy ao anatin’ny tontolon-kevitra manodidina ny fiainana sy manodidina ny hoe fomba ahoana no tokony hiainana ny fiainana.

 

Vakio Mpitoriteny 9 : 5 – 10. inona no foto-kevitra momba ny fiainana asehon’I Sôlômôna eo ? Fomba ahoana no lazainy fa tokony hiainantsika ? Fomba ahoana no ahafahantsika mampihatra io hevitra fototra io eo amin’ny fiainantsika ety amin’ny maha-Kristianina antsika ?

 

Ny fiainantsika ety no hany fiainana omena antsika, raha ny eto amin’ity izao tontolo izao ity aloha. Mandalo sy miserana ihany izao fiainana izao (Jôba 8 : 9), ay ho levona tsy ho hitantsika intsony ity tany ity sy izay rehetra eo aminy indray andro any (2 Petera 3 : 10 – 12), nefa dia misy vokany be dia be ho mandrakizay izany ankehitriny satria ny fomba fiainantsika ety no hamaritra tanteraka izay ho anjarantsika mandrakizay. Marina izany :  ny fanapahankevitra raisintsika ety, amin’izao fiainana fohy iainantsika izao, fanapahan-kevitra izay mety ao anatin’ny segôndra vitsy fotsiny no andraisana azy, dia mety hanapaka izay ho anjarantsika mandrakizay. Koa zava-dehibe indrindra àry izany ny tsy hanaovantsika tsirambina izao fotoam-pahasoavana ananantsika izao ; ny hiainantsika amin’ny fiainam-piambenana sy fiheverana ny fanahintsika. Raha zavatra misy vokany lehibe ho mandrakizay toy izany no heverina dia tena hadalana ny miaina amin’ny fomba hafa ankoatra izany.

 

Jereo ireto toko sy andininy ireto. Mahamafy ny hevitra voalaza eo amin’io paragirafy eo ambony eo io izy ireo. Amin’ny fomba ahoana ? Marka 14 : 38 ; Rômana 14 – 12  ; 2 korontiana 6 : 2  ; 2 Petera 3 : 10 – 14.

 

Na misy lanjany lehibe tokoa aza ireo fanapahan-kevitra raisintsika, ny fahapahan-kevitra lehibe indrindra amin’izy rehetra dia ny fanapahan-kevitra ho an’I Kristy, ilay fahapahan-kevitra mamaly ny antson’ny Fanahy Masina, isafidianantsika ny ho faty amin’ny izao ary ho velona ho Azy. Tsy mbola nandray izany fanapahan-kevitra izany ve ianao ? Ny fankanesana any ampiangonana fotsiny, na ny finoana an’I Jesôsy fotsiny koa aza, dia tsy fandraisana izany fanapahan-kevitra izany, dia ilay fanapahan-kevitra izay  mihoatra noho ny hafa rehetra hanapaka hoe fomba ahoana no handanianaony mandrakizay.

____________________________________________________________________

 

C'EST MAINTENANT LE JOUR DU SALUT

 

 

°°°°°°° 

Les adventistes que nous sommes aiment faire appel à Ec. 9 :5,6 pour étayer notre position sur la condition des morts. C'est tout à fait légitimes, car les morts, certes, " ne savent rien " et n'ont " plus jamais de part à tout ce qui fait sous le soleil ". Du moins, jusqu'au retour de Jésus. Salomon, ici, cherche davantage à évoquer la vie qu'à souligner une donnée théologique sur la condition des morts. Même si ces textes parlent de la mort, c'est dans le cadre de la vie et de la façon dont on doit la vivre.

Lisez Ec. 9:5-10. Quel message sur la vie Salomon nous donne-t-il ? comment nous recommande-t-il de vivre ? Comment appliquer cette notion fondamentale à notre vie ici-bas en tant que chrétiens ?

Nous n'avons qu'une vie, du moins sur cette terre. Même si elle est transitoire (Jb.8 :9), même si un jour notre terre et tout ce qui s'y trouve disparaitrons (2P.3 : 10-12), elle est chargée de conséquences éternelles des à présent, par ce que la façon dont nous la menons ici-bas détermine notre sort eternel. En effet : certaines décision prises au cours de notre bref passage - décisions qui ne prennent parfois que quelques secondes - peuvent décider de notre destin pour l'éternité. Il est donc crucial que nous prenions au sérieux ce temps de probation, que nous vivions dans la vigilance et veillions sur notre âme. Avec de telles conséquences en jeu, il serait insensé de vivre autrement.

Recherchez les textes suivants. En quoi renforcent-ils l'idée exprimée dans le paragraphe ci-dessus ? Mc. 14 :38 ; Rm. 14 :12 ; 2Co. 6 :2 ; 2P.3 :10-14

Si importantes que soient nos décisions, la plus importante de toutes est celle que nous prenons pour le Christ, lorsqu'en réponse au Saint-Esprit nous choisissons de mourir au moi pour vivre à son service. Avez-vous fait ce choix ?

 

 

Alakamisy 08-03-2007 : Fotoana sy vintana mpitoriteny 9 : 11 – 18

Samy efa nandre na nahita zavatra tsy rariny lehibe isika rehetra na ny tenantsika mihitsy no efa niharan’izany tsy rariny lehibe izany. Tsy voatery hoe tanan’olon-kafa no mahatonga izany, fa “ny fotoana sy ny vintana” indraindray no toa miasa amin’ny fomba tsy rariny sy tsy marina ary tsy misy fiheverana.

Tovovavy iray mbola tena ao anatin’ny fahatanorany no indro tratry ny aretina nampahalemy azy ; lehilahy iray nesorina tamin’ny asany noho ny toe-karena nitotongana ; mpanao fanatanjahan-tena iray namirapiratra tokoa, nibolisatra ary lavo teo amin’ny tohatra, ka nifarana hatreo ny maha-mpanao fanatanjahan-tena malaza azy. Azo tohizana lava be tsy misy fiafarany ny lisitra.

Vakio Mpitoriteny 9 : 11 – 18. inona no hevitra an-kapobeny tian’I Sôlômônahambara eo ? Miombon-kevitra aminy ve ianao sa tsia ? Raha tsia, fa nahoana ?

 

Io indray izany izao, fa araka ny fijerin’olombelona dia toa “ny fotoana sy ny vintana” no manapaka ny fiainantsika manontolo. Tsy izany anefa no hevitra ijoroan’ny baiboly. Ny baiboly dia mampianatra fa misy Andriamanitra, ary tsy mahita ny zavatra rehetra fotsiny Izy (Salamo 11 : 4  ; Ohabolana 5 : 21), fa mandray anjara feno amin’ny raharahan’ny olombelona ihany koa (Ohabolana 16 : 9 ; Daniela 2 : 21  ; Matio 6 : 25 – 31), na sarotra toa inona aza indraindray ny mahita izany. Ny fahatongavantsika amin’ny fahalalan’ny tenansika manokana an’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra ho antsika Kristianina, fahalalana Azy sy ny fitiavany izay ahafahantsika mamikitra aminy amim-pinoana sy amim-pahakatoavana rehefa toa masiaka amintsika ery ny fiainana.

 

Jereo amin’ny fomba manokana ny Mpitoriteny 9 : 13 – 16. inona no hevitra resahina eo ?

 

Misy fomba maro angamba azo ijerena ireo andininy ireo, fa raha ny tontolon-kevitra manodidina azy no raisina, dia afaka milaza isika fa mbola miresaka mikasika ny tsy rariny hatrany I Sôlômôna eo : miresaka mikasika olona iray izy, olona izay nanao zavatra mendri-piderana kanefa, noho ny antony itsy na iroa (eto dia noho ny fahantrana), dia tsy nanehoana fankasitrahana akory ny zava-bitany, na hadino mihitsy. Eto indray, raha amin’ny fijerin’olombelona dia marina loatra izany ; soa ihany fa tsy ny fijerin’olombelona tsy akory no fijery manan-danja indrindra. Ny fijerin’Andriamanitra no manan-danja indrindra, ary tsy vitan’ny hoe tsy hanadino Izy fa hanome valisoa ihany koa (Lioka 6 : 35 ; Kôlosiana 3 : 24 ; Hebreo 10 : 36 ; Apôkalipsy 22 :12).

 

Inona no holazainao amin’ny olona iray izay nianjadian’ny fahasiahan’ny “fotoana sy ny vintana” ? Fomba ahoana no anomezanao toky azy ny amin’ny fitiavana sy ny fikarakaran’Andriamanitra ao anivon’ny fahoriana manjo azy ?

____________________________________________________________________

 LE TEMPS ET LES CIRCONSTANCES

°°°°°°°

Nous avons tous assisté à, entendu parler de, ou vécu de grandes injustices, pas nécessairement du fait d'autrui. Parfois les " temps " et les " circonstances " semblent se produire de façon si injuste et si dure !

Une jeune femme dans la fleure de l'âge est frappée d'une maladie invalidante ; un homme se retrouve au chômage suite à de mauvaises conditions économiques ; un athlète célèbre glisse et tombe dans des escaliers, sa carrière est ruinée. Cette liste n'a pas de fin.

 Lisez Ec.9 :11-18. Quel est ici le message principal de Salomon ? Êtes-vous d'accord ? Dans la négative, pourquoi ?

Là encore, d'un point de vue humain, il semblerait que les "temps" et les "circonstances" règnent sur notre vie. Mais ce n'est pas la position biblique, qui enseigne l'existence d'un Dieu qui non seulement voit toutes choses (Ps. 11 :4 ; Pr. 5 :21), mais s'implique dans les affaires humaines (Pr.16 :9 ; Dn.2 :21 ; Mt.6:25-31), même s'il est bien difficile, parfois, de s'en rendre compte. Ce qui est essentiel, pour les chrétiens que nous sommes, c'est d'avoir une connaissance de Dieu personnelle, une connaissance de lui-même et de son amour, qui nous permet de nous accrocher à lui par la foi et l'obéissance, quand il semble, en effet que les temps et les circonstances nous traitent cruellement.

Etudiez plus particulièrement Ec. 9 :13-16. Quel point Salomon souligne-t-il ?

On peut sans doute aborder ces versets de diverses manières, mais étant donne le contexte, nous dirons que Salomon évoque davantage d'injustice encore, en parlant d'un homme qui agit avec sagesse, mais dont la contribution pour une raison quelconque (dans ce cas, sa pauvreté), n'est pas reconnue voire oubliée. D'un point de vue humain, c'est très bien observé ; heureusement, ce n'est pas la perspective humaine qui compte le plus, mais celle de Dieu, qui non seulement n'oubliera pas, mais récompensera (Lc. 6:35 ; Col.3 :24 ; He.10 :36; Ap.22 :12).

Que diriez-vous à quelqu'un à qui les temps et les circonstances ont joué un tour cruel ? Comment le convaincre que Dieu l'aime et veille sur lui dans ses souffrances ?

 

Zoma 09-03-2007 : Fianarana fanampiny

 Vakio Ireto boky nosoratan’I EGW ireto : TFC, b. 2, t. 191 ; b. 3, t. 453 ; b. 4, tt. 306, 307 ; FCE, t. 245 ; HM, t. 689 ; SIM, b. 1, t. 91.

“Irin’i Kristy ny hahalalan’ny mpihaino Azy fa tsy azon’ny olona atao ny hahazo antoka ny famonjena ny fanahiny aorian’ny fahafatesana. Ataony ao am-bavan’I Abrahama ny valin’ny hataka : ‘Anaka, tsarovy fa hianao efa nahazo ny zavatsoanao tamin’ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy ; fa ankehitriny izy no ampifaliana aty, ary hianao kosa no fadiranovana. Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala ety, ary tsy ho afa-mita hankety aminay izay eny.’ Asehon’I Kristy amin’izany fa tsy misy fanantenana androm-pahasoavana aorian’ny fahafatesana. Ity fiainana ity no hany fotoana nomena ny olona izay hiomanany ho amin’ny mandrakizay.” – HF, t. 223.

“Amin’ny vanim-potoana rehetra dia omena ny olona ny andro andraisany fahazavana sy tombon-tsoa, dia fotoam-pahasoavana izay ahazoany ho vita fihavanana amin’Andriamanitra. Misy fetrany anefa io fahasoavana io. Mety hitalaho mandritra ny taona maro ny famindrampo ka atao tsinontsinona sy tsipahina, nefa tonga ny fotoana izay anaovan’ny famindrampo ny fitalahoany farany. Manjary mafy indrindra ny fo, hany ka mijanona tsy mamaly intsony ny fanahin’Andriamanitra. Amin’izay dia tsy miangavy ny mpanota intsony ilay feo mamy sy mitaona, ka mitsahatra ny fananarana sy ny fampitandremana.” – IFM, tt. 624, 625.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA :

 

1 – Mahafantatra olona ve ianareo iray kilasy, olona izay tena noratrain’ny fiainana mafy tokoa ? Inona no azonareo iray tarika atao hanehoana amin’izany olona izany ny maha-zava-misy ny fitiavan’Andriamanitra, na dia amin’ny fotoan-tsarotra aza ?

 

2- Inona ireo fomba ahafahanao manampy ny olona ao amin’ny fiangonanao izay tsy mbola nisafidy ny hanolo-tena ho an’Andriamanitra ? Ahoana noahafahanao manampy azy ireo hahita ny maha-zava-dehibe ny tsy fangatahana andro amin’ny fandraisana io fanapahan-kevitra lehibe dia lehibe io ?

 

3- Asaivo mitantara ny fanandramana manokana nataony nahatsapany ny maha-akaiky an’Andriamanitra teo amin’ny fiainany ny olona. Inona no lesona sintoninareo avy amin’ny fanandramana nataonareo tsirairay avy ?

 

4- Mifanakaloza hevitra ianareo iray kilasy mikasika ny hevitra voarakitra ao amin’ny fanambarana notsongaina avy tamin’ny boky nosoratan’I EGW izay omena eo ambony eo ireo, dia amin’ny tokony “hiomanana ho amin’ny mandrakizay” izany. Inona, araka ny hevitrao, no tiany holazaina amin’izany ? Fomba ahoana no “hiomanantsika ho amin’ny mandrakizay” ?

____________________________________________________________

 POUR ALLER PLUS LOIN

°°°°°°°

A LIRE : Ellen WHITE, Testimonies For the Church, vol. 2, p. 191 ; vol. 3, p. 453 ; vol 4, p. 306, 307 ; Fundamentals of Christian Education, p. 245 ; la tragédie des siècles, " la fin de la tragédie ", p. 719 et suivant.; messages choisis, vol. 1, " Examinez-vous vous-mêmes ", p. 106, 107.

 " Le Christ désire faire comprendre à la foule qu'il est impossible de faire son salut après la mort. Il met dans la bouche d'Abraham la réponse suivante : Mon enfant, souviens-toi que tu as reçu tes biens pendant ta vie et que Lazare a eu les maux pendant la sienne, maintenant il est consolé, et toi, tu souffres. D'ailleurs, il y a entre nous et vous un grand abime, afin que ceux qui voudraient passer d'ici vers vous, ou de là vers nous, ne puissent le faire. (Lc 16.25, 26) Jésus montre ainsi que c'est en vain qu'on attendait un nouveau temps de grâce après la mort. Cette vie est le seul temps accordé à l'homme en vue de se préparer pour l'éternité. " - Ellen WHITE, Les paraboles de Jésus, " Un grand abime ", p. 224.

" Pour chaque homme il est un jour favorable où la lumière illumine sa route, un temps de grâce ou il peut se réconcilier avec Dieu. Mais cette grâce a une limite ; la miséricorde continuera à intercéder pendant des années, tout en étant méconnue et repoussée, cependant un moment vient ou elle fait entendre son dernier appel. Le cœur s'endurcit à tel point qu'il cesse de répondre à l'Esprit de Dieu. Alors la voix douce et insinuante cesse de supplier le pécheur, les reproches et les avertissements ne sont plus entendus. " - Ellen WHITE, Jésus-Christ, " Un peuple condamne ", p. 580.

A Méditer

1. Les membres de l'Ecole du sabbat connaissent-ils quelqu'un que les temps et les circonstances ont vraiment blessé ? Comment lui montrer collectivement que l'amour de Dieu est bien réel, même en temps de crise ?

2. Comment aider ceux qui, dans votre Eglise, n'ont pas encore choisi de s'abandonner au Seigneur ? Comment les convaincre de l'importance de ne pas repousser cette importante décision ?

3. Que les membres évoquent des circonstances spéciales au cours desquelles ils ont pu clairement constater que Dieu était tout proche. Que vous apprennent les expériences des uns des autres ?

4. Que les membres de l'Ecole du sabbat discutent de l'idée, exprimée dans la citation d'Ellen White ci-dessus, selon laquelle il est nécessaire de " se préparer pour l'éternité ".

 

 

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006