Telovolana 2 : Ttre du trimestre 2 2006

Lesona faha 2 : ILAY TENY FARANY

Daty : 07-04-2007 hatr@ 13-04-2007. Toko dinihina : Mt. 4 : 4-10 ; 21 :42 ; 22 :29 ; 26 :54, 56 ; Ga. 1 :11,12 ; Jc. 2 ; 2 P. 1 :19-21 ; 3 :16

Tsianjery : Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana,ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra ho vonona tsra ho amin'ny asa tsara rehetra (2 Tim.3:16,17).

Sabotsy 07-04-2007 : Fampidirana

AVY AIZA NY FOTOTRA NIPOIRAN'NY FAHEFAN'NY BAIBOLY?

Samy miaina eo ambany  fahefana iray farany  na fahefana iray hafa koa isika rehetra izao, na inona na inona isehoan'izany.Mino isika  amin'ny maha-kristianina antsika, fa Andriamanitra no ilay fahefana farany ary ny Baiboly no manambara ny sitrapony. Araka izany dia ny Baiboly no atao hoe "Ny Teny Farany "

Fa nahoana moa no eo ambany fahefan'ny boky no toerana tokony hisy antsika? Ny valiny dia izao: tsy hoe boky fe boky fotsiny ny Baiboly fa tena tenin'Andriamanitra  mihintsy.Noho ny saina amam-pahendrena lalina nanan'ny Tompony, dia ilay Andriamanitra  Tompo izay nahary ny lanitra sy ny tany, no nahazoana nandrafitra ity boky ity izay feno ny fahefan'ny lanitra. Ankoatra izany, iza moa no manana fahefana mihoatra an'Andriamanitra ?Tsy misy, izany no antony ilazana fa " Teny Fanorenana"  sady  "Teny Farany " ny Baiboly

Amin'ity herin'andro ity isika  dia hijery izany fahefana anana'ny SM izany. Inona no ambaran'ny SM mikasika azy? Inona no fanambarana ataony amin'ny  maha-Tenin' Andriamanitra azy sy ny fototra niaviany? Ahoana ny fahitan'ireo mpanoratra ny Baiboly ireo boky hafa ao aminy? Ary ny tena zava-dehibe dia ity: inona no ambaran'i Jesosy mikasika ny SM? manaraka izany rehetra izany, Izy - ilay Tompo- dia tsy mametrka fisalasalana velively amin'ny  teny farany ataony eo amin'ny  ilay Teny farany .


LA PAROLE SEULE 

°°°°°° 

Etude de la semaine :

 

Mt. 4 : 4-10 ; 21 :42 ; 22 :29 ; 26 :54, 56 ; Ga. 1 :11,12 ; Jc. 2 ; 2 P. 1 :19-21 ; 3 :16.

 

Versets à mémoriser : "Toute écriture est inspirée de Dieu et utile pour enseigner, pour réfuter, pour redresser, pour éduquer dans la justice, afin que l'homme de Dieu soit à la hauteur, parfaitement équipé pour toute œuvre bonne. " (2 Tm. 3 :16,17)

 

Pensée centrale: D'où vient l'autorité de la Bible ?

 

 

 

 

 

 

  

Nous vivons tous sous une autorité ou sous une autre, quelle qu'elle soit. Nous les chrétiens croyons que Dieu détient l'autorité finale, lui dont la volonté s'exprime dans la Bible. C'est pourquoi la Bible est la Parole définitive.

Mais pourquoi donc nous plaçons-nous sous l'autorité d'un livre ? En fait, la Bible n'est pas seulement un livre, mais la Parole de Dieu.

Ainsi, en vertu de son Auteur, Dieu, le Seigneur, le Créateur des cieux et de la terre, le Livre représente l'autorité divine. Apres tout, qui possède une autorité supérieure à celle de Dieu ? Personne. C'est pourquoi la Bible doit être considérée comme une parole fondatrice et définitive.

Cette semaine, nous étudierons l'autorité des Ecritures. Que disent-elles sur elles-mêmes ? Quelles déclarations font-elles à leur propre sujet et au sujet de leurs origines ? Comment les auteurs bibliques considéraient-ils les autres livres de la Bibles ? Et, plus important encore, qu'a déclaré Jésus sur les Ecritures ? Nul doute que le Seigneur lui-même aura prononcé des paroles décisives sur la Parole de Dieu.

 

 

Alahady 08-04-2007 : Ny tenin'ny tompo

Nanao fanambarana miezinezina mikasika ireo boky nosoratany ireo mpanoratra ny Baiboly. Izao no teny nentiny namaritra sy nanambara ny loharano nipoiran'ny hafatra nentiny: "(...) fa Jehovah no niteny hoe (...)" (Isa.1:2); " Izao no nolazain'i Jehovah (....) " (Amô.1:3). " Ny Tenin'ni Jehovah izay tonga tamin' i (...) " (Mika1:1), na koa " Izao no teny efa nasehon'i Jehovah ahy" (Jer.38:21).

Noporofoin'ireo mpanoratra ny TT fa avy tamin'ny Andriamanitra mivantana ny hafara nentin'izy ireo. Tonga tamin'ny  ireo mpanoratra ny TT toa andry Jeremia, Ezekela, Hôsea, Amôsa sy ny hafa ny "Tenin'ny Tompo"(Jer.1:1,2,9 ; Ezek.1:3)

Vak. 2 Sam. 23 : 2 ; Ezek. 2 : 2 ; Ezk.11 : 5 , 24 ; Mika 3 : 8. Inona no rohi-pifandraisana hita amin'ny  ireo toko sy and. ireo?

Vak. Rôm. 4:3 sy Gal. 1 : 11,12. Inona no fandresen-dahatr'i Paoly ny amin'ny   SM? Fahefana inona no ambaran'i Paoly  fa mitoetra ao ambadiky ny filazantsara izay notoriny?

Ireo olona rehetra ireo,  izay niparitaka tamin'ny  toerana maro samihafa nandritra ireo taojato marobe nifandimby, tsy nijerena ireo fasamihafana be teo amin'ny  toe-javatra niainany sy ny fototra niaviany ary koa ny toe-piainany manokana, dia samy nanaporofo zavatra mitovy avokoa, dia izao: tsy hevitr'izy ireo manokana tsy akory ny hafatra nosoratany, fa ny herin'Atra mihintsy no nanosika azy ireo hanoratra, Andriamanitra no nandidy azy ireo hanoratra izay nolazainy;

Raha inoantsika àry fa nanindry mandry ny mpaminany Andriamanitra tamin'ny   izy ireo nanoratra ny Baiboly, dia inona no fampiharana izany finoana ananantsika  izany eo amin'ny   fiainantsika  andavan'andro?

Izany hoe, ahoana no hitarafana eo amin'ny   fiainana izany finoanao ny fahefan'ny SM izany? Inona no zavatra ataonao (raha toa ka misy izany) tao anatin'izay 24ora lasa izay, ka nandrava ny fampianarana marina sy mazava avy tamin'ny  Baiboly. 


LA PAROLE DU SEIGNEUR

                                              °°°°°°°                                             

Les auteurs bibliques ont fait d'incroyables déclarations sur ce qu'ils écrivaient. Pour décrire les sources de leurs messages, ils faisaient appel à des expressions telles que : " C'est le SEIGNEUR qui parle " (Es. 1 :2), " Ainsi parle le SEIGNEUR " (Am.1:3), " Parole du SEIGNEUR qui parvint à Michée " (Mi.1 :1) ou : " Voici la parole que le SEIGNEUR m'a révélée " (Jr. 38 :21).

Lisez Lc.1 :70 ; 2 P.1 :19-21. Que dit le Nouveau Testament sur les origines inspirées de l'Ancien ?

Lisez Rm.4 :3 ; Ga.1 :11,12. Quelle était la conviction de Paul concernant les Ecritures ? Quelle autorité, selon lui, validait l'Evangile qu'il prêchait ?

Les auteurs de l'Ancien Testament déclarent que leurs messages leur viennent directement de Dieu. C'est la " parole du SEIGNEUR " qui parvient à des auteurs tels que Jérémie, Ezéchiel, Osée, Amos et d'autres (Jr.1:1, 2, 9 ; Ez.1:3).

Dispersés au long des siècles, tous ces hommes, indépendamment de leurs vastes différences quand à leurs circonstances de vie et à leurs origines, ont témoigné de la même chose : les messages qu'ils ont écrit n'étaient les leurs, ils étaient poussés par la puissance de Dieu leur ordonnant d'écrire ce qu'il leur disait.

Si nous croyons que Dieu inspirait les prophètes, quelles en sont les implications pratiques pour notre vie quotidienne ? C'est-à-dire, dans quelle mesure votre vie reflète-t-elle votre foi dans l'autorité des Ecritures ? Avez-vous, ces dernières vingt-quatre heures, dérogé, par vos choix, aux clairs enseignements bibliques ? Expliquez.

Alatsinainy 09-04-2007 : Andriamanitra manam-pofon'aina

Vak. 2Tim.3:16. Aiza no ametrahan'i Paoly ny fototra nipoiran'ny SM sy ny fahefana ananany?

Ny teny grika nahazoana ny hoe: " tsindrimandry" araka ny hita ao @ 2Tim.3:16, dia midika ara-bakiteny hoe "Andriamanitra manam-pofon'aina ". Mampiseho amintsika mazava tsara izany fa avy amin'Atra no niandohan'ny SM. Fahaizana avy  amin'Atra izany. Fahaizana avy @Atra no nahafahan'ireo irany sy ny mpaminany ary ny Apôstôly nandray sy nihazona avy eo  nampita t@ olona, t@ fomba feno fahatokiana sy fahefana tanteraka izay nambaran'Atra azy ireo.

Rketo ao an-tsaina io and. voalaza to ambony io, indrindra fa ilay famaritana ny atao hoe " tsindrimandry" (inspiration)

Vak. Gen.2:7 sy Sal.33:6. Inona no zavatra hitanao fa mampiray ireo and. ireo? Inona no hafatra ampitain'izany amintsika ny fahefan'ny Baiboly?

 Ilay hery niasa t@ famoronana ka nampisy izao tontolo izao no mbola ilay hery niandohan'ny SM ihany oa. Mitoetra ao @ fahalalana izany fahamarinana mahatalanjona izany.

Fomba maro samihafa no nentin'i Tompo nampita ny teniny t@ ireo mpanoratra. Ankoatra ny fisehoany @ alalan'ny fahitan nofy, dia nampitainy t@ endriky ny fisehoana mivantana t@ alaln'ny anjely (Eks.3:2-7 ; Dan.8:15,16) na koa ny vavolombelona hita maso (1Jao.1:1-3) ny hafatra avy Aminy.

Tsy haintsika hoe fomba ahoana no nentin'Atra nifandray t@ ireo mpanoratra ny Baiboly, fa ny zavatra azo ambara dia tsy nampiasa ireny olona ireny toy ny fampiasa milina fanoratana akory Atra raha nanoratra ny hafatra avy Aminy izy ireo. Tsy nanosika azy ireo tahaka  ireny mitendry ny litera tsirairay @ milina fanoratana ireny tsy akory Izy mba hahatafita ny hafany. Samy manana ny fomba fanoratany ny mpanoratra tsirairay, ary hita izany fasamihafana izany ao anaty Baiboly iray manontolo. Ny hevi-dehibe tsara asongadina dia izao : tsy hevitr'izy ireo manokana ireny hafatra nosoratany ireny fa teny nambaran'Atra t@ ka nasainy noraiketina an-tsoratra. Hafatr'Atra ireny fa tsy an'ireo mpanoratra velively (2Sam.23:2 ; Amô.3:8)

Vokatr'ity fanambarana Masin'ny lanitra ity , dia izao koa no iantsoana ny Baiboly: " ny bokin'i Jehovah" (Isa.34:16) , " ny filazantsaran'Atra" (Rôm.1:1),  "ny teny marin'Arta" (Rôm.3:2), " ny teny tsaran'Atra" (Heb.6:5) ,ary ny "tenin'i Kristy" (Kôl.3:16) ny Baiboly.

Ampitahao ireo fomba fanoratra maro samihafa hita ao @ SM. Ohatra: ampitahao @ an'i Paoly ,ny an'i Jaona , ny an'i Isaia sy Mosesy , na koa ny an'i Isaia sy Jaona. Mazava aminao kokoa ny zavatra resahin'ny mpanoratra sasany noho ny hafa?Raha eny , inona no antony? 

Dia izao koa: inona no mety ho antony namelan'Atra ny fomba fanoratan'ny mpanoratra tsirairay avy ho hita ao @ Teniny?   


  INSPIRÉE DE DIEU

°°°°°°

Lisez 2 Tm. 3 :16. Qu'elles sont, d'après Paul, les origines et l'autorité des Ecritures ?

L'expression grecque pour " inspirée de Dieu ", dans 2 Tm. 3 :16 doit être prise au sens littéral. Elle indique clairement que les Ecritures ont leur source en Dieu. Dieu a permis à ses messagers, les prophètes et les apôtres, de saisir puis de communiquer ce qu'il leur révélait avec confiance et autorité.

En gardant à l'esprit le verset ci-dessus et notamment, la définition littérale de l' " inspiration ", lisez Gn. 2 :7 ; Ps. 33 :6. Qu'est-ce que ces textes ont en commun ? Quel message en retirer sur l'autorité de la Bible ?

L'énergie créatrice qui a fait exister le monde est celle-là même qui est à l'origine des Ecritures ! Réfléchissez aux implications de cette incroyable vérité.

Le Seigneur a communiqué sa parole de diverses manières. Outre le fait qu'il se soit révélé par des visions et des rêves, il a communiqué ses messages en se manifestant ouvertement (Ex. 3 :2-7), par l'intermédiaire d'un ange (Dn. 8 :15,16) ou de témoins oculaires (1 Jn. 1:1-3).

 

 

Indépendamment de la même manière dont Dieu entrait en contact avec eux, les auteurs bibliques n'écrivaient pas de façon automatique. Dieu ne se servait pas d'eux comme on enfonce les touches d'une machines à écrire pour produire un message. Les auteurs bibliques ont chacun leur style d'écriture. Cependant, ce sont les messages inspirées de Dieu qu'ils communiquent, et non leurs propres messages (2 S. 23 :2 ; Am. 3 :8).

 

 

En conséquence de cette révélation divine, la Bible est également appelée " le livre du SEGNEUR " (Es. 34:16), " la bonne nouvelle de Dieu " (Rm. 1 :1), " les oracles de Dieu " (Rm. 3 :2 BJ), " la bonne parole de Dieu " (He. 6 :5) et " la parole du Christ " (Col. 3 :16).

 

 

Comparez les différents styles que l'on trouve dans les Ecritures. Par exemple, comparez Paul et Jean, Esaïe et Moïse, Esaïe et Jean. L'un d'entre eux vous semble-t-il plus clair que les autres ? Dans l'affirmative, pourquoi ?

Pour quelle raison, vous semble-t-il, Dieu a-t-il laissé les auteurs faire apparaître leur style dans sa Parole ?

Talata 10-04-2007 : Ny fahitan'i kristy ny soratra masina

Indro aseho anareo anio ireo karazana fomba fijery ny SM, ny @ fahefana ananany, ny fahamarinany, ny anjara asany ,sns..

Ny mapalahelo dia maro @ ireo ao antin'ny fivavahana kristianina no tsy mahalala akory ny hevitry ny Baiboly sy ny kaeazana fahefana ananany, ary tsy maintsy ananany izany.

Fahefana inona àry izany fahefana ananan'ny Baiboly izany? Andeha isika ho eny @ ilay  Fahefana fara tampony, dia Jesôsy. Ahoana no fahitan'ny SM?

 Inona no ambaran'ireto toko sy and. ireto ny @ fomba nanehoan'i Kristy ny fahefan'ny SM?  Mat.21:42 ; Mat.22:29 ; Mat.26:54,56 ; Mar.12:36 ; Lio.4:21.

Toy inona izany fomba fijerin'i Jesosy ny SM izany, araka ny nambaran'ireo toko sy and. ireo? Tena feno fahatokiana sy fahefana! Nino ny tantaran'ny famoronana (Mar.10:6) , ny tantaran'i Noa sy ny safo-drano (Mat.24:37-39), ary koa ny tantaran'i Jona sy ilay trondro ngezabe (Mat12:39-41) i Jesosy. Niresaka ny @ famoronana ny mpivady voalohany koa i Jesosy (Mat. 19:4), ka nmpiasainy tao @ Mat.19:5 ny Gen.2:24 hiresahany ny mikasika ny tanjona ho an'ny fanambadiana hatrny am-piandohana.

Vak. Lio.24:25-27 sy Jao.10:35. Inona no ambaran'i kristy ny @ fanohanany sy fanekeny ny TT iray manontolo?

Noporofoin'i Kristy t@ fampiasainy ny SM ny iraka manokana nampanaovina Azy. "Raha mba nino an'i Mosesy hianreo, dia hino Ahy, nanoratra nilaza Ahy izy. Fa raha tsy nino izay nosoratany hianareo, hataonareo ahoana no fino ny Teniko? (Jao. 5:46,47). Taorian'ny nitsanganany t@ maty, teny an-dalana ho any Emaosy, dia nanambara ny SM jesosy ho entiny manazava ny maha-zava-dehibe ny asa nanirahana Azy.

"Dia nanomboka hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao @ SM rehetra" (Lio.24:27) Nampiasa ny SM foana i Jesosy nandritra ny fiainany manontolo teto an-tany; tenin'ny SM no niresahany; nampiely, nanandratra ary nanazava ny hevitry ny SM Izy. "I Jesosy no Ilay tena fanazavana ny hevitry ny SM"

Ny hafany no fanlahidy  entintsika mamoha  ny varavaran'ny fahalalana ny hevitry ny TT

Ohatra ho antsika eo @ fanazavana ny Baiboly ny fampiasan'i Kristy ny SM t@ andron'ny zanak'isiraely. Ny foto-kevitra izay natao ho tari-dalana ho natsika dia mifototra @ fahazoantsika antoka fa tonga t@ fahatanterahany tao @ Kristy ny asam-panavotana natao'Atra teo @ tantaran'ny zanak'Isiraely". 


 LES ECRITURES SELON LE CHRIST

°°°°°°°°°

Que disent les textes suivants sur la façon dont le Christ envisageait l'autorité des Ecritures ? Mt. 4:4-10 ; 21:42 ; 22:29 ; 26: 54, 56 ; Mc. 2:25 ; 12.36 ; Lc. 4.21.

Il y a aujourd'hui toutes sorte de point de vue sur les Ecritures, son autorité, sa valeur, son rôle, etc. malheureusement, un grand nombre de chrétiens n'accordent pas à la Bible l'autorité qu'elle devrait avoir. 
Mais de quelle autorité s'agit-il ? Allons donc voir du côté de l'Autorité ultime elle-même, Jésus. Quelle vision avait-il des écritures ?

Ce ne sont là que quelques textes parmi beaucoup d'autres révélant que Jésus considérait les Ecritures comme véridiques et source d'autorité. Jésus croyait en l'histoire de la création (Mc 10.6), de Noé et du déluge (Mt 24.37-39), de Jonas et du gros poisson (Mt 12:39-41). Il a également fait référence à la création du premier couple (Mt 19.4) et il a cité Gn 2.24 dans Mt 19.5, où il parle des objectifs premiers du mariage.

Lisez Lc. 24.25-27 ; Jn 10:35. Comment Jésus montre-t-il ici qu'il adhère à l'Ancien Testament dans sa totalité?

Jésus lui-même a authentifié sa mission en faisant appel aux Ecritures. " En effet, si vous croyez Moise, vous me croiriez aussi, car lui, c'est à mon sujet qu'il a écrit. Mais si vous ne croyez pas ses écrits, comment croirez-vous mes paroles ? " (Jn. 5:46, 47) Apres sa résurrection, sur la route d'Emmaüs, Jésus a cité les Ecritures pour souligner l'importance de son ministère. " Et, commençant par Moise et par tous les prophètes, il leur fit l'interprétation de ce qui, dans toutes les Écritures, le concernait. " (Lc. 24:27) Durant toute sa vie sur terre, Jésus s'est servi des Ecritures, les a citées, a souligne leur valeur, les a exaltées et interprétées. " Jésus est le véritable interprète des saintes Ecritures. Son message est la clef dont nous disposons pour décrypter le sens correct de l'Ancien Testament. […] la façon dont le christ utilise les Ecritures d'Israël doit nous servir de modèle pour interpréter la Bible. Notre principe directeur doit se fonder sur la conviction que l'activité rédemptrice de Dieu dans l'histoire d'Israël est parvenue à sa plénitude en Christ. " - Hans LARONDELLE, How to Understand the End-Time Propheties of the Bible, Fl., First Impressions, Sarasota, 1997, p. 13.

 

 

Alarobia 11-04-2007 : Ny apostoly sy ny soratra masina

Naneho fahatokiana tanteraka ny SM koa ireo mpanoratra ny TV

Vak. Jak. 2. Tamin'ny fomba ahoana no nanehoany ny finoany ny fahefan'ny TT?

Ao @ bokin'ny Rômanina ihany no ahitana fa nampiasa mivantana inefapolo mahery  ireo tenin'ny TT i Paoly t@ nanoratany io boky io, ka ireny teny sy filazan-javatra tao @  TT ireny no nentiny nandrafitra ireo  toko tao @ bokin'ny Rômanina . In-25 izy farafahakeliny no nampiasa teny avy tao @ bokin'i Isaia. Nanao toy izazny koa i petera tao @ boky nosoratany. Manana fanorenana matanjaka avy @ tenin'ny TT ny Epistily rehetra

Jereo koa mat.1:23 ; Mat. 3:3 ; Heb. 10:7 ; 1Jao.3:12

Nanaporofo tamintsika ny faharesen-dahatr'izy ireo ny @ fahefana ananan'ny SM ireo mpanoratra ny TV (Jak.1:5). T@ fananarany ny mpanankarena, araka ny hita ao @ Jak.1:11; dia nampiasa ny teny voasoratra ao @ Isa.40:6,7 sy Sal.103:15 i Jakôba.

 Ny Apostoly Petera koa dia  naneho ny fahatokiany ireo faminanian'ny TT t@ alalan'ity  teny ao @ 2Pet. 1:21 ity, izay notsindriny mafy mihintsy ny fahamarinany :" Fa tsy nisy faminaniana avy t@  sitrapon'ny olona tany aloha rehetra ,fa avy t@ Atra no nitenenan'ny olona araka izay nitindran'ny Fanahy masina azy"

Nindrana ny tenin'ny TT, ao @ Eks 12:5 izy raha nilaza  ao @ 1Pet. 1:19 fa ny ra soan'i Kristy no nanavotana antsika.

Raha niresaka momba ny filazantsara i Paoly ao @ Rôm 1:17, dia nampiasainy ilay foto-kevitry ny Filazantsara hita ao @ Hab.2:4 manao hoe :"Ny marina amin'ny finoana no ho velona" . Ny sal. 14:1-3 no nentin'ny Aôpstôly  nanohatra ny maha-mpanota ny olombelona araka ny famaritana nomeny ao @ Rôm 3:10-12. Izao no nambaran'i Paoly raha niresaka t@ ireo jiosy tany Rôma izy "marina izay nampilazan'ny FM an'Isaia mpaminany manao hoe (...)" (Asa. 28:25)

resy lahatra ireo Apôstôly fa Tenin'Arta ny Baiboly. Izao no nolazain'i Petera t@ andron'ny pentekôsta: "Tsy maintsy nontanterahina ilay tenin'ny SM nampilazain'ny FM rahateo an'i Daniela (...)" 'Asa.1:16) ?  Izao kosa indray no nolazain'i Paoly :" (...) satria rehfa nandray ny tenin'Atra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olona ,fa araka izay marina, dia ny tenin'Atra(...)" (1Tes.2:13)

 Hery manao ahoana eo @ fahaizana amam-pahalalana anananao no miasa hanohitra ny fahitanao ireo karazam-pahamarinana voarakitra ao @ SM, araka ny hita ao @ lesona androany?Ahoana no hamantaranao ireny hery manohitra ireny? Ary ny mbola zav-dehibe koa dia ity: Inona no azonao atao hiarovan-tena sy hiarovana ny hafa @ ireny hery manohitra ireny?


   LES APÔTRES ET LES ÉCRITURES

 °°°°°°°°°°

 

Lisez Jc. 2. Comment l'apôtre montre-t-il qu'il croit en l'autorité de l'Ancien Testament ?

Les auteurs du Nouveau Testament ont également montré qu'ils avaient pleinement confiance dans les Écritures.

Rien que dans l'Epitre au Romains, Paul cite plus de quarante fois l'Ancien Testament, faisant des citations ou des allusions sur lesquelles il construit certains de ses chapitres. Il cite Ésaïe au moins vingt-cinq fois. Pierre fait de même. Toutes ses lettres ont de solides fondements dans l'Ancien Testament. Voir aussi Mt. 1 :23 ; 3 :3 ; He 10 :7 ; Jn. 3 :12.

 

Qu'est-ce qui, dans votre culture, freine la confiance dans les Ecritures comme décrit dans les leçons d'hier et d'aujourd'hui ? Comment en prendre conscience ? Comment vous protéger, vous-même et autrui, de ces forces négatives ?

 

Les auteurs de Nouveau Testament nous assurent de leur conviction concernant l'autorité des Ecritures (Jn. 1 :21, 22). Dans les avertissements qu'il adresse aux riches, comme le rapporte Jc. 1.11, Jacques reprend Es 40 :6, 7 et Ps 103 :15. L'Apôtre Pierre exprime sa confiance dans les prophéties de l'Ancien Testament en des termes catégoriques dans 2 P. 1 :21. Il fait allusion à l'Ancien Testament (Ex. 12 :5) quand il dit dans 1 P. 1 :19 que nous sommes rachetés par le sang précieux du Christ.

 

Quand Paul parle de l'Evangile dans Rm 1 :16, il fait appel au principe qui sous-tend l'Evangile, cite dans Ha. 2 :4. Décrivant la nature pécheresse de l'être humain (Rm 3 :10-12), l'apôtre se réfère au Ps. 14 :1-3. Il s'adresse ainsi aux juifs de Rome : " L'Eprit saint à bien parlé à vos pères, par l'entremise du prophète Ésaïe " (Ac. 28 :25).

Les apôtres étaient profondément convaincus que les Ecritures étaient la parole de Dieu. A la Pentecôte, pierre a déclaré : " il fallait que soit accomplie l'Ecriture, dans laquelle l'Esprit saint, par la bouche de David, a parlé d'avance " (Ac. 1 :16). Paul a également dit : " En recevant la parole de Dieu que nous vous avons fait entendre, vous l'avez accueillie, non pas comme une parole humaine, mais comme ce qu'elle est vraiment : une parole de Dieu. " (1 Th. 2 :13)

 

Alakamisy 12-04-2007 : Firaisana eo anivon'ny fasamihafana

 Vakio : 2 Pet. 3:16. Inona no lazain'i Petera ho SM?

Ny fanambaran'i Petera ny amin'ny maha-SM ny hafatra nosoratan'i Paoly, no porofo miaza fa mitombina ny fanamarinan'ny Tesatamenta anankiroa, izay samy Tenin'Atra avokoa ( jereo koa 1Tes. 2:13)

Ary na dia nisy aza ireo fasamihafana be teo amin'ny  fototra niavian'ireo mpanoratra ny Baiboly sy ny fomba fiainan'izy ireo manokana, dia ho hita nisy firaisana kosa teo  amin'ny zavatra nosoratan'izy ireny na tao amin'ny  TT izany na tao amin'ny  TV

Fotoana lava be, efa an'arivo taona , vao nahavita fanoratana  ny TT . Taorian'izany dia nisy elanelam-potoana (teoamin'ny  500 taona teo) izay tsy nanoratana boky tao amin'ny  Baiboly mihintsy na iray aza, mandrapahatongan'ny fahaterahan'ny fiangonan'ny TV. Tao anatin'ny ampahany farany tamin'ny  taonjato voalohany taorian'i Kristy vao vita ny TV. Arivo taona  sy sasany mahery mihintsy  izany vao  vita ny fanoratana ny Baiboly.

 Vakio ireto : Lev.19:18 ; Deo. 6:5 ; Mat. 22:36-40 ; Jao. 13 :35 ; 1Kor.13. Inona  no lohahevi-dehibe iraisan'izy ireo avy?

Anisan'ny porofo iray lehibe izay lazaina fa voakarakara teo ambany fitarihan'Atra ny Baiboly dia ny maha-iray azy. Na dia toerana maro samihafa aza no niavian'ireo mpanoratra ny Baiboly, ary na dia samy manana ny fomba fiainany manokana tany aza izy ireo, dia tanjona  iray kosa no mamehy ny Baiboly iray manontolo. Karazan'olona maro toy ny manjaka, praiministra, mpiandry ondry, mpanarato, mpaminany, mpisorona, mpamory hetra, mpitsabo sy ny hafa koa izay samy manana ny asa nanavanana azy avy no nanoratra ny Baiboly, kanefa dia Atra iray ihany no nambaran'izy ireo tao amin'ny  zavatra nosoratany.

Misy amin'ny  ireo boky ao amin'ny  Baiboly no milaza tantara, ny sasany milaza faminaniana. Ny mpanoratra sasany indray nanoratra tamin'ny  endrika tononkalo; lahateny tsotra kosa ny an'ny mpanoratra hafa.Misy ireo boky izay mitanatara ny dia izay antaon'ireo Misiônera sy ny asa notanterahan'izy ireny, ny sasany kosa indray dia mirakitra ireo taratasy nalefa ho an'ny fiangonana na koa an'olo-tokana. fa samy miresaka ny amin'ny  ilay Atra Mpiahy sady be fitiavana  ny boky tsirairay avy, samy manome fahalalana ho antsika  mikasika ny drafi-panavotana izy ireny, ary samy manandratra avo ny fahamarinana avokoa . Samy manamabara koa izy ireo  fa miandry sy manantena fatratra  ilay valisoa maharitra mandrakizay.

Tsy zavatra kisendrasendra izany fa maneho amintsika fa fototra iray ihany no nipoiran'ny tsindrimandry izay nampanoratra ireo mpanoratra ny Baiboly rehetra ireo

Inona no lohahevitra ao amin'ny SM tena ankafizinao? Inona no tena manohina ny fonao indrindra amin'ny  izany? Avadibadiho ny Baibolinao ka mijere na ao amin'ny  TT na ao amin'ny  TV andininy vitsivitsy mifandraika amin'ny  izany lohahevitra izany, dia ento amin'ny  kilasinao amin'ny  Sabata


 

 

UNITÉ ET DIVERSITÉ

 

°°°°°°°

 

Lisez 2 P. 3 :16. À quel aspect des Ecritures Pierre se réfère-t-il ?

 

Pierre se référant aux écrits de Paul comme faisant partie des Ecritures, nous avons là une preuve interne de l'authenticité des deux Testaments. Tous deux sont considérés comme étant la Parole de Dieu. Voir aussi 1 Th. 2 :13. Malgré de vastes différences quand au contexte et aux auteurs de la Bible, on trouve néanmoins une incroyable unité d'un Testament à l'autre.

 

 

Les écrits de l'Ancien Testament s'étendent sur un millier d'années. Pendant environ cinq cents ans, aucun livre biblique n'a été rédigé, du moins, pas avant la naissance de l'Eglise du Nouveau Testament. Les livres de ce dernier ont et commencés et achevés dans la deuxième moitie du premier siècle après J.-C. ainsi, il a fallu plus d'un millénaire et demi pour terminer la Bible.

 

Lisez les textes suivants : Lv. 19 :18 ; Dt. 6 :5 ; Mt. 22 :36-40 ; Jn. 13 :35 ; 1 Co. 13. Quel grand thème unificateur apparaît-il ici ?

 

L'une des plus grandes preuves que la Bible a été écrite sous la direction de Dieu est son unité. Alors que ses auteurs étaient issus de milieu divers, son contenu ne comporte qu'un seul objectif, prédominant. La Bible a été rédigée par des rois, un premier ministre, des bergers, des pêcheurs, des prophètes, des prêtres, un publicain, un médecin et beaucoup d'autres personnes aux activités diverses, mais tous n'ont fait que parler de Dieu. Certains auteurs ont écrit de la poésie, d'autre de la prose. Certains livres sont des rapports missionnaires, d'autres des lettres adressées aux églises ou de la correspondance personnelle. Pourtant chacun d'eux parle du même Dieu aimant et attentif, chacun nous informe du même plan du salut, chacun exalte le même idéal de justice. Tous espèrent en la même récompense éternelle. Ce n'est pas une simple coïncidence. Cela montre que les auteurs bibliques avaient une seule Source d'inspiration.

Quel thème commun à l'ensemble des Ecritures préférez-vous ? Lequel parle plus particulièrement à votre cœur ? Parcourez quelques-uns des livres de l'Ancien en recherchant des versets parlant de ce thème commun. Apportez-les à l'Ecole du sabbat.

 

 

 

Zoma 13-04-2007 : Fianarana fanampiny

Vakio :SDAB ," The word of God ",tt 4-5; SIM,b.1, " The inspiration of the Prophetic writers" tt.15-23; SIM,b.3; " The Primacy of the word " tt.29-33.

"Tsy ny fomba fisainan'Atra na ny famoahan-keviny tsy akory nonentina nanoratra ny Baiboly fa olona nahazo tsindrimandry avy aminy no nanoratra azy. Araka ny maha-olombelona (...) Tsy ny penin'Atra tsy akory no nanoratra ny Baiboly fa ireo mpanoratra ireo no nataony penina hanoratana  ny teniny. Diniho ange ireo mpanoratra ireo e!  Tsy ny tenin'ny Baiboly tsy akory no voatsindry mandry fa ireo olona ireo mihintsy. Tsy t@ teny nosoratan'izy ireo na t@ famoahan-keviny akory no niasan'ny tsindrimandry, fa t@ tenan'izy tsirairay avy mihintsy, izy nahazo tolo-tsaina feno teo ambany fitarihan'ny FM, saingy nandray ny mariky ny saina aman'eritreritry ny tsirairay avy kosa ireny teny ireny; Niely kosa ny sain'Atra; nikambana t@ saina sy ny sitrapon'Atra ny saina sy ny sitrapon'olombelona; araka izany, ny zavatra mabaran'ny olona dia ny tenin'Atra

 " Manondro an'Atra ho mpanoratra azy ny Baiboly kanefa nosoratan'ny tanan'olombelona izany; ary asehon'ny fomba fanoratra isan-karazany hita ao @ ireo boky samihafa ny toetra manokana mampiavaka ireo mpanoratra maro" HM  t.10

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA

1- Zarao eo @ kilasinao ny valin'ny fanontaniana nomenao tao @ lesona Alakamisy.

2-Inona koa ireo loharanom-pahefana hafa izay mety hifaninana @ Baiboly? Fariparito izy ireny (Oh: ny governemanta , ny haino aman-jery, ny siansa , ny kolon-tsina, sns..., rehefa izany dia resaho eo @ kilasinao ny @ izay zavatra azonao atao hampifandanjana ireny loharanom-pahefana  ireny@ Baiboly , sady hanekenao koa etsy andaniny fa ny Baiboly no fahefan farany eo @  fiainanao.

3- Tsy azo lavina fa misy zavatra  sasantsasany izay sarom-pantarina ao @ SM . Nahoana isika no tsy tokony ho taitra na gaga raha misy manao hoe: inona no ambaran'io toko io ary miompana @ inona ireo laha-kevitra hita ao aminy?

4- Inona no azonareo atao hanmpiana @ fihazonana ny finoanareo fa Tenin'Atra tokoa ny SM na dia eo aza ireo zavatra saro-patarina ao aminy? 


 A LIRE:

1. Ce que croient les adventistes, " les Saintes Ecritures ", p. 12-23 ;

2. Ellen WHITE,

v      Messages choisis, vol. 1, " L'inspiration des prophètes écrivains ", p. 17-26 :

v      Selected Messages, vol. 3,The primacy of the world ", p. 29-33.

" Ce ne sont pas les mots de la Bible qui sont inspirés, ce sont les hommes. L'inspiration agit non pas sur les mots ou les expressions, mais sur l'auteur lui-même, à qui le Saint-Esprit communique des pensées […] si bien que les déclarations de l'homme sont la parole de Dieu. "- Ellen WHITE, Messages choisis, vol. 1, p. 24.

" la Bible attribue son existence à Dieu ; et pourtant, elle a été écrite par des hommes. En effet, le style de ses différents livres trahit la personnalité de divers écrivains. " –

Ellen WHITE, La tragédie des siècles, " Introduction ", p. 10.

A MEDITER

1. Que les membres de l'école du sabbat partagent leurs réponses la question du jeudi.

 

2. Quelles autorités peuvent-elles entrer en compétition avec la Bible ? (le gouvernement, les medias, la science, la culture, etc.) que les membres de la classe discutent des façons d'observer, entre la Bible et ces autorités, une attitude équilibrée tout en considérant les Ecritures comme l'autorité ultime dans leur vie.

 

3.  Nul doute que certains passages des Ecritures sont difficiles à comprendre. Cela n'est pas surprenant quand on réfléchit aux thèmes traites. Comment vous aider les uns les autres à conserver votre foi dans les Ecritures, en tant que Parole de Dieu, malgré les passages difficiles à comprendre ?

 

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006