MITOETRA HO ANTON-JAVATRA GOAVANA SY MANAN-KERY HATRANY NY FAMINANIAN'NY BAIBOLY HO FANAMPIANA ANTSIKA AMIN'NY FAMPIORENANA NY FINOANA.
Isan-taona isan-taona dia mila hevitra amin'ny manam-pahaizana foana ny olona ny amin'ny fomba tokony hampiasana ny tahiry (na entana io na vola, sns). Azon'ny manam-pahaizana atao tokoa ny manambara zavatra marobe mikasika ny tahiry amin'ny farany, ata-tsy zavatra anankiray ihany izay irin'ny olona ho fantatra, dia ny hoe: hanaovana inona ny tahiry amin'ny hoavy?
Andriamanitra kosa anefa dia mahalala tsara ny hoavy. Noporofoiny tamintsika izany, tamin'ny alalan'ny faminaniana ao amin'ny Baiboly. Ny ankamaron'izy ireny aza dia efa voasoratra talohan'ny fotoana nilazana azy fa mbola hiseho any aoriana any. Ary tena marina fa ireo izay efa tanteraka dia niseho araka izay nilazan'ny Tompo azy tokoa tao amin'ny faminaniana. Fantatsika izany satria amin'izao fotoana izao raha manao jery todika ny tantara efa niseho isika dia mahita ny fahamarinany ao amin'ny Baiboly, ary dia porofointsika fa marina ny voalazan'ny Baiboly mikasika azy ireny. «Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin 'ny mpaminany mpanompony» (Amô. 3:7).
Ny fahitantsika fa marina tsy azo lavina ireny faminaniana efa tanteraka tamin'ny lasa ireny dia ampy hitokiantsika ny Tompo ny amin'ireo faminaniana mbola hiseho amin'ny hoavy; anisan'izany ilay faminaniana lehibe indrindra.
Amin'ity herinandro ity isika dia hijery ireo faminaniana lehibe ao amin'ny SM. Inona no lesona azontsika hianarana avy amin'izy ireny? Inona no foto-kevitra ao ambadiky ny faminaniana? Fomba ahoana no hanampian'ny faminaniana antsika mba hahatonga antsiaka hatoky ny Baiboly amin'ny maha-tenin'Andriamanitra azy marina?
|
Etude de la semaine : Es. 52:13 à 53:12; Dn.2; Mt.24:24; Jn. 13:19. Versets à mémoriser : "Souvenez-vous du lointain passé; car je suis Dieu,et il n'y en a pas d'autre, je suis Dieu et rien n'est semblable à moi , J'annonce dès le commencement ce quivient par la suite et dès le temps jadis ce quin'est pas encore fait.Je dis:Mes projets se réaliseront, et je ferai tout ce que je désire.( Es. 46:9,10) " Pensée centrale: La prophétie biblique n'a cessé d'être un puissant facteur de foi.
|
Tous les ans, des personnes recherchent l'avis d'experts pour savoir comment les diverses actions en bourses vont se comporter. En fait, ces experts vont leur fournir toutes les informations nécessaires sauf celle que tous désirent savoir; comment elles se comporteront à l'avenir.
Dieu, pourtant,connaît l'avenir. Il nous l'a prouvé maintes fois à l'aide d'incroyables prophéties bibliques. Un grand nombre d'entre elles ont été écrites bien avant les événements prédits. Et certes, de manières répétée, ces évènements se sont produits exactement comme l'avait annoncé le Seigneur dans la prophétie. Il nous est possible de le constater, car aujourd'hui, en revoyant l'histoire et les prédictions bibliques, nous voyons que celles-ci se sont réalisées. " Aisi le Seigneur DIEU ne fait rien sans avoir rêvélé ses secrets à ses serviteurs, les prophètes." ( Am.3:7)
Ces prédictions sont d'une telle exactitude que nous pouvons faire confiance au Seigneur pour les prophéties encore non réalisées, notament, la plus grande de toutes: Le retour de Jésus.
Nous examinerons cette semaine certaines des grandes prophéties des Écritures. Que nous enseignent-elles? Quel est le principe qui les sous-tend? En quoi nous apprènnent-elles à croire en la Bible en tant que Parole de Dieu?
Ny matoanteny hoe: «naba» amin'ny teny hebreo dia midika hoe: «maminany».
lo no nisintonana hevitra nentina nilazana olona iray manambara zavatra mialoha, ka miteny amin-kafanam-po sy amin'ny fomba mahagaga tsy takatry ny saina (olona nahazo tsindrimandry izany). Ny teny hoe: «nabi» dia midika hoe: mpitondra teny, mpaminany, olona nomena fahefana hiteny sy hampita hafatra amin'olon-kafa. (Jereo Eks, 6:28-30; Eks. 7:1). Anisan'ny teny ampiasaina ao amin'ny Baiboly koa ny hoe «mpahita» izay entina ilazana olona manana fanomezam-pahasoavana maminany. Teny hebreo roa samy hafa no nandikàna io hoe: «mpahita» (voyant) io saingy samy «mahita» (voir) no hevitr'izy roa ireo.
Ny mpaminany dia toy ny hoe olona nomena fahaizana manokana haminany ireo zavatra mety tsy ho hitan'ny sarambabem-bahoaka. Araka izany, tsy hoe mahita ny zavatra mety tsy ho hitan'ny hafa fotsiny ny mpaminany, fa olona nantsoin'Andriamanitra manokana mihitsy hanambara ireny zavatra ireny, izay mazàna amin-kafanam-po sy amin-kery ary amim-pahasahianatanteraka.
Vakio Mat. 24:24. Inona no fampitandremana mikasika ny mpaminany izay nataon'i Jesôsy eto? Inona no hevitra fonosin'ireny teny ireny?
Ny fampitandreman'i Jesôsy mikasika ny mpaminany sandoka dia azo hisintonana ny hevitra manao hoe: raha hisy ny mpaminany sandoka dia tsy maintsy hisy koa ny mpaminany marina. Manaraka izay, raha toa ka lavintsika daholo ny mpaminany rehetra - izany hoe lavintsika tanteraka ny fanomezam-pahasoavana maminany, dia tsy misy antony ilantsika fampitandremana mikasika ireo mpaminany sandoka.
Vakio Mat. 24:32,33 sy Jao. 13:19. Inona no foto-kevitra ambara eto izay miompana indrindra amin'ny tokony ho fomba fiasan'ny faminaniana?
Nasehon'i Jesôsy tamin'ny alalan'ireo andininy ireo fa tsy natao hampahafantatra antsika ny zavatra ho avy fotsiny tsy akory ny faminaniana, fa nomena ihany koa izy ireny mba hampahatanjaka ny finoantsika an'Anclriamanitra sy ny teniny rehefa miseho fokoa ilay toe-javatra. Arakaraka ny ahitantsika ireo faminaniana tanteraka no mahatonga antsika hino bebe kokoa hatrany fa avy amin'i Jehovah ny Baiboly.
Maro karazana ny faminaniana. Misy amin'izy ireny no natao ho fanambarana ny fiavian'ny Mesia, dia i Jesôsy Kristy Tompo. Ny sasany indray miompana amin'ny hoavin'ny firenen'i Israely sy ireo firenena maro hafa koa, ny hafa kosa miresaka ny amin'ny fiafaran'izao tontolo izao sy ny fiainana ankoatra ny eto an-tany.
Saintsaino ny amin'ny anjara asan'ny faminaniana eo amin'ny fiarahanao manokana amin'ny Tompo. Inona no lesona azonao nianarana avy amin'ny faminaniana?
Inona no teny fananarana na fampitandremana azonao omena ny olona vao niova ho Kristianina, na koa ny olona sambany nianatra ny amin'ny faminaniana, raha ity fanomezam-pahasoavana rnahafinaritra iray ity no asiana resaka?
DES PROPHÉTIES ACCRÉDITÉES
°°°°°°°
En hébreu, le verbe naba signifie «prophétiser», Il évoque la personne qui parle avec ferveur ou inspiration. Le nom nabi désigne le porte-parole, le prophète, la personne autorisée à parler au nom d'une autre. Voir Ex 6.28-30; 7.1. «Voyant» est un autre mots utilisé dans la Bible pour désigner quelqu'un possédant le don prophétique. Il traduit deux termes hébreux différents, ayant chacun le sens de «voir». Les prophètes, semble-t-il, ont reçu la capacité de pvophétiser concernant des événements que les gens ordinaires ne peuvent voir. Ainsi, non seulement les prophètes voient des choses que d'autres ne voient sans doute pas, mais en général, Dieu les appelle à en parler avec ferveur et puissance.
Lisez Mt 24:24. Quel avertissement Jésus donne-t-il su sujet des prophè-tes? Qu'impliquent ces paroles?
L'avertissement de Jésus concernant les faux prophètes indique qu'il en existe aussi des vrais. En effet, s'il fallait rejeter tous les prophètes — c'est-à-dire, rejeter complètement ce don — cet avertissement au sujet des faux n'aurait pas été nécessaire.
Lisez Mt 24: 32.33 ; Jn 13:19. Quel principe ces textes nous révèlent-ils sur la façon dont fonctionne la prophétie
Par ces versets, Jésus nous montre que la prophétie ne se limite pas simplement à connaître l'avenir. Elle nous est aussi donnée pour fortifier notre foi en Dieu et en sa Parole après que les événements sont arrivés. Constater qu'une prophétie se réalise nous amène encore davantage à croire que la Bible vient du Seigneur.
Il existe diverses sortes de prophéties. Les unes annoncent la proche venue d'un Messie, le Seigneur Jésus-Christ. D'autres traitent de l'avenir des Israélites et de différentes nations, d'autres encore de la fin du monde et même du monde à venir.
Réfléchissez au rôle joué par la prophétie au cours de votre propre cheminement avec le Seigneur. Quelles leçons avez-vous apprises à ce sujet avec le temps? Quels conseils ou quelles paroles d'avertissement donneriez-vous au sujet de ce don magnifique à un chrétien récemment baptisé ou à quelqu'un étudiant la prophétie pour la première fois.
Manomboka amin'ny boky voalohany indrindra ao amin'ny Baiboly, dia ny Genesisy izany, dia hitantsika fa mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny tantaran'ny asa izay tanterahin'Andriamanitra ho an'ny taranak'olombelona lavo, ny faminaniana.
Diniho ireto toko sy andininy ireto: Gen. 18:10; Gen. 3:15; Gen. 6:13; Gen. 12:1-3; Gen. 15:13-14. Inona no faminaniana nambara tamin'izany? Oviana no tanteraka ireny faminaniana ireny, ary tamin'ny fomba ahoana no nahatanterahany?
Mora ho antsika miaina amin'izao vanin'andro izao ny manao jery todika amin'ireny tantara tamin'ny lasa ireny ka mahita fa tanteraka araka izay nilazana azy marina ny faminaniana. Fa mba mipetraha ange ianareo eo amin'ny toeran'i Nôà e! Nilaza taminy Andriamanitra tamin'izany fotoana izany fa halefany hanafotra ny tany ny rano avy eny an-danitra; ary nambaran'i EGW fa tsy mbola nisy orana niraraka mihitsy tety an-tany tamin'izany! (jereo PM, tt. 79-81). Dia mba hevero koa ny an'i Abrahàma sy Saràha, rehefa nilazana i Saràha fa ho lasa reny izy indray andro any, kanefa efa nihoatra lavitra ny fotoana nahafahany niteraka ny taonany. Hita fa tena fisedrana goavana ny finoan'izy ireo mihitsy izany (Heb. 11:7-11) hijerena ny fahatokiany an'Andriamanitra ny amin'ireo toe-javatra izay nambarany fa tsy maintsy ho avy.
Inona ireo teny fikasan'Andriamanitra izay tianap ho hita ny fahatanterahany? Inona ireo lesona azonao ianarana avy amin'ny ohatr'ireny olona taloha voalazan'ny Baiboly ireny, izay natoky ny teny fikasan'Andriamanitra, mba hahatonga anao hatoky Azy ihany koa?
LES PREMIÈRES PROPHÉTIES
°°°°°°°°°°
« Croyez à l'Éternel, votre Dieu, et vous serez affermis; croyez ses prophètes, et vous prospérerez. » (2 Ch 20:20, Darby)
Dès le premier livre de la Bible, la Genèse, nous voyons que la prophétie joue un rôle imposant dans l'histoire de l'œuvre accomplie par Dieu envers l'humanité déchue.
Recherchez les textes suivants. Quelles prophéties contiennent-ils? Comment et quand se sont-elles accomplies? Gn 3:15; Gn 6.13; Gn 12.1-3 Gn 15.13,14; Gn 18.10
Il nous est facile, en regardant en arrière, de constater avec quelle exactitude ces prophéties se sont réalisées. Mais mettez-vous à la place de Noé, par exemple, à qui Dieu a annoncé que de l'eau se déverserait du ciel et effacerait toute vie sur terre.
Alors qu’il n’y avait jamais eu de pluie jusqu’alors d’après Ellen White ! (Partriarches et prophètes, "Le déluge», p. 71.) Ou bien mettez-vous à la place d'Abraham et de Sara apprenant que celle-ci serait la mère de leur enfant alors qu'elle n'était plus en âge d'enfanter depuis longtemps. Faire confiance à Dieu qui leur annonçait de tels événements était certes pour eux une grande épreuve de foi (He 11 :7-11).
Quelles promesses divines espérez-vous voir se réaliser? Quelles leçons enseignées par l'exempte de personnages bibliques ayant cru dans les promesses de Dieu vous aident-elles à lui faire également confiance?
Manohana ny fahamarinan'ity faminaniana mahatalanjona ity ny antaran'izao tontolo izao. Ny fanjakana volamena Babiiônianina no nifehy ny :ontolo nanomboka tamin'ny taona 605 ka hatramin'ny taona 539 TLK.
Niely patrana tokoa ny herin'ny fanjakan'i Babilôna, ary tena lanjakazaka mihitsy izy tamin'ny faritr'i Proche Orient taloha iny. Any Iraq '112 km atsimon'i Bagdad) ankehitriny no misy ireo ambin-javatra hany sisa :avela tamin'ny faharavan'ny tanànan'i Babilôna. Ka tsy ny faharavan'i Babilôna ihany tsy akory no nolazain'ny faminanian'ny Baiboly (Jer. 51:49,53), fa nambarany mazava tsara koa ny olona hitarika ny fanafihana lay tanàna (Isa. 45:1-4). Tonga teo am-bavahadin'i Babilôna i Kirosy sy ny afiny, 175 taona taty aûrian'ny nanomezana ilay faminaniana.
Teo ambany fanapahan'ny fanjakana Medianina sy Persianina indray ny nntolo nanomboka tamin'ny taona 539 ka hatramin'ny taona 331 TIK. Izao anefa no nambaran'Andriamanitra ao amin'ny Dan. 2:39. «(...) ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin'ny 'any rehetra.» Nanazava i Daniela ao amin'ny Dan. 8:21 fa i Grisia io 'anjakana fahatelo io. Tao anatin'ny fotoana fohy monja dia nahavita namabo iy tontolo ny tafika grika izay notarihin'i Alexandre Lehibe. Fiarovan-doha sy larovan-tratra varahina no nanaovan'ny miaramila tamin'izany sady milanja ampinga sy sabatra varahina ihany koa ry zareo. Tena sary ara-tandindona lety nanehoana ny fanjakan'i Grisia ny varahina.
Notafihin'ny fanjakana vy (Rôma) indray ny fanjakana grika tamin'ny :aona 168 TIK; fahatanterahan'ny faminaniana anankiray koa io. I Rôma no lanjaka tao anatin'ny fôtoana lava indrindra raha mitaha amin'ireo fahefana tafa nifandimby nanapaka ny tany. Naharitra dimanjato taona mahery izany anjakan'i Rôma izany, ka faritra midadasika be tokoa no teo ambany fanapaha.ny; nanomboka tamin'ireo Nosy Sritanika mandra-pahatonga tany amin'ny helodranon'i Arabia; avy teo amin'ny ranomasinana avaratra ka tonga hatrany Sahara, ary niainga teo amin'ny faraitr'i Atlantika iny ka mipaka hatrany Eofrata. Izao anefa no nolazain'i Daniela: «Mizarazara ny fanjakana1» (Dan. 2:41).
Dia nizarazara ho fanjakana kely be dia be i Rôma, izay nanjary firenen i Eofrata môderina taty aoriana, firenena tsy afaka hitambatra velively toy ny tsy fetezan'ny vy rniharo amin'ny tanimanga (and. 43). Ao amin'ny vanim-potoan'ilay tongotra sy rantsan-tongotra amin'ilay sariolona iny mihitsy no misy antsika ankehitriny.
Ny fanjakana farany izay ho avy kosa dia ny fanjakan'Andriamanitra izay haharitra mandrakizay. Marina avokoa ny fanarnbaran'i Daniela tamin'ireo fanjakana rehetra nifandimby ireo, koa hadalana ny tsy matoky izay voalaza mikasika ity fanjakana farany mbola ho avy ity!
Saintsaino ny amin'ity faminaniana mahatalanjona ity: I Daniela izay velona tany amin'ny dimanjato taona mahery talohan'i Kiisty tany no nanambara sy namariparitra izany firenenan'i Eorôpa izany, nefa dia ny firenen'i Eorôpa misy amin'izao vaninandro iainantsika izao mihitsy no nambarany tamin'izany fotoana izany. Fomba ahoana àry hoy ianao no nahavitany nanao izany ankoatra ny herin'Andriamanitra? Mafy orina ve sa mitsingilahila ny finoanao? Tojo olana ve na zava-manahirana ianao indraindray eo amin'ny fatokianao ny Tornpo? Itodiho indray ity faminaniana ity na ireo faminaniana hafa efa tanteraka, dia angataho ny Tompo hampiasa azy ireny ho fitaovana enti-manorina ny finoanao!
LA PROPHÉTIE DE DANIEL 2
Revoyez la prophétie de Dn 2. Qu'enseigne-t-elle sur le pouvoir de prédiction divin ?
L´histoire du monde révèle l´exactitude de cette étonnante prophétie. Le royaume d´or de Babylone a régné sur le monde de 605 à 539 Av. J.C. Son influence s'est énormément étendue et elle est devenue la première puissance de l´antique proche orient. Les ruines de la ville de Babylone se trouvent aujourd'hui en Iraq, à 110 Kilomètres de Bagdad. La Bible a non seulement prédit la chute de Babylone (Jérémie 51 :49-53) mais elle a clairement précisé qui conduirait la campagne contre cette ville (Es 45 :1-4). Cyrus et son armée se sont trouvés devant les grilles de Babylone environ 165 ans après cette prophétie. Les Mèdes et les Perses ont régné ensuite sur le monde de 539 à 331 av. J.C. Or Dieu a déclaré dans Dn 2 :39 : " Un troisième royaume, qui sera de bronze, […] dominera sur toute la terre. " Il est clairement dit dans Dn 8 :21 que la Grèce serait ce troisième royaume. En peu de temps, les armées grecques, conduites par Alexandre le Grand, ont conquis le monde, vêtus de cuirasses et de casques de bronze, ils portaient des boucliers et des épées de bronze, symbole on ne peut plus adéquat pour la Grèce !
L´empire grec a ensuite été conquis par la monarchie de fer de Rome en 168 av. J.C., nouvel accomplissement tragique de la prophétie. Rome a régné plus longtemps que toute autre puissance mondiale, pendant plus de cinq cents ans. Elle a étendu sa domination du Royaume Uni au golfe persique, de la mer du Nord au Sahara, de l´Atlantique a L´Euphrate. Mais, comme il est déclaré dans Daniel : " Ce royaume sera divisé " (Dn 2 :41) .Rome s´est scindée en royaumes indépendants qui sont devenus les pays européens actuels, pays qui ne s'attacheront pas l'un à l'autre, de même que le fer ne se mêle pas à l'argile, (Dn 2 :43). Nous vivons aujourd'hui à l'époque décrite par les doigts de pieds de la statue.
Le prochain royaume à venir est le dernier, le royaume éternel de Dieu. Daniel ne s´est pas trompé sur les précédents: il serait insensé de ne pas le croire au sujet de ce dernier royaume !
Réfléchissez à cette étonnante prophétie: Daniel, vivant plus de cinq cents ans avant le Christ, a décrit l'Europe telle qu'elle existe aujourd'hui !
Comment l’aurait-il fait sinon avec la puissance de Dieu ? Votre foi vacille-t-elle ? Avez-vous parfois du mal à placer votre confiance dans le seigneur ? Revoyez cette prophétie ou d'autres qui se sont accomplis en demandant au Seigneur de les utiliser pour fortifier votre foi.
Vakio Isa. 52:13-53:12. Inona no fanambarana ny amin'ny maha-Mesia hitanao eto? Fomba ahoana no nahatanterahan'i Jesôsy azy ireny?
Anisan'ny fanambarana ara-paminaniana lehibe indrindra ao amin'ny Baiboly ity faminaniana momba ny Mesia ity. Feno fisehoan-javatra tsy nampoizina izy ity, izay tsy azo nomanina mba hitranga mialoha ho fiezahana hanafaingana ny fahatanterahan'ilay faminaniana..Efa porofo tsy azo lavina ary mbola ho porofo manan-kery hatrany ho an'ny finoan'ny Krlstianina ity faminaniana ity.
Indro omena anareo eto ambany faminaniana vitsivitsy mikasika an'i Jesôsy, ao amin'ny TT, sy ny fahatanterahany avy ao amin'ny TV. Inona no lesona azontsika hianarana avy amin'izy ireny mikasika ny ahatokian'ny tenin'Andriamanitra (marina, tsy miova, maharitra Tiandrakizay)?
|
TT: NY FAMINANIANA |
TV : NY FANATANTERAHANA |
|
|
Zava-mahaliana sady mampahazoto ny mianatra ny fomba nanoharan'i Jesôsy ny tenenany tao amin'ireny fanambarana ara-paminaniana ireny, sy ny fahatanterahan'ny faminaniana taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty, Miresaka tamina mpianatra roa lahy Izy tamin'izay, raha teny an-dalana ho any Emaosy: «Moa tsy tokony hiaritra izany va Kristy ka hiditra any amin 'ny voninahiny? Dia nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny Mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin'ny- Soratra Màsina rehetra» (Lio. 24:26-27). Tafiditra ao amin'izany teny milaza Azy izany ny fahaterahany (Isa. 7:14), ny asa nanirahana Azy (Isa. 9:1-2), ny fanaovana tsinontsinona sy ny fandavan'ny olona Azy (Isa. 53:3) ny namantsihana ny tongotra aman-tanany (Sal, 22:16), ny nandakan'ny olona sy nanevatevan'ny vahoaka Azy (Sal. 22:6-8), ny nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana niaraka tamin'ny mpanota (Isa. 53:12), ny nahafatesany, ary ny fitsanganany tamin'ny maty (Sal. 16:10).
Noho ny zava-bitan'i Jesôsy ho fanatanterahana ireny faminaniana ireny dia azonao atao ny mijoro eo anatrehan'Andriamanitra izao, mijoro fa efa voavela heloka, tsy hijerena ny lasanao intsony, amin'ny fanehoanao ny asa notanterahin'i Jesôsy teo amin'ny fiainanao. Ahoana no hanovan'ity fahamarinana lehibe ity, dia ny famonjena amin'ny finoana, ny fiainanao? Inona koa ireo fiovana hafa ilaina ho hita eo amin'ny fiainantsika?
LA MESSIE DANS LA PROPHETIE
°°°°°°°°°°
De toutes les prophéties de l'Ancien Testament, celles concernant la première venue de Jésus sont parmi les plus puissantes. Il y en a environ soixante concernant la venue du Messie. C'est dans Esaïe que l'on trouve la plus étonnante.
On trouve dans toute l'Ancien Testament les exemples prophétiques les plus extraordinaires de la Bible. Ils s'accompagnent de détails qui ne pouvaient être truqués par avance pour en provoquer la réalisation. Ces prophéties ont représenté et représentent toujours les preuves les plus solides de la foi chrétienne.
| Prophéties de l'Ancien Testament | Prophéties accomplies du Nouveau Testament |
|
|
Lisez Esaïe 52 :13 et 53 :12. Quels traits de caractère propres au Messie voyez-vous ici ? En quoi Jésus les a-t-il révélés ?
Voyez ci-dessous quelques prophéties de l'Ancien Testament sur Jésus et leur réalisation dans le Nouveau Testament. Que nous apprennent-elles sur la fiabilité de la Parole de Dieu ?
Grace à la façon dont Jésus a réalisé ces prophéties, vous avez la possibilité de vous tenir devant Dieu dès à présent en étant pardonné, quelque soit votre passé, en vous réclamant simplement dans son œuvre en votre faveur. Cette grande vérité, celle du salut par la foi, ne transforme-t-elle pas votre vie ? Ne l'a-t-elle pas déjà changée ? Quels autres changements devraient également se produire ?
Il est également fascinant de voir comment Jésus se réfère aux prophéties qui le concernent, ainsi qu'à leur accomplissement, après sa résurrection. Il dit à deux de ses disciples, sur la route d'Emmaüs : " Le Christ ne devait-il pas souffrir de la sorte pour entrer dans sa gloire ? Et, commençant par Moise et par tous les prophètes, il leur fit l'interprétation de ce qui, dans les Ecritures, le concernait " (Lc. 24.26, 27), c'est-à-dire, sans doute, sa naissance (Es 7 :14), son ministère (Es 8 :23 ; 9.1), son rejet (Es 53 :3), ses mains et ses pieds percés (Ps 22 :17), les moqueries et les insultes subies (Ps 22 :7-9), sa crucifixion avec des pécheurs (Es 53 :12) et sa résurrection (Ps16 :10).
Hitantsika nandritra ny lesona tamin'ity herinandro ity fa maro tamin'ireo faminaniana mikasika ireo toe-javatra tamin'ny lasa no efa tanteraka, araka ny fanambarana azy mihitsy, ary tamin'ny fomba mahagaga mazàna no itrangan'izy ireny. Faminaniana efa tanteraka tany aloha tany avokoa ireny rehetra ireny. Ny Baiboly koa anefa dia miresaka faminaniana izay mbola hiseho any aoriana any. Anisan'izany faminaniana manan-danja loatra izany ny fiverenan’I Kristy fanindroany.
Raha tanteraka an-tsakany sy an-davany araka izay nanambarana azy marina tokoa ireo faminaniana rehetra mornba ny fiavian'i Kristy voalohany dia inona no ambaran'izany amintsika momba ny fiaviany fanindroany?
Nialohan'ny nandaozan'i Jesôsy ny mpianany, dia nampanantena azy ireo Izy fa tsy maintsy ho avy indray: «Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ka izay itoerako no hitoerariareo koa» (Jao. 14:3).
Izao no nosoratan'i Petera, ilay anankiray tamin'ireo mpianatr'i Jesôsy akaiky Azy indrindra: «Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, zay hitoeran 'ny fahamarinana» (2 Pet. 3:13).
Tsy ny fomba hisehoan'ny fiavian'i Kristy fanindroany fotsiny akory no ambaran'ny Baiboly, fa nofaritany ihany koa ireo famantarana hiseho mialoha an'io fiaviany io. Vakio ireto faminaniana ireto, izay mikasika ireo famantaran'ny fiavian'i Kristy fanindroany, dia asio (X) eo anilan'izay efa hita ny fahatantrahany:
1. Mesia sandoka (Mat. 24:4,5)
2. Ady sy fiazana ady (Mat. 24:6,7a)
3. Mosary (Mat. 24:7b)
4. Pesta (Lio. 21:11)
5. Horohorontany (Mat. 24:7b)
6. Olana ara-tsôsialy (2 Tim. 3:1-5)
7. Olona miaina ao anaty tahotra (Lio. 21:26)
8. Fitomboan'nyfahalalana (Dan. 12:4)
9. Zava-mahatahotra sy famantarana (Lio. 21:11)
10. Fitomboan'ny «scepticisme» (2 Pet. 3:3,4). (Fiheverana fa tsy izontsika
olombelona atao ny hahalala izay tena marina).
11 . Fitoriana ny Filazantsara (Mat. 24:14)
Famaritana mazava tsara ity tontolontsika ity mihitsy izany a! Sa ahoana hoy ianao? Mahatalanjona ihany koa, raha heverinao fa efa taonjato maro asa izay no nanoratana azy ireny. Mbola porofo mitombina hahazoantsika natoky ny Baiboly koa ireny rehetra ireny.
Raha atao hoe ho tonga rahampitso i Jesôsy ka inoanao izany, mety hahafaly sa hampatahotra anao ve ny fahatongavany?
Inona no valin-teny azonao haroso momba ny tenanao manokana sy ny fifandraisanao amin'Andriamanitra?
LE RETOUR DE JESUS
°°°°°
|
|
|
Vakio:
1. MM, «Ny nofin'i Nebokadnezara», tt, 401-409;
2.SIM, b. 3, «The bible Prophètes wrote for Our Time», tt, 338-339, «Can All Have the gift of prophecy?»tt. 340,341,
«Ny feon'i Kristy no niteny tamin'ny alalan'ny patriarka sy npaminany, hatramin 'ny andron ‘i Adama ka hatramin 'ny toe-javatra amin 'ny andro farany aza. Aseho ao amin 'ny TT mazava tahaka ny ao amin 'ny TV ny Mpamonjy. Ny fahazavana avy ao amin 'ny lasa ara-paminaniana no mampivoitra ny fiainan ‘i Kristy sy ny fampianaran 'ny TV amin 'ny fomba mazava sy kanto. Porofon 'ny maha-Andriamanitra an‘i Kristy ny fahagagana nataony; nefa misy porofo matanjaka kokoa fa Izy no Mpanavotra an 'izao tontolo izao, izay hita amin 'ny fampitahana ireo faminaniana ao amin 'ny TT amin 'ny tantarany vaovao». IFM, t. 855
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1. Lazalazao an-kapobeny eo amin'ny kilasinao ny lesona nianarana tamin’ ity herinandro ity.Inona ireo zavatra hitanao nivaingana tamin' ny leson izay mety hanampy anao hahalala.
2. Na dia maro aza ireo marika famantarana hoenti-manaporofo ny fahamarinan'ny SM zay ambaran'ny Faminaniana, dia nahoana, araka ny hevitrao, no mbola manda ny hino ny faminanian'ny Baiboly hatrany , na dia efa aseho azy ny ankamaroan'ny olonaizao aza ireny marika famantarana ireny?
«Navela hanana anjara eo amin'ny tantara ny firenen-drehetra mba hiorom-ponenana eto an-tany sy hahita raha tahiny hanatanteraka ny fikasan'ilay Mpijery sy hany Masin'izy ireo. Ny faminaniana dia nanamarika ny fahaterahana sy ny fitomboan'ny fanjakan-dehibe toa an'i Babilôna, ny Medianina sy Persianina, ny Grika ary ny Rômanina. Nanao taria miverina tamin'izy ireny tsirairay avy, toy ny tamin'ireo firenena tsy dia manao ahoana loatra ny tantara, samy tsy nahomby tamin'izay nampanaovina azy ny tsirairay ary samy nahita ny fitotonganan'ny voninahitry ny tenany sy ny fahalevonan'ny heriny avy izy.» PK, t. 535.
A LIRE:
1. Ellen White, prophètes et rois, "Le songe de Nebucadnetsar", P.375-382;
2. Select Messages, Vol.3, "The Bible prophets Wrote for our time", p.338, 339; " Can All Have the Gift of prophecy? " p.340, 341.
"C'est la voix du Christ qui parle par les patriarches et les prophètes, depuis les jours d'Adam jusqu'à la fin des temps. Le sauveur est révélé aussi clairement dans l'Ancien Testament que dans le Nouveau. La lumière qui jaillit du passé prophétique fait éclater la clarté et la beauté de la vie du sauveur et des enseignements du Nouveau Testament.
Les miracles du Christ peuvent servir à prouver sa divinité; mais le fait qu'il est le rédempteur du monde ressort avec plus d'évidence encore quand on compare les prophéties de l'Ancien Testament avec l'histoire du nouveau. " Ellen White, Jésus, " Sur le chemin d'Emmaüs " p.799.
C'est Dieu qui permet à toutes les nations, appelées à jouer un rôle important dans l'histoire, de s'établir ici-bas afin de voir si elles accomplissent ses desseins. La prophétie a consigné la naissance et l'évolution des grands empires : Babylone, Mèdes et Perses, Grèce et Rome. Avec chacun d'eux, comme avec les nations de moindre importance, l'histoire s'est répétée. Chaque pays a connu son temps d'épreuve; chacun a failli à sa mission, a vu sa gloire s'évanouir et sa puissance disparaitre.
A MEDITER 1. Que les membres de la classe discutent de l'ensemble de la leçon. Qu'est-ce qui les a particulièrement marqués, qu'est-ce qui leur a mieux fait comprendre le rôle et le fonctionnement de la prophétie ? 2. Alors que les prophéties offrent tant de preuves de l'authenticité des Ecritures, pourquoi, à votre avis, tant de personnes-quand on leur présente ces preuves-refusent-elles toujours de croire ? Quels autres facteurs sont sans doute impliqués ? Comment briser certains de ces obstacles ? 3. Il y a tant d'étranges prophéties qui circulent ! Comment les membres de l'école du sabbat vont-ils aider des membres d'Église, notamment des nouveaux, à s'enraciner plus profondément dans la prophétie biblique et les principes qui la sous-tendent?