Telovolana 2 : Ttre du trimestre 2 2006

Lesona faha 6 : NY BAIBOLY SY NY SIANSA

Daty : 05-05-2007 hatr@ 11-05-2007. Toko dinihina : Gen. 1:1; 2:1,2; 7:11-14; Deo. 4:32; Sal. 100:3; 139:14; Isa. 42:5; 45:18; Jer. 33:22; Jao. 1:1-3; Heb. 1:2.

Tsianjery : «Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Ohab. 1:7

Sabotsy 05-05-2007 : Ny baiboly sy ny siansa

NA DIA HITA AZA MAZANA FA MISY FIFANOHERANA AMIN'NY BAIBOLY NY RESAKA SIANSA, DIA AFAKA MANAMPY AMIN'NY FANAMAFISANA NY FINOANTSIKA NY TENIN'ANDRIAMAWITRA IHANY KOA ANEFA IZANY.

Na dia fantatsika tsara aza ireo fanamby apetraky ny siansa, dia hiompana amin'izay toerana misy ny siansa izay indrindra ny lesontsika amin'ity herinandro ity, izay hanomezany antsika ireo antony hinoantsika ny Baiboly. 

Taona maro lasa taloha elabe tany, izay nisian'ny fiovana sy fivoaran­dehibe teo amin'ny lafiny ara-tsiansa (izany hoe tany amin'ny taonjato faha-17 tany izany). dia noheverina fa fomba iray  hahazoanamahalala an'Andriamaridra ny siansa. Ry zareo "andrarezina" teo amin'ny fahaizana amam-pahalalana tamin'izany fotoana izany, toa an-dry Descartes,Kepler,Galilée, Copernic, Newton dia nino fa naneho ny sangan'asan'ilay mpahary tokoa ny asan'izy ireo. Izao no nosoratan'i Kepler, raha niresaka ny amin'ny zava-bitany izy: "Nangalariko" hoy izy ireo  lovia volamenan'ny Egiptianina ka tamin'ireo no nanorenako tabernakely ho an'Andriamanitro ( ... ) Resy lahatra aho dia nanoratra boky. Tsy misy fahasamihafany tsy akory na natao hovakin'ny olona ankehitriny na ho an'ireo olona any aoriana any ity boky ity: aleo izy andrasana ho an'ny mpamaky azy ao anatin'ny zato taona, raha Andriamanitra mihitsy aza no efa niandry nandritra ny enina arivo taona ka vonona hanome ny Boky mba hianarana.»

Nandeha teny anefa ny fotoana ka indro fa nanomboka nivily tamin'ny hevitr'Andriamanitra ny siansa, izay nifidy ny hanao asa eo amin'ny sehatra ara-materialy tanteraka sy hanaraka ny fitsipiky ny tsy finoana ny fisian'Andriamanitra. Mazava ho azy fa izany no nitarika ho amin'ny fifanoherana misy eo amin'ny finoana sy ny siansa izay fandrentsika mazàna amin'izao vaninandro iainantsika izao.


  LA BIBLE ET LA SCIENCE

°°°°°°°°

Etude de la semaine Gn 1.1; 2:1,2; 7:11-24; Dt.4 :32; Ps 100:3; 139 :14; Es 42:5; 45:18;Jr 33 :22; Jn 1 :1-3; He 1:2.

 

Versets à mémoriser :"La crainte du SEIGNEUR est le commencement le la sagesse et l'instruction, voilà ce que les imbéciles méprisent. " (Pr 1 :7)

 

Pensée centrale: Quoique généralement envisagée comme s'op­posant à la Bible, il arrive aussi que la science partie ipeà fortifier notre foi dans la Parole de Dieu.

 Au début de la révolution scientifique (au XVIIe siècle), on a pensé que la science permettrait de mieux appréhender Dieu. Tous les premiers géants de la science (Descartes, Kepler, Galilée, Copernic, Newton) estimaient que leur travail ne faisait que révéler l'œuvre du Créateur. Kepler, évoquant les prodiges de Dieu, écrivait : «Je vole les objets en or des Égyptiens pour construire un tabernacle pour mon Dicta [...] je jette les dés — et j'écris un livre. Qu'il soit lu aujourd'hui ou demain ne Fait aucune différence : il petit bien attendre son lecteur cent ans, si Dieu lui-même a attendu six mille ans pour qu'on l'étudie. » Avec le temps, cependant, la science s'est éloignée de la notion de Dieu, choisissant de travailler au sein Ain paradigme purement matérialiste er athée. C’est, bien sûr, ce qui a conduit ià l'opposition entre la foi et la science dont nous entendons souvent parler aujourd'hui.

Même si nous reconnaissons, Lettes, les défis présentés, par  la science, nous porterons l'attention, cette semaine, sur les raisons qu’elle nous a néanmoins données de croire en la Bible. 

Alahady 06-05-2007 : Kisendrasendra nampisy olana

Diniho ireto toko sy and. ireto: Gen. 1:1; Gen. 2:1,2; Deo. 4: 32; Sal. 103:3; Isa. 42; 5; Isa. 45:18; Jao. 1:1-3; Kôl. 1:16; Heb. 1:2; Apôk. 10:6; 14:7. Inona no hevi-dehibe iombonan'izy rehetra ireo?

Nandritra ny taona maro dia be dia be ireo siansa niasa tamin'ny fiheverana ho marina fa ny fisiam-piainana (existence) rehetra, anisan'izany ny fiainan'ny zanak'olombelona, dia vokatry ny kisendrasendra tanteraka. Kisendrasendra fotsiny izao no nampisy antsika, ary tsy misy ankoatra izay.

Ankehitriny anefa dia toa nivily ho amina zotra iray hafa ny siansa. Tamin'izany indrindra no niforonan'ity teny vaovao ity: «anthropic coïncidences»; ny «anthropic» dia avy amin'ny teny grika «anthropos» izay midika hoe olona. Ny «kisendrasendra nahatonga ny olona» izany no dikan'ny hoe «anthropic coïncidences». Ambaran'ny siansa fa ireo zavatra (éléments) marobe manerana izao rehetra izao dia miara-manaiky fa na dia fiovan-javatra faran'izay bitika aza dia mety hamorona tontolo, tsy mifanaraka amin'ny fisiam-piainan'ny olombelona. Toy ny hoe tontolo misy olombelona hita sary ao an-tsaina fotsiny ny tontolo niforona!

Inona àry ny santionany amin'ireny «kisendrasendra nampisy ny olona» ireny?   

Ho an'ny mpandinika, raha toa ka kely kokoa amin'ny ampahany iray, ao anatin'ny zato tapitrisa ny tahan'ny fitomboana aorian'ny fiforonana, dia mety hikorohtana sy hirodana mihitsy izao rehetra izao.

 Amin'ny lafiny iray indray, raha toa ka lehibe kokoa amin'ny ampahany iray ao anatin'ny zato tapitrisa ny tahan'ny fitomboana aorian'ny fiforonana dia hihazakazaka be ny fiveiaran'ny tontolo ho amin'ny fiforonan'ny kintana na planeta maro samihafa.

 Izao koa, anisan'ny hery fototra ao amin'ny natiora izay fantatra sy hay ny momba azy, dia ilay antsoina hoe «hery nokleary mahery vaika». Raha toa ka tsy mahery vaika araka ny filaza azy io hery io fa somary malemilemy, dia tsy ho nisy afa-tsy hidrôzena fotsiny teto-amin'izao tontolo izao. Raha disp mahery vaika loatra kosa indray io hery io, dia ho heliôma fotsiny indray kosa no hita. Ka na ny olombelona aza izay fantatsika fa ao anatin'izany tontolo izany dia nety tsy ho nisy na oviana na oviana, raha ireo toe-javatra teo ireo noniseho.

Mbola misy ohatra maro hafa azo ambara, izay ampy haneken'ny olona, eny, fa na ny olo-malaza toa an-dry Stephen Hawking ireny aza, izay mpandinika ny Baiboly sy mpamorona hevitra avy amin'izany dia niaiky raha  nilaza izy fa «tsy tambo isaina ireo zavatra hafahafa, tsy fahita mahazatra, mifanohitra amin'ny tontolo toy ny antsika, izay mipoitra avy amin-javatra iray, ,  toy ireny «Big Bang1» ireny (...) Keveriko fa tafiditra ao anatin'ny sehatra ara-pivavahana mihitsy izy ireny.» WSMR, t. 58.

 Izao no nosoratan'ity pôeta amerikanina iray atao hoe Walt Whitman indray mandeha: «Ary ny vy faran'izay bitika tety an-tanako no nanakorontana ka nanao tsinontsinona ny asan'ny milina rehetra.»

Inona àry ireo ohatra hafa avy amin'ny natiora izay mety «hanakorontana ka hanao tsinontsinona ny asan'ny milina rehetra»? Inona no ambaran'izany fahasarotan-javatra sy ohatra izany amintsika mikasika ny Mpahary? Miomàna hizara ny ohatrareo tsirairay avy eo amin'ny kilasinareo. 


COINCIDENCE ANTHROPHIQUE 

°°°°°°°°°°

 

 

Il semble aujourd'hui que la science change de cap. On a inventé une nouvelle expression : "coïncidences anthropique", du mot grec, anthropos qui signifie "homme". La science révèle le que de nombreux facteurs, dans l'univers, s'harmonisent de façon si fine, que même un changement infime créerait un environnement impropre à la vie humaine. C'est presque comme si l'univers avait été créé en fonction de l'humanité!

Que vent-on dire par "coïncidences anthropiques"?

Pour commencer, si le taux d'expansion, après la création de l'univers, s'était réduit de seulement un pour cent millions, l'univers se serait effondré sur lui-même. Par ailleurs, s'il avait augmenté d'un pour cent millions, l'univers se serait développé trop rapidement pour que des étoiles on des planètes se forment.

L'énergie nucléaire est l'une des principales forces à l'œuvre dans la nature. Si elle avait été un petit peu plus faible, il n'y aurait eu que de l'hydrogène dans l'univers, un petit peu plus fort, il n'y aurait eu que de l'hélium. Dans de tels environnements, l'humanité n'aurait jamais pu exister.

Il existe de nombreux autres exemples, en quantité suffisante pour que quelqu'un comme le renommé Stephen Hawking (qui n'a rien d'un créationniste biblique) admette : "Tant de choses s'opposent à ce qu'un univers comme le nôtre puisse surgir de quelque chose comme le Big Bang. [...] Je pense qu'il y a clairement en jeu des implications religieuses."--Cite dans Ian BAR BOUR, When Science Meets Religion, HarperCollins, New York, 2000, p. 58.

Le poète américain Walt Whitman a écrit un jour : " La plus petite des articulations de ma main dévalorise n'importe quelle machine " Quels autres exemples, tirés de la nature, dévalorisent-ils n'importe quelle machine? Toute cette complexité, tout ce qui a été conçu de la sorte ne suggère-t-il pas un Créateur? Préparez-vous à parler de vos exemples sabbat prochain.

Recherchez Gn 1 :1 ;2:1,2 ;Dt 4 :32 ; Ps 100 :3 ; Es 42 :5 ;45 :18 ;Jn 1 :1-3 ;Col 1 :16 ;He 1 :2 ;Ap 10 :6 ; 14 :7 Quel point tous ces textes ont-ils en commun?

Pendant de nombreuses années, la science, en grande partie, a posé comme hypothèse de départ que toutes les formes d'existence, y compris la vie humaine, étaient le résultat du hasard. Nous étions une sorte de gros accident, rien d'autre.

Alatsinainy 07-05-2007 : Fahalalana ny momba ny kintana na ”astronomie”

Efa nitsangana teo an-tokotany ve ianao indray alina ka niandrandra nijery ireo kintana marobe teny amin'ny lanitra? Firy no mba voaisanao tamin'izay? Na dia marobe toy izany aza ny kintana dia tsy hihoatran'ïzay azo isaina tsy akory izy ireny, fara faharatsiny izay hita sy hain'ny maso avahana, dia araka ny fahitan'ireo mpanoratra ny Baiboly.

Vak. Jer. 33:22. Firy hoy izy iréo kintana eny amin'ny lanitra?

Taonjato maro lasa izay dia nanisa kintana i Ptolemy ka 1056 no voaisany tamin'izany; nanisa ihany koa i Tyco Brahe ka mahery ny 777 no voaisany, ary 1005 kosa ny an'i Kepler. Talohan'ny nanamboarana ny «télescope» (masolavitra natao hijerena ny kintana) tarnin'ny taonjato faha-17, dia nihevitra ny olona fa 5119, hono, ny isan'ny kintana. Mazava ho azy fa nanova io tarehimarika io ny fisian'ny «télescope».

Amin'izao fotoana izao, noho ny fisian'ny «Hubble Space télescope», dia toa efa mihoatra ny azo isaina mihitsy ny kintana satria fitaovana raitra sady ary fomba no ampiasiana hijerena azy ireny.

Araka ny tombantombana natao, dia hoe kintana aman-jato tapitrisa tapitrisa maro any mihitsy no hita manerana ny vahin-danitra (galaxie). Ny tombatomban'ireo mpandinika ny kintana no mampiseho fa any ho any amin'ny 1022 (izany hoe iray alina tapitrisa tapitrisa) any mihitsy ireo kintana manerana izao rehetra izao na ny «univers». Raha toa ka misy olona mahavita manisa kintana 10 samy hafa isan-tsegôndra, dia any amin'ny zato tapitrisa tapitrisa taona any no lany vao ho vita ny fanisana kintana 1022. Ary iza no mahalala hoe mbola ho firy koa moa ny kintana hafa ho hita ao anatin'ny fifandimbiasan'ny fotoana eny?

 Vak. Jôba 22:12. Inona koa no ambaran'i Elifaza mikasika ny kintana?

 Maro ireo olona taloha no nihevitra fa samy hafa ny elanelan'ireo kintana marobe eny amin'ny lanitra ireo, manomboka eo amin'ny kilaometatra vitsivitsy eo izany hatrany amin'izato kilaometatra any raha lavitra indrindra. Ny fandalinana ara-tsiansa tao anatin'ny taonjato vitsivitsy lasa anefa izay dia naneho marimarina ny tena elanelan'ireny kintana ireny. Ny masoandro izao, izay kintana akaiky indrindra antsika dia eo amin'ny 148 800 000 km eo ho eo miala amin'ny tany no misy azy. Io hoy aho, no akaiky indrindra antsika. Ireo kintana hafa kosa, na dia, atao hoe hiriotra tahaka ny hafainganam-pandehan'ny hazavana aza isika (izany hoe 300 000 km/s), dia ho àman-jato, aman'arivo, eny ho aman-tapitrisa taona mihitsy aza vao ho tratrantsika izy ireny. Ka na atao hoe tsy nieritreritra ny amin'izany fandinihana ny momba ny kintana izany aza i Elifaza, * dia nasehony kosa fa mitombina ny porofo nomen'ny siansa.

Na dia atao aza hoe tsara sy mahafinaritra ny fanamafisan'ny siansa orina ny finoantsika, dia nahoana isika no tsy maintsy mitandrina mba tsy hiantehitra be ioatra amin'ny siansa rehefa tonga eo amin'ny resaka finoana? Nahoana koa no zava-dehibe ny mahatsiahy fa mbola ezaka ataon'ny oiombelona ihany ny fanadihadiana sy fikarohana ara-tsiansa? Jer. Jer. 17:9; 1 Kôr. 1:21; 3: 19.   


  L'ASTRONOMIE

°°°°°

Vous est-il arrivé, par une nuit claire, d'observer les étoiles ? Combien en avez-vous compté? Il y en a beaucoup, mais il est possible de les compter, du moins à l'œil nu, comme c'était le cas pour les auteurs bibliques.


Lisez Jr 33 :22. Combien y a-t-il d'étoiles dans le ciel, d'après lui?

Ptolémée, de nombreux siècles auparavant, a compté environ mille cinquante-six étoiles, Tyco Brahe sept cent soixante-dix-sept, Kepler mille cinq. Avant l'invention du télescope, au XVII siècle, les gens croyaient qu'il existait cinq mille cent dix-neuf étoiles. Le télescope, c'est certain, a amené un changement radical. Aujourd'hui, notamment grâce au télescope spatial Hubble, il semble qu'il y ait plus d'étoiles que nous ne puissions en compter. On estime qu'il existe des centaines de milliards d'étoiles dans notre seule galaxie. Les astronomes estiment qu'il y a environ 10 puissance 22 étoiles (dix mille milliards de milliards) dans l'univers. Si l'on pouvait seulement compter jusqu'à dix nombres par seconde, cela prendrait au moins cent millions de milliards d'années pour arriver au nombre 10 puissance 22. En outre, avec le temps, qui sait combien d'autres en découvrirons-nous?

 

Lisez Jb 22 :12. Que dit encore Eliphaz sur les étoiles? 

 

Un grand nombre de peuples de l'Antiquité croyaient que les étoiles étaient à des distances variées de la terre, de quelques kilomètres à quelques centaines tout au plus. La science, durant les siècles passés, a montré à quelle distance elles étaient vraiment. Le soleil est à cent cinquante millions de kilomètres, or c'est l'étoile la plus proche. Pour atteindre certaines autres étoiles, même en voyageant à la vitesse de la lumière (trois cent mille kilomètres à la seconde), il faudrait des centaines, des milliers ou même un million d'années! Même si Eliphaz ne songeait guère à l'astronomie, il a fait une déclaration que la science approuve.

 

Meme si nous apprécions que la science confirme parfois notre foi, pourquoi devons-nous faire attention ne pas trop attendre d'elle à cet égard? Pourquoi est-il également important de se rappeler que la science n'est qu'une entreprise humaine? Voir  Jr 17 :9 ; 1 Co 1 :21 ; 3 :19.

 

Talata 08-05-2007 : Vita tamin ‘ ny fomba mahatahotra sy mahatalanjona

Na dia somary mihoa-pampana aza ny filazana ity zavatra manaraka ity, dia maneho kosa fa tsy zavatra tsotsotra mihitsy io atidohan'ny olona io fa tena manana ny maha-izy azy tokoa. «Ahitana «neurones» 1 tapitrisa tapitrisa (1 000 000 000 000) ao anatin'ny atidohan'ny olona ao, ka ny fomba mety hampifandraisana azy ireny dia be lavitra noho ireo atôma manerana izao rehetra izao.» WSMR, t. 62.

 Eo am-pisaintsainana io filazana eo ambony io dia vakio ny Sal. 139:14. Fomba ahoana no anaporofoan'ny siansa ny fahamarinan'io and. io?

 Araka ny voalazantsika tao amin'ny lesona Alatsinainy dia nihamaro ny  fandalinana ara-tsiansa izay efa niala tamin'ny fiheverana ny kisendrasendra hoenti-manazava' ny nisîan'ny fiainan-janak'olombelona, ary tsy mahagaga izany. Tao anatin'ny taona maro nifandimby mantsy, rehefa niroborobo aoka izany ny siansa, ary rehefa nandalina bebe kokoa hatrany amin'ny fambronana isika, dia nanjary nihanahery vaika hatrany ny fisian'ny hevitra na fikasana ho amin'ny famolavolana zavatra iray. Nahery vaika tokoa izany, ka dia nanamafy ny. fahavalon'ny hevitra amam-pikasana feno fahendrena (tafiditra ao amin'izany ny amin'llay Mpahary) fa izao tontolo izao anie ka zavatra nipoitra ho azy noho ny .fiheverana fotsiny e! Eny, fa na dia fantatra mazava izao aza fa tsy izany no izy. Amin'ny teny hafa dia hoe hita tamin'izao fotsiny izao tontolo izao.

Tamin'izany fotoana izany indrindra, i Francis Crick, izay «biologiste» (mpahay siansa momba ny fandinihana ny amin'ny aina sy ny zava-manana aina) malazan'ny taonjato faha-20 sady tsy mpino ny fis la n ' A n d ria m a n itra (na athée) hiringiriny, dia namehy tamin'ny fanambarana nataony fa sarotra dia sarotra ny nipoiran'ny fiainana tao anatin'ny atao-hoe 1 000 000 000 000 taona, tao anatin'ny fangatsiatsiahan'ny tany sy ny fiforonam-piainana haingana dia haingana. Ny fandinihana nataon'i Crick araka izany dia niheverany fa tsy maintsy ho niandoha tany an-toeran-kafa tany ny fiainana ka nentina tety an-tany, angamba nentin'ny mponina iveian'ny tany (extraterestre) avy tany ana habakabaka tany izay naniry ny hahita ny tany. (Jer. indray izay voalazan'ny 1 Kôr. 3:19 sy Sal. 14:1).

Nisy fandrosoana teo amin'ny ara-tsiansa izay nanaitra tokoa ny fahalalana azy vokatry ny asa nataon'ity «biochimiste» iray antsoina hoe Michael Behe. Ny ampahany tamin'ny fiheverana mikasika ny fitomboana miandalana araka ny fandinihan'i Charles Darwin, dia nifototra tamin'ny hevitra milaza fa arakaraka ny fifandimbiasan'ny fotoana eny dia tonga any amin'ny karazana ny fiova.na amin'ny aiaian'ny fiofoana na fiovaovana madinidinika sy mifandimbindimby. Raha nilaza mantsy i Darwin fa mety hisy taova nipoitra izay tsy manaraka ny fizotran'io fiovana io, dia ho rava hatreo ny fomba fiheverany ka tsy azo inoana.

I Behe indray, izay tsy mpandinika ny Baiboly no mamorona hevitra avy amin'izany, dia nampiseho ireo toetoetra ' samihafa ananan'ny | tenan'olombelona - (zavatra fahita ao amin'ny olombelona izany hoe «cilia» ! izany, ny maso, ny vongan-dra ...) - ka tsy vokatry ny fiovana fototra fotsiny tsy akory no nisian'izy ireny teo amin'ny tenan'ny olona. Araka ny fandinihan'i Behe dia tsy nipoitra teny noho ny fifandimbiasan'ny fotoana izy ireny tsy akory, satria mba hahatonga ireo taova ho afaka hiasa dia efa tafapetraka tsara tamin'ny toerana tokony hisy azy avy hatrany am-boalohany izy ireny. 

Raha nisy ampahany iray monja na dingana iray banga hatrany am-piandohana dia tsy ho nisy akory ny fizotran'ny asan'ireo taova ao amin'ny olombelona.

 Nitondra fanamby mahery vaika ho an'ny ohatry ny fiovana eo amin'ny resaka famoronana izany porofo nasehon'i Behe izany. Mbola mipetraka ihany ny fanontanïana manao hoe: Raha tsy tamin'ny kisendrasendra sy tsy tamin'ny alalan'ny fiovana miandaiana àry no niavian'ireny zavatra rehetra ireny, dia tomba ahoana no nampisy azy? (Jao. 1:1-4; Asa. 17:28). 


FAIT D'UNE ÉTRANGE ET ADMIRABLE MANIÈRE

 °°°°°°

Même avec un brin d'exagération, la citation suivante évoque la complexité du cerveau humain. "Il y a des milliards de neurones dans le cerveau humain; le nombre de connections possibles entre eux est plus grand que le nombre d'atomes dans l'univers. " - Ian BARBOUR, When Science Meets Religion, Harper & Collins, New York, 2000, p. 62.

 En gardant cette citation à l'esprit, lisez Ps 139 : 14 (Darby). Comment la science souligne-t-elle la vérité de ce passage?

Au cours des années, au fur et à mesure des progrès de la science, tandis que nous en apprenons de plus en plus sur les merveilles de la création, la certitude d'un dessein préexistant se fait de plus en plus forte. Elle est si forte, en fait, que récemment, un opposant à la théorie d'un dessein intelligent (et de ses implications, celle d'un Créateur) affirmait que l'univers semblait avoir été conçu intelligemment, même si, bien sur, ce n'était pas le cas. En d'autres termes, cc ne serait qu'une impression!

Francis Crick, le plus célèbre biologiste, sans doute, du XXe siècle, athée convaincu, a conclu que la vie était trop complexe pour avoir surgi au cours de supposés milliards d'années entre le refroidissement de la terre et l'apparition rapide des formes de vie. Crick a pensé, en conséquence, que la vie avait commencé ailleurs et qu'elle avait été introduite sur terre, peut-être par des extraterrestres qui souhaitaient connaitre la terre. Voir à nouveau 1Co 3 : 19 ; Ps 14 :1.
Behe, qui n'était pas un créationniste biblique, a mis en valeur différents aspects du corps humain - cils, œil, coagulation sanguine - qui n'ont pas pu se développer selon le schéma évolutionniste classique. D'après Behe, pour pouvoir fonctionner, il fallait que toutes leurs parties soient immédiatement en place. Si l'une de leurs parties, ou même Si une étape manquait au départ, l'organe ou le processus ne pouvait exister. Sa théorie représente un défi important pour le modèle évolutionniste de la création. La question qui reste posée est la suivante : <<Si ces organes n'ont pas été le fruit du hasard et d'un processus évolutionniste, comment ont-ils existé (Jn 1 :1-4 ; Ac 17 :28) ?>>

 

   

 

 

 

 

 

Alarobia 09-05-2007 : Fo ravoravo, fanahy kivy

Vak. Ohab. 17:22. inona no hafatra tsotra nefa mifono hevi-dalina hita ao amin'io andininy io? Amin'ny tomba ahoana no hanaovanao fanandramana manokana ny amin'ny fahamarinan'izany foto-kevitra izany? 

Marina tokoa ve fa mahasalama tahaka ny fanafody ny fo ravoravo? Nandritra ny taona maro nifandimby dia nihanahalala sy nahazo antoka hatrany ireo mpahay siansâ fa mifandray ny saina sy ny vatana, ary tsy afa-misaraka ireo. Raha misy zavatra mahazo ny saina dia misy akony any amin'ny vatana izany, ary raha misy zavatra mihatra amin'ny vatana dia tonga hatrany amin'ny saina koa izany. Ny fikarohana natao no nampiseho fa zavatra tsotra dia tsotra tahaka ny hehy tena avy ao am-po sady àtao amim-pitiavana fotsiny dia mampiasa tsara ny avokavoka, mampizotra tsara ny fikorianan'ny ra ary mampitombo ny fatran'ny ôksizena tafiditra ao anatin'ny tena. Mbola mampahavitrika tsara ny «système nerveux» ihany koa ny hehy, izay mahatonga azy hamokatra «endorphine» (karazana «hormone» voa-janahary miforona ao amin'ny vatan'ny oiona), izay afaka manome fahatoniana sy fiaian-tsasatra ho an'ny saina, ary koa afaka mampitombo ny asa sy ny hetsika ataorïireo sela marobe.

Étsy an-danin'izany anefa, ny tapany farany amin'iiay andininy teo dia milaza fa ny harerahan-tsaina sy ny hakiviana dia miteraka akony ratsy eo amin'ny tena.

«Taona vitsivitsy lasa, vao tsy ela akory, dia porofo marobe miavosa no nentina nanehoana fa-afaka mifanaraka tsara amin'ny biôlôjia ny psikôlôjia. Ny fandalinana natao no nahitana, ohatra, fa ireo oiona izay tratran'ny hakiviana na rera-tsaina lava ka mahatsiaro mijaly, noho izany dia ahiana fatratra ho tratry ny aretim-po sy ireo aretina maro hafa koar. Ny fikarohana hafa natao koa no nampiseho fa ela vao sitrana ny ratra na fery eo amin'ireo vehivavy mpikarakara marary tratry ny aretina atao hoe «alzheimer» noho ireo vehivavy hafa tsy manao izany. Ary hita fa.mbra andairan'ny sery sy ny tazo ny olona vesaran'ny adin-tsaina lava sady ahitana fambaran'aretina (symptôme) goavana rehefa marary.» - PPT, 2003.

Ankoatra izay, ny fanadihadiana vao natao tsy ela akory izay tao amin'ny Oniversiten'i Wisconsin dia mampiseho fa «rehefa tafaharo amin'ny fihetseham-po ratsy ny faharisihana sy ny fihetsehan'ireo faritra ao amin'ny atidoha dia manjary mampahalemy ny faharisihan'ny olona ho setrin'ny fanefitry ny tazo izany.» Ibid 

Inona no hafatra ho antsika ao amin'ny Fil. 4:6-8? Na dia mazàna aza isika no mirona any amin'ny fiheverana ireo andininy ireo ho miompana amin'ny zavatra ara-nofo izay azontsika raisina avy amin'ny tenin'i Paoly eto? inona ireo fiovana ilainao hatao eo amin'ireo zavatra vakinao, na jerenao, na koa henoinao ho fanatanterahana ireo teny fikasana hita ao amin'ny andininy ireo? 


 UN COEUR JOYEUX, UN ESPRIT ABATTU

°°°°°°°

Lisez Pr 17 : 22. Quel message simple et pourtant profond trouve-t-on dans ce verset? Comment en avez-vous vous-même expérimenté la vérité?

Est-il vrai qu'un cœur joyeux fait du bien à la façon d'un remède ? Les scientifiques comprennent de mieux en mieux le lien indissociable entre l'esprit et le corps. Ce qui touche l'un touche l'autre. La recherche montre, par exemple, que rire de bon cœur est un excellent exercice pour les poumons, stimule le système circulatoire et augmente l'absorption d'oxygène. Le système nerveux sympathique est stimulé et produit des endorphines euphorisants naturels du corps - qui calment et reposent l'esprit et augmentent peut-être même l'activité immunitaire.

Mais il faut aussi s'arrêter sur la seconde partie du verset, impliquant qu'une dépression peut affecter négativement le corps.

<<Ces dernières années, cependant, on a accumulé les preuves indiquant que le psychologique pouvait avoir un impact sur le biologique. Des études ont montré, par exemple, que les personnes souffrant de dépression risquaient d'avoir davantage de problèmes cardiaques et autres maladies. D'autres études ont montré que les blessures de femmes qui avaient la charge de patients atteints de la maladie d'Alzheimer étaient plus longues à guérir que les blessures de celles qui n'affrontaient pas le même stress. On s'est également aperçu que les personnes stressées contractaient plus facile ment des rhumes et des grippes, et avaient, une fois malades, des symptômes plus graves. >> - Erica GOODE, <<Power of Positive Thinking May Have a Health Benefit, Study Says>>, New York Times, 2 Septembre 2003.

En outre, une étude récente de l'université du Wisconsin note que " l'activation de régions du cerveau associées à des émotions négatives semble affaiblir la réponse immunitaire à un vaccin contre la grippe. >> - idem.

Quel est le message de Ph 4 : 6-8? Même si nous avons tendance à considérer ce type de passage uniquement sous l'angle spirituel. Quels bienfaits physiques retirons-nous également des paroles de Paul? Quels changements apporter dans ce que vous lisez, observez et écoutez afin d'optimiser ces promesses?

 

 

 

 

 

 

 

 

Alakamisy 10-05-2007 : Ny slansa sy ny safo-drano

 Vak. Gen. 7:11-24. Karazana fandravana toy inona no nentin'ny safo-drano teto amin'ity tany ity?

Raha ny teny hebreo hoe «lalina lehibe» (Gen. 7:11) no nentina nanoharana ny ranomasimbe, dia ny fotoana voalohany nitrangan'ny safo-drano no nampiasana io teny io, satria tamin'izany no niantombohan'ny nilatsahan'ny orana tambonin'ny tany, ary dia tondraka ny ranomasimbe noho ny fibosesehan'ireo loharano rehetra nipoitra tamin'izany (and. 11). Tsy maintsy mamela porofo maneran-tany ny trangan-javatra mitondra faharavana tanteraka toy ny tamin'ny safo-drano ireny.

Asehon'ny siansa fa izany tokoa no izy. Ahitana fivangongoana mineraly amin'ireo sosona vatolampy izay mafy dia mafy tokoa (na dia tsy misy porofon'io aza azo omena) vokatry ny safo-drano araka ny voalazan'ny Genesisy. Mifanaraka tsara amin'ny fomba namariparitana ireo sosona be dia be hita teny amin'ny vatolampy ireny fivangogoana mineraly ireny. Nisy ireo antontana vatovary (grès) izay rakotra tanimanga mielakelaka sy sokay nantsoina hoe vato «cambrien», izay matevina sady feno sokay hita tamin'ireo ambaratongam-batolampy maro samihafa. Mbola nahitana arina sy menaka nitankosina be koa nanerana ireny vato ireny - midika izany fa zavatra navelan'ny safo-drano avokoa ireny rehetra ireny. Ankoatra izany, ny faharavan'ny fiainana teto amin'ity tany ity nandritra ny safo-dranon'ny Genesisy dia nanenika ny tontolo rehetra mihitsy, araka ny hita ao amin'ny  Gen. 7:21,22. Kely dia kely ny tahirinïreo zava-maniry sy biby maty mba hita eto amin'ity tontolo môderina misy antsika ity. Lasa lo ireny fatin-java-maniry na biby ireny dia miova ho zava-mahasoa ilaina eo amin'ny fitohizan'ny fiainan'ny zava-manana aina indray. Izao anefa: misy vato mafy sy matevina azo avy tamin'ny fahalovan'ireo zava-maniry sy biby maro karazana any : anaty tany any, izay tsy hita eto amin'ity tany onenantsika ankehitriny ity (ireo zava-maniry sy biby izany), kanefa dia porofo mateza manamarina ny tantaran'ny safo-drano.

Ny porofo hafa azo omena ihany koa dia ny fivangongoan'ireo vato sy fasika ary fotaka izay matevina aoka izany sady haingana ny fisehony. Misy ireo sosona vato hita manerana ny tany izay nivangongo haingana be satria tsy nanjakan'ny fikaohan'ny orana sy ny rivotra ireny sosona ireny. Ka na dia mihevitra aza ireo mpahay ny toetry ny tany (géologues) mazàna fa an-tapitrisa taona vao mahaforona ireny sosona ireny ny vato, dia tsy naneho porofo mivantana avy izy ireny hanamarinana izany fotoana lavabe izany, na izany tokoa no izy na tsia. Tsy afaka namaha ireo olana rehetra teo amin'ny lafiny fotoana ireny sosona vato be dia be ireny. Araka izany dia mbola mitoetra ho adihevitra hatrany hatramin'izao ny daty sy ny fizotran'ny , fiforonan'ireny «fossiles» na zava-maniry sy biby efa maty dia nihalo ary nanjary vato ireny.

Na dia efa manome anton-javatra samihafa mba hinoantsika aza Andriarnanitra dia tsy maintsy misy foana ny toeran'ny fisaiasaiana eo amintsika. Ahoana àry no hahafahanao mivelona amin'ny fomba mety hamahananao ny finoanao fa tsy ny fisaiasaiana? izany hoe inona ireo zavatra azonao ampiharina eo amin'ny fiainanao andavanandro ho fanamafisana ny finoanao amin'izay zavatra inoantsika? 


 LA SCIENCE ET LE DELUGE

°°°°°°°

Lisez Gn. 7 : 11-24. Quelle sorte de cataclysme ce déluge a-t-il provoqué sur terre?

Si l'expression hébraïque: " grand abime " (Gn 7.11) se réfère aux océans, cela signifie que le premier jour du déluge, quand la pluie a commencé à tomber, le fond des océans s'est fendu pour laisser jaillir " les sources " (Gn 7.11). Un événement universel aussi désastreux que le déluge aurait dû laisser des traces dans le monde entier. La science montre, en fait, que c'est le cas, il existe des dépôts universels dans les couches rocheuses tout a fait compatibles avec le déluge génésiaque même si elles ne peuvent le prouver. Ces dépôts contribuent à la façon dont les couches rocheuses sont identifiées et définies. Des gigantesques successions de couches de grès recouvertes de schiste et de pierre a chaux dans ce qu'on appelle les roches " cambriennes ", d'énormes pierres a chaux transportées dans certains niveaux rocheux et, au même en droit, des dépôts de charbon et d'huile, tous ces dépôts sont compatibles avec le déluge. En outre, la destruction de la vie sur terre pendant le déluge génésiaque était d'une grande étendue, comme le décrit Gn 7 : 21,22.

Dans notre monde actuel, les plantes et les animaux, une fois morts, ne sont guère préserves. Ces organismes sont décomposés et recyclés, fournissant les nutriments nécessaires à la continuation de la vie. Pourtant, il existe, enfouis sous terre, de vastes concentrations de fossiles issus d'une grande variété de plantes et d'animaux qui n'existent pas dans notre monde actuel, ce qui, là encore, est compatible avec le récit du déluge.

Autre signe éventuel, le dépôt rapide et massif de pierres, sables et boues, Certaines couches rocheuses, sur la terre entière, se sont déposées si rapidement qu'elles ne portent aucune trace d'érosion. Et si les géologues dans leur ensemble affirment souvent que ces couches ont nécessité des millions d'années pour se former, les pierres elles-mêmes n'indiquent pas qu'un temps aussi long se soit écoulé. Ces couches rocheuses ne résolvent pas, cependant, le problème du temps sous tous ses aspects; les méthodes de datation et les successions de fossiles dans les couches géologiques restent sujettes à discussion, du moins pour le moment.

Même si Dieu nous donne des raisons de croire, le doute reste possible. Comment vivre d'une façon qui nourrit la foi plutôt que le doute? C'est-à-dire, que faire quotidiennement pour fortifier la foi en nos croyances?

 

Zoma 11-05-2007 : Fianarana fanampiny

 Vak. MH. «Mind Cure», tt. 241-259, «Inl Contact With Nature», tt. 260-268; The SDABC, Genesis and Geology», b. 1, tt. 70-97.   

«llay manana ny fahalalana an'Andriamanitra sy ny Teniny amin'ny alalan'ny fanandraman'ny tenany manokana dia manana finoana miorina tsara ao amin'Andriamanitra sy ny SM. Noporofoiny fa ny tenin'Andriamanitra, no fahamarinana, ary fantany fa tsy afaka ny hanohitra ny fahamarinana velively ny fahamarinana (tsy manohitra ny marina ny marina). Tsy nisedra ny Baiboly tamin'ny hevitra ara-tsiansan'ny olombelona Izy fa nentiny hosedrain'ny ohatra tsy misy tomika kosa ireny. Fantany fa ao anatin'ny siansa marina dia tsy hisy na inona na inona hanohitra ny fampianaran'ny teny, satria samy manana mpanoratra mitovy izy ireo dia hisy fahalalana marina sy mahitsy hampiray azy ireo ao anatin'ny firindrana. Na inona na inona fampianarana ara-tsiansa manohitra ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra dia kitoatoan'olombelona tsotra izao izany.» MH, t. 462.

«Fa Andriamanitra no fototry ny zavatra rehetra, ny tena fahalalana marina dia manaiky ny asany; ary ny tena fitaizana dia mitarika ho amin'ny fankatoavana ny fanjakany. Ny siansa dia maneho zava-mahagaga vaovao amintsika, mihanika eny amin'ny lanitra izy; mirotsaka any amin 'ny lalina tsy hita noanoa izy; tsy misy manohitra ny fanambarana avy amin'Andriamanitra anefa ny fikarohana ataony. Mifanazava m an tsy ny teny voasoratra sy .ny, bokin 'ny natiora,   ary  izy roroa  dia  samy mampirisika  antsika hanompo ny Mpamorona sy hatoky ny teninyl» PU, t. 103.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA 

1. Zarao eo amin'ny kilasinao ny valin'ny fanontaniana farany ao amin'ny lesona Alahady izay nomenao. Inona no azonao hianarana avy amin'ny ohatry ny mambra tsirairay ao amin'ny kilasy?

2. Inona no azo atao hanampiana ny olona izay mirona be loatra any amin'ny hevitry ny siansa ka miïaza fa sarotra inoana ny Baiboly? Fomba ahoana no hanampianao ny olona ao anatin'izany toe-javatra izany?

3. Raha vonona ianao, dia zarao eo amin'ny kilasy ny fanandramana niainanao manokana ny amin'ny fananana herin-tsaina izay misy akony lehibe eo amin'ny vatana sy ny fahasalamana. Inona no zavatra nianaranao tamih'izany ka azonao hanampiana ny hafa? Inona no anjara asan'ny vavaka, ny fianarana, ny fijoroana ho vavolombelona mba hahatonga anao hahazo fanasitranana ara-tsaina, eny, fa na ara-batana koa aza? 


POUR ALLER PLUS LOIN

°°°°°

 A LIRE :

Ellen WHITE, Le ministère de la guérison, " Guérison mentale " p. 207-258; " Au contact de la nature ", p. 222-226; Seventh-day Adventist Bible Commentary, " Genesis and Geology ", Vol. 1, p. 70-97.

 

 

 

"Celui qui connait Dieu et sa Parole possède une foi absolue en la divinité de celle-ci. Il a l'assurance qu'elle est la vérité, et il sait qu'elle ne saurait se contredire. II ne la juge pas d'après les idées scientifiques des hommes; il soumet ces idées à l'épreuve infaillible de la pierre de touche. II sait que dans la science véritable il ne peut rien y avoir de contraire aux enseignements de la Parole puisque toutes deux ont le même auteur, qu'une conception correcte des deux établit qu'elles sont en harmonie, et que toute théorie prétendue scientifique qui contredit le témoignage de l'Ecriture fait partie du domaine des hypothèses de l'esprit humain. " - Ellen WHITE, Le ministère de la guérison, " La connaissance communique par la Parole de Dieu ", p. 398.

" Dieu est à la base de tout. Toute vraie science est en harmonie avec ses œuvres; toute éducation véritable produit l'obéissance a son gouvernement. La science présente a nos yeux de nouvelles merveilles; elle escalade les cieux, elle explore des profondeurs inconnues; mais de ses investigations elle ne ramène rien qui soit en contradiction avec la révélation divine." L'ignorance recherchera peut-être a étayer de fausses visions de Dieu en faisant appel a la science, pourtant, " livre de la nature et la Parole écrite s'éclairent mutuellement, et nous poussent a adorer le Créateur et a placer une confiance intelligente en sa Parole ". - Ellen WHITE, Patriarches et prophètes, " La semaine primitive ", p. 92.

A MEDITER

1. Que les membres de l'école du sabbat partagent leurs réponses à la dernière question de dimanche. Que vous apprennent vos exemples?

2. Comment aider quelqu'un qui se laisse dominer par les arguments scientifiques et trouve difficile de croire à la Bible?

3. Si vous le désirez, faites part aux autres membres de la façon dont vous avez expérimenté le pouvoir de l'esprit sur le corps et la sante. Qu'avez-vous appris d'utile pour les autres? Quel rôle la prière, l'étude biblique, le témoignage et les soins donnés à d'autrui jouent-ils dans votre guérison psychique ou même physique?

 

 

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006