Telovolana 2 : Ttre du trimestre 2 2006

Lesona faha 11 : FAHENDRENA IAINANA ISAN’ANDRO

Daty : 09-06-2007 hatr@ 15-06-2007. Toko dinihina : 2 Tim.3:15

Tsianjery : Fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny SM izay mampahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao @ Kristy Jesosy

Sabotsy 09-06-2007 : Fahendrena iainana isan'andro

FAHENDRENA MITAFOTAFO HO AN'NY FIAINANTSIKA ANDAVANANDRO NO ATOLOTRY NY SM ANTSIKA.

Araka ny efa nianarantsika, na dia miresaka amin'ny lohahevidehiben'ireo zavatra manan-danja manerana izao rehetra izao aza ny Baiboly, toy ny fifanandrinan'ireo hery roa lehibe, dia ny herin'Andriamanitra sy ny herin'i Satana izany, ny fahalavoan'i Losifera, ary koa ny fahafatesan'i Jesôsy, izay nanaovany sorona ny tenany ka nitondrany ny fahotan'izao tontolo izao, dia voalaza koa fa bokin'ny fahendrena iainana izy. Ao amin'ny Baiboly no misy ireo toro lalana ho an'ny fiainantsika andavanandro. Na dia hoe mety tsy ho zavatra manokana aza ny Baiboly (ahoana no mety hahatonga izany?), dia nomen'ny Tompo foto-kevitra mahafinaritra kosa isika amin'ny alalan'izany Teniny izany, ka raha arahina sy ankatoavina izy ireny dia hitondra fiovana lehibe eo amin'ny fomba fiainantsika, satria hisy fiantefany amin'ny safidy ataontsika izany.

Zava-dehibe manao ahoana loatra moa izany hoe mahazo ny fitarihan'ny lanitra isika amin'ny fotoana tsy maintsy hiatrehantsika ny safidy manoloana antsika, na eo amin'ny fifandraisan'ny mpianakavy izany, na eo amin'ny fifandraisana ara-piaraha-monina, na eo amin'ny resaka asa, vola na koa eo amin'ny andraikitra raisins amin'ny maha-mpitarika! Nahoana tokoa moa no tsy hihevitra ny momba antsika sy haniry izay tsara indrindra ho antsika Ilay Andriamanitra izay mahalala ny fotoana hilatsahan'ny tsintsina amin'ny tany (Mat. 10:29)? Araka izany, dia tokony hahazo antoka isika fa raha manaiky ny fitarihany, raha vonona ny hanokatra ny Teniny amim-panajana sy amimpanetren-tena ary amin'ny finoana, dia hitari-dalana antsika Izy.

Amin'ity heinandro ity isika dia hijery misimsy kokoa ny @  fahendrena izay zarain'Atra amintsika @ alalan'ny Teniny.

 


 

 11. UNE SAGESSE QUOTIDIENNE 

Etude de la semaine : Ps 19.8-15; 119.98-105; Pr 3.13-16; 30.8, 9; Mt 13.22; 16.26; Rm 12.17,18; 13.1-4.

 

Versets à mémoriser : " Depuis ta plus tendre enfance, tu connais les Ecrits sacrés; ils peuvent te donner la sagesse en vue du salut par la foi qui est en Jésus-Christ. " (2 Tm 3.15)

 

Pensée centrale: Les Ecritures offrent de nombreux conseils de sagesse pour la vie quotidienne.

 Si la Bible traite de thèmes d'une importance universelle, comme le grand conflit cosmique, la chute de Lucifer et la mort de Jésus en sacrifice pour les péchés du monde, on constate en l'étudiant que c'est aussi un livre de sagesse pratique. La Bible offre des directives pour la vie quotidienne. Même si elle manque parfois de précision (comment en serait-il autrement?), le Seigneur, par son intermédiaire, nous donne de magnifiques principes qui, s'ils sont appliqués, changeront notre vie en influant sur nos choix.

Il est donc d'une extrême importance, lorsque nous sommes confrontés à des choix qu'il s'agisse de relations familiales ou sociales, du travail, de l'argent ou de responsabilités que nous ayons à notre disposition des directives divines. Pourquoi pas, d'ailleurs? Le Dieu qui sait quand tombe un moineau (Mt 10.29) veille sur nous et désire le meilleur pour nous. Soyons donc certains que si nous sommes ouverts à ses recommandations, si nous sommes prêts à ouvrir sa Parole avec révérence, soumission, et foi, il nous guidera.

Nous étudierons cette semaine la sagesse que Dieu partage avec nous dans sa Parole.


 LESONA AMIN'NY TENY ANGLISY:

Cliquer sur la leçon du jour

 

Alahady 10-06-2007 : Loharanon'ny fahendrena

Isan'andro isan'andro dia niatrika safidy tsy maintsy hatao sy fanapahan-kevitra tsy maintsy raisina ny olona rehetra, Araka ny fantantsika dia misy safidy diso ataontsika koa isan'andro. Mazana ny fitiavan-tenantsika no manjaka ao anatin'ireny safidy îreny, satria amin'ny maha-olombelona lavo antsika dia lasa olona feno fitiavan-tena isika. Impiry impiry tokoa moa no mitodra fijaliana sy fangirifiriana ho an'ny tenantsika, na ho an'ny hafa, ny safidy diso ataontsika?

Mba tsiahivo kely hoe ireo safidy diso nataonao sy ny vokatra naterak'izany, tsy hoe natao handevilevena anao tsy akory izany (satria misy famelan-keloka sy fanasitranana eo amin'ny hazo fijaliana!), fa natao fotsiny hanamafisana ny hevitra milaza fa vidin-dafo ny fa,nampahan-kevitra diso.

Ny vaovao tsara dia izao : Nomen'Andriamanitra ho antsika ny Teniny ho fanazavana sy ho mpitarika antsika mpanota sy tia tena(sal 119 :105). Ao amin'ny Baiboly no ahitantsika ireo foto-kevitra izay afaka hanome ny fahendrena ilaintsika mba hahazoantsîk.a mandray fanapahan-kevitra tsara indrindra indrindra eo amin’ny lafiny ara-moraly.

Vak. Sal. 19:7-14; 119:98-105; Ohah. 3; 13.16 ary 17:17. Inona ireo teny fikasana sy foto-kevitra hita ao amin'ireo toko sy andininy ireo izay afaka hanampy antsika araka ny tokony hoizy eo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra ara-moraly?

Zavatra hafa ny atao hoe mamaky izay foto-kevitra lazain'ny Baiboly fa hafa mihitsy ny hoe manaraka izay voalaza, araka izay ambaran'ny Sal, 19 12 (DIEM) hoe : «(...) lehibe ny tombo-tsoa ho an’izay mitandrina azy. Ny fahendrena hita ao amin'ny Baiboly dia tsy misy ilana raha tsy ampiharina. Maro ny olonano mihevitra fa mahafantatra ny foto-kevitra ara­-Baiboly kanefa ny mifanohitra amin'ireny rio ataony. Amin'ny maha-Kristianina antsika, tsy ny mahafantatra fotsiny izay lazain’ny Baibo!y no ilaintsika, fa ny mankato izay lazainy. Amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra ihany no hananantsika fahendrena. Tsy hoe olona manana fahalalana be ao an-doha fotsiny, na olona mahay tsianjery toko sy andininy fotsiny tsy akory no atao hoe olon-kendry fa olona miaina sy mampihatra ny fahamarinana izay omena amin'ny alalan'ny SM.

 


 

LA SOURCE DE LA SAGESSE

                            °°°°°°°                      

 

Nous avons tous chaque jour des choix à faire, des décisions à prendre. Et comme nous le savons également, nous faisons chaque jour de mauvais choix.

C'est souvent l'égoïsme qui motive ces choix, parce qu'étant des êtres déchus, nous sommes avant tout des êtres égoïstes. Et souvent aussi, nos mauvais choix sont source de chagrin et de souffrance pour nous et notre entourage.

Réfléchissez à certains des mauvais choix que vous avez faits et à leurs conséquences négatives, non pas pour vous condamner vous-même ( pardon et la guérison vous attendent à la croix), mais simplement pour souligner que les mauvaises décisions peuvent coûter très cher.

La bonne nouvelle, c'est que Dieu nous a donné sa Parole pour nous éclairer et nous guider, nous qui sommes des êtres pécheurs et égoïstes (Ps 119.105).

Nous trouverons dans la Bible des principes qui nous donneront la sagesse dont nous avons besoin pour prendre de bonnes décisions, notamment concernant les questions d'ordre moral.

 

Lisez Ps 19.8-15; 119.98-105; Pr 3.13-16; Jn 17.17. Quelles promesses et quels principes nous aidant adéquatement à prendre des décisions d'ordre moral ces textes contiennent-ils?

C'est une chose de lire des principes bibliques, une autre de les suivre. Comme le dit le psalmiste : (Pour qui les observe l'avantage est grand (Ps 19.12) La sagesse que l'on trouve dans la Bible est inutile si elle n'est pas appliquée.

Quelles décisions importantes devez-vous prendre? Avez-vous consulté les Ecritures a ce sujet? Réfléchissez soigneusement aux conséquences de vos choix. Quelles promesses bibliques procla-mer tandis que vous recherchez la bonne décision?

 


 LESONA AMIN'NY TENY ANGLISY:

Cliquer sur la leçon du jour 

                                       

Alatsinainy 11-06-2007 : Fahendrena eo anivon'ny fiaraha-monina

Amin'ny maha-olornbelona antsika dia samy manana ny fiainantsika manokana tsy ikambanana amin'olon-kafa any isika tsirairay avy; fiainana iainantsika ao an-trano ao izany, izay takon'ny rindrina efatra sy ny varavarana mirindrina. Etsy an-danin'izany anefa dia voary miara-miaina amin'olon-kafa ao anaty fiaraha-monina koa isika, fa izany hoe tsy ifampizarantsika ilay fiainantsika manokana any akory ireo olona ireo.

Ary indrindra koa, tsy hoe olona mitokantokana na mikatona be eo amin'ny misy antsika eo fotsiny isika fa tena olom-pirenena mihitsy. Eto ihany koa izany dia afaka hahita fahendrena ao amin'ny Tenin'Andriamanitra isika ny amin'ny fomba hahazoantsika mivelona araka ny tokony ho izy eo amin'ireny seha-piaraha-monina samihafa misy antsika ireny.

 Rehefa mamaky azy ireny ianao, dia anontanio ny tenanao hoe fomba ahoana koa no mety hisian'ny fifandraisana eo amin'ny ara-piaraha-monina tsaratsara kokoa amin'ny fanarahana izany foto-kevitra izany?

Araka ny tombantombana natao dia voalaza fa lalàna maherin'ny 32 tapitrisa no nolaniana ka natao harahin'ny vahoalça tao anatin'ny taonjato maro nifandimby, izay nezahina hanamboarana ny toetra sy ny fitondrantenan'ny olona. Matetika anefa no novana ary nofoanana mihitsy ireny lalàna ireny mba tsy ho «lany daty» ka tsy azo ampiharina intsony. Tsy mba toy izany anefa ny Didy Folo: tsy mba miova fa maharitra mandrakizay ny fotokeviny, izay foto-kevitra afaka hitari-dalana antsika na eo amin'ny fiainantsika samirery na eo amin'ny fiainana iarahantsika amin'ny besinimaro.

Ny Baiboly dia manolo-pahendrena antsika eo amin'ny fomba hahazoantsika mivelona araka ny tokony ho izy amin'ny maha-olom-pirenena antsika eo amin'ny seha-piaraha-monina lehibe sy mivelatra kokoa.

Manome foto-kevitra maro antsika ny SM,ka ny fanarahantsika azy ireny no hahatonga antsika ho tena olom-pirenena sy vavolombelon'ny Tompo marina tokoa eo amin'ny tany sy ny fanjakana.

Inona no fahendrena hitanao ao amin'ireto toko sy and.ireto izay hanampy antsika eo amin'ny fanaovana asa tsara eo anivon'ny fiaraha­monina misy antsika? Jer. 29:7; Rôm.12:17,18, 13:1.4; 1 Pet. 2:13-14,17.

Inona koa ireo toko sy and. hala ao an-tsainao ao? Rehefa mamaky azy ireny ianao dia anontanio ny tenanao hoe:Tomba ahoana no hahazoako mampihatra araka ny tokony ho izy izany teny izany eo amin'ny fiaraha­monina manokana izay misy ahy?

 


 DE LA SAGESSE EN SOCIÉTÉ

 

°°°°°°

Les êtres humains ont une vie privée, qu'ils vivent derrière des portes fermées, mais ce sont aussi des êtres sociaux, en contact avec d'autres gens, avec qui ils n'ont ni vie privée ni intimité.

Certes, nous ne sommes pas seulement des personnes privées, niais aussi des citoyens publics. Dans ce domaine également, nous trouverons de la sagesse dans la Parole de Dieu pour bien vivre dans nos diverses communautés.

Dans une leçon précédente, nous avons vu que le fait d'obéir ou non aux dix commandements avait un impact sur nos relations familiales. Relisez-les (Ex 20.1-17). Demandez- vous si le fait de suivre ces principes contribue également à de meilleures relations sociales.

On estime qu'au cours des siècles les hommes ont mis au point plus de trente-deux millions de lois pour essayer de contrôler leur conduite. Il est souvent nécessaire de mettre ces lois à jour ou de les abroger. Ce n'est pas le cas pour les dix commandements. Les principes qui les gouvernent sont immuables et éternels, ils sont destinés à nous guider dans notre vie privée et publique.

La Bible offre une sagesse utile pour vivre au mieux sa vie en tant que citoyens de la communauté an sens large. Les Ecritures nous offrent des principes qui, s'ils sont mis en pratique, feront de nous de meilleurs citoyens et de meilleurs témoins du Seigneur dans le domaine public.

Quels principes de sagesse nous aidant a mieux nous comporter en société trouve-t-on dans Jr 29.7; Rm 12.17,18; 13.1-4; 1 P 2.13-1 4,17? A quels autres textes pensez-vous? En lisant ces versets, demandez-vous : " Comment appliquer au mieux ces conseils dans la société particulière dans laquelle je vis? "

 


 

LESONA AMIN'NY TENY ANGLISY:

Cliquer sur la leçon du jour 

 

Talata 12-06-2007 : Fahendrena any amin'ny toerampiasana

 

Fantatsika fa mifandray amin'ny fankatoavana ny Teniny ny fankatoavana ny sitra-pon'Andriamanitra. Rehefa mankato ny Tenin'Andriamanitra izany isika dia midika izay fa mankato ny sitrapony. Kanefa any amin'ny toerana izay itarafan'ny Baiboly ny sitrapony amin'ny kapobeny, dia manjary miavaka eo amin'ny fiainantsika kosa izany sitrapony izany. Na dia foto-kevitra, amin'ny ankapobeny aza no asehon'ny Tompo antsika ny amin'ny tokony ho fomba fiainantsika, dia azontsika atao tsara ny mampiasa ireny foto-kevitra ireny eny amin'ny toerana na faritra manokana misy antsika, ohatra hoe any am-piasana.

Ary satria manamafy ny ilana ny asa sy ny tokony hiasan'ny olona ny Baiboly, ary izany asa izany no hetsika lehibe tsy maintsy ataon'ny taranak'olombelona, dia tsy mahagaga raha toa ka manolo-pahendrena antsika momba ny asa izy (ny Baiboly).

lnona ireo foto-kevitra hita ao amin'ireto toko sy and. ireto izay azontsika hampiharina eo amin'ny asa sahanintsika? Mpit.T. 9:10; Mat. 25:14-30; Gal. 6:4; Kôl. 3:23,24.

Ny SM dia mampahafantatra antsika fa misy ary ilaina ny asa; araka izany dia mila miasa ny olona. Raha vantany vao voaforona i Adama sy i Eva dia nasain'Andriamanitra niasa sy nitandrina ny saha Edena izy ireo, (Gen 2:15). Eny, fa na taorian-ny fahotana aza, izay nanova sy nanimba zavatra maro (Gen. 3:17-19), dia nataon'Andriamanitra ho loharanom-pitahiana ho an'ny olona hatrany ny asa (Mpit.T. 3:22). Ankoatra izany dia mirakitra ny fampianaran'i Paoly koa ny Baiboly izay milaza manao hoe: «raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana» (2 Tes. 3:10). Tokony ho efa telopolo taona i Jesôsy raha nirotsaka teo amin'ny fiainam-panompoana sy fanasoavana ny olona (Lio. 3:23), ary ambaran'ny Baiboly fa «ilay mpandrafitra» no nahafantaran'ny olona Azy (Mar. 6:3) tamin'izany.  

Mampiseho ireo fihetsika sy toetoetra mampiavaka ny mpiasa tsara ny Baiboly, anisan'izany ny fahaizana mampiasa ny fotoana (Mat. 25:14-28), ny fahazotoana (Ohab. 12:24), ny fahatokiana sy ny fanekena ny Tompo (ny mampiasa izany) (Efes. 6:5,6). Fa ny tena zava-dehibe dia ity: tokony handeha amin'ny fahamarinana sy fahitsiana hatrany isika eo amin'ny zavatra rehetra sahanintsika, na mpiasa izany na mpampiasa (Ohab. 11:1).

Inona no toerana misy anao izay mbola itolomanao mafy eo amin'ny asa sahaninao noho ny fanarahanao ny foto-kevitry ny Baiboly? Inona no anton'izany tolona ataonao izany? lnona àry ny safidy tokony hataonao mba hahazoanao manaraka ny foto-kevitry ny Baiboly eo amin'ny asa sahaninao? 

 


 

DE LA SAGESSE SUR LE LIEU DE TRAVAIL

°°°°°°°°°°°°°°°

 

Les Ecritures reconnaissent la réalité et la nécessite du travail humain. Dieu a confié a Adam et Eve, des qu'ils ont été crées, la tâche de cultiver et de garder le jardin d'Eden (Gn 2.15). Même après le désastre engendre par le péché (Gn 3.17- 19), le travail était destiné à être une bénédiction pour l'humanité (Ec 3.22). La Bible rapporte la recommandation de Paul selon laquelle l'homme qui refusait de travailler n'avait pas le droit de manger (2 Th 3.10). Jésus n'avait pas moins de trente ans quand il a commencé sa vie publique (Lc 3.23) alors que, selon La Bible, on le connaissait comme charpentier (Mc 6,3).
Nous savons qu'obéir à la volonté de Dieu revient à obéir à sa Parole écrite. [..] Si le Seigneur donne des principes de vie d'ordre général dans sa Parole, il nous est possible de les utiliser pour nous guider dans des domaines précis de notre vie, tel que celui du travail, par exemple.
 

Dans la mesure où la Bible évoque la nécessité du travail et déclare que travailler est une activité essentielle pour les êtres humains, il n'est pas surprenant que la Bible nous donne des conseils de sagesse à ce sujet.

La Bible indique quelles sont les attitudes et les caractéristiques d'un bon ouvrier, entre autres : savoir gérer son temps (Mt 25.14-28), être diligent (Pr 12.24), intègre et respectueux de l'autorité (Ep 6.5, 6). Plus important encore, nous devons faire preuve d'honnêteté dans toutes nos transactions, soit comme employés, soit comme employeurs (Pr 11.1). 

Quels principes s'appliquant à notre situation au travail trouve-t-on dans ces textes?
Ec 9.10
Mt 25.14-30
Ga 6.4
Col 3.23.24

Quels aspects de votre travail sont pour vous les plus conflictuels, du moins quand il s'agit de suivre les principes bibliques? Quelles sont les causes de tels conflits? Quelles décisions pratiques devez-vous prendre pour mieux appliquer les principes bibliques au travail?

 


 

LESONA AMIN'NY TENY ANGLISY:

Cliquer sur la leçon du jour 

 

 

 

Alarobia 13-06-2007 : Ny baiboly sy ny harena

Vak. tsara io and. eo ambony io. Inona no fahendrena hitantsika eto izay afaka hanampy antsika eo amin'ny resaka ara-bols sy harena?

 

Ny famakiantsika hatrany ny Baiboly no ahitantsika hoe hay mety hampidi-doza eo amin'ny fiainana ara-panahin'ireo mpanaraka an'i Kristy ny harena. Efa nampoizin'Andriamanitra ny fivilian'ny zanak'i Isiraely fahizay ka nanompoany andriamani-kafa, raha nilaza Izy hoe: «Fa rehefa entiko any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely izy ( ... ), ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy (...)» (Deo. 31:20; jer. koa Deo. 32:15); tamin'izany dia nihodina tamin'Andriamanitra ireo zanak'Isiraely ka nanompo andriamani­kafa. Etsy an-danin'izany koa dia miresaka ny amin'ny fidonanaham-poana sy ny hakamoana ny Baiboly izay mitarika ho amin'ny fahantrana ary tonga hatrany amin'ny fahotana sy ny fitotonganana mihitsy.Ilaina sorohina daholo ireo toe-javatra anankiroa izay mamotika antsika ireo.

Vak. Mat. 13:22; 16:26; 19:24 ary 1 Tim. 6:10. Inona no ambaran'ireo toko sy and, ireo momba ny loza mety ateraky ny harena?

 

Mahavita zavatra hafahafa sady tsy ampoizina amin'ny olona ny vola. Tsy mba toy ny sakafo na ny rano na ny fialan-tsasatra fa na ahoana na ahoana fomba hananan'ny olona vola araka izay habetsahany na hoatrinona io na hoatrinona, dia ohatra ny hoe tsy ampy izany foana izay eo am‑pelatanana. Ny zavatra fahita matetika rnantsy dia izao: arakaraka ny maha­mpanam-bola ny olona no vao mainka mahatonga azy ho mpandanilany foana. Ny SM anefa dia manome antsika ireo foto-kevitra izay afaka hanampy antsika hahafantatra misimisy kokoa ny Fomba tokony hampifanarahantsika ny resa-bola amin'ny resaka famorian-karena. Eo amin'ny faniriantsika ta hanam-bola dia mba ahoana ny fahatsiarovantsika fa amin'ny farany ange ka ny haren'ny lanitra izany no hany harena haharitra mandrakizay e! (Mar. 10:21),

Ahoana ny fiheveranao ny fanambaran'ny Baiboly raha miresaka ny amin'ny haren'ny lanitra izy? Inona marina moa izany haren'ny lanitra izany? Fomba ahoana no hahazoantsika azy? Fomba ahoana no hahazoantsika fiarovana mba tsy ho tafalatsaka ao anatin'ireo fandriky ny fikatsahan-karena be loatra eto amin'ity tany ity, raha toa ka miandrandra ny fikatsahana ny haren'ny lanitra isika?

 


 

 LA BIBLE ET LES RICHESSES

°°°°°°°

" Ne me donne ni pauvreté, ni richesse; accorde-moi le pain qui m'est nécessaire, de peur que rassasié, je ne te renie et ne dise "Qui est le SEIGNEUR (YHWH)" Ou que, pauvre, je ne commette un vol et ne porte atteinte au nom de mon Dieu. " (Pr 30.8, 9)

Lisez le texte ci-dessus. Quelle sagesse exprime-t-il vis-à-vis de la question de l'argent et de la richesse? Comment cela peut-il nous aider?

Maintes fois, nous lisons dans la Bible combien la richesse peut être dangereuse pour la vie spirituelle des disciples du Seigneur. Dans sa prescience divine, le Seigneur, voyant venir l'apostasie de l'ancien Israël, a déclaré : " Il mangera, il sera rassasié, il engraissera " (Dt .31.20; voir aussi Dt 32.15); il a vu qu'ainsi Israël se détournerait de lui et servirait d'autres dieux. Mais, par ailleurs, la Bible dit que la paresse mène à la pauvreté, qui à son tour peut conduire au péché et à la ruine. Il est nécessaire d'éviter ces deux abimes.
L'argent a parfois d'étranges effets sur les gens. Contrairement au besoin en nourriture, en eau on en repos, les revenus que l'on perçoit, quels qu'ils soient, ne semblent jamais suffisant. Il arrive même que plus on est riche, plus on devient avide. Les Ecritures, cependant, nous donnent des principes nous aidant a mieux comprendre comment nous comporter envers l'argent et la fortune. Malgré notre désir d'argent, il est vital de se rappeler qu'à fin, le seul trésor qui dure vraiment est " un trésor dans le ciel " (Mc 10.21).
 


Lisez Mt 13.22; 16.26; 19.24; 1 Tm 6.10. Que disent ces textes sur les dangers potentiels de la richesse?
Que veut dire la Bible, à votre avis. Quand elle parle de " trésor dans le ciel " ? Quel est ce trésor, comment l'obtient-on et pourquoi fixer son regard sur lui aide-t-il à se protéger du désir dangereux d'acquérir de trop grands trésors ici-bas?

 


LESONA AMIN'NY TENY ANGLISY:

Cliquer sur la leçon du jour 

 

Alakamisy 14-06-2007 : Fitarihana atao amim- pahendrena

Andeha hiatrika izany isika: eto amin’ity tany ity, izay zava-misy amin'izao vaninandro iainantsika izao mihitsy, dia tsy maintsy misy foana ny toerana sy ny anjara asan'ireo mpitarika na manao ahoana na manao ahoana endrika isehoany. Ny mampalahelo dia ity: matetika ireo olona izay mahazo fisondrotam-pahefana no manararaotra izany tombon-tsoa azony izany ka ny tenany sy ny mombamomba azy izany no hitany fa tsy mba heveriny akory ireo olona eo ambany fitarihany. Manome ohatra ho antsika ny Baiboly mikasika ireo mpitarika tsy mba tia tena sady nahita fahombiazana teo amin'ny asany, anisan'izany ohatra i Mosesy; tao koa ireo mpitarika lozabe sady tsy mba nandeha tamin'ny fahamarinana toa an-dry Herôda mpanjaka.

Vak. Mat. 20:25-27. Inona no foto-kevitra lehibe sady manan-danja momba ny fîtarihana asehon'ireo andininy ireo?

 

Jereo izay voalaza ao amin'ny Mat. 20:28. Fomba ahoana no nanehoan'i Jesôsy izany hoe «mpitarika» teo amin'ny fanompoany ny hafa nandritra ny flainany teto an-tany? Inona no lesona azontsika raisins avy amin'izany ohatr'i Jesôsy izany mba ho an`ny tenantsika koa?

 

Araka ny fanambaran’ni Roger Greenleaf ny “ olona mpanompo aloha voalohany indrindra. Ny fihetseham-po voa-janahary avy ao amin’ny tena avy mankany amin’ny fiainana ny maha-mpitarika. Hita miavaka eo amin’nyfahaizan'ny mpanompo mitsinjo ny haaa ny tena maha-mpanompo mpitarika azy – voalohany indrindra, tsy mainsy ataorny azo antoka fa tanterany ny fanomezana ireo zavatra mitana ny loha-laharana eo amin'ny fiainan'ny hafa. Ny fîtsapana tsara indrindra dia izao: ataovy izay itomboan’ireo izay notompoina eo amin’ny lafimpiainana maha-olona azy: ataovy izany, ka amin'ny fanompoanao azy ireny dia hanjary ho salama kokoa izy, hanam­pahendrena kokoa, hahita fahafahana bebe kokoa, hahaleo tena kokoa, ary hanam-pikasana hanahaka ny toetran'ny mpanompo ihany koa». PSL, t. 4.

Raha mba nanaraka ny fomba fitarihan'i Jesôsy mantsy ireo mpitarika rehetra tany arnin'ny 2000 taona lasa tany, asa ho nanao ahoana re ny tantaram-piainan'ny zanak'olombe!ona e!

Mazava ho azy fa vitsy dia vitsy ireo mpitarika vonona ny hanompo an­tsitra-po, saingy amin'ny maha-Kristianlna antsika dia tokony ho eo amin’ny laharana voalohany amin'ny fanehoana ny fanatanterahana izany asan'ny mpanompo izany isika.

Mitana anjara asa amina karazana fitarihana ve ianao? Raha eny, ahoana tsara no rnba fitarafanao ny foto-kevitra rnikasika ny fitarihana naseho tamin'ny lesona androany? Mahery vaika ao anatinao ve ny fitiavan-tena sy ny faniriana hanampatra fahefana noho ny faniriana hiasa ho an'ny hafa sy hanompo?

 


  

DE SAGES DIRIGEANTS

°°°°°

Admettons-le : dans le monde tel qu'il existe aujourd'hui, il y aura toujours une place et un rôle pour des dirigeants de toutes sortes.


Malheureusement, il arrive souvent que les personnes qui s'élèvent aux postes de dirigeant s'en servent pour leur gratification propre, sans penser aux gens qu'ils dirigent. La Bible donne des exemples de dirigeants désintéressés et efficaces comme Moise, et de dirigeants dangereux et immoraux comme le roi Hérode.

Lisez Mt 20.25-27. Quel important principe sur le rôle de dirigeant ces versets nous livrent-ils?

Etudiez Mt 20.28. Comment Jésus a-t-il exercé ce rôle de dirigeant au service d'autrui dans sa propre vie? Quelle leçon tirer de son exemple?

Exercez-vous un rôle de leader? Si oui, dans quelle mesure reflétez-vous le principe mis aujourd'hui en lumière à ce sujet?

D'après Robert Greenleaf, le dirigeant-serviteur est avant tout un serviteur. " Cela commence par un désir naturel de servir, de servir avant tout. Puis, à la suite d'un choix conscient, on aspire à diriger. La différence est liée aux précautions prises par le serviteur, notamment en s'assurant que les besoins primordiaux d'autrui sont combles. Le meilleur test à cet égard est le suivant : est-ce que les gens que l'on sert deviennent de vraies personnes? Leur sante est-elle meilleure, deviennent-elles plus sages, plus libres, plus autonomes, plus aptes elles-mêmes à servir?" - The Power of Servant Leadership, Berrett-Kochlet Publishers, San Francisco, Inc., 1998, p. 4.
Si tous les dirigeants de l'ère chrétienne avaient suivi le modèle donné par Jésus, comme l'histoire humaine aurait été différente !
Bien sûr, les dirigeants désireux de servir sont peu nombreux et dispersés. Les chrétiens doivent être sur le devant de la scène et montrer ce qu'il faut faire.




 

LESONA AMIN'NY TENY ANGLISY:

Cliquer sur la leçon du jour 

 

Zoma 15-06-2007 : Fianarana fanampiny

FIANARANA FANAMPINY:

Vakio, TM, «How Shan We Search the Scriptures?», t.. 105-111, «Dg Deeper», t. 119,- “Practical instruction in Labor”,t. 309-318.

«Ny Baiboly dia mirakitra ireo foto-kevitra rehetra ilain'ny olona ho fantatra mba hifanaraka amin'ny fiainana izay iainany ankehitriny ary koa amin'ny fiainana mbola ho avy. Tokony ho fantatsika rehetra ireny foto-kevitra ireny,» Ed, t. 123. .

«Ireo izay mandinika ny Baiboly, mandray anatra avy amin'Andriamanitra ary miankina tanteraka amin'i Kristy dia hahavita zavatra amim-pahendrena, amin'ny fotoana rehetra ary mifanaraka amin'ny toe-javatra rehetra misy. Ho ohatra mivaingana eo amin'ny fiainana ny foto-kevitra tsara.» TFQ b. 5, t. 43.

«Ny Baiboly dia manambara ny fahamarinana amin'ny fahatsorana sy. amin'ny fahamendrehana tonga lafatra izay mifanaraka indrindra amin'ny filana sy ny hetahetam-pon'ny olona, izay manaitra sy maharavoravo ny saina mitombo amin'ny fahalalana, sady hahaizan'ry manetry tena sy ny tsy manam-pahalalana mahafantatra ny lalam-pamonjena. Ary ny mbola firaiketan'ireny fahamarinana nabaribary ireny eo amin'ireo foto-kevitra ambony sady lehibe, saro-takarina ary tsy voafetra any an-koatra ny herin'ny fahalalan'ny olombelona any dia noho ny fahazoantsika manaiky azy ireny satria Andriamanitra mihitsy no efa nanambara azy.» ibid, t. 700

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA

1.     Ahoana no hahatonga ny fahatokiana eo amin'ny fandoavana ny ampahafolony sy fanolorana fanatitra ho fiarovana ho antsika amin'ny loza ateraky ny fitsiriritana na ny faniriana mihoa-pampana?

2.    Ahoana no tokony hilantsika hevitra avy amin'ny Baiboly eo amin'ny fiainantsika andavanandro ny amin'ny tokony hananantsika fahendrena eo am-pandraisana fanapahan-kevitra? Resaho eo amin'ny kilasinao ny fomba azontsika atao ho fampiharana izany. Mandraisa ohatra vitsivitsy toy ny hoe: tokony hanambady io olona io ve aho sa ahoana? – Tokony hanao io asa io ve aho sa ahoana? Tokony hifindra toerana ve aho sa ahoana? Na koa tokony hisy hetsika hataoko ve sa ahoana? Fomba ahoana no mety hahitanao ny valin'ireny fanotaniana ireny ao amin'ny Baiboly? Sa afaka manolotra valin-teny ve ianao?

3. lfanakalozy hevitra ny amin'ity resaka «fitarihana» ity sy ny maha-   mora ny  fahatongavan'ny fitiavan-tena aoamin'nympitarika,ary koa  ny fampiasany   ny hery sy ny fahefany ananany ho amin'ny fitiavan-tena fa tsy mba ho amin'ny fandavan-tena. Innona ireo fanandramana efa niainan'ny   mambran'ny kilasy teo amin'izany sehatra izany? Inona no lesona azonao nianarana avy amin'izany rehetra izany izay afaka hitondra fitahiana ho an'ny    hafa? 

 


 POUR ALLER PLUS LOIN

°°°°°

A LIRE: Ellen WHITE, Testimonies to Ministers and Gospel Workers, <<How Shall We Search the Scriptures? >> p. 105-111; << Dig Deeper >>, p. 119; <<Practical Instruction in Labor, >>, p. 309-318. 

"La Bible dévoile la vérité avec une simplicité et une connaissance parfaite des besoins et des aspirations du cœur humain, tel point qu'elle a surpris et charme les esprits les plus cultivés tout en permettant aux gens humbles et sans éducation de discerner le chemin du salut. Et pourtant, ces vérités énoncées si simplement traitent de sujets si élevés, allant tellement au-delà de la compréhension humaine que nous ne les acceptons que parce que Dieu les a proclamées. - Idem, p. 700,

 


Ceux qui étudient La Bible, prennent conseil auprès de Dieu et se reposent sur le Christ, acquerront la faculté d'agir sagement en tout temps, quelles que soient les circonstances. Ils illustreront ces principes bénéfiques dans leur vie présente. " - Ellen WHITE, Testimonies for the Church, vol. 5, p. 43.

 


" La Bible contient tous les principes que les hommes ont besoin d'assimiler pour être aptes à cette vie comme à la vie à venir. Tous peuvent comprendre ces principes. " - Ellen WHITE, Education, "Culturelle mentale et spirituelle ", p. 139.

A MEDITER

1. En quoi le fait d'observer fidèlement le versement de la dime et le don d'offrandes nous protège des dangers de la convoitise?
2. Dans quelle mesure allons-nous puiser de la sagesse dans la Bible pour prendre nos décisions? Que les membres de l'Ecole du sabbat discutent des façons de parvenir. Choisissez quelques exemples, comme : " Dois-je épouser cette personne? Dois-je accepter ce travail? " " Dois-je déménager? " Comment trouver dans la Bible la réponse des questions aussi précises? Est-ce possible?
3. Discutez du problème du leadership et du fait qu'il est facile pour des dirigeants de verser dans l'égoïsme et d'utiliser leur pouvoir pour des raisons non désintéressées. Quelle est l'expérience des membres de la classe dans cc domaine? Qu'avez-vous appris d'utile pour autrui?

 

 


LESONA AMIN'NY TENY ANGLISY:

Cliquer sur la leçon du jour 

 

 

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006