Telovolana 3 : L'évangile, 1844 et le jugement

Lesona faha 1 : I ADAMA SY I EVA: NOKASAINA HO FILAMATRA

Daty : 30-06-2007 hatr@ 06-07-2007. Toko dinihina : Gen. 1:26; 2:18 - - 3:16.

Tsianjery : Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo. (Gen.2:24)

Sabotsy 30-06-2007 : Fampidirana

Ny tantaran'i Adama sy i Eva dia mahafinaritra ny fiandohany fa mampalahelo kosa ny fiafarany. Efa nanome azy ireo ny zavatra tsara rehetra Andriamanitra. Mpampakatra bikàna sy ampakarina mahafatifaty izy ireo, tsy voapentin'ny kilema na dia kely akory aza, na teo amin'ny toetrany izany na teo amin'ny vatany. Saha tsara tarehy no akany nonena an'izy ireo, ary tsy nanana ahiana na tamin'inona na tamin'inona izy ireo tamin'izany. Ary ho fara tampony tamin'izany rehetra izany dia nomen'Andriamanitra azy ireo mihitsy ny fanantenana ny fiainana mandrakizay. Tsara lavitra noho ny fiandohan'ny angano ny fiandohan'ny fanambadian'izy ireo.

Saingy ny fiafarany kosa dia lavitra dia lavitry ny fiafaran'ny angano toy ny hoe: " ... dia niaina tao anatin'ny fahasambarana foana izy ireo taorian'izay." Ny tantara dia mifarana amin'i Adama sy i Eva.namoy ny zavatra rehetra – ary tsy izy ireo ihany fa ny mpivady rehetra sy ny olona tsirairay aty aoriana. lzany dia ohatra mahery vaika mampiseho ny sandan'ny ota. Tokony hisintona lesona tsara avy amin'io tantara io isika mikasika ny voka-dratsy ateraky ny fialana amin'ny sitra-pon'Andriamanitra.

Indray mitopy maso: I Adama sy i Eva, fony izy ireo vao noforonina tany am-boalohany, dia nanana ny endriky ny Mpamorona azy ireo indrindra. Inona no dikan'izany? Mihoatra noho izany, inona no nitranga rehefa voaloton'ny ota izany endrika izany? Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin'izany tantara mampalahelo momba ny fahalavoan'izy ireo izany? 

 

 


 

GUIDE DE L'ETUDE DE LA BIBLE 3ème TRIMESTRE

°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°

 POUR LE MEILLEUR ET POUR LE PIRE

LECONS INSPIRÉES PAR LES COUPLES

DE L'ANCIEN TESTAMENT

 

 1.  ADAM ET ÈVE : L'IDÉAL CONÇU PAR DIEU

Étude de la semaine : Gn.1 :26 ; 2 :18 à 3 :16. 

Versets à mémoriser:

"C'est pourquoi l'homme quitterait son père et sa mère et s'attachera à sa femme, et ils deviendront une seule chair." (Gn 2.24) 

Pensée centrale:

Adam et Eve ont, à l'origine, été crées à l'image de leur Créateur. Qu'est-ce que cela signifiait ? Plus important encore, que s'est-il passé quand cette image a été souillée par le péché ? Que nous apprend la triste histoire de leur chute ?

L'histoire d'Adam et d'Eve a eu un commencement magnifique et une fin tragique. Dieu leur avait offert tout ce qui est bon. Ils formaient un joli couple sans défauts physiques ni psychiques. Ils vivaient dans un jardin superbe qui était leur foyer, sans aucun souci. Pour couronner le tout, Dieu leur avait donné la perspective de la vie éternelle. Leur mariage, au début, était plus beau que le plus beau des contes de fées. Cependant, la fin de leur histoire a été on ne peut plus éloignée de celles des contes qui se terminent par : " Leur bonheur n'eut pas de fin. " Adam et Eve ont tout perdu - non seulement eux, mais tous les couples et êtres humains à venir. Ils sont un puissant exemple du prix à payer pour le péché. Cette leçon donne un excellent exemple de ce qui se passe lorsqu'on s'éloigne de la volonté divine. 


 

3rd Quarter 2007

For Better or for Worse:

  Lessons From Old Testament Couples

Contents and Introduction

 

  
1- Adam and Eve: The Intended Ideal  

          (Teachers Edition)

           (Standard Edition), Cliquer sur la leçon du jour

Alahady 01-07-2007 : Ny endrik'andriamanitra gen. 1:27

Misy ampahany amin'ny hevitry ny hoe "endrik'Andriamanitra" azo fantarina amin'ny alalan'ny fanambarana manaraka eo amin'io andininy io izay manazava azy, dia ny hoe: Lahy sy vavy no namoronany azy." Ny lahy sy vavy miaraka dia mitaratra ny endrik'Andriamanitra.  Mifameno izy roroa ireo ary tsy feno ny iray raha izy fotsiny ihany. Tsy natao hiaina mitokana samy olon-ko azy ny olombelona lahy sy vavy, fa zavatra mandeha ho azy ny fitadiavan'ny andaniny ny ankileny. Izay fikambanan'ny lahy sy ny vavy izay dia ilaina mba ho fiarovana ny fiaraha-monina sy ny fitohizan'ny tantaran'ny olombelona.

Maro ny olona no mampifandray an'Andriamanitra amin'ny endri­pamaritana ny maha-lahy fotsiny (genre masculin). Marina fa ny fifaranan'ny teny hebreo ilazana an'Andriamanitra dia amin'ny endri-teny manondro ny lahy sy manondro ny maro (terminaison au masculin pluriel) ary ny matoanteny miaraka amin'io teny hebreo ilazana an'Andriamanitra io dia amin'ny endri-teny manondro ny lahy, kanefa ny Baiboly dia mampiasa koa sary maneho ny vavy sy toetry ny vavy ilazana an'Andribmanitra.

Inona ireo sary maneho ny vavy enti-milaza ny toetran'Andriamanitra ampiasaina eto? Deo. 32:11; Isa. 49:15, 16; 66:12,13; Hôs. 13:8; Mat. 23:37.

Manohana io toetra mifameno eo amin'ny endri-pamaritana ny lahy sy ny vavy io ny hevitra momba ny fahamaroana ao amin'Andriamanitra. Ny mpisolo anarâna ampiasaina ilazana an'Andriamanitra dia amin'ny endri-teny manondro ny maro (au pluriel): "Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehitsika (Gen. 1:26).

Fomba ahoana no mety hanehoan'ny fahamaroana ao amin'Andria­manitra Telo Izay Iraq ny hevitra hoe ny lehilahy sy ny vehivavy miaraka dia mitaratra ny endrik'Andriamanitra?

Ny fahamaroana ao amin'Andriamanitra Telo Izay Iray dia ilaina satria Andriamanitra dia fitiavana. Mba hahatonga ny fitiavana hisy dia tsy maintsy misy olona tia ary misy olona tiavina. Ny lahy sy ny vavy eo amin'ny fiarahan'izy ireo dia maneho io fahamaroana io.Tahaka an'Andriamanitra dia zavatra mandeha ho azy ho an'ny lehilahy sy ny vehivavy ny hoe ampiraisin'ny fitiavana. Ny fitiavana dia manamarika fifandraisana fototra eo amin'ny olombelona. Ny olombelona dia miaina mba ho tia, ary tsy feno izy raha tsy maneho izany,na aseho ao anatin'ny fifandraisana ara­panambadiana izany fitiavana izany na tsia. Ny olona tokan-tena dia afaka maneho fitiavana amin'ny fomba hafa. Rehefa dinihina tokoa, i Jesôsy anie ka tokan-tena e!

Moa ve ny fitiavana naseho antsika tamin'ny alalan'ny fahafatesan'i Jesôsy manampy antsika hahafantatra tsara kokoa hoe inona marina moa ny fitiavana? Amin'ny fomba ahoana? 

 


Dimanche      1.ADAM ET EVE : L’IDEAL CONÇU PAR DIEU

À L'IMAGE DE DIEU

" Dieu créa les humains à son image: il les créa l'image de Dieu; homme et femme il les créa. " (Gn 1.27)

Il est possible de comprendre partiellement ce que représentait le fait d'être à "l'image de Dieu". Ensemble, l'homme et la femme reflétaient l'image de Dieu. Les deux se complétaient, chacun étant incomplet en soi. L'homme et la femme n'étaient pas destinés à vivre séparément, mais à se rechercher de façon naturelle. Une telle association était nécessaire pour la préservation de la société et la continuité de l'histoire humaine.

 

Quelles images féminines sont-elles attribuées à Dieu dans la Bible? Dt 32 :11; Es 49 :15,16 ; 66 :12,13 ;Os 13 :8 ; Mt 23 : 37. 

Beaucoup de croyants associent Dieu au genre masculin. Si le terme hébreu pour Dieu revêt le masculin au pluriel, si les verbes qui lui sont associés prennent également la forme du masculin, la Bible décrit aussi Dieu à l'aide d'images et de qualités féminines.   

 

En quoi la pluralité de la Divinité reflète-t-elle la notion selon laquelle l'homme et la femme sont ensemble à l'image de Dieu?

La notion d'un Dieu pluriel va dans le sens de la nature complémentaire des genres. Le pronom utilisé pour Dieu est au pluriel : " Faisons les humains à notre image, selon notre ressemblance" (Gn 1.26, c'est nous qui soulignons).

Il est nécessaire que la Divinité soit plurielle, parce que Dieu est amour. Pour que l'amour existe, il faut une personne aimante et une personne aimée. L'homme et la femme, au sein de leur partenariat, reflétaient cette pluralité. Comme Dieu, il est naturel à l'homme et à la femme de s'unir dans l'amour. L'amour est à la base des relations humaines. L'être humain vit pour aimer et n'est complet que s'il y parvient, qu'un tel amour s'exprime ou non au sein du mariage. Les célibataires ont la possibilité d'exprimer leur amour de multiples façons. Apres tout, Jésus était célibataire.  

En quoi l'amour exprimé par Jésus à sa mort (Jn 15:13) nous aide-t-il à mieux comprendre ce qu'il est vraiment? 


  

For Better or for Worse:

Lessons From Old Testament Couples

 
1- Adam and Eve: The Intended Ideal

        (Teachers Edition )   

        (Standard Edition) Cliquer sur la leçon du jour

       

 

 

Alatsinainy 02-07-2007 : Vady sahaza (mpanampy tandrifiny)

Nahoana i Jehôvah no nanao vady ho an'i Adama? Gen. 2:18.

Nahoana no tsy tsara raha "irery" i Adama? Rehefa dinihina, moa tsy nanana ny biby ho namana ve izy, ary indrindra koa nanana an'Andriamanitra mihitsy?

Ny Gen. 22:18-22 dia manipy hevitra fa ria dia voadinik'Andriamanitra aza fa nilaina ny namorona namana ho an-dralehilahy, dia tsy namorona an­dravehivavy Izy raha tsy efa nahazo anarana avokoa ny biby rehetra. Eo am­pamakiana ny tantara isika dia miara-mahatsapa amin'i Adama 'ny faha­tsiarovan-tenany ho irery izay mihamafy hatrany. Rehefa nentin' Andria­manitra teo anatrehany ny biby sy ny vorona mba homeny anarana, dia tsy afaka ny tsy hahatsikaritra izy fa nandeha tsiroaroa izy ireo. Anarana iray ihany no nomeny azy roa, kanefa ampoizina fa tsikariny hoe lahy ny anankiray ary vavy ny anankiray. lzany dia nahatonga ireo biby sy vorona ireo hanana ny namany avy tamin'ny fomba izay tsy nahafahan'ny biby na ny vorona hafa naka ny toeran'izany namana izany. Ho an'i Adama kosa dia "tsy hita izay vady sahaza" (Gen. 2:20) ho azy. Nivandravandra be ny naka-irery azy.

Rehefa nifandimby teny ny andro nanatanterahan'Andriamanitra ny asa famoronana, dia afaka nanao fanamarihana izy teo am-piafaran'ny andro iray, raha nanao jery todika ny asany Izy, fa "tsara" izany. lo teny io ihany no ampiasainy koa ho an'i Adama, saingy amin'ny fomba hafa fotsiny. Lazainy fa tsy "tsara" raha irery ralehilahy.

Ahoana ny fîlazanAndriamanitra ny toetoetr'ilay vady izay efa hataony ho an'i Adama? Gen. 2:18.

Andriamanitra akory tsy nilaza fa hanao mpanampy ie mpanampy fotsiny ho an'i Adama, fa mpanampy hifameno aminy. Ny teny hebreo dia. midika ara­bakiteny hoe: "tahaka ny andaniny». lo namany io dia tsy eo mba ho mpanampy fotsiny – mba hikarakara sakafo, na hiteraka, na hikarakara zaridaina. Natao ho famenony i Eva, ho «andaniny», ho namana (amin'ny tena hevitr'io teny io marina). Ny tombam-bidiny dia araks ny maha-izy azy. Ary koa, ny hoe mpanampy dia tsy mampiseho olona ambany saranga kokoa tsy akory; ny Baiboly aza matetika dia milaza an'Andriamanitra ho manampy ny olombelona (jer. Sal. 30:10; 54:4; 121:2; Heb. 13:6).

Hevero ny amin'ny olona iray fantatrao ankehitriny izay mety ho mijaly noho izy manirery. Hatraiza ny fatran'ny fahafoizan-tenanao ho fanampiana azy? 

 


 

Lundi                 1.ADAM ET EVE : L’IDEAL CONÇU PAR DIEU

UNE AIDE OU "VIS-À-VIS"

 

Pourquoi le Seigneur a-t-il donné une femme à Adam? (Gn 2 :18)

Il est suggéré dans Gn 2 :18-22 que même si Dieu connaissait le besoin de compagnie d'Adam, il a crée la femme après qu'Adam eut nomme les animaux. En lisant ce récit, nous ressentons la solitude croissante d'Adam. Il ne pouvait s'empêcher de remarquer, tandis que Dieu lui amenait les animaux et les oiseaux pour qu'il les nomme, que ceux-ci allaient par paire. Il donnait le même nom à chaque paire tout en observant que l'un était male et l'autre femelle. Chaque animal ou oiseau bénéficiait d'une compagnie qu'aucun autre être vivant ne pouvait lui donner. En revanche, "il ne trouva pas d'aide qui fut son vis-à-vis."(Gn 2 :20) Sa solitude était criante.

Pourquoi n'était-il pas bon, pour Adam, d'être seul? Apres tout, n'avait-il pas la compagnie des animaux et de Dieu lui-même?

Tandis qu'il créait, Dieu notait à la fin de chaque journée, en contemplant son œuvre, que "cela était bon ". Il a utilisé ce même terme au sujet d'Adam, mais d'une manière différente. Il a déclaré qu'il n'était pas "bon" que l'homme soit seul.

Comment Dieu a-t-il décrit la femme qu'il s'apprêtait à créer pour Adam? Gn 2 :18.

Dieu a déclaré qu'il donnerait à Adam quelqu'un qui le compléterait. Le terme hébreu signifie littéralement : "son vis-à-vis". Sa partenaire ne serait pas seulement une aide - préparant le repas, portant les enfants ou, même, s'occupant du jardin -, elle serait son complément, son vis-à-vis, sa partenaire, au vrai sens du terme. Sa valeur serait liée à la personne qu'elle serait. D'autre part, la notion d'aide n'impliquait pas une infériorité, la Bible évoquant souvent Dieu venant en aide à l'humanité (voir Ps 30.10; 54.6; 121.2; He 13.6) 

Pensez à une personne de votre connaissance qui souffre de la solitude. A quoi allez-vous renoncer pour pouvoir l'aider? 

 


 

For Better or for Worse:

Lessons From Old Testament Couples

 
 

1- Adam and Eve: The Intended Ideal 

        (Teachers Edition )   

        (Standard Edition) Cliquer sur la leçon du jour

Talata 03-07-2007 : Mpivady

 

Ny fihetseham-pon'i Adama voalohany rehefa nahita an'i Eva dia tsy fitiavana fa fahatsiarovan-tena ho maivamaivana. Amin'ny teny hebreo ny teniny voalohany dia azo adika amin'ny fomba samihafa toy ny hoe: "ankehitriny", na "amin'ity indray mandeha ity", fa ny dikan-teny mety indrindra dia ny hoe: "ela ny ela!" Ela ny ela, indro ankehitriny misy zava-manana aina tena mitovy endrika aminy. Tsy hoe ilay anankiray hafa mitovy aminy fotsiny i Eva; noforonina avy tamin'ny taolan-tehezany izy, ka tena tenant' ara­bakiteny mihitsy. Nilaza i Matthew Henry fa ravehivavy dia tsy noforonina "avy tamin'ny lohany [lohan'i Adamal mba ho eo amboniny hanapaka azy, na avy tamin'ny tongony mba hohitsakitsahiny, fa avy teo amin'ny tehezany mba hitovy aminy, eo ambanin'ny sandriny mba harovany, ary eo akaikin'ny fony mba hotiaviny."

Vak. ny 1 Kôr. 11:11,12. lnona no hevi-dehibe mikasika ny firaisana sy ny fiarahana izay tokony hisy eo amin'ny mpivady avoitran'i Paoly eto?

Vak. ny Gen. 2:24. lnona no fiovana eo amin'ny fiandaniana sy ny laharam-pahamehana takin'io and. io?

Io and. io akory tsy mitaky hoe hiala ao an-tokan-tranon'ny ray aman­dreniny ny olona iray ka ho any amin'ny tokan-tranon'ny fianakavian'ny vadiny, toy izay fanao any amin'ny fiarahamonina sasany. Ny eritreritra ao amin'io and. eo io dia mitaky ny lahy sy ny vavy hanova ny laharam­pahamehany. Tsy manana ny zo ho alohan'ny rehetra intsony ny ray aman­dreny amin'ny fitakiana atao. Manahirana tokoa io any amin'ireo kolontsaina toy ny ao amin'ny TT; ny zanaka mantsy, any amin'ireny kolontsaina ireny, dia manana adidy hanaja ny ray aman-dreniny mandritra ny androm-piainany. Eny, ekena fa tokony hitohy mandraka ankehitriny izany, saingy aorian'ny fanambadiana dia mandefitra ny ray aman-dreny, fa amin'ny vadiny aloha no tokony hanehoan'ny olona iray fahafoizan-tena, izay vao amin'ny ray aman‑dreniny.

Raha nanao fanamarihana momba ny Gen. 2:24 i Jesôsy dia nilaza Izy fa "tsy roa intsony" ny mpivady "fa nofo iray ihany" (Mat. 19:6). Ny mpivady dia tokony ho iray ara-piarahamonina sy ara-pihetseham-po ary ara­panahy, dia tahaka an'Andriamanitra Telo lzay Iraq, Izay na dia telo aza dia iray ihany. lo no fomba anankiray anehoan'ny mpivady taratra ny "endrik'Andriamanitra. 

Raha manambady ianao, inona ireo zavatra azonao atao, inona ireo fihetsika ilainao hovana, mba ho etiety kokoa ny firaisanao amin'ny vadinao? Raha tsy manambady ianao, inona ireo, fiovana ilainao hatao mba hanananao fifandraisana tsaratsara kokoa sy etiety kokoa amin'ny olona manodidina anao?
 

 


 

Mardi                     1.ADAM ET EVE : L’IDEAL CONÇU PAR DIEU

MARI ET FEMME

 

 

Dans Gn 2.23, la première réaction d'Adam en voyant Eve n'a pas été un sentiment romantique, mais du soulagement. En hébreu, il est possible de traduire le premier mot qu'il a prononcé par " maintenant" ou "cette fois.", mais la traduction qui convient le mieux est; "enfin! " Enfin, voila un être vivant, avec lequel il pouvait pleinement s'identifier. Eve n'était pas seulement sa partenaire; sortie de sa cote, elle faisait littéralement partie de lui. Matthieu Henry a déclaré que la femme "n'a pas été tirée de son crâne pour le dominer, ni de ses pieds pour être piétinée, mais de son côté pour être son égale, de sous son bras pour être protégée et près de son cœur pour être aimée ".

 

Lisez 1 Co 11.11, 12. Quel point important sur l'union et la fraternité qui doivent exister entre l'homme et la femme Paul fait-il?

Lisez Gn 2.24. Quel changement de priorités et d'allégeance ce texte suggère-t-il?

  

Ce texte n'exige pas que l'on quitte le foyer parental pour rejoindre celui de l'époux, comme cela se fait dans certaines cultures. Ce passage insiste essentiellement sur un changement de priorités de la part de l'homme et de la femme. Les parents n'ont plus la priorité - fait sérieux dans une culture comme celle de l'Ancien Testament, où les enfants devaient honorer leurs parents toute leur vie. Bien sûr, il doit toujours en entre ainsi aujourd'hui, mais après le mariage, c'est l'époux ou l'épouse qui passe en premier et non les parents.

Commentant Gn 2.24, Jésus a déclaré que le mari et la femme "ne sont plus deux, mais une seule chair" (Mt 19.6). Le mari et la femme doivent être unis, socialement, émotionnellement et spirituellement, tout comme 1a Trinité qui est un seul Dieu en trois personnes. C'est l'une des façons dont le mari et la femme reflètent "l'image de Dieu".   

 

Si vous êtes marié, que faire. Quels comportements changer, pour vous unir davantage à votre conjoint? Si vous n'êtes pas marié, quels changements opérer pour entretenir de meilleures relations avec votre entourage et vous sentir plus proche?

 


  

For Better or for Worse:

Lessons From Old Testament Couples

 

1- Adam and Eve: The Intended Ideal 

        (Teachers Edition )   

        (Standard Edition) Cliquer sur la leçon du jour

Alarobia 04-07-2007 : Tsara ny roa noho ny iray

  Vak. ny Gen. 3:1-6. Misy lafin-javatra maromaro ao amin'io fitantarana io izay mahatonga antsika hieritreritra fa irery i Eva tamin'ny fotoana nahalavo azy tamin'ny fakam-panahy:

1) Ravehivavy ihany no niresahan'ilay menarana.
2) Toa tsy teo i Adama ary tsy voatonona ny anarany raha tsy efa    nomen'i Eva azy ilay voankazo.
3) Voaozona i Adama noho izy nihaino ny vadiny fa tsy noho izy nihaino ilay menarana.

Misy dikan-tenin'ny Baiboly maromaro sy boky fanadihadiana sasantsasany toa mampisaina hoe niaraka tamin'i Eva i Adama tamin'ny fotoana nakana fanahy azy (Gen. 3:6). Misy teny maromaro amin'ny teny hebrea izay azo adika hoe "miaraka." Teny anankiroa misy lanjany lehibe amin'ireny ny "etzel» sy ny "im". Ity faharoa no ampiasaina ao amin'io andininy io.
. Etzel" no teny ampiasaina hilazana fitoerana eo anila na eo akaikina zavatra iray. (Jer. Gen. 39:15, 18). Mifanohitra amin'izay kosa, ny "im' dia manambara fifandraisana. Ny "Imanoela" ao amin'ny Isa. 7:14 sy ao amin'ny Isa. 8:8, 10 dia manomboka amin'ny "im" ary midika hoe "[miaraka] amintsika Andriamanitra ". Toerana ara-pifandraisana izany fa tsy arajeôgrafia. Ny Gen. 3:6 àry izany dia tsy midika akory hoe tsy maintsy ho hitantsika nitoetra teo anilan'i Eva i Adama rehefa nalaim-panahy izy. Io teny io ihany no nampiasain'i Adama ao amin'ny Gen. 3:12 hampahatsiahivana an'Andriamanitra mikasika ilay vehivavy izay nataony niaraka taminy. Io "miaraka" io dia "miaraka" ara-pifandraisana. Raha niaraka tena teo akaikin'i Eva tokoa i Adama, dia nety tsy ho lavo i Eva.
"Efa nambaran'ny anjely tamin'i Eva ny loza mety hananontanona azy raha misara-dia amin'ny vadiny izy. Raha miaraka lalandava amin'ny vadinao ianao, hot' izy ireo taminy, dia ho maivana kokoa ny fakam-panahy noho ianao mandeha irery. PM, L35.


Aoka ho ao an-tsaina mandrakariva ny tontolon-kevitra manodidina ny lesona androany, koa inona no hafatra ho antsika ao amin'ireto toko sy and. manaraka ireto? Ohab. 11: 14; Mpit.T. 4:9-11; Jak. 5:16.

Efa fanandramana niainanao ve ny fanampiana sy ny fiarovana ary ny toro hevitra tsara avy amin'ny hafa? Tamin'ny fomba ahoana? Manao ahoana ny fahavononanao handray, na hanome mihitsy, fanampiana rehefa ilaina izany? Ento ao amin'ny kilasy ny ohatra iray mampiseho fa nanova zavatra lehibe ho anao ny fanatrehana sy / na ny fanampianny hafa.
 

 


 

Jeudi                           1.ADAM ET EVE : L’IDEAL CONÇU PAR DIEU

 MIEUX VAUT ÊTRE DEUX QU'UN SEUL

Lisez Gn 3:1-6. Plusieurs éléments du récit suggèrent qu'Eve était seule quand elle a succombé à la tentation :

1) le serpent ne s'est adressé qu'à elle;

2) Adam, apparemment, était absent. Il n'est mentionné qu'au moment où Eve lui a offert le fruit;

3) Adam est maudit pour avoir écouté sa femme et non le serpent.

Plusieurs versions bibliques et certains commentaires suggèrent qu'Adam était avec Eve au moment où elle a été tentée (Gn 3:6 ). La langue hébraïque possède plusieurs façons de traduire "avec ", dont, notamment, etzel, et im, utilisé dans ce passage.

Etzel est une préposition signifiant "à côté" de quelque chose. Voir Gn 39: 15,18 . En revanche, im est lié à la relation. " Immanou-El ", dans Es 7:14; 8:8,10 commence par im et signifie "Dieu avec nous ". Il s'agit d'une position relationnelle et non liée à l'endroit. Gn 3:6 n'entraîne donc pas forcement le fait qu'Adam se soit trouve à ses côtés quand elle a été tentée. Adam utilise cette même préposition dans Gn 3:12  pour parler de la femme que Dieu a mise "auprès de moi ou "avec moi (La Bible des peuples). C'est une préposition d'ordre relationnel. Si Adam s'était trouvé à ses côtés, elle n'aurait peut-être pas succombé. "Les anges avaient prévenu Eve du danger qui la guettait si, au cours de ses devoirs quotidiens dans le jardin, elle se séparait de son mari. En sa compagnie, lui avaient-ils dit, le danger de la tentation sera moins grand que si tu es seule. " - Ellen WHITE, Patriarches et prophètes, "La tentation et la chute", p. 31.
En gardant à l'esprit le contexte de la leçon d'aujourd'hui, dites quel message nous adressent les textes suivants : Pr 11:14; Ec 4: 9-11 ; Jc 5:16.

Racontez comment vous avez expérimenté l'aide, la protection et le conseil d'autrui. Dans quelle mesure êtes-vous désireux d'obtenir de l'aide ou, même, d'en offrir lorsque cela s'avère nécessaire? Préparez-vous à donner à l'Ecole du sabbat un exemple de la façon dont la présence d'autrui a été une grande aide pour vous. 


 

For Better or for Worse:

Lessons From Old Testament Couples

   
1- Adam and Eve: The Intended Ideal 
    (Teachers Edition )
    (Standard Edition) Cliquer sur la leçon du jour

 

 

Alakamisy 05-07-2007 : Ozona nihatra tamin'ny fifandraisana. gen. 3:16.

 

Nafoin'i Adama sy i Eva tao anatin'ny indray mipi-maso ny zavatra rehetra – tsy fananan-tsiny, fanapahana, tsy fahafatesana, ny tokantrano sambatra tao Edena, ary ny toky azo antoka fa hiadana finaritra. Ny azon'izy ireo ho takalon'izany dia fahamelohana, fifaninanana amin'ny biby, fandroahana, tahotra, ady ho amin'ny fiainana, fahafatesana, ets. Ny mpivady izay mifandray tsara amim-pitiavana mirindra tanteraka dia mahavita miaramiaritra ny karazam-pahoriana rehetra, saingy nanampy trotraka ireo fahavoazana rehetra ireo ny fahatapahan'ny fifandraisana tonga lafatra teo amin'izy ireo.
Hanana fironana hanjakazaka mitombo hatrany i Adama, ary hanimba ny fifandraisan'izy ireo izany.toe-tsaina izany. Hitan'Andriamanitra mialoha fa hisy lehilahy sasany hanitatra ny andraikitra maha-mpitarika azy amin'ny fampiasan-kery hampanaiky ny vadiny. Tsy nandidy izany Andriamanitra. Tsy niresaka tamin'i Adama Izy nilaza taminy izay tokony hataony, fa niresaka tamin'i Eva, nampahafantatra azy ny ho Vokatra anankiray hateraky ny fahotany. Izany dia mifanohitra amin'ny fikasan'Andriamanitra tany amboalohany momba ny fifandraisan'ny mpivady.

Vak. ny 1 Tim. 2:1-14. Inona no hevitra ambarany eo ary ahoana no ampifandraisany io hevitra io amin'ny fahalavoana?

Heverin'ny Baiboly fa ny fanekeny ny vadiny no toe-tsaina mendrika ho an'ny vehivavy (1 Pet. 3:1). Ny sarin'i Saraha nanaiky an'i Abrahàma ka nanao azy hoe "tompoko" no omena ho ohatra maneho ny tena fiankinana marina. Lazaina anefa ny vehivavy manam-bady mba tsy hanome toerana ny tahotra (and. 6). Toy izany koa, ny lehilahy manam-bady dia toroana hevitra mba hitondra ny vadiny amim-pitiavana sy amim-panajana. Lazain'i Petera fa ny tsy fanaovana izany dia "hisakana ny fivavahanareo" (and. 7). Toromarika ho an'ny fifandraisana taorian'ny fahalavoana ireo.

Raha nampahory ny vadinao (na olon-kafa) tamin'ny alalan'ny fahadisoana ianao, fomba ahoana no ahafahanao manampy io olona nomenao alahelo io ho sitrana  amin'izany   alahelony izany? Tsy azonao ovàna ny lasa; inona kosa anefa no azonao atao hanatsarana ny hoavy raha ny fifandraisanareo no jerena?


 

Jeudi                           1.ADAM ET EVE : L’IDEAL CONÇU PAR DIEU

 LA MALEDICTION S'ABAT SUR LA RELATION

" Ton désir se portera vers ton mari, et lui, il te dominera. ": (Gn 3.16)

En un instant, Adam et Eve ont tout perdu; innocence, responsabilités, immortalité, foyer en Eden, sécurité. Ils ont reçu en échange la culpabilité, la compétition avec les animaux, l'expulsion, la peur, la lutte pour l'existence, la mort, etc. Un couple qui connaît une relation d'amour harmonieuse parvient à supporter toutes, sortes d'é- preuves. Or, non seulement Adam et Eve ont tout perdu, mais leur relation idéale s'est brisée.

Adam développera le désir de dominer, abîmant ainsi la relation. Dieu a vu que certains hommes chercheraient à soumettre par la force. Ce n'était pas une décision de sa part. Il ne s'est pas adressé à Adam en lui indiquant ce qu'il devait faire. Il s'est adresse à Eve, l'informant, elle, des conséquences de son péché. Cela allait à l'encontre des intentions divines originelles concernant les relations entre mari et femme.

Lisez 1 Tm 2.1-14. Quel est le point souligné par Paul? Quel lien fait-il avec la chute?

La Bible considère que se soumettre à son mari est pour la femme l'attitude correcte (1 P 3.1). L'exemple de Sara obéissant à Abraham et l'appelant "seigneur" est cité comme un modèle d'authentique soumission. Cepen-dant, il est conseillé aux femmes de ne pas céder à la peur (1 P 3.6). De même, il est conseillé aux maris de traiter leur femme avec amour et respect. Pierre précise que le négliger ferait "obstacle a vos prières" (3.7). Ces instructions concernent les relations après la chute.

 
Si vous avez fait du tort à votre conjoint (ou à une autre personne) à la suite d'une erreur, comment vous comporterez-vous? Vous ne pouvez changer le passé, mais comment améliorez vos relations futures?

 


  

 
 
 

For Better or for Worse:

Lessons From Old Testament Couples

 
 
1- Adam and Eve: The Intended Ideal 

        (Teachers Edition )   

        (Standard Edition) Cliquer sur la leçon du jour

 

 

 

Zoma 06-07-2007 : Fianarana fanampiny

 
Vak. ny toko "The Eden Home a Pattern", AH, tt. 25-28.

 "Nataon'Andriamanitra nitovy tamin'i Adama i Eva raha namorona azy Izy. Raha nijoro ho mahatoky tamin'Andriamanitra mantsy izy mivady, nanaiky tsara ny lalàm-pitiavany, dia tsy ho nanam-pitsaharana teo aminy nyfiraisana tanteraka. Fa ny ota dia nampiditra fifankahalana, ka dia tsy nisy intsony firaisan-tsaina sy fikambanana raha tsy amin'ny àlalan'ny fandeferan'ny anankiray amin'ny mpivady (..). Raha mankatô ny didinAndriamanitra sy manaiky izany fitsaran'Andriamanitra izany ny taranak'olombelona efa lavo, na dia vokatry ny ota aza izany, dia hitondra fitahiana kosa. Ny lehilahy maro anefa dia manararaotra ny fahamboniany, ka mampangidy fatratra ny anjaram-piainan'ny vehivavy sy mahatonga azy hijaly. " — PM, tt. 40,41
.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:


1. Nahoana no,toa tsara indrindra ny hisian'ny anankiray ho lohany eo anivon'ny mitovy aminy — ao an-tokantrano, eo amin'ny fiarahamonina, ao anatin'ny fikambanana — dia mpitarika iray mba hampandeha tsara kokoa ny raharaha? Inona ireo tombon-tsoa azo avy amin'ny fandaminana toy izany? Etsy an-daniny, izay koa anefa, inona ireo zava-doza mety haterak'izany?
2. Iverenonareo iray kilasy jerena ny valin-teny nomenareo tao amin'ny lesona fizaràna Alarobia. Inona no lesona azonareo sintonina avy amin'ny valin-teninareo tsirairay avy? Fomba ahoana koa no ifanampianareo iray kilasy? Mifanakaloza hevitra mikasika ny fomba ahafahanareo mampiasa tsara kokoa ireo tombon-tsoa ananana amin'ny fisian'ny tarika iray mba hanampiana ny isam-batan'olona mpikambana ao amin'ny tarika, izay miady mafy miatrika olana, na inona izany na inona.
3. Na dia ao anatin'ny tontolon-kevitry ny fanambadiana aza no misy ireto lesona ireto, inona ireo »foto-kevitra azo raisina avy amin'izay nianarantsika, ka azo ampiharina amin'.ny fifandraisana hafa?
4. Inona no ataon'ny fiangonanao hanampiana ireo vehivavy izay iharan'ny
fanamparam-pahefana ao an-tokantranony? Misy zavatra hafa azonareo hatao sy tokony hataonareo vie ankoatra izany?


FAMINTINANA: Ny fitoviana sy ny fifankatiavana ary ny fifanajana nisy teo amin'ny fifandraisan'i Adama sy i Eva dia nokasaina hatao filamatra ho an'ny mpivady rehetra. Nosimban'ny ota anefa izany filamatra izany, ka fifandirana ankehitriny no mamely tsy an-kijanona ny fanambadiana. Tokony hiezaka mafy isika hamela ny Fanahy Masina hamorona indray ao amintsika ny endrik'Andriamanitra tany am-boalohany.
 


 

Vendredi            1.ADAM ET EVE : L’IDEAL CONÇU PAR DIEU

  POUR ALLER PLUS LOIN

 

 

A lire

Ellen WHITE, Le foyer chrétien, "Le foyer de l'Eden, un modèle", p. 25-28.

"En la créant, Dieu avait fait Eve égale à Adam. S'ils étaient restés obéissants à Dieu, en harmonie avec sa grande loi d'amour, l'accord le plus parfait n'eût cesse d'exister entre eux. Mais le péché avait engendré la discorde et, dès lors, l'union et l'harmonie ne pouvaient se maintenir que par la soumission de l'un ou de l'autre des époux. [...] Si notre race déchue obéissait à la loi de Dieu, cette sentence, bien qu'étant un résultat du péché, se changerait en bénédiction. Mais l'homme, abusant de sa suprématie, a trop souvent rendu le sort de la femme bien amer et fait de sa vie un martyre." -Ellen WHITE, Patriarches et prophètes, "La tentation et la chute ", p. 36.

 

 

A méditer

 

 

 

1. Pourquoi est-il nécessaire au foyer, dans les entreprises ou les organismes que l'un des pairs ou des membres pourtant égaux exerce la fonction de dirigeant pour un meilleur fonctionnement? Quels sont les avantages d'une telle organisation? Les dangers?

2. Que les membres de la classe revoient leurs réponses à la question de mercredi. Qu'apprenez-vous les uns des autres? Comment vous aidez-vous les uns les autres au sein de la classe? Discutez de la meilleure façon d'utiliser les bienfaits du groupe pour aider des personnes en difficulté.

3. Même si cette leçon concerne le mariage, quels principes nous inspire-t-elle et comment les appliquer à nos autres relations?

 

4. Que fait votre église pour aider les femmes qui sont maltraitées chez elles? Que pouvez-vous et devez-vous faire de plus?

 

 


 

1- Adam and Eve: The Intended Ideal

        (Teachers Edition )   

        (Standard Edition) Cliquer sur la leçon du jour

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 
 

For Better or for Worse:

Lessons From Old Testament Couples

 
 
 

 

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008