Telovolana 3 : L'évangile, 1844 et le jugement

Lesona faha 2 : I ABRAHAMA SY I SARAHA: FINOANA NOZAHAN -TOETRA SY NOTSAPAINA

Daty : 07-07-2007 hatr@ 13-07-2007. Toko dinihina : Gen, 12:2; 16:1-5; 22; Jak. 2:20-26

Tsianjery : Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan-anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana. " Heb. 11:11

Sabotsy 07-07-2007 : Fampidirana

 Notsapain'Andriamanitra ny finoan'i Abrahàma sy i Saraha tamin'ny nanemorany ny fahatanterahan'ny teny fikasana momba ny zanak'izy ireo. Mpanoratra maro ao amin'ny TV no manondro an'i Abrahàma ho ohatra voalohany maneho ny finoana (Rôm. 4 sy Heb. 11). Aty aoriana ao amin'ny Heb. 11 dia deraina i Abrahàma noho ny finoany tamin'ny nanaterany an'i Isàka ho fanatitra. Ohatra maneho ny finoana sy ny asa miara-miasa no anoritsoritan'ny mpanoratra an'i Abrahàma (Jak. 2:23, 24).
Ny Genesisy dia maneho an'i Abrahàma ho lehilahy matahotra an'Andriamanitra, tia mampiantrano vahiny, naneho fahambonian-toetra tamin'ny havana sy ny mpanompo, ary nohajain'ny mpanjâka sy ireo firenena hafa. 1 Saraha kola dia saika nitoetra tao ambadibadika tao. Tsy voatonona akory ny anarany ao amin'ny tantaran'ny fanolorana an'i Isàka ho fanatitra tsy ho ela, izay nizahana toetra ny finoan'i Abrahàma. Ireo fotoana hany nisehoan'i Saraha nanaovany ny dingana voalohany teo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra dia voalohany tamin'ny nanolorany an'i Hagara ho an'i Abrahàma ary nanaraka izany tamin'ny fikirizany handroaka ilay mpanompovavy sy i Isimaela zanany.
lnona no lesona azontsika tsoahina avy amin'ireo mpivady nahatoky nefs tsy tanteraka ireo?
Indray mitopy maso: Na dia noderaina noho ny finoana aza i Abrahàma sy i Saraha, dia imbetsaka izy ireo no nanome ohatra maneho ireo izay toa tsy ampy finoana an'Andriamanitra, raha ny tena marina.

 


 

GUIDE DE L'ETUDE DE LA BIBLE 3ème TRIMESTRE

 

 POUR LE MEILLEUR ET POUR LE PIRE

LECONS INSPIRÉES PAR LES COUPLES DE L'ANCIEN TESTAMENT

 

 

2.  ABRAHAM ET ET SARA: UNE FOI EPROUVÉE

 

Étude de la semaine :Gn 12 :2 ; 16 :1-5 ; 22 ;Jc 2 :20-26.

Versets à mémoriser: "Par la foi il [Abraham] fut capable d'avoir un fils alors qu'il avait déjà passe l'âge, et que Sara était stérile ; car il eut confiance en celui qui promettait. " (He 11.11, La Bible des peuples)

Pensée centrale:Quoique loues pour leur foi, Abraham et Sara ont maintes et maintes fois rejoint ceux qui doutaient de Dieu.

 

En repoussant la naissance de l'enfant promis, Dieu testait la foi d'Abraham et de Sara. De nombreux auteurs de l'Ancien Testament citent Abraham comme l'exemple même de la foi (Rm 4 ; He 11). Plus tard, dans He 11, Abraham est loue pour la foi dont il a fait preuve en offrant Isaac en sacrifice (He 11 : 17). Jacques donne ce dernier en exemple pour la façon dont la foi et les œuvres étaient associées (Jc 2 :23,24).

La Genèse présente Abraham comme un homme qui craignait Dieu, accueillait ses invites avec hospitalité, se montrait magnanime envers ses proches et ses serviteurs, était respecte des rois et de tous. Sara, cependant, reste le plus souvent en arrière-plan. Dans le récit du sacrifice d'Isaac, ou la foi d'Abraham est testée, Sara n'est même pas mentionnée. C'est seulement quand elle a offert Hagar a Abraham, puis insiste pour que la servante et son fils Ismaël soient renvoyés que Sara a pris des initiatives.

Que nous apprend ce couple fidèle et pourtant défaillant ?

 


 

 

3rd Quarter 2007

For Better or for Worse:

  Lessons From Old Testament Couples

Contents and Introduction

 

Lesson 2

 Abraham and Sarah: Faith Tested and Tried

           

           Standard édition Cliquer sur la leçon du jour

Alahady 08-07-2007 : Vaha olana omen'olombelona ho fanatanterahana ny teny fikasan'andriamanitra

 
 
Tsy tanteraka tao anatin'ny fotoana "mitombina araka izay heverin'ny sains mandanjalanja" ny teny fikasana voalohany natao tamin'i Abrahàma (Gen. 12:2), ary tena efa nandroso fahanterana tokoa anefa i Abrahàma sy ny vadiny. Rehefa nihaantitra toy izany izy ireo, dia arakaraka izany no nahatonga ity resaka mpandova ity, na ny marimarina kokoa, ity resaka tsy fisian'ny mpandova ity, ho raharaha nanahirana hatrany. Fomba ahoana re no hahatanteraka ny teny fikasan'Andriamanitra e?.Afa-tsiny ve i Abrahàma raha nitady hevitra hafa hanazavana ny teny fikasana?
Ny hevitra voalohany natolotr'i Abrahàma sy i Saraha dia ny fananganana an'i Eliezera mpanompony ho zanany (Gen. 15:2,3). Nisy takelaka "Nuzi" tranainy sasantsasany, nosoratana tamin'ny fotoana talohan'ny vanin'andro niainan'ny patriarka, nanazava mikasika ny fomba amam-panaon'ny mpivady tsy niteraka tamin'izany fotoana izany, dia ny fananganan'izy ireo mpanompo iray na ny zanany lahy ho zanany mba handova ny fananan'izy ireo. Ho setrin'izay dia tsy maintsy miantoka fandevenana mendrika ho an'ireto ray aman-dreny nanangana azy ireto, ilay mpanompo natsangana ho zanaka. Araks ny voalaza ao amin'ny fifanekena anefa dia tsy mitombina intsony izany raha manan-janaka izy mivady aty aoriana. Zon'i Abrahàma ara-dalàna tsars izany ny fiheverana vaha olana toy izany. Fomba amam-panao nekena izany.

Amin'ny fomba ahoana no anilihan'ny teny fikasana faharoa ao, amin'ny Gen. 15:4,5 ny maha-mpandova nampanantenaina an'i Eliezera? lnona koa no zavatra hafa fanampiny nampanantenaina an'i Abrahàma mikasika ny taranany?

Avy tamin'i Saraha no nipoiran'ny hevitra manaraka fiezahana hahazo mpandova. Rehefa nitoetra tao Kanàna folo taons izy ireo, dia nanolo-kevitra izy ny hanambadian'i Abrahàma an'i Hagara mpanompovaviny (Gen. 16:1-3). Mbola misy resaka mitovy amin'izany indray ao amin'ny takelaka "Nuzi". Azon'ny vehivavy tsy niteraka atao ny manome ny andevovaviny ho an'ny vadiny, ka azy ny fahefana amin'izay zaza mety haterak'izany firaisana izany. Voalazan'ny fifanekena ao amin'ireo takelaka "Nuzi" ireo koa fa ny zazalahy ateraky ny andevovavy iray dia handova ny fananana rehetra raha tsy hoe angaha ka miteraka zazalahy ilay vady ara-dalàna aty aoriana' 'Ary ny zazalahy aterak'i Abrahàma toy izany dia mahatanteraka indrindra ny teny fikasan'Andriamanitra hoe "izay haterakao ".

 


Dimanche           2.ABRAHAM ET SARA: UNE FOI  EPROUVÉE            08.07.07

PROMESSES DIVINES ET SOLUTIONS HUMAINES

  

Pourquoi la seconde promesse, dans, Gn 15 :45, élimine-t-elle Eliezer en tant qu'héritier promis? Que précise-t-elle concernant les descendants d'Abraham?

 La première promesse de Dieu à Abraham (Gn 12 :2) ne s'est pas accomplie en un laps de temps " raisonnable" : Abraham et Sara sont devenus vieux. Plus ils vieillissaient, plus l'absence d'héritier devenait une question pressante. Comment la promesse divine se réaliserait-elle ? Etait-il justifié qu'Abraham interprète autrement la promesse ?

  

 En quoi la troisième promesse, dans Gn 17 :16,19. Va-t-elle au delà des promesses précédentes? En quoi élimine-t-elle Ismaël en tant qu'héritier promis? Lisez la quatrième promesse dans Gn 18 : 10,14. Que précise-telle de plus?

Abraham et Sara ont d'abord pensé adopter leur serviteur Eliezer (Gn 15 :2,3). Certaines des tablettes de Nuzi, qui datent d'avant 1'époque des patriarches, évoquent la coutume selon laquelle un couple sans enfant pouvait adopter un serviteur ou son fils pour qu'il hérite de ses biens. Ce serviteur, en retour, devait assurer à ses parents adoptifs des funérailles décentes. Ce contrat stipulait, cependant, que cette règle coutumière devenait obsolète si le couple avait ensuite un enfant. Abraham avait, légalement, le droit de songer à une telle solution. Il s'agissait d'une coutume parfaitement admise.

 

Dans le cadre de la leçon d'aujourd'hui, lisez Gn 15 :6 ; Rm 4 :3. Quelle espérance tirez-vous de ces textes ?

 

La tentative suivante, pour s'assurer un héritier, est venue de Sara. Après avoir résidé en Canaan dix ans, elle a suggère à Abraham d'aller vers sa servante, Hagar (Gn 16 :1-3). Là encore, les tablettes de Nuzi évoquent une coutume semblable. La femme d'un couple sans enfants pouvait donner sa servante esclave à son mari, les enfants éventuels nés de cette union demeurant sous son autorité. Les contrats de Nuzi spécifient également que le fils né d'une esclave héritait de tous les biens sauf si la femme légale avait un enfant plus tard. Un fils ainsi né à Abraham réaliserait la promesse, car il sera il serait "celui qui sortira de lui".

Vingt-cinq ans se sont écoulés, pour Abraham et Sara, dans l'attente de l'héritier promis. A chaque promesse et chaque année écoulée, Dieu laissait davantage suggérer qu'il s'agirait d'un enfant du miracle.

 


 

For Better or for Worse:

Lessons From Old Testament Couples

2. Abraham and Sarah: Faith Tested and Tried

 

 

            Standard lesson ( Cliquer sur la leçon du jour)

 

 


                                                                             

 

 

 

Alatsinainy 09-07-2007 : Milaza lainga

 

Samy zanak'i Tera i Abrahàma sy i Saraha, saingy samy hafa reny. Rehefa nantsoin'Andriamanitra handao ny tranony i Abrahàma, dia ny mikasika ity vadiny tsara tarehy no anisan'ny zavatra nanahiran-tsaina, azy raha hiatrika ny tsy fantatra izy. Tsy natoky ny fitondran-tenan'ireo mpanompo sampy mantsy i Abrahàma, koa niteny tamin'i Saraha, izay vadiny sady anabaviny tsy iray reny aminy, izy mba hilaza, na aiza na aiza toerana halehan'izy ireo, fa anabaviny izy fa tsy vadiny (Gen. 20:12, 13).

Inona ireo antony nomen'i Abrahàma nahatonga azy hiangavy an'i Saraha  mba handainga? Nitombina sy araka ny lôjika ve ireo antony ireo? Nahoana, araka ny hevitrao, no nampiseho tsy fitokisana toy izany izy? Jer. Gen. 12:11-13.

Mandritra ny fotoanan'ny mosary, dia nankany Egipta ny Kananita matetika, fa any ny saha dia voatondraky ny renirano Neily. Tsy dia hividianana sakafo tsy akory izany fa faniriana hiorim-ponenana any mandritra ny fotoana vitsivitsy (Gen. 12:10). Ny fandosirana ny loza vokatry ny mosary anefa dia niteraka loza anankiray vaovao. Na dia efa nananika ny faha-60 taonany aza i Saraha, dia mbola nampivadika ny lohan'ny olona ihany ny hatsaran-tarehiny. Marim-pototra tokoa ny tahotr'i Abrahàma. Hitan'ny Egiptianina fa nanaitra tokoa ny hatsaran-tarehiny ka ampy azy ireo izany hitaterana ny raharaha tany amin'i Farao. Sarotra ny mahazo sary an-tsaina hoe inona no fomba nantenain'i Abrahàma hivoahana amin'izao toejavatra izao afa-tsy ny mandainga.

Niditra an-tsehatra Andriamanitra nandefa areti-mandoza namely an'i Farao (and. 17), ka tsy nangataka andro izy namerina an'i Saraha tamin'ny vadiny sy niteny mafy an'i Abrahàma noho ny fahadisoany. Hitan'ilay Abrahàma voateny mafy fa ambony noho ny azy ny fitsipi-pitondran-tena egiptianina, ary tsy marim-pototra ny tsy finoany an'Andriamanitra.

Hadinon'i Abrahàma sy i Saraha anefa io lesona io. Na dia fotoana maro aza no efa lasa, na angamba satria fotoana maro no efa lasa, dia namerina io fahadisoana io indray ry zareo (Gen. 20:2).

Efa tojo toe-javatra iray ve ianao izay nahatsapanao fa tsy maintsy nandainga ianao mba hahafahanao amin'ny olana iray? Saino indray ny zavatra nitranga: Ho fanombohana, inona sy inona ny zavatra nataonao izay nahatonga anao ho tafalatsaka tao amin'izany toe-javatra izany? Inona no vokatry ny lainganao? Inona no nahatonga anao hampiseho tsy finoany toy izany? Inona ireo lesona nianaranao tamin'izany izay afaka manampy anao tsy hamerina intsony ny fahadisoana toy ireny?  

 


  

Lundi           2. ABRAHAM ET SARA: UNE FOI  EPROUVÉE            09.07.07

UN MENSONGE

 

Pour quelles raisons Abraham a-t-il demandé à Sara de mentir? Dans quelle mesure ses craintes étaient-elles justifiées? Pourquoi, à votre avis, a-t-il fait preuve d'un tel manque de foi? (Voir Gn 12 : 11-13.)

Même si Abraham et Sara étaient tous deux enfants de Térah, ils n'avaient pas la même mère. Quand Dieu a demandé à Abraham de partir de chez lui, le sort de sa jolie femme a inquiété ce dernier confronté à l'inconnu. Abraham ne se fiait pas à la moralité des païens, aussi a-t-il demandé à Sara, sa femme et demi-sœur, de déclarer partout où ils allaient qu'elle était sa sœur plutôt que sa femme (Gn 20 :12,13).

En période de famine, les Cananéens se rendaient souvent en Egypte, où les champs étaient arrosés par le Nil. Il ne s'agissait pas tant de venir acheter de la nourriture que de s'y installer pour un temps (Gn 12 :10). Cependant, échapper à la famine faisait courir un autre danger. Même si Sara avait la soixantaine ou plus, sa beauté faisait encore tourner les têtes. La peur d'Abraham était fondée. Les Egyptiens ont jugé sa beauté suffisamment saisissante pour en parler au pharaon. Abraham n'imaginait pas comment il pouvait se sortir d'une telle situation sans mentir.

Vous êtes-vous déjà retrouvé dans une situation ou vous vous êtes senti oblige de mentir pour résoudre un problème? Revoyez ce qui s'est passé: qu'avez-vous fait pour vous retrouver dans une telle situation en premier lieu? Quels ont été les résultats de votre mensonge? Pourquoi avez-vous fait preuve d'un tel manque de foi? Quelles leçons ainsi apprises vous éviteront, à l' avenir, de refaire les mêmes erreurs?

Dieu est intervenu en envoyant des plaies au pharaon (Gn 12 :17), qui se hâta de rendre Sara à son mari et de réprimander Abraham pour son erreur. Abraham ainsi châtié a découvert que les valeurs morales égyptiennes étaient supérieures aux siennes et que son manque de foi en Dieu n'était pas fondé.

Abraham et Sara, cependant, ont oublié la leçon. Même longtemps après, ou, peut-être, parce que c'était longtemps après, ils ont réitéré la même erreur (Gn 20 :2).  


 

For Better or for Worse:

Lessons From Old Testament Couples

2. Abraham and Sarah: Faith Tested and Tried

 

 

 

         Standard lesson ( Cliquer sur la leçon du jour)

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

</