Telovolana 3 : L'évangile, 1844 et le jugement

Lesona faha 13 : I JEHÔVAH SY NY ISRAELY:FANATANTERAHANA MIHOATRA NY TSY FAHOMBIAZANA

Daty : 22-09-2007 hatr@ 28-09-2007. Toko dinihina : Eks.3:6-14;6:6-8;Jos.24:1-18; Jer5:19,22; Ezek.16:26-29; Hôs.9:1; Jao.20:21; Fil.4:4; 1Tes.1:6; 2Jao.1:12

Tsianjery : Fa ny Mpanao anao no vadinao, Jehovah Tompon'ny maro, no anarany; ary ny Iray Masin'ny Isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.Isa.54:5

Sabotsy 22-09-2007 : Fampidirana

 Nampiasa ny fanoharana mikasika ny fanambadiana i Hôseà, mpaminany farany tao amin'ny fanjakana avaratr'i Isiraely, mba hanehoana an-tsary ny fifandraisana misy eo amin'i Jehôvah sy ny olony. Ny fiainany manokana izay nampalahelo dia nifanindran-dalana tamin'ny asa faminaniana nataony. Nampodiny indray ilay vadiny tsy nahatoky mba hanehoana fa efa niomana ny hampody ny olony tsy mpakatà i Jehôvah.
Zato taona taorian'izay dia niezaka ny hanakana ny Joda tsy ho tonga amin'ny fiafarana toy izany i Jeremia, mpaminany farany mialoha ny famaboan'ny Babilôniana. Tokony ho nandray lesona avy tamin'ny Isiraely rahavaviny ny Joda saingy tsy nataony izany.
Nandritra izany fotoana izany dia niasa tamin'ireo babo tao Babilôna i Ezekiela. Samy nindrana io fanoharana mikasika ny fanambadiana io ireo mpaminany roa ireo ho an'ny Joda.I Jeremia moa dia tsy nanambady mihitsy. Noraran'Andriamanitra tsy hanambady mihitsy izy na hiditra amin'ny trano misy lanonana satria efa ho tonga amin'ny fiafarany ireny kotabam-pifaliana sy koranam-panambadiana ireny (Jer. 16:2-4,8,9). Voaaisotra tampoka ho amin'ny fahafatesana ny vadin'i Ezekiela mba ho famantarana fa efa hosimbana ny tempoly (Ezek. 24: 15-21).

Ho hitantsika amin'ity herinandro ity fa vonona ny hamerina ireo olony amin'ny laoniny indray Andriamanitra na dia eo aza ny tsy fahatokiany.

 

 

 
 

GUIDE DE L'ETUDE DE LA BIBLE 3ème TRIMESTRE


POUR LE MEILLEUR ET POUR LE PIRE

LECONS INSPIRÉES PAR LES COUPLES DE L'ANCIEN TESTAMENT

 

 13.YAHWÉ  ET ISRAËL : AU-DELÀ DES ECHECS HUMAINS

Etude de la semaine : Ex.3 :6-14 ; 6 :6-8 ; Jos 24 :1-18 ; Jr.5 :19-22 ; Ez 16 :26-29,34 ; Os 9 :1 ; Jn 20 :21 ; Ph 4 :4 ; Th 1 :6 ; 1Jn 2 :12.

Versets à mémoriser

" Car celui qui te fais, c’est ton époux, — son nom c’est le SEIGNEUR ( YHWH) DES Armées  — ton rédempteur, c’est le saint d’Israël. UIl est appelé Dieu de toute la terre. " (Es 54 :5)

 Pensée centrale:

En dépit de l’infidélité de son peuple, le Seigneur désirait lui donner une nouvelle chanche.

Osée, le dernier prophète du royaume du nord, Israël, utilisait la métaphore du mariage pour illustrer la relation entre Yahwé et son peuple. Sa vie tragique et son ministère prophétique s'entremêlaient. Il a repris chez lui sa femme infidèle pour montrer que Yahwé était disposé à reprendre auprès de lui son peuple égaré. Une centaine d'années après, Jérémie, dernier prophète avant la captivité babylonienne, a cherché à éviter à Juda un sort semblable. Or le peuple de Juda n'a pas tiré la leçon du sort d'Israël.

À la même époque, Ézéchiel a exercé son ministère auprès des captifs de Babylone. Ces deux prophètes ont emprunté à Osée l'image du mariage pour toucher Juda. Jérémie ne s'est jamais marié. Dieu lui a demandé de ne pas le faire, ni d'entrer « dans une maison de banquet », parce qu'on n'entendra plus « les chants de joie » ni les chants des mariés (Jr 16 :2­,4,8,9). La femme d'Ézéchiel lui a été soudainement retirée pour signaler la destruction imminente du temple (Ez. 24 : 5-21).

 

 


 

3rd Quarter 2007

For Better or for Worse:

  Lessons From Old Testament Couples

Contents and Introduction 

 

 
13 -YAWEH AND ISRAEL : FULFILLMENT BEYOND FAILURE

 

      (Ho an'ny mpampianatra ) 

 
      ( Ho an'ny rehetra)  

 

Alahady 23-09-2007 : Ny fanombohan'ny fifandraisana

"Tsaroako ny niraiketan'ny fonao tamiko, fony hianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony hianao vao nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an'efîtra, teny amin'ny tany tsy mbola nifafy zavatra; masina ho an'i Jehovah ny Isiraely. " (Jer. 2: 2,3).

Nampahafantatra ny Tenany tamin'i Mosesy i Jehôvah ary nanambara fa efa hanatanteraka izay nampanantenainy tamin'ny Isiraely (Eks. 3:6-14; 6:68). Nampanantena ny hanao azy ireo ho olony Andriamanitra ary hanome tany azy mba hitoerany.

Nataon'ireo mpaminany ho fotoan'ny volan-tantely ny fotoana nandehanana namakivakiana ny tany efîtra, fotoana izay nananany fahatokiana teo anatrehan'i Jehôvah ka tsy nanarahany andriamani-kafa. Nanandrana fanafahana lehibe ny Isiraelita ao amin'ny Eksôdôsy, ary izany toe-javatra izany dia azo oharina amin'ny fitokanana ireo teny fikasan'ny fanambadiana".

Ahoana no fomba nahazoan'i Josoa izay nataon'Andrimanitra sy mbola hataony ho an'ny Isiraely tamin'ny alalan'ny fihazonany hatramin'ny farany ny teny fikasany? Jereo Jos. 24:3-13.

 Inona kosa ireo zavatra izay tokôny hataon'ny Isiraely ho valin'izany? Jereo Jos. 24:14-18.

Raha mamaky ireo teny rehetra nolazain'ny Isiraelita ao amin'ireo andininy eo ambony ireo ianao dia tsy ho hainao ny hanao hodian-tsy hita ny hafanam-po sy ny fahamarinan'ireo fanambarany ireo. Raran'Andriamanitra tsy hanompo andriamani-kafa isika! Na izany na tsy izany, mba jereo kosa anie ny zavatra efa nataony ho antsika e!

Impiry ianao izay no efa nanao voady teo anatrehan'Andriamanitra, tamin'ny fahitsiam-po sy hafanam-po tanteraka? kanefa dia tsy nahatanteraka izany akory rehefa afaka kelikely? Inona no azonao atao hahazoanao antoka tsaratsara kokoa fa hitoetra ho mahatoky amin'ireo zavatra efa nadipanantenainao ny Tompo ianao?
 
 
 

 

Dimanche                         23.09.07    

13. YAHWÉ  ET  ISRAËL : AU-DELÀ DES ECHECS HUMAINS

   LES DÉBUTS DE LA RELATION

«Je me souviens de ta fidélité de jeune fille, de ton amour de jeune mariée, quand tu me suivais au désert, sur une terre où rien ne pousse. Israël était un bien sacré pour le SEIGNEUR.» (Jr 2.2,3)
Yahwé s'est exprimé à travers Moïse, déclarant qu'il était sur le point de réaliser les promesses qu'il avait faites à Israël (Ex 3.6-14; 6.6-8). Dieu a promis que ce dernier serait son peuple et qu'il lui donnerait un pays où il résiderait.Les prophètes considéraient le voyage dans le désert comme une lune de miel, période où Israël s'est montré loyal envers Yahwé et n'a pas suivi d'autres dieux. Pour les Israélites, l'exode a été une grande délivran­ce, événement que l'on peut comparer à l'inauguration des promesses de «mariage».

 

Comment Josué a-t-il compris ce que le Seigneur, en observant sa part de l'alliance, avait fait et ferait pour Israël? Expliquez.

Jos 24.3,4 Jos 24.5-7 Jos 24.8-12 Jos 24.13  

Que devaient faire les Israélites en retour? (Voir Jos 24.14-18.)

 

Quand on lit les paroles des Israélites telles qu'elles sont exprimées dans Jos 24.14-18, on ne peut que remarquer leur ferveur et leur sincérité. Dieu nous interdit de servir tout autre dieu que lui-même ! Après tout, voyez ce qu'il a fait pour nous !

Combien de fois avez-vous fait un serment sincère et fervent au Seigneur pour le violer ensuite? Comment

 
 

 
        

13- YAHWÉ ET ISRAËL: AU-DELÀ DES ÉCHECS HUMAINS 

 

        

     (Ho an'ny mpampianatra)

      ( Ho an'ny rehetra)  

 

 

 

Alatsinainy 24-09-2007 : Tsy fahatokiana amin'ny ampakarina

Voasoritra amin'ny fahatokiana amin'ny ankapobeny tamin'i Jehôvah ny fotoana nanjakan'i Davida sy i Sôlômôna. Nanamboatra zanak'omby volamena tao Dana sy Betela kosa anefa i Jerôboama, mpanjakan'ny Isiraely voalohany tao avaratra, mba hanakanana ny vahoaky ny fanjakany tsy hianatsimo ho any amin'ny tempoly intsony, ka ho voan'ny fakam-panahy hiala amin'ny taniny ary ho any amin'ny Joda (1 Mpanj. 12:28-30). Raha vao nanendry ny mpisorony mantsy izy dia nifindra monina nankany Joda avokoa ireo Levita avy tany amin'ny faritr'i Isiraely rehetra (2 Tant. 11:13-16). Noharina tamin'i Jerôboama 1 ireo mpanjaka taty aoriana izay nitarika ny Isiraely hanaraka andriamani-kafa (1 Mpanj. 16:7,26).

Nomelohin'ireo mpaminany ny Isiraely sy ny Joda noho ny nanakalozany ny voninahitr'Andrimanitra tamin'ireo sampy tsy misy vidiny (Hôs. 4:7; Jer. 2:11) ary koa noho ny nitadiavany vonjy avy tany amin'ireo firenen-kafa raha tokony ho nitoky tamin'i Jehôvah (Jer. 2:18) izy. Io fialan'i Joda tamin'ny fanekena tamin'i Jehôvah io araka ny fiampangana nataon'i Jeremia dia tahaka ny manadino ny fanambadiany tamin'i Jehôvah - fanadinoany ireo firavaka sy haingon'ny fanambadiany (and. 32).

Inona no fanehoana an-tsary ampiasain'ny mpaminany eto mba hilazana ny tty fahatokian'ny Isiraely sy ny Joda? Jer. 5:7; Ezek. 16:26-29,34; Hôs. 9:1.
Nisy fotoana nolazaina ho tahaka ny mpivady eo am-panatanterahana ny volan-tanteliny izany fifandraisana izany; ny zavatra faharoa fantatra dia ny hoe nolazaina ho tahaka ny mivarotra ny tenant' ho amin'ny fijangajangana ilay ampakarina. Miharatsiratsy kokoa noho izany aza, ambaran'i Ezekiela fa ny ankamaroan'vehivavy janga dia mahazo tangy (vola omen'ny lehilahy ny vehivavy hahazoany manao firaisana aminy), kanefa ny Joda indray no vonona hanome tangy izay tiany hanatona azy (Ezek. 16:34)!
Alaivo sary an-tsaina ny vehivavy izay manana vady tia sy mikarakara azy, ary vonona ny hanome azy izay tiany sady manao izay vitany rehetra ho azy (Isa.5:4), kanefa dia nilaozany izany fifandraisana izany ary naleony nanaraka lehilahy maro hafa izay tsy hitady afa-tsy fahafinaretana ara-nofo miaraka aminy.

Tsy misy heviny tokoa izany, satria ny ota mihitsy no tsy misy heviny. Raha tsy miverina isan'andro eo amin'Andriamanitra isika dia hahatonga antsika hanao zavatra tsy misy fahamalinana sy feno hadalana fotsiny ihany ny ota.

Inona avy ireo zavatra tsy misy fahamalinana sy feno hadalana efa hitanao nataon'ny olona noho ny fahotana? Ahoana no hiarovanao ny tenanao mba tsy hahatonga ny ota hanao izany zavatra izany aminao?
 
 

                  

Lundi                               24.09.07    

13. YAHWÉ  ET  ISRAËL : AU-DELÀ DES ECHECS HUMAINS

   UNE ÉPOUSE INFIDÈLE

 
 

Les règnes de David et Salomon ont été caractérisés par une loyauté généralisée envers Yahwé. Mais pour empêcher ses sujets de voyager vers le sud jusqu'au temple et d'être tentés de rester en Juda, Jéroboam, le premier roi d'Israël, au nord, a construit des veaux d'or à Dan et à Beth-El (1 R 12.28-30). Du fait qu'il a nom­mé ses propres prêtres, les lévites issus de toutes les ré­gions d'Israël ont émigré en Juda (2 Ch 11. 13-16). Par la suite, les rois qui ont conduit Israël à suivre d'autres dieux ont été comparés à Jéroboam (1 R 16.7,26).

Les prophètes ont condamné Israël et Juda pour avoir remplacé la gloire de Dieu par des idoles sans valeur (Os 4.7; Jr 2.11) et pour avoir recherché l'aide d'autres nations au lieu de s'appuyer sur Yahwé (Jr 2.18). D'après Jérémie, cet abandon par Juda de la confian­ce qu'il plaçait en Yahwé revenait à oublier son ma­riage avec lui, à oublier sa parure et sa ceinture de noces (Jr 2.32).

 

Quelle image saisissante les prophètes ont-ils utilisée pour décrire l'infidélité d'Israël et de Juda? Jr 5.7;Ez 16.26-29,34 ; Os 9.1

 

Tantôt la relation est comparée à la lune de miel entre un homme et une femme, tantôt nous apprenons que l'épouse se vend à la prostitution. Pire encore, Ézéchiel déclare que si la plupart des prostituées se faisaient ré­munérer, Juda au contraire était prêt à payer au lieu de demander un salaire (Ez 16.34) !

Imaginez une femme ayant un mari aimant et atten­tionné (Es 5.4) et qui l'abandonne pour des hommes qui ne recherchent en elle que le plaisir charnel !

C'est tout à fait absurde, mais le péché est absurde. Si nous ne nous abandonnons pas chaque jour à Dieu, le péché nous entraînera à agir de façon tout aussi im­prudente et insensée.

 

Quels comportements imprudents et insensés avez-vous observés autour de vous à cause du péché? Comment éviter que le péché ait cet effet-là sur vous?

 

  

13- YAHWÉ ET ISRAËL: AU-DELÀ DES ÉCHECS HUMAINS 

 

         

     (Ho an'ny mpampianatra ) 
 
      ( Ho an'ny rehetra)  
 
 
 
 
 

Talata 25-09-2007 : Mijinja ny voan'ny tsy fahatokiana

Na dia ny endrika isehoan'ny vehivavy tsy mahatoky aza no ampiasain'ny Baiboly dia hita ho manoatra noho izany aza ny lehilahy tsy mahatoky amin'ny vadiny. Na iza amin'izy ireo no tsy mahatoky na iza, matetika dia mijangajanga ny olona iray satria mihevitra izy fa hahita fahasambarana amin'izay andrarana azy, kanefa dia tsy hahita afa-tsy fahoriana sy fangirifiriana izy amin'izany.

Nandao ny vadiny ho an'ny vehivavy iray ny lehilahy iray. Tao anatin'ny roa taons monja dia ritran'ny sakaizany tsikelikely avokoa ny fananany hatramin'ny vary iray venty; namindrany aretina ara-piraisana ara-nofo tsy azo sitranina izy; ary farany, nilaozany ho amin'ny lehilahy hala indray. Tsy nanam-bola intsony izy, marary ary vaky fo ka nitalaho tamin'ny vadiny teo aloha mba hampody azy. Nandà ilay vadiny. Eo,anivon'izany rehetra izany dia tao amin'ity lehilahy ity ny fahasahiana nanontany: "Andriamanitra ô, nahoana no dia avelanao hihatra amiko izao?"
Impiry moa no mba mifanentana amin'ny heloka bevava ny sazy sahaza azy. Niankina tamin'ny fahatokian'ny Isiraely tamin'i Jehôvah ny fahazoany monina tany amin'Ilay Tany Nampanantenaina. Tsy niaro azy ireo tamin'ireo tafiky ny firenen-kafa i Jehôvah rehefa nanakalo Azy tamin'ireo andriamanitra hafa izy. Tavela irery nijinja ny vokatry ny tsy fahatokiany izy ireo.

Vakio Jer, 5:19. Inona no fitsipika lehibe hita eto? Jereo koa ny Gai. 6:7. Vakio Jer, 5:22. Inona no lazain'i Jehôvah amin'ny olony eto? Inona no fitsipika hazavainy amin'izy ireo? Inona ihany koa no fampitandremana voalaza eto?

Namorona antsika Andriamanitra; mahafantatra antsika mihoatra noho ny fahafantarantsika ny tenantsika Izy. Fantany ihany koa izay mahasoa indrindra antsika; ary satria tiany isika dia tadiaviny izay tsars indriridra ho antsika. Izany no antony handidiany antsika mba hankatà Azy (Deo. 10:13). 

Amin'ny fanarahana ny lalàny, amin'ny fiainana mirindra tsars, amin'ireo fitsipika napetrany, izany no haha-voaaro antsika amin'ny alahelo sy fahoriana betsaka izay tsy ilaina akory.

Inona no fanandramana efa nolalovanao teo amin'ny fiarovana tsapanao vokatry ny fankatoavana? Inona no lesona tsy maintsy nianaranao teo amin'ny lalana mifanohitra amin'izany?
 


                   

Mardi                                25.09.07    

13. YAHWÉ  ET  ISRAËL : AU-DELÀ DES ECHECS HUMAINS

   LES FRUITS DE L'INFIDÉLITÉ

 

Même si la Bible fait appel à l'image d'une femme in­fidèle, les hommes se sont montrés souvent encore plus déloyaux. Quoi qu'il en soit, comme c'est générale­ment le cas, la personne qui commet un adultère croit trouver le bonheur là où il est interdit d'aller le cher­cher, pour ne découvrir que misère et souffrance.

Un homme a quitté son épouse pour une autre fem­me. En deux ans, cette dernière lui a soutiré jusqu'au dernier centime. Elle l'a contaminé par une maladie sexuellement transmissible, puis l'a abandonné pour un autre homme. Sans argent, malade et le cœur bri­sé, il a supplié son épouse de le reprendre. Elle a refu­sé. Cet homme a eu alors l'impudence de demander : « Pourquoi, mon Dieu, as-tu permis qu'il m'arrive tout cela?»

Combien de fois la punition correspond au crime ! La vie des enfants d'Israël en terre promise dépendait de leur loyauté envers Yahwé. Quand ils l'ont abandon­né pour d'autres dieux, Yahwé ne les a plus protégés des armées voisines. Ils ont alors recueilli les fruits de leur infidélité.

Lisez Jr 5.19. Quel important principe est-il révélé ici? (Voir aussi Ga 6.7.)

Lisez Jr 5.22. Que déclarait Dieu à son peuple? Quel avertissement était-il ainsi sous-entendu?

Dieu nous a créés; il en sait davantage sur nous que nous-mêmes. Il sait ce qui est le mieux pour nous. Parce qu'il nous aime, il veut le meilleur pour nous. C'est pourquoi il nous demande de lui obéir (Dt 10.13). En respectant sa loi, en vivant en harmo­nie avec les principes qu'il a établis, nous serons préservés de souffrances inutiles.

Quelle protection et quelle sécurité vous ont apportées votre obéissance? Expliquez. Quelles leçons avez-vous durement apprises?

 

 

 

 


 

13- YAHWÉ ET ISRAËL: AU-DELÀ DES ÉCHECS HUMAINS 

     (Ho an'ny mpampianatra )

 
      ( Ho an'ny rehetra)  

Alarobia 26-09-2007 : Famerenana amin'ny laoniny indray

 
"Nisaoran'Andriamanîtra ny Isiraely sy ny Joda (Jer. 3:8) tamin'ny namelany azy iréo ho azo babo avy tao amin'ilay tany nomena azy tamin'ny fanekena. Na izany aza anefa dia tsy izany no teny farany. Tamin'ny voalohany dia nambaran'i Jeremia fa hatsahatra ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina izany (Jer. 7,34; 16:9; 25:10). Aty aoriana dia ampiany indray fa hisy fetrany ilay fotoampahanginana teo ka ho re eo amin'ny tany indray ny feon'ny mpampakatra sy ny ampakarina (Jer. 33:11).


Nahoana no lamina ho feom-pifaliana sy firavoravoana izany feo izany? Inona no hafatra nomen'ny Tompo ny olony tamin'izany fotoana izany sy amintsika koa amin'izao fotoana izao? Jereo koa ny Jao. 20:21; Fil. 4:4; 1 Tes. 1:6; 2 Jao. 1: 12.
Inona no teny fikasana nataon'Andriamanitra ho an'ny ampakariny izay tsi-mahatoky? Jer. 25:11; 29:10; Ezek. 16:60.

 Sady nandrahona ny amin'ny fisian'ny famaizana ihany ny mpaminany no nampiditra tara-panantenana ihany koa. Rehefa nambaran'i Jeremia fa hitsaratra ireo feo faly sy ravoravo izay an'ny mpampakatra sy ny ampakarina (Jer. 7:34; 16:9) dia nolazainy koa nony afaka kelikely fa voafetra ao anatin'ny 70 taons izany fotoam-pahanginana izany (Jer. 25:11). Ho raya ihany koa avy eo ireo mpampahory azy. Resahin'i Hôseà ny amin'ny fotoana eo amin'ny Isiraely izay tsy hisy hanana anaka na hotorontoronina (Hôseà 9:11), aorian'izany anefa dia ho avy indray ny fotoam-pahasitranana sy fitiavana (Hôseà 14:4). Araka izany dia tsy famaizana loatra ny an'Andriamanitra fa fitsipi-pifehezana.
Nampirisika ny Isiraely hiverina amin'i Jehôvah ny mpaminany, ka nanome toky izy fa azo antoka ny faneken'i Jehôvah handray azy ireo indray.

 Nino izy ireo fa hiverina indray ny Isiraely, saingy fepetra tokana ihany no iankinan'ny famerenana amin'ny laoniny indray ny fifandraisana: tokony hiala amin'ny fomban'ny fanompoan-tsampy ny vahoakan'Andriamanitra raha hiverina aminy indray, ary hankato ny didiny sy hitoky tanteraka amin'i Jehôvah indray.

 


 

                  

Mercredi                           26.09.07    

13. YAHWÉ  ET  ISRAËL : AU-DELÀ DES ECHECS HUMAINS

   UNE RESTAURATION

 
 

En laissant Israël et Juda être emmenés captifs hors du pays de l'alliance, Dieu a divorcé d'eux, les a répudiés, (Jr 3.8). Mais cela ne devait pas être son dernier mot. Tout d'abord, Jérémie a déclaré que « les chants de gaie­té et les chants de joie, les chants du marié et les chants de la mariée » se tairaient (Jr 7.34; 16.9; 25.10). Puis il a ajouté que cette période de silence serait limitée dans le temps et que les chants du marié et de la mariée ré­sonneraient à nouveau dans le pays (Jr 33.11).

Pourquoi les chants du marié et de la mariée sont-ils considérés comme des chants de gaieté et d'allégresse? Quel message Dieu délivrait-il à son peuple et nous donne-t-il aujourd'hui?

Voir aussi Jn 20.21 ; Ph 4.4; 1 Th 1.6; 2 Jn 1.12.

Quelles promesses Dieu a-t-il faites à son épouse infidèle? Jr 25.11; 29.10; Ez 16.60.

En même temps qu'une menace de châtiment, les pro­phètes introduisaient une lueur d'espoir. Quand Jérémie a déclaré que les chants de gaieté et de joie, les chants du marié et de la mariée se tairaient (Jr 7.34; 16.9), il a ajouté par la suite que cette période de si­lence se limiterait à soixante-dix ans (Jr 25.11). Les oppresseurs d'Israël seraient alors renversés. Osée a évoqué une période où, en Israël, il n'y aurait « plus de grossesse, plus de conception» (Os 9.11), période qui se­rait cependant suivie d'une époque de guérison et d'amour (Os 14.5). L'intervention divine relevait donc davantage d'une remise sur le droit chemin que d'un châtiment.

Les prophètes ont exhorté Israël à se tourner vers Yahwé, promettant que celui-ci se montrerait fidèle en les acceptant à nouveau. Ils étaient certains qu'Israël le ferait, mais la restauration de la relation dépendait d'une condition : le peuple de Dieu, en re­venant à lui, devait abandonner son idolâtrie, obéir à ses commandements et s'appuyer de nouveau entière­ment sur lui.

 

 
  

13- YAHWÉ ET ISRAËL: AU-DELÀ DES ÉCHECS HUMAINS 

 

     

(Ho an'ny mpampianatra ) 
 
      ( Ho an'ny rehetra)  

Alakamisy 27-09-2007 : Teny fikasan momba ny fanekena vaovao

Ratsy tokoa izany hoe vehivavy tsy nahatoky tamin'ny vadiny izany, sady izay indray vehivavy nivarotra ny tenany ho amin'ny fijangajangana mihitsy, eto, no natao sary an'ohatra. Fahambaniana manao ahoana tokoa re izany! Araka ny efa hitantsika, Andriamanitra dia mbola vonona ny hampody azy ireo indray, mbola vonona ny hamela heloka, vonona ny hanasitrana ilay fifandraisana tapaka. Nanome toky Andriamanitra fa hanao fanavotana ho an'izay rehetra nataon'ny Isiraely Izy (Ezek. 16:63). Tsy vitan'ny hoe ampodiny ihany izy ireo fa mihoatra noho izany mihitsy aza no hataony.

 
Vakio ny Jer. 31-.31-37 (jereo koa ny Gal. 3:29; Heb. 8:7-13; 10:16,17).
Inona no hafatra ho an'ny Isiraely fahiny, sy ho antsika ankehitriny koa? Inona no fanantenana, inona no teny fikasana hita eto izay natao ho antsika?
Tsy vitan'ny hoe hamela ny helok'izy ireo ihany Andriamanitra; nanome toky Izy fa hanoratra ny lalàny ao am-pony, hanao izany ao an-tsainy (Jer. 31: 33). Io andininy io no fototra iorenan'ny filazantsara, zava-miafin'ny fahasoavana. Io no fanekena vaovao, ary io no fototra iorenan'ny teny fikasana ho an'izay rehetra efa nanolo-tena ho an'i Jesôsy tamin'ny finoana sy ny fankatoavana.
Mety ho lavo isika, mety hanota, mety hanao fahadisoana, kanefa noho i Jesôsy sy ny fahafenoan'ny zavatra efa nataony ho antsika sy mbola ataony ho antsika amin'izao fotoana izao, dia tsy hanadino antsika Andriamanitra. Manolotra ny famelan-keloka ho antsika rehetra ny drafi-panavotana izay eo anivon'izany; tsy misy ota lehibe loatra; ' na mpanota ratsy loatra ka tsy ahitana ny famelan-keloka eo am-pototry ny hazo fijaliana. Izany no hafatra nomen'Andriamanitra ny Isiraely fahiny tao anatin'izany tontolon-keviny izany; ary izany, eo amin'ny tontolon-kevitra misy antsika no hafatry ny fahazavana mamirapiratra avy teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary, hafatra izay omen'ny Tompo ny olony amin'izao fotoana izao. Na dia efa "nijangajanga" aza isika, lay vady tia sy mikarakara antsika, dia ilay Jehôvah izany dia tia antsika sy maniry antsika hiverina. Na izany aza anefa dia tsy manery antsika Izy, fa tarihiny amin'ny "mahazakam-pitiavana" isika (Hôs. 11:4).
Efa nijangajanga ve ianao? Efa nanao tsinontsinona ny fitiavan'Andriamanitra ve ianao? lzao no teniny ho anao: "Miverenal Hanasitrana anao sy hamela ny helokao Aho." Izao àry no fanontaniana mipetraka: "Inona no valin-teninao?"

 


 

                  

Jeudi                               27.09.07    

13. YAHWÉ  ET  ISRAËL : AU-DELÀ DES ECHECS HUMAINS

   LES PROMESSES DE LA NOUVELLE ALLIANCE

 
 

Qu'une femme soit infidèle à son époux est déjà quelque chose de grave, mais le symbolisme utilisé ici est celui d'une femme qui se prostitue. Quelle dé­chéance ! Pourtant, comme nous l'avons vu, le Seigneur était encore disposé à retrouver son peuple, à lui pardonner, à réparer la relation brisée. Il a pro­mis qu'il ferait «l'expiation» de tout ce qu'Israël avait fait (Ez 16.63). Non seulement il lui redonnerait sa place auprès de lui, mais il ferait plus encore.

 

Lisez Jr 31.31-37. Voir aussi Ga 3.29; He 8.7-13;10. 16,17. Quel message le Seigneur a-t-il délivré à l'ancien Israël et nous donne-t-il aujourd'hui? Quelle espérance, quelles promesses nous adresse-t-il ici?

 

 
Non seulement le Seigneur pardonnerait leurs péchés, mais il promettait d'écrire sa loi dans leurs coeurs, de la graver dans leur esprit (Jr 31.33 ). Ce texte est le fon­dement de l'Évangile, le mystère de la grâce. Telle est la nouvelle alliance, fondement de ses promesses à tous ceux qui se sont donnés à Jésus avec foi et obéissance.

 
 

Même si nous chutons, même si nous péchons, si nous commettons des erreurs, grâce à Jésus et à la plénitu­de de ce qu'il a fait et fera pour nous, Dieu ne nous abandonnera pas. Le plan du salut offre à tous le par­don. Aucun péché n'est trop grand, aucun pécheur trop mauvais pour qu'on ne puisse pas trouver le par­don au pied de la croix. Tel était le message que Dieu donnait à l'ancien Israël, telle est la lumière qui brille de la croix du calvaire, le message que Dieu nous dé­livre aujourd'hui. Même si nous nous prostituons, notre époux tendre et attentif, le Seigneur, nous aime et veut que nous revenions à lui. Il ne nous contraint pas, cependant. Au contraire, il nous attire à lui «avec des chaînes d'amour » (Os 11.4).
 

Vous êtes-vous détourné avec mépris de l'amour divin? Voici les paroles qu'il vous adresse : «Revenez à moi ! Je vous guérirai et vous pardonnerai.» La question qui se pose est celle-ci : «Que répondez-vous?»

 
 

 

13- YAHWÉ ET ISRAËL: AU-DELÀ DES ÉCHECS HUMAINS 

 

      (Ho an'ny mpampianatra ) 

 
      ( Ho an'ny rehetra)  

 

Zoma 28-09-2007 : Fianarana fanampiny

 "Tsy izany faminaniana izany ihany akory no nahazoan'ireo babo hino nyfanafahana hatao, aminy tsy ho ela, fa teo aminy koa ny taratasy nosoratan'i Jeremia, ka azony natao tsara ny namaky mafava tao amin'izany ny amin'ny elanelain-potoana tsy maintsy handalo alohan'ny hodian'izy ireo any Palestine. "Rehefa tapitra ny fitopolo tanna, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan'ny Babylone sy izany firenena izany noho ny helony, hoy ny voasoratry ny mpaminany, ary ny tanin'ny Kaldeana koa dia hataoko raya mandrakizay" (Jer. 25:12). Haneho ny fankasitrahan'ny sise amin'i Joda izay mivavaka amin-kafanam-po Aminy Andriamanitra. "Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin'ny fahababoana hianareo, ka hangoniko avy any amin'ny firenena rehetra sy avy any amin'ny tant' rehetra izay nandroahako anareo hobaboina. (Jer. 29:14)." MM, U. 450.

 FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

 

1. Resaho misimisy  kokoa eo amin'ny kilasy ilay antony mahatonga ny, olona hanao zavatra tsy amim-piheverana na fahamalinana vokatry ny fahotana. Ahoana no mahatonga ny hoe: ny olona izay efa mahafantatra misimisy kokoa dia mbola manaiky hoentin'ny filan-dratsiny ihany? Inona no fanampiana azontsika atao raha toa ka misy olona iray hitantsika fa mizotra ho amin'izany lalana izany?
2. Resaho -ny amin'ny maha-fiarovana ny lalàn'Andriamanitra. Inona no hevitr'io? Ahoana no fomba hiarovan'izany antsika? Etsy an-danin'izany, nahoana no tsy maintsy hanjo antsika ihany ny fahoriana na eo aza ny fahatokiana amin'ny lalàna sy ny fitsipi-piainana efa nomen' Andriamanitra?

 3. Ny lesontsika tamin'ny Alarobia dia niresaka mikasika ny firavoravoana sy ny fahasambarana ary ny fiadanana izay avy amin'ny fitoerana ao amin'ilay fifandraisana mahavonjy miaraka amin'ny Tompontsika. Resaho ny amin'ny fahazoana fifaliana sy fahasambarana ary fiadanana avy amin'ny fanompoana ny Tompo. Aoka samy hizara ny fanandramany avy ny mambra tsirairay. Aoka samy hanatsoaka lesona avy amin'izany avy. Nahoana no zava-dehibe ny mifantoka amin'ireo fitahiana sy zavatsoa izay nomen'Andriamanitra antsika amin'ny maha-zanany antsika, eo amin'ny tontolo ferro fanompoan-tsampy (na amin'ny endriny toy inona na toy inona)?

 

FAMINTINANA: Na dia nandiso fanantenana an'i Jehôvah aza ny lsiraelita, dia tsy tokony hitsara azy ireo isika. Na izany na tsy izany, manao ahoana moa ny fahatokiantsika - isika izay manana azy ireo ho môdely - amin'ireo voadim-panekentsika tamin'ny Tompo?

  


 

 

Vendredi                          28.09.07    

13. YAHWÉ  ET  ISRAËL : AU-DELÀ DES ECHECS HUMAINS

   POUR ALLER PLUS LOIN

 

A lire

 

Seventh-day Adventist Bible Commentary, « The Role of Israel in Old Testament Prophecy», vol. 4, p. 25-38.

«Ces prophéties n'étaient pas les seules qui auraient dû permettre aux exilés de croire à leur prochaine délivrance. Les écrits de Jérémie étaient à leur por­tée, et ils pouvaient y lire nettement la période de temps qui s'écoulerait avant leur retour en Palestine. "Lorsque ces soixante-dix ans seront écoulés, écrivait le prophète, je châtierai le roi de Babylone et cette nation, dit l'Éternel. [ ... ]je punirai le pays des Chaldéens, et j'en ferai des ruines éternelles." (Jr 25.12) Dieu montrerait sa faveur envers le reste de Juda qui lui adresserait de ferventes prières. "Je me laisserai trouver par vous, dit l'Éternel, et je ramènerai vos cap­tifs; je vous rassemblerai de toutes les nations et de tous les lieux où je vous ai chassés, dit l'Éternel, et je vous ramènerai dans le lieu d'où je vous ai fait aller en captivité" (Jr 29.14). » — Ellen WHITE, Prophètes et rois, « Retour de l'exil» , p. 420.

 

A méditer

 1.   Que les membres de l'École du sabbat discutent de la façon dont le péché pousse les gens à faire des choses irrationnelles et imprudentes. Comment se fait-il que des personnes pourtant sensées se laissent em­porter par leurs passions? Comment aider, s'il est possible, la person­ne qui, sous nos yeux, prend ce chemin?

2.   Parlez de l'idée selon laquelle la loi divine nous protège. Qu'est-ce que cela veut dire? Comment nous protège-t-elle? De quoi nous pro­tège-t-elle? Mais par ailleurs, pourquoi la fidélité à la loi et aux prin­cipes de vie que Dieu nous a donnés ne nous immunise-t-elle pas contre la souffrance?

La leçon de mercredi parlait de la joie, du bonheur et de la paix que donne une relation salvatrice avec le Seigneur. Dites pourquoi servir le Seigneur donne joie, bonheur et paix. Que chaque membre fasse part de son expérience à cet égard. Cherchez à apprendre les uns des autres. Pourquoi, dans un monde rempli d'idoles (quelle que soit leur forme), est-il essentiel de se concentrer sur les bénédictions et les bienfaits que nous avons reçus en tant qu'enfants de Dieu?

 


 

 

LESSON 13                                                       FRIDAY— SEPTEMBER 28

YAHWÉ ET ISRAËL: AU-DELÀ DES ÉCHECS HUMAINS 

   FURTHER STUDY

 

 

    (Ho an'ny mpampianatra ) 

 
      ( Ho an'ny rehetra)  

 

 

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006