Telovolana 4 : Commencements et appartenance. Le livre de la Genèse

Lesona faha 13 : I KRISTY TAO ANATY MEMY

Daty : 22-12-2007 hatr@ 28-12-2007. Toko dinihina : Mat, 2:1-18; 27:51,52; Lio. 2:7,22-24; 22:41-44; Jao. 8:58,59; Rôm. 6:23; Tit. 1:2

Tsianjery : Ary nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso tamin 'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: 'Ely, Ely, lamà sabaktany? ' izany hoe: 'Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao? "' Mat, 27:46

Sabotsy 22-12-2007 : Fampidirana

Isaka ny mijery ny olana momba ny fahoriana isika, dia tonga foana ny fanontaniana manao hoe: Tamin'ny fomba ahoana no nipoiran'ny ota sy ny fahoriana? Manan-kavaly tsara isika amin'ny alalan'ny fanambarana avy amin'Andriamanitra : Nipoitra ireo satria nanararaotra ny fahafahana nomen'Andriamanitra azy ny zava-manana aina manana fahafahana malalaka. Mitarika ho amin'ny fanontaniana iray hafa izany: FantatrAndriamanitra mialoha ve fa ho lavo ireo zava-manan’ aina ireo? Eny, saingy, araka izay nosoratan'i C. S. Lewis, dia miharihary fa nihevitra izy hoe "mendrika ny hanaovana vy very" izany.

Mendrika ny hanaovana vy very hoe? Ho an'iza? Ho antsika, ka Andriamanitra ve amin'izany mipetraka any an-danitra eo amin'ny seza fiandrianany? Tsy dia izany loatra. Masina loatra ny fahafahan'ireo voariny rehetra manan-tsaina, hany ka tsy ny nanaisotra ny fahafahana tamintsika no nataon'Andriamanitra, fa nekeny ny hizaka tao amin'ny Tenany ny vesatry ny fahoriana nateraky ny fanararaotantsika izany fahafahana izany. Ary izany fahoriana izany dia hitantsika ao amin'ny fiainana sy ny fahafatesan'i Jesôsy, Izay namorona fatorana mampiray ny lanitra sy ny tany tamin'ny aialan'ny fahoriana niaretany tao amin'ny nofontsika, fatorana izay haharitra mandritra ny mandrakizay.

 
INDRAY MITOPY MASO:

Fahoriana toa inona no niaretan'l Kristy ho antsika? Inona no azontsika ianarana avy amin'ny fahoriany?

 


 

GUIDE DE L'ETUDE DE LA BIBLE 4ème TRIMESTRE


LE FEU DE L’AFFINEUR

 

 13.  LE CHRIST DANS L'ÉPREUVE

  

Etude de la semaine : Mt 2.1-18; 27.51, 52; Lc 2.7, 22-24; 22.41-44;Jn 8.58, 59; Rm 6.23; Tt 1.2

 

Versets à mémoriser: "Et vers la neuvième heure, Jésus cria : Eli, Eli, lema sabachthani? c'est-à-dire : Mon Dieu, mon Dieu, pourquoi m'as-tu abandonné ?" (Mt 27.46)

Questions clefs: 

Quelles ont été les souffrances du Christ en notre faveur? Que nous enseignent celles-ci ?

 

Chaque fois que nous examinons le problème de la souffrance, la question qui se pose est la suivante : comment le péché et la souffrance ont-ils tout d'abord surgi? La révélation divine nous donne une excellente réponse : ils ont surgi parce que des êtres libres ont abuse de la liberté que Dieu leur avait donnée. Ce qui conduit a une autre question: Dieu savait-il à l'avance que ces êtres humains chuteraient? Qui, mais il est clair qu'il pensait, comme l'a écrit C. S. Lewis, que "le risque en valait la peine".

Le risque en valait la peine? Pour qui? Pour nous, alors que Dieu est assis au ciel sur son trône ? Pas exactement. La liberté de toutes ses créatures intelligentes était si sacrée qu'au lieu de nous en lever notre liberté, Dieu a accepté d'endosser le choc de la souffrance causée par l'abus que nous avons fait de cette liberté - souffrance que nous constatons dans la vie et la mort de Jésus qui, en souffrant dans la chair, a créé, entre le ciel et la terre, un lien qui perdurera jusque dans l'éternité.  

 

 


 

4th Quarter 2007

THE REFINER’S FIRE

 

 

13- CHRIST IN THE CRIBLE

     
        http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_13.pdf

 

                
               http://ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less13.html

 

 

Alahady 23-12-2007 : Ireo andro voalohany niainan'i jesosy

 

 Kely ny fampahalalana omen'ny Soratra Masina antsika mikasika ireo taona voalohany niainan'i Jesôsy, Misy and. vitsivitsy ihany anefa milaza zavatra amintsika mikasika ireo toetra sy karazan'ny tontolo nidiran'ny Mpamonjy.

 

Vak, Lio. 2:7, 22-24 (jer. koa Lev. 12:6-8) ary Mat. 2:1-18. Inona no hitantsika ao amin'ireo and. ireo izay manome hevitra antsika hahazoantsika an-tsaina ny karazam-piainana natrehin'i Jesôsy hatrany am-boalohany?

 

Eny, tsy i Jesôsy tsy akory no olona voalohany niaina tao anatin'ny fahantrana na niatrika ireo olona nitady hamono Azy, hatramin'ireo taona voalohany niainany mihitsy aza. Misy zavatra anankiray anefa manampy antsika hahafantatra ny maha tsy misy toa azy ny fahoriana niaretan'i Kristy hatramin'ireo vanim-potoana tany am-boalohany indrindra.

 

Vak. Jao. 1:46. Inona no hevitra fanampiny omena eo izay ahafahantsika mahatakatra ireo fijaliana natrehin'i Jesôsy zaza?

 

Ankoatran'i Adama sy i Eva talohan'ny fahalavoana, dia i Jesôsy no hany olona tsy nanota niaina tety an-tany. Tao amin'izany fahadiovany izany, tao amin'izany tsy fananany ota izany Izy no natsoboka tao amin'ny tontolon'ny ota. Ampoizina fa fijaliana tsy roa aman-tany tokoa ho an'ny fanahiny madio, na dia fony Izy mbola zaza aza, ny nifampikasoka tsy tapaka tamin'ny ota. Na dia isika ao amin'ny hamafin'ny fontsika noho ny ota aza, matetika, dia mihemotra eo anatrehan'ny ota sy ny ratsy izay hitantsika fa maharikoriko. Alaivo sary an-tsaina ny nanjo an'i Kristy, izay nadio ny fanahiny, tsy voapentin'ny ota na dia kely aza. Eritrereto ny fahasamihafana misy eo aminybbbbbbb sy ny olona hafa nanodidina Azy teo amin'izay lafiny izay, tena nifanohitra tanteraka. Ampoizina fa tena nampahory Azy mafy dia mafy izany.

 

Anontanio ny tenanao: "Manao ahoana ny fihetseham-poko eo anatrehan'ny ota izay misy manodidina antsika hatraiza hatraiza? Moa ve manorisory ahy izany, sa tsy mahataitra ahy?" Raha toa ka efa tsy mahataitra anao intsony izany, moa ve ireo zavatra vakinao na jerenao, na ataonao mihitsy, no mety ho antony? Saintsaino izany.


 


   Dimanche                              23.12.2007

13. LE CHRIST DANS L'ÉPREUVE

Les premières années

 

 

Les Ecritures ne nous donnent guère d'informations sur les premières années de Jésus. Quelques versets, cependant, nous en parlent un peu et nous décrivent Le monde dans lequel il est né.

Lisez Lc 2.7, 22-24 (voir aussi Lv 12.68); Mt2.1-18. Quelles indications ces textes nous donnent-ils sur la vie que Jésus a dû affronter dès le départ?

Bien sûr, Jésus n'était pas le premier à vivre pauvrement ni à affronter des personnes qui souhaitaient le tuer, même très jeune. Un autre élément, cependant, nous aide à comprendre en quoi les souffrances de Jésus ont été, très tôt, exceptionnelles.

Lisez Jn 1.46. En quoi ce verset nous fait-il davantage comprendre les souffrances que le jeune Jésus a dû affronter?

A l'exception d'Adam et Eve avant la chute, Jésus a été la seule personne sans péché à vivre sur terre. Alors qu'il était pur et sans péché, il a été plongé dans un monde pécheur. Quelle torture cela a-t-il sans doute été, même pour son âme d'enfant, d'être constamment en contact avec le péché! Nous-mêmes, qui avons pourtant été endurcis par le péché, reculons souvent devant des péchés et des maux que no us trouvons repoussants. Imaginez ce que cela a dû être pour le Christ, dont l'âme était pure, qui n'était pas le moins du monde souillé par le péché. Songez au contraste saisissant qui devait exister entre lui-même et son entourage. Sans doute cela a-t-il été extrêmement douloureux pour lui.

Posez-vous la question suivante : " Suis-je sensibilisé aux péchés qui m'environnent? Me troublent-ils ou suis-je endurci? " Si vous êtes endurci, est-ce à cause de ce que vous lisez, regardez - ou faites? Réfléchissez-y.


 

4th Quarter 2007

THE REFINER’S FIRE

 

 

13- CHRIST IN THE CRIBLE

     
        http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_13.pdf

 

                
               http://ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less13.html

 

 

                                                                                             


Alatsinainy 24-12-2007 : Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona

 Vak. ireto and. manaraka irejto ary aoka ho ao an-tsaina mandritra izany fotoana rehetra izany fa Andriamanitra i Jesôsy, Mpahary ny lanitra sy ny tany, ary tonga Izy hanolotra ny tenany ho fanatitra noho ny otan'izao tontolo rehetra izao (Mat 12:22-24; Lio. 4:21-30; Jao. 8:58, 59). Ahoana no anampian'ireo and. ireo antsika hahazoantsika an-tsaina ireo fljaliana natrehin'i Jesôsy tety an-tany?

 

Na ireo mpitondra, na dia ny olon-tsotra koa aza, dia diso fiheverana hatrany ny fiainan'i Jesôsy sy ny asany ary ny fampianarany, ary izany dia nitarika ho amin'ny fandavana sy ny fankahalan'ny olona Azy, kanefa hamonjy ireo olona ireo no nahatongavany. Amin'ny lafiny iray, izany dia tahaka ny ray aman-dreny iray mahita ny zanany mania mila vonjy, ka na dia vonona hanome ny zavatra rehetra ho an'izany zaza izany aza ilay ray aman-dreny, ilay zaza kosa indro fa tsy miraharaha ilay ray aman-dreny, fa fanambantiana sy fandavana no ataony miavosa eo amin'ity olona izay, angamba, hany afaka miaro izany zaza izany tsy ho ringana tanteraka. Izany no natrehin'l Jesôsy fony Izy teto an-tany. Ampoizina fa nampahory azy loatra izany.

                                                    .     ...

Vak. Mat. 23:37. Inona no ambaran'izany amintsika mikasika ny fihetseham-pon'i Kristy teo anatrehan'ny fandavana Azy? Eo am-pamakiana io and. io dia anontanio koa ny tenanao hoe: "Ny tenany ve nampalahelo Azy [tahaka antsika matetika rehefa miatrika fandavana], sa antony hafa? Raha antony hafa, inona angaha izany?

 

Samy efa nahatsapa ny kaikitry ny fandavana isika rehetra, ary nitovitovy tamin'ny an'i Kristy angamba ny fahoriantsika, amin'izy tsy nisy fitiavan-tena: Ory isika, tsy noho isika nolavina, fa noho ny amin'ny dikan’izay fandavana izay ho an'ilay nandà antsika (angamba olona nokarakarainao io, kanefa tsy nety nanaiky ny famonjena ao amin'i Kristy). Mba hevero ange ny fihetseham-pon'i Jesôsy, Izay nahafantatra tanteraka ny zavatra tsy maintsy hatrehiny mba hamonjena azy ireo, sady nahafantatra tanteraka koa ny ho vokatry ny fandavan'izy ireo.."Noho ny tsy fananany tsiny no nahatonga Azy( I Kristy] hahatsapa lalina ny fanafihan'i Satana." - SM, b. 3,1.129

.

Inona no lesona azonao ianarana avy amin'i Kristy, izay afaka hanampy anao hiatrika ny fahorian-tsaina vokatry ny fandavana? inona no asehon'ny ohatra nomeny? Fomba ahoana no ahafahanao mampihatra izany eo amin'ny fiainanao?

 

 

 


  


   Lundi                            23.12.2007

13. LE CHRIST DANS L'ÉPREUVE

Méprisé et rejeté par les hommes

 

Que ce soit par les dirigeants, ou même par l'homme du peuple, la vie, les actes et les enseignements de Jésus étaient constamment mal interprétés, de sorte qu'il était rejeté et haï par ceux qu'il était venu sauver. En un sens, il était comme un parent qui voit que son enfant égaré a besoin d'aide. Alors qu'il désire lui donner le meilleur, cet enfant le repousse, méprisant et rejetant sans doute la seule personne capable de lui éviter la mine. Voila ce que Jésus a dû affronter quand il était sur terre. Cela lui a certainement été douloureux.

Lisez les textes suivants, en gardant constamment à l'esprit le fait que Jésus était divin, le Créateur des cieux et de la terre, et qu'il est venu s'offrir en sacrifice pour les péchés du monde entier (Mt 12.22-24; Lc 4.21-30; Jn 8.58,59). En quoi ces textes nous aident-ils à comprendre les souffrances vécues par Jésus sur la terre?

Nous avons tous ressenti la morsure du rejet et peut-être que notre douleur était semblable à celle du Christ, en ce sens qu'elle n'était pas égoïste. Nous étions peines, non parce que nous étions rejetés, mais à cause des con-séquences de ce rejet pour son auteur (peut-être quelqu'un que vous aimiez refusait-il d'accepter le salut en Christ). Imaginez, cependant, ce que le Christ a surement ressenti, lui qui était pleinement conscient de ce qu'il allait affronter pour sauver les hommes pleinement conscients, également, des conséquences qu'aurait ce rejet. "C'est à cause de son innocence que le Christ ressentait aussi intensément les assauts de Satan. " - Ellen WHITE, Selected Messages, vol. 3, p, 129.

Lisez Mt 23.37. Que nous indique ce texte sur la façon dont le Christ éprouvait ce rejet? Tout en lisant, demandez-vous : " S'apitoyait-il sur lui-même [comme nous le faisons souvent dans ce cas où s'apitoyait-il sur autre chose? " Dans ce dernier cas, de quoi s'agissait-il?

 Quel enseignement tirez-vous du Christ pour vous aider mieux à gérer la douleur du rejet? Que vous montre son exemple? Comment l'appliquer dans votre vie.

 

 


 

4th Quarter 2007

THE REFINER’S FIRE

 

 

13- CHRIST IN THE CRIBLE

     
        http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_13.pdf

 

                
               http://ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less13.html

 

 

Talata 25-12-2007 : Jesosy tao getsemane

Na inona na inona fahoriana niaretan'i Jesôsy nandritra ireo 33 taona naha-teto an-tany Azy, tsy nisy azo ampitahaina amin'izay natrehany nanomboka tamin'ireo ora farany mialohan'ny hazo fijaliana. Hatramin'ny fahagolan-tany (Efes. 1:1-4; 2 Tim. 1:8,9; Tit. 1:1,2) no namolavolana ny fahafoizan-tenanï Jesôsy ho fanatitra noho ny otan’izao tontolo izao,ary indro izany ankehitriny fa eo an-dalam-pahatanterahana avokoa.

Inona no ambaran'ireto and. manaraka ireto amintsika mikasika ny fahoriana niaretan'i Kristy tao Getsemane? Mat. 26:39; Mar. 14:33-36; Lio. 22:41-44.

«Nandeha lavidavitra azy ireo Izy - tsy dia lavitra loatra anefa mba hahitany sy handrenesany Azy— dia niankohoka tamin'ny tany Izy. Tsapany fa noho ny fahotana dia tafasaraka tamin 'ny Rainy Izy. Lehibe loatra, maizina loatra, lalina loatra ny hantsana ka nipararetra ny fanahy teo anatrehan'izany. Tsy azony ampiasaina ny hery maha-Andriamanitra Azy handosirany io ady mihatra aman 'aina io. Amin 'ny rnaha-olombelona Azy no tsy maintsy hizakany ny vokatry ny fahotan'ny olona. Amin'ny maha-olombelôna Azy no tsy maintsy hiaretany ny fahatezeran'Andriamanitra amin’ny fandikan-dalàna.

Ankehitriny dia hafa noho ny tamin'ny voalohany ny fijeriny an'i Kristy. Ny tenin'ny mpaminany no azo ilazana tsara indrindra ny fahoriany: ‘Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro !’Amin'ny maha-Mpisolo toerana sy Antoka ho an'ny olona mpanota Azy no hijalian'i .Kristy raha teo ambanin'ny fitsaran'Andriamanitra Izy. Hitany ny dikan'izany hoe fitsarana. Hatramin'izao dia mpanelanelana ho an'ny hafa Izy; ankehitriny kosa dia naniry koa Izy raha naniry ny hanana ' mpanelanelana ho Azy».- IFM.tt. 738, 739.

Aoka tsy hiala amin'ny zavatra nihatra tamin'i Jesôsy tao Getsemane ny fisaintsainanao Efa nanomboka nianjera taminy Said ny fahotan'izao tontolo izao. Ezaho alaina sary an-tsaina hoe toa inona loatra re izany. Tsy mbola nisy mihitsy olombelona nantsoina handalo toe-javatra toy izany talohan'izao. Inona no ambaran'izany amintsika mikasika ny fitiavan'Andriamanltra antsika? Inona no fanantenana azonao sintonina avy amin'izany ho an'ny tenanao? 

 


  

   Mardi                            25.12.2007

13. LE CHRIST DANS L'ÉPREUVE

Jésus à Géthsémané

 "Il leur dit : Je suis triste à mourir; demeurez ici et veillez." (Mc 14.34)

 Quelles qu'aient été les souffrances de Jésus pendant ses trente-trois années sur terre, rien n'est comparable à ce qu'il a éprouvé pendant les dernières heures précédant la croix. Le sacrifice de Jésus en tant qu'offrande pour le péché du monde était prévu de toute éternité (Ep 1.1-4; 2 Tm 1.8, 9; Tt 1.1, 2) et le temps en était maintenant venu.

Qu'indiquent les textes suivants sur la souffrance du Christ à Gethsémané? Mt 26.39; Mc 14.33-36 ; Lc 22.41-44.

"Il s'éloigna a quelque distance - pas si loin qu'ils ne pussent le voir et l'entendre -, et tomba à genoux. Il sentait que le péché le séparait de son Père. L'abîme était si large, si noir, si profond, que son esprit frissonnait. Il ne devait pas faire usage de sa puissance divine pour échapper à cette agonie. En tant qu'homme, il devait supporter les conséquences du péché de l'homme; il devait subir la colère dont Dieu frappe la transgression. "L'attitude du Christ était bien différente de celle qu'il avait eue auparavant. Ses souffrances trouvent leur meilleure description dans ces paroles du prophète : "Epée, lève-toi contre mon berger, contre l'homme dont j'ai fait mon compagnon, dit l'Eternel des armées!" (Za 13.7) En tant que substitut et garant de l'homme pécheur, le Christ subissait la justice divine. Il voyait ce que signifiait cette justice. Jusqu'ici il avait intercédé pour d'autres; maintenant il eut voulu trouver un intercesseur pour lui-même. " - Ellen WHITE, Jésus-Christ, "Gethsémané, p. 688, 689.
 

Réfléchissez à ce qui arrivait à Jésus à Gethsémané. Les péchés du monde commençaient déjà à l'atteindre. Essayez de vous imaginer ce qu'il a sans doute ressenti. Aucun être humain n'a jamais été appelé à vivre une chose pareille. Qu'est-ce que cela nous indique sur l'amour de Dieu pour nous? Quelle espérance en retirez-vous?

 

 

4th Quarter 2007

THE REFINER’S FIRE

 

 

13- CHRIST IN THE CRIBLE

     
        http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_13.pdf

 

                
               http://ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less13.html

 

 

Alarobia 26-12-2007 : Ilay andriamanitra voahombo tamin'ny hazo fijaliana

Ny fahafatesana eo amin'ny hazo fijaliana no anankiray' amin'ireo famaizana mafy indrindra nampiharin'ny Rômanina tamin'ny olona. lo no noheverina ho tomba ratsy indrindra hahafatesana. Araka izany dia mampihorin-koditra ny olona tokoa ny ho faty amin'izany fomba izany, mainka moa fa ny Zanak'Andriamanitra! Aoka hotsaroantsika mandrakariva fa i Jesôsy tonga tety anie ka nitafy ny nofo maha-olombelona tahaka ny antsika e. Ampoizina fa tsy tanty ny fijaliana ara-batana teo anelanelan'ny kapoka, ny fikapohana tamin'ny karavasy, ny fantsika nalentika tamin'ny tànany sy ny tongony, ary ny vesatry ny vatany nandrirotra nanitatra ireo ratra. Mafy izany, na dia ho an'ny jiolahy nahavita heloka bevava faran’izay ratsy indrindra aza; koa, tsy rariny loatra àry izany, raha i Jesôsy, Izay tsy meloka na tamin'ny inona na tamin'ny inona, no hiatrika anjara ratsy toy izany.

Nefa, araka ny fantatsika, dia maivana ihany ny fijalian'i Kristy ara-batana raha mitaha amin'izay zavatra tena nitranga marina. Mihoatra noho ny famonoana olona tsy meloka fotsiny izany.

 

Inona ireo toe-javatra nitranga manodidina ny nahafatesan'i Jesôsy, izay nampiseho fa nisy zavatra hafa niseho maro, mihoatra noho izay takatry ny sain'ny ankamaroan'ny olona nanatrika teo tamin'io fotoana io? inona no dikan'ny tsirairay amin'ireo toe-javatra nitranga ireo mety ho hitantsika, izay afaka manampy antsika hampibaribary ny zavatra nitranga teo? Mat. 27:45; 27:51,52; Mar. 15:38.

     .

Miharihary fa nisy zavatra hafa niseho teto, fa tsy ny fahafatesan'ny olona iray tsy meloka fotsiny, na efa tsy rariny aza izany. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina, dia naidina tamin'i Jesôsy ny fahatezeran'Andriamanitra tamin'ny ota, tamin'ny otantsika. Tsy ny fahatezeran'ny olombelona mpanota, izay fahatezerana tsy rariny, no niaretan'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra marina, izay fahatezerana ara-drariny, amin'ny ota, amin'ny otan'izao tontolo rehetra izao. Araka izany àry dia niaritra zavatra lalina kokoa sy maizina kokoa ary mangirifiry kokoa mihoatra noho izay mety ho fantatr'olombelona na niainany i Jesôsy.

 

Raha iny ianao fa mandeha mamakivaky ireo tolona atrehinao, inona no fanantenana sy fiononana mety ho azonao avy amin'ny zava-misy momba an'i Kristy nijaly ho anao teo amin'ny hazo fijaliana?

 


  

   Mercredi                          26.12.2007

13. LE CHRIST DANS L'ÉPREUVE

Le Dieu crucifié

 

La mort par crucifixion était l'un des châtiments les plus sévères infligés par les Romains. On considérait que c'était la pire mort de toutes. S'il était horrible pour quiconque de mourir ainsi, qu'en était-il pour le Fils de Dieu! Jésus, ne 1'oublions jamais, est venu sous une forme humaine semblable à la nôtre. Entre les coups, le fouet, les clous enfoncés dans ses mains et ses pieds, le poids du corps déchirant ses blessures, la douleur physique était certainement difficilement supportable. C'était un châtiment sévère, même pour le pire des criminels; combien il était injuste que Jésus, innocent de tout, doive affronter un tel sort!

Pourtant, comme nous le savons, les souffrances physiques du Christ étaient douces comparées à ce qui se passait réellement.

Quels événements environnant la mort de Jésus montraient qu'il y avait beaucoup plus en jeu que la plupart des gens ne le pensaient à l'époque? Quel était le sens de ces événements, révélant ce qui se passait en réalité?

Il s'agissait bien davantage que la mort, si injuste fut-elle, d'un innocent. D'après les Ecritures, la colère de Dieu contre le péché, notre péché, s'est déversée sur Jésus. Sur la croix, celui-ci a souffert, non de la colère injuste d'une humanité pécheresse, mais de la juste colère d'un Dieu juste contre le péché, les péchés du monde entier. C'est ainsi que Jésus a souffert d'une manière plus profonde, plus sombre et plus cruelle qu'aucun être humain.
 
Mt 27.45 ;Mt 27.51, 52 ;Mc 15.38
 
Quelles que soient vos luttes actuelles, quelle espérance et quel réconfort retirez-vous de ce que le Christ a souffert pour vous sur la croix? 


4th Quarter 2007

THE REFINER’S FIRE

 

13-CHRIST IN THE CRIBLE

     http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_13.pdf