FAMPIDIRANA :
Milaza tantara iray tamin'ny andron'ireo mpanafika espaniôla "conquistadors' i Dwight E. Stevenson, tantara izay maneho an-tsary lafiny iray lehibe momba ny atao hoe mpianatra: "Rehefa nasain'i Cortez nidina ny sambo teo amin'ny moron-dranornasina atsinanan'i Mexico ireo mpanafika espaniôla dimanjato niaraka taminy, dia nodorany ny sambo nitondra azy ireo. — SISD, t. 25. Tsy afaka.ny hiverin-dalana handositra ny ady ataony ireo rniaramila ireo. Art' tarniffizany no nahatsapan'izy ireo fa tsy maintsy manao sorona nÿ ainy hanafika an'i Amerika ho an'i Espaina izy ireo.
Toy izany koa ireo izay manaiky an'i Kristy ka rnanolo-tena hanao ny adidin'ny mpianatra dia antsoina handoro ny sambony eo amin'ny seranana. Tsy misy fahafahana miverina hitadv fierena. Tsy misy rniverina ilalana izany. Ny teny baiko amin'izany fanoloran-tena tanteraka ho an'i Kristy izany dia tokony ho izao:Mandroso hatrany, tsy miverin-dalana na oviana na oviana".
INDRAY MITOPY MASO :
Inona no atao hoe mpianatra? lza no mpianatra? Azo atao ve ny milatsaka an-tsitra-po ho mpianatra? Inona ireo zavatra takin'izany atao hoe mpianatra? Inona no votoatin' ny atao hoe mpianatra?
Misv lafiny roa isehoanny foto-kevitra momba nyatao hoe mpianatra ao amin'ny Soratra Masina, dia ny ara-tantara sy ny an'ny tena manokana.
Eo amin'ny tontolo kristianina ara-tantara, izany foto-kevitra izany dia ilazana ny fifandraisan'i Kristy, Ilay Mpampianatra Lehibe, sy ireo mpanaradia Azy voalohany, izay fantatra amin'ny anarana hoe mpianatra. Rehefa halalinina izany dia nilazana ireo izay manana fifandraisana manokana tamin'llay Raby avy any Nazareta, Jesôsy Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra.
.Eo amin'ny lafiny an'ny tena manokana ny atao hoe mpianatra dia ilazana ny fihaonana misy eo arnin'i Kristy sy ilay olona voaova ary izao tontolo izao. Izany dia ilazana ihany koa ireo fihaikana entin'ny fanoloran-tena kristianina sy ny fiainam-pinoana aterany. Araks izany ny atao hoe mpianatra dia mahafaoka, tsy izay ataon'ny Kristianina amin'ny anaran'i Kristy ihany, fa mahafaoka koa ny fomba anehoana an'i Kristy eo amin'izao tontolo izao.
Eto no afaka mifanapaka ireo lafiny roa amin'ny atao hoe mpianatra ireo, dia ny lafiny ara-tantara sy ny lafiny an'ny tena manokana izany. Ny mpianatra môderina dia afaka mahita tombontsoa avy amin'ny fahalalana atolotry ny fanandramana niainan'ireo mpianatra teo amin'ny tantara sy Ilay Mpampianatra.
Sorito ireo foto-kevitra momba ny atao hoe mpianatra hita ao amin'ny Mat. 4:18-22. Inona no nasain'i Jesôsy nataon'i Petera sy i Andrea? Ampitahao ny antso natao tamin'i Jakôba sy i Jaona sy ny antso nomena an'i Petera sy i Andrea. Inona no hazavana aparasaky ny valintenin'ireo mpianatra efatra ireo amin'ny fahazoantsika ny atao hoe mpianatra? Jer. koa Jao. 1:40-42. Inona koa no ampianarin'ireo andalanteny ireo antsika?
Vak. Asa. 11:26. Inona no fahalalana omen'io and. io antsika mikasika ny hevitra fonosin'ny atao hoe mpianatra?
Avy amin'ny zavatra hitanao hatramin'izao, inona no fahazoanao ny atao hoe mpianatra? Inona ireo lesona manokana azonao, raisins avy amin'ireo and. vitsivitsy nojerena androany?
Ny teny hoe "mpianatra" dia avy amin'ny teny grika hoe 'mathetes', izay manana hevitra hoe "mpianatra", na "mpianatra asa", na mpanarakaimpomba". Izany dia maneho olona iray izay manana sains
mifantoka amin'ny tanjona iray. Ao amin'ny TV, indrindra fa ao amin'ireo Filazantsafa, no ahitana ny fampiasana azy io hilazana ny mpianatr'i Jesôsy indrindra indrindra. Izany dia manondro "mpianatra asa na mpianatra iray" raikitra amin'ny mpampianatra na fihetsehana iray; mpianatra asa na mpianatra izay miandany amin'ny fampianarana sy ny fanekena ataon'ilay mpampianatra na ilay fihetsehana." – HBD, t. 222. Ny hoe mpianatra àry izany dia mpianatra napetraka ho mpianatry ny mpampianatra iray mba handray fampianarana. Tsy misy mpianatra raha tsy misy mpampianatra. Ny teny hoe "mpianatra" ao amin'ny TV dia ampiasaina voalohany indrindra hilazana ny mpianatr'i Jesôsy.
Ao amin'ny hoe mpianatra dia misy fahavononana hanaraka baiko sy hanao fanekena. Inona no tian'i Jesôsy hambara, ary ho amin'ny inona no anaovany antso ao amin'ny fanambarana nCaoriy tamin'ny vahoaka manao hoe: "Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sv ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy» - Lio. 14:25,26. Fomba ahoana noa ampiharana ireo teny ireo amintsika eo amin'ny fiainantsika andavan'andro.
Raha mpianatra ny Kristianina, anin'iza ny Kristianina môderina no mianatra? Iza no tokony hiandanian'ny Kristianina sy hanehoany iariolorantena? ny fiangonana ve? sa ny foto-pincana? sa ny mpitory ferry inalaza iray ' i manao asa fampianarana tsars? sa i Jesôsy? Inona no fahazavana alefan'ny 1 Kôr. 1:10-17, indrindra fa ny and. 12, amin'io resaka io?
Ao amin'ny TV ny mpianatra dia olona nampianarin'i Jesôsy sy nanolotena hanaraka Azy. Hafa noho izay ve izany ankehitriny? Vak. indray ny tenin'i Jesôsy ao amin'ny Lioka, voalaza etsy ambony. Mety tsars aminao ve lo sary io? Tena mpianatr'i Kristy marina ve ianao? Inona no ambaran'ny valin-teninao aminao mikasika ny tenanao sy ny fanolorantenanao ho an'ny Tompo?
Vak. Mar. 1:19,20 (jer. koa Mat. 4:18,19). Inona no ambaran'ireo toko sy and. ireo amintsika mikasika ny fomba nahatonga ny olona ho mpanaraka an'i Jesôsy?
Amin'ny ankamaroan'ny ohatra ao amin'ny TV dia nofidina ny mpianatra; izany hoe, nantsoin'ny Tompo izy ireo, ary namaly ny antso. Raha lamina amin'ny teny hafa dia tsy manao ny tenany ho mpianatra ny olona iray, fa lasa mpianatra izy rehefa mamaly ny antso.
Inona no ambaran'ireto *toko sy and. ireto mikasika io foto-kevitra io? Mar. 2:13,14; Mar. 3:13,14; Lio. 5:8-11; Jao. 1:43; Asa. 9:4-6.
Ireo toko sy and. ireo dia mampiseho fa teo amin'ny toe-javatra aratantara dia tsy niankina tamin'ny isam-batan'olona ny fanapahan-kevitra voalohany ho mpianatra, fa nipetraka tamin'llay Mpampianatra. Ny mpianatra tsirairay dia namaly ny antso nalefan'ny Tompo taminy.
Na dia ny valin'ilay antso nalefan'i Jesôsy aza dia tsy niankina manontolo tamin'ilay nantsoina Miditra an-tsehatra arriir,';Iny koa Andriamanitra. -'Lsi, misi, (Jolis malien, mancliona Aliv. ralici im, ?tio,,)iiîi' n v Ra v IzaY naniraka Ahv- - Jao. 6:44. Ny maha-mpianatra araks izany dia tena asan'ny fahasoavana, Andriamanitra no niantoka ny tomba hahazoa,,ia famonjena. Alefany amintsika koa izany antso izany, ary tam.oatanibazany isika hanaiky. Misy misalasala ve fa fahasoavana ranofotsiny ny famonjena?
lanao mamaky ireo teny ireo dia mitory sahady ny asan'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao. Fomba ahoana no namalianao ny antson'Ilay Mpampianatra? Fomba ahoana no anehoan'ny asanao ny valiny?
Vakio:
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra: