FAMPIDIRANA :
Miverina hatrany amin'ny fotoana nialoha ny asa nanirahana an'i Jesôsy tety an-tany ny resaka fampianarana. Taonjato maro nialoha ny nahatongavan'i Kristy teto amin'izao tontolo izao mantsy, izay nisehoany tamin'ny maha-olombelona nitafy nofo Azy, dia nisy mpampianatra namory mpianatra izay nahasarika ny fiainan'olona hafa tamin'ny fampianarana nataony. Zava-marina izany izay hita tamin'ireo Grika, Jiosy, Sinoa ary koa tamin'ireo kolontsaina tranainy hafa. Ny ankamaroan'ireny mpampianatra ireny dia tsy nanaiky hampiasa ny teny hoe «mpampianatra» hilazana ny tenany na koa hanonona hoe «mpianatra» ireo olona nampianariny noho ny fifandraisana ety dia ety nisy teo amin'izy ireo. INDRAY MITOPY MASO :
Amin'ity herinandro ity isika dia hijery ny fampitahana ny atao hoe mpianatra amin'ny kapobeny sy ny mpianatr'i Jesôsy, ary hodinihina amin'izany ny fifamatorany arnin'ny mpianatr'i Jesôsy arnin'izao taonjato 21 izao.
Ny fandehanan'ireto Grika ireto hivavaka tamin'ny andro firavoravoana dia milaza sahady amintsika zavatra mikasika azy ireo. Ankoatra izany, ireo andininy teny aloha dia maneho fa na maro aza ny zava-niseho dia tsy tokony hahagaga antsika ny fihetsika nasehon'ireo Grika ireo.
Vakio ireto toko sy and. ireto. Inona no fanazavana omen'izy ireo tamin'ny zava-nitranga teto? Jer. 29:13; Jao. 1:9; 6:44; Asa. 10:34,35.
Hitantsika tamin'ny herinandro lasa fa i Jesôsy foana no nifidy ny mpianany. Ka raha vao mijery ireo toko sy andininy ireo isika dia toy ny milaza zavatra mifanohitra tamin'izay nataon'i Jesôsy izy ireo. Tsy izany velively anefa no izy. Na teto aza dia ny Fanahy Masina mihitsy no nanetsika ny fo amam-panahin'ireo Grika ireo.
Miseho amin'ny endrika maro samy hafa ny fampianarana eo arnin'ny kolontsaina grika. Na dia misy aza ireo Grika izay voaantso hirotsaka amin'ny sehatry ny fampianarana dia fomba fanao teo amin'ny Grika hatrizay mihitsy ny mifidy ny mpampianatra tiany hanao izany asa izany. Ny mpianatra fa tsy ny mpampianatra, araka izany, no mivoy ny seha-pifandraisana.
Ankoatra izany, dia fanaon'ny mpampianatra foana ny mampandoa saram-pianarana ireo mpianatra ampianariny.
Amin'ity tranga ity dia hitantsika fa teo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina no nitadiavan'ireo Grika an'i Jesôsy ka nahafantarany Azy. Voalaza fa ampiasain'Andriarnanitra ny fahalalana ananantsika entina hampianarana antsika ny zavatra ilaintsika ho fantatra sy hay; zavatra azo heverina izany. Fanampin'izany dia nomarihin'i EGW fa «nanam-paniriana lalina hahafantatra ny fahamarinana tamin'ny asa nanirahana an'i Kristy ny Grika». - DA, t. 622.
Nambarany koa fa notanterahin'i Kristy ny fangatahan'izy ireo.
Raha misy olona tonga ao aminao ka manao toy izay nataon'ireo Grika tamin'i Filipo, milaza aminao, hoe: «mba ta hahita an'i Jesosy izahay», dia Inona no havalinao azy ireo? Ahoana no fomba fampahafantaranao azy ireo an'i Jesôsy?
Voalaza tao amin'ny asasoratr'ireo mpianatra jiosy toa an-dry Philo sy i Josephus fa nisy ny fifandraisana teo amin'ny mpianatra sy ny mpampianatra. Nisy Raby fanta-daza anankiroa koa nantsoina hoe: «Hillel sy i Shammai, izay nanana sekoly mpifaninana tany Jerosalema ary nahatarika olona maro hanaraka azy ireo. Voalaza ihany koa ao amin'ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly fa i Saoly avy any Tarsosy dia mpianatry ny Raby Gamaliela, mpampianatra jiosy iray fanta-daza tany amin'ny taonjato voalohany tany. (Asa. 5:34-39; 22:3).
Vakio ireo toko sy and. eo ambony ireo. Inona no zavatra azontsika fantarina momba an'i Gamaliela avy amin'izy ireo?
Olo-malaza teo amin'ny Jiosy nandritra ny taonjato voalohany ireny mpampianatra ireny. Nahatarika mpianatra maro nanerana izao tontolo izao ho any Jerosalema izy ireny. 1 Jerosalema moa no foiben'ny fahalalana jodaisma eo amin'ny lafiny teôlôjia sy eo amin'ny sehatry ny lalàna. Tec antongotr'ireny mpampianatra malaza ireny no nipetrahan'ireo mpianatra.
Ny zaza jiosy izay maniry ny ho tonga Raby dia manomboka mialoha be ny fianarana, izany hoe any amin'ny faha-14 taonany any. Misy fifampikasohana manokana eo aminy sy ny mpampianatra azy amin'izany, mihaino ny toro hevitra omeny izy, maka tahaka ny fihetsika ataony, ary mianatra zavatra be dia be avy aminy na ao am-pianarana izany na eo amin'ny fiainana andavanandro. Ao am-pianarana dia maka ny toerany amin'ny maha-mpianatra azy izy izay .mipetraka eo an-tongotry ny mpampianatra. Rehefa voafehiny ireo zavatra na fanao fototra nentin-drazana dia voafidy ho mpianatra sy mbola voatokana izy. Atao ihany ny fanokanana aty aoriana rehefa tonga amin'ny taons natokana hanaovana izany izy. Amin'izay fotoana izay dia atolotra azy ny anaram-boninahitra hoe: «Raby» miaraka amin'ny hery sy fahefana hampifandray na hampisaraka amin'ny fotoana rehetra ny Jiosy manerana ny tany.
Ny zavatra hitantsika teo amin'ireo fanazavana ireo dia mifandraika amin'ny fisehoan'ny fifandraisana misy eo amin'ny mpampianatra sy ny mpianatra jiosy izay ambaran'ny TV. Inona àry no fanazavana omeny amin'ny fahazoanao ireto and. manaraka ireto? Mat. 16:19; 18:18.
Mahalala mpampianatra izay nahafinaritra anao tokoa ve ianao ka noderainao tamin'ny fomba manokana izy, ary nisy akony tsara sy lehibe teo amin'ny fiainanao ny fisiany?
Inona ireo zavatra na fihetsika nataon'io mpampianatra io ka nahafinaritra anao? Amin'ny fomba ahoana no hahafahanao manahaka azy eo amin'ny fiainanao manokana?
Hazavao ny zavatra ambaran'ireo andininy ireo mikasika an'i Jaona mpanao batisa raha ampifandraisina amin'ny fampianarana.
Mpampianatra nahavory mpianatra koa ve izy? Ary satria tsy mba nahazo fahaizana amam-pahalalana avy amin'ny Raby izy, dia inona kosa izany no ambaran'ny teny hoe Raby araka ny niantsoan'ny mpianany azy?
P4azava izany satria nisy tamin'ireo Jiosy nanontany raha i Jaona mpanao batisa no Mesia. Hita izany tamin'ny fanontanian'ireo mpisorona sy Levita avy any Jerosalema izay nirahina ho any amin'i Jaona mpanao batisa (Jao. 1:19-28). Manan-danja tokoa ny fanontanian'izy ireo indrindra fa rehefa misy milaza fa misy hevitra na mesia anankiroa mahazo vahana eo amin'ny Jiosy nandritra ity vanim-potoana teo anelanelan'ny TT sy TV ity. Noheverina araka izany ny hisian'ny Mesia amin'ny maha-mpisorona Azy izay hivoaka avy amin'ny fokon'i Levy sy ny Mesia amin'ny maha-mpanjaka Azy izay' hivoaka avy amin'ny fokon'i Joda. Noho izany dia zava-dehibe loatra ny nanirahana ireo mpisorona sy Levita satria avy amin'ny taranak'i Levy izy ireo.
Zavatra mitombina ny hoe nihevitra an'i Jaona ho Mesia mpisorona ny mpianany; izy rahateo moa avy amin'ny taranak'i Levy. Ity finoana ity koa dia nanetsika ny risi-pon'ireo mpivahiny tao Jerosalema izay nanadihady ny amin'i Jaona mikasika ny iraka nampanaovina azy. Misy ireo mpianatra rnpanadihady ny Baiboly no mino fa izany no antony niraketan'ny mpanoratra ny filazantsara fahefatra tao amin'ny boky nosoratany ny zavatra nolazain'i Jaona Mpanao Batisa momba an'i Jesôsy. Tena tiany hazava tsara ny fanambarana fa nahita an'i Jesôsy tokoa i Jaona mpanao batisa, ary io no Ilay Mesia fa tsy ny tenany akory. Angamba mety hifanohitra amin'ny fahazoantsika izay voalazan'ny Jao. 3:25,26 izany.
Inona no antony nampifanditra ny mpianatr' Jesôsy? Jereo Jao. 3:2130. Inona no ambaran'ny fihetsiny mikasika azy (ny mpianatra izany)? Etsy an-danin'izay, inona kosa no ambaran'ny valin-tenin'i Jaona amintsika ny amin'ny toetrany? Inona àvy no foto-kevitra na fitsipipiainana tokony hianarantsika avy amin'ny valin-tenin'i Jaona ka hampiharintsika eo amin'ny fiainantsika manokana?
Vao niandoha mihitsy ny asan'i Jesôsy teny anivon'ny vahoaka dia efa nanana mpianatra Izy. Tao anatin'ny tantaran'ny Jiosy tamin'ny taonjato voalohany no nisehoan'i Jesôsy tamin'ny maha-mpampianatra niparnory mpianatra Azy, araka ny fomba fanao fahizay teo amin'ny mpampianatra jiosy sy grika. Nisy ihany koa fihaonana sy fifampikasohany tamin'i Jaona mpanao batisa raha nataon'i Jaona batisa Izy ho fiomanana tamin'ny asa izay nanirahana Azy teto an-tany.
Araka ny fomba jiosy sy grika dia nanana mpianatra izay nanaraka Azy hatraiza hatraiza i Jesôsy, mpianatra mhaino izay nolazainy sady nanahaka ny fanaony ihany koa. Mat: 5:1,2; Jao, 1:35.-40; 2:1,2.
Vakio tsara izay voalazan'ny Mat. 4:18.20; rehefa izany dia ivereno ny lesona ALH sy ALT ka ampitahao amin'izany ireo fomba nahatongavan'ny olona ho mpianatr'i Jesôsy, mpianatr'ireo mpampianatra grika ary koa mpîanatr'ireo izay voatendry ho Raby. Inona no zavatra itovizan'izy ireo? Ary inona kosa no mahasamy hafa azy?
«Hatramin'io fotoana io dia mbola tsy nisy tamin'ireo mpianatra ireo niara-niasa tanteraka tamin'i Kristy. Efa nantri-maso fahagagana maro izy ary efa nandre ny fampianarany nefa tsy nandao tanteraka ny asany teo aloha. fahadisoam-panantenana mangidy ho azy rehetra ny nanaovana an'i Jaona mpanao batisa tanty am-ponja. Raha niafara toy izany ny asa nampanaovina an'i jaona dia kely ny fanantenany ho an'nv Tompony noho ireo mpitarika ara-pivavahana rehetra niray hina hanohitra Azv. Teo amin'ny toe-javatra toy izany dia tiana dia nanamaivana azy ny niverina
fotoana fohy tanty amin'ny fanjonoany. Ankehitrin y anefa niantso azy Jesosy handao ny fiainany teo aloha ka hiray tombotsoa Aminy. Efa nanaiky ny antso i Petera. Rehefa tonga tao amoron-drano Jesôsy dia nibaiko ny mpianatra telo hafaizy hoe: «Manaraha Ahy, dia hataoko mpanarato olona hianareo». Avy hatrany dia nahafoy ny zavatra rehetra izy, ka nanaraka Azy. » (Mat 4:19,24 — IFM, t. 250
Inona no nasain'i Jesôsy nafoinao mba hanarahanao Azy? Inona no valin-teny nasetrinao izany antsony izany? Mety mbola hisy zavatra mihazona anao ve izay mibahana eo amin'ny lalan'ny fanoloranao tena tanteraka ho an'ny Tompo?
Araka io andininy voalaza eo ambony io, dia inona ilay zavatra nampiavaka ny mplanatr' Kristy? Inona no hafatra hita eo ka natao ho antsika koa? Jer. koa Mat. 24:14; 28:19,20; Apôk. 14:6-12.
Ankoatra ny fandehanan'ireo mpianatra nitory teny tontolo eny dia nambaran'i Marka fa niara-niasa tamin'izy ireo ny Tompo ka nanamarina ny teniny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Moa ve ny mpianatra amin'izao vaninandro izao mahita ny fanamarinan'Andriamanitra ny teniny eo aminy amin'ny alalan'ny famantarana sy ny fahagagana? Tokony hanantena famantarana sy fahagagana mitovy foana ve isika eo amin'ny lafiny kolontsaina na amin'ny fotoana rehetra na eo anivon'ny fiarahamonina rehetra misy na aiza na aiza izany?
Mbola misy fomba hafa ve, ankoatra ny famantarana sy ny fahagagana, izay entin'Andriamanitra manamarina ny teniny amintsika? Raha eny, inona àry izany?
Tsy hoe kelikely kokoa akory ny fanantenan'i Jesôsy amin'ireo mpianany ankehitriny raha mihoatra amin'ireo mpianany taloha, fa mitaky fandavan-tena mitovy Izy amin'ny fanaovana ny asa izay miandry antsika.
Izao anefa no ambarany: «Tongava aminareo araks ny finoanareo» - Mat. 9:29. Fanampin'izany dia mbola hot' koa Izy: «Ary na inona na inona angatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hianareo, dia hataoko izany.» - Jao. 14:13,14.
Fomba ahoana no irotsahanao ao anatin'ny asa fampielezana ny Filazantsara? Inona ireo fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy anananao, ary fomba ahoana no hampiasanao azy ireny amin'ny fanaovana Ky asa ity? Oviana ny fotoana nanaovanao zavatra farany tamin'ny nampahalalanao ny hafa ny fahamarinana mahagaga izay asa nankinina taminao? Inona no ambaran'ny valin-teninao mikasika anao amin'izany?
Vakio:
SDABC, b. 5, tt. 432,433,582-585,932, 1022, 1023: DA, t. 442.
«Nisy fotoana izay nahatonga ny hery miasa mangina amin'ny firenena avy amin'i Jaona Mpanao batisa, ho lehibe noho izay tao amin'ny mpanapaka na ny mpisorona na ny, andriandahy aza. Raha ohatra ka nilaza ni tenanv ho Mesia izy ary nitarika fikomiana hanohitra an'i Roma. dia ho na nao andiany maro ny mpisorona sy ny vahoaka teo ambany fanevany. Efa vonona i Satana hamporisika an'i jaona Mpanao batisa ho amin'ny zavatra rehetra izay mitarika ho amin'ny hambom-ponny mpanafika eo amin'izao tontolo izao. Nazava teo anatrehany ny heriny, nefs nolaviny ankitsirano izao ny fanolokolena marevaka. Notarihiny ho amin'ilay Anankiray ny saine nifantoka taminy ny fitiavanky vahoaka azy ka nifindra ho amin'ny Mpamonjy. Nihena isan'andro isan'andro ny olona marobe nanodidina azy ( ... ) Nialona kosa ny mpianatr'i Jaona hahita ny fitomboan'ny fitiavan'ny vahoaka an'i Jesosy. » - IFM, t. 175.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:
1. Inona no hevitra fonosin'izany hoe mamela ny zava-drehetra eny aoriana mba hanarahana an'i Jesôsy? Inona àry ireo fomba maro samihafa mety hahatanteraka izany fanoloran-tena izany eo amin'ny fiainantsika? Miomàna hizara eo amin'ny kilasinao ny hevitrao manokana amin'ny fahazoanao ny hevitrizany teny izany amin'ny Sabata.
2. Inona no tokony ho anjara asan'ireo toeram-panabeazana amin'ny fampianarana na fanaovana mpianatra? Fomba ahoana no hahafahan'ny sekoly sy ny fiangonantsika miara-miasa tsars manoloana ity fihaikana pavana ity?
3. Na dia tamin'ny andron'i Jesôsy aza dia nisy ny fifandrafiana teo amin'ny samy mpianatra. Nahoana àry no lasa aretina iombonana izy ity na tamin'izany na ankehitriny, ka zary mahazatra ny fahitana fifandirana, eny, fa na dia eo amin'ny asa ambony indrindra aza, dia asa izay tokony hitahiry antsika amin'ny fananana fanetren-tena sy ny fahamaizana habita ny fahombiazan'ny hafa? Inona àry ny fampiharana tokony hataontsika mba tsy hahalatsaka antsika amin'izany fandrika izany?
4. Ahoana marina ny amin'ity resaka famantarana sy fahagagana ity? Inoantsika ve ny fisiany? Raha eny, inona mikasika izany no inoantsika? Inona no zavatra porofoin'ny famantarana sy fahagagana? Inona kosa no tsy voaporofony? Nahoana isika no tokony hampiasa mandrakariva ireny zavatra ireny amim-pahamalinana, amim-panetren-tena ary koa amim-pahatokiana tanteraka ny Tenin'Andriamanitra?