Telovolana 1 : Famille terrestre et famille spirituelle

Lesona faha 4 : Lesona avy amin'ireo naniry ho mpianatra

Daty : 19-01-2008 hatr@ 25-01-2008. Toko dinihina : Mat.8:19-22;19:16-26;Mar.10:17-23;Lio.4:16-30; 18:18-30;Jao.3: 1-21.

Tsianjery : "Ary hoy ny anankiray koa:Tompoko , hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko. Fa hoy Jesôsy taminy: Tsy misy olona mitana angady tarihana ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra":Lio.9:61,62

Sabotsy 19-01-2008 : Fampidirana

 
FAMPIDIRANA :

Heniky ny zava-miafina  amin'ny lafiny rehetra tokoa ny fiainana.Manomboka amin'ireo fiasan'ny kasinga faran'izay bitika dia bitika indrindra ka hatramin'ny toetry ny habakabaka sy ny fotoana dia efa efa manomboka misy zavatra maro tsy takatry ny saintsika.

Azo inoana anefa fa amin'ireo zavatra rehetra mifono zava-miafina sy sarotra lalinina dia mbola manoatra lavitra noho izany ny fiasan'ny fon'olombelona .Fotoana fohy monja no andraisan'ny olona fanapahan-kevitra, noho ny antony toa tsy fantatra akory ( na izy aza angamba tsy mahalala), ary hisy fiantraikany lehibe amin'ny fiainany tokoa izany fanapahan-kevitra izany, na ho soa na ho ratsy, ary mandrakizay. Tsy mahagaga àry raha toa ny Soratra Masina milaza hoe: "Iza moa no mahafantatra ny aminy?" - Jer.17:9, raha miresaka ny amin'ny fo izy.

 
INDRAY MITOPY MASO :

Hodinihantsika mandritra ity herinandro ity ny sasantsasany amin'ireo naniry ho mpianatr'i Kristy ary koa ny  fanapahan-kevitry ny fony.

Ho hitantsika ihany koa hoe :

1. Inona no ambaran'ny Filazantsara mikasika ireo izay maniry ho tonga mpianatr'i Kristy?

2. Inona no lesona azontsika sintonina avy amin'ny fanandramany izay hahafantarantsika ny toerana maha-mpianatra antsika, hanamafy ny finoantsika ary hahatonga ho lalina ny fanoloran-tenantsika

 

Alahady 20-01-2008 : Ilay mpanora-dalana

Vak. Mat. 8:19,20 ( jer.koa Lio.9:57,58) . Inona no votoatin'io tantara io? Inona no hafatra ho antsika eto? Inona avy ireo fitsipika azontsika raisina avy aminy?

Mikasika ny olona iray izay tsy hoe nantsoin'i Jesosy manokana  ny toe-javatra eto fa notere-panahy mihintsy. Mariho ihany koa fa mahery vaika eto ny fanambarana teto. Hanaraka ny Tompo izy na aiza na aiza halehany. Mora ny manao izao karazan filazana rehetra izao mikasika ny toetra mahatoky izay heverina fa anana'ny tena eny fa na dia ho an'ny tena mpanaradia ny Tompo aza (Lio.22:33) ; tsy mora velively anefa na izany aza, ny manatanteraka azy ireny (and 55-61)

Oviana ny fotoana farany nanaovanao teny fampanantenana tamimpahasahiana ny ho mahatoky amin'Andriamanitra , kanefa dia tsy notanterahinao izany taty aoriana? Inona no lesona noraisinao avy tamin'ny izany fanadramana izany?

Zava-mahaliana izay mikasika io fihaonana io koa ny maha-mpanora-dalana ilay olona nanatona an'i Jesosy ka nanao ilay fanambarana feno hafanam-po, anisan'ireo avara-pianarana indrindra voatsonga teo amin'ny Isiraely izy. Olon'ny "kolontsaina, fanabeazana ary toerana ambony eo amin'ny fiainana izy ireo. Vitsy tamin'ny mpanora-dalana no nitovy tamin'ny jesosy, nisongadina loatra matsy izy ireo. Nanaraka Azy ireo, tsy ny ho voataonan'ny fampianarany fa ny hamadika Azy. Nisy mpanora-dalana iray anefa eto izay voataonan'ny fampianaran'i Jesosy  ka dia nanolo-tena mihintsy mba ho anisan'ny mpianany.

Fantatr'i Jesosy anefa ny fony tamin'izay, ka ny valin-teniny dia mampiseho fa angamba tsy azo antoka akory ireo antony nanosika ny mpanora-dalana. Mety ho fanantenana tombotsoa araka izao tontolo izao no naniriany hanaraka an'i Jesosy. Na izany aza anefa dia tokony ho nanaisotra haingana  izany fahadisoan-kevitra tao aminy izany ny valin-tenin'i Jesosy. Amin'ny farany dia tsy ambaran'ny andalan-teny amintsika izay safisy farany nataon'io mpanora-dalana io. Araka ny voalazan'i Jesosy dia tsy sarotra ny mahazo antsaina ny ho fivadihany.

Ahoana no fahazoantsika izay nitranga tamin'io mpanora-dalana io sy izay nitranga tamin'ny nilazan'i Jesosy ny teny ao amin'ny marka 10:30? Moa ve tsy ampanantenaina antsika  avy hatrany ireo tombotsoa sasantsasany avy amin'ny fanarahana an'i Jesosy amin'izao ankehiotriny izao? Raha izany , nahoana ary no tsy fahadisoana ny maniry ireo tombo-tsoa ireo? Sa fahadisoana izany?

Alatsinainy 21-01-2008 : Mpianatra tsy fantatra anarana

Vak. Mat. 8:21-22. Ahoana no fahazoanao ny zava-mitranga eto? Inona no antony nilazan'i Jesosy ny zavatra toy izany amin'ny olona izay nikasa handevina ny rainy mialoha ny hanarahany Azy?

Hitantsika omaly ny amin'ny mpanora-dalàna iray izay naniry hanara-dia an'i Kristy. Anankiray hafa indray no hojerentsika anio, saingy sady tsy voalaza anarana izy io no tsy fantatra ihany koa ny antoko nisy azy teo amin'ny ara-pivavahana. Raha dinihina ny tantara dia mampanontany tena raha toa ka misy fahendrena ihany ny zavatra takin'i Kesosy. Niera mba handevina ny rainy ilay lehilahy, ary amin'ny finoana Jiosy dia adidy masina ny manao fandevenana mendrika tsara ho an'ireo nahitana masoandro. Fa inona loatra no mitranga?

Mifanohitra amin'ny fahafantaran'ny maro azy, tsy maty na miala aina akory aza ny rain'ity tovolahy ity. Azo antoka mihintsy aza fa mbola tao anatin'ny " fahasalamana tanteraka izy ary tsy mbola tsy fantatra mazava akory izay fotoana hahafatesany". - SDA BC, b.5,t. 366. Raha izany no marina nahoana àry no toy izany no valin-tenin'ity lehilahy ity? Fialan-tsiny ihany ve izany, fialan-tsiny izay takatr'i Jesosy  ny tena izy aminy? Mazana mantsy no alevina amin'io andro io ihany ny maty, raha toa ka tena maty tokoa ny rainy dia tsy hisy olana  satria azony natao tsara ny nanatrika ny fikarakarana rehetra  ary avy eo nanaraka an'i Kristy.

Nanambara ny tena toetrany ny valin-tenin'ity lehilahy ity. Samihafa tamin'ny fahamaizan'ilay mpanora-dalàna sy ny hafanam-pony ny fihetsiny fa niadankadana izy, tsy nisy fahavitrihana, tsy mba nafana fo tamin'ny asa, tsy tapa-kevitra ary toa  nahemony hatrany ny fotoana. nahemony ho any amin'ny ho avy tsy voafaritra ny fanarahany ny Tompo satria tsy naniry hanolo-tena avy hatrany izy. raha tsy nanolo-tena avy hatrany tamin'io fotoana io anefa izy dia mety tsy hanao izany na oviana na oviana. Raha ny fahazoana ny voalazan'ity lehilahy ity dia amin'ny fotoana izay heveriny fa mety aminy ihany izy vao hanomboka ho tonga mpianatr'i Kristy. ankoatra izany, tian'i Jesosy hampahafantarina izany satria voafetra ihany ny fotoam-piasany sy ny hanofanany ny mpianany. Nitaky  fifantohan-tsaina sy fanoloran-tena tanteraka mantsy ny maha-mpianatra.

Misy zavatra iantsoan'ny Tompo anao ve ( hanapaka fifandraisana iray, hiala amin'ny  fahazaran-dratsy, hahatoky amin'ny fandoavana ny ampahafolony, hijorio ho vavolombelona amin'ny hafa?) ka tianao hotanterahina, saingy tsy izao ankehitriny izao, Inona avy ireo zava-doza vokatry ny fangatahana andro?

 

Talata 22-01-2008 : Ilay mpanapaka mbola tanora sady manan-karena

 

 Vak. Mar. 10:17-23 ( jer. koa Mat.19/16-26. Lio18:18-30). Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin'ny tantaran'io lehilahy naniry ho mpianatr'i Kristy io?

Toetra iray misongadina no asehon'ny lesona amintsika anio. Tsy mba tamim-pahamenarana na tsy mivantana no nanontaniany Azy. tamin'ny fomba miezinezina no nanaovany izany. I Marka dia nilaza fa nihazakazaka nanatona an'i Jesosy izy sady nandohalika teo anatrehany. Tsy nilaza ny anarany i Marka sy i Matio saingy Lioka kosa nanambara fa mpanapaka izy ary noho izany dia mety ho kômity ambony Jiosy izay mpandini-draharaha Tanora no nilazan'i Matio azy. Anarana nosintonina avy tamin'ireo fitantarana telo ireo ihany ny hoe " mpanapaka mbola tanora sady nana-karena"

          Izy no nanomboka avy hatrany ny resaka teo anatrehan'i Jesosy ka toa nataony izay handokafana Azy. Tsy nahataitra an'i Jesôsy anefa izany dokadoka izany fa avy hatrany dia ny votoatin'ny fanontaniany no niriny hahatongavana ka nitondrany azy teo amin'ny lalàn'Andriamanitra.

Nahoana no tamin'ny lalàn'Andriamanitra no nisarihan'i Jesôsy  ny sainay kanefa fantat'i Jesôsy fa tsy avy amin'ny asan'ny lalàna no hahazoana ny famonjena? Rôm. 3:28; Gal.2:16

                Amin'ny heviny iray dia hita teo amin'ny valin-tenin'ilay tovolahy ny valin'ny fanontaniana. Na dia nitandrina ny lalàna aza izy dia tsapany fa tsy ampy izany. Izany no nahatonga azy hanontany hoe: " Fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?"Mat.19:20? Raha lazaina amin'ny teny  hafa dia mbola misy ihany ny banga na dia toa mpanara-dia mahatoky ny Tompo aza izy tety ivelany sy teo amin'ny asany. Nampiseho ny tsy tena fiovam-pony tanteraka ny tenin'i Jesôsy sy ny navalin'ilay tovolahy izany teny izany. Tamin'ny nanondroana azy  ny didy no nampisehoan'i Jesosy azy   fa ny famonjena marina dia miseho amin'ny fankatoavana ny lalàna izay arahin'ny fahafatesan'ny izaho. Nanjary sampin'ty tovolahy ity ny hareny ka nasehon'i Jesôsy fa na dia eo aza ny toetra tsara ivelany  ananany dia teto an-tany ihany ny hareny fa tsy mba tany an-danitra ary nilainy ny fiovam-po tanteraka.

Mety ho mitandrina ny lalàna ianao, fara fahakeliny ety ivelany ihany, saingy aiza ny harenao ? Hamarino ny valin-teninao.

Alarobia 23-01-2008 : Nikodemosy

Anisan’ireo tantara malaza indrindra ao amin’ny TV ny tantaran’i Nikodemosy, izay nanatona an’i Jesôsy tamin’ny alina ka nanontany Azy nanao hoe : " Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany ?" ( Jao.3 :9)

Vak. Jao. 3 :1-21. "Zavatra " inona no anontanian’i Nikodemosy eto ?

Mahaliana tokoa fa mikasika ny fiasan’ny Fanahy Masina indrindra no horesahin’i Jesôsy  amin’ny Nikôdemosy sy ny asany fa ny Fanahy Masina no efa nandresy lahatra azy. Naneho ny fahitsian’ny fony ny nanatonany an’i Jesôsy, tsy ny hamandrika azy) fa hianatra zavatra Aminy.

 
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny tenin’I Kristy mikasika ny maha-mpianatra tamin’izay nolazainy tamin’i Nikodemôsy ?
 

Tsy hoe natao hifanaraka tamin’izay nilainy ihany ny valin-tenin’i Jesôsy tamin’ny Nikôdemosy, fa ao amin’ny filazantsaran’i Jaona izy dia nentina ampahafantarana ihany koa ny toetra mifanaraka na tsia amin’ny maha-mpianatra  ny fahaterahana ara-nofo na ny maha-avy amin’ny firenena Jiosy ny tena. Ny maha-mpianatra dia mitaky fahateraham-baovao izay mamatotra ny olona iray amin’ny  fanjakan’ny lanitra ary mahatonga azy handray mandrakariva ny asan’ny Fanahy  Masina. Ny tsy mahatonga ny olona iray ho mpianatr’i Kristy  velively ny maha-jiosy azy na ny maha-avy amin’ny  fianakaviana ambony azy. Tombotsoa iray ihany koa io mba hahafantarana misimisy kokoa ny toetry ny maha-mpianatra. Nanjary mpianatr’i Kristy ambadika i Nikôdemosy tsindraindray, na dia  tsy nanaiky avy hatrany sy ampahibemaso izany maha-mpianatra izany aza izy. Naniry hanara-dia an’i Jesôsy ihany izy, fara fahakeliny tamin’ny  voalohany satria tsy nilaza izany avy hatrany. Araka ny fantatsika anefa dia niova izany taty aoriana ( Jao.19 :39).

Mety ho efa  ao anatin’ny vala tena izy ianao ; izany hoe mety ho efa ao amin’ny fiangonana marina, izay manana ny foto-pampianarana sy ny fampianarana marina. Nahoana anefa no tsy ampy izany ? Ahoana no ialantsika amin’ny foto-kevitra mampidi-doza izay iheverantsika fa efa ampy ho antsika ny maha-mambran’ny fiangonana marina antsika ary  ny fahafantarana ny foto-pampianarana marina ?  

 

Alakamisy 24-01-2008 : Toe-tsain'ny antoko

   Araka ny fantantsika dia isam-batan'olona ny famonjena. Tsy vonjena amin'antony isika tsy akory, ary tsy miaraka afindra any amin'ny fanjakan'ny lanitra (Ezek.14:20). Amin'ny farany mantsy dia tsy maintsy hadinina amin'izay nataony ny tsirairayavy, fa tsy amin'izay nataon'ny hafa ( Rôm. 14:12).

   Na izany aza anefa dia tsy mitoka-monina ny ankamaroany amintsika. Mifandray mandrakariva amin'ny hafa isika ka mandefa hery miasa mangina amin'izy ireny, toy ny ataony amintsika koa. Efa ao anatin'ny maha-olombelona, eny fa na dia tamin'ny olombelona tsy mbola lavo aza (jer.Gen.3:6) ny mandefa hery miasa mangina amin'ny hafa, na ho soa izany na ho ratsy. Mampalahelo anefa fa raha tsy mitandrina isika dia mety hampidi-doza izany hery miasa mangina izany.

Vak. Lio. 4:16-30.Inona no mitranga eto? Nahoana no niara-nihevitra toy izany ny olona teto?Inona no nitarika ho amin'ny fitontonganan'ny toetran'ireto naniry ho mpianatr'i Kristy ireto?

Na dia samy talanjona tamin'ny teniny avokoa aza izy rehetra tamin'ny voalohany, rehefa tonga nandratra azy izany. dia niara-nioko hanohitra izy ireo. Alao sary an-tsaina hoe raha toa ka naniry ho mpianatr'i Kristy ny sasantsasany tamin'ireo ka nanaiky tam-panetren-tena ny fanitsiana azy fa tsy mba latsaka tamin'ny fahatezerana e? Iza no mahalala izay nety ho hery miasa mangina nalefany tamin'ny hafa tao? Voalaza anefa fa tezitra avokoa izay rehetra tao amin'ny sinagôga iray manontolo mihitsy, izay tonga mba hivavaka amin'ny Tompo no nitady hamono Azy tao anatin'ny fahatezerana mivaivay tokoa. raha toa anefa ka samy nandray ny fanitsiana tandrify azy ny tsirairay, dia mety ho tezitra ihany saingy azo antoka fa handositra mihitsy. Izao anefa dia tsy mifaditrovana ny fihetsiny noho ny fahatsapany ny herim-bahoaka.

Mora manaraka ny hevitry ny be sy ny maro ve ianao, na ny hevitra mibahana mialoha na ny fampianaran'ny fiaraha-monina misy anao na ny kolon-tsainy? Inona no dingana azonao raisina ka hiaro anao amin'ny  zava-doza aterak'io toe-tsain'ny antoko io?

 

 

 

 

 

Zoma 25-01-2008 : Fianarana fanampiny

 

Vakio:

1.Ny SDABC *.b.5,tt.365,366,456-460,602-605,926-934;

2.IFM*, tt. 163-173, 350-351 , 553-558

Amin'izao vaninandron'ny fivavahana feno aretina sy fitsipika tsy mandeha  amin'ny laoniny izao dia mampiseho toe-panahy salama tsara  sy feno hery miasa mangina ireo izay mibebaka eo amin'ny fiainany sy ny fanaony. Tsy maintsy mandroso eo aloha amin'izay izao  ireo mahalala ny marina araka ny anambaran'ny Tenin'Andriamanitra azy. Ranadahy sy ranabavy isany, izany no takian'andriamanitra aminao. Natao hampiasaina amin'ny ilana azy amin'izay izao ny hery miasa mangina rehetra avy aminao.Tokony hianadany amin'ny fahamarinana izay mendrika ny hoekena amin'izay izao ny rehetra.

"Tsy nanaiky an'i Kristy ampahibemaso i Nikodemosy, nefa kosa tao amin'ny fivorian'ny Synedrina dia nanakana matetika ny tetika nataon'ny mpisorona hamonoana Azy izy. Rehefa nasandratra teo amin'ny hazo fijaliana Kristy nony farany dia tsaroan'i Nikodemosy ny teny nataony taminy teo amin'ny tendrombohitra Oliva: Tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an'efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona ( Jao.3:4); koa hitany teo amin''i Jesosy ny Mpanavotra an'izao tontolo izao " VM, t. 94.
 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

 1. Efa nanjo anao ve  ny voatarika hanaraka ny hevitry ny be sy ny maro, ka angamba tao anatin'ny hafanam-po niaraka tamin'izy ireo no nanaovanao zavatra iray izay nanenenanao taty aoriana? Raha misy izany, inona no nianaranao avy tamin'izany fanadramana izany ka hiaro anao tsy hamerina izany zavatra izany intsaony?

2. Diniho lalindalina kokoa ilay fotokevitra naroso tamin'ity herinandro ity, izay milaza fa tsy ampy ny maha-mambra ny fiangonana  marina fotsiny ihany ny olona iray. Inona ny hafatra ho antsika eto  amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika? Ahoana no maha-tandindomin-doza abtsika hilatska amin'io fandrika io,dia ilay fiheverana fa rehefa mino sy manana ny marina isika dia ampy ho antsika izay? Resaho eo amin'ny kilasy izay fomba hiarovantsika amin'izany fitaka izany. 

3. Avereno jerena ireo antony nahatonga ireo olona naniry ho mpiantr'i Kristy  tsy hanolo-tena ho Azy(ankoatra an'i Nikodemosy mazava loatra araka ny fantatsika). Inona ihany koa ireo fialan-tsiny hafa ampiasain'ny olon? Amin'ny fomba  ahoana no hanampiantsika fiangonana an'ireo izay eo am-pitolomana amin'izany fanapaha-kevitra lehibe dia lehibe  izany?

4. Inona no maha-samy hafa ny mpino sy ny mpianatra?

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006