Telovolana 1 : Famille terrestre et famille spirituelle

Lesona faha 7 : Fiomanana ho mpianatra

Daty : 09-02-2008 hatr@ 15-02-2008. Toko dinihina : Mat. 5-7; 10:1, 10:5--11:1; Mar. 3:1 19; Lio. 6:12-16

Tsianjery : "Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka ankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra"-(Mat.5:14-16)

Sabotsy 09-02-2008 : Fiomanana ho mpianatra

 FAMPIDIRANA: Ny mpianatra dia olona mianatra/manara-dia an'i Jesôsy Kristy olona mikatsaka mandrakariva ny ho tonga tahaka Ilay Mpampianatra. Tahaka ny nanofanan'i Jesôsy sy nanirahany ny mpianany no tsy maintsy anombohan'ny fiangonana tsirairay fandaharana mandaitra ho fanamorana sy fampirisihana ary fampivelarana mpianatra. Inona tokoa moa no, so azontsika raha, vetivety eo, iny ny olona ataontsika batisa fa lasa mandao ny fiangonana? Tsy mahatoky amin'ny baikon'Andriamanitra isika amin'izany satria hoy i Jesôsy: "Koa mandehana hianareo, ataovy mpianatra ny firenena rehetra , manao batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina" Matio 28:19

Amin'ity herinandro ity isika dia hijery ny fiomanana ho mpianatra.

 
 INDRAY MITOPY MASO :
Tamin'ny fomba ahoana no nanomanan'i Jesôsy ny mpianany? Inona ireo foto-kevitra azontsika ianarana ho an'ny tenantsik mikasika ny atao hoe mpianatra avy amin'izay nolazainy tamin'izy ire mialoha ny nanirahany azy ireo? Inona no azontsika ianarana avy amin'n Toriteny teo an-tendrombohitra izay tena zava-dehibe tokoa ho an'ny mah mpianatra? Fanoherana toa inona no tokony hampoizin'ny mpianatr'i Kristy?

 

 

Alahady 10-02-2008 : Ny fanendrena ireo apostoly

 

 Miandoha amin'ny tantaran'i Jesôsy miditra ao amin'ny sinagôga sy nanasitrana lehilahy iray maty tànana amin'ny andro Sabata ny Mar. 3; anankiray amin'ireo fanasitranana malaza nataony tamin'ny Sabata io. Misy zavatra lehibe mahavàka ny saina hita eo amin'ireo and. ireo (Mar. 3:1-12): Nitady fomba hahafahany mamono Azy ireo mpanapaka, ny vahoaka kosa nirohotra maro be nanaraka Azy. Nisy antokony iray natahotra ny heriny; ary nisy iray hafa te hahazo fitahiana sy tombontsoa avy amin'ny alalan'izany heriny izany].

Vak. Mar. 3:13-18. Inona no zava-nitranga teo? Jer. koa Lio. 6:12-16.

Araka ny fitantarana ao amin'ireo filazantsara roa ireo, dia toa nisy fotoana nialan'i Jesôsy tamin'ireo vahoaka maro be izay nanaraka Azy, ka mpianatra voafantina no nentiny niaraka taminy. Nanaraka izany dia nifidy roa mbin'ny folo avy tamin'io antokona mpianatra io Izy hanao ny asan'ny pôstôly.

I Jesôsy no nifidy ireo izay tiany hanao io asa io. Midika izany, araka ny efa hitantsika, fa mipetraka aminy ny fanapahan-kevitra hanao izay dingana voalohany izay. Alefany ny fiantsoana; mamaly isika. Midika izany fa tsy maintsy vonona hanompo isika, amin'izay fahaizana rehetra iantsoany mba hanompoantsika.

Inona no maha-samy hafa ny mpianatra sy ny apôstôly? Ny mpianatra dia mianatra. Manaraka ny mpampianatra izy mba hianatra aminy. Ny teny hoe «apôstôly» dia avy amin'ny teny grika anankiroa «apo» sy «stello», izay mifono hevitra hoe «irahina avy any amin'ny... ». Ny apôstôly dia masoivoho na iraka nirahina mba hisolo tena ny mpampianatra iray na fanjakana iray. Ny mpianatra sy ny apôstôly dia samy mpianatra avokoa, fa ny apôstôly dia nahazo fiofanana fanampiny mba hirahina ho solon-tenan'ilay mpampianatra na ilay fikambanana.

Nanendry azy roa mbin'ny folo lahy i Jesôsy mba ho eo aminy sy mba hirahiny hitory teny. Lazain'i Matio.10:1 fa "nanome fahefana azy hamoaka fanahy maloto sy hanasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra" Hita fa nifidy azy ireo Izy mba hiantoka mpiasa voaofana hanampy amin'ny fikarakarana ireo vahoaka maro be izay nirohotra nanaraka Azy na taiza na taiza toerana nalehany.. (Nalaina avy tamin'ny SDABC, b. 5, t. 322, dikan-teny malalaka.)

Manao ahoana ny fahafaham-ponao amin'ny asa ataonao ho an'ny Tompo? Tokony hanao bebe kokoa ve ianao? Mety hahavita bebe kokoa ve ianao? Inona no misakana anao? Amin'ny kapobeny, moa ve tsy ny hambonao sy ny fitiavan-tenanao?

 

 

 

 

Alatsinainy 11-02-2008 : Ny toriteny teo an-tendrombohitra

 

 Maro no mahita fa ny toriteny teo an-tendrombohitra (Mat. 5-7) no toriteny malaza voalohany nataon'i Jesôsy, ka tamin'izany no nanoritsoritany ireo lalàm-pitondran-tena ao amin'ny fanjakany. Amin'ny lafiny maro dia fanambarana maneho ny atao hoe mpianatra koa izy io, satria mirakitra ny tsiambaratelo hahatonga ny olona iray ho mpianatr'i Kristy mahatoky.

 
Vak. Mat. 5:1. Inona no tontolo ara-piarahamonina sy toe-javatra fototra niaingan'ny toriteny? Nampitainy tamin'iza avy hatrany io toriteny io?

lza no mahalala hoe firy ny boky nosoratana manazava io toriteny io? Ho an'ny zava-kendrentsika dia tiantsika ny hijery ireo zavatra ao aminy mifanaraka amin'ny fomba manokana amin'ny hoe ahoana moa izany hoe mpianatr'i Jesôsy izany.

Vak. Mat. 5:13-16. Inona no hafatra voalaza ao ho antsika, amin'ny maha-mpianatr'i Kristy antsika? Nahoana no misy lanjany manokana ho antsika Advantista ireo teny ireo, eo anatrehan'ny fahafantarantsika ny hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apôk. 14:6-12?

Vak. Mat. 6:5-13. Inona no lesona lehibe omen'i Jesôsy antsika eto, ho an'ny maha-mpianatra antsika?

Vak. Mat. 6:19-21. Nahoana ireo teny ireo, amin'ny lafiny maro, no fototry ny atao hoe mpianatra marina? Anontanio ny tenanao, hoe "aiza ny harenako (izany hoe, aiza ny foko), any an-danitra sa eto an-tany?" Raha tsy tianao ny valiny, inona no azonao atao mba hanovana izany?

 

 

Talata 12-02-2008 : Ny toriteny teo an-tendrombohitra (tohiny)

 

Araka ny voalaza ao amin'ny lesona talohan'izao, dia ny fihazonana ireo mambra vaovao, ny fitazonana azy ireny ao am-bala aorian'ny anaovantsika batisa azy no anankiray amin'ny tolona lehibe indrindra atrehintsika amin'ny maha-fiangonana antsika. Izany rehetra izany dia mifandray amin'ny fotokevitry ny atao hoe mpianatra: mampianatra azy ny dikan'izany hoe mpanaraka an'i Kristy sy ny dikan'izany hoe olom-pirenena ao amin'ny fanjakany vaovao. Ny toriteny teo an-tendrombohitra dia feno ohatra sy fampianarana izay tsy maintsy ianaran'ny mpianatr'i Kristy rehetra ny manaraka azy. Eo am-panohizantsika ny fianarana ity toriteny ity dia anontanio ny tenanao hoe "fomba ahoana no ahafahako mampihatra ireo fampianarana ireo eo amin'ny fiainako manokana? Ahoana koa no amin'ny fiangonantsika mampianatra tsars kokoa ireo zavatra ireo amin'ny mambra vaovao, mba hahatonga azy ireo ho mpianatr'i Kristy tsaratsara kokoa?"

Vak. Mat. 7:1-5. Inona no lesona lehibe sy fampitandremana omena eo, izay tena zava-dehibe indrindra ho an'ny mpianatr'i Kristy rehetra tokoa ny azy? inona no tiana hambara amin'ny hoe "tsy mitsara?"

Vak. Mat. 7:15-20. Inona no hafatra omen'i Jesôsy ho an'ny mpianany eo? Eo am-pamakiana ireo and. ireo, anontanio ny tenanao hoe: "mamoa vos karazany manao ahoana aho?"

Zavatra anankiray ny milaza hoe mpanaraka an'i Kristy na mpianatr'i Kristy aho; fa zavatra iray hafa ny hoe tena izany tokoa aho. Raha iny isika fa mitady ny hanao ho mpianatra, na mitady ny tenantsika mba ho mpianatra tsara, dia tsy tokony hohadinointsika ny tenin'i Jesôsy mazava ao amin'ireto and. manaraka ireto.

Vak. Mat. 7-24-27. Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra ny zavatra lazain'i Jesôsy eto? Inona, ara-baki-teny, no olana resahina eto? Ahoana no fahazoantsika ireo teny ireo raha jerena miaraka amin'ireo teny kasana hafa ao amin'ny Baiboly milaza fa ny famonjena dia amin'ny finoana fa tsy amin'ny asa?

 

 

 

 

Alarobia 13-02-2008 : Fampianarana ho amin'ny famangiana misionera

 

Tsy tanteraka avy hatrany ny tenin'i Jesôsy mampanantena fa ho mpanarato olona ny mpianany (Mat. 4:19). Nandinika ny asa nataony aloha izy ireo tamin'ny voalohany. Fony  lzy niasa tany Galilianitory ny filazantsaran'ny fanjakana  ary nahasitrana ny aretina rehetra  mbamin'ny rofy  rehetra.-  dia nahita ny vahoaka Izy ary nahonena Azy izy ireo, "satria nampahantraina ireo ka nafoy  toy ny ondry tsy misy mpiandry (Mat. 9:35,36). Dia hoy  Izy tamin'ny mpianany: "Be ny vokatra  fa ny  mpiasa no vitsy (and. 38), koa nanasa azy ireo Izy hivavaka amin'ny vokatra mba handefasany mpiasa.

 Vak. ny tenin'i Jesôsy tamin'izy roa ambin'ny folo lahy (Mat. 10:1; Mat. 10:5- -11:1). Inona ireo foto-kevitra hita ao amin'ireo teny ireo, izay azo ampiharina amintsika ankehitriny eo amin'ny fiezahantsika hanao olona ho mpianatra?

Misy zavatra betsaka azon'ny mpianatr'i Kristy amin'izao, vanin'andro môderina izao hianarana avy amin'ireo andininy ireo. Ny zavatra anankiray izay tokony hiseho mazava tsara anefa dia ity: Tsy ho mora tsy akory  ny fijoroana ho vavolombelon'i Kristy. Hisy fanoherana, korontana, fanenjehana mihitsy aza amin'ny tranga sasany. Koa tsy tokony ho gaga isika rehefa tonga ireny zavatra ireny. Ny tsy fahatongavan'izy ireny aza no tokony hampieritreritra antsika.

Vak. indray ireo and. voatokana hodinihina androany ireo. Fanoherana sy korontana ary fahoriana toa inona no tokony hampoizintsika fa hisy? Efa zary fanandramana teo amin'ny fiainanao ny sasany amin'ireo zavatra nolazain'i Jesôsy eo ireo, izay nolazainy efa ho roa arivo taona lasa izay. Tamin'ny fomba ahoana?

Tsy nampanantena ny mpianany i Jesôsy fa ho mora izany fotoana izany. Ny tantaran'ny fiangonana dia porofo maneho ny fahamarinan'ny teniny. Etsy an-danin'izany anefa, na dia eo anivon'ireo fampitandremana ireo aza, dia omen'ny Tompo teny mahafinaritra feno fampaherezana sy fanantenana ireo lehilahy ireo. Vak. ireo teny ireo, ireo teny fikasana ireo, ary takio ho anao izy ireo. Inona no azonao, raisina avy amin'izy ireo, izay  ilainao  amin'ny fomba manokana ho anao, amin'izao fotoana izao indrindra?

 

 

 

Alakamisy 14-02-2008 : Ny asa nanirahana azy fitopolo lahy

 Inona no tombontsoa azo amin'ny fanirahana azy ireo tsiroaroa? Inona no azontsika raisina avy amin'izany ho antsika ankehitriny?

 Voalaza ao amin'ny Lio. 10:17 fa niverina tamim-pifaliana avy tamin'ny asa nanirahana azy izy fitopolo lahy satria na dia ny demonia aza, [hoy izy ireo], dia manaiky anay noho ny anaranao." Tsy, isalasalana fa nientanentana tokoa ny fon'izy ireo noho ny fahefana nomena azy ireo tamin'ny alalan'i Jesôsy, ary niaiky izy ireo fa fahefany izany. Marina fa neken'i Jesôsy ny fahefana nomena azy ireo, kanefa niteny tamin'izy ireo lzy mba hifaly amin'ny zavatra izay tena misy vidiny.

  Vak. Lio. 10:20. Nahoana no nilaza izany 1 Jesôsy? Inona koa no hafatra ho antsika ao amin'ireo teny ireo?

Ny fanatanterahana asa lehibe amin'ny anaran'i Jesôsy dia tsy miantoka famonjena tsy akory (Mat. 7:22, 23), araka izay ho hitan'ny olona sasany indray andro any. Tsy ny toerana tanana eo amin'ny ara-panahy, tsy ny fahefan'ny fiangonana, tsy ny fahombiazana miezinezina eo amin'ny fahazoana fanahy akory aza, eny, tsy ireo zavatra ireo no tena zava-dehibe. Ny tena zava-dehibe dia ny manana ny anarantsika voasoratra any andanitra, anarana izay tsy mba voakosoka (Apôk. 3:5), satria ny anarana voasoratra any an-danitra dia midika ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesôsy

Mety ho sahirana dia sahirana ery isika rniasa ho an'ny hafa hany ka ataontsika tsirambina ny fiainantsika ara-panahy sy ny fahasalamantsika. Fomba ahoana no ahafahanao miala tsy ho tafalatsaka ao amin'izany fandrika feno hafetsena izany? Etsy andanin'izany anefa, ny fiasanao ho famonjena ny hafa dia manatanjaka koa ny fiarahanao mandeha amin'i Jesôsy. Amin'ny fomba ahoana?

Zoma 15-02-2008 : Fianarana fanampiny


Vakio: SDABC,b.5, tt. 322-326; 746-750; IFM,tt.326-329,367-378;Ed,tt. 79, 80; Mar.6:6-13.

  Misy lafin-javatra telo ao amin'io and. fohy io [Mat. 5:1] manazava ny tena maha-zava-dehibe ny Toriteny teo an-tendrombohitra: 1) Nanomboka nampianatra i Jesôsy rehefa tafapetraka. Nipetraka ny Raby jiosy iray rehefa nampianatra tamin'ny fomba ôfisialy ( ... ) Koa, ny filazana indrindra fa nipetraka i Jesôsy mba hampianatra ny mpianany dia mampiseho ny mahazava-dehibe sy ny maha-ôfisialy io fampianarana io. 2) Tohizan'i Matio ny teniny manao hoe niloa-bava. Izy, ka nampianatra azy ( ... ) Manana heviny roa io andian-teny io amin'ny teny grika: a) Ampiasaina izy io amin'ny teny grika amin'ny fanambarana manetriketrika sy mavesa-danja ary be voninahitra ( ... ) Ampiasaina izy io amin'ny fanambarana ataon'ny olona iray rehefa tena manokatra ny fony sy mamoaka ny ao an-tsaina tanteraka izy. Ampiasaina izy io amin'ny fampianarana atao amin'ny sakaiza manana fifandraisana ety aminao, tsy misy sakana manelanelana ( ... ) 3) Ankehitriny ny zava-dehibe indrindra dia izao: amin'ny teny grika eo amin'io fehezanteny io izay. ianarantsika, ny matoanteny hoe nampianatra dia tsy amin'ny filazampotoana 'aoriste' (fotoan-dasa – fitanisana matoanteny ilazana fotoan-dasa tsy voafetra), fa amin'ny 'imparfait', izany hoe milaza zavatra atao miverimberina sy mahazatra, ka toy izao no tokony ho dikan-teny: "Izany no fampianarana nahazatra nampianariny azy ireo." Nolazain'i Matio tamin'ny fomba mazava araks izay ilazan'ny Grika azy fa ny Toriteny teo antendrombohitra dia tsy toritenin'i Jesôsy anankiray, nampitainy tamin'ny fotoana anankiray sy tamin'ny fisehon-javatra anankiray; io no votoatin'ny fampianarana rehetra izay nahazatra an'i Jesôsy ny nampianatra azy mandrakariva tamin'ny mpianany." – GOM, b. 1,tt; 86,87

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

1. Fandaharana mikasika ny maha-mpianatra toa inona no ananan'ny fiangonanao? inona ireo lafiny mampahatanjaka izany fandaharana izany? Inona ireo lafiny mampahalemy azy? inona ireo dingana tsotra mora tanterahina , azon'ny fiangonanao atao mba hatanjaka kokoa izy eo amin'ny sehatry ny maha-mpianatra?

 2.Rehefa misy olona miditra ho anisan'ny fiangonanao, inona no azonao atao, dia ny tenanao mihitsy, ho fanampiana eo amin'ny fanaovana io olona io ho mpianatra hatrany hatrany? Inona ireo fanomezampahasoavana manokana mety hanananao izay afaka manampy amin'izany? Ahoana koa ny amin'ny kilasin'ny Sekoly Sabata misy anao? Inona no anjara asa azony raisins sy tokony horaisiry eo amin'ny fizotran'izany fanaovana olona ho mpianatra izany?

 3.Ny fanaovana olona ho mpianatra dia, mandray mpianatra, dia ireo izay mahafantatra ny dikan'izany hoe manaraka an'iJesôsy, mianatra amin'i Jesôsy, maka tahaka an'i Jesôsy. lnclna no lesona nianaranao tamin'ity herinandro ity avy tamin'ireo toko sy  and, nojerentsika , lesona izay afaka hahatonga anao ho voaomana tsara kokoa hitarika mambra vaovao ho mpianatra , raha toa ka ampiharinao eo amin'ny fiainanao izany lesona izany?

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006