FAMPIDIRANA:
Ananantsika ny fitaovana manerana ny Filazantsara rehetra sy manerana ny tantaran'i Jesôsy voarakitra etc, mba hanampy antsika hahatakatra ny atao hoe mpianatra.
Tokony hisongadina ombieny ombieny eo am-pamakiana izany àry ny hue: Ny maha-mpianatra dia fiainana. Mila manao fanandramana miaraka amin'i Jesôsy isika raha te ho mpanara-dia marina Azy tokoa. Mila mahafantatra an'i Jesôsy isika; Mila ovainy aloha isika; mila manana ny hatsaran-toetrany isika ary mila mizara izay atolony antsika.
Tsy ampy ny fahalalana ara-tsaina fotsiny; tsy ampy ny fahaizana tsianjery ireo toko sy andininy ao amin'ny Baiboly; tsy ampy ny mahafantatra ireo foto-pinoana. Tsy maintsy efa nanana fanandramana manokana niaraka Taminy ianao van afaka tonga ho mpianany, fanandramana izay efa nanova sy mbola hanova hatrany ny fiainanao.
Hanampy antsika hahatakatra misimisy kokoa izay tsy maintsy ateraky ny sasantsasany amin'ireo fanandramana ireo ny lesona amin'ity herinandro ity.
INDRAY MITOPY MASO :
Inona no hevitry ny hoe mihinana ny nofon'i Kristy sy misotro ny rany? Inona no lesona mikasika ny finoana izay azontsika ianarana avy amin'ny niovan'i Jesôsy tarehy? Inona no antony nilazan'i Jesôsy antsika fa tsy maintsy tonga toy ny zaza isika? Inona no hevitry ny hoe mitondra ny hazo fijaliantsika ho an'i Jesôsy?
Vak. Jao. 6:43-58. Inona no lesona ara-panahy omen'i Jesôsy eto? Nahoana no tena manan-danja tokoa izay voalazan'i Jesôsy eto ho an'izay rehetra maniry ho mpianany? Nahoana no tena manan-danja tokoa ny fahamarinana rehetra hita eto ho an'ireo izay maniry ny hahatonga ny hala ho mpianatra?
Tsy fifanandrifian-javatra velively ny nilazan'i Jesôsy ireo teny ireo tsy ela akory taorian'ny fahagagana nataony tamin'ny namahanany ny vahoaka tsy omby dimy arivo (Jao. 6:1-14), Ny fihetsiky ny vahoaka anefa dia nampiseho fa mbola nifikitra tamin'ny zavatr'izao tontolo izao ihany ny fony, mpanjakan'izao tontolo izao no nieritreretany an'i Jesôsy, ka afaka hanome azy izay ilainy eto an-tany. Tsy izay anefa no nahatongavan'i Jesôsy; tsy izay no tanjony voalohany.
Inona no ambaran'ny toko sy and. nomena antsika androany fa tanjona nahatongavan'i Jesôsy? Jer. koa Jao. 6:26,27.
"Ny mihinana ny nofo sy misotro ny rani Kristy dia ny mandray Azy ho Mpamonjy ny tena manokana sy ny mino fa mamela ny fahotantsika Izy ary tanteraka ao Aminy isika. Ny fibanjinana ny fitiavany sy ny fitoerana amin'izany, ny fisotroana ny rany, no hahatonga antsika ho mpiray amin'ny fombany. Toy ny hanina mamelona ny tena, dia tsy maintsy ho toy izany koa Kristy ho an'ny fanahy. Tsy mety mahasoa antsika ny hanina raha tsy hohanintsika, ka manjary momba ny tenantsika. Toy izany koa, tsy misy vidiny amintsika Kristy raha tsy fantatsika amin'ny maha-Mpamonjy ny tenantsika manokana Azy. Tsy hitondra soa ho antsika ny fahalalana ara-tsaina fotsiny. Tsy maintsy hivelona Aminy isika, handray Azy ao am-po ka hanjary fiainantsika ny fiainany, tsy maintsy ho voarain'ny tenantsika ny fitiavany sy ny fahasoavany." — DA, t. 410.
Inona no fanandramana manokana efa nataonao mikasika ny fihinanana ny nofon'i Jesôsy sy ny fisotroana ny rany? Ahoana no nanaovanao izany ary inona avy ireo fiovana nentiny teo amin'ny fiainanao? Miomàna hitondra ny valin-teninao eo amin'ny kilasy.
Ahoana no namalian'i Jesôsy azy ireo? Mat. 18:1-4. Inona amin'ny ankizy no mahatonga azy ireo ho tena ohatra tsara tokoa ho an'îzay maniry ho mpianatr'i Kristy?
Eritrereto ny lanjan'ny zavatra izay nolazain'i Jesôsy. Raha tsy miova fo isika, raha tsy
Maro ny fomba azo andinihana ny zavatra izay nolazain'i Jesôsy. Ny manetry tena angamba no teny fototra ao amin'io voalazany io. Mila manetry tena tahaka ny zaza ny mpianatra. Ilaintsika ny miaiky fa mila an'Andriamanitra Raintsika sy ny fiankinana Aminy tanteraka isika, tahaka ny faneken'ny zaza fa mila ny ray aman-dreniny izy. Tsy afaka mamelon-tena samirery ny zaza; noho izany dia tsy afaka ny ho velona koa isika raha tsy eo Andriamanitra. Zava-dehibe indrindra araka izany ny fanekentsika fa mila Azy isika.
Matetika no mino izay lazaintsika ihany ny zaza na dia tsy takany tanteraka aza izany. Toy izany koa, impiry moa isika no tsy maintsy mianatra mino sy matoky, na dia manana fahatakarana feno aza ny amin'izay zavatra lazain'ny Tompo amintsika? Raha tsy maintsy hazavaina tanteraka amintsika avokoa ny zavatra rehetra mikasika an'i Jesôsy sy ny famonjena izay vao hino isika, dia tsy ho voavonjy na oviana na oviana satria tsy hino izany velively akory. Mila miova fo araka ilay nolazain'i Jesôsy isika, ka ao anatin'ny fiovam-po ny fananana toetra tahaka ny an'ny zaza, sady mino izay zavatra tsy tena takatsika amin'ny fahafenoany. Ankoatra izany inona intsony moa no ilana ny finoana raha toa ka efa feno ny fahatakarantsika?
Anisan'ireo fanandramana mahatalanjona indrindra voarakitra ao amin'ny Filazantsara ny niovan'i Jesôsy tarehy, tamin'izany no nanehoan 'Andriamanitra ny fanatrehany tamin'ny fomba miavaka indrindra teo imason'ny mpianatr'i Kristy.
Vakio ny Mat. 17:1-13. Inona avy ireo zava-nitranga telo miavaka ka tokony ho nanamafy tokoa ny finoan'ny mpianatra? Tsy niantso antsika velively ho tonga mpianany i Jesôsy na ho mpanara-dia Azy raha tsy nomeny antsika aloha ny antony tokony hinoantsika. Tsy ny zavatra rehetra anefa no voavaly mazava, saingy nomena antony ampy tsara kosa isika hananantsika finoana, antony hinoana na dia izay tsy takatry ny saintsika tanteraka aza. Ary na dia tsy nanatri-maso izay hitan'izy telo teny an-tendrombohitra aza isika dia efa ampy ho antsika mpianatr'i Kristy izany mba hitokiantsika amin'ny Tompo sy ny fahatsarany. Izay ampiasantsika io finoana io, io fanomezana io (Jao. 1:9; Efes. 2:8) no hametra ny fitomboany na ny tsy fihetsehany na ny fahafatesany. Nanana tombontsoa lehibe ny mpianatra hahita zavatra izay tsy ho hitan'ny ankamaroantsika eto amin'ity izao tontolo izao ity na oviana na oviana. Inona anefa no ambaran'ireto andalan-teny ireto amintsika mikasika azy ireo? Mat. 26:56, 69-75; Mar. 9:30-32; Jao. 20:19. Inona no lesona azontsika sintonina avy amin'ny fanandraman'izy ireo?
Indraindray no mamandrika antsika ny foto-pisainana toy izao, "Raha mba hataon'Andriamanitra amiko mantsy izany, na nataony tamiko iry dia hihamatanjaka ny finoako..." Inona ireo zava-doza ateraky ny foto-pisainana toy izany ho an'ny mpianatr'i Kristy? Inona kosa àry ireo zavatra azontsika atao mba hanorenana sy hampiasana ilay finoana efa nomena antsika?
Voalaza ao amin'ny Mat. 24 sy 25 fa nitory teny teo an-Tendrombohitra Oliva i
Inona avy ireo famantarana lehibe sasantsasany mikasika ny fiaviany fanindroany izay nomen'i Jesôsy ny mpianatra tao amin'ny toriteny teo an-tendrombohitra Oliva? Mat. 24:4,5; and. 9,10; and. 11-13; and. 23-27; and. 36-44.
Zava-dehibe maromaro mikasika ny maha-mpianatra no azontsika raisina eto. Mety ho anisan'ny lehibe indrindra amin'izany ny tokony haha-mailo antsika mpianatra ny amin'ireo zava-doza ara-panahy mety hahazo antsika. Eo afovoan'ny fifanandrinana lehibe eo amin'ny ratsy sy ny tsara isika, ary ao anatin'izany no hahavoazan'ny fitaka maro antsika, tena goavana mihitsy aza ny sasany ka na ny olom-boafidy aza dia mety ho voafitaka (Mat. 24:24). Raha heverina àry ny tontolon-kevitry ny hafatr'i Jesôsy dia efa mihakaiky ny farany ary eo indrindra isika no tokony ho vao mainka mailo ny amin'izany fitaka izany.
Tsy voatery ho amin'ny endriky ny olona iray izay tamy ka milaza ny tenany ho Jesôsy ny fisehoan'ny kristy sandoka, Inona ihany koa ireo fomba hafa izay mety hahavoatarika antsika hamela ny zavatra hafa haka ny toeran'i Kristy ao am-pontsika?
Nanontany ny mpianatra i Jesôsy ao amin'ny Mar. 8:27-30, mikasika izay iheveran'ny hafa Azy. Rehefa reny ny valin-tenin'izy ireo dia izy ireo indray no nametrahany izany fanontaniana izany. Amin'izy rehetra dia i Petera no voalaza fa niaiky an'i Jesôsy ho Kristy, Na izany aza anefa dia noferan'i Jesôsy izy ireo avy eo tsy hilazalaza izany amin'ny hafa. Nahoana no nilaza izany Izy? Moa ve tsy ny hampahafantatra ny olona ny maha-Kristy Azy no tena votoatin'ny zavatra rehetra nataony?
Nahoana araka ny hevitrao no nilaza tamin'izy ireo izay nataony i Jesôsy? Mety hisy lesona ho antsika mpianatra ve eto mikasika ny tokony hiheverana ny fotoana sy ny toe-javatra mialoha ny hanaovana zavatra iray? Jer. koa Jao. 4:25-30.
Mariho izay voalaza manaraka ao amin'ny Marka. Ny valin-tenin'i Jesôsy tamin'i Petera dia tokony ho nanamafy tamin'izy ireo fa Izy no Mesia. Alao sary an-tsaina izay zavatra tsy maintsy nitranga tao an-dohany rehefa nanomboka nitantara izay zavatra hanjo Azy Jesôsy (Mar. 8:31). Mariho ihany koa fa mbola i Petera indray no namaly, ilay Petera izay vao avy niaiky tao amin'ny andininy vitsivitsy tary aloha fa i Jesôsy no Mesia (and. 32)
Vakio ny valin-tenin'i Jesôsy tamin'i Petera (Mar. 8:33-38). Inona no hafatra lehibe omen'i Jesôsy ho an'izay rehetra ho mpianany?
Apetraho amin'ny tenanao ity fanontaniana ity: Oviana no fotoana farany nitondranao hazo fijaliana ho an'i Kristy? Inona no ambaran'ny valin-teninao ny amin'ny hoe: karazana mpianatra manao ahoana marina moa ianao? Inona avy no fiovana mety hilainao atao, ary ahoana no hanatanterahanao izany?
Vakio:
"Niteny ny Tompo hoe: 'Raha tsy mihinana ny nofon 'ny Zanak'olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo (...) Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro" Marina izany eo amin'ny tenantsika ara-batana. Ny fahafatesan'i Kristy no ahazoantsika na dia ity fiainana ara-nofo ity aza. Ny mofo izay hanintsika dia voavidin 'ny tenany torotoro. Novidin 'ny rany nifatsitsitra ny rano sotrointsika. Tsy misy mihitsy olo-masina iray na mpanota. mihinana ny sakafony isan 'andro, ka tsy velomin 'ny tenan’i Kristy sy ny rany. Vita fitomboka amin 'ny loharano rehetra izany. Izany rehetra izany no nampianarin'i Kristy raha nanondro ny tandindon 'ny sorona lehibe nataony Izy. Mahatonga ny sakafontsika amin 'ny fiainana andavanandro ho masina ny fahazavana mamirapiratra avy amin'io fanompoam-pivavahana fandraisana tao amin 'ny efitra ambony io. Manjary toy ny latabatry ny Tompo ny latabatry ny fianakaviana, ary hosotra masina ny sakafo tsirairay. " IFM, t. 712.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra
1. Ifanakalozy hevitra eo amin'ny kilasy ny hevitry ny hoe mihinana ny nofo sy misotro ny ran'i Jesôsy.
2. Ifantohy misimisy kokoa ny amin'ny tokony hahatongavantsika ho tahaka ny zaza. Inona ihany koa ireo toetoetra hafa hitantsika eo amin'ny zaza ka mahatonga azy ireny ho môdely tsara toy izany? Ahoana no hahatonga antsika ho tahaka ny zaza kokoa eo amin'ny finoantsika? Ahoana ihany koa anefa no hialantsika amin'ny fananana ilay toetran-jaza amin'ny lafiny iray?
3. Niresaka mikasika ireo fitaka isan-karazany tsy maintsy hatrehintsika mpianatr'i Kristy ny lesona tamin'ity herinandro ity. Inona -avy ny sasantsasany amin'izany fitaka izany ka manjo ny fiangonanao eo amin'ny tontolo misy azy? Ahoana no tomba fisehony? Inona no karazan'endrika isehoany? Manao ahoana no maha-voasarika mora foana ireo mambrantsika? Inona no azonareo fiangonana atao mba hiarovana ny mambra rehetra amin'ny fandrika ara-panahy mety hanjo azy?
|
«NDAO HIANA-DESONA» O! ry ankohonana maro ô! Mba reseo re ny fahavalo Samia mivondrombondrona mariana Ao amin'ny lesona no fakana aina. Hita ao an-tokantrano fa be ireo aretina Oadray, rey olona ! F 'angaha hadino ny lesona ? No toa lany vola lava any amin'ny dokotera ? Satria tsy nianatra tamin'ny fo mba te hidera ? Manana fahazarana tsara kosa e ! Fa Jesôsy Ilay nanefa ny trosa Izy no Nofo izay mitondra AINA « Ary tena nihatra tamin'aina. Raha ny fanahinao mantsy misakafo Io lesona io tsy mba lafo Fa ny olana sy tena ratsy Lesona tsy azo, ara-panahy maty. Ka ny ahy aloha : Ialako impito mandifotr'olona Fa tena ... Tena iariarako ny ahy ny lesona Na tsianjery na ny fiambenana Haiko daholo ireny tsy mila tenenina. Ndeha àry isika hiara-mientana Ho tahaka ahy mpiaua-desona Hamoky tena amin-teny homeny Ny hafa kosa, noho ny amiko, tsy ho very. Amena ! |