FAMPIDIRANA:
Efa nandre ny amin'ny lalàn'i Murphy ve ianao? Heverin'ny olona sasany ho lalàna fototry ny zava-boary izany, maharesy lahatra tahaka ny fisian'ny ivom-besatra sy ny hery misinton'ny herinaratra. Izao no ambarany raha lazaina fohifohy: izay toe-javatra rehetra ahiana ho ratsy ny fandehany dia ho toy izany tokoa.
Indraindray dia toa manaraka azy io ihany koa ny fanandramantsika raha ny maha-mpianatra no jerena. Tsy isalasalana fa ananantsika ny teny fikasan'Andriamanitra izay tokony hanampy antsika tsy ho kivy. hdraindray anefa isika no mors alaim-panahy hilavo lefona eo anatrehan'izany fahakiviana izany. Mazava loatra fa na inona na inona mitranga dia tsy tokony hanao izany isika.
Amin'ity herinandro ity isika dia hijery ny sasantsasany amin'ny mpianatra ary koa izay azontsika ianarana avy amin'ireo fotoan-tsarotra nolalovany.
INDRAY MITOPY MASO :
Inona no fampitandremana tokony horaisntsika avy amin'ny fiezahan'ny mpianatra hanana fahefana ara-pôlitika? Inona no lesona azontsika raisina avy amin'i Jodasy? Inona no tao ambadiky ny fahavononan'i Jakôba sy Jaona handrava izay nandà an'i Jesôsy? Inona no azontsika raisina avy amin'ny fivatravatran'i Petera sy ny fibebahany? Nahoana no nandao an'i Jesôsy ny mpianatra tamin'ny fotoana nilàny azy indrirdra kanefa zava-mahagaga maro dia maro tokoa no efa hitany?
Mety ho tonga fitaovana mahery vaika, na ho amin'ny tsara io na ho amin'ny ratsy ny finoana ara-pivavahana. Io karazan-kery izay mahatonga ny olona iray hahavery ny ainy (Mat. 16:25) noho ny amin'i Kristy io ihany koa no mitarika ny hafa amin'ny toe-javatra sasantsasany hirehareha fatratra amin'ny anaran'Andriamanitra. Na izany na tsy izany, raha inoanao, fa miantso anao hanao zavatra anankiray Andriamanitra dia iza no hanakantsakana ny lalanao amin'ny karazam-piheverana maro samihafa araka izao tontolo izao? Izany ohatra no antony mahatonga ny fitondram-panjakana sasany hanao izay hanafoanana ny fivavahana tsy ho eo amin'ny vahoaka satria tsy tiany raha hilefitra amin'ny fahefana ambonimbony kokoa ny olona, noho izy tsy afaka hihoatra an' Andriamanitra. Etsy ankilany, misy koa ny fitondram-panjakana izay mampiasa io hery lehiben'ny fivavahana io ho an'ny tombontsoany. Nilain'ny mpianatr'i Kristy araka izany ny nahafantatra ireo zava-doza maro samy hafa mikasika ny fanararaotana ny fahefana ara-pivavahana.
Vak. Jao. 6:1-15. Inona no lesona azontsika ianarana avy amin'io mikasika ny fomba fijery tokony hananan'ny mpianatr' Kristy momba ny fahefana ara-pôlitika?
Na dia tsy ny ho tonga mpanjaka teto an-tany aza mazava loatra no zava-kendren'i Jesôsy fony Izy tety dia hita mazava fa tsy azo ampitoviana velively amin'ny fanaovana ny asa maha-mpianatra ny fanangonana fahefana ara-pôlitika eto an-tany. Zavatra hafa mihitsy ny fametrahanAndriamanitra ny olona eo amin'ny fahefana, na ny fampiasany ny olona ho amin'ny fahefana; zavatra iray hafa ihany koa anefa ny fiheverana ny fanangonana fahefana ara-pôlitika amin'ny anaran'Andriamanitra ho toy ny asanAndriamanitra, na ny asan'ny mpianatra.
Tsy misy mampiseho io karazam-pahefanan'ny filazantsara io mihitsy ao amin'ny TV. Mampalahelo anefa fa na dia ny mpianatra akaiky Azy indrindra aza dia tsy nahatakatra izany: "Niray tamin'ny vahoaka ny mpianatra tamin'ny fanambarana fa lovan'ny Tompony ara-dalàna ny seza fiandrianan'i Davida. Ny fanetren-tenan'i Kristy, hoy izy, no mahatonga Azy handà izany voninahilra izany . Naniry mafy ny hanao lamina hanatanterahana ny fikasany izy ireo. IFM, t. 396.
Niorina tamin'ny fanantenana sy ny fikirizana mivaivay teo amin'ny vahoaka izy ireo ka niezaka haka an-keriny an'i Jesôsy ary hanao Azy ho mpanjaka teo amin'ny firenena (Jao. 6: 14,15). Izany no maha-mpianatra araka ny fomban'izy ireo tamin'izany. Vokatr'izany dia noravan'i Jesôsy ny vahoaka, nalefany hamakivaky ny renirano ny mpianatra ka lasa nandeha irery Izy mba hivavaka any an-tendrombohitra.
Inona avy ireo fomba, na dia eo amintsika tsirairay avy manokana aza, ka mety hanararaotantsika ny fivavahana ho an'ny tombontsoantsika?
Indray mandeha dia nisy olona nilaza izao: "Raha te hanan-karena ianao dia miantomboha amin'ny fivavahana." Tena mampalahelo tokoa izany, kanefa misy fahamarinana maro momba io fanambarana lany henatra io. Na izany na tsy izany, rehefa ny finoana ara-pivavahana no resahina dia voaresaka amin'izany ny sasantsasany amin'ireo lafin-javatra lehibe indrindra eo amin'ny fanandraman'ny olombelona. Ny hevitry ny fiainana mihitsy no voakasika amin'izany, miaraka amin'ny fanantenana mikasika ny fiainana mandrakizay, sy ny finoana fa mamela ny helotsika Andriamanitra. 1 Jesôsy mihitsy aza anefa no niaina fiainana feno fandavan-tena sy fahantrana, hita teo amin'ny ohatra nomeny, ary vao, mainka aza nampitandrina antsika tsy ho latsaka amin'ny fitiavany ny zavatra eto amin'izao tontolo izao. Ny tantaran'ny fiangonana dia heniky ny ohatr'ireo izay nampiasa ny fahefana sy foto-kevitra ara-pivavahana mba hahazoan-karena ho an'ny tenany, ary matetika mihitsy ny malahelo no tra-pahavoazana amin'izany.
Vak. Jao. 12:1-6 ary avy eo vakio ireto fanontaniana ireto:
1. Inona no ohatra hitantsika eo amin'ny fihetsik'i Maria? Raha lazaina amin'ny teny hafa dia hoe amin'ny fomba ahoana no anehoan'izany ny fihetsiky ny tena mpianatr'i Kristy marina? Jer. koa Mat. 13:46, Fil. 3:8.
2. Inona no ambaran'io tantara io amintsika mikasika ny maha-zava-dehibe ny antony manosika antsika hanao zavatra?
3. Voambara ao amin'ny andalan-teny fa niara-nisakafo tamin'izy ireo i Lazarosy ilay natsangana tamin'ny maty. Nahoana io toe-javatra io no vao mainka manasongadina ny toetra maharikoriko nananan'i Jodasy ary koa mampiseho ny fahajambany eo anatrehan'ny fahotany?
Izany indrindra no antony nanaovan'i Paoly ilay fanambarana malaza ao amin'ny 1 Tim. 6:10. Tamin'ny farany dia very ny fanahin'i Jodasy noho ny fitiavany vola. Tamin'ny voalohany dia toa tsy niahy afa-tsy izay laharampahamehana izy; voarafitra teo amin'ny maha-mpianatra azy iray manontolo anefa ny tenany sy ny hetahetany hahazo tombontsoa ho an'ny tenany ihany. Mazava loatra fa nisy fitiavan-tena ihany koa teo amin'ireo mpianatra sasany saingy Jodasy no nanjakany ka resiny.
Ahoana no ahazoanao antoka fa tsy manapoizina ny anjara asanao amin'ny maha-mpianatr' Kristy anao ny fitadiavan-tombontsoa mihoapampana? Ankoatra izany, raha toa ka hitanao fa misy antony hafa tsy madio manosika anao hanao izany, ahoana no hahatafala anao amin'izany?
Fara fahakeliny dia nisy mpirahalahy roa samy hafa tamin'ireo mpianatr'i Jesôsy roa ambin'ny folo lahy. Rehefa nanendry an'i Jakôba sy Jaona i Jesôsy dia nanome anarana azy mirahalahy hoe Boanerjesy na "Zanabaratra" (Mar. 3:17). Noho ny toetr'izy ireo mirehidrehitra sy mora tezitra ho ny mpanao fanadihadiana sasantsasany no nahatonga an'i Jesôsy hiantso azy amin'izany anarana izany. Izany àry no nahatonga ny lohateny hoe: ny ohatry ny toetra mirehidrehitra..
Vak. Lio. 9:51-56. Jereo ny fihetsiky ny mpianatra tamin'ny tsy nandraisan'ny olona an'i Jesôsy. Meteza ho eo amin'ny toeran'ny mpianatra ianao rehefa mamaky io. Inona no antony mety ho nahatonga azy haneho fihetsika toy izany? Raha lazaina amin'ny teny hafa, Inona no zavatra efa reny tamin'i Jesôsy, na ohatra hafa koa avy tao amin'ny Testamenta Taloha ka nahatonga azy hanao toy izany? Jereo ohatra Gen. 6--7; Mat 8:12; 13:42; Mar. 6:11.
Olana maro tokoa no nitranga vokatry ny fihetsika nataon'ny mpianatra. Misy hafanam-po ho an'ny Tompo eto, izay zavatra tsara tokoa ary tokony hananan'ny mpianatra rehetra; mampidi-doza noho ny soa anefa ny hafanampo diso toerana na dia antony tsara aza no nanosika azy, Nalain'i Jakôba sy Jaona tahaka ohatra ny tantaran'i Elia. Ny hany olana dia ny tsy fahaizany nampiasa izany. Nampidina afo avy any an-danitra i Elia mba handoroana ny fanatitra (1 Mpanj. 18), fa tsy ireo mafy sofina tsy akory (tamin'ny fomba hala no nandringanany ireo).
Ny vao mainka ratsy kokoa aza dia ny fihetsika hentitra sy feno fitsaratsarana nananany teo anatrehan'ny mpanota, Ny hizaha ny fomba hitondrana ny mpanota ho eo an-tongotry ny Hazo fijaliana no tokony ho asan'ny mpianatr'i Kristy rehetra, mba hanehoana aminy ny fampindrampo sy fah asoav an'And ri aman itra tsy takatry ny sains, ka nitondrany ny famaizan'ny ota. Koa na nanao ahoana na nanao ahoana ny haratsin'ny fiainany teo aloha, dia afaka mahazo famelan-keloka feno izy amin'ny alalan'i Jesôsy, ary fiainam-baovao ao, Aminy. Izany no asantsika mpianatra; aoka havelantsika ho an'ny Tompo ny fitsarana.
Manana toetra mpitsaratsara ve Nanan eo anatrehan'ireo izay heverinao ho mania na manam-pahadisoana? Ahoana no fanehoantsika ny fahasoavana sy famindrampon' Andriamanitra amin'ireo olona ireo, sady tsy mampiseho loatra aminy ihany koa fa tsy melohintsika na ekentsika ny fiainany nalsy ny zavatra inoany?
I Petera dia fantatra ho mpianatra mpivatratra ary manan-kolazaina mandrakariva mikasika ny zavatra rehetra. Lazain'ny Lio. 22:33,34 fa natoky tena fatratra izy sy ny maha-mpianatra azy ka nanome toky ny hanara-dia an'i Jesôsy na dia ho any an-tranomaizina sy ny fahafatesana aza. Tsy ela taorian'izany anefa dia nandà ireo teny ireo izy (Mat. 26:69-75).
Vak. Jao. 18:1-11. Inona no ambaran'io amintsika mikasika ny toetra manokana nananan'i Petera, indrindra indrindra araka izay hita tao amin'ny Mat. 26:69-75?
Mahafantatra ny tsy fahombiazan'i Petera avokoa isika rehetra. Natao ho lesona lehibe dia lehibe ho an'ny mpianatr'i Kristy rehetra izany. Tsy amin'ny herintsika no hiasantsika ho an'ny Tompo. Tsy azo avela tokoa araka izany ny fanolorantsika tena isan'andro isan'andro ho eo ambany fahapahan'i Jesôsy. Izy no voaloboka, isika no sampany; tsy misy azontsika atao raha tsy eo Izy, indrindra fa ny ho tonga mpianatra mahatoky. Averina indray fa mahafinaritra tokoa ny hafanam-po ho an'ny Tompo sy ny momba Azy, saingy tsy maintsy eo ambany fahefan'i Jesôsy kristy Tompo izany..
Vak. Jao. 21:15-19. Inona no ampianarin'io antsika mikasika ny ataon'i Jesôsy ho an'ny mpianany izay mibebaka amin'ny otany ka mifikitra amin'i Kristy hatrany?
"Misy lesona omena ny mpanaraka an'i Kristy eto. Tsy misy marimaritra iraisaha amin 'ny fîlazantsara sy ny ratsy. Tsy afaka manala tsiny ny fahotana izany. Tokony hekena mangina amin 'Andriamanitra ny fahotana miafina, fa ny fahotana ampahibemaso kosa, dia takina fîaikena ampahibemaso (...) Ny fanomezan’io mpianatra io porofon’ny fibebahana araka izay azony atao dia natao hanalana io fanomezan-tsiny io (...) In-telo i Petera no namadika ny Tompony ampahibemaso, ary intelo I Jesôsy no nampiteny azy ny fanomezany antoka ny amin 'ny fitiavany sy ny fahatokiany, ka nampidirany tao an-tsainy io fanontaniana manindrona io, toy ny zanatsipika maranitra tao am-pony maratra. Teo anatrehan ‘ny mpianatr’iJesôsy tafavory no nanehoan’i Petera ny halalin 'ny fibebahany sy nanehoany fa tena nanetiy tena mafy izao ilay mpianatra nirehareha fahiny. " - IFM, tt. 870,871.
Mariho izay nolazain'i Jesôsy tamin'i Petera ao amin'ny Jao. 21:18,19. Ny votoatin'ny tenin'i Jesôsy tamin'i Petera dia ny hoe: ho faty ho an'llay Tompo tena tiany tokoa i Petera amin'ny farany. Tanteraka ihany ny tenin'i Petera tamin'ny farany, saingy taorian'ny nianarany lesona henjankenjana sasantsasany mikasika ny maha-mpianatra.
Efa nanome toky feno fireharehana ve ianao ka tojo tsy fahombiazana aloha vao nahatanteraka izany? Inona no azonao raisina avy amin'ny tantaran'i Petèra izay hanampy anao tsy hihemotra?
.
Efa nanome toky feno fireharehana ve ianao ka tojo tsy fahombiazana aloha vao nahatanteraka izany? Inona no azonao raisina avy amin'ny tantaran'i Petèra izay hanampy anao tsy hihemotra?
Telo taona sy tapany no niarahan'ny mpianatra tamin'i Jesôsy. Tombontsoa izay vitsy dia vitsy mpanana tokoa eto amin'izao tontolo izao no nananan'izy ireo. Tsy fahitan a ny zavatra hitany. Na izany na tsy izany, firy amin'ireo olona an'arivo tapitrisany maro eto amin'izao tontolo izao no nahita vatana Azy? Anisan'ireo oiombelona nanana tombontsoa indrindra ireo mpianatra ireo.
Izany indrindra no anisan'ny olana nisy - olombelona izy ireo, olombelona lavo, ka na . na inona nataon’ny Tompo ho azy dia tsy mora velively ny nahatafitan'ny lesona.
mahatalanjona nolazain'i Jesôsy sy nataony teo imason'ny mpianatra? Firy ireo porofo tsy takatry ny saina nomeny azy ireo mikasika ny maha-lzy Azy? Rehefa voadinikao ireo zava-niseho rehetra ireo dia jereo ny andininy nomena antsika androany. Inona no hafatra miezinezina na fampitandremana mihitsy aza, izay azontsika tsoahina?
Nanomana ny mpianany Jesôsy rehefa handao azy, saingy tsy nihaino izy ireo. Fantany izay hitranga any Jerosalema ka dia nomaniny ho amin'ny fijaliany izy, kanefa tsy nihaino Azy. Tsy nisy fahavononana tanteraka izy ireo rehefa
Nandritra ny asan'i Jesôsy: dia toa izay nataony no nojeren'ny mpianatra fa tsy izay nolazainy no nohenoiny. Nanamafy ny fanantenany ny amin'ny Mesia ny zava-mahagaga nataony, ka dia nahafa-po.azy ireo fatratra izany
Saintsaino ireo zavatra rehetra efa nataon'i Jesôsy ho anao: ny teny fikasana, ny fanantenana, ny fanomezana nomeny anao, ny fiovana teo amin'ny fiainanao, ny porofon'ny finoanao, noho i Kristy avokoa ireo. Ahoana no tsy hamerenantsika intsony ny fahadisoan'ny mpianatra amin'ny fifikirantsika amin'ireo zavatra ireo?
FIANARANA FANAMPINY:
Vak. SDA BC, b. 5, tt. 208-211,465,466,524-529,595-597,635,636,775,776,962,963,2020,2021;
IFM, tt. 385-402,468,470, 471,581-586,595-601,867-874; VM, tt. 475-478.
"Nitombo niaraka tamin'ny fahaizany feno hafetsena ny fitiavam-bola tao am-pon'i Jodasy. Raha toa ka nampiasaina sy nohazavaina ary notefen'ny Fanahy Masirïy io fahaizany fandraharahana ara-bola io dia ho fanompoana goavana ho an'ilay fiangonana kely tokoa izany, ary amin'ny fanamasinany ny fanahiny no hahazoany fahazavan-tsaina hankasitrahana ny zavatry ny fanitra. Tetika sy drafitra araka izao tontolo izao hatrany anefa no nolalalain’i Jodasy. Tsy nisy fahotana nihoapampana sy niharihary nataony anefa saingy nifehy azy kosa ny toetra feno hafetsena maranitra sy fitiavan-tena ary fahihirana izay nitarika azy hivarotra ny Tompony tamin'ny tontalim-bola kely dia kely."- SDA BC, b. 5,t.1101.
"Niaraka tamin'i Kristy i Jodasy nandritra ny fotoana iray manontolo nanaovan'ny Mpamonjy ny asany. Nananany avokoa izay rehetra azon'i Kristy nomena azy (...) Raha toa ka nanao izay hahatonga azy ho fitahiana izy fa tsy olona be fiahiahiana sy tsikera ary fitiavan-tena dia ho nampiasain'ny Tompo hampandrosoana ny fanjakany. Mpikatsaka tombontsoa fatratra eo amin'ny raharaha fanaony i Jodasy. Nihevitra izy fa vitany ny hitantana ny fiangonana ka amin'ny alalan'ny fahakingan-tsainy eo amin'ny fahandraharahana no hahazoany tombony. Nizarazara ny fony. Maminy ny fanindraindran'ïzao tontolo izao. Nolaviny ny hamoy izao tontolo izao ho an'i Kristy. Tsy mba Kristy na oviana na oviana no nifantohan'ny mandrakizainy (...) Mpivavaka sandoka i Jodasy." - SDABC, b. 5, tt. 1101,1102.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEViTRA:
1. Raha toa ka mpanara-dia marina an'i Kristy ny mpianatra, moa ve mbola atao hoe mpianatra hatrany ireo izay manaraka ny foto-kevitra sy ny fandaharan'ny tenany? Diniho tsara io fanontaniana io sy ny valin-teninao.
2. Inona lhany koa izay heverinao fa zava-manahirana hafa manjo amin'ny maha-mpianatra ary inona no lesona azonao tsoahina avy amin'izy ireo?
3. Fantatsika fa Petera dia mafana fo am-boalohany kanefa dia solafaka ary Iavo avy eo, inona kosa àry anefa ireo zava-doza avy amin'ny
fahamalinana be loatra? Amin'ny fomba ahoana no mety hahatonga antsika ho lasa lavitra loatra amin'ilay lafiny anankiray? Saintsaino izany ka ento eo amin'ny kilasy ny hevitrao. Hevero ihany koa mandritra izany ny fiangonanao iray manontolo. Moa ve ny fiangonanao mitompo teny fantatra loatra eo amin'ny fanarahana ny Tompo, sa somary miahotrahotra loatra indray hanaraka ny fitarihany? Inona no azonareo kilasy atao mba hanampiana ny fiangonanareo ho amin'ny hafanana tena izy?
IANARO NY LESONA
lanaro nv lesona fa aza malaina. Ianao hahazo hery.ho voatohana ny aina Ianaro isan'andro, aza asina andro very. Iaino. ampiharo. atacvy tsianjery.
Aza kivy mihitsv. na inona hidona :
Fa ianaro nv lesona. atanjaho ny finoana .Iana.ro maraina, avereno ny hariva. Ny fahalalanao aza avëla ho iva.
Raha sendra ady mafy ka mila ho ketraka . Nv fiambenana maraina avereno inefatra. Raha tojo ny sarotra ka mila ho very.Ny lohatenin'ny lesona,io ataovy tsianjery
Entano nv hafa manomboka izao .Handinika lesona mitovy aminao. Ireo namana sasany mitady ho kivy. Omeo azv nv lesona ho fanalahidv.
.Nv lesona izany no atao tohan'aina. Koa samia ary mianatra, fa aza malaina. Dia isika rehetra no hahazo heiy. Samy voavonjy,. tsy misy ho very
Amena!
Ranaivoson Léonard
Fiangonana Adventista Ankadilalampotsy
Distrika Androndra