FAMPIDIRANA:
Nifidy ireo mpianany Jesôsy mba ho eo aminy sy mba ho afaka hianatra aminy. Araka ny fahitana azy ireo ety ivelany dia tsy maranitra sy kinga saina araka ny anampoizana azy izy ireo. Moa ve isika hafa noho izany? Misy ny sasany amintsika efa naira-nandeha tamin’Andriamanitra nandritra ny taona maro, kanefa dia mbola tsy takatry ny saintsika ihany amin’ny fahafenoany foana hoe inona ireo zavatra takian’ny maha-mpianatra. Tahaka ny eo amin’ny tontolon’ny zava-boary ihany ny eo amin’ny tontolon’ny ara-panahy. Zava-dehibe tena ilaina ho an’ny fiainana ny fitomboana na eo amin’ny alaliny izany na eo amin’ny velarany, na eo amin’ny haavony. Inona ny fanomanan ny tany sy ireo singa fototra mahavelona ataonao mba hiantoka fitomboana sy fahombiazana eo amin’ny maha-mpianatra? Ao amin’ny lesona amin’ity herinandro ity isika dia hijery ohatra hafa fanampiny avy ao amin’ny tenin’Andriamanitra izay afaka manampy antsika hahatakatra ny dikan’izany hoe mpianatry Kristy. Nahoana moa ireo mpianatry Kristy no matetika feno tahotra? Inona ny lesona azontsika ianarana avy amin’ny fampitandremana nataon’I Jesôsy mikasika ny masirasiran’ny Friseo? Fomba ahoana no amaliantsika ireo izay minia manakatona ny fony tsy hihaino ny fijoroantsika ho vavolombelona?
Vak. Mar:36-41. Tena mampiseho inona ny teny nataon’izy ireo taminy eo amin’ny and. 38? Impiry impiry moa isika no manome valin-teny sahala amin’izany amin’ny fotoana mampivadi-po?
Mora amintsika ny manao toa izany, manontany tena hoe: moa ve Andriamanitra dia mihevitra akory rehefa mamely ny olana sy ny toe-javatra mampitaintaina mitera-doza. Ny fanesoana amin’ilay izy dia izao , teo foana anie Jesôsy nandritra izany fotoana rehetra izany e! Voalohany indrindra dia Izy no niteny tamin’izy ireo voalohany mba handefa ny sambo ho eny amin’ny ranomasina. Tsy nanampoka Azy io tafio-drivotra io, ary tsy manampoka Azy toa izany koa ny fitsapana mahazo antsika.
Misy dikany ve ny hoe: ny mpianatra fa tsy ny tafio-drivotra no nanaitra an’I Jesôsy?
Mariho ny tahotra tao amin’ny mpianatra nandritra ny fitantarana manontolo. Natahotra ny tafio-drivotra izy ireo; ary avy eo rehefa nitony ny tafio-drivotra dia toa I Jesôsy indray no natahorany.
Oviana ny fotoana farany nahavelom-panontaniana anao hoe mba mihevitra anao sy ny toe-javatra mahazo anao, na inona izany na inona, ve ny Tompo?
Inona ireo lesona nianaranao avy tamin’izany fitsapana izany, izay azonao ampiasaina amin’ny fotoana manaraka rehefa miatrika fitsapana na toe-javatra mampitaintaina ianao?
Rehefa eritreretina dia toerana tsara hianarana lesona momba ny atao hoe mpianatra ny ranomasina . Rehefa dinihina tokoa, na dia miankina tanteraka amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra aza isika, amin’ny mahaolombelona antsika (jereo Joba 12:10; Dan5:23; Asa17:28), dia tsy azo lazaina ho mora ny manadino izany rehefa eny ambony rano ianao, satria rehefa eny ianao, ny zavatra ao ambany tongotrao dia tsy hiahazona anao hiakatra fa hitelina anao kosa aza. Izany angamaba no antonym nisafidianan’ny Tompo hampiasa ny ranomasina hampianarana ny mpianany lesona hafa fanampiny mikasika ny finoana, ny finoana izay lafiny iray lehibe fototry ny fahombiazana eo amin’ny maha-mpianatra.
Taorian’ny dia misiônera nahitan’izy ireo fahombiazana tokoa (Mar 6:6-13) sy ny namokisana olona dimy arivo ary ny fihaonan’izy ireo voalohany teny amin’ny ranon’ny farihy, dia tokony ho
Vak. Mat14:22,23 sy Mar 45:52. Inona ireo fahadisoana maro nataon’ny mpianatra ao amin’ireo fitantarana anankiroa ireo?
Na dia tsy voalaza ao amin’ny fitantarana iray aza ny tantaran’I Petera nadeha tambonin’ny rano, izy roa dia manasongadina hevi-dehibe iray dia izao izany: Ireo izay nanatri-maso ny zavatra nitranga dia talanjona tokoa. Nisy ny nilaza ampahibemaso fa zanak’Andriamanitra I Jesôsy; araka ny fitantaran’I Marka azy dia tsy hay faritana ny fahagagan’izy ireo ny amin’ny fanandramana nataony. Zavatra annkiray ny hoe nampanaiky ny toetrandro hankato Azy , fa ity Izy manana hery handeha eny ambony rano, indrindra moa ao anatin’ny tafio-drivotra? Eny toka tena vaolombelon’ny herin’Andriamanitra izy ireo, tamin’ny fomba izay olona vitsy ihany no efa nahita izany hatramin’izay.
Vak. Mar 6:51,52. Inona, araka ny hevitrao, no hevi-dehibe nasongadin’I Marka mikasika ny finoana (‘foi’) sy ny zavatra inoana (‘croyance’)?
Inona ireo lesona ho antsika ao amin’izany hevi-dehibe izany?
Vak. Mat 16:1-12, dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto
Akory ny fahasamihafan’ny Mofon’aina sy ny masirasiran’ny Sadoseo sy ny fariseo, kanefa dia mora foana amintsika ny hampifangaro azy ireo ao an-tsaintsika, tsy haintsika ny manavaka azy. Ny mpianatry Kristy rehetra dia mila mahatsapa fa zavatra inoana, na ny fanarahana fanaon-drazana, n any fiarovana ny finoana, dia tsy mitovy foana amin’ny hoe mpianatry Kristy tsy akory. Mora dia mora rehefa iny isika fa tafatoetra tsara - eny, miadam-pinaritra mihitsy ary - ao amin’ny zavatra izay inoantsika, na ao min’ny fomba fivavahantsika , na ao amin’ ny fomba anatanterahantsika ny finoantsika, mora dia mora ny mamela ireo zavatra ireo ho lasa tanjona fa tsy fitaovana ampiasaina hahatongavana amin’ny tanjona. Izany tanjona izany dia tsy inona fa ny ho mpianatry Kristy mahatoky, manao ny sitrapony ary maneho ny fitiavany sy ny toetrany amin’izao tontolo izao.
Inona no tao amin’ireny toe-javatra maro samy hafa ireny ka nahatonga azy ireo hatahotra? Mat. 14:27; 17:6,7; Mar.10:32; Lio.8:25; 24:37; Jao.6:19. Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny fanandramana nataon’izy ireo?
Vak. Mar.9:30-32. Inona no nampatahotra azy ireo eto? Inona no zava-dehibe azontsika raisina avy amin’io ohatra io?
Ny zavatra tena mampalahelo mikasika io tranga io dia izy ireo natahotra ilay zavatra tokana izay nanome azy ireo ny fanantenana lehibe indrindra mety ananan’izy ireo: dia ny famonjena amin’ny alalan’ny fahafatesan’I Jesôsy ho fanavotana azy ireo izany. Natahotra ny zavatra tsy takatry ny sainy izy ireo; natahotra ny zavatra tsy tiany hore izy ireo. Raha mba takatry ny sainy mantsy hoe inona no fonosin’ny hazo fijaliana dia tsy ho natahotra izy ireo. Araka izany dia ny tsy fahalalany no nahatonga azy ireo hatahotra.
Amin’ny maha-mpianatra antsika, amin’ny maha-mpanaraka an’I Kristy antsika , dia isika, amin’ny olona rehetra, no tokony tsy hatahotra firy. Ilay Jesôsy izay afaka nandeha tambonin’ny rano tao anatin’ny tafio-drivotra, Izay afaka nanasitrana ilay lehilahy mararin’ny paralisisa, Izay afaka namoky olona dimy arivo tamin’ny mofo vitsy moja, Izy ihany no ilay Jesôsy naneho ny fitiavany tamintsika tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ho solontsika. Eny, marina fa tena misy ny ota, tena misy ny devoly, ary tena hisy ny heloka ilaintsika ny mahazo an-tsaina ireo loza mananontanona ny fanahintsika (Mat. 10:28), kanefa, rehefa dinihina tsar any mahampianatra antsika, raha mamikitra hatrany amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay naseho tamin’I Kristy isika – fitiavana izay tena zava-misy tokoa- dia tokony hianatra hiaina ao anatin’ny fanantenana sy ny fiononana avy amin’izany fitiavana mahagaga hitiavan’Andriamanitra antsika izany isika, sy ao anatin’ny fahasoavana mahagaga asehony amintsika.
“Tiako ho marina ny foto-pinoana ny tsy fisian’Andriamanitra, kanefa sadaikatra aho fa ny sasany amin’ireo olona mahira-tsaina indrindra ny mahafata-javatra indrindra fantatro dia mpino. Tsy hoe tsy mino an’Andriamanitra fotsiny aho, ary, mazava ho azy, antenaikofa manana ny marina aho amin’izany finoako izany, fa izao koa hoe, manantena aho fa tsy misy izany Andriamanitra izany! Tsy tiako ho Andriamanitra ny any; tsy tiako ho toa izany izao tontolo rehetra izao” LW, t. 130.
Jereo ireo teny nalaina avy tamin’ny boky nosoratan’I Nagel eo ambony eo ireo. Amin’ny maha-mpianatra antsika, Ahoana no tokony ho fihetsika asehontsika amin’ny olona toa izany? Inona ireo toko sy andininy
Rehefa voasoratrao ireo toko sy and. ireo, dia makà fotoana, avereno vakiana indray izy ireo. Misy foto-kevitra manokana ve misongadina avy amin’izany? Moa ve ireo toko sy and. hitanao ireo miresaka fangorahana, sa fitsarana, sa alahelo, sa famaizana? Sa zavatra hafa? Inona no ambaran’ny valin-teninao aminao momba ny tenanao?
Mazava ho azy fa zavatra iray tsy afa-misaraka amin’ny atao hoe mpianatra ny fijoroana ho vavolombelona. Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faranyao amin’ireo filazantsara efatra dia hitantsika I Jesôsy manomana ny mpianany hitarika ny hafa ho amin’ny famonjena. Nisy ny olona sasany nino mora foana; nisy kosa ireo toa tapa-kevitra ny handà an’I Jesôsy na ho inona na ho inona.
Tsy hisalasalana fa, amin’ny maha-mpianatr’I Kristy antsika, rehefa mijoro ho vavolombelona isika, dia ho tojo ny karazan’olona rehetra, anisan’izany ireo izay , angamba tsy amin’ny fomba mahitsy toa izay nataon’ilay lehilahy voalaza ery ambony, kanefa dia hampiseho fihetsika mitovy karazana amin’ny azy.
Manao ahoana ny fihetsika asetritsika ireny olona ireny? Hatezerana? Fitiavana? Fahatsapana tsy fahombiazan’ny tena manokana? Ireo rehetra voatanisa eo ambony eo ireo sa tsy misy amin’ireo?
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fiainana sy ny fampianaran’I Jesôsy izay hanampy antsika, amin’ny maha-mpianatry Jesôsy antsika, eo amin’ny fifampiraharahantsika amin’ ireny olona izay tapa-kevitra ny hanakatona ny fony sy ny sainy ireny? Rehefa manao ahoana no mifarana ny andraikintsika amin’izy ireny?
Vakio:
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra