Telovolana 1 : Famille terrestre et famille spirituelle
Lesona faha 12 : Iraka sy asa nampandraiketina
Daty : 15-03-2008 hatr@ 21-03-2008. Toko dinihina : Mat. 25:31-46; Mar. 16:14-20; Lio. 24:36-53; Jao. 3:14-19; Rôm. 5:6-10; 1 Kôr. 5:7; 15:3,4; Gai. 1:4; 1 Pet. 2:22-25Tsianjery : "Ary hoy Izy taminy : Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo" lioka 24 : 46
isa 55 : 11a
Fampidirana : Fantatsika Advantista tsara ny fifandraisan'ny anjara asantsika eo amin'ilay iraka lehibe amin'ny hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apôk. 14. Filazantsara mandrakizay no ivon'ireo hafatra ireo. Tsy manana na inona na inona homena izao tontolo izao isika rahajtsy manome azy, ankoatra ny zavatra hafa rehetra, ny fahamarinan-dehibe mikasika ny fanamarinana amin'ny finoana irery ihany,
"Maro no efa nanoratra tamiko ka nanontany raha toa ka ny hafatra mikasika ny fanamarinana amin'ny finoana io hafatry ny anjely fahatelo, dia izao no navaliko azy: "Izany tokoa no hafatry ny anjely fahatelo." - RH, 1 Aprily 1890. Araka ny voalazan'i EGW àry dia ivon'ny asa nanirahana antsika tokoa ny fanambarana miezinezina mikasika ny fanamarianana amin'ny finoana, ilay vaovao lehibe milaza fa amin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra arotsaka amin'ny mpanota tsy mendrika ihany no hahazoana ny famonjena, fa tsy amin'ny alalan'ny asa vitantsika.
Amin'ity herinandro ity dia hijery ny filazantsara ao amin'ny. tontolon-kevitry ny iraka lehibe isika
Indray mitopy maso : Inona no anjara asan'ny asa soa eo amin'ny fiainan'ireo mpianatr'i Kristy? Inona no anjara asa omen'i Jesôsy ny Soratra Masina eo amin'ny fanazavana ny fiainany sy ny fahafatesany? Ahoana no maha-ivo ny filazantsara eo amin'ilay iraka lehibe nomen'i Jesôsy ny fiangonany ?
Isa 55 :11b
Vak, Mat. 25:31-46. lo andalan-teny io dia ampahany tamin'ny toriteny nataon'i Jesôsy teny an-tendrombohitra Oliva nandritra ireo herinandro farany nanaovany ny asany tao Jodia. Anisan'ireo teny farany tao amin'ny toriteny farany indrindra izay nataony mialohany hijaliany izany.
Ahoana no tokony hahatakarantsika ireo teny ao amin'ny Mat. 25:31-46 ireo, indrindra indrindra fa eo amin'ny sehatry ny maha-mpianatra sy ny fijoroana ho vavolombelona?
Fahamarinana mikasika ny iraka ataon'ny mpianatra no ampitain'io andalan-teny io. Ambaran'i Jesôsy mazava tsara fa tafiditra ao anatin'ny asan'ny mpianatra ny fikarakarana ny mahantra, ny marary sy ny ory, ary ny voafonja; izay rehetra mila fikarakarana mihitsy. Ny fanehoana fara tampon'ny maha-mpianatra dia hita eo amin'ny fomba fandraisantsika ireo sahirana rehetra manodidina antsika.
"Toy izany no nanehoan’i Kristy an-tsary tamin'ny mpianany teo amin'ny Tendrombohitra Oliva, ny toe-javatra momba ny andro Fitsarana lehibe. Ary nasehony fa hifototra amin'ny zavatra iray loha ny fanapahan-keviny. Rehefa tafavory eo anatrehany ny firenena, dia hisy antokon'olona roa, ka ny anjarany ho mandrakizay dia ho voafaritr'izay nataony na nataony an-tsirambina ho Azy eo amin'ny tenan'ny mahantra sy ny mijaly. Taminïo andro io I Kristy dia tsy naneho teo anatrehan'ny olona ny asa lehibe izay nataony ho fanavotana azy. Ny asa mahatoky nataon'izy ireo ho Azy no nasehony." - DA, t. 637.
Voambara mazava tsara tokoa na aiza na aiza ao amin'ny Baiboly fa tsy amin'ny asantsika no hahazoana ny famonjena fa avy amin'ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany. Ahoana àry ny fahazoantsika izay lazain'i Jesôsy? Eo am-pieritreretana ny valin'izany fanontaniana izany, ataovy ao an-tsaina mandrakariva ny atao hoe tena mpianatra marina: olona iray izay efa nanolo-tena feno sy tanteraka ho an'i Jesôsy, ary mitaky "ilay asa lehibe efa nataon'i Jesôsy ho azy tamin'ny nanolorany ny ainy ho fanavotana azy." Ahoana ho hahatakarantsika tsaratsara kokoa izay lazain'i Jesôsy noho ny fihazonantsika mandrakariva ao an-tsaina io fahamarinana lehibe io? Iza amintsika rahateo moa no mahavita mamahana ny mahantra rehetra na mampitafy izay mitanjaka rehetra mba hahazoana famonjena ?
Jer. 17:7,8
Tany am-piandohan'ny lesona isika dia nijery ilay asa lehibe voalazan'ny Mat. 28:18-20. Vakio indray ireo andalan-tsoratra ireo ary avereno jerena ny hevi-dehibe raketiny indrindra fa ireo didy sy teny fikasana. Avy eo dia apetraho amin'ny tenanao izao fanotaniana izao: "Inona no anjara asako eo amin'ny fanatanterahana ireo teny ireo?"
Vak. Mar. 16:14-20 ka ampitahao amin'izay voalazan'ny Mat. 28:18-20. Inona ireo zavatra voalaza ao amin'ny iray kanefa tsy hita ao amin'ny iray?
Rehefa hitanao ny fahasamihafana, dia avereno vakina indray ireo andininy roa ireo. Tena mirindra tsara tokoa izy ireo ary mitovy ny hafatra fototra entiny.
Inona no hafatr'i Jesôsy amintsika araka izay hita ao amin'ireo andininy Ireo?
Lazaina amintsika ao amin'ireo andininy ireo fa nisy ny fisalasalana (Mat :28 :17) sy ny fahamafisan'ny fo teo amin'ny mpianatra. Nanameloka izany fisalasalana teo aminy izany I Jesôsy ao amin'ny fitantaran'i Marka na dia azo adika amin'ny teny henjankenjana kokoa aza ny matoanteny grika nampiasaina teto, toy ny hoe "nandatsa", "niampanga", na "naniratsira"mihitsy aza. Ny tiana hasongadina dia ny hoe mbola nisy tamin'izy ireo ihany no tsy ampy finoana na dia teo aza ireny zavatra rehetra niseho ireny. Koa tsy maintsy hentitra tsara taminy i Jesôsy.
Mariho ihany koa fa taorian'ny nanamboarany ny fon'ny mpianany I Jesôsy vao nanome baiko azy. Fantatr'i Jesôsy fa mila matanjaka ara-pinoana izy ireo vao hahomby. Tsy ho ela dia tsy ho eo amin'izy ireo intsony ny Tenany, satria tsy maintsy "hampiakarina any an-danitra" (Mar. 16:19). Nanomboka tamin'izay ary dia tokony ho amin'ny finoana irery ihany no hanaovan'izy ireo izay rehetra tsy maintsy hataony ho Azy.
Na dia fanomezana aza ny finoana dia fanomezana mila kolokoloina Izany. Inona ireo zavatra azonao atao isan'andro mba hamelomana sy hlarovana ary hampahatanjaka ny finoanao?
Isa 7 : 9
Andeha hijery zavatra hafa indray isika ao amin'ny fitantaran’i Mara momba ilay iraka lehibe. Toy izao no voalazan’i Jesôsy ao amin’ny Mar : 16:15,16: "Mandehanaa any amin’ izao tontolo izao hianareo, ka torio ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra. Izay mino sy atao batisa no hovonjena, fa izay tsy mety mino no hohelohina.” Hitantsika araka izany fa ny antso ho amin'ny fitoriana ny filazantsara no fototr'ilay iraka.
Hazony ao an-tsaina izany ka vakio ny Apôk. 14:6. Ahoana no hanampian'ireo andininy ireo antsika hahafantatra ny asantsika marina, tsy amin'ny maha-mpianatra antsika fotsiny fa amin'ny maha-mpianatra advantista antsika mihitsy ?
Tena zava-dehibe tokoa ny fahafantarantsika ny tena hafatry ny filazantsara miaraka amin'ny fitoriana azy izay tena ivon'ny maha-mpianatra ary koa miaraka amin'ny fitaomana ny hafa ho mpianatra. Jesôsy koa anefa etsy andaniny ao amin'ireo andininy ao amin'ny Marka ireo dia efa nanome betsaka antsika ny filazantsara. Inoy izany dia hovonjena ianao, saingy very kosa anefa ianao raha lavinao izany.
Ampitahao ny voalazan'i Jesôsy ao amin'ny Marka sy ao amin’ny Jao. 3:14-19. Ahoana no hanampin'izay voalazan'i Jao,antsika hahatakatra izay ambaran'i Jesôsy ao amin'ny Marka ?
Zava-dehibe manao ahoana loatra re izany miorim-paka amin’ny filazantsara izay nasaina hotorintsika izany e. Voaheloka izao tontolo izao noho ny fahotana ; nizaka tanteraka izany fanamelohana izany i Jesôsy. Izay mino Azy dia tsy hahazo ny fanamelohana vokatry ny fahotana Intsony. Nohon’ny fahasoavan'Andriamanitra izay tsy hita lany kosa anefa dia voavela io olona io ary votafy ny akanjom-pahamarinan'i Jesôsy na toa inona na inona fahotana vitany tany aloha. Io hafatra io no tena fototr'lzay torintsika sy ampianarintsika izao tontolo izao.
Apô : 15 : 3
Vak. Lio. 24:36-53, fitantarana iray hafa mikasika ny fisehoan'i Jesôsy tamin'ny mpianany ary ny fiantsoany azy ireo hitory ny filazantsara amin'izao tontolo izao.
Ao amin'io lahatsoratra io, raha teo am-pivoriana ny mpianatra dia nanatona azy ny mpianatra roalahy izay nifanena tamin'ny Tompo teny amin'ny lalana mankany Emôsa ary nizara izay zavatra hitany tamin'ireo namany. Nandritra izany fivoriana izany ary dia niseho taminy teo koa i Jesôsy.'
Vakio izany tantara izany. Inona ireo zavatra roa voalohany nataon'i lesôsy mba hampitombo ny finoan'ny mpianany ?
Mariho anefa fa tsy nijanona tamin'ny porofo ara-batana fotsiny i Jesôsy, dia porofo hita maso sy azo tsapain-tanana. Tsia, ampahany kely monja izany. Nitondra azy ireo ho eo amin'ny SM Izy, naneho azy ireo tamin'ny alan'ny tenin'Andriamanitra fa izay nitranga Taminy dia efa voalaza mialoha avokoa.
lnona no lesona voaraintsika avy tamin'ny fampiasan'i Jesôsy ny SM eto ?
Misy fitsipika lehibe hitantsika eto: marina aloha fa manana ny anjara asany avokoa ny fanandramana maro, ny fanatrehana ara-batana ary ny hagagana isan-karazany ary mety hanana anjara asa lehibe aza eo amin'ny fanomezana ny olona izay ilainy mba hinoany an'i Jesôsy. Ny SM koa anefa miaraka amin'izany dia tokony ho fototry ny finoatsika rehetra. Na dia teo aza ny fahagagana dia i Jesôsy kosa nanamafy ny finoan'izy ireo tamin'ny nampiasany ny SM. Nampiasainy ny SM mba hanamafy izay rehetra efa nitranga Taminy sy hanohana izay rehetra efa nolazainy taminy. Raha Jesôsy aza nampiasa ny SM mba hanamarinana izay rehetra nataony, tsy mainka ve isika ?
Ny teny sy ny asan'i Kristy eto die fanamelohana mahery vaika izay rehetra mety ho ezaka hampihena ilay anjara asan'ny Baiboly izay lehibe sy fototra eo amin'ny fiainan'ny fiangonana sy ny asa maha-mpianatra antsika.
Maro dia maro tokoa ny hery, na dia ao anatin'ny fiangonana aza,izay miasa mba hampihena ny fitokisantsika amin'ny Baiboly. Inona avy ny sasantsasany amin'ireo hery ireo, ary ahoana no hiarovantsika tena amin'izay rehetra mety hiteraka fisalasalana eo amin'ny fahefan’ny SM ?
Isa. 55: 8
Raha nijery ny iraka lehibe voalaza tao amin'ny Lioka isika omaly dia hitantsika ny toerana voalohany nomen'i Jesôsy ny SM.ka nampiasainy izany mba hanamafisana izay efa nitranga rehetra. Nampiasainy ihany koa ny SM mba hanomezana ny mpianatra ny iraka ho amin'izao tontolo izao
Araka ny voalazan'i Jesôsy, inona no hafatry ny SM izay natao hoentin'ny mpianatra any amin'izao tontolo izao? Jereo lioka 24 : 45-48. Ahoana no mampifanaraka izany amin'izay hitantsika ao amin'ny lesona Talata ? Ahoana no mampifanaraka izany amin'ny fahatakarantsika ny hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apôk. 14 ?
Miverina indray eto fa ivon'ny antso ho amin'ny fanaovana ny olona rehetra ho mpianatra ny fahafatesan'i Jesôsy sy ny fitsanganany tamin'ny maty, mba ho famelana ny fahotana. Tsy ny zava-miseho manodidina ny fiainany sy ny fahafatesany ihany no notondroin'i Jesôsy fa ny hevitr'ireo zava-miseho ireo mihitsy. Izany no tian'i Jesôsy.hotorin'izy ireo any amin'izao tontolo izao. Ny tena hahatonga ny fanambarany ho mahery vaika koa dia ny nilazany tamin'izy ireo hoe: "Ary hianareo no vavolombelon'izany" (Lio. 24:48); izany hoe ireo zavatra rehetra manodidina ny fahafatesany sy ny fitsanganany.
Ahoana no hanampian'ireto toko sy andininy ireto antsika mba hahatakatra ny hevitry ny fahafatesan'i Kristy ny fitsanganany ? Rôm, 5:6-10; 1 Kôr. 5:7; 15:3,4; Gai. 1:4 ;Efes. 1:7; 1 Pet. 2:22-25
Vavolombelona mahery vaika ihany koa ny fahitana ireo mpianatra. Ny zava-nitranga tao Jerosalema izay raharahan'ny samy Jiosy voalohany indrindra dia nanjary nahakasika izao tontolo izao tao anatin'ny 50 taona. Ny Asa. 1--7 dia mampiseho ny fitomboana tany Jerosalema sy Jodia; ny toko 8-12 kosa dia mampiseho fa nitatra hatrany Samaria, Etiôpia, Siria ary ireo faritra jentilisa sasany ny fanenjehana sy ny hery hafa rehetra. Ny Asa. 13--28 kosa dia mitantara ny niovan'i Saoly avy any Tarsisy fo, ilay mpanenjika niova ho Kristianina ka nitondra izany fivavahana izany hp lavidavitra koko'a hatrany Rôma.
FIANARANA FANAMPINY:
Vak. SD46C, b. 5, tt. 553-560,658-660,881-887,1110; IFM tt 839-888; VM, tt. 11-52; Mat. 28; Mar. 16; Lio. 24; Jao. 21;Asa. 1-2.
"Aoka hatao miavaka tsara sady mora azo ny anton-dresaka mba tsy ho voatohintohina ny fijoroantsika eo anatrehan'Andriamanitra na ny fanomezana omen'Andriamanitra antsika amin'ny alalan'ny fahamendrehantsika zava-boary. Raha toa ka tokony hividy ny fanomezan'ny famonjena ny finoana sy ny asa dia ananan'ny zava-boary trosa izany ny Mpamorona. Manjary ekena ho fahamarinana eto ny fahadisoana. Raha misy olona mendrika ny famonjena noho ny zavatra nataony dia tahaka ny Katôlika ihany izy izay manao asa fivalozana mba hahazoana famelan-keloka. Raha izany dia tsy tena trosa tanteraka ny famonjena fa azo tahaka ny karama. Raha toa àry ka tsy noho ny asa soa nataony no hahazoan'ny olona ny famonjena, dia tsy maintsy amin'ny fahasoavana tanteraka izany, izay raisin'ny mpanota satria mandray sy mino an'i Jesôsy izy. Fanomezana maimaimpoana tanteraka izany. Tsy azo iadian-kevitra ny fanamarinana amin'ny finoana. Mifarana izany ady hevitra rehetra izany vantany vao fantatra fa tsy hanome ny fiainana mandrakizay ny olombelona lavo na oviana na oviana ny famendrehany amin'ny asa soa nataony." — FW, tt. 19,20.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA :
1 - Ahoana no fahazoantsika ny Mar. 16:16 ? Nilaza ve i Jesôsy fa mila hatao batisa ianao mba hovonjena ? Amin'ny fomba ahoana no anomezan’io andininy io ihany ny valin'izany ? Ahoana no fahatakarantsika fiangonana ny hevitra sy ny lanjan'ny batisa ?
2 - Hevero ny fiangonanao eo an-toerana sy ny firotsahany eo amin'ny iraka maneran-tany nomena ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro fahafito, araka Izay omena antsika ao amin'ireo andininy tamin'ity herinandro ity. Inona no anjara asan'ny fiangonanao ? inona no raharaha tanany ? Ahoana no hanampianao ny fiangonanao mba hiditra an-tisehatra misimisy kokoa eo amin'ny fitoriana ny filazantsara amin'ny firenena rehetra, eny, fa na dia amin'ny aialan'ny kilasin'ny Sekoly Sabata aza ?
3 - Nahoana no tena zava-dehibe ho antsika mpianatra tokoa ny mahatakatra ny filazantsara vao afaka ho tonga vavolombelona mmahomby ho an'i Jesôsy? Ahoana no fahazoantsika ny atao hoe filazantsara ? Soraty anaty andalan-teny iray izany ka ento eo amin'ny kilasy ary miomàna hizara izany aminy. Inona no fomba fijery voarainao avy amin'io tenin'i EGW etsy ambony io ?
4 - Inona ihany koa no mbola azon'ny fiangonanao eo an-toerana atao mba hanampiana ny mahantra sy ny malahelo eo amin'ny faritra misy anao ? Inona no karazam-panoloran-tena ataon'ny fiangonanao eo amin'io lafiny lehibe manambara ny maha-mpianatra io ?