Telovolana 1 : Famille terrestre et famille spirituelle
Lesona faha 13 : Endrika samihafa maneho ny atao hoe mpianatra
Daty : 22-03-2008 hatr@ 28-03-2008. Toko dinihina : Mat. 14:14; 15:32; 20:34; Mar. 1:41; Lio. 6:12,13; 16:19-31; 17:4,5;.18:9-14;Kôl. 1:14; 1 Tim. 5:16.Tsianjery : "Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana" Mat. 10:8
FAMPIDIRANA:
Nandritra ity telovolana ity dia mpampianatra nanangona mpianatra no nijerentsika an'i Jesôsy. Nojerentsika ireo nifidy ny hanaraka Azy, ny fanofanana nomeny, ny fitondran-tena nasehony ho môdely ary ny hafatrafatra nomeny. Avy Taminy no efa nanomezana antsika izay rehetra ilaintsika mba ho tonga mpianatra.
Mamerina ireo hevi-dehibe sasantsasany izay nisongadina tamin'ny ny fianarana nandritra ny telovolana ity herinandro ity. Miezaka ny hanantitrantitra ny sasantsasany amin'ireo toetra sy lohahevitra ary fampiharan'i Jesôsy izay mety ho nisy fiantraikany tsara teo amin'ny mpianatra - kasinga tsy maintsy mamaritra ny fototra iorenan'ny asa maha-mpianatra antsika ihany koa. Farany, ny tanjona dia ny mitady fampiharana izay afaka hanome ireo endrika maha-mpïanatra amin'izao taonjato fahiraika amby roapolo izao.
INDRAY MITOPY MASO :
Inona no anjara asa tokony hotanan'ny fangoraham-po sy ny famelan-keloka eo amin'ny fiainana sy ny asan'ny mpianatra? Inona no ohatra navelan'i Jesôsy ho antsika mikasika ny fomba tokony handraisantsika ny voailikiliky ny fiarahamonina ary ireo tsy mitovy fiaviana amintsika? Manao ahoana ny fahalehibiazan'ny fiangonana eo amin'ny asa maha-mpianatra? Inona no azontsika ianarana avy amin'i Jesôsy mikasika ny vavaka izay ivon'ny zava-drehetra?
SALAMO 71:14.15
Rehefa tety an-tany i Jesôsy dia nampiseho fangoraham-po, izay adika indraindray amin'ny hoe honena (jereo Mat. 14:14. 15:32; 20:34; Mar. 1:41; 6:34; Lio. 7:13). Amin'ny fiteny grika, ny teny tena fampiasa matetika handikana ny hoe "fangoraham-po" na ny "ahtra" dia maneho ny olona izay voaentana lalina dia lalina tokoa any anatiny any. Raha isika olombelona lavo aza, manana fo mafy sy feno fitiavan-tena, no mangoraka sy mihantra ny hafa, tsy mainka ve fa ny Zanak'Andriamanitra tsy misy tsiny no hangorakoraka lalina noho ny fahitana ny fahorian'ny olombelona?
Jereo ireo toko sy andininy voalaza etsy ambony ireo. Inona no nanehoanï Jesôsy fangoraham-po eo? Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fangoraham-po toy izany ho antsika mpianatra?
Ankoatra ny fangoraham-po, dia nampiseho famelan-keloka ihany koa i Jesôsy. Imbetsaka tokoa ny mpianatra no nahita an'i- Jesôsy namela ny heloky ny olona maro dia maro. Hitany ny nitondrany an'i Simôna boka teo aloha izay nanad tsinontsinona an'i Maria (Lio: 7:36-50). Hitan'ny mpianatra ihany koa ny famelan-keloka farany nataony tao amin'ny vavaka ho an'ny fahavalony rehefa nohbmboana teo amin'ny hjazo fijaliana Izy (Lio. 23:34). Tamin'ny fomba manokana ihany koa no nanaèdraman'i Pétera ny famelan-kelok'i Jesôsy. Rehefa nosamborina i Jesôsy dia nilaozany katasa handositra izy. Rehefa notsaraina ihany koa i Jesôsy dià intelo no nandavany ho tsy nahalala Azy, Namela azy anefa i Jesôsy ka nandray azy indray teo anatrehan'ireo mpianatra namany (Jao'. 21:9-17).
Inona no tokony ho anjara asan'ny famelan-keloka eo amin'ny fanandramantsika mpianatra sy eo amin'ny fitaomana ny hafa ho tonga mpianatra ihany koa? Jereo Lio. 17:3-5; Efes, 1:7; 4:32; Kôl. 1:14.
Andriamanitrâ be fangorahana ny Andriamanitsika, ary vokatra iray avy amin'izany fangorahana izany ny nisafidianany hamonjy antsika amin'ny fahotana, hamela izay mety ho nitarika antsika amin'ny fahaverezana mandrakizay. Tena zava-dehibe ho antsika mpianatra tokoa ny fananana mandrakariva io fangoraham-po sy famelan-keloka io; misy rahateo ve moa ny antony hafa tsaratsara kokoa izay manosika antsika hitaona ny hafa sy hikolokoloana ny ara-panahiny mihoatra noho izany?
FIL 3:8
Teo amin'ny fiarahamonina nanjakan'ny saranga maro samihafa no niasan'i Jesôsy sy nanofanany ny mpianany. Nisy ny elanelana teo amin'ny lehilahy sy ny vehivavy, ny antanan-tohotra ara-pivavahana sy ny olon-tsotra, ny mpanan-karena sy ny mahantra, ary ny Fariseo sy ny sarambaben'olona. Tao an-tokantrano no toeran'ny vehivavy sady amin'ny ampahany vitsivitsy ihany.
Vak. Lio. 16:19-31. Inona no hafatra voambara eto mikasika ny fahasamihafana ara-tsaranga? Inona no azontsika ianarana amin'io fanoharana io mikasika ny fomba fijerin'ny Tompo ny foto-pisainana sy ny asan'ny rafitra manan-karena?
Vak, Lio. 18:9-14 ka ireo fanontaniana ireo ihany no valio, ary koa izay mikasika ny fomba fijerin'ny Tompo ny foto-pisainana sy ny asan'ny rafitrà ara-pivavahana.
Tsy hoe nanaraka ny toe-java-nisy tsy akory i Jesôsy na nanohana. ampahibemaso izany satria hitany mazava tsara ireo olana rehetra nitranga avy lamirïizany. Naleony kosa anefa nifanerasera an-karihary, nampiahatra ary nanohona ireo olona izay nailikiliky ny fiarahamonina. Hitantsika ao amin'ny Filazantsara ireo karazan'olona niarahan'i Jesôsy niasa-sy niasany. Marina aloha fa nataony koa izay hifampikasohana tamin'ireo sarangàn'olona ambonimbony kokoa,saingy niasa tamin'ny Jentilisa koa Izy nandritra izany, ireny vehivavy tsy tsara fitondran-tena ireny, ny boka, ny sarambaben'olona, ny demôniaka, ny Rômanina, ny manan-kilema ara-bàtapa, ny jamba, ny mahantra, ireo rehetra heverina ho voailikiliky ny fiarahamonina sy ny antoko misy azy.
Raha heverina ny antony nahatongavanyteto amin'izao tontolo izao: ho faty ho an'ny otan'ny tafanak'olombelona rehetra dia vao mainka mitombina kokoa ny hoe: niasa ho an'izay rehetra nila izany Izy fony tety.
Inona no foto-pisainanao eo anatrehan'ireo olona voailikiliky ny fiarahamonina misy anao? Ahoana no fihetsiky ny fiangonanao eo anatrehan' izy ireo? Ahoana no ahafantaranao raha tena liana amin'izy ireo marina ianao, na raha toa ka ireo lafiny ratsy ampoizina ihany no hambaranao?
2TIM 2:19
Hitantsika omaly ny tomba niasan'i Jesôsy tamin'ireo voahitsakitsaka sy voailikiliky ny flarahamonina, Anio isika dia hifantoka misimisy kokoa amin'izany, saingy hotsindriantsika misimisy kokoa ny mikasika ny fahasamihafana eo amin'ny firenena sy ny ara-poko.
Zava-misy nahazatra teo amin'ny tontolo fahiny ny hatanam-po mihoapampana mikasika ny fitiavana ny foko na ny firenena niaviana. Sokajin'olona maro samy hafa no mihevitra ny tenany ho ambony noho ireo manodidina azy, Ny Grika fahiny ohatra dia mihevitra ny tsy Grika ho barbarianina (olon-dia). Hitantsika manerana ny asasoratra fahiny io karazana hafanam-po mihoapampana io. Nampàlahelo anefa fa tratran'io karazana foto-pisàinana io koa ireo mpiara-beloria tarninï Jesôsy, na ambony toy inona azà ny fandalàny ny fivavahany.
Vak. Eks. 12:38; 18:1; Nom. 12:1; Rota 1:16,17; ary Mat. 23:15. Inona no tokony hambaran'ireo andininy ireo amintsika mikasika ny fahasamihafana ara-poko izay nandrafitra ny firenena Isiraely?
Tsy mba firazanana tokana tsy nifangarongaro tamin'ny hafa ny Isiraely tamin'ny niandohany. Ny foto-kevitra mikasika izany karazam-pirazanana izany dia foto-kevitra môderina, nipoitra avy tamin'ny firehan-kevitra mikasika ny fivoaran'ny tàny sy ny olombeloria. Nataon'Andriamanitra ho "iray ihany" (Asa. 17:26) ny taranak'olombelona rehetra; samy taranak'i Adama sy Eva izay ray aman-drenintsika voalbhany isika rehetra. Ary amin'ny ' alalan'ny finoana an'i Jesôsy dia tonga "zanak'Andriamanitra" (Jao. 1:12) avokoa isika, na inona volon-koditra na inona, foko niaviana, firazanana na antokom-
pivavahana.
Tokony hotsindriana tsara ity foto-kevitra ity: Ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana ho an'ny taranak'olombelona rehetra dia tokony ho efa ampy hanaisotra ny fiheverana ho ambony ara-poko' sy ara-pirenena rehetra eo amin'ny mpianatra. Ambonirïizahy, tokony hamongotra izay mety ho hafanam-po diso toerana eo amin'ny fitiavana ny sokajy mi sy ny tena izany. Mitovy avokoa isika eo anatrehan'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana, izay nilanja ny fahotan'ny olona rehetra, Mihoatra ny olona rehetra eo amin'izao tontolo izao, ny mpianatr'i Kristy, ireo mpanara-dia Azy, dia tokony no afaka amin'ny karazana fifanolanana misy eo amin'ny hevitra mibahanâ mialoha sy ny resaka foko izay toa miroborobo tokoa eo amin'ny kolontsaina sy ny fiarahamonina rehetra. Amin'ny farany dia sokajin'olona roa ihany no misy: ny voavonjy sy ny very. Ary izay voavonjy dia tokony ho sahirana mivezivezy eny manodidina rehetra eny, tahaka ny nataon'ilay Mpampianatra antsika; miezaka mitady ny very sy hitondra azy ho eo amin'ny zavatra tokana izay maha-samy hafa antsika aminy, dia ny teny fikasan'ny famonjena efa notakintsika ho antsika.
Hatraiza no fetra efa nahavoakasika anao raha ireo hevitra mibahanâ mialoha sy ny hafanam-po diso toerana izay manjaka eo amin'ny fiarahamonina misy anao no resahina?
AMÔ 8:11
Araka ny efa hitantsika nandritra ity telovolana ity, dia miantso antsika Andriamanitra mba ho tonga mpianatra hanao zavatra maro: hitory ny filazantsara, hikarakara ny voailikiiiky ny fiarahamonina sy ny mahantra, hitaona ny olona ho mpianatra sy ny sisa sy ny sisa. Ary tokony hitranga eo amin'ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao izany. Izao no fanontaniana mipetraka: Ahoana no tokony hanaovantsika izany?
Ahoana no hanampian'ireto toko sy andininy ireto antsika hamaly io fanontaniana eo ambony io? Asa. 20:28; 1 Kôr. 12:14-22; Efes. 4:11-13; Kôl. 1:17,18.
Tena mpampianatra nanangona ny mpianany tokoa i Jesôsy. Nampiasainy avokoa ny tomba rehetra hiantsoana, hanofanana, hanabeazana ary hamahanana ny mpianatra. Tsy mba nisy fanahy nila Azy ka navelany tamin'izao. Ivon'ny asany ny fanofanana mpianatra.
Inoantsika sy hamafisintsika fa tahaka ny maha-ivon'ny asan'i Jesôsy ny fitaomana ny mpianatra, fampianarana, fanofanana ary famahanana, dia toy izany koa no maha-ivo azy ireo eo amin'ny asan'ny fiangonan'ny taonjato fahiraika amby roapolo rehetra.
Tsy misy mahavita izany samirery anefa. Izany no antom-pisian'ny fiango'nana. Ary na irany aza dia tsy voafetra ho an'ny pastora .ihany, na ny mpampianatra Baiboiy, na ny loholona; na ny diakona na ireo mpiasan'ny fiangonana hafa ny asa. Asan'ny iT:ambra tsirairay avy izany; nataon'i Jesôsy ho an'ny mpianatra rehetra ny asa. Ny tenin'i Kristy manao hoe: "mandehana hianareo" (Mat. 28:19) diamidika fa ao anatin'izany ianao. ,
Mety halailay fonosanâ ihany ny mambra. sasany amin'io baiko io satria tsy ampy fanofanana izy. Rehefa niantso ny mpânaratp hb tonga mpianany anefa i Jesôsy dia tsy voahofana ho amin'izany izy ireo. Tsy maintsy nofanina àry izy. Toy izany koa, ny fiangonana rehetra dia tsy maintsy mandray fepetra eo amin'ny fanofanana:ny mambra.tsirairay avy. Tokony hatao ahaty kilasim-pihofanana ho" mpianatra ny mambra vaovao rehetra mba hovoafahana ihany koa. Tokony hatsangana ihany koa ny kilasin'ireo efa mahana traikefa ka ny mpianatra voahofana rehetra dia tokony hiainga hanao ny asan'ny Mpampianatra.
Talohan'ny nandaozany azy ireo i Jesôsy dia nanome baiko ny mpianany mba "handeha sy hanao ny firenena rehetra ho mpianatra" (Mat. 28:19). Tsy. miovaio baiko io. Tsy maintsy mbola hotôrina amin'izao tontolo izao mandra-piavin'ny andro farany izany filazantsaran'ny fanjakana izany (Mat. 24:14). Tsy misy iraka hafa hanao ny asa ankoatra ny fiangonan'i Jesôsy .raha tsy izany dia ny vatolampy no hasainy hiantsoantso hamita ny asa.
Manao ahoana ny firotsahanao an-tsehatra eo amin'ny asa niantsoan'i Jesôsy antsika rehetra mba hatao? Sa mbola sahirana manao ny raharahanao ianao? Rahoviana ianao no hanova ny fonao izay fantatrao fa tokony ho efa ela tokoa no nataonao?
HEB 13:2
Vakio ity tenin'i EGW manaraka ity. Inona no fitsipika azonao tsoahina ao ka mahasoa antsika?
"Rehefa nanao ny asany tety an-tany llay Mpanjakan'ny lanitra dia nivavaka mafy tamin'ny Rainy tokoa Izy. Mazàna Izy no nandohalika nandritra ny alina mba hivavaka (...) Ny Tendrombohitra Olïva no toerana nofidin'ny Zanak'Andriamanitra hanaovana izany. Matetika dia matetika tokoa, rehefa nandâo Azy ny vahoaka maro dia maro mba hatory amin'ny alina, dia tsy mba niata sasatra Izy, na dia trotraky ny asa mafy nandritra ny andrd aza (...) Raha iny ao anatin'ny fahanginana lalina iny ny tanàna ary ny mpianatra nody tany an-trànony mba handray hery vaovao avy amin'ny torimaso, i Jesôsy kosa tsy mba natory. Niakatra nankany amin-dRairiy avy teo an-
Tendrombohitra Oliva ny fivavahany ho an'ny mpianany mba hahavoaaro azy, ireo amin'ny fitaoman-dratsy manjo azy isan'andro eo amin'izao tontolo izao, ary koa mba hahazo hery sy tanjaka ny Fanahiny eo anatrehan'ireo adidy sy fitsapana maro hanjo Azy ny ampitso." — GAG, 1.167.
Vakio ireto toko sy andininy ireto. Inona avy ny toe-javatra izay nitarika ho amin'ireo vavaka ireo? Inona no ampianariny antsika mpianatr'i Kristy, mikasika ny vavaka sy ny maha-ivo azy eo amin'ny asantsika nanirahana antsika? Lio. 5:15,16: Lio. 6:12.13; lia. 9:28-31,
Raha i Jesôsy, Andriamanitra tonga nofo aza, niankina betsaka tamin'ny vavaka mba hahomby, fony teto an-tany, tsy mainka va fa isika oiombelona mpanota izay tena mila izany mba hahomby eo amin'ny asa maha-mpianatra? Manao ahoana ny fahafaham-ponao amin'ny fiainam-bavakao? Inona no antom-bavakao? Fotoana manao ahoana no lanianao amin'ny vavaka? Inona no fiovana ilainao hatao eo amin'ny fiainam-bavakao?
MAT 13:23
Vakio:. SDABC, b. 5, tt. 345-348,553-560,658-660,881-887,1110; IFM, tt. 379-384,395-397,440,451-453,739-745; Ed, tt. 693
Indreto misy zavatra vitsivitsy azon'ny fiangonaha atao eo amin'ny lafiny maha-mpianatra:
1. Manao ny fitaomana mpianatra ho tanjona voalohany indrindra.
2. Mametraka drafitra sy fomba fiasa hahazoana manatanteraka ny asa.
3. Manofana mpitarika ho an'ny tetik'asa tsirairay avy.
4. Mâneritana ny mambra rehetra hirotsaka an-tsehatra ho tonga mpianatra
5. Mametraka fandaharam-potoana hanofanana mpianatra.
6. Mamantatra mazava tsara ireo karazan'olona monina manodidina ny fiangonana ary ny zavatra ilainy.
7. Mametraka fandaharan'asa izay handravana ny sakana rehetra, ary avy eo hanomezana izay ilain'ny fiarahamonina manodidina ny fiangonana sy hanefena fifandraisana aminy.
8. Mametraka fandaharan'asa hampiasana ny fahaizan'ireo vao niova fo, hahatamana azy ao amin'ny fiangonana eo an-toerana, ary hahatonga ny fanoloran-tenany ho an'i Kristy ho lalindalina kokoa.
Mametraka fandaharan'asa izay hanampy ny mambra, indrindra indrindra fa ireo vao niova fo, eo amin'ny fahafantarana sy ny fampandrosoana ary ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana ananany.
9. Manao izay hisian'ny fandaharan'asa mifanarâka tsara amin'ny fitaomana mpianatra sy ny famahanana azy.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra
1. Diniho tsara amim-pivavahana ireo dingana voatanisa eo ambony ireo. Inona no mety hanampianao na hanatsaranao an'ireo ka hampahomby ny fïangonana tokoa eo amin'ny fitaomana ny olona ho tonga mpianatra? Inona no azonao atao mba hahatonga ireo dingana ireosy ny hafa mito-vy aminy ho voatohana eo amin'ny sehatry ny fïangonana misy anao?
2. Fotoana manao ahoana no laninao amin'ny fivavahana ho an'ny asam-piangonana iray manontolo? Mivonona hanokana fotoana misimisy kokoa isarîandro mba hivavahana ho an'ny asa maneran-tany. Inona moa no mety ho lafy ratsiny raha toa ka mba manokana fotoana. ny kilasy mandritra ny Sekoly Sabata mba hivavahana ho an'ny asan'ny fïangonana maneran-tany?
3. Ahoana no hanampiantsika ny mpitandrina sy ny laika mba hahatakatra bebe kokoa fa ny asa maha-mpianatfa dia asan'ny mambra tsirairay avy eo amin'ny fïangonana? Ahoana no hanampianao ny fiangonana eo amin'ny fampiasana amin'ny tomba tsaratsara kokoa ny fanomezam-pahasoavana sy ny taientan'ny mambra? Inona avy ireo karazan-javatra izay mety hisakana ny firotsahan'ny laika an-tsehatra eo amin'ny asa maha-mpianatra sy vavolombelona?
NY TENIN’ ANDRIAMANITRA
Ny Tenin 'Andriamanitra tsy inona fa ny Baiboly |
Izy no ilay Sabatra, izay enti-mandresy ny devoly
Teny Masina,, tsy mba olona no namorona.
Ilay bokin'ny fiainana, ilay boky mena morona*.
Teny Fiainana mitory fiadanana
Hita ao avokoa ny fepetra iakarana
Boky tsy manam-paharoa, tena saro-bidy
Ao amin'ny Eksôdôsy, milahatra ny Didy.
|Dia ireo Didy Folo izay nomena tao Sinay
Mba hotarafina ny toetra, ho any amin'ny mandrakizay
Ka ny Tenin'Andriamanitra, diniho ka fantaro
Ny lesona sekoly Sabata, aza hadino sy ianaro.
Ny Tenin'Andriamanitra mahatanteraka Fitiavana
Ka ankafîzo sy ianaro, mba lazao koa ny havana
Ny Baiboly no teny Fiainana, ka tsy azo hovana
Izay jiro hanazava mba hidirana ao Kanàna.
Ka ny hafatra omena, alohan'ny hamaranana ;
Ny zavatry ny tany, tsy ho ela hofaranana
Ka ireo toetra tsy mahomby izay mila hisakan-dalana .
Voatsindrona amin'ny Teny, raha ataonao loha laharana
* morona = sisiny
Rafalimaro Lovanekena Sermon,
Fiangonana Advantista Bealanana I
Distrika Bealanana - SOFIA