Telovolana 2 : Ttre du trimestre 2 2006

Lesona faha 1 : IZA MOA JESOSY

Daty : 29-03-2008 hatr@ 04-04-2008. Toko dinihina : Mat. 16:13-16; Jao. 20:2&-28; 1 Kôr. 1:18-27;15:3-7.

Tsianjery : Ary rehefa tonga tany amin'ny fari-tanin'i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny zanak'olona? Mat. 16:13

Sabotsy 29-03-2008 : Fampidirana

Nisy ny resaka sy ny adihevitra mikasika an'i Jesôsy hatramin'ireo andro voalohany nanombohany ny asany. Mahaliana tokoa fa mbola mitohy mandraka androany izany adihevitra izany. Teo amin'ireo mpiara-belona taminy sy mpiray tanàna taminy no nipoiran'izany voalohany. "Avy taiza re
no  nahazoan'ilehity izany fahendrena  sy asa lehibe izany? Tsy  Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra?  Tsy MIaria va no anaran'ny  reniny? (......)"
  Mat. 13:54,55.
Izany angamba no antsoina hoe: Razanamaningana: Ekena àry fa tsy maintsy avy tany an-toeran-kafa tany ny Mesia, saingy toerana tsy dia mahazatra antsika loatra, sady izay indray azo antoka fa tsy avy tamin'ny fianakaviana tahaka antsika rehetra izao! Na amin'ny endriny manao ahoana na manao ahoana dia io ahiahy fototra nasehon'ireo mpiray vohitra taminy mikasika ny maha-Izy Azy io ihany koa no mbola mandrafitra ny adihevitra mikasika an'i Jesôsy nandritra ny taonjato rehetra, ka vao mainka nampitombo ny zava-miafina mikasika Azy.
Fa iza marina tokoa moa i Jesôsy? Nahoana Izy no nafangaro tamin'ireo olo-manan-kaja jiosy hafa izay nisongadina? Inona avy ireo fihaikana ny amin'ny fahamarinana sy ny maha-Izy an'i Jesôsy teo-amin'ireo taonjato taorian'ny vanim-potoan'ny TV? Nanao ahoana ny faharesan-dahatr'ireo mpanoratra ny Baiboly mikasika ny maha-izy Azy, ary inona no antony? Ireo no fanontaniana hovaliantsika ao amin'ny lesona mandritra ity herinandro voalohany ity.

Alahady 30-03-2008 : Tsy i jaona mpanao batisa

Nitranga matetitetika nandritra ny asan'i Jesôsy teo anivon'ny vahoaka ilay fanontaniana napetrak'ireo mpiara-monina taminy (Mat. 13:54,55), ary tamin'ny fomba maro samy hafa no nisehoan'izany rehefa nifanena tamin'ireo olona avy tany amin'ny faritra maro samy hafa tao Palestinina Izy. Noho izany àry rehefa tonga teo amin'ny faritr'i Kaisaria-filipo niaraka tamin'ny mpianany i Jesôsy, enim-bolana na mahery kely talohan'ny fifaranan'ny fiainany teto antany, dia tsapany fa ilaina ny hisarika ny sain'izy ireo ho amin'ilay fanontaniana goavana manao hoe "Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona?" (Mat.16:13)  

Vakio ny valin-tenin'ny mpianatra ao amin'ny Matio 16:14. Inona no ambaran'izany mikasika ny fifankazarany amin'ireo fanontaniana arateôlojia tamin'izany andro izany? Inona no heverinao fa antony nahatonga an'i Jesôsy hametraka io fanontaniana io taminy, tamin'izany fotoana manokana izany?

Angamba ny fitaterana izay zavatra lazain'ny olona mikasika an'i Jesôsy dia ahitana tantra ny fanandraman'ny isam-batan'olona na ny antokon'olona ny asan'i Jesôsy teo amin'ny tontolony. Ahoana no nahatonga ny sasany hihevitra fa mety ho i Jaona Mpanao Batisa i Jesôsy kanefa dia teraka tamin'ny vaninandro iray ihany izy mirahalahy ireo? Inona teo amin'ny toetry ny asan'i Jesôsy ihany koa no mety ho nitovy tamin'ny an'i Jaona Mpanao Batisa?

Hevero ireto andininy manaraka ireto mba hanampiana anao hamaly ireofanontaniana ireo: Mat 3:1-3: 4:12.13,17: 14:1,2: Mar, 1:1-5.

Amin'izao fotoana izao mazava loatra dia mety tsy ho tonga velively ao an-tsaintsika ny hampifangaro an'i Jesôsy sy i Jaona Mpanao Batisa. Tsy mahagaga ihany anefa raha toa ka nisy izany fampifangaroana izany noho ny tsy fisian'ny seraseram-bahoaka tamin'ny taonjato, voalohany ary koa ny fihelezan'ny vaovao diso sy ny tsaho be loatra. Na izany na tsy izany, nifanindran-dalana ihany koa ny asan'i Jaona sy Jesôsy araka ny asehon'ireo andalan-teny eo ambony ireo. Ireo izay tena nifanena tamin'i Jaona Mpanao Batisa kosa anefa dia tokony ho nahazo antoka tsara ny fahasamihafan'izy ireo, (Mat, 3:11, 12,- Mar, 1:6-8)

 Mora ny manao jery todika ny fahadisoana vitan'ny hafa sy ny mametrapanontaniana ny amin'ny fomba nahavitany izany. Inona no lesona azontsika ianarana avy amin'ny fandinihana izany fahadisoana izany ka hahatonga antsika ho voaaro amin'ny fanaovana karazam-pahadisoana toy izany? 

Alatsinainy 31-03-2008 : Tsy i elia na i jeremia na mpaminany hafa

Vakio indray ny Mat. 16:14. Zavatra iray ny fampifangaroan'ny olona an'i Jesôsy sy i Jaona Mpanao Batisa. Ary ahoana indray ny amin'ny hoe Elia Izy, na Jeremia, na mpaminanin'ny TT? Avy taiza ireo fiheverana ireo?
I Elia dia ilay mpaminany tsy mba nanan-tahotra teo anatrehan'ny lazan'ny Tendrombohitra Karmela, forohana iray izay nanam-pahasahiana goavana hiaika ny mpanjakan'ny Isiraely mafy hatoka sy ny vadiny ratsy fanahy izy. Izy no hany nijoro hanohitra ny fivavahana nafangaro teo amin'ny fanjakan'i Ahàba izay tena ferro faharatsiana tokoa (jereo 1 Mpanj. 18).
I Jeremia indray ("ilay mpaminany velon-taraina"), dia nandritra ireo fotoana nisian'ny fisavorovoroana sy fotoan-tsarotra mahery vaika teo amin'ny fireneny no nisehoany. Hafatra izay tokony ho noraisin'ireo mpiray firenena taminy tsara tokoa noho ny toe-draharaha nisy tao aminy no nampitainy, kinanjo van mainka nasiana mafy tamin'izany izy (Jer. 20:1,2,7,8).
Raha ny amin'ireo mpaminanin'Andriamanitra hafa mahatoky ao amin'ny TT indray, dia toa foto-kevitra tian'i Jesôsy hasongadina ny hoe: "Ka dia miampanga tena hianareo fa zanak'izay namono ny mpaminany -Mat. 23:31, rehefa nanao teny mahery vaika tamin'ny Fariseo sy ny Mpanoradalàna Izy noho ny fitondran'izy ireo ireo mahery fon'Andriamanitra.

Inona no zava-dehibe hitanao eo amin'ny fanaovan'ireo rnpiara-belona tamin'i Jesôsy Azy ho anisan'ireo olo-manan-kaja miavaka?

Mazava fa fandokafana lehibe tokoa ny fanaovana an'i Jesôsy ho iray amin'ireo olona voalazan'i Petera ao amin'ny Mat. 16:14, Olo-manga arapanahy izy ireo ary nisy akony lalina teo amin'ny fiaraha-monina jiosy ny toetra mendrika nananany. Ny fanoharana toy izany anefa na dia toa misy fiderana aza (araka ny efa fantatsika) dia tsy mitombina velively. Raha niteny,ohatra, i Jeremia fa izy no fahazavan'izao tontolo izao, dia ho nanao azy ho very saina ny tantara. Ary na dia niezinezina koa aza ny fandresena teo antendrombohitra Karmela, raha toa ka nihemotra teo anatrehan'ny fandrahonana tahaka ny nataon'ilay mahery fon'i Karmela i Jesôsy dia tsy hiantoraka eo an-tongony amim-pahatahorana velively isika amin'izao fotoana izao. Ny fampifangaroana an'i Jesôsy amin'ireo mahery fon'Andriamanitra fahiny, na dia misy fankasitrahana sy manitikitika ny saina aza, dia tsy maneho na dia kely akory aza, ny zava-misy marina voaseho ao amin'ny Filazantsara.
Inona no maha-samy hafa an'i Jesôsy sy ny mpaminany, ary nahoana no zava-dehibe ho antsika tokoa izany fahasamihafana izany? (Jer. Jao. 1:151 17:51: Heb, 1:1-3.)

Talata 01-04-2008 : Mitohy ny famaboana ny fo sy ny saina

Tsy mamolavola hevitra izay tsy ananany fahalalana firy tsy akory ny TV raha ny amin'i Jesôsy no resahina. Ny maha-Zanak'Andriamanitra Azy fotsiny ihany no anehoany an'i Jesôsy. Tsy mamaly ireo ahiahy maro dia maro izay mipetraka eo amin'ireo taranaka mifandimby mikasika ny fisiana sy ny mahaIzy an'i Jesôsy ihany koa izy. Teo amin'ireo fandinihan-kevitra sy adihevitra rehetra anefa dia nisy ny fanekena tsy voarodana ny maha-ivon'ny SM an'i Jesôsy Kristy sy ny maha-Izy Azy fototra.
Nanova izany rehetra izany anefa ilay antsoina hoe Taonjaton'ny Fahazavana (taonjato faha-17 sy 18). Tsy ny SM intsony no fototra niorenan'ny lahateny mikasika an'i Jesôsy tamin'izany. Fomba fiasa sy fotopandinihana vaovao indray izay ampiharina amin'ny fandalinana ireo tahirimpahalalana tranainy no nampiharina tamin'ny Baiboly. Koa satria ny fanadihadiana sy ny tsikera ara-tsaina no nanapaka dia nanjary nolavina ny fisian'ny hery hafa ankoatra ny an'ny olombelona izay fiheverana fototra mikasika ny finoana ara-Baiboly. Nisolo toerana ilay fomba fijery ara-Baiboly nahazatra mikasika ny ilàn'ny taranak'olombelona - lavo ny famonjen'Andriamanitra ny foto-piheverana mandala ny fahaizan'olombelona sy ny fandrosoany (humanisme).
Lasa lavitra tokoa ilay fiovan'ny foto-pisainana ka maro no nihevitra fa rava hatreo ny fivavahana kristianina. Noheverina ho lany andro ny fivavahana kristianina ka ny saina izay mpanampy lehiben'ny teôlôjia no nanjary mpifehy azy sy eken-teny. Vokatr'izany àry dia tsy any amin'llay Jesôsy tantarain'ny Filazantsara, ilay Jesôsin'ny famonjena antsika intsony no ifantohan'ny saina fa any amin'ilay Jesôsy ara-tantara izay heverina ho Ilay Jesôsy tena izy sy tena nisy tokoa, tsy ilàna ny fanampian'ny Filazantsara sy ny fitiavam-bavaka kristianina taty aoriana. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia hoe: azo antoka fa tsy io Jesôsy io, na iza Izy na iza no Mpamonjy izao tontolo izao.


Eo am-pandinihana ireo famelabelarana ireo, dia hevero ireto manaraka ireto: (1) Nino marina ny fahamarinan'ny zavatra nosoratany ireo mpanoratra ny Filazantsara Ger, Lio. - 1:1-4). Inona no ambaran'i Lioka mikasika ny zavatra nosoratany? Nahoana no azontsika itokiana izany? (2) Anisan'ireo vavolombelona nanatri-maso resahin'i Lioka 1 Petera, izay tsy maintsy niatrika olona be fisalasalana sy miros saina Ger. 2 Pet 1:16-21). Na dia foto-kevitra mivelatra kokoa noho ilay mikasika ny maha-Izy an'i Jesôsy aza no resahin'i Petera eto, ahoana no mety hampiasantsika izany fandinihany izany hiarovantsika tena amin'ny zava-dozan'ny Fahazavana izay voaresaka etsy ambony? (3) Mivantana ihany koa ny nanambaran'i Paoly ny amin'i Jesôsy. Ahoana no fomba nanohanany izany? (Jer. 1 Kôr, 1:18-27: 15:3-7).

Alarobia 02-04-2008 : Mitohy ny famaboana ny fo sy ny saina (2)

Ny fifantohana amin'llay Jesôsy ara-tantara dia niorina tamin'ny finoana fa fahalalana hafa no mbola hitantsika ao amin'ny Filazantsara, izay ampy hamerina indray ilay sarin'i Jesôsy amin'ny maha-olo-manga ara-tantara Azy, na dia teo aza ny fidiran'ny fiangonana voalohany an-tsehatra teo amin'ny lafiny ara-teôlôjia (araka ny naroson'ny foto-kevitry ny Fahazavana). Siantifika no fahitan'ireo mpanohana azy ny fomba fandinihany vaovao mikasika an'i Jesôsy, ka noho izany manaraka ny fiovaovan'ny toetrandro.
Nahazo laka hatrany io fironana an-kapobeny io mandra-pahatongan'ny taonjato faha-20, rehefa tonga handrodana ny toe-draharaha iray manontolo ny fanadihadiana vaovao, izay nampiseho fa tsy misy maha-siantifika azy velively io foto-kevitra mikasika Ilay Jesôsy ara-tantara io. Tsy fahombiazana mampalahelo tokoa no anehoan'ny fanadihadiana maro io raharaha tsy miorina afa-tsy amin'ny saina fotsiny ihany io.

Lava sy mahafanina ary sarotra ireo fanadihadiana mikasika ny tantaran'i Jesôsy ka tsy dia ilaintsika loatra ny handany fotoana maharitra amin'izany, afa-tsy ny hahalalantsika ilay antsoina hoe Semineran'i Jesôsy, izay antokona manam-pahaizana taty aoriana nitady fahombiazana fatratra, ary na ireo fikarohana ara-tantara hala teo alohany aza tsy nisy nahomby. Ny tanjony dia ny "'hamonjy an'i Jesôsy amin'ireo manam-pahaizana mpanodindresaka izay nanoratra ny Filazantsara" –(Roy Hoover, in DJ)
Vitsy ihany amin'izao fotoana izao no manao ho zava-dehibe ny momba ireo mpanohana ny Semineran'i Jesôsy. (Na izany na tsy izany, ahoana koa moa no inoanao ny olona izay milaza fa tsy nitsangana tamin'ny maty Jesôsy taorian'ny nahafatesany fa lanin'ny alika?) Ankehitriny ny foto-kevitra kristianina matanjaka dia manao izay hahamafy orina ny fototra aratantaran'ny fivavahana kristianina. Mitoetra ho Tompon'ny taonjato rehetra tsy azo lavina i Jesôsy, na dia teo aza ireo arivo taona roa nisian'ny fitsikerana sy ny adihevitra.


Ao amin'ny anankiray amin'ireo valin-teniny lalina indritra ho an'ireo mpandala fahendrena tsy izy tamin'ny androny i Paoly dia miverina any amin'ilay maha-izy ny fanambarana kristianina manao hoe: "Fa ny teny ny  amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena." - 1 Kôr 1:18. Nahoana no tena zava-dehibe ho antsika ihany koa ny Hazo fijaliana ankehitriny?
Vakio ihany koa ny 1 Kôr. 1:18-27. Inona no hafatra ho antsika avy ao amin'ireo andininy ireo? lnona avy ireo zavatra sasantsasany izay tsy azontsika hazavaina amin'ny "fahendren'izao tontolo izao" (and. 20)? Amin'ny fomba ahoana no efa "nampodian'Andriamanitra ho fahadalana ny fahendren'izao tontolo izao"(and. 20)?

Alakamisy 03-04-2008 : Mesia, zanak'andriamanitra. jao. 17:3


Tsy tolo-kevitra ara-teôlôjia natao hotohanana na hotoherina fotsiny ihany ny hoe Iza moa Jesôsy. Tsia, tsy izany velively no izy saingy ny finoan'ireo marobe tsy voalaza nandritra ny taonjato maro no voaresaka eto. Raha tsy araka izay niheverany Azy mantsy i Jesôsy dia fahadisoan-kevitra sy anganongano fotsiny ihany no nifikiran'izy rehetra ary dia very avokoa izy. Raha toa ka lehilahy iray izay niaina tanty Palestinina roa arivo taona lasa izay fotsiny ihany i Jesôsy, dia tafiditra anaty fitaka mendrika homena tsiny eo amin'ny tantaran'izao tontolo izao ny fiangonana kristianina.


Ahoana no mahatonga ireto toko sy andininy ireto ho tena ivon'izany resaka izany? Mat. 1:22,23; 11:2-6; 22:41-45; Mar. 14:61-64; Jao. 20:26-28.


Tokony ho tahaka ny fihetsiky ny mpianatra rehefa nanatri-maso ny fahagagana tamin'ny nampitsaharana ny tafio-drivotra ihany koa ny fihetsitsika (Mat. 8:23-27): "Lehilahy manao ahoana re Io, fa na ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy!" (and. 27). Tamin'ny alina nisamborana Azy dia nametra-panontaniana nivantana Taminy ny mpisoronabe sady nasainy nianiana Izy: "Ampianianiko amin'Andriamanitra  velona Hianao hilaza aminay raha Hianao no
Kristy Zanak'andriamanitra. Hoy Jesôsy taminy: voalazanao." Mat. 26:63,64. Nanana ny fanontaniany koa ny governora tao amin'ny efîtra fitsaran'i Pilato: "Hianao va no Mpanjakan'ny   Jiosy ? Dia y Jesôsy taminy: voalazana"    Mat. 27:11.
Na ahoana na ahoana dia valin-teny mahagaga avokoa ireo roa ireo. Raha i Jesôsy izay zanaky ny mpandrafitra tsotsotra avy any Nazareta (araka ny iheveran'ny maro Azy) no nanana ny fahasahiana hamaly hoe: eny tamin'ny fanontanian'i Pilato mikasika ny maha-mpanjaka Azy, dia mazava loatra fa ny zava-misy marina izay ambonin'ity tontolo ity no noheveriny. Ary izany koa no hitantsika tao amin'ny valin-teniny momba ny fanontaniana tao amin'ny tranon'ny mpisoronabe: "Hatramin'izao dia ho hitanareo ny  Zanak'olona  mipetraka eo amin'ny tànana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra " - Mat, 26:64.
Milaza mazava araka izany ny Filazantsara (sy ny ambin'ny TV): Ao amin'i Jesôsy no ananantsika ao amin'ny nofontsika ny Zanak'Andriamanitra Velona, Ilay nomena ny alalana hanao ity fanasana miavaka ity: "Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana". -- Mat. 11:28.

Zoma 04-04-2008 : Fianarana fananipiny

Momba ny maha-Izy an'i Jesôsy, vak. "Tsy Ilehity va Ilay Zanaky ny mpandrafitra?" – IFM, tt. 237-245
"Iza ity Jesôsy ity? Hoy  ny fanontaniana. Ilay nitaky ny voninahitry ny Mesia ho an 'ny  tenany  ve tsy zanak'i Josefa mpandrafitra, ary efa naira-niasa taminy? Efa nahita Azy niasa niakatra sy nidina teo amin'ireo havoana ny olona, ary fantany tsara ny fiainany sy ny asany ary ireo rahalahiny sy anabaviny. Nahita ny fitomboany hatramin'ny fahazazany ka hatramin'ny fahatanorany izy, ary hatramin'ny fahatanorany ka hatramin'ny nahalehilahy lehibe Azv- Na dia tsy  nisy pentina aza ny fiainany, dia tsy  te-hino izy fa Izy no Ilay nampanantenaina. — IFM, t. 239.
"Amin-dry  zareo mantsy  dia tsy inona fa   olon-tsorra ihany ny Lehilahy  teraka tao amin'ny  fahantrana sy ny toerana amabany." - t. 241.
"Tsy ho mpampianatra lehibe velively no iheverana ny lehilahy iray izay lehilahy fotsiny ihany izy, ary miteny ireo karazan-javatra nolazain'i Jesôsy. Na adala no iheveran'ny olona azy, na izy mihitsy no Devoly avy any amin'ny helo. Tsy maintsy misafidy ianao eto, Na io lehilahy io tena Zanak'Andriamanitra tokoa; na olona very saina ihany, na zavatra mbola ratsy noho izany aza. Azonao samborina tahaka ny fisambotra adala Izy, na roranao na vonoinao tahaka ny demonia; na ianao hiantoraka eo an-tongony ka hiantso Azy ho Tompo sy Andriamanitra. Andeha anefa hoesorintsika tsy ho ao amintsika ilay fahadalana eo amin'ny fiheverantsika Azy ho olombelona mpampianatra lehibe. Tsy navelany haharitra ela tao amintsika izany, ary tsy noheveriny velively ny hanao izany." — TSA.


FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:


1. Nahoana no mora kokoa ho antsika izay velona  roa arivo taona taty aorian'i Jesôsy ny manaiky Azy ho Mesia, noho ireo izay niara-niaina Taminy? Nahoana no sarotra kokoa tamin'izy ireo izany?


2.    Mety hitohy hatrany hatrany io fisalasalana mikasika an'i Jesôsy io. Aminao, inona no porofo tokana maharesy lahatra indrindra ny amin'ny fananan-kerin'i Jesôsy sy ny fahasoavany mamonjy? Ahoana no hizarànao izany porofo izany amin'ny hafa mba hahatonga azy ireo ho resy lahatra ihany koa?


3. Hitantsika tamin'ity herinandro ity fa natao ho fitaovana hanoherana ny finoana ny fianteherana tamin'ny saina sy ny momba azy araka izay hita teo amin'ireo taonjaton'ny Fahazavana. Inona ihany koa ireo karazana filôzôfia, na firehan-kevitra sasantsasany eo amin'ny kolontsainao ka manohitra ny finoana? Ny tena zava-dehibe indrindra, ahoana no hiatrehanao ireo fihaikana ireo?


4.    Ivereno jerena ao amin'ny kilasy ny 1 Kôr. 1:18-27. Inona no hafatra omen'i Paoly ka tena tsara raha tadidiantsika rehetra?

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006