Tonga eo amin'izay voalazan'ny SM indray isika rehefa avy nijery ny aratantara. Tiantsika ny hahafantatra izay voalazan'ny SM mikasika an'i Jesôsy, izay nisintona ny sain'ny maro tokoa ny fiainany nandritra ny tanonjato maro nifandimby. Eo am-pizahana izany dia tsara raha hazonintsika ao an-tsaina ny resaka manan-danja nifanaovan'i Jesôsy sy ny mpianany tany amin'ny faritanin'i Kaisaria-filipo. Rehefa nandre ny filazan'i Petera Azy ho ny Mesia Zanak'Andriamanitra i Jesôsy dia nampahatsiahiviny azy fa tsy avy amin'ny fahalalan'ny olombelona izany fa "ny Raiko Izay any an-danitra" - Mat. 16:17, no naneho azy taminy. (Jereo Mat. 16:13-17 sy 11:25-27). Ny fahendren'ny "nofo aman-drà"- Mat. 16:17, izay an'olombelona ihany tsy misy manampy dia tsy mahavita na inona na inona eo anatrehan'ny zava-miafin'ny tantara izay ambony indrindra.
Ny finoana an'i Jesôsy ho ny Mesia Zanak'Andriamanitra dia milaza marina, saingy tsy amin'ny fomba mivantana, fa tsy avy tao an-kibon'i Maria no niandohany. Izany dia fanehoana marina ny fahasamihany lehibe amin'ny taranak'olombelona hafa rehetra, na dia manam-pitoviana betsaka amintsika ihany aza Izy amin'ny lafiny maro. Raha fintinina izany dia finoana fa efa nisy talohan'ny nisiany teto an-tany Izy; izany hoe efa nisy hatry ny taloha Izy. Izy no "endrik'Andriamanitra tsy hita, "tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra '" - Kôl. 1:15, 16. "Ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra. - - and. 17.
Nahoana no tokony hahaliana antsika ny fisian'i Kristy hatry ny taloha? Inona no idiran'izany amin'ny famonjena? Inona no anampian'ny Heb. 1:1-4 sy ny Kôl. 1:15-20 hamaly izany fanontaniana izany?
Ho antsika rehetra dia tamin'ny niterahana antsika no niantombohan'ny fisiantsika (na araka ny hamafisin'ny sasany dia nanomboka tamin'ny nanorotoroana antsika izany). Tsy mba toy izany i Kristy. Tsy tao an-kibon'i Maria no niantombohan'ny fisiany. Efa nisy talohan'izany Izy, ary hisy mandrakizay. Izany no tiantsika hambara amin'ny hoe fisiana hatry ny taloha. Efa nisy talohan'ny zavatra rehetra Izy.
Ahoana no anambaran'ireto andininy ireto mikasika ny efa fisian'i Kristy hatry ny taloha? Isa. 9:6; Mika 5:1 (ampitahao amin'ny Mat. 2:1-6).
Tsy mora ny mandika ny teny hoe mosa'ah: ("fipoirana" - dkt KJV; "fiandohana" - dkt RSV) ao amin'ny Mika 5:1. Ilay tapany manaraka amin'ny andininy kosa anefa dia milaza mazava ny amin'ny efa fisian'llay Mparfapaka ho avy, ary tsy izay ihany fa ny fisiany efa hatry ny fahagola "avy amin'ny mandrakizay". (Jereo ny SDA BC, b. 4,1.1025.)
Ny Isa. 9:6 dia mampianatra ny efa fisian'io Olona manokana io hatry ny fahagola izay tsy maintsy ho avy eto amin'izao tontolo izao Fiantsoana hafa amin'ireo hafa rehetra no iantsoana Azy, "Andriamanitra mahery, Rain 'ny mandrakizay. " Vao mainka aza zava-dehibe ny fahatsiarovantsika fa ny faminaniana dia natao ho an'antokon'olona tsy manana afa-tsy Andriamanitra tokana; ary ny nanondroan'i Isaià an'io Zanaka io ho "Andriamanitra Maheiy. Rain'ny mandrakizay" dia zava-mahatalanjona sy fanambarana avy tamin'Andriamanitra izay nanova ny fomba fisainana efa nahazatra ny mpaminaïry. Ny Zanaka ihany hoe no Ray, "Rain'ny mandrakizay"? Ilàna finoana velona tokoa izany!
Inona ihany koa ireo toetra hafa mikasika ny zavatra inoantsika, izay mifanohitra amin'ireo fenitra sy fomba amam-panao ary fisainana eken'ny be sy ny maro kanefa tsy maintsy ilàna ny finoantsika amin'ny fomba tsy misy fepetra? Mahadiso ve ny tsy maintsy hanaovana izany ?
Manome porofo hafa ny TV izay milaza ny efa fisian'i Jesôsy taloha. Mety ho avy tamin'ny vavan'i Jesôsy angamba no nivoahan'ireo sasantsasany izay mahaliana indrindra, dia ireo zavatra izay anambaran'ny Tenany ihany ny efa fisiany taloha.
Filazana mivantana sy tsy mivantana no hitantsika mikasika ny tena fahafantaran'i Jesôsy ny tantarany. Ohatra iray mampiseho ny filazana tsy mivantana ataony momba izany izay voalazany ao amin'ny Lio. 19:10 fa "efa tonga ny Zanak 'olona hitady sy hamonjy ny veiy. " Raha misy olona iray ohatra milaza hoe: "Hiasa ao amin'ny Kaominina no nahatongavako tany Londres", midika izany fa tany an-toeran-kafa izy teo aloha. Ny olona izay efa nipetraka fotoana naharitraritra tao Londres dia tsy hampiasa ireo teny ireo. Fantatra avy tamin'ny tenin'i Jesôsy tao amin' ny vavaka nataony talohan'ny fotoana hanomboana Azy àry ny fanambarana mazava nataony rehefa nangataka tamin'ny Ray Izy mba hankalaza Azy "amin'ny voninahitra niarahako nanana taminao. fonv tsv mbola arv izao tontolo izao." -Jao. 17:5.
Ahoana no anambaran'ireto andininy ireto mikasika ny efa fisian'i Kristy hatry ny taloha sy ny fahafantarany tsara izany koa? Jao. 3:13; 8:23; 8:58, 59; 17:8,24.
"Fony tsy mbola ary Abrahama. dia Izy Aho" - Jao. 8:58. Ny hoe "Izy, Aho" ao amin'io andininy io sy any amin'ny hafa dia milaza faharetana mandrakizay sy efa fisiana hatry ny fahagola. Rehefa nahatakatra tsara izany foto-kevitra izany ireo mpihaino an'i Jesôsy dia naka vato hitora-bato Azy satria blasfemia no nandraisany izany (and. 59).
"Raha niresaka ny amin'ny fisiany hatry ny taloha i Kristy dia nisarika ny saina ho amin'ny fotoana efa ela dia ela Izy. Hamafisiny amintsika fa tsy mbola nisy fotoana tsy naha-akaiky dia akaiky Azy tamin'llay Andriamanitra mandrakizay. Izy izay norenesfn'ny Jiosy feo dia efa niaraka tamin'Andriamanitra, toy ny hoe niara-nisy Taminy mihitsy." - ST, 29 Aog. 1900.
Ahoana no anampian'io tenin'i Ellen White eo ambony io antsika, miaraka amin'ireo andininy vao hitantsika, hahatakatra misimisy kokoa ny amin'ny fanatitra lehibe natao ho antsika teo amin'ny Hazo fijaliana?
Na dia eo aza ireo fanambarana mazava indrindra mikasika ny maha-Andriamanitra an'i Jesôsy sy ny fitoviany amin'Andriamanitra dia misy ihany ny andalan-teny sasantsasany izay ilàna fanazavana. Misy ohatra anankiray miseho ao amin'ilay andininy izay azo antoka fa tiana sady malaza indrindra ao amin'ny Baiboly rehetra, Jao., 3:16: "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana ". Ny olana dia ity: Nahoana moa io andininy io no milaza fa Zanaka [nateraka] i Jesôsy raha toa ka efa nisy hatrizay hatrizay Izy? Nisy ve izany ny niteraka Azy tahaka antsika rehetra izao? Ireo teny hoe: "Zanani-lahy lahy Tokana" dia teny iray ihany amin'ny fiteny grika: 'monogenes' - izay miseho intsivy ao amin'ny TV, ka ny dimy amin'ireo dia manondro an'i Jesôsy sady samy hita ao amin'ny fanambaran'i Jaona avokoa {Jao. 1:14,18; 3:16,18; 1 Jao. 4:9). Zava-dehibe tokoa ny fisian'izy dimy ireo ao anatin'ny fanambaran'ity mpanoratra ity izay niezaka ny hametraka ny maha-Andriamanitra an'i Jesôsy Kristy teo amin'ny fiandohan'ny Filazantsara nosoratany. Mazava tsara ny nanombohany mialoha ny zavatra rehetra izany foto-kevitra izany: "Tamin 'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin 'Andriamanitra, ary ny teny dia Andriamanitra. " - Jao. 1:1. Tsy nampino ny nanomezan'ity mpanoratra jiosy ity ny anaran'Andriamanitra ho an'ny olona iray izay noheverina ho zava-boary. Olona hafa ankoatra an'i Jesôsy mihitsy no tondroin'ny teny hoe 'monogenes' ao amin'ireto andininy ireto. Raha tsy mahay teny grika tsara ianao dia fantaro eo amin'ny fandikan-teny izay tsy mampitovy ny teny. Inona no heverinao fa hevitr'izany? Lio. 7:11-15; 8:41,42; 9:38. Ilay zazalahy maty tao Naina dia voambara ho "zanaka lahy tokana" ("zanaka lahy tokan'ny reniny"). Tsy misy resaka fiterahana mihitsy eto. Ny maha-tokana, ny maha-irery kosa eto no voatsindry. Mitombina ihany koa izany ho an'ny zanakavavin't Jairo - "zanakavavy tokan'"ny rainy izy, izy no hany zanany; raha araka io heviny io dia tokana izy. Izany koa no voalaza ao amin'ny Lio. 9:38. Ny hevitry ny manam-pahaizana dia saika mirona amin'ny filazana fa tsy manantitrantitra velively ny fiterahana na nateraka ny 'monogenes' • raha ny iafiny haiteny (linguistique) no ijerena azy, saingy ny maha-iray ihany eo amin'ny karazana iray kosa na ny maha-tokana no mivoitra. Ahoana ihany koa no anampian'io foto-kevitra io antsika hahatakatra tsaratsara kokoa ilay fanatitra lehibe natao ho antsika teo amin'ny Hazo fijaliana?
Milaza mazava ireo mpanoratra ny TV fa mendrika an'i Jesôsy ny anaran'Andriamanitra lehibe. Vao mainka mampanan-danja ny fanambarana izany rehefa tsaroana tokoa fa Jiosy avokoa ireo mpanoratra ireo ankoatra an'i Lioka, ary tsy mahalala afa-tsy Andriamanitra tokana ka tsy hanao an-tsirambina veiively ny fampiasana ny anaran'Andriamanitra. Tsy maintsy takatry ny olona iray àry, araka izany, fa avy tamin'ny faharesen-dahatra lalina indrindra avy tamin'ny Fanahy Masina ny fanambaran'izy ireo ny maha-Andriamanitra an'i Jesôsy,
Ahoana no anambaran'ireto andininy ireto ny maha-Andriamanitra an'i Jesôsy? Mat. 3:3; Jao. 1:1; 1:18; 20:28.
Miverina any amin'ny Isa. 40:3 ny Mat. 3:3 izay ampiasan'i Isaià ny teny hoe: "Jehôvah", anarana masina indrindra iantsoana an'Andriamanitra ao amin'ny TT. Ny nandrafetana ny andalan-teny ao amin'ny Jao. 1:1 tamin'ny fiteny niandohany dia tsy mametraka fisalasalana ny amin'izay yoalazan'i Jaona. Dimy amby enimpolo taona taorian'ny nahafatesany i Jesôsy dia nantsoin'ny olona iray izay nanana fifandraisana akaiky dia akaiky Taminy mazava hoe Andriamanitra. Raha ny Jao. 1:18 no jerena, dia manao an'i Jesôsy ho "Ilay Andriamanitra tokana" ny teny grika nampiasaina tao amin'io andalan-teny io.
Ahoana indray àry izany ny amin'ny Jao. 20:28? Horaka sy fanehoana fahatalanjonana nataon'i Tômasy fotsiny ve izany, tahaka ny ampiasan'ny olona amin'izao fotoana izao ny anaran'Andriamanitra ho fanehoana fahatairana na fahagagana? Raha izany no izy dia andeha hatao hoe tomba fanao môderina teo amin'ny TV izany. Voalohany indrindra, tsy tao anatin'ny voambolan'ny Jiosy izany fomba fiteny izany noho izy ireo malina fatratra tsy
hanao blasfemia. Ankoatra izay, manohitra ny fanazavana toy izany ny fomba nandrafetana io andalan-teny io. Izao no voalaza: "Dia namafy Tomasy ka nanao Taminy hoc ". Raha lazaina amin'ny teny hafa dia hoe: Jesôsy no niresahan'i Tomasy eto ka fanehoana finoana no nataony fa tsy fiontanana feno fahagagana tsy akory. Farany, ny tsy nanomezan'i Jesôsy tsiny azy dia mampiseho fa nahafa-po Azy ny fiaiken'i Tomasy.
Ilay Jesôsy Andriamanitra io ihany no llay Jesôsy izay nanolotra ny Tenany ho fanatitra noho ny otantsika. Ahoana ihany koa no vao mainka maha-zava-dehibe ny Hazo fijaliana ho antsika, satria fantatsika fa Andriamanitra tena Andriamanitra mihitsy! - no nihantona teo noho ny fahotantsika?
Heniky ny porofon'ny maha-Andriamanitra an'i Jesôsy ny TV, saingy voafetra ihany ny toerana hilazana ny tsipiriany momba izany. Mety hb hitantsika ohatra ny anarana voatendry ho an'i Jesôsy toy ny hoe: mandrakizay na mpamorona; ny filazany ho afaka mamela ny helotsika; ny filazany Azy ho mpitsara farany amin'ny andro farany. Ankoatra izany dia hitantsika koa fa tsy misy antanan-tohotra ny fampiarahana ny anaran'i Jesôsy sy ny an'Andriamanitra tahaka izay hita tamin'ny nanaovana batisa Azy (Mat 28:19). Ao amin'ny Jao. 14:9 ihany koa, i Jesôsy dia nampiasa teny izay toy ny blasfemia mihitsy raha eo imolotry ny olombelona hafa: "Izay nahita Ahy dia hahita ny Ray. "
Diniho ireto andininy ireto. Inona no ampianarin'izy ireo mikasika ny maha-Andriamanitra an'i Kristy? 1 Kôr. 1:3;2Kôr. 13:14: Apôk, 20:6; 22:3.
Ireo andalan-teny eo ambony ireo dia mametraka an'i Kristy ho iray toeram-boninahitra amin'llay anankiray izay antsointsika hoe "Andriamanitra Ray." Ary ireo rehetfa ireo dia mifandraika tsara amin'ny fahambaran'i Jesôsy tamin'ny fotoana nandehanany teny amin'ny lalana feno vovok'i Palestinina. Ao amin'ny Jao. 10:30 ohatra dia izao no fanambarany: "Izaho sy ny Ray dia iray ihany". Ny rafi-teny ,tsy misy fanondroana lahy na vavy (genre) amin'ny teny grika ampiasaina eto izay nadika hoe "iray" dia milaza firaisana akaiky dia akaiky araka izay heverin'ny saintsika. Iray fototra, iray toetra i Jesôsy sy ny Ray, kanefa tsy hoe Persôna anankiray ihany (raha izay mantsy dia ny rafitra manondro ny lahy no nampiasaina), Raha sarotra aminao ny mahatakatra izany rehetra izany dia tsy ianao irery no toy izany. Arakaraka ny andalinanao misimisy kokoa io lohahevitra io no vao mainka hahafantaranao bebe kokoa ny halalalin'ny tsy fahalalanao.
Alaivo sary an-tsaina anefa ny hoe: maty ho antsika ilay fantatsika fa Andriamanitra Ray, ary koa ny hoe: nijanona tany an-danitra ilay fantatsika fa Jesôsy (fitenin'olombelona no iresahantsika eto mba hampahazava ny tian-kambara). Tsy nisy zavatra niova, afa-tsy ny hoe: antsointsika amin'ny anarana ampiasaintsika amin'izao fotoana izao ho an'ny anankiray izy tsirairay avy. Izany no hevitry ny fitoviana eo amin'Andriamanitra telo izay Iray. Avereno jerena ny fiainan'i Jesôsy, ka raketo ao an-tsaina ireo foto-kevitra nojerentsika tamin'ity herinandro ity. Inona no ambaran'ireo rehetra ireo mikasika ny toetran'Andriamanitra? Nahoana isika no tokony ho feno fanantenana sy fitokisana, na dia ao anatin'ny fotoan-tsarotra aza, satria fantatsika tsara ny momba an'Andriamanitra?
"Amintsika Andriamanitra", IFM, tt. 9-18.
Mampitombo fahalalana ny mahita ny fahakingan'i Matio sy Lioka mikasika ny tetiharan'i Jesôsy (Mat. 1:16,18; Lio. 3:23; ampitahao 1:26-35). Mety ho nitranga ny tsy fitandreman'izy ireo ny amin'io foto-kevitra io. Hitantsika fa tsy nisy mihitsy ny fampifangarona teo amin'io lafiny lehibe io, miaraka amin'ny Filazantsaran'i Jaona, izay angamba manantitrantitra indrindra ny maha-Andriamanitra an'i Jesôsy na aiza na aiza ao amin'ny SM (Jao. 1:1-3,14). Mampiseho izany fa tena lehibe tokoa ny foto-kevitra mikasika ny fiterahan'ny virjiny ho an'ny drafi-pamonjena iray manontolo. Mijoro ho tsy azo hozongozonina eo amin'ny Filazantsara ny fiterahan'ny virjiny, izay iorenan'ny fanamafisana ny efa fisian'i Kristy taloha sy ny maha-Andriamanitra Azy.
"Ny hevi-diso mampidi-doza anankiray koa dia ny fampianarana izay mitsipaka ny maha-Andriamanitra an 'i Kristy, ka milaza fa tsy nisy Izy talohan 'ny flaviany. teto amin 'izao tontolo izao. Ântokon 'olona maro izay milaza fa mino ny Baiboly no manaiky io laha-kevitra io; nefa dia manohitra mivantana ny fûazana mazava indrindra ataon 'ny Mpamonjy momba ny fifandraisany amin 'ny Ray, ny toetra maha-Andriamanitra Azy, ary ny fisiany talohan'ny nahatongavany ho nofo. Tsy azo ekena mihitsy ity hevitra ity raha tsy hoe iniana aolana ny SM, izay tsy tokony hatao. Tsy manambany fotsiny ny fîheveran'ny olona ny asam-panavotana izany, fa mandrodana hatrany amin'ny fotony mihitsy koa ny finoana ny Baiboly ho fanambarana avy amin'Andriamanitra. Mainka mahatonga io fampianarana io ho mampidi-doza izany, nefa koa mainka mahasarotra ny fanoherana azy. Raha misy olona mitsipaka ny fanambaran 'ny SM izay avy amin 'ny tsindrimandry mikasika ny maha-Andriamanitra an'i Kristy, dia herim-po very maina ny miady hevitra ny aminy; satria tsy misy fonjan-kevitra, na izay mampiaiky toy inona aza, afaka handresy lahatra azy (...) Na iza na iza mifikitra amin 'io hevi-diso io dia tsy afaka hanana fahalalana marina ny amin 'ny toetran 7 Kristy na ny amin 'ny asa nanirahana Azy, na ny amin 'ny drafitra lehibe nataon 'Andriamanitra ho fanavolana ny olombehna. " - "Ireo fandrik'i Satana," H M, t. 524.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1. Jereo io tenin'i EGW eo. ambony io. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fanarahantsika ny foto'-pampianarana izay manohana ny maha-Andriamanitra an'i Kristy sy ny fitoviany amin'ny Ray? Inona no verin'ny drafim-pamonjena raha toa ka avelantsika io fampianarana io?
2. Manao ahoana ny fahalehibiazarïny zava-mitranga ao amin'ny Mat. 9:1-8? Nanao ahoana ny fahasahianï Jesôsy teo amin'ny fanehoany ny maha-Andrimanitra Azy tamin'ny mpitarika iray? Inona no lesona tiany hampitaina? Inona no fifandraisana tiany havoitra eo amin'ny aretina ara-batana sy ara-panahy mahazo antsika? -
3. Mitoera eo amin'ireo vokatra nitranga mikasika ny maha-Andriamanitra an'i Kristy, raha ny Hazo fijaliana no anazavana azy. Miomàna hitondra ny hevitraô mikasika io loha-hevitraio eo amin'ny kilasy amin'ny Sabata.