Telovolana 2 : Ttre du trimestre 2 2006

Lesona faha 3 : NY MAHA-OLOMBELONA AZY :TENA ZAVA-MISY TOKOA

Daty : 12-04-2008 hatr@ 18-04-2008. Toko dinihina : Gal.4:4 ; 1Tim.2:5 ; 3:16 ; Heb. 4:15,16 ;1Jao.4:1-3

Tsianjery : "Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika" Jao.1:14

Sabotsy 12-04-2008 : Fampidirana

Aseho tsy misy fanazavana mifototra amin'ny saina mandanjalanja ao amin'ny TV ho olombelona sady Andriamanitra i Jesôsy. Rehefa avy nanomboka ny Filazantsarany tamin'ny hoe "ny  Teny dia Andriamanitra  - Jao 1: 1, i  Jaona dia manao izao fanambarana  mahatalanjona izy fa io Teny io, io Andriamanitra io dia -tonga nofo ka nonina tamintsika" - Jao. 1:14. Ary angamba ho fitsinjovana mialoha ireo zava-manahiran-tsaina amin'ny hoavy mikasika ny fahalotoana ara-pitondran-tena, dia tohanan'ny TV amin'ny fomba mitombina tsy misy mampisalasala ny fiainan'i Jesôsy tsy misy pentimpahotana (Heb. 7:26; 1 Pet. 2:22). Ambonin'izany, ireo mpanoratra ny TV, raha ny marina, dia mihevitra an'i Jesôsy ho mendrika iankohofana sy hajaina (Asa. 7:59; Rôm. 9:5; Heb. 1:6). Ireo Kristianina voalohany ireo dia tsy voahazon'ireo olana filôzôfika mifandraika amin'io foto-kevitra ny amin'ny hoe Andriamanitra-olona io, na ireo zava-tsarotra mety hatèrak'izany ho an'ireo mpandinika aty aoriana. "Ny maha-olombelona ny Zanak'Andriamanitra dia zavatra rehetra ho antsika ( ... ) Rehefa tomorintsika io loha hevitra io dia tsara ny ataontsika raha mitandrina ny teny nambaran'i Kristy tamin'i Mosesy tao amin'ny roimemy nirehitra isika: "Esory ny kapanao amin'ny tongotrao.fà tany masina  io ijanonanao io "- Eks. 3:5. Tokony hiroso amin'io fianarana io amin'ny fanetren-tenan'ny mpianatra isika." - SIM, b. 1, t. 244.

 

Alahady 13-04-2008 : Eo anatrehan'ny zava-miafina. 1 tim. 3:16.

  Ny lesona tamin'ny herinandro lasa dia niresaka ny amin'ny zava-miafina momba ny maha-Andriamanitra an'i Kristy. Nefa eo am-pibanjinana ny mahaolona Azy dia mijoro koa eo anatrehan'ny zava-miafina lalina isika. Araka ny voalazan'i Paoly manao hoe,: " Ary iaraha-manaiky mihintsy fa  lehibe ny zava-miafina nv toe-panahy  araka  an 'Andriamanitra.  dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy, hitan'ny  anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin'ny voninahitra - 1 Tim. 3:16.

 Nisy manam-pahaizana nahita fa tsy niteraka fahatairana be teo amin'ny tontolo rômanina ny filazana fa Andriamanitra ny mpanorina ny fivavahana kristianina; efa mahazatra tokoa mantsy ny fihamboan'ny amperoran'izy ireo ho andriamanitra, Fa ny filazana hoe "nalahelo mafy ny taranak'olombelona ny Andriamanitry ny Kristianina, ary mafy indrindra ny alahelony ka nahatonga Azy hijaly nisolo toerana azy ireo, dia toe-javatra tsy mbola re fa efa nisy ny toy izany." – IWR, t. 219. Kanefa na dia hafahafa tamin'ny tontolo grika sy rômanina aza izany, dia izay indrindra no fijoroana ho vavolombelona ambaran'ny TV

Inona no ampianarin'ireto toko sy and. ireto momba izany fanetren-tena mahagaga izany? Mat. 1:18-24; Lio.1:26-35; Jao. 1:1,14; Gal. 4:4; Fil. 2:5-11.

Mahavariana ny mandinika ny famaritana mazava, tonga ho azy [tsy nosainina mialoha] (spontané), anantomoran'ireo mpanoratra ny TV ny olana momba ny maha-olombelona an'i Kristy. Tantatain'izy ireo tsotra fotsiny, mivantana, ny zava-misy, tsy fantany akory aza (angamba) ny afo mandrava izay ho avy amin'ny taonjato manaraka ary aoriana. Kanefa izay tsy fisian'ny hevitra tanana izay indrindra no manampy hahatonga ireo tahirin-kevitra ananantsika ho azo inoana. Tsy hoe toy ny tsy niatrika adihevitra mikasika ny toetran'i Jesôsy sy ny maha-Izy Azy tsy akory ireo mpianatra voalohany; tena niatrika tokoa izy ireo, hitantsika ao amin'ny TV mihitsy izany. Saingy ny porofo entin'izy ireo manohana ny heviny mikasika an'i Jesôsy dia mazava fa tsy noheveriny hanoherana ny hevitr'olona mifototra amin'ny sains mandanjalanja na ny siansa, ary izany dia mahatonga ny hitsi-po ao amin'ny fijoroan'izy ireo ho vavolombelona ho madio. Toy ny hoe nanohana ny heviny noho ny hagagana izy ireo, gaga fa nisy sahy nisalasala, tsy nino ny zavamiafina tsy mahazatra izay niantraika tamin'izy ireo tamin'ny fomba nampitaintaina tokoa, na tamin'izy ireo mitambatra, izany na tamin'izy ireo isam-batan'olona.

 

 

 

 

 

Alatsinainy 14-04-2008 : Rafitra ary fifanoherana

Rehefa nielipatrana nanerana ny tontolo grika sy rômanina ny fivavahana kristianina ary nandingana hatraty amin'ny taranaka faharoa, dia nanomboka nisaina mikasika ny hafatra fototra entiny momba an'i Jesôsy ny olona, ka nametra-panontaniana manao hoe: Ahoana no ahafahan'ny mahaAndriamanitra sy ny maha-olombelona miara-mitoetra ao amin'ny tena iray ihany? Ahoana no mahatonga an'Andriamanitra ho lasa mety maty? Inona no fifandraisan'i Jesôsy amin'ny Ray? sns.
Tamin'ny fiandohan'ny taonjato, voalohany, dia nipoitra ny ankolafinkevitra roa mifanohitra. Ny anankiray dia nanantitrantitra ny maha-olombelona an'i Kristy ary nanao an-kila bao ny maha-Andriamanitra Azy; ny faharoa kosa dia nanao izay nifanohitra tamin'izay. Anisan'ireo mandà ny mahaAndriamanitra an'i Kristy ny Ebiônita, Jiosy kristianina voalohany izay nampianatra fa tamin'ny fotoana nanaovana batisa Azy ihany i Jesôsy no tonga Zanak'Andriamanitra, ka tamin'izay fotoana izay Izy no tafaray tamin'ilay Kristy mandrakizay, zava-manana aina tsy andriamanitra, izay tsy mahavonjy . ny taranak'olombelona fa tonga kosa hiantso ny taranak'olombelona mba hankato. Noraisin'ny 'Ariens' izany ady fanoherana ny maha-Andriamanitra an'i Kristy izany taty aoriana, nanomboka tany amin'ny faramparan'ny taonjato fahatelo tany ho any, foto-kevitra izay nomelohin'ny Fivoriambe fiheveran-draharaha natao tany Nicée ('Concile de Nicée') tamin'ny tanna 325 TRK mafy dia mafy.
Ny mavesa-danja etsy an-kilany kosa dia ny Gnôstika, izay nampianatra fa tsara ny fanahy ary ratsy ny raha ('matière'), indrindra fa ny raha mamorona ny vatantsika. Noho izany ny tenan'olombelona dia tsy azo ampiasaina hatao fitaovana hampita ny fanambarana Ilay Zava-manana aina ambony indrindra.


Diniho ny 1 Jao. 4:1-3. Amin'ny lafiny Inona no ifandraisan'ny ahiahin'i Jaona amin'ny ankolafin-kevitra gnôstika van nosoritsoritana teo?


Ny fifanoherana momba ny hoe iza moa i Jesôsy dia nafana vay nandritra ny taonjato dimy ngarangidina, nanomboka tamin'ny taonjato faharoa ka hatramin'ny taonjato fahenina. Tamin'ny voalohany dia nikasika ny maha-Andriamanitra Azy izany. Andriamanitra ve Izy?- Raha izany, mpifaninona Izy sy Andriamanitra Ray? Dia nivadika tamin'ny mahaolombelona Azy avy eo ny fanontaniana, sy tamin'ny hoe fomba ahoana no niraisan'ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olombelona tao amin'ny olona iray. Nisy ny fanambarana natao sy ny fanambarana nifanohitra taminIreo fanambarana ireo, nisy ny teny naloaky ny vava sy ny teny fanoherana ireo teny ireo, nisy ny fiampangana sy ny fanamelohana ary ny fanonganana, ka nifandimbindimby nifanao tsy omby aloha tamin'io andro io ny teny miafara amin'ny –isma. Tsy mampino fa teo anivon'izany fikorontanana sy fifanoheraria rehetra izany dia ny fifanarahana amin'ny loto-pinoana ao amin'ny Baiboly mikasika ny toetra maha-Izy an'i Jesôsy sy mikasika ny tenany no nandresy tamin'ny farany. (Jereo ny teny nalaina avy tamin'ny "The Creed of Chalcedon"[fanekem-pinoana tany Chalcédoine"] ao amin'ny lesona Zoma)


Inona ny sasany amin'ireo fanontaniana ao am-piangonana ankehitriny mikasika ny toetra maha-olona an'i Kristy? Nahoana no tsy maintsy mitandrina isika tsy hamela ireny fanontaniana ireny hampisara-bazana antsika, toy izay nataony matetika tamin'ny fiangonana voalohany?

Talata 15-04-2008 : Nandray ny toetra maha-olona antsika izy. gal. 4:4.

Maro tamin'ireo mpiara-belona taminy no nihevitra fa olona tsy araka ny fahita mahazatra i Jesôsy, nefa fantatr'izy ireo tsirairay fa olombelona Izy, lehilahy. Rehefa nihazakazaka nankany an-tanànany ilay vehivavy samaritanina hanaparitaka ny resaka momba ilay Jiosy tsy toy ny fahita mahazatra izay vao nihaona taminy teo am-pantsakana, dia nahitsy ny filazana nataony : "Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana" Jao, 4:29. Niraisan'ireo mpiara-belona tamin'i Jesôsy izany fanambarany izany. Na dia taorian'ny nampitoniany ny tafio-drivotra azy dia mbola nihoraka toy izao ihany ireo izay teo akaikiny indrindra: Lehilahy manaoahoana re io?- -Mat. 8:27.

Fomba ahoana no anampian'ireto toko sy and. ireto amin'ny fanohanana fa tena olombelona nitafy nofo sy ra tokoa anie i Jesôsy? Mat. 8:24; 21:18; Jao. 4:5,6,7; 19:28; Jao. 11:33-35.

Nanaiky an-tsitra-po tsy hampiasa ireo toetra maha-Andriamanitra Azy i Jesôsy fony Izy tety an-tany. Napetrany ireo fa tsy nafoiny tsy akory. Tao aminy foana ireo toetra ireo ary azony natao ny hampiasa azy ireny na tamin'ny fotoana inona na tamin'ny fotoana inona nilàny izany hahasoa Azy, saingy tsy nanao izany Izy. Ny fakam-panahy hampiasa ireo toetra ireo mba hanafaka Azy tamin'ny zava-tsarotra (tamin'ny fomba izay tsy vitantsika ny mampiasa azy) no lehibe indrindra tamin'ireo fitsapana natrehiny isan'andro.
Manampy tokoa ny manao an-tsaina mandrakariva fa ny SM anie ka tsy mamaritra amin'ny tsipiriany ny zavatra tsirairay voalazany izay manitikitika ny saintsika sy mahaliana antsika. Tsy miezaka Izy [ny SM] ohatra hampiseho mazava tsara ny fomba ifandraisan'ny maha-olona an'i Jesôsy sy ny maha- Andriamanitra Azy. Asehony mazava kosa anefa fa olona iray nampiraisina i
Kristy. Tsy miresaka momba ny andinindinin'izany firaisana izany ny SM; fiaikena mazava ny fisian'izany firaisana izany fotsiny no ataony: Ilay Zanaka nateraky ny vehivavy dia tena Zanak'Andriamanitra tokoa (Gal. 4:4). "Tsy hoe modimody tonga olombelona tsy akory i Kristy, fa tena tonga olombelona tokoa Izy. Terra zava-nisy tokoa ny maha-olombelona Azy. - LHU, t. 74.

Nahoana no zava—dehlbe ho antsika ny maha-olombelona an'i Kristy? Midika inona ho antsika ny fahalalana fa tonga olombelona i Jesôsy? Mampahery anao ve ny fahafantarana fa niombonan'i Jesôsy tamintsika ny toetran'olombelona voafetra? Amin'ny fomba ahoana?

Alarobia 16-04-2008 : Mahatsapa ny fahoriantsika. heb. 4:15,16.

Nahoana moa no nilain'Andriamanitra ny ho tonga teto amin'izao tontolo izao, nitafy nofo? Zava-dehibe io fanontaniana io. Kanefa tokony hialantsika ny valiny araka ny sains mandanjalanja fotsiny. Tsy toy ny hoe ilaintsika ny manome valiny iray izay mitombina amintsika. Tsy misy fikarohana mahaleotena azontsika atao ao amin'ny filôzôfia sy ny siansa ary ny fandalinam-pahalalana momba ny fiarahamonina (sociologie) na ao amin'ny sampam-pianarana hafa na inona izany na inona, izay hitarika antsika ho amin'ny valiny iray. Ary tsy tokony hamolavola valiny ho antsika manokana ihany koa isika. Ny fomba azo antoka indrindra dia ny mihaino tsara izay ambaran'ny Baiboly mikasika izany. Ary ao amin'ny bokin'ny Hebreo no ahitantsika ny sasany amin'ireo fanambarana mazava indrindra sy be fikendrena indrindra mikasika io resaka iadian-kevitra io. Ary misy dikany matoa ny bokin'ny Hebreo koa no boky mifantoka amin'ny fomba mivantana indrindra amin'ny asa fanompoana ataon'i Jesôsy ankehitriny  amin'ny maha-Mpisoronabe Azy ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra.

Ny tsirairay amin'ireto andalan-teny ireto dia manasongadina lafiny iray manokana amin'ny fahatongavan'i Jesôsy ho olombelona mitafy nofo, ary avy eo dia miroso amin'ny famaliana ny fanontaniana tiana hovaliana: Nahoana no nanao izany Izy? Ary amin'ny tranga tsirairay dia misy antony iray ho an' izany lafiny manokana amin'ny fietreny izany homena. Inona ireo antony ireo? Heb. 2:9; 2:14,15; 2:16,17: 2:18; 4:1416; 5:8,9.

Mariho fa amin'ny tranga tsirairay dia i Jesôsy no ifantohan'ny resaka ary ho antsika ny tombon-tsoa. Ireo anton'ny maha-olombelona an'i Jesôsy sy ny fahoriany, izay azo avy tamin'ny tsindrimandry dia tokony hoheverina ho zava-dehibe tanteraka. Tokony hitondra hafaliana lehibe ho antsika Izy ireo amin'ny fahafantarana fa manome fahafaham-po antsika amin'izay zavatra ilaintsika i Jesôsy; mivelatra be ny sandriny handray antsika; fantany ny toejavatra sarotra iainantsika satria teto Izy; tsapany ny fahoriantsika. Mety hahazo an-tsaina Mpamonjy mamindra fo kokoa, Mpisoronabe mandray am-po kokoa sy miantra kokoa noho Izy ve isika? Hafaliana tsy omby tratra sy fankasitrahana lalina no mipololotra avy ao amin'ny fanahin'ireo mahafantatra fa niaritra ny zavatra rehetra ho antsika Izy. Rehefa mahazo fampaherezana toy izany isika dia manatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana
Heb. 4:16, manolo-tena tanteraka ho Azy.
Inona ireo fitsapana atrehinao arninIzao fotoana izao? Manampy anao ve ny fahafantarana fa mahatsapa sy mandray am-po ny fahorianao i Jesôsy? Amin'ny fomba ahoana?

Alakamisy 17-04-2008 : Fifandraisana mandrakizay. 1 tim. 2:5.


Rehefa sainintsika ny fahasamihafana lehibe misy eo amintsika sy Andriamanitra, dia mampitolagaga ny mieritreritra fa sitrak'Andriamanitra ny hanatratra antsika amin'ny fanetreny tena hitafy ny nofo maha-olombelona. Fa rehefa maty Izy, dia ho naleon'ny ankamaroantsika avelany ny fitoviany amintsika, ka miverina tanteraka amin'ny toetra maha-Andriamanitra Azy teo aloha Izy. Tsy izany anefa – ary mahatalanjona antsika tanteraka izany – fa ampahafantarina antsika fa hitoetra ho mandrakizay tafaray amintsika Izy amin'ny fihazonany ny toetra maha-olona antsika!


Hevero ny tian'ireto toko sy and. ireto hambara mikasika ny fifandraisan'i Jesôsy mandrakizay amintsika: Lio. 24:36-43; Asa. 1:10,11; 17:31; 1 Tim. 2:5.


"Mihoatra noho ny fanarenana izay  rava noho ny  asa vokatry  ny fahotana no tanterak'i Kristy tamin'ny alalan'ny fiainany sy ny fahafatesany.  Fikasan'i Satana ny hahatonga  fisarahana mandrakizay eo amin' Andriamanitra .sy ny olombelona;  nefa tafaray  amin'ny  fomba  ety  kokoa amin' Andriamanitra isika ao amin'i Kristy mihoatra noho izay nisy antsika raha tsy lavo mihitsy aza. Ny nandraisany  ny nofontsika no naimtoran'i  Mpamonjy ny tenanty tamin'ny  taranak'olombelona tamin'nv fatorana izay tsy ho tapaka na oviana na oviana. Tafakambana amintsika mandritra ny mandrakizay Izy. `Fa toy izao no nitiavan'Adrianianitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanani-lahy Tokana... ' Tsy nomemba hitondra ny .fahotantsika fotsiny sy ho faty  ho sorona ho antsika Izy, fa nomen'Andriamanitra mandrakizay ho an'ny taranaka lavo. Mba ho azo antoka ho antsika ny fisainam-pihavanany tsy miovaova, dia nomen Andriamanitra ny Zanani-lahy Tokana ho tonga anisanny.fianakavian'ny olombelona, ary, hohazoniny mandrakizay io maha-olombelona Azy io ( ... ) Neken' Andriamanitra tao amin'ny Zanany ny maha-olombelona, ary izany ihany no nentiny any amin'ny lanitra avo indrindra. Ny  Zanak'olona  no manana anjara eo amin'ny seza fiandrianan'izao tontolo izao"
IFM, tt. 16, 17. "Niakatra tany an-danitra i Kristy, nitafy ny maha-olombelona nohamasinina, masina. Nentiny niaraka taminy any amin'ny lapa any an-danitra izany maha-olombelona izany, ary hitafy izany mandritra ny mandrakizay Izy, amin'ny maha-Ilay Anankiray nanavotra ny taranak'olombelona rehetra ho ao an-tanànan'Andriamanitra Azy." – SDA BC, b. 6, t. 1054.


Misy namanao anankiray, rehefa nandre ny amin'ny fifandraisan'i Jesôsy mandrakizay amintsika, nanan hoe: "Lasa lavitra loatra izany. Tafahoatra loatra izany " Inona no holazainao amin'izany namanao izany? Ary manao ahoana ny fihetseham-ponao eo anatrehan y ny hoe ho tahaka antsika mandritra ny mandrakizay Izy? Na dia tsy mampino aza izany foto-kevitra izany, Inona no ambarany amintsika mikasika ny fitiavan'Andriamanitra ny taranak'olombelona?

Zoma 18-04-2008 : Fianarana fanampiny

Zavatra iray lehibe manana ny lanjany eo amin'ilay ady hevitra momba ny tenan'i Jesôsy, izay naharitra efa ho taonjato maro izao, ny fivoriamben'ny eveka tany Chalcédoine ('Concile de Chalcédoine') tamin'ny taons 451 TRK. Ny votoatiny dia izao: nekena sy nambara ampahibemaso tamin'io fivoriana io fa Andriamanitra amin'ny fahafenoany sy olombelona amin'ny fahafenoany i Jesôsy Kristy: Izahay rehetra dia miray feo mampianatra fa... i Jesôsy Kristy Tompontika dia Andriamanitra ary Andriamanitra iray ihany, dia Ilay tsy misy tsiny ao amin'Andriamanitra Telo lzay Iray, Ilay tsy misy tsiny ao amin'ny maha-olombelona Azy, Ilay tena Andriamanitra sady tena olombelona,.... [iray] amin'ny Ray amin'ny maha-Andriamanitra Azy, ary( ... ) [iray] amintsika amin'ny maha-olombelona Azy; mitovy amintsika amin'ny zavatra rehetra, afa-tsy ny amin'ny fahotana ihany...." — voalaza ao amin'ny boky HCT, b. 1, t. 390. Ho famaritana ny dikan'io fanambarana tany Chalcédoine io araka ny fijerin'ny Advantista azy, dia jereo ny boky NC, tt. 57-72.
"Rehefa mibanjina an'i Kristy tonga olombelona mitafy nofo isika dia very hevitra, sina, eo anoloan'ny zava-miafina iray tsy taka-polopolorina ( ... ) Ary arakaraka ny isaintsainantsika izany no vao mainka isehoany ho mahagaga. Akory ny haben'ny tsy fitovian'ny maha-Andriamanitra an'i Kristy sy ilay zazakely malemy tsy afa-miaro tena tao an-tranon'omby tany Betlehema! Fomba ahoana no andinganantsika ny elanelana misy eo amin'Ilay Andriamanitra Tsitoha sy ilay zaza tsy manan-kery hiarovan-tena? Kanefa Ilay Mpahary ireo tontolo, Izay ao amin'ny tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra, dia hita niharihary tao amin'ilay zazakely tsy maharo tena tao an-tranon'omby. Ambony lavitra noho ny iray amin'ireo anjely, mitovy amin'ny Ray eo amin'ny fahamboniana sy voninahitra, kanefa dia nitafy ny maha-olombelona! Tafaray tamin'ny fomba tsy takatry ny saina ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olombelona, ka tonga iray ny olona sy Andriamanitra. Ao amin'izany firaisana izany no ahitantsika ny fanantenana ho an'ny taranak'olombelona lavo." — ST, 30 Jolay 1896.


FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:


1 Ho anao, manokana? Mahakasika ny olona eo amin'izay toerana misy azy ankehitriny ve ny fahafantarana fa zava-misy tokoa ny mahaolombelona an'i Kristy? Amin'ny fomba ahoana?
2. inona ireo fanontaniana lehibe iadian-kevitra manodidina ny mahaolombelona an'i Kristy? Nahoana izy ireo no zava-dehibe aminao? Etsy an-danin'izany, nahoana no tsy maintsy mitandrina isika mba tsy ho sarotiny loatra na hitompo teny fantatra loatra mikasika ireo lafiny manahirana amin'ny maha-olombelona an'i Kristy?
3. Milaza i EGW, fa zavatra rehetra ho antsika ny maha-olombelona an'i Kristy (jer. SIM, b. 1, t. 244). Inona no tiany holazaina amin'izany? Amin'ny lafiny fampiharana ('pratique') misy akony eo amin'ny dia Kristianina ataonao ve ny hevitra momba ny maha-olombelona an'i Kristy? Inona izany?
4. Fomba ahoana no mety hampiasantsika ny zavatra nianarantsika tao amin'ny lesona tamin'ity herinandro ity eo amin'ny fijoroana ho vavolombelona ataontsika

 

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006