Telovolana 2 : Ttre du trimestre 2 2006

Lesona faha 6 : NY FANAMBARANA NATAONY: ZAVA-MANAITRA

Daty : 03-05-2008 hatr@ 09-05-2008. Toko dinihina : Mat. 5:48; 18:21,22; 12:32-34; Jao. 19:25-27

Tsianjery : Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany." - Jao. 7:46

Sabotsy 03-05-2008 : Ireo fanambarana nataony : zava-manaitra

Soatoavina maro dia maro amin'ireo zavatra voalazan'i Jesôsy no mifanipaka amin'izay matetika heverin'ny maro ho ara-dalàna. Isika, hoy izy dia tsy tokony hamaly ratsy ny ratsy; izany hoe tsy natao hanohitra ny ratsy indray ve izany isika ?

Mazava loatra fa saika ny rehetra no manaiky fa tokony hotoherina araka izay azo atao ny ratsy. Ary ny hoe: tokony ho fahavalontsika isika? Moa ve ny fahavalo tsy natao hankahâlaina? namantsika sy ny fianakaviantsika ihany no natao hotiavintsika, sa tsy izany ? Fa tsy araka izay lazain'i Jesôsy anefa izany.

Vao mainka mampanahiran-tsaina izy ity. Araka ny voalazan'i Jesôsy dia ireo ratsy fitondran-tena eo amin'ny fiaraha-monina, ny mpijangajanga ary ny tahaka azy ireo no hiditra ny fanjakan'Andriamanitra mialoha ireo marobe izay atao hoe marina. Fa ahoana no màhatonga izany ? Milaza i Jesôsy fa ny sambatra dia ireo mitomany, ireo miantra, sy ireo madio am-po. Noheverintsika anefa fa ireo mpanankarena, ireo be fahefana, ireo manana hatsaran-tarehy sy namana maro dia maro no atao hoe sambatra, sa tsy izany ?

Tsy mbola ireo voalaza ireo anefa no manaitra indrindra tamin'zay naloaky ny vavan'i Jesôsy. Mandinika ireo fanambarana vitsivitsy nataon'i Jesôsy izay voasokajy ho fitenenana ity lesona ity, koa satria moa tsy fampianarana no azo ilazana azy ireo.

Inona no tian'i Jesôsy hambara amin'ireo fitenenana ireo? Ary ahoana; no tokony ho fampiharantsika azy amin'ny fiainantsika amin'izao fotoana

Alahady 04-05-2008 : Ny amin'ny fanambadiana sy ny fahalalana onony ( rôm 8 : 31 )

 Anisan'ireo fitenenana henjana indrindra nataon'i Jesôsy ny resaka fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana. Vakio ity andalan-teny manaraka ity. Inona no zavatra mazava eto? Inona ihany koa ireo zavatra izay saro-takarina? Eny, fa na dia eo amin'ireo izay tsy mazava aza, inona no hafatra lehibe omen'i Jesôsy eto? Mat 19:3-12.

Misy hotsakotsakoina tokoa io fanontanian'ny Fariseo io. Mariho ohatra ny toetoetr'ilay fanontaniana izay somary mitongilana mankamin'ny lehilahy:

"Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy, na inona na inona?" - and, 3. Mazava loatra fa tsia no valiny, ary hazavain'i Jesôsy tsara izany (and, 4-6), Miseho ihany anefa ny tena antony nanosika ireo mpanontany hametraka izany fanontaniana izany rehefa tonga eo amin'ny and. 7 isika: "Nahoana ary i Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?" Nihoaran'i Jesôsy i Mosesy ka nanjary henjankenjana kokoa ny resaka fisaraham-panambadiana ho an'ireo lehilahy maniry ny handao ny vadiny ireo, Noho ny antony iray ihany hoy Izy, dia ny fijangajangana izany. Fijangajangana, na inona na inona antony (and. 8,9). Taitra noho izany ny mpianatra ka dia nitsatsaingoka nanao hoe: "Aleo tsy manambady" - and. 10,

Hita teo amin'izay navalin'izy ireo ny herin'ny anankiray amin'ireo fanambarana sarotra indrindra nataon'i Jesôsy,

Vakio indray ny Mat. 19:11,12. Iza avy ireo tsy afaka ny hanaiky ireo toa teny mahery nataon'i Jesôsy?

Manala tsiny azy ireo ve izany i Jesôsy? Iza avy no tafiditra ao anatin'ny hoe "izay nomena ihany" - and. 11? Antokon'olona nomena fanomezana manokana ara-tsaina sy fanahy (momba ny maha-lany na vavy) ve izy ireo? Inona no tian'i Jesôsy holazaina rehefa niresaka mikasika ny ionoka Izy ? Ahoana no tokony hanazavana ireo antokona ionoka telo ireo, ary inona no tian'izany hambara ny amintsika ? Voalaza ery amin'ny farany ny tenin'i Jesôsy mahasanganehana indrindra: "Aoka handray izany izay mahay mandray" - and. 12. Fifanoherana avy amin'Andriamanitra ve io mikasika ny olona izay malemy loatra ka tsy afaka hanaiky ny marika ambony nasongadiny? Ary raha fifanoherana izany, ny lahateny iray manontolo mikasika ny fanambadiana ve no voakasik'izany ?

Indraindray dia misy zavatra sasantsasany voalazan'ny Baiboly kanefa sarotra amintsika ny hanakatra azy (2 Pet. 3:16). Nahoana no zava-dehibe tokoa ny tsy mijanona ela loatra eo amin'ireo zavatra ireo, fa mifantoka kosa sy mampihatra izay zavatra diso fantatsika loatra ?

Alatsinainy 05-05-2008 : Ny amin'ny famelan-keloka ( mat. 18 : 21 - 22 )

 

Araka ny hitantsika tany amin'ny lesona tany aloha dia i Jesôsy mihitsy no ohatra velona ny amin'ny famelan-keloka. Miverina amin'io lohahevitry ny lesona io ihany isika mba hahazoantsika mifehy ny olana mikasika ny tokony ho fandraisantsika tsara ny fanambaran'i Jesôsy mikasika ny famelan-keloka (eo amin'io andalan-teny eo ambony io ohatra).                          

Diniho tsara ny Mat. 18:21,22. Karazam-panafintohinana inona no tian'i Jesôsy hambara eto? Ahoana no fampiharantsika ny tenin'i Jesôsy eo anatrehan'ny fananararaotana na herisetra miverimberina eo amin'ny ara-batana sy ara-piraisana ara-nofo, toy izay miseho ao an-tokantrano? Anisan'ny tiany holazaina tamin'izany ve ny fahotana tena mamohehatra dia mamohehatra tokoa, toy ny famonoana ny reny mitoe-jaza iray tamin'ny nanokafana ny kibony ka nangalarana ny zanany avy tao (tahaka izay niseho tao Melvern, Kansas tamin'ny Desambra 2004)? Ny fahotana, ny fahadisoana ary ny fanafintohinana mahazatra eo amin'ny fifandraisantsika samy isika ve no resahin'i Jesôsy amin'ny olona tsotra eto, ka nanomezany didy izay tsy mahakasika ireo trangan-javatra sarotsarotra sy mahatsiravina eo amin'ny heloka be vavan'ny olombelona? Inona no hevitrao?

Fantatry ny mpanara-baovao amin'ny anarana hoe Girl X ny zazavavy iray izay teo ambonin'ny seza misy kodiarana rehefa niseho teo amin'ny fitsarana tao Chicago. Natrakany ny lohany ary ny masony no nahetsiketsiny, izany no fomba nampitan'ity zazavavy kely 13 taona ity ny zavatra tiany hambara rehefa nitsangana ho vavolombelona izy "mikasika ilay famelezana tamin'ny taona 1997, izay nahatonga azy hanan-kilema ara-batana sarotra dia sarotra tokoa. Izy no vavolombelona fahatelo tamin'ny fitsarana an'i Patrick Sykes, 29 taona, izay voampanga ho nanolana azy, nikapoka azy ary nandatsaka trondro mpamono tao an-tendany nandritra ny fanafihana nataony" — AP, t. A22.

Asain'i Jesôsy mamela heloka ve ireo olona niharan'ny herisetra mamohehatra dia mamohehatra ireo, ary tsy amin'ny voalohany ihany fa na dia amin'ny fanimpitony koa aza? Milaza ihany koa ve Izy fa Andriamanitra dia tsy hamela heloka na oviana na oviana ireo izay tsy mahavita manaisotra ny fanahy ratsy ao amin'ny nofony ka mahatonga azy hanao asa ratsy ? ny tiana hambara eto dia tsy hoe tsy tokony hamela heloka isika. Raha ny tena izy aza dia ampiharintsika ny torohevi-pahasoavana nomen'ny Tompo rehefa ampiasaintsika ho amin'ny karazana habibiana mahatsiravina sy mahaketraka ny saina voatanisa etsy ambony izany.

Eo am-pieritreretanao ireo fanontaniana etsy ambony, dia aza hadinoina ireo tenin'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana: "Raiko ô, mamelà ny helony, fa fsy fantany izay ataony." (Lio. 23:34). Iza avy moa no tafiditra ao anatin'ireo nanombo an'i Jesôsy ? Ny miaramila rômanina ve ? Kaiafa ve? Sa Pilato? Sa Herôda? Sa ny mpisoronabe sy ny mpanora-dalàna? Raha nangataka ny hamelana ny helok'ireo nanombo Azy i Jesôsy, tsy tokony hamela heloka amin'ny zavatra rehetra ve isika? Ento eo amin'ny kilasy amin'ny Sabata ny hevitrao.

Talata 06-05-2008 : Ny amin'ny harena sy ny asa fiantrana ( lio. 12:32-34 )

 
Izao no nolazain'i Jesôsy tamin'ilay mpanapaka mbola tanora sady mpanankarena izay nanatona Azy. "Amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo" - Lio. 18:22. Mazàna heverintsika ho toy ny hoe natao ho an'io tovolahy io manokana izany baikon'i Jesôsy izany, satria efa fantatra mialoha ny zavatra nilainy. llay vato misakana tokana lehibe teo amin'ilay mpanapaka sy ny famonjena anefa no tondroin'i Jesôsy eto: dia ny vola izany. Moa ve tsy torolalana ho an'ny olona rehetra koa no omeny eto ?
 
Ao amin'ny Lio. 12:33 i Jesôsy dia toa maniry ny hanome ny baiko ho an'ny olon-drehetra ka ilay mpanapaka tanora sady mpanankarena aloha no nanaovany izany: "Amidio ny fanananareo ka, manaova fiantrana ; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany"
 
Ahoana no tokony ho fahatakarantsika io fitenenana io? Ny fizaràn'ny Kristianina rehetra amin'ny fotoana sy ny toerana rehetra ny hareny ve no tohanan'i Jesôsy eto ? Inona no olana mety hitranga raha toa ka tanterahintsika ara-bakiteny io baiko nomeny io? Raisintsika, ohatra, ny fiarahamonina anankiray, namidin'ny Kristianina rehetra tao aminy avokoa ny taniny rehetra ka nomeny ny mahantra ny vidiny, dia inona àry hoy ianao izao ny loharanom-bolan'ireo Kristianina ireo? Ahoana no hamelomany ny tenany sy ny ankohonany ? Ary ahoana koa no hahazoany fitaovana mba hamitana ny asa ambiny izay nanirahan'i Jesôsy azy, dia ny hitondra ny Filazantsara manerana ny tany rehetra, ohatra ?
 
Lafin-kevitra telo no mety hahasoa antsika eto. Voalohany dia ny manamarika izay tena nitranga marina nandritra ny fanatanterahan'i Jesosy ny asany: toa nanana ny tahirim-bolany ny antoko kely nisy Azy - i Jodasy moa no nihazona izany (Jao. 12:6; 13:29). Faharoa, aoka hdinihina tsara izay nitranga teo amin'ny fiangonana voalohany, dia teo amin'ireo kristianina izay nanana fiainana nifanakaiky indrindra tamin'ny fanambaran'i Jesôsy  (hitantsika ao'amin'ny Asa 4:32-37 ny fiarahan'izy ireo nanapa-kevitra teo amin'ny fiezahany hanaraka ny baikon'i Jesôsy). Ny fahatelo farany dia ny tokony handinihantsika tsara ihany koa izay nitranga teo amin'ny fiangonana voalohany, izay voasoratra taorian'ny bokin'ny Asan'ny Apôstoly  (tsy misy resaka famarotana tany ambongadiny ao amin'ny taratasin'i Paoly na i Jaona na i Petera, sy ny sisa.)
 
Rehefa mihevitra tsara ireo rehetra ireo ianao ary koa ny Baiboly iray manontolo (izay tsy manameloka tanteraka ny harena), dia inona aminao no tian'i Jesôsy hambara ? Ahoana no anehoan'ny Lio. 12:34 ny tena maha-izy an'io hafatr'i Jesôsy io ?

Alarobia 07-05-2008 : Ny amin'ny fahatanterahana (mat. 5:48)


Maro no mahita fa anisan'ny fanambarana mahazendana Indrindra nataon'i Jesôsy izay voalazany tao amin'ny toriteniny teo an-Tendrombohitra." Aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo izay any an-danitra" - Mat. 5 :48 Nandritra ny taonjato nifandimby dia Kristianina maro mahitsy fo no efa nitolona mba hahatratra ny fenitra izay noheveriny fa nolazain'i Jesôsy, izany hoe fandresena tanteraka izao tontolo izao sy ny ara-ofo ary ny devoly. Ny sasany nikapoka mafy ny tenany, ny hafa andeha nanao fivahiniana masina ; tao koa ny niezaka fatratra teo amin'ny fitandremana ny lalàna. Mendrika avokoa ny tanjona tao amin'ireo rehetra ireo, saingy moa ve izany no antsoin'i Jesôsy ao amin'ny Mat. 5 ?

Ampitahao ireto andalan-tenin'ny SM nampiarahina tsiroaroa Ireto Mariho ny fomba fifamenoan'izy ireo: Mat. 10:34-39 sy Lio. 14:26, 27; Mat, 7:7-11 sy Lio. 11:9-13; Mat. 5:48 sy Lio. 6:32-36.

Ny fomba fiteny somary henjankenjana nampiasain'i Jesôsy ao amin'ny Lio. 14 dia voaova ao amin'ny "Mat. 10, izay heverintsika fa manazava bebe kokoa izay ezahin'i Jesôsy hambara. Raha hita ao amin'ny andalan-teny ao amin'ny Mat. 7 momba ny vavaka ny fanomezan-toky nataon'i Jesôsy ho antsika mikasika ny fangatahana "zava-tsoa" (and. 11) (izay mety heverin'ny saina mora foana ho resaka ara-nofo), dia hitantsika ao amin'ny Lioka kosa ny fampanantenan'i Jesôsy ny "Fanahy Masina" (Lio. 11:13) - fiovana lehibe tokoa no ampoizina.Karazam-pandravonana toy ny teo aloha ihany koa no hita eo amin'ireto andalan-teny roa farany ireto. Raha hita ào amin'ny Matio ny filazan'i Jesôsy manao hoe: "Koa amin 'izany, aoka ho tanteraka hianareo, " - Mat 5:48, i Lioka kosa dia mitatitra ny teniny manao hoe: "Aoka ho mpamindrafo hianareo" - Lio. 6:36, izay manakaikikaiky kokoa ny tian'i Jesôsy hambara, araka ny asehon'ireo tontolon-kevitra roa ireo. Ny tontolon-kevitra ao amin'ny Lioka dia miresaka ny amin'ny fitiavana ny fahavalo, ny fampisamborana kanefa tsy manantena valiny. Ny fanaovana zavatra toy izany hoy i Jesôsy dia mahatonga antsika ho "zanaky ny Avo indrindra, fa Izy mora fanahy a min'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy" - and. 35. Manaraka izany avy hatrany ny filazànà hoe: "Aoka ho mpamindrafo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindrafo" - and. 36. Toy izany koa ny zava-miseho ao amin'ny Matio, mialoha ny tokony hahatanteraka antsika toy ny Ray ny resaka mikasika ny tokony hitiavana ny fahavalo, ny fivavahana ho an'ireo izay manao ratsy ny tena ary ny fandatsahan'Andriamanitra ny ranonorana ho an'ny marina sy ny tsy marina. Araka izany dia maniry antsika ho tahaka ny Raintsika izay any an-danitra i Jesôsy, Izay mora fanahy amintsika rehetra sady tsy miangatra. Izany no hevitry ny hoe tanteraka ao amin'io tontolon-kevitra io. Baiko ambony dia ambony tokoa izany, saing'y inona anefa no idealy ambonimbony kokoa azon'ny Kristianina tratrarina ?

 

Alakamisy 08-05-2008 : Ny amin'ny fianakaviana (jao. 19:25-27)

 
Niditra tao amin'ny fikambanan'i Pavid Koresh izay tsy dia tsara vintana loatra ity vehivavy iray tamin'ny taona 1990. Tao an-tobin'ïo antoko io, tao Texas, izy no nandre fa maty tany Canada ny reniny. Teo am-piomanana ny handeha hanatrika ny fandevenana iny izy no indro niezaka hanakana ny flkasany ny lehiben'ny antoko izay mora eken-teny. Tsy ilaina hoy izy ny handany fotoana sy vola amin'ny zava-kendrena momba ny fiainan'izao tontolo izao izany; mbola misy zavatra manan-danja kokoa tokony hatao ato amin'ny toby. Dia tsy nanainga mihitsy tokoa ilay vehivavy.

Vak. ireto fitenenana nataon'i Jesôsy ireto: Mat. 10:34-37; 12:46 5Q; Lio. 9:59-62: 12:49-53; ,14:26. Misy ny mihevitra fa ireo teny ireo dia toa manohana sy mampahery ny olona mora eken-teny toa an-dry Koresh (sy ny hafa), izay manao tsinontsinona ny fahatokiana sy ny flralsam-pianakaviana? Ahoana no hamalianao izany fiampangana izany ?

"Manjary lohahevitra lehibe ao amin'ny filazantsaran'i Lioka ny famerenana amin'ny laoniny indray ny soatoavina eo amin'ny firaisam-pianakaviana.- izay mitarika ho amin'ny fisarahan'ïzay an'ny tany amin'ny an'ny lanitra (...) Ankoatra ireo filazana mahakasika izay rehetra mandray ny tenin'Andriamanitra ho famaritana marina ny atao hoe ray sy reny, rahalahy sy anabavy (8:19-21:11:27,28), (...) dia apetrak'llay Jesôsy ao amin'ny lioka ny didy mahatafintohina hankahalana ny ray sy ny reny- ka handaozana ilay ray maty mihitsy aza handevina ny tenany! - fepetra iray hahatongavana ho mpianatra izany (9:57-62; 14:25)'- WDJD.t. 35.

Azo antoka fa mahery vaika tokoa ny fandrenesana ny fanambaran'i Jesôsy ho an'ny sofina môderina. Saingy moa ve tena izany tokoa izv ireo rehefa tena takatrao ny heviny ? Momba ilay famelana "nymaty handevina ny maty" - Lio. 9:60, ohatra, moa ve tena maty tokoa ny rain'ilay noheverina ho mpianatra? Sa izao ve no nolazain'io olona io raha ny marina : "Hanaraka Anao aho aorian'ny hahafatesan'ny raiko ka hahazoako ny fananana rehetra"? Ahoana ihany koa no tokony ho fahazoantsika ny fanambaran'i Jesôsy ao amin'ny Lio. 14:26 fa tsy mendrika ny atao hoe mpianany izay tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anahaviny, eny. na ny ainy koa aza" ? Araka ny nasongadina tao amin'ny lesona omaly, manazava izay tian'i Jesôsy hambara eto ny ao amin'ny Matio, izay iresahan'i Jesôsy ny amin'izay tia ny rainy sy ny reniny ny ary ny vadiny,' sy ny sisa, mihoatra Azy (Mat. 10:37). "Ao amin'ny Baiboly, ny hoe: 'mankahala'  matetika dia tokony hadika tsotra izao amin'ny hoe: " tia latsadatsaka kokoa" SDA BC, b. 5, t. 811. Ny maha-zava-dehibe ny fanaovana an:Andriamanitra ho lohalaharana no foto-kevitra ezahan'i Jesôsy hampitaina amintsika.

Matetika ny firaisam-pianakaviana no firaisana mafy orina indrlndra fantatsika, ary marina izany. Nahoana àry anefa no Andriamanitra hatrany no atao lohalaharana, mialoha ny fianakaviana mihitsy aza ?

 

Zoma 09-05-2008 : Fianarana fanampiny

 
"Tsy toe-javatra araka ny tokony ho izy na ara-dalàna ny mitoetra ho mpitovo, ary fitaky ny devoly ny filazana fa izany dia mitarika ho amin'ny toeram-pahamasinana ambonimbony kokoa. Toe-javatra tsy ankasitraharïny Jiosy ary mampalahelo azy ny mitoetra ho mpitovo, ka ireo antokon'olona tahaka ny Essenes, izay fatra-panokan-tena tsy ho azon'ny fahalotoan'ny nofo sy ny momba azy ihany no niditra tamin'izany (...) Mazava tsara ny filazan'ny SM fa nanambady i Pétera, ary azo antoka fa toy izany koa ireo mpianatra hafa (...) Tsy mba nampirisika na oviana na oviana ny olona ho mpitovo i Jesôsy, na ny Kristianina izany na ny mpitarika kristianina. Tsy voajanahary izany ary tsy mandray anjara eo amin'ny fitomboan-toetra toy izay hita eo amin'ny fiàinam-panambadiana. 

"Raha ara-bakiteny no hanakarana ny tenin'ny Tompo (ao amin'ny Mat. 15:12), dia hifanohitra amin'ny firîndran'ny SM iray manontolo izany. Zava-maharikoriko ny resaka fanapahana rantsam-batana. Toa mety ny fijery io fanambarana io ho mitovy amin'ny fanambaran'i Kfisty ao amin'ny Mat. 5:30 (mikasika ny tokony hanapahana izay rantsam-batana manafintohina)." SDA 6C, b. 5, tt. 455, 456. 
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA :
 
1 - Io fanambarana mikasika ny maha-mpitovo etsy ambony io dia toa idiran'ny resaka kolontsaina ara-pivavahana, Amin'ny fomba ahoana anefa no mety hitondran'izany fahakiviana ho an'ny Kristianina tsotra izay tokan-tena na mpitondra tena, na ihany koa rnahita fa mety aminy tsara ny mitoetra ho mpitovo noho ny antony hafa?. Amin'ny fomba ahoana no anohanantsika ireo olona izay efa nanao ny safidiny ?

2 - Ento eo amin'ny kilasy ny valin-teninao mikasika ny fanontaniana ao amin'ny lesona Alatsinainy,ary mifanakaloza hevitra mikasika ny hoe: misy fetrany na tokony hisy fetrany ny famelan-keloka. 

3 - Zavatra anankiray ny fanivaivana ny SM mikasika ny  fanaovana an'Andriamanitra ho lohalaharana ary zavatra iray hafa ihany koa mazava loatra ny mampiasa finoana marina tokoa hanatanterahana izany. Eo amin'ny ankamaroan'ny fiangonana manerana izao tontolo izao, dia azo antoka fa misy ny olona izay efa iatakatahan'ny fianakaviany tokoa noho ny finoany. Ahoana ny amin'ny fiangonanao? Misy ve ny olona izay tafasaraka tanteraka amin'ny fianakaviany noho ny fanarahany an'i Jesôsy? Raha izany no izy, ahoana no hanampianareo mpianakavin'ny finoana hanova ny toe-javatra ?


www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006