Telovolana 2 : Ttre du trimestre 2 2006

Lesona faha 7 : NY FITONDRAN-TENANY : MAHASANGANEHANA

Daty : 10-05-2008 hatr@ 16-05-2008. Toko dinihina : Mat 4:12,13; 8:28-32; 11:18,19; 21.-12,13; Lio. 2:41-51; 5:32; 1 Kôr. 1:26-28.

Tsianjery : Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny,mipamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin'ny, asany. - - Mat. 11:19.

Sabotsy 10-05-2008 : Fampidirana

Ny lesona tamin'ny herinandro lasa dia nifantoka tamin'ireo fitenenan'i Jesôsy izay nahavaky loha ny olona tamin'izany fotoana izany. Olana tahaka izany ihany koa no hodinihina mandritra ny lesona amin'ity herinandro ity, saingy mikasika ny fitondran-tenany
Anisan'ny olana mahazo antsika ny fakam-panahy hanao Azy mitovy amin'ny endritsika. Ny mpiaro ny tolom-piavotana dia manao Azy ho anisan'izy ireo; ny tsy mpankasitraka fiovaovana eo amin'ny fiarahamonina dia mino fa miandany aminy Izy. Zava-misy tsy azo ialana ihany izany. Na izany na tsy izany, ny kolontsaintsika sy ny toe-javatra misy antsika no mandrafitra ny fomba fijerintsika ny zava-misy marina, na mahatsiaro tena isika na tsia. Ny fahafantarana tsara io tranga io anefa dia manome fanantenana ho antsika fa afaka manomboka mandao izany isika ka mikendry ny hanatona Ilay Jesôsy izay hitantsika ao amin'ny Filazantsara.
Vantant' vao manao izany isika dia ho hitantsika fa tsy mors ny hamefy Azy amin'ny toerana kely toy ny an'ny voromahailala, na hametraka Azy ao anatin'ny fonosan'entana kely milamina tsara. Isika indray aza no ho sanganehana marina tokoa ny amin'ny toetoetry ny fitondran-tenany, ka
hanontany tena hoe: Izany ve no andrasan hataontsika, sady amin'ny fomba
mitovy amin'ny Azy?
Amin'ity herinandro ity isika dia hijery ny sasantsasany arnin'ireo asa manitikitika kokoa ny saina nataon'i Jesôsy, mba hianatra izay azontsika ampiharina na tsia ihany koa angamba, eo amin'ny fiainantsika.

Alahady 11-05-2008 : Manao an-kilabao ny ray aman-dreny



Araka ny voalaza mazava tanY am-boalohany, dia saika mangina tanteraka ny Filazantsara raha ny amin'ireo 30 taona voalohany, na mihoatra, tamin'ny fiainan'i Jesôsy no resahina. Na dia tsy betsaka aza no voalaza, dia misy ihany tantara anankiray izay niseho teo amin'ny ampahany amin'izany vanim-potoana izany, ka misarika kely ny saintsika.


Vak. Lio. 2:41-51. Raha vao jerena, inona no zavatra tsapa avy amin'io andalan-teny io, mikasika ny fiheveran'i Jesôsy ny ray aman-dreniny? Etsy an-kilany, inona ihany koa ny mety ho nitranga teto? linona no teny toa mamaha olana hitantsika ao amin'ny and. 47?


Toa zazalahy tsy mandray andraikitra no fahitana Azy ao amin'io toejavatra io, zaza tsy mivaky loha tanteraka amin'ny alahelo sy ny fitaintainan'ny ray aman-dreniny. Ray aman-dreny iza koa no tsy ho tezitra mafy eo anatrehan'ny fanaovana tsinontsinona ny firindrana sy ny lalàn'ny tokantrano toy izany?
Anisan'ireo toe-javatra izay mampiseho ny fetra hampiasana ny fitondran-tenan'i Jesôsy ho môdely eo amin'ny lafiny rehetra io. Toa hita miseho eto fa efa nanomboka namirapiratra sahady ny maha-Mesia an'i Jesôsy teo amin'ny faha-12n'ny taonany. Manomboka mahafantatra tsars ny fankatoavana ny  Hery izay ambony lavitra dia lavitra noho ireo ray amandreniny Izy, na lehibe toa inona aza ny fanajany azy ireo. Fanontaniana maromaro tsy voavaly no mipetraka noho ny hafohezan'ny fitantaran'i Lioka, toy ny hoe. iza no nanome sakafo sy nampiantrano io zazalahy io nandritra ireo telo andro ireo? Mba nieritreritra ny hitady ny ray aman-dreniny ve ireo mpisorona?


Vakio ny valin-tenin'i Jesôsy tamin'ny ray aman-dreniny. inona no nolazainy tamin'izy ireo, fara fahakeliny tsy rnivantana?


"Nefa", hoy ny fitantaran'i Lioka, "tsy azon'ireo ny teny izay nolazainy taminy" - Lio. 2:50. Niverina nody niaraka tamin'izy ireo i Jesôsy, ary amin'ny maha-zaza Azy dia teo ambanin'ny fanapahany (and. 51) Izy; niezaka hatrany Izy ny hametrakay toeran'ny fahatokiana ambonimbony  kokoa. Tsy voalaza ao ihany koa raha niala tsiny Izy noho ny fahasahiranana naterany ho an'ireto ray arnan-dreniny feno tebiteby ireto.


Ny fahambonian'Andriamanitra sy ny fanjakany no nitarika ny fiainan'i Jesôsy iray manontolo, eny, fa na dia tsy takatry ny olona aza izay nolazainy. Amin'ny fomba ahoana ihany koa no mety tsy hahatakaran'ny hafa ny fahatokianao amin'Andriamanitra? Raha efa nitranga taminao izany, inona no lesona notsoahinao ka mety hahazoanao manampy ny hafa izay mandalo izany fanandramana izany?

Alatsinainy 12-05-2008 : Nampiseho fahatezerana hoe?


Rehefa nidina avy tany amin'ny Tendrombohitra niovany tarehy i Jesôsy, dia nisy lehilahy nipoitra avy tao anaty vahoaka ka nangataka Taminy mba hanasitranany ny Zananilahy. Efa nentiny teo amin'ny mpianatra ilay zazalahy, araka ny fanazavany, saingy tsy vitan'izy ireo ny nanasitrana azy. Toa tezitra tamin'ilay fangatahana ny fahitana ny valin-tenin'i Jesôsy, miseho eo amin'ny fandikan-teny. "Ry taranaka tsy mono sady efa nivadika, hoy ny navaliny, mandrapahoviana no handeferako aminareo? Ento aty Amiko izy. " - Mat. 17:17. Ny fiteny toy izany dia toa tsy an'Ilay efa fantatsika ho "Jesôsy malemy fanahy, mora fo sy malefaka." Ahoana no mety hanazavantsika ny fomba fitenin'i Jesôsy eto? Antso sarotra izany. Mbola misy ny toe-javatra hafa resahin'ny Baiboly, izay mbola ahitana an'i Jesôsy tezitra.


Ahoana no fahazoanao ireto andalan-teny ireto? Mat. 21:12,13; Mar. 3:1-5.


Kristianina maro no mihevitra fa ny fomba tokony hampiasaintsika manoloana ny safidy atao eo amin'ny tontolo sarotra misy antsika amin'izao fotoana izao, dia ny manontany hoe: Inona no hataon'i Jesôsy? Mora ny fandrenesana izany, mandra-pametraky ny olona iray ny fanontaniana lôjika manao hoe: Inona no nataon'i Jesôsy? Hitantsika eto àry fa tsy mora mandrakariva araka ny ieritreretantsika azy ny valiny, Inona ohatra no vokatr'ireo andalan-teny no ambony ireo eo amin'ny fitondran-tenantsika amin'izao fotoana izao?
"Ny fiheverana izay ho nataon'i Jesôsy amin'izao fotoana izao dia misy ifandraisany ihany amin'izay tena nataony tokoa - tao Palestinina Rômanina

tamin'ny taonjato voalohany... - Amin'ny fomba ahoana, eto amin'izao tontolo izao no hamerenan'ny Kristianina iray miaina amin'izao vaninandro izao, na hampiharany ihany koa ireo zava-niseho hafahafa tahaka ny nanozonana hazo sy ny fandravana ny asa tsy tokony ho natao tao amin'ny tempoly? Raha toa ka tsy misy ao amin'ny fivarotana mahazatra antsika ny voankazo tena ankafizintsika manokana - satria tsy fotoanany! - dia hozonintsika ve ny fitoeran'ilay voankazo, na ilay tompon'andraikitry ny famokarana ilay voankazo, na izay zavatra rehetra hitantsika? Ary raha toa ka nanamafy be loatra momba ny ara-bola ny mpitoriteny indray Alahady, na nisy nahatafintohina antsika teo amin'ny asam-piangonana sy ireo olona manao izany, dia hisafaoka mandritra ny fanompoam-pivavahana ve isika ka hanomboka hanjera ny dabilio sy ny polipitra ary ny alitara - izay zavatra rehetra tsy mifantsika tsara - ka handraoka ireo vadin-tany avy eo antoerana?" — WDJD, t. ix.


Inona avy ireo fitsipika tokony hapetratsîka mba hamaliana ireo fanontaniana ireo? Aiza ho aiza amin'izany no toeran'ny fahamatorana ara-panahy? Tonga amin'ny maha-Wiesia, Mpamonjy ny taranak'olombelona Azy i Jesôsy. Ahoana no hanavahantsika izay nataony tamin'ny fomba hentitra ny amin'io anjara asa io, ka tiany koa raha harahintsika?

Talata 13-05-2008 : Mandrava fananana manokana hoe?


Mifantoka amin'ny fomba fanaovantsika an'i Jesôsy ho môdely ny ahiahy fototra ao amin'ny lesona mandritra ity herinandro ity. ManAo ahoana no fahitsian'ny tanjona eo amin'ny "fanarahana ny ohatra nomeny"? Ny marihintsika ihany koa dia ny hoe foto-kevitra mitaky ny eritreritsika sy fahaizantsika manavaka amin'ny fomba feno fahamalinana indrindra izany. Azo antoka fa misy ireo toe-javatra, ny ankamaroany mihitsy, izay ahitantsika ohatra mazava, ary mifanaraka amin'ny fitondran-tena mendrika, azo arahina tsara; misy ny fitsipika izay tsy dia mazava loatra eo amin'ny sasantsasany. Indreto misy toe-javatra anankiroa:


Vak. Mat. 8:28-32 (ampit. Mar. 5:1-20, Lio. 8:26-39) sy ny Mat. 21:18,19 (ampit. Mar. 11:12-14,20,21). Araksa ny hevitrao nahoana no nalefan'i Jesôsy tany amin'ny andian-kisoa ireo devoly? Izany ihany ve no nataony raha toa ka andian'ondry no teo? Aiza ho aiza ny fanehoan'i Jesôsy firaisam-po teo amin'io zavatra nataony io? Nisy fahasahiranantsaina ihany ve tao Aminy, raha tsy jerena ,nt' fomba fisakafoany, ny amin'ny fiveloman'ny fianakaviana iray na mihoatra tao an-tanàna? Ahoana no ifanarahan'ny foto-kevitry ny fanonerana amin'io sary io?


"
Raha toa ka Jentilisa no tompon'ireo kisoa ireo dia tsy tokony hila ny fanazavana tena izy isika ny amin'ny nandravana azy. Ny filazana fa nobaikoina fotsiny ihany mba handao ny olona ny devoly, ka safidiny ihany no niditra tanatin'ny kisoa, dia manohitra ny fangatahany tamin'i Jesôsy sy ireo fanambarana tsotra nataon'i Marka sy Lioka fa Jesôsy no nanome alalana azy hanao izany" — ISMG, t. 353. Sokajian'ny manam-pahaizana hafa mpandinika ny. Baiboly ho fanoherana mahery maika" io zavatra nataon'i Jesôsy !o. "Nÿ anarana hoe 'Legiona' sy kisoa," hoy izy, dia "samy manambara ny fibodoan'ny Rômanina ara-tafika." Koa ny tian'i Jesôsy hatao araka izany dia ny "hanohitra ny fibodoan'ny Rômanina feno fampijaliana ny Isiraely" — WDJD, t. 101.


Lazain'i EGW fa "famindrampo ho an'ireo tompon'ny kisoa ny namelana io fatiantoka io hihatra taminy. Variana tamin'ny zavatry ny tany izy ka tsy niraharaha ny tombontsoa lehibe teo amin'ny fiainana ara-pahany. Nirin'i Jesôsy ny hanapaka ny fanangolen'ny tsy firaihana feno fitiavantena nianjady taminy, mba hahazoany manaiky ny fahasoavany" – IFM, t. 357. Mety hanampy antsika ireo fanazavana ireo mba hahatakarantsika ireo voina tonga amintsika manokana, ahoana no fahitanao ny fifandraisan'izany amin'ny zavatra efa nataontsika teo alpha? Sa ve io anisan'ireo asa izay tafiditra ao anatin'ny anjara asan'i Jesôsy amin'ny maha-Mesia-mpaminany Azy, ka tsy natao ho ohatra harahintsika? Ahoana no hanazavanao fa mitovy amin'io ihany koa izay nitranga mikasika ny fanozonana ilay aviavy (izay azo antoka fa nanana ny tompony manokana)?
   

Alarobia 14-05-2008 : Tsy miraharaha ireo voaenjika hoe?

 
Ao amin'ireo fitantarany mampivarahontsana indrindra mikasika ny fitsarana farany, dia milaza ny amin'ny hizaràny ho sokajy roa ireo firenena tafaangona eo anatrehany i Jesôsy, dia ny ondry sy ny osy izany. Hoy Izy tamin'ireo ondry, ankoatra ny zavatra hafa rehetra: "tao an-tranomaizina Aho dia novanginareo - - Mat. 25:36.


Vakio ireto - andalan-teny ireto araka ny fanambaran'i Jesôsy ny fitsarana. Inona avy hatrany no tsapanao ny amin'ny fiheveranao ny fifandraisan'ny andalan-teny amin'ny resaka tranomaizina ao amin'ny fitsarana? Mat. 4:12,13; Mat. 11:2,3; Mat. 14:1-13.


Ahoana no tokony hanazavana ny fitondran-tenan'i Jesôsy nandritra ny nampidirana an'i Jaona tao an-tranomaizina? Vantany vao nandre ny nisamborana an'i Jaona Izy dia niverina tany Galilia (Mat. 4:12). Ary ny porofo rehetra dia milaza fa tsy namangy azy Ity mpiara-belona taminy malaza Ity raha tao an-tranomaizina izy, milaza mazava ny amin'izany ny Mat. 11:2,3. Araka ny voalazan'io andinîny io dia naniraka ny mpianany hanontany an'i Jesôsy 1 Jaona, ka izany no hita ho hany fomba nifandraisan'izy ireo. Taorian'ny nahatontosan'ireo mpianatr'i Jaona izany dia naneho fiderana ambony ilay mpaminany nahazo fankaherezana Izy saingy tsy namangy azy,
Anisan'ireo plana miverimberina indrindra atrehintsika olombelona ny momba ny fahoriana: "Fa aiza Andriamanitra rehefa misy manjo antsika?" Valin-teny ampahany ihany no azontsika tao amin'ny fanandraman'i Jaona, raha ny fihetsik'i Jesôsy no jerena. Na dia Andriamanitra nitafy nofo aza Izy, nanana hery azo nampiasaina, dia tsy niditra an-tsehatra tamin'ny famonjena ilay nialoha lalana Azy tamin'ny asany. Tsy nisy afa-tsy fahanginana no rentsika avy tamin'i Jesôsy (Izay heverintsika fa tena nahatsapa izany tokoa), taorian'ny namonoana an'i Jaona. Tsy fantatsika toy izany ihany koa raha nanatrika ny fandevenana an'i Jaona Izy na ny mpianatra.


Ahoana no hanazavanao ny fihetsik'i Jesôsy nandritra ireo andro nanjombona teo amin'ny fiainan'i Jaona? Inona avy ireo toe-javatra mahatrotraka izay nety ho nanana anjara teo amin'ny fanapahan-keviny? (Jereo SDA BC, b. 5, t, 316, izay milaza fa niezaka hampangina an'i Jaona sy Jesôsy ny fitondram-panjakana tamin'izany).


Ahoana ihany koa no hanampian'ny fitondran-tenany, nandritra ny tantaran'i Jaona Manao batisa, antsika hahatakatra ny fahanginan' Andriamanitra mandritra ny fotoam-pahoriantsika?

Alakamisy 15-05-2008 : Mifanerasera amin'ireo mpanakorontana fiarahamonina


Maro amintsika no efa nanova ny endrik'i Jesôsy. Ary na dia efa fandrentsika matetika aza fa nifandray tamin'ireo izay noheverin'ny fiarahamonina ho tsy azo ekena Izy, dia mitakemotra indray ny fisainantsika na lasa lavitra loatra. Matetika, tsy mba raisintsika manginginà ho an'ny fiainantsika manokana amin'izao fotoana izao ny hevitr'izany lafim-piainan'i Jesôsy izany fa ampiasaintsika indray io fihetsiny io mba hifamelezantsika samy isika, noho ny fanilikilihana be loatra misy, ohatra, na tsy fitiavana fiovaovana diso toerana, raha ireo mpanelingelina ny fiarahamonina no resahina, Misy ihany anefa ny miahiahy fa hahatonga ny ankamaroany amintsika (raha tsy isika rehetra) ho tsy dia hahazo aina loatra ny fandinihana lalindalina kokoa ny fifandraisan'i Jesôsy tamin'ireo mpanakorontana fiarahamonina tamin'ny fotoan'androny ireo.


Diniho tsara ireto andalan-teny  ireto. Inona no hafatra azonao raisina avy amin'izy ireo? Mat. 9:10-13; 11:18,19; Lio. 5:32; 1 Kôr. 1:26-28.


Raha ampiharintsika amin'ny vaninandro misy antsika ireo voalaza ireo, dia tokony ho hitantsika ao an-tsaintsika i Jesôsy miara-mipetraka amin'ny olona ratsy fitondran-tena, ary tena misy fisakaizana lalina indrindra eo amin'izy ireo (araka izay niseho nandritra ny fotoam-pisakafoana tamin'ny andro taloha). Nisy ny fihinanana sy fisotroana; ny mozika mandeha mafy sady mikorontana; mitranga ao amin'ny maizimaizina ny fivarotan-tena izany no rivotra nisy, ary tany amin'ny toerana tahaka izany mihitsy no nalehan'i Jesôsy.
Mahaliana fa avy amin'i Jesôsy ihany no andrenesantsika ireo anarana manan-keviny ratsy indrindra izay nomen'ny fahavalony Azy: toy ny hoe Izy dia "fatra-pitia hanina sy nipisotro diva- - Mat. 11:19; Lio. 7:34. "Tsy hihatra velively amin'i Jaona Mpanao batisa na i Gandhi ireo filazana ratsy dia ratsy ireo, fa amin'izay mandany fotoana tahaka an'i Jesôsy kosa, amin'ny fiaraha-misakafo sy firesahana mandritra ny lanonana" — WDJD, t, 90. Na dia natavezina aza izany filazana rehetra izany, tsy,nahagaga an'ilay Mpamonjy izao tontolo izao ny nampangaina ho mpimamo sy lian-kanina.

 

Inona no azontsika ianarana avy amin'ireo andininy ireo ka azontsika ampiharina amin'ny fiainantsika? Inona kosa no tsy tokony hampiharintsika? Rehefa mamaly izany ianao, dia eritrereto ny zavakendren'i Jesôsy tamin'ny niarahany nitakosona tamin'ny olona. Ahoana no anampian'io valin-teny io antsika hahatakatra ny fitsipika azontsika tsoahina?

Zoma 16-05-2008 : Fianarana fanampiny

I
FIANARANA FANAMPINY:

-Teo amin'ny  fanahy tsirairay avy , dia nahitan'i Jesosy olona tsy maintsy handefasana ny antso ho amin'ny  fanjakany. Nahatratra ny fonny vahoaka Izy satria nandeha teo anivony toy ny olona izay maniry ny soa ho azy ireo. Notadiaviny teny an-dalambe Izy, tany an-tranon'ny tsirairay, teny ambonin'ny sambo, tao amin'ny synagoga, tany amoron'ny farihy sy tao amin'ny fanasana fiampakaram-bady. Nihaona taminy teo amin'ny asa niantsoana azy andavanandro Izy ka nasehony.fa nahaliana Azy ny asa aman-draharahany ara-nofo. Alentiny tao amin'ny ankohonana ny fampianarany ka tao ambaninny hery miasa mangina avy tamin'ny fanatrehany - Izy Andriamanitra - ireo fianakaviana tao amin'ny ankohonany avy.  Nanampy tamin'ny fahazoana ny fo ny firaisam-po rnatanjaka tao Aminy.    "Teo amin'ny fanasana fampakaram-bady", IFM, t. 145-146.
"Ny fomba fiasan'i Kristy irery ihany no hanome ny fahombiazana marina eo amin'ny fanatrarana olona. Nifangaro tamin'ny olona ny Mpamonjy toy ny hoe maniry izay mahasoa azy ireo. Nasehony taminy ny firaisam-pony, nomeny azy izay nilainy ary azony ny fony. Nobaikony izy avy eo hoe: 'Andeha hanaraka Ahy"'— "Teaching and Healing," in MH, t. 143,


FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1. Inona no atao hoe fahatezerana ara-drariny? Rahoviana izany no aradalàna ary rahoviana no tsia? Ento hifanakalozan-kevitra eo amin'ny kilasy ny valin-teninao.
2. Ahoana no maha-mpitari-dalana antsika ny fifandraisan'i Jesôsy tamin'ireo olona noheverina ho mpanelingelina eo amin'ny fiarahamonina? Rahoviana ny fifaneraserantsika amin'ny mpanota no azo lazaina fa zava-doza ho an'ny fanahintsika? Teo amin'ny fifandraisany tamin'ny fiarahamonina, dia toa tompon'andraikitra amin'ny zavatra rehetra i Jesôsy. Inona no tokony holazain'izany amintsika eo amin'ny fiezahantsika handalina ireo lafiny be olana kokoa eo amin'ny fiarahamonina?
3. Hatraiza no maha-môdely ho antsika ankehitriny ny fitondran-tenan'i Jesôsy? Hatraiza no tsy maha-môdely izany? Inona avy ireo ohatra hafa momba ny fitondran-tenany eto ka mety ho olana ho antsika ny fanarahana azy?
4. Saintsaino lalindalina kokoa ny hoe tsy takatry ny hafa ny zavatra azontsika noho ny fiezahantsika hanaraka ny sitrapon'Andriamanitra. Na dia mahita ohatra toy izany aza isika, toy izay niseho teo amin'ny fiainan'i Jesôsy, dia nahoana isika no tokony hitandrina? Nisy ny olona izay efa nitarika fahasimbana teo amin'ny tenany sy ny hafa, noho ny finoany fa zavatra nasain'Andriamanitra nataon'izy ireo izany. Ahoana no hahafantarantsika marina tokoa fa miantso antsika Andriamanitra mba hanao zavatra izay mety hahatonga antsika tsy ho takatry ny hafa? Nahoana isika no tokony hisokatra amin'ny torohevitry ny hafa mialoha ny hanaovantsika ny zavatra izay maharesy lahatra antsika fa nasain'Andriamanitra natao? Ahoana ihany koa no tokony hahamalina antsika mba tsy hanakana ny olona iray izay tarihin'Andriamanitra amin'ny fomba izay mety ho hafahafa amintsika?

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006