Vahoaka tia fandriampahalemana ny Advantista. Ravo isika rehefa misy tsikera tsara atao amin'ny fiangonana na amin'ny mambran'ny fiangonana, na ihany koa rehefa lazaina fa manao ny tsara isika.
Ahoana kosa anefa no mety ho fihetsitsika indray andro any raha toa isika mahita lohateny lehibe eo amin'ny gazety milaza fa olom-bery isika Advantista, mpanelingelina na mpikomy? Moa ve azontsika antoka fa ampy hanohanana sy hampahery antsika ny fitokisantsika an'Andriamanitra?
Tsara ny fiheverantsika an'i Jesôsy kanefa mba azontsika an-tsaina ve ny fiheveran'i Jesôsy izany hoe voahoso-potaka sy nambanian'ny olona manana toerana ambony sy ny mpitondra fivavahana ambony izany tamin'ny androny?
Fantatsika ny fomba fitondran'ny miaramila rômanina Azy tany ampiafarana: «Ary dia nampitafy Azy lamba volomparasy izy, sady nandrandrana satroka tsilo ka nasatrony ny lohany. Ary dia niarahaba Azy izy hoe: Arahaba ry Mpanjakan'ny Jiosy! Ary dia nikapoka ny lohany tamin'ny volotara izy sady nandrora Azy, dia
nandohalika sy niankohoka teo anatrehany (..) Ary nentiny homboana amin'ny hazo fijaliana Izy» - Mar. 15:17-20.
Inona no nanomana ny olona iray amin'ny fampijaliana ara-batana sy fampahorian-tsaina tsy hianjera? Amin'ny fomba ahoana no hahatonga ny olona iray ho tony sy hijoro tsara na dia tsy misy mampahery azy aza, ary na dia toa mihodina aminy avokoa ny tontolo manodidina azy? Ao amin'ny fiarahana amin'Andriamanitra ny valin-teny nomen'i Jesôsy, dia ny herin'ny fiarahany nandeha taminy izany, izay hianarantsika mandritra ity herinandro ity.
Araka izay efa notsindrintsika dia kely dia kely ihany ny zavatra fantatsika mikasika ny fahazazan'i Jesôsy. Fantatsika ny momba ny fahaterahany sy ny fahazazany, ny fandehanany tany an-tempoly rehefa feno 12 taona Izy (Lio. 2). Dia izany ihany mandra-pahatongan'ny fotoana nanaovan'i Jaona batisa Azy izay fiantombohan'ny asany teo amin'ny faha-30'ny taonany teo ho eo (Lio. 3:21-23).
Na dia izany aza zanefa dia azontsika atao ny mandinika ny fiainany ary misintona lesona tsara mifanaraka amin'ny fototra ara-panahy. Raha heverintsika, mianga avy amin'ny fanandramantsika, fa tsy tongatonga ho azy tamin'ny indray alina na ivelembeiany fotsiny ny fijoroana sy ny herin'i Jesôsy dia hanatsoaka hevitra ihany koa isika, miainga avy amin'ny fanandramantsika ihany, fa avy amin'ny herin'ny dia miaraka amin'Andrimanitra izany.
Avereno vakina ny tantaran'i Jesôsy tao amin'ny tempoly (Lio. 2:39-52)., Inona ireo zavatra voalaza ao hanampy antsika hahafantatra ny fototra ara-panahy niorenan'i Jesôsy sy nitomboany? Inona ihany koa no anjara toerana na anjara asan'ny ray aman-dreniny teo amin'ny fitomboany?
Toa tsy mampino fa ireo ihany, ankoatra ny fitantarana ny nahaterahany, no andininy ananantsika mikasika ny 30 taona voalohany niainan'i Jesôsy. Ny mpandinika ny Baiboly dia manombantombana fa saika mifantoka amin'ny herinandro farany amin'ny fiainan'i Jesôsy avokoa ny filazantsara, dia ny fitantarana ny fijaliany izany, fa tsy dia ny mombamomba Azy loatra. Mazava loatra fa natao ho zava-kendrena mazava tsara mba hampamirapiratana ireo zava-niseho roa lehibe eo amin'ny finoana kristianina:
Ny misiterin'ny fahaterahan'i Jesôsy sy ny hevitry ny fahafatesany ary ny fitsanganany. Ny fiainany tsy misy fitiavan-tena no hitantsika teo anelanelan'ireo vanim-potoana rao ireo. Ary azontsika antoka fa maneho ny fandrosoan'ny fifandraisany amin'Andriamanitra tsy mijanona sy manokana ary mahery ny fanoloran-tenany hitantsika teo amin'ny asany.
Inona no fitsipi-pitondrantena azontsika raisina avy amin'io tantara io ka azontsika hampiharina eo amin'ny fiainam-panahintsika amin'izao vaninandro izao?
Taorian'ny batisany dia nandeha tany an-tany efitr'i Jodia nandritra ny 40 andro i Jesôsy mba hivavaka sy hisaintsaina ny asany.
Angamba tsy misy amintsika mianatra ity lesona ity nahafantatra ny hevitr'izany. Eto isika dia mahita mivantana kokoa fifantohana ara-panahy mihoatra lavitra ny fanandramana hiainantsika andavanandro, dia fitadiavana fifandraisana ety dia ety amin'Andriamanitra izany ka tsy hamelantsika ny vavatsika hikombona,
Mazava tokoa fa fitsapana no tena anton'ny nitondran'ny Fanahy an'i Jesôsy (Mat. 4:1; Lio. 4:2) ary dia nohararaotin'ny mpaka fanahy ny toe-javatra. Tsy nahomby ny tetik'i Satana tamin'ny alalan'ny hanoanan'ny Mpamonjy mafy dia mafy handrava ny fifandraisan'i Jesôsy sy Andriamanitra, hanapaka ny fifantohany sy hamotika ny herin'ny diany miaraka Aminy ary hanelingelina ilay fifandraisana ety dia ety.
Ahoana no navaiin'i Jesôsy araka ny voalazan'ny andininy manaraka izay mampiseho ny tena heriny miaraka amin'Andriamanitra. Inona no zavatra azontsika hianarana avy amin'izany sy hampiharintsika eo amin'ny fiainantsika. Mat. 4:3-10; Lio. 4:3-12).
Mba hahatakarana izay mitranga eto dia ilaintsika ny mihazona ao an-tsaina ilay toerana tokana tanan'i Jesôsy, eo amin'ny drafi-panavotana iray manontolo. .
Njaina tao anatin'ny tontolo feno fahotana Izy, raha tonga teto an-tany tahaka ny olombelona; tsy andro iray ihany fa nandritra ny fotoana rehetra niarahany tamintsika. Nitolona tahaka antsika Izy ary nalaim-panahy ihany koa kanefa dia nitoetra ho tsy manan-tsiny.
Azontsika ampitahaina amin'ny 33 taona lanintsika teo ambody solosaina nanoratana lahatsoratra lava dia lava, namaliana taratasy na namita !asa izany, ary tsy misy fahadisoana iray monja vitantsika ka nampiasantsika bokotra famafana ny diso. Azo-oharina amin'ny fianarana matematika na fizika ihany koa izany izay namaliantsika ny fanontaniana na namahantsika ny olana rehetra; mety ho toy ny mitendry "piano" nandritra ny 33 taona ihany,koa izany kanefa dia tsy nisy naoty diso mihitsy.
Izany no anjaran'i Jesôsy. Tonga tety an-tany Izy, tsy haneho ohatra mikasika ny fiainàna tsy misy fitiavan-tena fotsiny ihany fa ho faty ihany koa atria Izy no llay tsy manan-tsiny sy tsy manam-pahotana ka afaka hitondra famonjena ho an'ity planeta ity. Noho izany dia tsy nisy natao an-tsirambina na ho zavatra tongatonga ho azy foana ny fifantohany tanteraka sy ny fiarahany tamin'Andriamanitra.
Hevero izany hoe tsy mba nanota izany mihitsy nandritra ny fiainana manontolo na dia tamin'ny eritreritra aza. Izany no momba ny fahamarinana. Mitoera eo amin'i Jesôsy izay manome anao izay tsy hainao atao.
Niaina tamin'ny vavaka i Jesôsy. Natombony tamin'ny fotoam-bavaka maharitra sy feno fifantohana tamin'Andriamanitra ny asany. Ary voalazan'ny Lio. 4:14 fa feno ny herin'ny Fanahy Izy taorian'izany. Sarotra taminy ny hanainga ka tsy nanandratra ny fanahiny tany amin'Andriamanitra, na tsy nifandray tamin'ny lanitra. Hita ihany koa fa na dia fiainam-pifandraisana tsy tapaka tamin'ny Rainy aza no niainany, dia nanokana fotoana hivavahana hatrany Izy talohan'ny asa tsirairay avy.
Ahoana no hanehoan'ireto and. ireto ny fiankinan'i Jesôsy tamin'Andriamanitra hanoro sy hitarika ary hampahery azy nandritra ny fotoan'ny adin-tsaina na ioza? Raiso an-tsoratra ny:
Mat. 14:23 (ampitahao amin'ny and. 24-33) Lio. 6:12 (ampitahao amin'ny and". 13-16) Jao; 17 (ampitahao amin'ny Jao. 18:1-3).
Rafitra iray fa tsy ohatra ny iray fotsiny ihany no tantarain'ny Mar. 1:35, raha miresaka ny amin'ny fifohazan'i Jesôsy vao maraina alina hankany amin'ny toerana mangina hivavaka Izy. Nanomboka ny andro tsirairay avy niaraka tamin'Andrimanitra Izy. Ary nihamafy hatrany izany, indrindra indrindra fa tamin'ny fotoan-tsarotra manokana. Nivavaka tany an-tendrombohitra nandritra ny alina talohan'ny nifidianany ireo mpianany avy tamiri'ireo olona nanaraka Azy i Jesôsy (Lio. 6:12,13). Efa nanokana fotoana hifandraisany bebe kokoa tamin'ny Rainy i Jesôsy talohan'ilay fandehanana nampitolagaga teo ambony rano. Nanao vavaka fanelanelanana mafana ho an'ireo mpianany sy ny olona amin'ny andro farany i Jesôsy nandritra ny herinandron'ny fahoriany, raha hiatrika ny hazo fijaliana.
Avereno dinihina ny vavaka lehibe nataon'i Jesôsy ao amin'ny Jao. 17. Inona ireo zavatra tena nampiavaka ny diany manokana niarahany tamin'Andriamanitra hitanao ao? Fotoana toy inona no nanosika anao hampandefitra ny lohalikao? Inono no fanandramana efa nandalovanao ka nilanao ny herin'ny vavaka hampahery anao? Amin'ny fomba ahoana no mety hanatsaranao bebe kokoa ny fiainam-bavakao?
Hoy i Robert Frost, pôeta amerikanina iray nanao hoe: "Maizina sy mikitroka ny ala (...) kanefa tsy maintsy manatànteraka ny voadiko ary tsy maintsy mamita ny diako alohan'ny torimasoko aho."
Tao an-tsain'i Jesôsy mandrakariva ny haizin'ny ala nanodidina Azy, izay mikitroka dia mikitroka tokoa sy tsy naha-te ho tia velively.
Fantany ihany koa, tahaka ilay pôeta fa lalana an-kilaometatra maro tokoa no tsy maintsy diaviny alohan'ny hatoriany. Tena asa be tokoa nefa ao anatin'ny fotoana fohy dia fohy.
"Isika tsy maintsy manao ny asan 'izay naniraka Ahy raha mbola antoandro; avy ny alina ka tsy mahazo miasa ny olona ". - Jao. 9:4.
Hitantsika izany asa izany tamin'ny fihaonany tamin'ilay vehivavy tao Samaria. Tsy tsaroany ny hanoanana sy ny hetaheta teo anatrehan'ity fanahy mila vonjy ity.
Tetsy an-danin'izany, dia navelan-dravehivavy ihany koa ny sininy ary ni-hazakàzaka nankany an-tanàna izy hanambara ny vaovao mikasika ilay olona tsy mbola fahitany. Hitan'ny mpianany i Jesôsy nanandratra vavaka mangina ho amin'ny fahombiazan'ny fihaonana vaovao, rehéfa tafaverina izy ireo.
Inona no navalin'i Jesôsy azy ireo rehefa nanasa Azy hisakafo izy ireo? (Jao. 4:32-34). Ahoana no ahazoantsika ny hevitr'ireo teny ireo? Inona no hafatra raisintsika avy amin'izany?
Nafana fo tokoa Jesôsy teo amin'ny fanatanterahana ny iraka nampanaovina Azy. Ahoana no anamafisan'ireto and. Ireto izany: Jao. 9:1-12,35-39; 12:27-36.
Mifono hevitra maro dia maro tokoa ny. fïhetseham-pon'i Jesôsy ao amin'io andalan-teny farany io. Niseho taorian'ny fangatahan'ireo grika sasantsasany hihaona Aminy ireo (Jao. 12:20-22), fangatahana izay nanokatra teo anatrehany ny fahazoana mitondra manokana ny hafatry ny fanjakana mankany amin'ny vazan-tany efatra ankoatra ny ao Palestinina izay nahaterahany. Fantany anefa fa ny fanaovana izany dia hanohitra ilay endrika lehibe indrindran'ny asa nanirahana Azy iray manontolo mba hanolotra ny ainy ho famonjena ny firenena rehetra ny fanaovana izany. Araka izany dia nilaza ireo teny manan-kery mikasika ny voam-bary nilatsaka tamin'ny tany Izy, tsy hoe maneho ny fanatitra nataony fotsiny ihany io fa ilay fitsipika milaza fa izay rehetra manaraka Azy dia tsy maintsy manolo-tena tanteraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra na inona na inona mety ho vokatr'izany.
Inona no fanandramana manokana mikasika izay verinao noho ny fanarahana an'i Jesôsy. Nahoana no mora dia mora tokoa ny vidin'izany na ahoana na ahoana halafony avy eo?
1 Jao. 2:6.
Vakio amim-bavaka ny and. etsy ambony. Inona no fitsipi-pitondran-tena tokony harahintsika ao? Tsy vitantsika ny zava-drehetra nataon'i Kristy araka ny fanazavan'ny lesona; kanefa amin'ny tomba ahoana no ahatanteraka ny voalazan'io and. io eo amin'ny fiainantsika? Amin'ny fomba ahoana no handehanantsika araka ny nandehanan'i Jesôsy?
Efa hatrany amin'ny taloha tany ny foto-kevitra momba ny fiarahana mandeha amin'Andriamanitra.
Angamba ilay voalaza ao amin'ny Gen. 5:22-24. "Ary Enoka niara-nandeha tamin'Andriamanitra" no fanazavana voalohany omen'ny Baiboly. Ny teny hebreo hilazana ny hoe "mandeha" dia miresaka "dia" mitohy, tsy tapaka, zavatra miseho amin'ny fotoana rehetra. Niara-nandeha tamin'Andriamanitra mandrakariva i Enôka na inona na inona fahadisoany sy adiny. Manana tombon-tsoa hanao toy izany koa isika amin'ny maha-kristianina antsika. Na izany aza anefa, mora foana ny hanakanan'ny zavatra hafa hy diantsika.
Na aiza na aiza misy anao, na inona na inona kolontsainao, inona ireo zavatra mety hampijanona mora foana ny dianao miaraka amin'Andriamanitra? Mety ho fotoam-pialam-boly tafahoatra ve? Mety ho asa mafy na fitadiavana izay hivelomana? Inona ny dingana tokony ataonao hanakahana ireo zavatra ireo tsy hamono ny toe-panahinao raha vao fantatrao izany?
(Vakio izay voalazan'i Jesôsy ao amin'ny Mat. 13:22).
Mazava araka izany, tsy misy na dia iray amin'ireo akory fialan-tsiny arosontsika hahatonga antsika ho very satria efa nandalo tamin'izany ihany koa ny Tompo. Zava-dehibe manao ahoana loatra re izany fahafahana misafidy isan'andro nomen'Andriamanitra antsika izany mba hampahery sy hampahavitrika ny diantsika miaraka amin'ny Tompo izany e! tahaka izay nataon'i Jesôsy. Inona no tokony hamelantsika ny fakam-panahy handresy antsika ka hampiodina antsika amin'i Jesôsy?
FIANARANA FANAMPINY: "Hahasoa antsika ny handcmy adiny iray isan andro hieritreretana sy handinihana ny fiainan V Kristy. Tokony horaisintsika amin 'ny lafmy tsirairay izany ary avelantsika hamikitra ny toe-javatra tsirairay ny saina, indrindra ireo toe-javatra amin'ny faran 'ny fiainany. Reliefa mandinika maharitra toy izany ny sorona lehibe nataony ho antsika isika, dia mihamatanjaka ny fahatokiantsika Azy, mihalehibe ny fitiavantsika, aiy ho vonton 'ny fanahiny lalindalina kokoa isika. " - IFM, t. 71.
"Niezaka tamin'ny fomba rehetra azony natao i Satana hisakanana an'i Jesôsy tsy hamolavola fahazazana tonga lafatra, toetra tsy nisy fahadisoana rehefa lehilahy lehibe, asa fanompoana masina, ary sorona tsy nisy kilema. Resy anefa izy. Tsy nahatarika an'i Jesôsy hanota izy. Tsy afaka nanakivy Azy izy, na nanosika Azy hiala tsy hanao ny asa izay nahatongavany tety an-tany mba hataony. Hatrany an'efitra ka hatrany Kalvary dia namely Azy ny tafio-drivotry ny fahatezeran'i Satana, kanefa arakaraka ny niantontan'izany tsy nisy indrafo taminy no vao mainka namikiran'ny Zanak'Andriamanitra mafy kokoa hatrany'tamin'ny tanan'ny Rainy, sy nirosoany hatrany teo amin'ilay lalana mihosin-dra. - SDA BC, b. 5,1.1130.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1. Ny eson-teny natao tamin'i Jesôsy ao amin'i Mat. 22:15-16. dia milaza Azy ho olona marina izay tsy nijery toerana na fahefan'olona. Inona no holazain'ny olona momba anao? Mety ho tahaka izany koa ve ianao? Ahoana ny amin'ny sehatra avoavo kokoa, dia ny fiangonanao eo an-toerana izany? Moa ve vonona ny hanâmpy ny sarangan'olona ambanimbany kokoa ny fiangonana no sady miezaka hisarika ireo ambonimbony kokoa? Inona no ambaran'ny valin-teninao mikasika ny fanovana izay tokony hatao raha misy?
2. Ento eo amin'ny kilasy misy anao ny zavatra nosoratanao tamin'ny fizaràna Alakamisy mikasika ireo zavatra izay mety hanakana ny dianao miaraka amin'ny Tompo. Ampitahao amin'izay voasoratry ny mpiray kilasy aminao izany. Inona no zavatra niombonanareo? Inona ireo fahasamihafana? Ambony lavitra noho izany, amin'ny tomba ahoana no hifanampianareo ka hihoaranareo ireo fihaika ireo? Inona no azonareo hifanampiana?
Voalaza matetika ao amin'ny bokin'i Matio fa nandeha teny an-tendrombohitra sy nampianatra teny i Jesôsy. Farany niova tarehy teny an-tendrombohitra Izy (Mat. 17:1-9). Ny fampidirana ny resaka toerana ambonimbony kokoa angamba dia natao hanome lanja ny fifandraisana akaiky nandraman'i Jesôsy isan'andro tamin'ny sehatry ny zava-misy marina ambonimbony kokoa. Inona avy ireo tomba izay hahazoantsika fiangonana miara-miasa mba hanatrarana ny faritra ambony ary koa ny lemaka eny ambany?
ZAVA-POANA
Tari-dalana 1/07
Tsy mitsahatra miova
Ny rendrarendra eto an-tany
Tsy antenaina mba ho lova
Fa zava-poana ihany izaiiy.
Mahafinaritra ny siana
Ny hatsaràny raha jinery
Toa hahafaka taraina
Hay, zava-poana niahavery.
Tsy mba azo amikirana "Zay rehetra voambarany
Fa vao mainka mahasahirana
Sy ho zava-poana hatramin'ny farany.
Ekeko aloha fa tombontsoa
Sy vahaolan-tsy mateza
Nefa mba hevero koa
Fa zava-poana tena ngeza.
Aoka ianao tsy hiritona
Na hiavonavona ombieny
Fa mba hisaina sy hisintona
Hoe: zava-poana hay ireny.
Zay voalaza eto anio
Dia tsy fanakianana avy hatrany
Nefa kosa tadidio
Fa zava-poana ny eto an-tany.
Tsy vitsy an'isa izy ireny
Fa marobe sesehena
Ka hamaranako ny teny
D'izay maharesy no hovonjena.
Randriamparany Jean Raymond, Fiangonana Advantista Sud Ambohipo