Telovolana 2 : Ttre du trimestre 2 2006
Lesona faha 9 : NY HAMAMIN'NY FITIAVANY
Daty : 24-05-2008 hatr@ 30-05-2008. Toko dinihina : Mat. 5:44-48; 19:13,14; 23:37; Lio. 10:38-42; Jao. 8:2-11;Asa. 6:7
.Tsianjery : "Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry"Mat. 9:36.
Voalaza ao amin'ny Mat. 9:35 fa nitety faritra maro tany Palestinina "nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra" i Jesôsy. Amin'izao vaninandro iainantsika izao,izay anjakan'ny tsy firaharahana ny fahalalam-pomba, ka mahatonga ny olona hiahiahy hoe mifono hevitra ambadika ny ezaka rehetra atao hanampiana azy, dia toy ny rivotra mangatsiatsiaka mamelombelona aina ny antony ao ambadiky ny asan'i Jesôsy, dia ny tena fitiavana marina izany izay lazaina eto hoe"fangorahana"('nahonena', and. 36). Nanohina sy nampangorakoraka ny fony ireo olona ireo. Mbola hitantsika ao amin'ny Mar.8:1-3io fiheverana io; asehon’i Marka eo ny fanahian'i Jesôsy hoe ho safotra eny an-dalana mody ireo olona ireo. "Hateloana izay no nitoerany taty amiko ", hoy Izy nampahatsiahy ny mpianany, "sady tsy manan-kohanina izy; koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany. " (and. 2, 3).
Fiheverana mamy tena miavaka tokoa izany, ary milaza zavatra betsaka momba an'i Jesôsy. Fantany ireo olona mihaino Azy ireo. Niray fo tamin'izy ireo tamin'izay zavatra nilainy Izy. Tsapany ny fahorian'izy ireo. Izy akory tsy mangataka antsika mba ho tahaka Azy tanteraka na hanao asa tsy misy valaka amin'izay nataony. Satria na dia nifady hanina nandritra ny 40 andro aza Izy, dia nihevitra kosa ny fahasalamana sy ny fiarovana ireto vahoaka ireto, izay azo lazaina fa tsy nihinana na inona na inona nandritra ny telo
andro fotsiny (angamba tsy hoe tena tsy nanan-kohanina).
Izany no karazana fangorahana feno fitiavana tiantsika harahina aoamin'ny lesona amin'ity herinandro ity, teo amin'ny fiainan'ireo olona tsirairay sy ny fiainan'ny firenena Isiraely manontolo.
Diniho indray ny tantaran'ilay vehivavy tratra nijangajanga. Na dia nasehon'i EGW mazava tsara aza fa tratry ny vela-pandrika ravehivavy (IFM, t. 494), dia tsy isalasalana fa meloka izy. Na teo aza izany, tamin'ny fomba ahoana no nitondran'i Jesôsy azy? Inona no lesona azontsika sintonina avy amin'io tantara io?
"Tamin'ny namelany ny helok'io vehivavy io sy nampaherezany azy hiaina amin 'ny fiainana tsaratsara kokoa, dia namirapiratra teo amin'ny hakanton'ny fahamarinana tanteraka ny toetra amam-panahin’i Jesôsy. Tsy nanafina ny fahotana Izy, na nanamaivana. ny fahadisoana, nefa tsy nitady ny hanameloka, fa ny hamonjy. Tsy nanana afa-tsy fanamelohana sy fanarabiana ho an’ity vehivavy diso ity izao tontolo izao; nefa teny fampiononana sy fanantenana no nataon 'i Jesosy taminy. Ilay tsy nanana ota dia nangoraka ny fahalemen’ny mpanota ka naninjitra ny tanany hanampy azy. Ny Fariseo mpihatsaravelatsihy niampanga azy, fa Jesosy kosa nibaiko azy hoe: 'Mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony." -
IFM.t.496. .
Endrey izany fangorahana sy fitiavana mamy nasehon'i Jesôsy! Izany no nataon'i Jesôsy teo anatrehan'io toe-javatra io hany ka tsy andrin ireto mpiampanga an-dravehivavy ireto ny handao an-dravehivavy taorian'izay, tsy hanadala azy intsony mandrakizay, satria tsy azon'izy ireo antoka loatra hoe inona no voavakiny tamin'ny soratra teo amin'ny tany, mikasika ny fiainan'izy ireo manokana, tamin'iny maraina iny.
Na dia ireo mpihatsaravelatsihy izay nitondra an'ity vehivavy ity teo aminy aza, izay nitady ny hamandrika Azy tamin'izany, dia niasan'i Jesôsy. Tamin'ny fomba ahoana?
Raha mamaky tsara ny tantara ianao, dia ho hitanao ny fangorahana nasehon'i Jesôsy na dia tamin'ireo nanana fikasan-dratsy toy izany aza. Raha mba nisokatra toy ny an'ity vehivavy mampalahelo ity mantsy ny fon'izy ireo hanaiky an'i Kristy namboraka fitia taminy.
Inona no hataon'ny vondron'ny mpivavaka advantista tena maneho ny maha-Advantista eo anatrehan'ny toe-javatra tahaka izany? Fomba ahoana no ampifandanjantsika ny firaiketana amin'ny filamatra ambony ara-pitondran-tena sy ny fangorahana ireo lavo?
Niaritra ny fahoriana mafy indrindra ny ankizy nandritra ny taonjato maro. Malemy tsy maharo tena sy miankin-doha izy ireny, ary matetika izy ireny no tafalatsaka ao anatin'ny fifampitifirana mandritra ny ady sy ny fifanoherana, ny tabataba sy korontana ataon'ny vahoaka, ary ny adim-pianakaviana. Ny ankizy, ny zazalahy keiy indrindra indrindra, no niaritra ny mafy indrindra tamin'ilay toe-javatra mahatsiravina voalohany "famahana ny olana momba ny Jiosy" tamin'ny andron'ireo farao tany Egipta fahiny (Eks. 1:15,16). Ary mbola ny zazalahy kely indray no ringana tamin'ny fandripahana tsy nisy indrafo ny tsy manan-tsiny nataon'i Herôda (Mat. 2:16) toe-javatra izay nahatonga an'l Matio hampahatsiahy ny fotoana iray hafa nisian'ny fandringanana ankizy tsy ankifidy fa izay sendra izany tamin'ny fiandohan'ny famaboan'ny Babilônianina (Mat. 2:17,18; ampitahao amin'ny Jer. 31:15). Rehefa nahafantatra ny amin'izany vonoan'olona mahatsiravina nataon'i Herôda izany i Jesôsy teo am-pofoan-dreniny angamba Izy tamin'izay dia ampoizina fa latsa-paka lalina tao amin'ny fitadidiany izany, satria fantany fa, amin'ny lafiny iray, dia noho ny aminy no nahafaty ireo madinika tsy manan-tsiny ireo.( Tonga mba ho faty ho azy ireo Izy; kanefa tsy mbola lehibe afaka hisaintsaina akory ny momba izany iraka hotontosainy izany izy ireo )
Fomba ahoana no anehoan'ireto toko sy and. ireto ny fitiavana mamy sy ny fiheveran'i Jesôsy ny zazakely sy ny ankizy? Inona ireo hafatra omena antsika ao amin'ireo fitantarana ireo, izay tsy resaka ny amin'ny fomba tokony hitondrantsika ny ankizy fotsiny fa mihoatra lavitra noho izany? Mat. 18:2-6; 19:13-15
Mba nanao ahoana re ny hoavin'ireo ankizy nipetraka teo am-pofoan'i Jesôsy tamin'io andro io ireo, izay niantefan'ny tso-dranony tamin'ny tanany nitsotra? Inona ireo zavatra niseho tamin'io andro io nipetraka ho fahatsiarovana ao an-tsain'izy ireo, dia ireo efa lehibe afaka mahatadidy? Nisy tamin'izy ireo ve taty aoriana nanaiky an'i Jesôsy ho Mesia? Ary mba ahoana ny fihetseham-pon'izy ireo rehefa fantany fa io Olona be fitiavana io, Izay nametraka ny tanany tamin'izy ireo mba hitso-drano azy, dia any amin'ny lanitra avo indrindra ankehitriny manao fanompoam-pivavahana ho azy ireo? Toky lalim-paka manao ahoana re no ampoizina fa nentin'izany ho azy ireo! Manoroka zaza ny mpanao pôlitika hahazoany ny vaton'ny ray aman-drenin'ireny zaza ireny; fa i Jesôsy kosa tia ny ankizy mitsinjo ny soa ho azy ireo. "Avelao ny zaza" hoy Izy nibedy ireo mpianany te hiaro Azy, "ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an 'ny toa azy ny fanjakan 'ny lanitra” -Mat.19:14.
Iza no ankizy, raha misy, ao anatin'ny faritra tratry ny hery miasa mangina avy aminao? Manao ahoana ny fihetsikao eo anatrehan'izy ireny? Hevero tsara ny fomba itondranao azy ireny. Inona ireo dingana azonao atao mba ho azonao antoka fa tsara araka izay azo atao ny hery miasa mangina avy aminao?
Misy zavatra betsaka tsy fantatsika mikasika ny fianakavian'i Lazarosy ao Betania. Kely ihany no omen’ny Filazantsara efatra antsika momba azy ireo. Toa mazava anefa fa telo mianadahy iray tam-po efa lehibe izy ireo, tsy mbola misy manambady, ary miray trano. Tsy izany angamba aminao no atao hoe fianakaviana jiosy, nefa dia tao no nofidin'i Jesôsy haleha isaky ny tonga tao an-tanànan'i Betania Izy. Ampahafantarin'i Jaona antsika fa «Jesosy tia an’i Marta sy ny rahavaviny [Maria] ary Lazarosy [anadahin'izy ireo]" - Jao.11:5.
Diniho ny toe-javatra nitranga voasoratra ao amin'ny Lio. 10:38-42. Manao ahoana ny fahitanao ny fihetsika nasehon'i Jesôsy tamin'i Marta? Mbola hitantsika miharihary, na dia eto aza, ny fangorahana feno fitiavana nasehon'i Jesôsy. Amin'ny fomba ahoana?
Toa mitombina tokoa ny fangatahan'i Marta. Rehefa dinihina, mitana ny toerana afovoany eo amin'ny fandraisan'ny Tatsinanana vahiny ny sakafo, ary tena misy lanjany ny fikarakarana izany. Angamba nahantra loatra ry Marta ka tsy afaka nampiasa mpanompo, koa nila fanampiana i Marta tao an-dakozia. Eo anatrehan'izany fanazavana rehetra izany ny valin-teny nomen'i Jesôsy azy dia toa tena tsy firaharahana mihitsy, tsy araka ny toetrany velively.
Ny fiheverana ny velarana lehibe kokoa tanan'ny iraka tanterahin'i Jesôsy angamba no tsiambaratelo hahazoana izany. Ho an'i Jesôsy, dia tsy nisy zavatra fanao mahazatra izany, ary nahita izany ny ray aman-dreniny tamin'ny toe-javatra niseho tao amin'ny tempoly (Lio. 2:48,49). Ho an'i Jesôsy, dia mihantona eo amin'ny minitra kevitra izay dia tsy mikaonty ny asa ao an-dakozia, na dia zava-dehibe tokoa aza izany.
Na izany aza anefa dia diso ny fiheverantsika an'i Jesôsy raha mihevitra isika fa tsy niraharaha an'i Marta Izy. Ny mifanohitra amin'izany aza no mitranga eto. Tsy misy sary amin'ny 'vidéo' anehoan'ireo Filazantsara amintsika ny toe-javatra tantarainy. Tsy hitantsika ny endrik'i Jesôsy raha namaly an'i Marta Izy. Tsy rentsika ny fiontanam-po tao amin'ny feony. Raha ampiasaintsika kely anefa ny eritreritsika; araka ny fahafantarantsika an'i Jesôsy any amin'ny tantara hafa ao amin'ireo Filazantsara dia mety ho azontsika sary an-tsaina fa nitsangana avy teo amin'ny toerana nisy Azy Izy sady niantso an'i Marta tamim-pitiavana indroa. "Marta, Marta," hoy Izy, sady nankany an-dakozia Izy, ary i Maria nanaraka Azy avy ato aoriana, "misy zavatra lehibe lavitra noho ny fikarakarana sakafo, ary nahita izany i Maria." (fanazavana fanitarana izay voalaza ao amin'ny Lio. 10:41,42).
Fomba ahoana no mety hahatonga anao ho eo amin'ny toeran'i Marta, sahirana loatra amin'ny fiahiana izao fiainana izao ka manadino ny tena zava-dehibe? Lehibe lavitra noho izany, ahoana no ahafahanao milaza fa ara-dalàna ny zavatra ataonao loha laharana?
Ny anankiray amin'ireo fanambarana malaza indrindra nataon'i Jesôsy dia hita ao amin'ny Mat. 5:44-48. Ivereno vakina ireo andininy ireo. Inona no votoatin'io hafatra lehibe ho an'izay rehetra te hanaraka an'i Jesôsy io?
Araka ny tena heviny, dia azo lazaina fa ny fiainan'i Kristy manontolo sy ny fahafatesany dia fanehoana io foto-kevitra io, dia ny.fitiavana ny fahavalo izany, ny fanaovana soa na dia amin'ireo izay tsy manao soa amin'ny tena aza.
Taorian'ny nahalavoan'i Adama sy i Eva, dia lasa tanim-pahavalo, amin'ny heviny iray, ny tany manontolo, taranak'olona lavo sy mikomy, velona amin'ny fanoherana an'Andriamanitra. Inona anefa no nataon'Andriamanitraho an'ity planeta fahavalo ity? Moa ve nandefa ny tafiky ny anjely Izy hidina hipaoka azy ao anatin'ny faharatsiany? Tsia, tsy izany no nataony, fa nandefa an'i Jesôsy Zanany Izy, tonga mba hamonjy izao tontolo izao, fa tsy hanameloka azy.
Inona ireo ohatra hitanao ao amin'ireo Filazantsara efatra izay mampiseho miharihary ny fitiavan'i Jesôsy, na dia ireo fahavalony aza? Iza amin'ireo ohatra ireo no miavaka indrindra ao an-tsainao?
Ahoana, ohatra, tamin'ny fotoana nanasitranan'i Jesôsy ny sofin'ilay mpanompo izay nokapain'i Petera ka afaka teo (Lio. 22:50,51)? Ary tamin'ny fotoana nanehoany tamin'i Jodasy fa efa fantany mialoha izay nokasain'i Jodasy hatao, ka nanomezany tamin'izany fotoana hafa hahafahan'ity mpianatra mafy fo ity miala amin'ny fahotany (Mat. 26:25)?
Eny, ny ohatra lehibe indrindra dia tsy maintsy ny vavaka nataony tamin'ny Ray raha nohomboana tamin'ny hazo fijaliana iny Izy: "Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony “- Lio. 23:34. Amin’ny lafiny maro dia io no oha-pitiavana fara tampony ho ari'ireo izay tsy mendrika izany na dia tsy nahafantatra izay nataony aza izy ireo, dia tsy misy fialan-tsiny azon'izy ireo alahatra. Nandritra ny fotoana niainany tety dia nanome fotoana ampy azy ireo, na Jiosy na Rômanina, i Jesôsy, hahafantaran'izy ireo hoe iza Izy, na fara faharatsiny hahafantaran'izy ireo fa tsy mendrika an'i Jesôsy ny zavatra mihatra aminy. Na teo aza izany dia nampiseho fangorahana tamin'izy ireo foana i Jesôsy.
Zavatra anankiray ny milaza hoe tokony ho tia ny fahavalonao ianao; zavatra hafa ny mahafantatra hoe fomba ahoâna no anatântèrahana izany. Inona no tsiambaratelo ahafahanao maneho io toetra io eo amin'ny fiainanao? Manao ahoana ny fahavononanao hanatanteraka ny fiovana ilaina mba hahafahanao mitia ny fahavalonao?
Hita taratra ao amin'io and. eo ambony eo io ny toetrârff 'Jesôsy. Amin'ny fomba ahoana? Inona no ambarany amintsika mikasika ny fitiavan'Andriamanitra ny olony? Inona no ambarany amintsika mikasika ny fetran'ny zavatra azon'ny fitiavana atao? Etsy an-danin'izany, alohan'ny anondroanao olona, dia anontanio ny tenanao hoe: andrao dia miantefa mivantana amiko àry ireo teny ireo?
Raha niombona tamin'ny fihetseham-pon'ny olombelona Andriamanitra ny tantaran'ny fifandraisany tamin'ny Isiraely dia saika fahadisoam-panantenana lalandava tao anatin'ny efatra arivo taona. Marina fa nisy ihany ireo naoty ambony, dia ireo fotoana nanomezan'io firenena io fifaliana an'Andriamanitra, saingy vitsy dia vitsy izy ireny sady tsy naharitra. Nony farany, rehefa tsy ariny intsony, fa tonga ny fetran'ny faharetany mahagaga, dia nomen'Andriamanitra 490 taona ilay firenena (Dan. 9:24), vanim-potoana izay hipaka hatrany amin'ny fotoana hahatongavan'ny Mesia. I Jesôsy izany Mesia izany; ary ny zavatra hitantsika hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany tao aminy dia fangorahana, fitiavana avy hatrany dia mahery sy mamy.
Fomba ahoana no anehoan'ny Mat. 23:25-35 ny herin'ny fitiavan'i Jesôsy?
Ny fahari-pon'Andriamanitra mahagaga, izay madiva hifarana, no hitantsika eto. Eny, na dia nohantsiana mafy aza, ary na dia naharitra ela aza ny fihantsiana, dia nanavatsava ny hamafisam-pon'i Jesôsy izay nandrakotra tety ivelany ny fahalemem-panahy. Tsy ho nanao ireo teny henjana ireo Izy raha toa ka tsy nisy ny fanantenana hoe hahita ny sasany amin'ireo olona ireo amin'ny farany fa diso lalana,
Vak. Asa. 6:7. Mariho hoe iza koa no "nanaiky ny finoana." Mety ho anisan'ireo olona notsinin'i Jesôsy teo aloha angamba ny sasany amin'izy ireo? Inona no hafatra ho antsika eto mikasika ny fahamaimaizana hitsara na hanameloka?
Ilàna fahaiza-mandanjalanja sy fitandremana mba tsy hanafintohina olona ('tact') sy fahendrena lehibe ny asa famonjem-panahy. Tsy nanafina ny fahamarinana na oviana na oviana i Jesôsy, saingy tamim-pitiavana mandrakariva no nanambarany izany. Naneho fahaiza-mandanjalanja fatratra sy fitandremana mba tsy hanafintohina olona Izy teo amin'ny fifaneraserany tamin'ny hafa, ary tsara fanahy sy nihevitra ny hafa mandrakariva Izy. Tsy mba sahisahy tsy nanaja olona mihitsy Izy, tsy nanao teny henjana tsy amin'antony mihitsy, ary tsy nanome mihitsy fahoriana tsy ilaina ho an'ny fanahy iray mora tohina. Tsy nanakiana ny fahalemen'ny olombelona Izy. Novakiny bantsilana tamim-pahasahiana ny fihatsarambelatsihy sy ny tsy finoana ary ny tsy fahamarinana, kanefa kendakenda noho ny ranomaso ny feony raha niloa-bava hanambara ireo fanakianana manindrontsindrona nataony Izy. Tsy nataony tsy mifaditrovana mihitsy ny fahamarinana, fa nampiseho halemem-panahy lalina foana tamin'ny taranak'olombelona Izy. Sarobidy teo imasony ny fanahy tsirairay. Nitondra tena tamim-boninahitra araka ny fomban'Andriamanitra Izy, nefa dia niondrika tamim-pangorahana sy tamim-piheverana mamy indrindra ny olona tsirairay ao amin'ny fianakavian'Andriamanitra. Fanahy nanirahana Azy mba hovonjena no hitany tao amin'izy rehetra. GW, t.117
FÀNONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1. Aza miala amin'ny fisaintsainana io hevitra hoe tia ny fahavalo io. Inona no dikan'izany, raha tena tanterahina tokoa? Fomba ahoana no anehoana io fitiavana io? Misy fotoana ve tsy ahafahanao mitia ny fahavalonao? Raha misy izany, amin'ny toe-javatra manao ahoana re no metyhitrangan'izany?
2. Manao ahoana ny toerana misy ny ankizy ao amin'ny fiangonanareo? Manao ahoana ny fiheverana ny zavatra ilain'izy ireo? Inona no zavatra tsara kokoa azonareo fiangonana atao amin'izay lafiny izay?
3. Mora ny mampifangaro ny fitiavana sy ny fahasoavana mora vidy? Amin'ny fomba ahoana? Izany hoe, inona no loza mananontanona amin'ny famelana ny olona ho afa-maina amin'ny zavatra tsy tokony hataony, satria te nampiseho fitiavana aminy isika? Amin'ny fotoana inona indraindray no anehoana tsara indrindra ny fitiavana amin'ny alalan'ny fandraisana andraikitra hentitra eo amin'ny ara-pitondran-tena? Fomba ahoana no ahafahantsika mampifandanja ireo zavatra roa ireo? Raha mety hanao fahadisoana ianao eo amin'ny fanapahan-kevitra raisinao, amin'ny laniny aiza no tsara indrindra anaovanao fahadisoana?
4. Inona ireo fampitahana hitanao eo aminny firenena jiosy (fony Andriamanitra no nanapaka teo amin'ny fitondram-panjakan'izy ireo) sy ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ankehitriny? Inona ireo lesona tokony hianarantsika avy amin’ny ohatra nomen'izy ireo? Mianatra azy ireny ve isika?