Rehefa nariakaiky ny Paska, dia nalefan'ny mpampianatra iray nankeny amin'ny zavaboary teo amin'ny manodidina ny sekoly ny mpianany. Samy nomeny boaty kely izy ireo tsirairay, ka izao no asa nampanaoviny azy ireo: mitondra ao anaty boaty, zavatra iray azo raisina ho ohatra mampiseho ny aina. Rehefa niverina ireo ankizy ireo, dia nosokafana tsirairay ny boatin'izy ireo, Lolo no tao anatin'ny boaty voalohany, lolo lasa nanidina rehefa nosokafana ilay boaty nisy azy. Ravina no tao anatin'ny boaty faharoa. Rantsan-kazo indray kosa no tao anatin'ny Tahatelo. Rehefa nosokafan-dramatoa mpampianatra kosa ny boaty manaraka, dia indro, foana tsy nisy na inona na inona tao anatiny.
"Vendrana koa izany!" hoy ny mpianatra iray, nihoraka. "Nisy tsy nanao ny zavatra nampanaovina azy!"
Tamin'izay fotoana izay dia niteny maty i Philip, zazalahy voan'ny aretina 'syndrome de Down, nanao hoe: "Ahy io boaty io."
"Marina raha tsy nosimbanao ny zavatra nampanaovina antsika, ry Philip!" hoy ilay zazalahy nihoraka teo, nanohy niteny, tsy kivy.
"Tsia," hoy i Filipo, namaly tamim-pahatokiana. "Foana ânie ilay fasana e!"
Lasa olona nohajaina teo anivon'io andiana mpianatra io i Philip tamin'io andro io. Tsy ela taorian'izay dia maty izy, ary tamin'ny fotoana nandevenana azy dia nitondra boaty foana tsy nisy na inona na inona ny mpianatra rehetra tao amin'ilay kilasy tamin'ny fanompoam-pivavahana, ho fanomezam-boninahitra ity mpiara-mianatra amin'izy ireo lavon'ny fahafatesana ity.
Eny tokoa, foana ilay fasana! Ary ao amin'izany fasana foana izany no ahitantsika ny fanantena lehibe ho an'ny Kristianina rehetra hatraiza hatraiza. Amin'ity herinandro ity isika dia hijery izany fanantenana izany, izay hita ao amin'ny fitsanganan'i Jesôsy Kristy tamin'ny maty.
Misy toe-javatra maromaro azo lazaina fa ivon'ny fivavahana kristianina, anisan'ireny ny nahatongavan'i Kristy ho olombelona mitafy nofo, ny hazo fijaliana, ary ny fiavian'i Kristy fanindroany. Nefa amin'ny lafinyiray, ny fitsanganana amin'ny maty dia mandresy azy rehetra ireo, na dia ny hazo fijaliana izay nasandratsika tao amin'ny lesona tamin'ny herinandro lasa teo aza, satria raha tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, dia tsy misy dikany ny zavatra hafa rehetra. Eny, rehefa miresaka momba ny fahafatesan'i Jesôsy isika, araka ny lôjikantsika dia tafiditra ao ambadik'izay ny fitsanganana amin'ny maty. lo no foto-pampianarana ivon'ny fmoana kristianina.
Amin'ny fivavahana rehetra misy eto amin'izao tontolo izao dia ny fivavahan'ny Jiosy sy ny fivavahana kristianina irery ihany no mitana ny foto-kevitra momba ny fitsanganana amin'ny maty; ary ny fivavahana kristianina irery kosa no manao azy ho ivony. Ny fivavahana kristianina irery ihany no naorina teo ambonin'ny fmoana fa llay Olona fototry ny resaka ao.dia natsangana tamin'ny maty tokoa. Ireo Filazantsara efatra dia mamelabelatra momba io toe-javatra mahatalanjona io, ary amin'ny fomba tsotra, mivantana, izay mahatonga izany ho azo inoana tanteraka, no itantaran'izy ireo ny tantara.
Inona no anjara raisin'ny tsirairay amin'ireto toko sy and. ireto hahatonga ny tantaran'ny fitsanganan'i Kristy amin'ny maty ho azo inoana? Mat. 27:50-53; Mat. 27:54-56; Mat. 27:57-61 (ampit. Mar. 15:42-47); Mat. 27:62-66.
Ny toe-javatra nitranga rehetra voatanisa teo ireo dia natrehin'olona marobe avokoa. Raha jerena ny datin'ny Filazantsaran'i Matio (izay ninoana fa nosoratana talohan'ny taoha 70 TRK), dia ampoizina fa nisy ireo vavolombelona nanatri-maso mbola velona, afaka nanamarina na nandà ireny tatitra ireny. Na ireo mpitondra fivavahana nijoro tamin'izany fotoana aza dia tena ho liana ka tsy ho namela ny fanambarana sy fihamboana toy izany handeha amin'izao tsy misy mpanohitra raha toa ka diso: Ny efitra lamba tao amin'ny tempoly triatra "hatrany ambonf (azo antoka fa ny sasany tamin'ireo mpisorona nanao asa fisoronana tamin'io andro io dia ho nahita tamin'izany zavatra izany); ny horohoron-tany dia ampoizina fa natrehin'ny olona rehetra sady nanerana ny faritra rehetra nanodidina teo; ny.fitsangananïreo olor.ô maty sy ny fisehoan'izy ireo tamin'ny olona maro tao an-tanàna (inona moa no antony mety ho nahatonga ny mpanoratra hamorona tsipirian-javatra toy izany!) ny fanambarana nataon'ilay kapiteny rômanina sy ireo miaramila namany vavolombelona nanatrika teo; ny fanisiana tombokase ny fasana; ny fametrahana mpiambina manokana; dia mitohy hatrany ny lisitra. Toe-javatra tena nisy marina ireo, tsy misy ifandraisany amina fiangaviana manokana na amina fomba iarovah-teria na inona na inona.
Tao amin'ny lesona omaly isika dia nanomboka nitanisa andalan-teny ao amin'ireo Filazantsara efatra izay miiazalaza momba ireo toe-javatra nitranga manodidina ny fahafatesan'i Jesôsy, toe-javatra izay mahatonga ny tantaran'ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty ho azo inoana, noho izy ireo tsotra, mivantana, tsy namboamboarina. Ireto manaraka ireto mbola misy andalan-teny vitsivitsy fanampiny mifanaraka amin'izay fisainana izay ihany.
Inona no hafatra lehibe dia lehibe hita ao amin'ireo andininy ireo? Inona no hevi-dehibe fototra iraisan'izy rehetra ireo? Mat. 28; Mar. 16; Lio. 24:10-44.
Na dia tsy misy fanambarana nalaina avy ao amin'ny filazantsaran'i Jaona aza io lisitra eo ambony eo io, ireo Filazantsara efatra rehetra dia miresaka tsipiriany maro tokoa momba ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty.
Nahoana, araka ny hevitrao, no toy izany izy io? Inona no maha-zava-dehibe loatra ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty ho an'ny finoantsika?
"Ny finoana manan-tantara tanan'ny Fiangonana dia miombon-kevitra amin'ny apôstôly Paoly fa 'raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanared - 1 Kôr. 15:17. Ireo foto-pinoana kristianina hafa rehetra dia miankina amin'ny fanambarana ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty avokoa: Ny hevitra fonosin'ny Krismasy dia mipetraka ao amin'ny zava-misy hoe llay Zaza teraka no llay anankiray natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty; ny Zoma masina dia fahatsiarovana ny fitsingerenan'ny fotoana nahafatesan'ny maritiora anankiray fotsiny ihany raha toa io olona maty io ka tsy llay anankiray Izay nitsangana tamin'ny maty indray; ny fampijoroana ny Fanasan'ny Tompo ao amin'ny Fiangonana dia tsy ho azo nosainina akory raha toa ka tsy fantatr'ireo olona mahatoky, tao amin'ny famakiana ny mofo akory ny Tompo." - DCT, toko "Résurrection of Christ" t. 290.
Hitantsika ao amin'ireo toko sy and. natokana hodinihina androany ny herin'ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty, na ara-batana izany na ara-panahy. Notapahiny ireo rojon'ny fasana; niparitaka ireo tombokasen'ny Rômanina; nisokatra nidanadana ny fasana. Ary manambara Izy ankehitriny manao hoe: Izaho no "-llay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay! - Apôk. 1:18. Raha asaina manambara amin'ny teny fohy (tsy mihoatra ny teny folo) ianao hoe inona no dikan'ny Fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty ho anao, dia inona re no mety hambaranao e?
Ahoana no ahafahan'izany finoana hafahafa izany, dia ny fitsanganan'ny mpaminany maty iray amin'ny maty, hiely manerana ny fanjakana lehibe iray mpanompo sampy toa an'i Rôma raha tsy nisy ny nino azy? Nahoana no hamorona tantara toy izany ny vondron'ny mpanarato sy mpamory hetra vitsivitsy iray, na teo aza ny fanoheran'izao rehetra izao? Ary raha toa ka noforonin'izy ireo izany, ahoana no nahatonga izany ho finoana mafy orina tao aminy ka tsy hoe vonona ny handao ny fianakaviâny sy ny namany fotsiny izy ireo hiarovana izany, fa vonona ny hanolotra ny ainy mihitsy ho an'llay Anankiray izay nambarany tamin'ny antso mafy hatraiza hatraiza fa Kristy nitsangana tamin'ny maty?
Ny fisamborana sy ny fitsarana ary ny famonoana ho faty ny Mpampianatra azy ireo dia namela ireto mpanaraka Azy ireto ho kivy sy hihorohoro ary ho resy. Very fariantenana ry zareo izay nikambanà tamin'ny fomba ety teo aloha tao anatin'ity vondrona kely ity ka nanomboka niverina tamin'ny fomba amam-panao nahazatra azy ireo fahiny. (izy ireo mihitsy no mitantara izany). Lasa nandeha nanarato (antom-piveloman'ny ankamaroarï izy ireo teo aloha), izay fotsiny no rentsika; nefa ampoizina fa lasa fisainana sy very hevitra toa azy ireo koa ireo tsy mpanarato toa an-dry Matio sy ry Simôna zelota, nanontany tena hoe handeha ho aiza, hanao inona?
Atodiho any amin'ny filatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny andro Pentekôsta, herinandro vitsivitsy aty aoriana, ny eritreritra (Asa. 2). Rehefa nanao ny toriteniny tampotampoka teo i Pétera tamin'io andro Pentekôsta io, dia ny filazany an'i Jesôsy ho olona velona, nitsangana tamin'ny maty ary nasandratra ho eo anatrehan'ny Ray any an-danitra, ny fanambarana mahagaga nataony naneho fa velona i Jesôsy, no niantefa tamin'ireo olona nihaino. "Ry rahalahy, inona no hataonayT hoy ny valin-teninïzy ireo (Asa. 2:37).
Ny fanantitranterana ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty dia tsy zava-baovao nahaserintseriny ireo mpino voalohany ireo, izay niserana fotsiny ary ilaozana rehefa nisy zavatra tsara kokoa tonga. Ny mifanohitra amin'izany tanteraka aza no zava-nisy fa tena fototry ny hafatra notorin'ny apôstôly ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty, ary naverimberin'i Pétera sy ireo apôstôly hafa matetika izany rehefa mitory teny izy ireo.
Vak. Asa. 3:11-16; 4:8-12; 7:54-56; 17:29-31. Inona hatrany no loha hevitra resahin'izy ireo? Fa nahoana?
"Ho an'ireo Kristianina voalohany, teo amin'ny asa fitoriana nataony dia ny Fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty no manondro Azy ho Kristy, llay Zanak'Andriamanitra (...). Eo no manomboka ny fanjakany amin'ny maha-Mesiâ Azy, rehefa (...) niditra sy nisantatra ny vanim-potoanan'ny VONINAHITRA Izy." -IDB, b. R-Z, t. 44.
Raha nanoratra ho an'ny Filipianina i Paoly dia niresaka momba ny faniriany hahafantatra an'i Kristy sy ny "herin'ny fitsanganany tamin'ny maty" - Fil. 3:10. Inona, araka ny hevitrao, no dikan'izany? Fomba ahoana no hanandramantsika ankehitriny eo amin'ny fiainantsika ny herin'ny Fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty? (Jer., ohatra, Jao. 3:3; Rôm. 6:1-12).
Hitantsika eo amin'ny asa fanompoana nataorïny apôstôly ny herin'ny Fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty. Ny tenin'i Pétera tamin'ilay kilemaina dia miorim-paka mafy ao amin'ny Mpamonjy iray nitsangana tamin'ny maty: '"Amin 'ny cmaran V Jesôsy Kristy avy any Nazareta. mitsangantsangàna'" - Asa. 3:6. Taorian'izay, raha mbola talanjona sy nitolagaga teo noho izany fahagagana izany ny olona, dia nampahatsiahivin'i Pétera azy ireo ny fitsarana arïi Jesôsy sy ny fahafatesany (and. 13,14), avy eo dia nanomboka nifindra tamin'ny vaovao mahafaly tamin'izay izy, dia ny tanjona tiany hahatongavana hatramin'ny voalohany: '"Fa ny Tompon'ny aina kosano novonoinareo; fa Izy natsangan 'Andriamanitra tamin 'ny maty'" (and. 15). Ary ny hery navotsotra tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, hoy i Pétera, no nahafahanïo lehilahy nalemy tongotra io nandeha. "Noho ny finoana ny anaran'i Jesosy no nampahatanjaka io lehilahy io (...). Ny anaran'i Jesosy sy ny finoana avy aminy no nanome izao fahasitranana tanteraka izao" (and. 16, dkt NIV )
Na teo aza izany fahagagana manaitra izany, dia nosamborina i Pétera ary nanontaniana ny amin'ny fipetrak'ireo toe-javatra tsy mahazatra ireo: "Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana no nanaovanareo izanyT - Asa. 4:7. Teo anatrehan'ny fiangaviana toy izany, dia iny i Pétera fa niverina indray tamin'ilay loha hevitra izay lasa tiany amin'ny fomba manokana, dia ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty izany: "Ny anaran 7 Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin 'ny hazo fijaliana, fa natsangan 'Andriamanitra tamin 'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan 'io lehilahy io finaritra eto imasonareo. " (and. 10).
Tamin'ny fotoana telo samy hafa izany izao no nifantohan'i Pétera, tahaka ny taratra lazera ('rayon laser'), tamin'ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty, nanantitranterany fa izany no loharanon'ny heriny nentiny nijoro ho vavolombelona. Raha ny marina, ny fitoriana an'i Kristy dia nidika ho fitoriana ny fitsanganany tamin'ny maty (Asa. 5:40-42).
"Ny faharesen-dahatra fa velona i Jesôsy ary nitohy niaina hatrany, dia nanova ireo olona roa ambin'ny folo mahery, izay tsy hay nampiononina, mpanaraka ilay mpitarika novonoin'à sy nalaim-baraka, ho anankiray amin'ireo tarika mavitrika indrindra teo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona. Vakintsika fa nisy lela mitarehin'afo nidina teo ambonin'izy ireo. Olona tsy mpandaha-teny akory lasa nahay nandaha-teny. Toy ny fipoahan'ny vanja no niparitahan'izy ireo nanerana ny tanin'ny Grika sy Rômanina, nitory ilay lasa nantsoina hoe ny Filazantsara, kanefa raha ara-bakiteny dia hoe ny Vaovao mahafaly. Niainga tao amin'ny efitrano ambony iray tao Jerosalema izy ireo, ary lasa nampiely ny hafatra nentiny tamin-kafanam-po fatratra hany ka tamin'ny andron'ny taranak'izy ireo fotsiny dia namaka eran'ny tanàn-dehibe rehetra tamin'iny faritra iny izany hafatra izany." - IWR, t. 215.
Vak. 1 Kôr. 15, ny toko malaza nosoratan'i Paoly mamakafaka momba ny Fitsanganana amin'ny maty. Ahoana no maha-ivon'ny finoana
Na mazava toa inona aza ny TV mikasika ny fitsanganan'ny tenan'i Jesôsy tamin'ny maty ara-bakiteny, dia misy teôlôjianina malala-tsaina sasany, latsaka ao amin'ny fomba fijerin'izao. tontolo izao, ara-tsiansa sy araka ny saina mandanjalanja fotsiny ihany, manohitra izany ka milaza fa tsy zavatra hita maso ny Fitsanganana amin'ny maty. Tsy ara-bakiteny, hoy izy ireo, ny Fitsanganana amin'ny maty, fa anoanon-kevitra no tokony handraisana azy, fanoharana ('métaphore') anehoana fiainana nohavaozina lasa fiainam-baovao, mety hananantsika dieny ety amin'izao fotoana izao, raha toa ka ekentsika sy rehefa ekentsika vondron'ny mpiara-mivavaka, ny fampianarana ara-pitondran-tena oataon'i Jesôsy.
Na dia toa tsara aza ny fandrenesana izany fomba fijery izany, dia fomba fijery miorina amin'ny fisainan'olombelona izany, fa tsy amin'ny fampianarana mazava ao amin'ny Tenin'Andriamanitra, izay tena mazava tokoa, tsy misy tokony hampisalasala, ny amin'ny maha-ara-bakiteny ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty.
Ho antsika, dia tsy misy atahorana ny anekentsika ny Fitsanganana amin'ny maty ho fanoharana, raha raisintsika araka izay lazainy ny Tenin'Andriamanitra; mazava ny fanambarana ao mikasika ny fitsanganan'ny tenan'i Jesôsy tamin'ny maty ara-bakiteny. Ary rehefa mitombina tsara isika amin'ny fanekentsika ny Fitsanganana amin'ny maty, amin'izay fotoana izay dia azontsika atao ny mirakitra ho an'ny tenantsika ny fanantenana atolotr'izany fitsanganana amin'ny maty izany ho antsika manoloana ny fahafatesana. Na inona na inona mitranga amintsika eo amin'ity fiainana ity, dia manana fanantenana isika fa: satria i Jesôsy nitsanganana tamin'ny maty, dia hitsangana amin'ny maty koa isika. Ny teny fikasana momba ny Fitsanganana amin'ny maty dia manampy antsika hanana fijery ny zavatra rehetra araka ny tokony ho fahitana azy marina.
Vak. ireto toko sy and. ireto. Inona no fanantenana atolotr'izy ireo ho an'ny fitsanganan'ny tenantsika amin'ny maty? Jao. 5:25-29; Jao. 11:23-26; 1 Kôr. 15:51-58; Apôk. 1:18.
Moa ve ny fanantenana sy ny teny fikasana momba ny fitsanganantsika amin'ny maty manampy antsika hanana fijery ny fiainantsika ety sy ireo zavatra mitranga ao aminy, araka ny tokony ho fahitana azy marina? Amin'ny fomba ahoana? Alaivo sary an-tsaina kely ange hoe ho toa inona re ny fiainana raha toa ka tsy nànana io fanantenana io ianao?
"Teo ambonin'ny fasan 'i Josefa nisokatra no nanambaran'i Kristy tamim-pandresena hoe: Tzaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay Andriamanitra ihany no afaka hanao izany teny izany. Ny manan'aina rehetra dia velona noho ny sitrapo sy ny herin 'Andriamanitra. Mandray ny ain 'Andriamanitra izy ary miankina amin 'izany. Hatramin 'ny serafima ambony indrindra ka hatramin'ny manan'aina ambany indrindra, dia samy fenoina avy amin 'ilay Loharanon 'aina avokoa. Ilay Iray amin 'Andriamanitra ihany no afaka hiteny hoe: 'Manana fahefana hanolotra ny aiko Aho, ary manana fahefana haka azy indray.' Teo amin'ny maha-Andriamanitra Azy Kristy dia nanana ny hery hanapahana ny fatoran 'ny fahafatesana. " - IFM, t. 844.
"Efa nanangana ny maty Jesôsy nandritra ny fotoana nanompoany. Nanangana ny zanak 'ilay mpitondratena tao Naina Izy, sy ny zanakavavin 'ilay mpanapaka ary i Lazarosy. Tsy notafiany tsy fahafatesana anefa ireo. Rehefa natsangana izy dia mbola tao ambanin 'ny herin 'ny fahafatesana ihany. Ireo izay nivoaka ny fasana tamin'ny nitsanganan'i Kristy kosa, dia nitsangana ho amin'ny fiainana mandrakizay. Niara-niakatra taminy izy toy ny mari-pandresena azony tamin 'ny nandreseny ny fahafatesana sy ny fasana. Tsy babon'i Satana intsony ireo, hoy i Kristy; nanavotra azy Aho. Nitondra azy avy ao am-pasana Aho ho voaloham-bokatry ny heriko, hiaraka Amiko any amin 'izay itoerako izy, ary tsy habita intsony ny fahafatesana na hanandrana ny fahoriana. " - IFM, t. 845.
FANONTANIANAHIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1.Jer. indray ny 1 Kôr. 15, ilay fanamarinana ara-teôlôjia malaza ny Fitsanganana amin'ny maty ao amin'ny TV. Araho ireo fonjan-kevitra entin'i Paoly manohana io fampianarana fototra an'ny Kristianina io. Nahoana no tsy misy heviny firy ny voalaza ao amin'ireo and. ireo raha toa ka mino ianao fa mankany an-danitra avy hatrany ny marina amin'ny fotoana ahafatesany? Manamarina ny fahafantarantsika ny toetry ny maty ireo and. ireo. Amin'ny fomba ahoana? Inona no mahatonga ny teny fikasana momba ny Fitsanganana amin'ny maty ho zava-dehibe indrindra ho antsika Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito miaraka amin'ny hevitsika momba ny toetry ny maty? ;
2.Eritrereto io fanontaniana io; ary ento eo amin'ny kilasy ny valin-teninao avy eo: Ho hafa noho izao ve ny fomba fiainanao raha nino ianao fa mifarana eo, tsy hisy intsony mandrakizay, ny zava-drehetra, amin'ny fotoana ahafatesana?
3. Ivereno jerena ny toko sy and. rehetra mety ho hitanao izay manampy amin'ny fanaporofoana fa nitsangana tamin'ny maty tokoa i Jesôsy. Ento eo amin'ny kilasy izany ka aoka hiarahanareo iray kilasy mijery indray ireny porofo ireny. Tsy hay toherina ve izy ireny? Atambatrao amin'ny fomba ahoana izy ireo mba hahatonga izany ho fitaovana mahery vaika azo ampiasaina enti-mijoro ho vavolombelona?
Aza hadinoina! Ndrao variana!
Efa hifarana ny telovolana faharoa.
Aiza ho aiza ny fiomananao hahazoana ny sakafonao ara-panahy
mandritra ny telovolana manaraka?