Telovolana 2 : Ttre du trimestre 2 2006

Lesona faha 12 : NY ASA FISORONANA ATAONY MAHOMBY TOKOA

Daty : 14-06-2008 hatr@ 20-06-2008. Toko dinihina : Eks.25:8;Mat.27:50,51; Asa 7:45-56; Heb.6:19,20; 7:23-28;8:1,2;9

Tsianjery : Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra. Heb.8:1

Sabotsy 14-06-2008 : Fampidirana

Tsy ela taorian'ny Famoronana dia lava tamin'ny ota ireo rat' amandrenintsika voalohany... Nanoloana io zava-tsarotra mahatsiravina io dia ny hamerenana amin'ny laoniny indray ny olombelona ary ny fandriampahalemana mandrakizay ho an'izao tontolo rehetra izao no tao an'eritreritr'Andriamanitra voalohany Indrindra. Ny fahafatesan'ny iray amin'Andriamanitra telo izay Iraq - fepetra efa noraisina tao anatin'ny fahalalan'Andriamanitra mialoha ny zavatra rehetra sy ny filan-keviny (Jer. Apôk. 13:8) - no hany fomba tokana hahavitana izany.
"Mba hahazoana ny fandraisana anjara sy fiaraha-miasan'ny olombelona amin'io ezaka fars tampony io dia nampahafantatra haingana izany drafitra izany tamin'ireo razambentsika Andriamanitra, Napetrany ihany koa niaraka tamin'izany ny drafi-pampianarana mba hihazonana izany ho eo anatrehan'izy ireo mandrakariva sy ireo taranaka mifandimby" – S, tt. 17,18. Mazava loatra fa io drafi-pampianarana io dia ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny fitoerana masina.
Nanjary ivon'ny fivavahan'ny Jiosy ny fitoerana masina ka ireo fanompoam-pivavahana sy fomba amam-panao natao tao anatiny no nentiny nanondro mpifona teo amin'ireo zava-misy marina mikasika ny famonjena ny taranak'olombelona, tao àmin'ny Mesia izay ho avy, sy ny asan'i Jesosy ao amin'ny fitoerana masin'ny lanitra. Hojerentsika amin'ity herinandro ity izany fitoerana masina any an-danitra izany ary ny asan'i Kristy ao aminy.

Alahady 15-06-2008 : Tandindona teo amin'ny tabernakely fahiny eks. 25:9,40


Nasaina nanangana tabernakely araka ny môdely efa nasehon'Andriamanitra azy teo an-tendrombohitra Sinai (Eks. 25:9,40) i Mosesy. Mety hisakana antsika ny fisainana lalina ao anatintsika tsy ho amin'ny fiheverana fa nanana ny lanjany ara-teôlôjia avokoa ny hazo sy ny fantsika rehetra nandrafitra ny tabernakely, na izany aza anefa dia tokony horaisintsika ampamatorana tsara ny fampianaran'ny TT mikasika ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny fitoerana masina. Marina aloha fa tsy betsaka ny fampahafantarana nomena antsika mikasika ny hevitr'ireo tandinona, kanefa raha atambatsika amin'izay kely hitantsika ao amin'ny TT ny kely fantatsika ao amin'ny TV dia ho takatsika mazava tsara ny hevitr'ireo lafiny lehibe sasantsasany mikasika ny fanompom-pivavahana tao amin'ny fitoerana masina fahiny, izay nanondro fahamarinana lehibebe kokoa.
Toy ny hoe:

1. Ny fanatitra maraina sy hariva (Eks, 29:38-42;Nom. 28:1-6)
2. Ny mofo aseho sy ny fanaovan-jiro
(Eks. 25:23;30,31,37) 
3. Ny fomba amam-panao tamin'ny andro fanavotana
(Lev. 16; Heb. 9: 1-12)
4. Ny fitafian'ny mpisoronabe
(Eks. 28:6-21)

Ny fanatitra maraina sy ny fanatitra hariva dia naneho "ny.fanoloran-tena  ataon'ny firenen'i Jehovah isan'andro, mba hitakiana ny vidin'ny ra manavotra nalatsaky ny Mpanavotra " - PM, t. 356. Safeli-teny maro ao amin'ny TV no toa milaza fa manondro an'i Kristy ny mofo tao amin'ny tabernakely (jereo ohatra ny Mat 26:26: Jao, 6:48-51). "Samy tandindon'ny Mpamonjy Izay mitsangana ho antsika isan'andro, eo anatrehan'Andriamanitra na ny mana, na ny mofo aseho." t. 358, Toy izany koa ny fanaovan-jiro izay toa manondro Azy izay milaza hoe: lzaho no fahazavan'izao tontolo izao" – Jao. 8:12. "Ireo vatosoa sarobidy teo an-tratran'ny mpisoronabe, izay mitondra ny anaran'ireo fokon'ny Isiraely, dia milaza, araka ny voalazan'i Ellen G. White fa ...mitondra ny rang eo anatrehan'ny Ray sady mifona ho antsika Kristy Mpisoronabentsika, ataony mifanandrify ny fony ny anaran'ireo fanahy mibebaka sy mina rehetra" – S, t. 38; ampit. PM, t. 354.

Avereno jerena araka izay farany fahatakaranao azy ny fanompoampivavahana natao tao amin'ny fitoerana masina tety an-tany. Ahoana no anamplanlo anao hahatakatra ny drafi-pamonjena?

Alatsinainy 16-06-2008 : Mitondra ho eo aminy ny tandindona rehetra


Vakio ny Jao. 1:29. Inona no hevitra lehibe hita eto tamin'ny niantsoan'i Jaona an'i Jesôsy ho "Zanak'ondrin'Andriamanitra"?

Nijoro teo anivon'ny fivavahan'ny Isiraelita nandritra ny taonjato maromaro ny tabernakely tany an'efitra. Ary raha mbola nitoetra ho mahatoky tamin'Andriamanitra koa ny zanak'Isiraely dia toeram-pamonjena, toeram-panavotana teo amin'Andriamanitra sy ny olony, no niheveran'izy ireo an'io trano goavana voatokana io. Tafatoetra lalina tao an-tsain'ireo izay nanatrimaso izany ireo tranga mihoatra ny herin'olombelona niseho nandritra ny fitokanana ny trano (Jereo Eks. 40: 34,35).

Ny fanehoan'Andriamanitra ny fanatrehany tamin'ny fotoana nitokanana ny tempoly anefa dia tsy nahafantarana velively ny hoavy tandindomindozan'izany trano izany. Natsangana indray izy io taty aoriana rehefa avy noravan'ny tafika babilônianina tanteraka, ary tsy nananany intsony Ilay famirapiratany tamin'ny voalohany. Io ihany anefa ilay tempoly izay nalehan'i Jesôsy, izay nisy ny dian-tongony. Ary rehefa maty teo amin'ny hazo fijaliana tany ivelan'i Jerosalema i Jesôsy indray zoma hariva, roa arivo taons lasa izay, dia ny lamban'io tempoly io ihany koa no nitriatra nizara roa tamin'ny fomba mahagaga hatreny ambony ka hatrety ambany (Mat. 27:51).

"Fotoanan'nv fanatitra hariva tamin'izay .Ndeha hovonoina indrindra ilay  zanak'ondry mampiseho an'i Kristy. Nifantoka teny amin'ny mpisorona mihaingo fatratra aminny fitafiany marevaka, mifono hevidalina hevi-dalina, mitana antsy, vonona toa an'i Abrahama hamono ny zanany, ny mason'ny olona rehetra nanatrika teo. Indro anefa fa nangovitra ny tany satria manakaiky, ny Mpamoniy. Triatra hatreny ambony ka hatrety ambany, toy ny nisy tanana tsy, hita maso nandrovitra azy ny  voaly, nampisaraka ny efitra afovoanny tempoly, ary tafiditra tany amin'ny  fitoerana izay  feno ny fanatrehan Andriainanirra fahiny ny fijerin'ny vahoaka. Tao no nampisehoan'Andriamanitra ny voninahiny teo ambonin'ny.fiaran'ny fanekena. Tsy misy olona na iza na iza, afa-tsy, ny mpisoronabe ihany, mahazo manainga ny voaly izay mampisaraka io fitoerana io amin'ny efitra sisa rehetra. Izy irery no niditra ao indray mandera isan-taona mba hanao fanatitra ho an'ny fahotan'ny firenena. Nefa indro fa mizara roa ny voaly. Tsy nanana ny hasiny  intsony ny fitoerana masina indrindra teto an-tany .Tahotra sy.fikorontanana no nanjaka teny rehetra teny.Latsaka teny an-tanan'ny mpisorona saika hamono fanatitra ny antsy, ary ny zanak'ondry lasa nandositra. Tanteraka tao aminin'ny  fahafatesan'i Kristy ny tandindona. Vita ny fanati-dehibe ( ... ). Voalaza fa toa nisy  feo velona niteny  tamin'ireo mpivavaka.- Nifarana ny fanatitra rehetra noho ny ota. Tonga
ny Zanak'Andriamanitra araka ny teniny"
- IFM, t. 816.
Kristianina maro amin'izao fotoana izao no mihevitra ny fananganana indray ny tempoly ao Jerosalema ho famantarana ny éindro farany. Na dia voatsangana aza izany tempoly izany, ka haverina indray ny fanaterana fanatitra ao aminy, nahoana no tsy handaitra intsony izany fanatitra izany eo amin'ny olana mikasika ny ota?

Talata 17-06-2008 : Ny mpisoronabentsika. heb. 7:25

Zavatra maro dia maro tokoa no efa voalazan'ny apôstôly ao amin'ireo toko voalohan'ny Hebreo, mikasika ny anjely sy ny toerana misy izy, mikasika an'i Mosesy sy ny fanandramany tany an'efîtra, mikasika an'i Josoa sy ny tany Kanàna, mikasika ny mpaminany sy Abrahàma ary Melkizedeka. Rehefa tonga eo amin'ny toko 8:1 anefa izy dia misarika tampoka ny saintsika indray:

Vakio ny Heb. 8:1,2. Inona no foto-kevi-dehibe hita eo amin'izay rehetra voalazan'ny apôstôly ka hatramin'ireo andininy ireo?

Tao an-tobin'ny Isiraelita fahiny, dia fefy maromaro no nisakana ny mpivavaka Isiraelita tsy ho tafiditra ao amin'ny efitra masina indrindra. Raha te ho tafiditra ao dia ny lalan'ny mpisorona sy ny Levita ary ireo faritra tsy azo aleha manodidina ny toerana masina no nandehanana. Ankehitriny kola, hoy ny mpanoratra ny bokin'ny Hebreo, dia efa novohain'i Kristy mpisorona mpanalalana antsika any an-danitra ny varavarana tsy mialon-jafy, mankany amin'ny fitoerana masina any an-danitra, dia ny efitra misy ny seza fiandrianan'Andriamanitra velona. "Koa aoka isika hantons ny seza fiandrianan'nyfahasouvana amin'ny fahasahiana," hoy ny mpanoratra masina, "mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory."  Heb. 4:16. I Jesôsy no mpanalalana antsika any an-danitra.

Na dia tsy fantatsika mazava tsars aza ny tena endriky ny fanelanelanana ataon'i Jesôsy ho antsika any an-danitra dia manolotra ohatra vitsivitsy mikasika izany ny Soratra Masina, na dia atao hoe amin'ny fomba fiierin'olombelona aza. Anankiroa amin'ireo no nitranga teo amin'ny fiainan'i Mosesy, mifandray amin'ny fikomiana tao Kadesy (Nom. 14:10-20), sy ny raharaha mikasika ilay ombilahy kely volamena (Eks. 32:9-14,30-32). Manandanja tokoa ireo andalan-teny ireo. "Ary ankehitriny," hoy Mosesy nitaraina tamin'Andriamanitra ao amin'ny andininy farany mikasika izany raharaha izany, "enga anie ka hamela ny fahotany  Hianao! Fa raha tsy izany, mifona Aminao aho, vonoy eo amin'ny bokinao izay nosoratanao ny anarako (and. 32). Hitantsika ao amin'ny Daniela (Dan. 9) sy ny vavaka lehibe nataon'i Jesôsy talohan'ny nijaliany (Jao. 17) ihany koa io endriky ny fanelanelanana fanaon'ny mpisorona io.

Diniho fsara ireto andalan-teny fototra nalaina avy tao amin'ny Hebreo ireto, izay mampiseho ohatra ny amin'izay ataon'ny Mpisoronabentsika any an-danitra ho antsika: Heb. 2;18; 7:25!- 8:3-10; 9:11-14; 10:11-17. Anontanio ihany koa ny tenanao: Tombontsoa manao ahoana no ananako eo amin'ny fiarahako amin'ny Tompo, satria fantatro fa manao ireo zavatra ireo ho ahy i Jesôsy? Ahoana no hampiharako ireo teny fikasana ireo eo amin'ny fiainako?

Alarobia 18-06-2008 : Ny fiovana aterak'izany – fizarana 1


Vakio ny Heb. 4:16. Inona no teny fikasana ho antsika eto? Inona no angatahana mba hataontsika eto? Inona no fanantenana atolotr'izany ho antsika? Ahoana no hampiharanao izay hita eto eo amin'ny fiainanao?

Moa ve manana tombony bebe kokoa ireo izay mahafantatra an'i Jesôsy ho Mpamonjy sady Mpisoronabe noho ireo hafa izay tsy mahafantatra afa-tsy ny maha-Mpamonjy Azy? Hozaraintsika ho lesona roa ny valin'io fanontaniana io, saingy andeha aloha hojerentsika ny anjara asa tanan'ny Heb. 9 mikasika azy io amin'ny kapobeny:
Mazava loatra fa misy fomba maro azo hamakiana ny toko. Anankiray amin'izany ny fandinihana azy eo amin'ny lafiny haiteny (lingistique) sy araka izay fanao amin'ny Baiboly, ka hamaritana ny hevitry ny teny sy ny fomba fiteny rehetra, ary hamoahana ny hevitry ny andininy amin'ny fomba fijerin'ny saina avo lenta. Fomba iray hafa kosa anefa no mihataka lavitra izany rehetra izany. Tsy manao hodian-tsy hita ny vokatr'io fandinihina voalohany io izy ary mamaky fotsiny ihany ny toko ka mitandrina izay lazainy. Raha izany no atao
dia izao no hitantsika raha dinihina araka ny fanontaniana fototra manoloana antsika:
Izay nitranga teo ambanin'ny fanekena voalohany (ny fanompoampivavahana tao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny TT) dia vonjimaika ihany. Tsy mitondra fiovana anaty ireo fanatitra sy fombam-pivavahana natao tao saingy manondro foto-kevitra lehibe kokoa kosa.
Efa miseho ankehitriny io foto-kevitra lehibe kokoa io. Tonga i Kristy. Izy no mpisoronabe tena izy (Heb. 9:11). Ny fidirany tao amin'ny fitoerana masina ao an-danitra dia tsy tamin'ny alalan'ny " ran'osilahy sy ran-janak'omby;fa  ny ran'ny tenany, dia niditra indray, mandeha ka nahazo ,fanavotana mandrakizay - (and. 12).
Vokatra tety ivelany no notanterahin'ny fanatitra teo amin'ny rafitra taloha (and. 13), fa tsy nitondra fiovana anaty izany. Ny ran'i Kristy kosa anefa dia nahatratra ny ao anatintsika, ka manadio ny fieritreretantsika ho afaka  amin'ny asa mafy mba hanompoantsika an'Andriamanitra velona"
(and. 14).
Nandatsaka indray mandeha ny rany ho antsika i Jesôsy; ary amin'izao fotoana izao Izy dia manao ny asan'ny mpisoronabe ho antsika eo anatrehan'Andriamanitra (and. 24-28).

Avereno vakina indray ny Heb. 9. Inona no hafatra lehibe omeny antsika? Inona ireo teny fikasana hita ao ka hitanao fa manome hery anao manokana?

Alakamisy 19-06-2008 : Ny fiovana aterak'izany – fizarana 2

Ny fahafantarana sy ny fanekena ny maha-mpisoronabentsika an'i Jesôsy dia tokony hahatonga antsika ho malemy fanahy sy malala-tanana ary manam-paharetana, toetra izay efa nasehony tamintsika. Tokony hahatonga antsika ho be famindrampo sy famelan-keloka izany, araka ny efa nanehoany famindrampo sy fahasoavana tamintsika koa. Izany koa dia tokony hahatonga antsika ho mahitsy ara-pitondran-tena sady feno fankasitrahana mandrakariva noho ilay fanatitra lehibe nataony ho antsika. Izay Advantista rehetra efa nifanerasera tamin'ny Kristianina manana faharesen-dahatra hafa anefa dia samy vonona ny hilaza avokoa fa ananan'ireo Kristianina ireo ihany koa ny famindrampo sy ny famelan-keloka, ny faharetana sy ny fahalalahantanana, ny fahalemem-panahy ary ny fahitsiana ara-pitondran-tena. Koa inona àry izany no tena fiovana entin' ny hafatra entitsika mikasika ny fitoerana masina?
Mety hisy ifandraisany amin'ny fahitsian-toetra sy ny fahatokiana izany. Rehefa naniry ny hanompana indray amin'ny finoana ny zavatra voalazany ao amin'ny boky ny mpanoratra ny Hebreo dia nitodika tamin'ny foto-kevitra mikasika ny fitoerana masina izy.


Vakio ny Heb. 10:19-25. Inona no hafatra omena antsika eto, hafatra izay tokony hitondra fiovana eo amin'ny tokony hiainantsika ny fiainantsika sy ny fomba fifandraisantsika amin'ny hafa?

Mitaona antsika hanatona ny "seza fiandrianan' ny fahasoavana" (Heb. 4:16) ny bokin'ny Hebreo. Lafiny maro dia maro no azo raisina eto, saingy ny iray amin'ireo no tafiditra ao amin'ilay fanontaniana vao teo anatrehantsika teo. Namboarina ho antsika tamin'ny alalan'i Jesôsy ny lalana, mba hanatonana an'Andriamanitra ao amin'ny fitoerana masina any andanitra. Ary ny fanarahana an'i Jesôsy amin'ny finoana mankao amin'ny fitoerana masina anefa dia tsy fanadiovana ny fanahintsika amin'ny fahasoavany mahagaga fotsiny ihany, fa amin'ny fanandramantsika fankasitrahana vaovao momba ny lalàny tsy miova (jereo Heb. 8:10) ihany koa. Io fifanarahana io, izay zava-dehibe indrindra eo amin'ny tontolonkevitr'ilay antsoin'ny Advantista hoe: "ny fifanandrinan-dehibe eo amin'ny ratsy sy ny tsara", dia mamaritra ny fiovana entin'ny fampianarana mikasika ny fitoerana masina eo amintsika. Amin'ny finoana no idirantsika amin'ny fahasahiana feno ao amin'ny efitra masina indrindra izay iasan'i Jesôsy. Ao no ifikirantsika, na inona na inona sakana, aminIlay manana ny teny fikasana tsy azo kosehina izay voaseho amin'ny alalan'ny avan'ny fanekena, ny seza fiandrianan'Ilay Andriamanitra velona, izay miorina eo amin'ny fahamarinana sy ny famindrampo. Raha mifikitra toy izany àry isika dia tsy hivilivily, tsy ho amin'ny fomba fijery ny lalàna izay mitarika ho amin'ny fanaovana tsinontsinona ny Sabata masin'Andriamanitra, tsy ho amin'ireo foto-kevitra mikasika ny fivoarana miandalana izay mitady hanongana an'Andriamanitra velona tsy hanjaka amin'ny tontolo nohariany. Araka izany àry dia manjary fiarovana ho antsika amin'ny fikomiana ny foto-pampianarana mikasika ny fitoerana masina, ka miaro ho an'Andriamanitra ireo sisa mahatoky ao amin'ny tontolo feno fikomiana.

Zoma 20-06-2008 : Fianarana fanampiny

Vakio :

"Ao amin'ny masina indrindra" HM, tt. 437446; "The Tabernacle and its Services." PP, tt. 350-358,

"Ny momba ny fitoerana masina no fanalahidy mamoha ny zava-miafin'ny fahadisoam-panantenana tamin'ny  1844. Mampahita  rafi-pahamarinana feno izay, mifàndray sady mirindra tsara ireo  fizaràna samihafa eo aminy eo imasontsika, ary mampiseho koa fa ny lanan 'Andriamanitra no efa nitarika ny fihetsiketsehana lehibe mikasika ny fiavian'i Kristy sy manoritra ny adidy tokony hatao ankehitriny amin'izay manazava ny toerana misy ny vahoakany sy ny asany. " - HM, t. 437.
"Hitako ny fitoerana masina izay toerana  misyan'Andriamanitra,fitoeran'nyfanjakany,foiben-kerin'izao tontolo rehetra izao. Araka izany dia efa nisy hatriay hatrizay izy. Tamin'ny nahalavoan'ny taranak'olom belona anefa dia anjara asa hafa ihany koa no noraisiny, dia ny vahaolana mikasika ny fikomiana tany an-danitra sy ny fiarovana izao tontolo rehetra izao. Amin'io heviny io no andraisantsika azy rehefa heverintsika ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny fitoerana masina fahiny. Amin'ny fitaratra voalokon'ny asa famongorana ny ota no ahitantsika azy." – S, t. 71.
"Tsy fitoerana masina babangoana ao an-danitra  no azoko sary an- tsaina. Ao ny seza fiandrianan'Andriamanitra, na inona na inona endriny, ary manodidina azy ny anjely maro an'alin-kisa. Ny tsara indrindra amin'izany rehetra izany - avy amin'ny fomba fijerintsika fara fahakeliny - dia Jesôsy Kristy, Mpisoronabentsika lavorary, mihitsy no ao! Tanterany amin'ny
fahafenoany izany! Mijoro eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra ho antsika Izy! Ampy ho ahy izany!" t.71.


FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Ahoana no ifanarahan'ny fahatakarantsika mikasika ny fitsarana mialoha
ny    fiverenan'i    Kristy    amin'ny    fahatakarantsika    ny    mahampisoronabentsika an'i Kristy ao amin'ny fitoerana masina ao an-danitra? Nahoana no tokony hanap-toerana lehibe eo amin'ny hafatra entintsika mikasika ny fitoerana masina ny fitsarana? Ny lehibe indrindra aza, ahoana no hampianarantsika ny fitsarana ho ampahany amin'ny vaovao mahafaly fa misolo vava antsika amin'ny fitsarana i Jesôsy?
2. Inona no hevitry ny zava-misy marina mikasika ny asa maha-mpisoronabe an'i Kristy ho anao manokana? Inona no fanandramana azonao zaraina mikasika ny tombontsoa ara-panahy azonao avy amin'io fampianarana io?
3. Ivereno jerena ny lesona nandritra ny herinandro ka tanisao ireo tombontsoa rehetra azontsika avy amin'ny maha-mpisoronabentsika an'i Kristy. Ento eo amin'ny kilasy izany ka ifanakalozy hevitra ary jereo izay tokony ho fiantraikany eo amin'ny fiainan'ny tsirairay avy sy eo amin'ny an'ny fiangonana. Ahoana no hanararaotantsika bebe kokoa ireo teny fikasana ireo mba hampitomboana ny fijoroantsika ho vavolombelona sy hanitarantsika ny asa manerana izao tontolo
izao?

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006