Telovolana 2 : Ttre du trimestre 2 2006

Lesona faha 13 : NY FIVERENANY AMIN'NY MAHA-MPANJAKA SY SAKAIZA AZY

Daty : 21-06-2008 hatr@ 27-06-2008. Toko dinihina : Dan.24-27; Mat.24; Lio.21:25-31; Jao.14:1-3; 1 Tes.4:13-18; Heb.9:28

Tsianjery : Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.Heb.9:28

Sabotsy 21-06-2008 : Fampidirana

Na dia manolana ny fahamarinana mikasika ny Fiavian'i Kristy fanindroany aza ireo boky sy sarimihetsika mifampitohitohy mitondra ny lohateny hoe Left Behind (Navela any Aoriana), dia nisarika ny sain'ny olona an-tapitrisa manerana izao tontolo izao izany. Ny tantara manontolo dia mampiseho an'Andriamanitra ho be haitraitra tena ratsy saina, ary izany dia niteraka rivo-piainana anjakan'ny tahotra tao an-tsain'ny olona mikasika ny fiavian'i Kristy, toe-tsaina izay mifanohitra amin'izay tian'ny Baiboly ananantsika mikasika ny fiverenan'i Kristy, Amin'ny kapobeny, ny fiverenan'i Jesôsy, ao amin'ny TV, dia toe-javatra be voninahitra, mahafaly indrindra tsy misy ohatra izany. Mpanjakantsika Izy, sady sakaizantsika koa.
Marina fa misy zavatra tsy mahafinaritra mifandray amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany (ho hitantsika ny amin'izany), saingy tsy ny tahotra tsy akory no hampitodika ny fijerin'ny olona ho any an-danitra. Zava-dehibe ny tahotra, ary tsy mitory ny fahamarinana rehetra mikasika ny Fiavian'i Kristy isika raha tsy ampidirintsika io lafin-javatra io. Amin'ny fanaovantsika izany anefa dia tokony tsy hiala amin'izay lazain'ny Soratra Masina mazava isika, ary tsy hampiseho nofy ratsy noforonintsika izay miteraka tebiteby. Ny fanomezana ireo lafin-javatra samihafa amin'ny Fiavian'i Kristy ny fanantitranterana raisin'izy ireny ao amin'ny Soratra Masina, dia famoronana ao am-pon'ireo liana te hihaino, zavatra mitovy amin'ny fanantenan'ny ankizy maniry mafy ny hahatongavan'ny Krismasy.
Ny hafatra momba ny fiavian'i Kristy fanindroany dia tokony ho vaovao mahafaly, fa tsy zavatra maniraka ny olona hitady mpitsabo manafaka amin'ny tebiteby.

Alahady 22-06-2008 : Miandry eo amin'ny kianja ivelany. heb. 9:28.


Ny Andro Fanavotana tamin'ny andron'ny Isiraely fahizay dia tandindona mampiseho ny vanim-potoana iainantsika ankehitriny, Raha nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana fanaony indray mandeha isan-taona tao amin'ny Fitoerana Masina Indrindra ny mpisoronabe, ny, vahoaka kosa, nitana ny fofonainy, dia teo amin'ny kianja ivelany niandry azy hivoaka. Izany fisehoany izany dia famantarana fa vita ary nahomby ny asa nataony ho azy ireo, dia ny famongorana ny ota tsy ho eo amin'ny firenena sy ny isam-batan'olona izany.
Hatramin'ny taona 1844 i Kristy no niroso tamin'ny fanatanterahana ny dingana iray amin'ny asa fanompoana izay nasehon'ny Andro Fanavotana mialoha teo amin'ny Isiraely. Rehefa vita io asa io, dia hivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra Izy mba handray ny vahoakany. Araka ny teny ao amin'ny Heb. 9:28: "Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay, miandry Azy, ho famonjena."

Ahoana no ifandraisan'ireto toko sy and. manaraka ireto amin'ny resaka hoe fiandrasana feno fanantenana?  Lio. 12:40-48; Tit. 2:11-13; 1 Pet. 1:3-8.

Nanantena fatratra ny fivoahan'ilay Mpisoronabe any an-danitra tamin'ny taona 1844 i William Miller sy ireo mpanaraka azy. Fantatsika fa diso fanantenana izy ireo, nefs ezaho alaina sary an-tsaina ny firedaredan'ny fitiavana izay nanetsika azy ireo. Indreo olona tia an'i Jesôsy tamin'izay rehetra nananany; nahatsapa izy ireo fa akaiky Azy; naniry mafy ny hahita Azy izy ireo; sakaizan'izy ireo Izy. Ary ireo fihetseham-po nasehon'i Hiram Edson taona maro taty aoriana dia manambara tsara ny toe-pon'ny tarika manontolo. Izao no nosoratan'i Edson: "Nanantena sy natoky indrindra izy ireo fa hahita an'i Jesôsy sy ireo anjely masina rehetra miaraka aminy". Rehefa tsy nitranga izany, dia 'Vonton'alahelo ny fonay, te hitomany mafy, tsy mbola nisy toy izany teo amin'ny fiainako hatramin'izay ( ... ). Dia nitomany, ary nitomany mandra-parainny andro izahay". — [Sombiny amin'ny sora-tanan'i Hiram Edson, Foibe ho an ny Fikarohana advantista (avy ao amin'ny Efitrano firaketana ny Lova), Tranom-boky James White, Oniversite Andrews.] Tsy hoe nisento ireo mpino ireo, na nahatsiaro maivamaivana satria tsy tonga i Jesôsy. Ny mifanohitra amin'izany aza fa diso fanantenana izy ireo, ary nangidy indrindra izany fanadisoam-panantenana izany.

 

Alatsinainy 23-06-2008 : Miresaka ny amin'ny lafiny tahotra


Misy lafiny matroka amin'ny fiavian'i Jesôsy fanindroany. I Jesôsy mihitsy no nilaza fa ho fotoam-pahoriana ho an'ny firenena izany: "Ary amin'izany andro izany dia hisehoeo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany" - Mat. 24:30. Ampitahainy amin'ny fitsarana nihatra tamin'ny andron'ny Safo-drano sy tamin'i Sôdôma io toe-javatra io (Mat. 24:37-39; ampitahao amin'ny Lio. 17:26-30); miresaka ny amin'ny fisarahana farany Izy, ary ampiasainy hanehoana izany zava-mahagaga izany ny sarin'ny vehivavy anankiroa eo am-pikoseham-bary, ka ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela (Mat. 24:40, 41). Ary rehefa miresaka ny amin'ny tokony hiambenana mandrakariva Izy dia tsy misy fampitandremana mafy kokoa noho ireo, azony nomena (and. 43-51). I Petera, anankiray amin'ireo nanatrika teo tamin'ny fotoana niresahan'i Jesôsy momba ny fiaviany ao amin'ny Mat. 24, dia nilaza ny amin'ny "andron'ny Tompo" ho andron'ny afo sy ny horohoro (2 Pet. 3:10-12). Rehefa nahita an'io toe-javatra io tamin'ny fahitana i Jaona dia nilaza fa "hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany (Apôk. 1:7); ary ny Apôk. 6:15,16 dia maneho an-tsary olona avy amin'ny saranga rehetra, amin'ny fotoana iavian'i Kristy, miantso ny vatolampy sy ny tendrombohitra hianjera aminy ka "hanafina azy ireo amin'ny tavan'llay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry!"


Inona no ambaran'ireto toko sy and. ireto mikasika ny fiavian'i Kristy fanindroany? Mat. 25:31-33, 41; 2 Tes. 1:6-9; Heb. 12:25-29.


Ao ireo mampijaly amin'ny fomba feno habibiana sy manao an-keriny amin'ny hafa; ao ireo mamono mahafaty sy manararaotra, ireo mandroba sy manao barofo, ireo mangalatra ny volam-panjakana, mamela olona antapitrisa hijaly ao anatin'ny fitotonganana sy ny fahantrana. Manaraka izany, ao ireo olona tsara, izay feno avona rnanambony tena ka ny lamosiny no atodiny amin'Andriamanitra sy ny famindrampo ary ny famelan-keloka atolony amim-pitiavana. Tena fara tampony amin'ny tsy fahatsiarovana andraikitra ny manome fiheverana ireny olona ireny fa ny fiavian'i Kristy fanindroany dia tsy manan-javatra ho azy ireo afa-tsy vaovao ratsy, raha tsy miova izy ireo. Miankina amin'ireo foto-dresaka mampifanolana ireo ny ho anjaran'ny olona mandrakizay, koa heloka bevava ho antsika ny manarontsarona ny zava-misy marina amin-javatra mahafinaritra.


Mety hahasoa antsika rehetra ihany ny tahotra kely. Arnin'ny lafiny ahoana (Fil. 2:12)? Angamba mety mila tahotra kely mihoatra noho ny hafa ny sasany amintsika....

Talata 24-06-2008 : Etsy an-danin'izany....


Araka ny hitantsika tao amin'ny lesona omaly, dia misy lafiny manjombona ny fiavian'i Jesôsy, saingy ho an'ny Kristianina niova fo dia mamiratra mandrakariva ny toe-javatra manoloana ny maso, satria Ilay ho avy dia tsy hoe mpanjakan'izy ireo fotsiny, fa sakaizan'izy ireo ihany koa. I Jesôsy mihitsy no mampirisika ny hananana izay hafaliana eo am-piandrasana izay, na inona na inona fambara manangasanga eny amin'ny fara vodilanitra. " Ary raha vao miandoha izany zavatra izany". hoy Izy, -dia miandrandrà  ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky, ny fanavotana anareo. "
Lio. 21:28. Tsy misy loha mitanondrika, tsy misy soroka milatsaka eto. Tian'i Jesôsy ny mpanaraka Azy raha feno fanantenana, mavitribitrika, miramirana, misaintsaina sahady io andro, tonga amin'ny fara tampony io, mibanjina ny lanitra, manina sy maniry mafy io ora be voninahitry ny fiverenany io.

Vak. ireto toko sy and. ireto, ka jereo fa manamafy izany fanantenana sy fifaliana izany. Jao. 14:1-3; Asa. 1:11; Fil. 3:20, 21; 1 Tes. 4:13-18; Apôk. 7:9,10,13-17.

Mampiana-javatra ny manamarika fa rehefa miresaka amin'ireo mpitondra fivavahana tia fisehosehoana i Jesôsy (na rehefa tonga ao antsainy ireo mandà ny fahasoavany), dia ireo lafiny amin'ny fiaviany maneho fahalehibiazana sy fiandrianana ary fitsarana no antitranteriny, Fa rehefa mifantoka amin'ny mpanaraka Azy kosa ny resaka, dia mivadika ho amin'ny fiononana sy ny toky ary ny hafaliana ny fanantitranterina, Araka izany, rehefa avy niresaka mikasika ny fitomanian'ny firenena amin'ny fiaviany Izy, ao amin'ny Mat. 24:31, dia miova ny fomba itenenany raha iny Izy fa nitodika tany amin'ny olony: angonin'ny anjely izy ireo, hoy Izy, avy amin'ny firenena rehetra ho ao amin'ny fanjakany. Ary ao amin'ny Jao. 14:1-3,
dia omena ny teny fikasana ny amin'ny fiverenany mba hampitony ny fo "malahelo" -n'ireo mpanaraka Azy, sy hanatanjaka azy ireo, ary hampiorina azy ireo ao amin'ny fanantenana.

Raha mino amin'ny fonao rehetra ianao fa ho avy amin'ity volana ity i Jesôsy, inona ireo fiovana eo amin'ny ara-pitondran-tena irinao tanterahina eo amin'ny fiainanao? Rehefa avy nieritreritra ny valinteninao ianao, anontanio ny tenanao hoe nahoana moa no hiandry izay fotoana izay vao hotanterahina ireo fiovana, ireo? Rehefa dinihina tokoa, mety ho somary mafimafy, tsy araka ny nieritreretanao azy ve ny fanatanterahana ireo fiovana ireo?

Alarobia 25-06-2008 : Rahoviana no hahita an'l jesosy isika? fizarana i.

Toko tena ilaina mikasika ny fiavian'i Jesôsy fanindroany ny Mat. 24, izay mirakitra ny valin-teny nomeny ny mpianany tamin'ny fanontaniana napetrak'izy ireo, fanontaniana izay mbola ao anatintsika ankehitriny manao hoe rahoviana izany fiaviany izany. Misy lafin-javatra maromaro nantitranterin'i Jesôsy, anisan'izany ireto manaraka ireto:
1. Tsy tokony hatahotra isika (amin'ny teny grika dia mifintimpintina io
fanambarana io, azontsika lazaina mihitsy aza hoe henjana: "mitandrema, aza matahotra" (and. 6) mosary, na horohoron-tany, na ady ifanaovan'ny firenena (and. 6-8) ianareo.
2. Hiatrika ady sy fankahalana isika; eo anivon'ny fiangonana mihitsy aza no hisian'izany (and. 9-13).
3. Tsy tokony ho tsotra loatra mora ambakaina sy tsy tokony hinohino foana mora fitahina isika eo am-piandrasana ny fiavian'i Kristy fanindroany (and. 4,5,23-26). (Nivalampatra tamin'io lafiny io i Jesôsy).
4. Hotorina manerana ny tany manontolo ny filazantsara mialohan'ny farany (and. 14).
5. Ho toe-javatra hahatalanjona, hanaitra, ho hita maso, ary haneran-tany io toe-javatra io (and. 27).
6. Hisy famantarana eny amin'ny lanitra hanambara fa antomotra ny fiaviany (and. 29).
7. Rehefa tonga ny farany, dia hangonin'ny anjely ireo olona mahatoky avy any amin'ny faritra rehetra eto amin'ity tany ity (and. 31).
8. Andriamanitra irery ihany no mahalala ny andro sy ny fotoana hiavian'i Kristy (and. 36).
9. Na dia eo aza ireo fampitandremana na faminaniana rehetra, dia ho tampoka sy tsy ampoizina ny fiavian'i Kristy fanindroany (and. 42-44).
Ny lafin-javatra iray lehibe tsara antitranterina avy amin'io lisitra eo ambony eo io dia misy ifandraisany amin'ny Filazantsara. Voalazany fa hotorina hatraiza hatraiza ny Filazantsara -ho vavolombelona - amin'ny rehetra, dia vao ho tonga ny farany (and. 14). Midika izany fa manana anjara asa hotanterahina ny mpanaraka an'i Kristy, na tsy amin'ny fomba mivantana aza, hampisy ny toe-javatra tena iankinan'ny aina, izay ilaina ho amin'ny famaranana ny tantaran'ny taranak'olombelona. Araka izany dia mitaky hafanam-po mitombo hatrany avy amin'ny tsirairay amintsika izany hampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra eo amin'izay misy antsika. Mitantara i Leighton Ford fa nisy mpitondra fivavahana iray mpiandraikitra fonja ('aumônier') niezaka nitaona gadra voaheloka ho faty iray ho eo amin'i Kristy tao amin'ny fonja iray tany Londres. "Tena mino tokoa ny zavatra lazainao ve ianao, Pasitora?.... Raha inoako àry fa marina ny Filazantsaranao, dia handadilady hitety an'i Angiletera eo ambony vakintavoahangy aho hilaza izany amin'ny olona." – CP, t. 29. Hafanam-po toy izany no ilaina ankehitriny.

Raha tsy maintsy handeha hatraiza hatraiza ny Filazantsara mialohan'ny hiverenan'i Kristy, ary raha antsoina mba hitory izany Filazantsara izany isika, dia misy anjarantsika izany eo amin'ny fiaraha-miasa Aminy hanafainganana ny fiaviany fanindroany, sa tsy izany? Eny sa tsia? Inona ireo fihaikana, na ireo fotoana mety tokony hararaotina, na ireo olana, asehon'io hevitra io amintsika?

Alakamisy 26-06-2008 : Rahoviana no hahita an'l jesosy isika? fizarana ii.


Ny lesona tamin'ny Alahady dia niresaka ny amin'ireo mpomba an'i Miller sy ny hafanam-pon'izy ireo niandry ny fiavian'i Jesôsy tamin'ny 22 Oktôbra 1844 (indrisy anefa fa nanantena tsy nisy). Ny zavatra hitan'izy ireo sy hitantsika hatramin'io fotoana io dia izao: Tsy niverina ny ampitson'io andro io, na ny herinandro manaraka, na ny volana manaraka, na ny taona manaraka, na folo taona taty aoriana, na zato taona taty aoriana i Jesôsy!

Indreto isika ankehitriny, eo amin'ny 164 taona eo aty aoriana, mbola eto amin'ity tany ity ihany. Fomba ahoana no iadiantsika amin'izany olana izany ao an-tsaintsika ao?
Fomba iray iadiana amin'izany ny mifantoka amin'ny fahamarinan'io toejavatra io sy ny mahazo antoka azy. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia izao: na eo aza ny hoe rahoviana no hitranga io toe-javatra io, dia azontsika atao ny mamikitra amin'ny maha-zava-misy azy, tsy araka ny lôjika, fa amin'ny fandinihana aloha voalohany indrindra hoe Iza no nanome ny teny fikasana. I Jesôsy mihitsy no nilaza izany, i Jesôsy Izay olona nalaza, tena nisy teo amin'ny tantara, ka nijoro hatrany tsy lefin'ny taonjato nifandimby ny toetrany – dia Izy marina sy azo inoana. Indro Izy hitantsika, Izy tenany mihitsy, miteny amin'ny vondron'ireo mpanaraka Azy, izay nitebiteby sy feno fanahiana noho Izy handao azy ireo tsy ho ela. "Aza malahelo ny fonareo," hoy Izy tamin'izy ireo, "minoa Ahy" - Jao. 14:1.."Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko" (and. 3).


Avereno vakina ireto toko sy and. ireto. Fomba ahoana no anampian'izy ireo antsika hametraka io olana manoloana antsika io araka ny tokony ho fahitana azy? Gen. 3:15; Isa. 40:8; Gal. 4:4; jer. koa Dan. 9:24-27.


Ny teny fikasana momba ny fiavian'i Kristy voalohany dia nomena tany aloha be tany tao amin'ny saha Edena (Gen. 3:15); ary an'arivo taonany maro no tsy maintsy niandrasan'izao tontolo izao ny fahatanterahan'izany. Kanefa rehefa nipaika ny ora voatendrin'Andriamanitra notondroin'ny famantaranandro lehiben'Andriamanitra, dia indreo zava-manana aina mifandray mivantana amin'Andriamanitra nanambara tamin'ny mpiandry ondry taitra sy gaga, teo an-tehezan'ny havoan'i Betlehema, nanao hoe: "Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida" - Lio. 2:11. Tsy diso ny teny fikasana satria mafy orina ao amin'ny Teny tsy azo hozongozonina avy amin'llay Andriamanitra velona. Ary ho toy izany koa ny amin'ny fiavian'i Jesôsy fanindroany.


Inona no soa azo avy amin'ny flavian'i Kristy voalohany raha toa ka tsy manana toky mikasika ny fiaviany fanindroany isika? Moa ny fahazoana antoka fa nisy marina tokoa ny fiavian'i Kristy voalohany, sy Izay nataony ho antsika tamin'izany, tsy tokony hahatonga antsika hatoky tanteraka fa toe-javatra hisy tokoa ny fiaviany fanindroany, na rahoviana na rahoviana ny fotoana hitrangan'izany?

Zoma 27-06-2008 : Fianarana fanampiny

"Niakatra ho any an-danitra Kristy naka ny endriky ny. maha-olombelona. Nahita Azy noraisin'ny rahona ny mpianatra, dia Ilay Jesosy Izay niara-nandeha sy niara-niresaka ary niara-nivavaka taminy; Ilay niara-namaky mofo taminy; niaraka taminy teo amin'ny sambokeliny teny amin'ny, farihy; ary vao tamin'iny andro iny niara-niezaka mafy nananika ny tendrombohitra Oliva taminy – iny Jesosy iny izao no lasa niray seza fiandrianana tamin'ny Rainy. Nanome toky ny anjely fa Ilay hitany niakatra ho any an-danitra iny indrindra, dia ho avy indray tahaka ny niakarany.... Azon'ny mpianatra atao tsarsa izany ny mifaly amin'ny fanantenana ny fiverenan'ny Tompony." --"Ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo," IFM, t. 892.
Ny fiheverantsika ny fotoana dia misy ifandraisany betsaka amin'ny tebiteby iainantsika raha ilay lazaina fa fihemoran'ny fiavian'i Kristy no resahina. Eo amin'ny fiarahamonina tandrefana manokana, ny fanantenantsika fotoana voafaritra mazava dia misy akony eo amin'ny fieritreretantsika ilay toe-javatra hitranga. Ny filazana fa hitranga tsy ho ela ny toe-javatra iray dia miasa amintsika ihany ary manantena isika fa afaka fotoana fohy dia hitranga izany, araka ny hevitry ny tandrefana. Fa ho an'ny saina tatsinanana kosa – tao amin'izay tontolon-kevitra izay no niasa ny mpanoratra ny Baiboly – dia ny maha-azo antoka azy no lafiny lehibe kokoa amin'ny toe-javatra iray; izay vao manaraka ny fotoana.


FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1.  Nanomboka tany amin'ny tapatapaky ny taonjato faha-18 ka hatramin'ny Ady Lehibe voalohany, dia maro ny olona tany amin'ny tany tandrefana no nino fa, amin'ny alalan'ny siansa sy ny saina mandanjalanja ary ny teknôlôjia dia afaka ny hivoatra be ny taranak'olombelona, ka ho fongotra, na fara faharatsiny, ho voafetra be ny ratsy toy ny ady sy ny aretina ary ny loza hafa. Ampitahao amin'ny fomba fijery an'izao tontolo izao izay nasehon'i Jesôsy ao amin'ny Mat. 24, sivanjato sy arivo taona mahery lasa izay, izany fomba fijery izany, ahitanao ny fifanoheran'ireo fomba fijery roa ireo. Ny an'iza no marina? Tokony hanampy antsika hanana finoana ireo teny fikasana mikasika ny fiavian'i Kristy fanindroany ny Mat. 24, indrindra rehefa ampitahaina amin'ireo fomba fijery hafa mikasika ny mety ho toetoetry ny hoavy. Amin'ny fomba ahoana?
2.  Misy loza misoko mangina ao amin'ny hoe lasa voambolana mahazatra antsika Advantista ny fiavian'i Kristy fanindroany. Izay zavatra izay dia mety hisakana antsika tsy hankasitraka amin'ny fahafenoany ny toetra mahatalanjona sy mahavaka ny saina ananan'io toe-javatra io (ka, noho izany, mety hisakana antsika tsy hampita izany amin'ny hafa amin'ny fomba mendrika  izany). Fomba ahoana no iarovantsika tena mba tsy ho lasa mafy fo, tsy miraika amin'io toe-javatra mahatalanjona io, izay iorenan'ny fanantenantsika rehetra?
3. Jereo ny fiangonana misy anao, ary apetraho ity fanontaniana ity rehefa avy eo: Moa ve isika manampy amin'ny fanafainganana ny fiavian'i Jesôsy fanindroany, sa anisan'ny antony mahatonga izany hihemotra? Dinihonareo ao amin'ny kilasy ireo zavatra fonosin'io fanontaniana io sy ny valin-teninareo.

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006