HEVI-DEHIBE:
Nitondra vokatra mahery vaika tokoa ny Apôstôly Paoly teo amin'izao tontolo izao fantatra tamin'izany, tamin'ny nampielezany ny fivavahana kristianina nihoatra lavitra ny faritanin'ny Isiraely sy ny vahoaka jiosy. Modely ho an'ny asa anirahana antsika amin'izao fotoana izao ny fiainany sy ny asany.
Ny fiheverana fa filazantsara ho an'ny Jentilisa ihany koa ny filazantsara dia fanafintohinana ho an'ireo izay niaina tao anatin'ny fahatakarana hafa na dia teo. azy ny fampianaran'ny mpaminany teo aminy. Natao ho an'izao tontolo izao iray manontolo ny famonjen'Andriamanitra, fa tsy ho an'ny vahoaka Jiosy irery ihany.
Mpitarika lehibe teo amin'ny asa mikasika io fanambarana io ny apôstôly Paoly. Ny fiainany taloha sy ny maha-izy azy ary ny antso nataon'Andriamanitra taminy no nahatonga azy ho ilay olona terra ilaina amin'ny fotoana mety indrindra mba hitarika ny fiangonana ho amin'ity sehatr'asa vaovao ho an'ny olona rehetra ity.
Nandalo toe-javatra tahaka izany ihany koa ny Fiangonana Advantista nandritra ny faramparan'ny taonjato faha-19, rehefa nanomboka ny asany tany ivelan'i Amerika Avaratra izy. Dingana fototra izany izay niorenan'ny asa advantista iraisarn-pirenena amin'izao fotoana izao manerana ny firenena maherin'ny roanjato.
Hita porofo mazava ta ny apôstôly Paoly no oiona mahataona indrindra ao amin'ny Testamenta Vaovao, ankoatra an'i Jesôsy, Nitory ny vaovao mahafaly momba an'i Jesôsy teo amin'ny ankamaroan'ny fatitr'izao tontolo izao tamin'izany izy.
Teraka tany Tarsisy i Paoly, renivohitr'i Kilikia tamin'izany, izay faritany rômanina ary ao amin'ilay antsoina hoe Turquie, amin'izao fotoana izao. Io faritra io dia nalaza tamin'ny fanamboarany lamba volon'osy izay nampiasaina betsaka tokoa teo amin'ny fanamboarany tranolay, ary izany no raharaha fanaon'i Paoly (Asa. 18:3).
Vakio ny Asa. 22:3-5, 25-29, Rôm. 11: 1, ary Fil. 3:5. Inona no ambaran'ireo andalan-teny ireo amintsika mikasika an'i Paoly, ka afaka hanampy antsika hahatakatra ny antony nahatonga azy ho vavolombelona mahomby tokoa tamin'izany fotoana izany teo amin'ny tentera?
Nireharehana tokoa ny fizakana ny zom-pirenena rômaninahatramin'ny fahaterahana. Tamin'ny andron'i Paoly dia vitan'ny olona iray ny nividy izany zom-pirenena rômanina izany tamin'ny vidiny 500 drachmes (vola nampiasain'ny Grisia môderina), manakaikikaiky ny karaman'ny mpiasa mandritra ny roa taona. Nisy ny tombontsoa azo avy tamin'ny fizakana ny zompirenena rômanina, toy ny fiarovana tsy ho voakaravasy sy ho voaheloka ho faty tsy mandalo fitsarana ohatra Gereo ny Asa, 22:23-29); ny zo hifidy, hanao fifanarahana, ary hanambady ara-dalàna: ao ihany koa ny fahazoan-dalana tsy handoa hetra.
Jiosy ihany koa anefa izy, ary manana lova ara-panahy feno dia feno. Taona maro taty aoriana dia nanambara matetika izany lovany izany i Paoly ka nilaza hoe: "nampianarina tsara ny lalàna avy tamin'ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an'Andriamanitratahaka anareo rehetra ankehitriny Asa. 22:3.
Avy tamin'ny fokon'ny Benjamina i Paoly, ary nobeazina ho Fariseo izy ka nampianarin'i Gamaliela lehibe (and. 3), izay anisan'ireo mpampianatra jiosy sangany tamin'izany fotoana izany, Fantatsika avy amin'ny taratasy nosoratan'i Paoly ho an'ny Galatianina fa " fatra-pitana ny fampianara voatolotry ny razana indrrindra - izy (Gal, 1:14), Nivadika ho fanenjehana an-kitsirano ireo izay tonga ho mpanara-dia an'i Jesôsy anefa izany hafanam-po izany.
Jiosy mafana fo i Paoly ary olom-pirenena rômanina, tsy ho ela anefa dia izy no apôstôly lehibe indrindra tsy mbola hitan'izao tontolo izao hatrizay.
Inona amin'ireo lafim-piainanao manokana (ny maha-olom-pirenena, ny fianarana norantovina, ny fanabeazana, sy ny sisa.) no mety ho fitaovana mahomby eo amin'ny fijoroana ho vavolombelona? Ahoana no fomba hanararaotanao ny tombontsoa anananao mba hijoroanao ho vavolombelona tsaratsara kokoa ho an'ny Tompo?
Tsy hoe efa apôstôly Paoly hatramin'izay tsy akory ny apôstôly Paoly fa Saoly avy any Tarsisy, mpanenjika ny fiangonana voalohany no nahafantarana azy. Nandalo fanandramana izay nitondra azy ho eo amin'ny marina izy, ka tsy ny fiainany ihany no niova fa ny tantara mihitsy.
Vakio ny Asa. 9:1-9, ny fanandramana nampiova fo an'i Paoly. Inona no nitranga taminy ka nampiova be azy toy izany? Nanao ahoana no tsy maintsy hamafin'ny fanekeny fa nanana fahadisoan-kevitra mahatsiravina mikasika an'i Jesôsy tokoa izy?
Tsy nila fanazavana ara-teôlôjia lalina i Paoly nialohan'ny nanolorany tena tanteraka ho an'i Jesôsy. Tamin'io fotoana io ihany sy teo amin'izay toerana izay ihany dia izao no nambarany: -Tompo ô, Inona ary no tianao 1hataoko? - (and. 6). Nanjary mpanompony feno fietrena sy oriory fo indray izao ilay mpanohitra mahery vaika an'i Jesôsy teo aloha.
Taorian'ny fiovam-pony dia nihaona taurin-dry Petera sy Jakôba ary Jaona - ireo "andry" teo amin'ny apôstôly - i Paoly, ary dia neken'izy ireo fa nantsoina ho apôstôlin'ny Jentilisa (Gal.2:7-9) i Paoly.
Vakio ny Asa. 13:47 sy ny Isa. 49:5,6. Inona no nolazain'i Paoly sy Barnabasy fa nanendrena azy ireo, tahaka izay nanendrena ihany koa an'i Jesôsy (Lio. 2:30-32)?
Na dia iraka na fitaovana manokana hitaomana ny Jentilisa aza no fahitan'i Paoly ny tenant' dia nizara ny vaovao mahafaly tamin'ny vahoaka Jiosy ihany koa izy. Tot' izany koa, ny Jiosy no tena nitorîan'ny apôstôly hafa, toa an-dry.
Petera, ny filazantsara, kanefa nantsoin'Andriamanitra ihany koa izy ii-Iba ho vavolombelona any amin'ny Jentilisa. I Petera mantsy no apôstôly nirahina hitaona ny Jentilisa (jereo ny Asa. 10).
Azo heverina fa vitsy amintsika ihany angamba no efa nanandrana io karazam-piovam-po miezinezina nanjo an'i Paoly io. Na manao a. ho.ana na manao ahoana anefa dia isika rehetra no mila tiovam-po. Tahaka ny Inona no karazam-piovam-po nahazo anao? NV zava-dehibe indrindra. Inona no nianaranao avy tamin'izany fanandramana izany ka hanarilpy anao hitarika ny hafa ho tonga imin'izany lhany koa?
Mora tokoa ny mahazo an-tsaina an'i Paoly ho lehibe ho an'ny Jentilisa, ary koa ankoatra an'i Jesôsy dia hery lehibe indrindra teo amin'ny fivavahana kristianina izy, toy irony manana hery hafa ankoatra ny an'olombelona irony, olo-masina tsy misy kilema ary mpitondra hafatry ny finoana.
Inona no fantatsika mikasika an'i Paoly avy amin'ireto and. ireto? Asa. 15:37-39, Rôm. 7:19-25,1 Kôr. 9:27, 2 Kôr. 12:7.
Tsy izany anefa no sary aseho amintsika ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ambaran'ny Soratra Masina fa mpanota avokoa isika rehetra, ary mila ny fahasoavan'Andriamanitra. Tafiditra ao anatin'izany koa ny apôstôly Paoly.
Indraindray i Paoly no toa atosi-pihetseham-po, mila haherihery fihetsika mihitsy aza. Matetika izy no mitaky fatratra ny zony. Rehefa natao tao antranomàzina izy sy Silasy dia notakiny ny zony tamin'ny maha-olom-pirenena rômanina azy (Asa. 16:35-40). Taorian'izay, rehefa teo anatrehan'ny fitsaran'i Agripa izy dia nangataka ny hifandehatra teo anatrehan'i Kaisara - izay anisan'ny zony amin'ny maha-olom-pirenena rômanina azy (Asa. 25:11,12). Raha niandry anefa izy fa tsy nitaky ny zony toy izany dia nety ho navotsotra ihany (Asa. 26:32).
Mampahery ny mahafantatra fa tsy tonga lafatra velively ny olomalazan'ny finoana toa an-dry Paoiy apôstôly. Nanao, fahadisoana tsindraindray izy. Nila ny fahasoavana sy ny famelan-kelok'i Jesôsv isan'andro izy teo amin'ny fiainany, tahaka antsika ihany koa. Fantatr'i Paoly tsara tokoa ny maha-mpanota azy araka ny fantatsikaavy amin'ny taratasy nanoratana azy.
Azo antoka, fara fahakeliny amin'ny ampahany, fa ireo fahalemeny sy fahadisoana nataony no nahatonga azy ho mpampianatra lehiben'ny fahaso avan'Andriamanitra mamonjy toy izany.
Vakio ny Rôm. 7:24. Inona no ambaran'izany amintsika mikasika ny fahatakaran'i Paoly ny aminy manokana? Inona no fanantenana sy fampaherezana ataonao, amin'ny tenanao avy amin'ireo teny ireo?
Na dia tsy tonga lafatra aza i Paoly dia nampiasain'Andriamanitra ihany izy. Nahoana no zava-dehibe ny fahafantarantsika ny fahadisoantsika sy ny fitakiantsika ny teny fikasan'Andriamanitra ho amin'ny fandresena mba tsy hamelantsika azy ireny hanakana ny hiasa ho an'ny Tompo?
Foto-kevitra lehibe maromaro no nibahan-toerana sy nandrisika ny fiainan'i Paoly sy ny iraka nampanaovina azy. Loha lisitra amin'izany ny tantaran'i Jesôsy nofantsihina teo amin'ny hazo fijaliana. Io toe-javatra io no fototry ny zavatra rehetra nampianariny sy nataony. Nanoratra ho an'ny Kôrintianina izy nanan hoe: "Fa ninia tsy nahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana" - 1 Kôr. 2:2, ary koa ho an'ny Galatianina: "Fa sanatria raha mba misy ataoko ho rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsikat Gal. 6:14. Ireo and. ireo dia mampiseho fa ho an'i Paoly dia ny hazo fijalian'i Kristy (izay tafiditra ao anatiny ihany koa ny fitsanganany tamin'ny maty) no foto-kevitra lehiben'ny teôlôjia iray manontolo.
Manerana ny asasorany rehetra dia tantarain'i Paoly amin'ny fomba maro samy hafa ny halehiben'izay nataon'i Jesôsy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana mba hamonjena ny taranak'olombelona.
Vakio, ireto, toko, sy and. ireto, izay itantaran'i Paoly ny famonjena. Inona no ambaran'ireo and. ireo amintsika mikasika izay nataon'i Kristy ho antsika? Rôm. 5:10; Rôm, 6:18; Rôm. 7:2-4; Rôm. 8:15-17, Gal. 2:16; Efes. 1:7; 1 Tim. 2:6; 1 Pet. 1:18,19.
Sary sy teny maro isan-karazany no ampiasain'i Paoly itantarana izay nataon'i Kristy ho antsika. Azo antoka fa ny anton'izany dia satria tsy hahavita haneho ny halehiben'izay notanterahina ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana raha sary tokana ihany.
Manao ahoana ny toerana maha-ivo ny hazo fijaliana eo, amin'ny teôlôjia ampiharinao? Manao ahoana ny fifantohanao, aminy? Nahoana no zavadehibe ny manao ny hazo fijaliana ho ivon'ny fijoroanao ho vavolombelona rehetra?
Hitantsika tamin'ny lesona omaly fa foto-kevitra lehibe teo amin'ny fiainan'i Paoly sy ny fampianarany ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana. Anio dia hodinihintsika fohifohy ireo foto-kevitra lehibe sasantsasany noraisin'i Paoly.
Miaina fiainana feno fahamasinana, Ambaran'i Paoly mazava tsara manerana ny asasorany fa maimaimpoana ny famonjena, fanomezana izay tsy azontsika vidina na mendrika antsika (Rôm, 5:15; 6:23; Efes. 2:8). Ny famonjena anefa tsy mamela antsika hitondra tena toy izay nataontsika talohan'ny nihaonana tamin'i Jesôsy. Ho valin'ny fahasoavany dia tokony hiaina toy izay angatahan'i Jesôsy hiainantsika isika.
Izao no nosoratan'i Paoly ho an'i Timoty: -.Miezaha mitady fahamasinana, toe-panahy araka an' Andriamanitra, finoana, fitiavana, fiahalemem-panaliy " -1 Tim. 6:11. Tsy manao ny marina isika mba hovonjen'i Jesôsy fa manao ny marina isika satria efa novonjena. Isika mantsy hoy i Paoly dia "voaforona tao amin î Kristy Jesosy mba hanao asa tsara" Efes. 2:10.
Tsy mankato an'Andriamanitra isika mba ho tia antsika Izy na hanaiky antsika, na hanome antsika ny fahazoan-dalana mankany an-danitra. Raha ekentsika ny fanomezan'i Jesôsy ny famonjena dia ekena amin'ny fahafenoana sy tsy misy fepetra isika. Mankato an'Andriamanitra isika satria ilay fitiavany mahery no mitarika antsika hanao asa tsara. Mankato Azy isika satria ny fitiavany no manery antsika (jereo 2 Kôr. 5:14).
Vakio, ny 2 Pet. 1:3-8. Inona avy ireo antony omen'i Petera hiainana fiainana feno fahamasinana? Inona koa ireo, antony hafa azonao, anampiana ireo?
Nosoratan'i Paoly fa tsy tiany "tsy hahafantatra" isika mikasika izay miseho rehefa rnaty ny olona (1 Tes. 4:13). Nahoana no tena ilaina ny mahatakatra ny fahamarinana mikasika ny flainana aorian'ny fahafatesana?
Mifandray avokoa ireo foto-kevitra lehibe nambaran'i Paoly. Tarninny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ny fitsanganany tamin'ny maty no nandresen'i Jesosy ny fahafatesana. Hiverina indray Izy hitondra ny fanomezan'ny fiainana, rnandrakizay ho an'ireo zanany niahatoky (jereo ny and.13 18) amin'ny fitsanganan'izy ireo arnin'ny rnaty, ireo mpanara-dia an'i Jesôsy dia efa naneho ny fitiavany Azy teo amin'ny fomba niainany ny fiainany Efe 4:20-32).
Inona no hany fanantenan'ny fivavahana kristianina ka manana lanja lehibe indrindra aminao? Izany hoe amin'ireo teny fikasana rehetra ananantsika, iza amin'ireo no manolotra anao fanantenana lehibe indrindra, inona no antony? Soraty ny valin-teninao ka ento eo amin'ny kilasy amin'ny Sabata.
Vakio: "Mpanenjika nanjary mpianatra" - VM, tt. 107-117.
`Ny finoana lainga dia tsy nahatonga an'i Paoly ho lehilahy tsara fanahy, malemy paika na be fangorahana velively. Nafana fo ara-pivavahana izy, ary naharomotra azy fatratra mihitsy ny fahamarinana mikasika an'i Jesôsy. Nivezivezy eran' ny firenena izy, nitaritarika lehilahy sy vehivavy ary nanao azy ireo an-tranomaizina." — SIM, b. 1, t. 214.
"Nananan'i Paoly ny tornbontsoa rehetra amin'ny maha-olom-pirenena rômanina azy. Sangany koa izy raha ny fanabeazana jiosy no resahina; satria dia efa nianatra teo an-tongotr'i Gamaliela izy; izany rehetra izany anefa tsy nahatonga azy hahatratra ny fetra ambony indrindra, Teo, anatrehan'ireo fanabeazana ara-tsiansa sy soratra ireo, mandra-paneho azy an'i Kristy dia mbola tao anaty haizina tanteraka tahaka ireo maro tamin'izany fotoana izany izy. Nanjary fantatr'i Paoly tarnin'ny fahafenoany tokoa fa ny fahafantarana an'i Jesôsy Kristy amin'ny fahalalana avy amin'ny fanandramana dia zava-tsoa ho azy ankehitriny sy ho mandrakizay, Hitany ny tena ilana ny fanatrarana fetra ambony lavitra," — ARSH, 18 JOlay, 1899.
"Fahamarinana fototra lehibe sady tokana no tokony hatao ao an-tsaina mandrakariva eo am-pandinihana ny Soratra Masina, dia Kristy sy Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana. Ny fahamarinana hafa rehetra dia natao hitondra ho eo amin'io foto-kevitra io. Amin'ny fahazavan'ny hazo fijaliana irery ihany no hahitantsika tsara ilay toetry ny lalàn'Andriamanitra voasandratra. Ilay fanahy donton'ny fahotana dia velombelona indray noho ilay asa notanterahin'ny Tompon'ny famonjena teo amin'ny hazo fijaliana." — SDA BC, b. 6, t. 1084.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1.- Inona avy ireo fôto-pinoana lehibe indrindra aminao? Inona no fiantraikan'izy ireo eo amin'ny fomba fiainanao? Inona no fihetsikao manoloana ireo mandala foto-pinoana hafa noho ny anao, mety hifanohitra amin'ny anao mihitsy aza izany?
2.- Aiza ho aiza ny toeran'ny hazo fijaliana eo amin'ny fiangonanao? Inona no azonao atao, na ianao manokana io na ny kilasy, mba ho azo antoka fa toy ny ho an'i Paoly dia Kristy sy ny Izy voahombo tamin'ny Hazo fijaliana no fototra ho an'ny fiangonanao sy ny fitaomany ny fiarahamonina manodidina azy?
3.- Zarao eo amin'ny kilasy ny valin-teninao mikasika ilay fanontaniana farany tao amin'ny lesona Alakamisy.
FAMINTINANA: Ohatra mahagaga no omen'i Paoly mikasika ny tsy fisian'ny fetra eo amin'izay azon'Andriamanitra atao amin'ny alalantsika, na dia olombelona sy malemy ihany aza isika. Ny mombamomba an'i Paoly sy ny fanomezam-pahasoavana manokana teo aminy no nahavitany nitondra ny vaovao mahafaly mikasika an'i Jesôsy manerana ny sahan'asa vaovao iray manontolo.
Filentehan’ny masoandro Antananarivo:
ZOMA : 5 ora 31 minitra
SABATA :5 ora 32 minitra