HEVI-DEHIBE:
Eo am-piezahana hitondra ny filazantsara amin'izao tontolo izao i Paoly no manome ohatra ho antsika ny amin'ny tokony hianarantsika manamboatra ny fomba fanehoantsika ny hafatra, arakaraka ny tontolo sy ny kolontsaina hijoroantsika ho vavolombelona.
Mpisava lalana misiônera advantista maro no nahatsapa avy hatrany fa nilain'izy ireo ny nampiseho izao hafatry ny fahamarinana torintsika izao amin'ny fomba mifanentana indrindra, araka izay azo atao, amin'ny kolontsain'ny itorina. Amin'izao fotoana izao ny filan-kevitry ny Misiona maneran-tanin'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia manohana ivon-toeram-pikarohana manerana izao tontolo izao, mba hahitana ireo fomba hahazoa-mifanerasera amin'ny olona manana firehana arapivavahana sy kolontsaina hafa. Mialohan'ny hifandraisantsika amin'ny fomba mahomby amin'ny olona hafa dia ilaintsika aloha ny mahatakatra ny kolontsainy sy ny fomba fisainany.
Hodinihintsika amin'ity herinandro ity ny hevitr'izany hoe mampifanentana ny hafatra entintsika amin'ny olona ao anatin'ny toe-javatra samihafa izany. Hojerentsika àry ireo fomba maro isan-karazany nitondran'ny apôstôly Paoly, mpino ny fahamarinana hentitra sy tsy miroa teny, ny hafatr'i Jesôsy ho an'ny mpihaino voafaritra. Inona no azontsika ianarana avy amin'i Paoly ka hahatonga antsika hahataona olona ho amin'ny fahamarinana efa fantatsika, amin'ny fomba mahomby kokoa?
Taoriàn'ny zava-nitranga tamin'i Paoly teny an-dalan'i Damaskôsy dia tsy resy lahatra ny amin'ny maha-tena mpianatra marina azy ny apôstôly sasany (jereo ny Asa. 9:26). Mety natahotra angamba izy ireo ndrao dia mpitsikilo nalefa hiditra ao amin'ny fiangonana izy ary hitondra plana hafa indray. Nijoro anefa i Barnabasy tamin'izany fotoana izany ka niaro an'i Paoly (and. 27, 28)
"Lehilahy tsara fanahy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana" (Asa. 11:24) i Barnabasy, ary tena nanampy betsaka an'i Paoly tokoa teo amin'ny fanombohany ny asany.
Vakio ny Asa. 11:19-24. Nanao ahoana ny fiantombohan'ny fiangonana tany Antiokia? Nanao ahoana ny fahombiazan'ny ezaka misiônera natao tany?
Nandre ny amin'ilay antokona mpino vaovao tao Antiokia - tanàna anisan'ireo telo lehibe teo amin'ny Fanjakana rômanina tamin'izany fotoana izany - ny mpitarika ny fiangonana tao Jerosalema. Avy hatrany dia nalefan'izy ireo tany i Barnabasy izay nanana ny hajany tokoa teo amin'ny fiangonana mba hanampy hanangana ny fiangonana vaovao.
Vakio ny Asa. 11:25,26 . Aminao, inona no antony nifidianan'i Barnabasy an'i Paoly mba hanampy azy?
Heniky ny zava-mitranga mahagaga ny Asan'ny Apôstôly: Nanjary Paoly misiônera ilay Saoly mpanenjika; nanjary vaovao mahafaly ho an'ny rehetra ny filazantsaran'ny famonjena fa tsy ho an'ny Jiosy ihany; ary izao i Paoly dia nanjary niasa ho an'ny fiangonana izay nitsangana noho ny fanenjehany.
Nampianatra ny olona nandritra ny herintaona i Barnabasy sy i Paoly. Rehefa nitombo hery ny fiangonana dia nitombo koa ny toetra be fangorahana nananany ka niasa ho an'ny hafa izy. Nanampy ara-bola ireo rahalahiny sy anabaviny tany Jodia, izay tratry ny mosary lehibe ireo mambra vaovaon'ny fiangonana (Asa. 11:28-30). Tsy namihina ho an'ny tenany samirery ireo fitahiana azony àry izy ireo araka izany, fa vonona ny hanampy hatrany rehefa nisy ny fahasahiranana.
Rehefa nandre ny amin'i Antiokia ny fiangonana tao Jerosalema dia nandefa an'i Barnabasy hiasa tany izy. Ary rehefa nahafantatra ny amin'ny niantsoana an'i Paoly i Barnabasy dia nampiantso azy. Nandre ny amin'ny fahasahiranana tao Jerosalema kosa io fiangonana io ka nandefa fanampiana tany.
Inona no lesona azontsika ianarana mikasika ny fanampiana ny hafa avy amin'ireo fitahiana azontsika?
"Efa tonga zavatra rehetra aho amin'ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza" 1 Kôr. 9:22.
Inona no tian'i Paoly holazaina rehefa nilaza izy fa "tonga zavatra rehetra amin'ny olona rehetra?" Mahazo matoky isika fa na inona na inona tiany hambara dia tsy misy atahorana izany. Tsy ny hanova ny filazantsara no tiany hatao, na ny foto-pampianarana na ny fitsipi-pitondran-tena na izay mety ho fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra. Ny hahatonga ireo zavatra ireo ho manintona sy mora takatra araka izay azo atao ho an'ireo kolontsainy maro samy hafa kosa no tiany horesahina.
Tamin'ny fomba fiasa maro samy hafa no nanehoan'i Paoly io foto-kevitra io mba hitaomana ny olona samihafa.
Teo amin'ny fiezahana hitaona ny Jiosy, ohatra, dia niditra tao amin'ny tanàna iray i Paoly,notsidihiny ny sinagôga ary nampianatra tao izy (jereo ohatra ny Asa. 9;19-22,13,14-16).
Vakio ny Asa. 13:16-42. Tao amin'ny toriteny nataony, taiza ho aiza no nanombohan'i Paoly ny famerenana fohifohin'ny tantara ara-Baiboly sy ny namaranany izany? Tamin'ny fahefana inona no niezahany hanaporofoana fa Jesôsy no Mesia? Inona no ambaran'izany aminao mikasika ny fanatonan'i Paoly ny vahoaka jiosy?
Vakio ny Asa. 14:8-18. Amin'ny fomba ahoana no maha-samihafa ny fomba firesak'i Paoly tamin'ny mpanompo sampy - izay tsy nino ny Testamenta Taloha - sy ny lahateny nataony tamin'ny Jiosy?
Tsy toy ny fahefana velively no nampisehoan'i Paoly ny Soratra Masina (naneho tamin'ny fomba tsy mivantana ny Testamenta Taloha tokoa izy ao amin'ny andininy 15, saingy toy ny mamerina ny tenin'ny pôeta iray, fa tsy ny an'ny fahefana). Ny tontolon'ny zava-boary no nisarihany ny saina ary koa ny porofo anehoan'ny zava-boary ny fisian'Andriamanitra Mpamorona. Notsindriny àry avy eo ny maha-zava-poana ny fivavahana amin'ny sampy.
Hatraiza no tokony hahavonona antsika eo amin'ny fiezahana hitaona ny olona mbola ao anatin'ny kolontsainy? Amin'ny fomba ahoana anefa no ialantsika amin'ny zava-dozan'ny fihoaram-pefy, izany hoe ny fahamarinana indray no latsa-danja eo amin'ny ezaka atao mba hanapariahana azy?
Isan'ireo ezaka misiônera malaza indrindra nataon'i Paoly izay nitranga tao Atena, toeran'ny sasantsasany tamin'ireo olon-kendry lehibe indrindra teo amin'izao tontolo izao fahizay. Tao anatin'izany ohatra ry Socrate, Platon, ary Aristote. Tena mahavariana ihany anefa na izany aza ny zava-nisy: na dia teo aza ny fahendrena rehetra sy ny antsony ho amin'ny fahamarinana sy ny lôjika dia mbola "feno sampy" ihany ny tanàna (Asa. 17:16). Vavolombelona lehibe tokoa izany izay manaporofo fa tsy mamaha ny olana fototry ny taranak'olombelona velively ny fahendreny (ny filôzofia).
Vakio ny Asa. 17:18-34. Inona no fomba nampiasain'i Paoly teo amin'ny ezaka nataony hanatrarany ireo olona ireo? Inona kosa no tsy nampiasainy? Nanao ahoana ny fahombiazan'izany ezaka nataony izany?
Ny Epikoreanina dia nampianatra fa avy amin'ny fananana fiainana arahin'ny fahafinaretana tsotsotra ny fahasambarana. Ny Stôika koa etsy andanin'izany, dia nampirisika ny olona hionona amin'izay ananany. Samy nandre an'i Paoly teo an-tsena avokoa na ny olon-kendry epikoreanina na ny olonkendry stôika, ary samy nanohitra azy izy ireo ka nanao azy ho "mpibedibedy" - Asa. 17:18.
Na dia teo aza ny fanarabirabiana nataon'ireo, olon-kendry ireo an'i Paoly dia nasainy ihany izy mba handaha-teny mandritra ny fivorian'ny Areôpagô - antokon'olon-kendry izay mitsara ny fampianarana vaovao - teo amin'izay fantatsika amin'ny hoe: Havoan'i Martsa.
Nataon'i Paoly nifanentana tamin'ny mpihaino azy, izay mpanompo sampy, ny hafatra nampitainy nandritra ny lahateny nataony - and. 22-25, ka dia nifandray tamin'ny kolontsain'ireo izy. Ny alitara izay natsangan'izy ireo ho an'ilay andriamanitra tsy fantany no notondroiny ka nampahafantariny azy ho Ilay Andriamanitra Mpamorona.
Tsy nampiasa velively ny Soratra Masina i Paoly tahaka ny fanaony tamin'ny mpihaino jiosy. Ny tontolon'ny zava-boary izay efa nifaneraseran'izy ireo indray no nasongadiny teto, ka nampifandraisiny tamin'ny fisian'ny hery mihoatra ny an'ny olombelona. Ary na dia tsy nampiasa ny Soratra Masina aza 1 Paoly dia mazava fa tena ara-tSoratra Masina mihitsy kosa ny hafatra nampitainy tamin'izy ireo.
Amin'ny fomba ahoana no iresahan'ny zava-boary aminao ao am-ponao mikasika an'Andriamanitra? Ahoana no hikolokoloanao bebe kokoa ny fankasitrahana ny Mpamorona antsika amin'ny alalan'ny zava-boary?
Vakio indray ny Asa. 17:18-34. Diniho tsara ny lahateny nataony. Aiza ho aiza no ahitantsika ireto foto-pampianarana ireto: famoronana, famonjena ary fitsarana? Amin'ny fomba ahoana no andrenesantsika izany ho tahaka ny hafatra entintsika Advantista?
Tsy vitan'ny hoe nahafantatra ny asasoratry ny mpanompo sampy ihany i Paoly fa naka ampahany avy tamin'izany koa tao amin'ny fitadidiany. Voalohany, nindraminy ny tenin'ny pôeta kretanina iray manao hoe: -Fa izy no ivelomantsilca sy ihetsehantsika ary iainantsika - (and. 28). Faharoa manaraka izany, tao koa ilay mpanompo sampy atao hoe Cleanthes,,izay nakana izao andalan-teny manaraka izao avy tao amin'ny tononkalom-pitiavana nataony ho an'i Zeus andriamanitra sampy: "Fa terany koa isika" (and. 28). Isaky ny foto-kevitra misy izany dia misintona zavatra avy ao amin'ny kolontsain'izy ireo hatrany i Paoly ka mampifandray izany amin'ny fahamarinana tiany hampianarina azy,
"Nahinjitr'i Paoly nanondro ny tempoly feno sampy ny tanany, dia noborahiny ny enta-mavesatra tao amin'ny fanahiny ary naharihariny nyfahadisoan'ny fivavahana Ateniana", hoy ny voasoratr'i EGW, "Gaga ny hendry indrindra tamin'ny mpihaino azy teo anatrehannyfahaizany manamarina ny foto-keviny. Nasehony fa nahazatra azy ny zava- kantony, ny haisorany sy nyfivavahany. " - VM 2, t.88.
Izao ihany koa no voalazan'i EGW: "Harem-pahalalana sarobidy ho an'ny fiangonana ny tenin'i Paoly (..) Raha namely mivantana ny andriamanitra sy ny olona ambony tao an-tanàna ny teniny, dia ho notandindomîn-doza hitovy fiafarana amin'i Sôkraty koa izy. Nefa noho ny fahaizana toetran'olona nateraky ny fitiavanAndriamanitra, dia notarihiny tamim-pahendrena ny sain'ireo Ateniana hiala amin'ireo andriamanitra jentilisa, tamin'ny nanambarany taminy Ilay Andriamanitra marina Izay tsy fantany. - VM 2, t. 92
Takatr'i Paoly fa mialohan'ny hitarihantsika olona eo amin'izay tiantsikà hisy azy dia mila mihaona aminy eny amin'ny toerana misy azy aloha isika. Midika izany fa mila mifantoka amin'ny zava-manahirana azy sy ny zava-mahaliana azy isika - ary koa mampifanentana ny hafatra entintsika amin'ny izay zavatra fantany. Tsy midika akory izany hoe ny hafatra indray no takona. Resaka fifandraisana ihany izany - miresaka amin'olona amin'ny voambolana sy fiteny takany.
Inona ilay lafiny anankiray teo amin'ny fampianaran'l Paoly ka nahatonga fanoherana mahery vaika indrindra teo aminlo tontolo lo? Nahoana? Inona no tokony hambaran'izany amintsika mikasika ny fetra eo amin'ny fiezahantsika hanazava ara-tsaina fotsiny izao izay rehetra inoantsika?
Vakio ny Rôm. 15:18-23. Ahoana no nahazoany milaza hoe: "nanatanteraka ny fitoriako ny .fllazantsaran'i Kristy [aho] " (and. 19), kanefa hita miharlhary fa tsy mbola Kristianina akory ny ankamaroan'ny vahoaka teo? Inona no ambaran'ny valim-panontaniana amintsika mikasika ny tokony hamaritantsika ny atao hoe fahombiazana?
Nisafidy ny hanangana ny fiangonana vaovao teo amin'ireo tanàna efa mandrosondroso kokoa nanerana ny faritra rehefra i Paoly. Toerana izay azo lazaina ho ivon'ireo fitaterana samihafa - teo amin'ireo arabe na seranantsambo rômanina goavana - ka nitana anjara asa lehibe teo amin'ny raharaha ara-barotra sy fifanakalozana ary fitantanana asa. Fanilo lehibe narahina tetik'ady àry no natsangan'i Paoly nanerana ny faritra, ka nofaritany tamin'izany fa ireo antokona mpino vaovao no hitondra ny vaovao mahafaly eo amin'ny faritra manodidina ireo ivon-toerana ireo. Na dia nifarana aza ny asan'i Paoly dia vao niantomboka kosa ny asa fitoriana ho an'ireo mpino vaovao.
Teo amin'ny dia misiônera faharoa nataony, nampian'i Timoty sy Silasy, dia nanangana ny fiangonana kristianina tao Tesalônika i Paoly, tanàna lehibe indrindra tao Makedônia izy io. Teo amin'ny fihaonan-dalan'ireo lalam-be rômanina anankiroa no nisy azy io, ary izy no seranan-tsambo lehibe indrindra teo amin'ny faritra iray manontolo. Ho ivo hahafahan'ny fiangonana hafa misandrahaka manerana io faritra io ny antokona mpino miorina mafy tsara teo amin'izany tanàna izany,
Izany mihitsy no nitranga. Hoy i Paoly: "ka dia tonga fianarana ho an'ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia hianareo. Fa avy taminareo no nanehoan'ny tenin'i Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan'ny finoanareo an'Andriamanitra -1 Tes. 1:7,8.
Môdely ho an'ny hafa rehetra io fiangonana io. Mahaliana tokoa fa tsy teny kristianina voafaritra ny teny grika nilazana ny fiangonana (eklesia). Nentina nilazana izay mety ho fivoriam-bahoaka teo amin'ny sehatra maro samy hafa izany. Na izany aza anefa, ny eklesia kristianina dia nantsoina ho amin'ny andraikitra manokana - tsy ny hiara-miankohoka ihany fa ny hitaona ny fiarahamonina misy azy koa amin'ny vaovao, mahafaly izay efa noraisiny.
Tsy ny hamahana ny mambra ao aminy fotsiny ihany no antom-pisian'ny fiangonana. Ahoana ny fihetsikao manoloana izany? Ny hitady izay zavatra ilainao ihany ve no alehanao any am-piangonana, sa manantena ny hanome misimisy kokoa ianao noho ny hoe mandray?
"Novaovain'i Paoly araka izany ny fomba fiasany, ka nampifanarahany tamin'ny toe-javatra nametrahana azy ny hafatra nentiny." - GW, t. 118.
"Misy olona sasantsasany izay tsy ho resy lahatr'izay mety ho fanehoana ny fahamarinana atao aminy. Ny mpanompon'Andriamanitra anefa na izany aza dia tokony handinika arnim-pahamalinana ny fomba tsara indrindra, mba tsy hahatonga hevitra mibahana mialoha na koa fanoherana be avy amin'ireo mpihaino azy." - ARSH, 25 Nôv. 1980.
"Ny mpiasan'Andriamanitra dia tsy tokony ho olona voafetra ara-kevitra, na koa tsy mba manovaova ny fomba fiasany, ka tsy mahita fa tokony hiovaova ny
fanambarany ny fahamarinana arakaraka ny sokajin'olona iasany sy ny toejavatra tsy maintsy atrehiny."- GW, t. 119.
"Tamin'ny alalan'ny halemam-panahy feno haravoana sy faharetana ary fahalalam-pomba kristianina, no nahazoany ny fon'ny olona, nampanginany ny hevitra mibahana mialoha teo aminy, ary niezahany hampianatra azy ny fahamarinana, kanefa tsy mandranitra ny fanoherany koa. Nataony, avokoa izany satria tiany ny fanahin'ny olona, ary niriny fatratra ny hitondra azy ireo eo amin'i Kristy mba hahavoavonjy azy." - SFLP, t. 162.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1. Ahoana no fomba hampitanao, amin'ny fomba mahomby kokoa izay inoantsika Advantista amin'ny mpianatry ny oniversite iray tsy mino an'Andriamanitra? Amin'ny olona iray hafa finoana? Amin'ny olona izay mino ny Baiboly kanefa tsy Advantista? Amin'ny Advantista nihemotra? Amin'ny olona izay toa tsy miraharaha mihitsy izay resaka mikasika ny finoana an'Andriamanitra?
2. Manao ahoana ny fifantohan'ny fiangonanao amin'ny asa nanirahana azy? Inona no azonao atao hanampiana ny fiangonanao, hifantoka bebe kokoa amin'ny fitoriana ny hafatra amin'ny fiarahamonina eo an-toerana?
FAMINTINANA: Tsy mahomby ny fifandraisana raha toa ka tsy mahazo izay lazaina ny mpihaino. Ohatra maro no omen'i Paoly eo amin'ny fijoroana ho vavolombelona ataontsika, mikasika ny tokony handikantsika ny vaovao mahafaly amin'ny voambolana izay takatry ny olona.
Filentehan’ny masoandro Antananarivo:
ZOMA : 5 ora 34 minitra
SABATA :5 ora 34 minitra