Telovolana 3 : L'évangile, 1844 et le jugement

Lesona faha 3 : JAONA MPANAO BATISA: MAMBOATRA NY LALANA HO AN'I JESOSY

Daty : 12-07-2008 hatr@ 18-07-2008. Toko dinihina : Mat. 14:1-12, Lio. 1; Kôl. 2:8; Apôk. 14:6-12.

Tsianjery : Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao batisa; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy. Mat.11:11

Sabotsy 12-07-2008 : Fampidirana

HEVI-DEHIBE: Nahazo fiantsoana manokana avy tamin'Andriamanitra i Jaona Mpanao batisa; isika fiangonana koa dia nantsoina toy izany. Inona no azontsika ianarana avy amin'ny ohatra nomen'i Jaona?

Ireo mpanaraka ny fivavahana " Mandaean" fahiny dia manaja an'i Jaona Mpanao batisa mihevitra azy ho ilay mpaminany farany sy lehibe indrindra tamin'ny mpaminany. Any Irak sy any Iran indrindra indrindra no mbola mety hahitana mpino 'Mandaean' ankehitriny, Ny fanesoana lehibe amin'izany dia ity: manaja an'i Jaona izy ireo saingy mino fa mpaminany sandoka i Jesôsy; saro-takarina izany satria ny tanjona nokendren'ny hafatra nentin'i Jaona dia tsy nisy afa-tsy ny hamboatra ny làlana ho an'i Jesôsy.
Hafatra nitory fibebahana sy famelan-keloka ary rariny ara-piarahamonina no notorin'i Jaona avy teo amin'ny tobiny teo akaikin'ny Renirano Jôrdana; nataony izany rehetra izany mba hanomanana olona ho amin'ny fiavian'ny Mesia. Vahoaka maro be no vory nihaino ny toriteniny; ary maro no nanaraka ny fampianarany. Raha ny marina aza dia maro amin'ireo mpianatr'i Jesôsy no mpianatr'i Jaona Mpanao batisa teo aloha.

Ho hitantsika misimisy kokoa amin'ity herinandro ity ny mikasika ny asa nanirahana lehilahy iray izay noderain'i Jesôsy fatratra mihoatra noho ny olona hafa rehetra; ankoatra izany dia hojerentsika ny fitovian'ny fiantsoana an'i Jaona sy ny fiantsoana antsika.

Alahady 13-07-2008 : Fiantsoana manokana

Anankiray amin'ireo olona vitsivitsy izay lazain'ny Baiboly fa nofidin'Andriamanitra talohan'ny nahaterahany mba hanatanteraka iraka manokana i Jaona; anisan'ireny, ohatra, i Samoela sy i Samsôna, ary i Jesôsy mihitsy koa aza. Naminany momba ny asan'i Jaona i Isaià mpaminany, an-jato taonany maro talohan'izao, nilaza fa izy dia "feon'ny miantso (...) any an 'efitra" - Isa. 40:3-5; jer. koa Lio. 3:4-6.1 Zakaria, rain'i Jaona koa dia nilaza mialoha fa hamboatra ny lalana ho an'ny Tompo ny zanany (Lio. 1:76).

Vak. ny Lio. 1, izay ahitana ny faminaniana mikasika ny asa nanirahana an'i Jaona Mpanao batisa sy ny fiantsoana azy. Raiso an-tsoratra ireo zavatra izay voalaza ao fa hotanterahin'i Jaona. Ampitahao amin'ny zavatra fantatsika momba an'i Jaona Mpanao batisa ireo faminaniana ireo. Tamin'ny fomba ahoana no nahatanterahan'izy ireo?

Rehefa avy nijery ny zava-bitan'i Jaona ianao, dia jereo ny fiafarana ratsy tsy mendrika azy (Mat. 14:1-12). Mifanaraka amin'ireo faminaniana be voninahitra momba azy ve izany fiafarana izany? Amin'ny fomba ahoana?

 

Ny fiantsoana an'i Jaona Mpanao batisa sy ny asa notanterahiny dia nitondra azy ho amin'ny lalan-tsarotra sy mafy, lalana izay niafara tamin'ny fomba maharikoriko saika nitovy tamin'ny fomba niafaran'i Jesôsy, izay zanaky ny iray tam-po amin'ny ray aman-dreniny. Na teo aza ireo fitsapana sy fahoriana ary fahadisoan-kevitra momba azy, dia nitoetra ho mahatoky hatrany izy, nanatanteraka ireo faminaniana mikasika ny fiainany. Ohatra maneho ny fahoriana mety hatrehintsika tsirairay i Jaona raha toa isika ka miezaka ny hijoro ho mahatoky amin'Andriamanitra sy amin'izay mety ho fiantsoana iantsoany antsika.

Raha ny ankamaroan'ireo marika itsaran'ny olona ny fiainana sy ny fahafatesana no ampiasaina hitsarana ny fiainan'i Jaona Mpanao batisa, sy ny fahafatesany indrindra indrindra, dia tsy ho nahatonga azy ho olona antsoïn'izao tontolo izao hoe nahomby izy. Inona no tokony hambaran'izany amintsika mikasika ny fahasamihafana eo amin'izay ataon'Andriamanitra hoe filamatra sy izay ataon'izao tontolo izao hoe filamatra? Moa ve ireo marika andrefesanao ny fahombiazana mitovy kokoa amin'ny an'Andriamanitra sa amin'ny an'izao tontolo izao? Inona no ambaran'ny vaiin'io fanontaniana io momba ny tenanao?

Alatsinainy 14-07-2008 : Manomana ilay mpanomana

Nanao fanambarana mialoha maro momba ny fiainan'i Jaona Mpanao batisa ny Tompo. Talohan'ny nahaterahan'i Jaona akory aza no nilazany ny zavatra mety ho vitany eo amin'ny fiainany. Mipetraka ny fanontaniana saro-baliana manao hoe: Efa lahatra voasoritra mialoha ve fa hanao ireny zavatra ireny i Jaona satria nilaza mialoha Andriamanitra fa hanao izany izy? Raha lazaina amin'ny fomba hafa, nanana safidy hafa ankoatra ny fanatanterahana izay nolazain'Andriamanitra mialoha ve i Jaona? Na dia fihaikana ho an'ny teôlôjianina sy ny filôzôfa nandritra ny taonjato maro aza ny fanontaniana mikasika ny fahalalan'Andriamanitra mialoha ny zavatra rehetra sy ny fahafahantsika misafidy malalaka (noho izany dia azo antoka fa tsy voavalintsika izao ankehitriny izao io fanontaniana io), misy kosa zavatra anankiray azontsika antoka: Nila fanomanana manokana ho amin'ny asa izay hotanterahiny i Jaona.

Vak. Lio. 1:80. Inona no hita ao amin'io and. io izay manampy antsika hanafantatra ny sasany amin'ny fanomanana nilain'i Jaona? Inona ireo foto-kevitra azontsika sintonina eto izay afaka manampy antsika hampahatanjaka ny fiainantsika ara-panahy?

 

Voalaza ao amin'ny Lio. 1:15 fa hofenoina ny Fanahy Masina "hatrany an-kibon-dreniny aza" i Jaona. Na teo aza anefa izany teny fikasana manokana izany, dia nila ny karazana fanomanana hita ao amin'ny hamafin'ny fiainana any an'efitra izy. Ny tany efitra na tany foana dia aseho matetika ao amin'ny Baiboly ho toerana fifehezana/fitaizana sy fitomboana ara-panahy. Tany àry no "tonga tamin'i Jaona (...) ny tenin 'Andriamanitra" - Lio. 3:2. Tsy isalasalana fa lasa olon'ny vavaka i Jaona, ary nampianatra ny mpianany hivavaka (Lio. 11:1) sy hifady hanina (Mar. 2:18) izy taty aoriana. Fantany fa zava-dehibe tokoa ny fifandraisana ara-panahy amin'ny lanitra.

Ny hery ara-panahy noraisin'i Jaona avy tamin'Andriamanitra dia nahafahany nitory ny hafatra nentiny tamin-kery lehibe. Feon'ny miantso mafy tany an'efitra izy, na, araka ny teny grika ara-bakiteny, "mimàmà tahaka ny omby."

 
Araka ny hevitra natsipin'i Jesôsy taty aoriana, dia tsy nisy olona nandeha nizaha an'i Jaona ka mihevitra azy ho irony olona malezolezo irony - "volotara nohozongozonin'ny rivotra" (Mat. 11:7). Tsia, tsy izany fa tonga handre lehilahy nanambara ny fahamarinana tamin-kery mandresy lahatra izy ireo.

 

Jereo amin'ny fo tsy miangatra ny fiainanao ara-panahy. Mivavaka matetika ve ianao? Mandinika ny Tenin'Andriamanitra matetika ve ianao? Sa tafaroboka lalina ao amin'izao tontolo izao sy ao amin'ny zavatra momba izao tontolo izao ianao? Inona ireo fanovana ilaina hotanterahinao? Mety hilainao angamba ny mandany fotoana any an'efitra any ho any?

Talata 15-07-2008 : Ny fanahin'i elia

llay anjely niseho tamin'i Zakaria dia nanipy resaka mikasika ny faminanian'i Malakia ka nampihatra izany mivantana tamin'i Jaona (Lio. 1:17). Nanamafy izany mihitsy i Jesôsy nilaza nanao hoe: uAry raha mety mandray hianareo. dia izy [i Jaona io] no ilay Elia izay ho avy " (Mat. 11:14; jer. koa Mat. 17:11-13).

Nisongadina teo anivon'ireo mpaminany lehibe ao amin'ny TT i Elia. Niantso ny mpanjaka Ahaba sy ny firenena Isiraely, izay nilona tao anatin'ny fanompoan-tsampy sy ny fihemorana, izy mba hiverina amin'Andriamanitra ka hiala amin'ny fanao ratsiny. Ny fitsapana teo an-tendrombohitra Karmela - teo an-tendrombohitra Karmela izy no nijoro tamin'ny anaran'Andriamanitra nifanandrina tamin'ireo mpaminany mpanompo sampy - no anankiray amin'ireo kihon-dalana lehibe ao amin'ny Baiboly manontolo.

Ny andian-teny hoe "hafatr'i Elia" dia mirakitra hevi-dalina tokoa ho an'ny Advantista mitandrina ny andro fahafito. Ampitovin'i EGW ny andraikitr'i Elia sy i Jaona Mpanao batisa ary ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany. Tsotra toy izao no anoritsoritany ny "hafatr'i Elia": "'Miomàna hihaona amin 'Andriamanitrao '". - SDABC, b. 4,1.1184.
 

NY HAFATR'I ELIA

ELIA

JAONA MPANAO BATISA

VAHOAKAN'ANDRIAMANITRA AMIN'NY ANDRO FARANY

Nantsoina hitondra fanavaozana teo amin'ny Isiraely sy hiantso azy ireo hankato ny lalàn'Andriamanitra. Nitondra hafatra mitory fitsarana ho an'i Ahaba sy fahafahana mibebaka ho an'ny Isiraely.

Nitory ny fibebahana sy ireo foto-kevitra iorenan'ny fanjakan'ny lanitra. Nitondra hafatra mitory fitsarana ho an'ireo mpitarika ara-pivavahana sy ho an'ny vahoaka. Nanomana ny olona ho amin'ny fiavian'i Jesôsy voalohany.

Mpanitsy fivavahana mitory ny fahamarinana amin'ny finoana, miantso ny olona hiankohoka amin'Andriamanitra sy hibebaka aryhitandrinanydidiny. H afatra entiny: " ' Tonga ny androfitsarany'" - Apôk. 14:7. Manomana ny olona ho amin'ny fiavian'i Jesôsy fanindrony.

Nanoratra mikasika anjely telo manana hafatra manokana hotorina amin'izao tontolo izao amin'ny andro farany (Apôk. 14:6-12) ny apôstôly Jaona. Ao anatin'ireo hafatra ireo ny antso mba hiankohoka amin'Andriamanitra (satria tonga ny andro fitsarany) sy hitoetra ho mahatoky amin"i Jesôsy. Ivon'io hafatra fampitandremana io ny filazantsara. Hoy i EGW ao amin'ny gazety-boky The Review and Herald, nosoratany tamin'ny 1 Aprily 1890: "Maro no nanoratra tamiko nanontany raha toa ka ny hafatry ny fanamarinana amin'ny finoana no hafatry ny anjely fahatelo. Dia namaly aho nanao hoe: "Marina dia marina tokoa fa io no hafatry ny anjely fahatelo."

 

Vak. ny hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apôk. 14:6-12. Aiza no ahitanao fampitandremana miharo fanantenana? Amin'ny heviny ahoana no maha-fampitandremana sady fanantenana ny hafatra nentin'i Jaona? Fomba ahoana no ahafahantsika mampiasa ny fampitandremana mba hampitodika ny olona ho amin'ny fanantenana?

Alarobia 16-07-2008 : Fiovam-pitondrantena

Nisy lafiny roa fototra ny hafatra nentin'i Jaona Mpanao batisa: fibebahana sy fitondrantena. Nifandray akaiky izy roroa ireo.

Ny teny grika ampiasain'i Jaona ilazana ny fibebahana ('metanoeo') dia teny roa mitambatra ho teny iray: 'meta' izay manana hevitra hoe "manova", sy ny hoe 'noeo' izay midika hoe "fisainana". Araka izany ny dikan'ny hoe fibebahana dia izao: manova ny fisainana mikasika zavatra iray.

Rehefa hoy i Jaona hoe: "Mibebaka hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra" - Mat. 3:2, dia milaza amin'ny olona izy fa ny fahatongavan'ny fanjakan'ny lanitra dia mitaky fomba fijery vaovao tanteraka. Raha lazaina amin'ny fomba hafa dia izao: Tamin'ny fanomanany ny olona ho amin'ny fahatongavan'i Jesôsy, tamin'ny fanamboarany ny lalan'i Jehôvah sy ny fanaovany "mahitsy ny lalan-kalehany" (and. 3) dia nanao fihaikana ny olona i Jaona mba hanova ny fijeriny izao tontolo izao sy ny fomba fiainany.

Vak. Lio. 3:10-15. Inona no votoatin'ny hafatr'i Jaona eto? Inona no tiany hambara amin'ny olona? Jer. koa Jak. 2:14-26.

Lafiny iray fototra amin'ny fibebahana ny fiaiken-keloka - Mat. 3:6. Ny fiovam-pitondrantena mifanaraka amin'ireo foto-kevitra iorenan'ny fanjakan'ny lanitra no lafiny iray hafa (and. 8). Tsy misy zavatra latsaka noho izany afaka manomana azy ireo handray an'i Jesôsy, izay hitondra andro famelombelomana tahaka izay tsy mbola hitan'izy ireo na oviana na oviana.

Ny batisa dia nampifandraisina akaiky tamin'ny fibebahana. Raha ny marina dia lazain'i Lioka fa i Jaona nitory "ny batisan 'ny fibebahana ho famelan-keloka" - Lio. 3:3. Ny hoe voasasa tao anaty rano dia ohatra maneho ny fiovan'ny fomba fahitana ny fiainana sy ny fiaingana vaovao ary ny famelana ny heloka.

Na dia nanafintohina ny olona sasany aza ny teny mahery nataon'i Jaona, lazain'ny Baiboly fa nisy vahoaka maro be tonga mba hihaino azy. "Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin 'ny tany rehetra amoron 'i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona" - Mat. 3:5. Kanefa tsy vitan'ny hoe tonga sy nihaino azy fotsiny izy ireo,fa niaiky ny fahotany koa sy natao batisa (and. 6).

  

Eny àry, ekena fa mino an'Andriamanitra ianao, mino an'i Jesôsy, mino fa maty noho ny fahotanao Izy ary amin'ny alalan'ny fahamarinany irery ihany, izay isaina ho anao noho ny finoana fotsiny ihany, no anananao famonjena. Mipetraka anefa ny fanontaniana: Manaraka tsara ireo foto-kevitry ny fahamarinana, araka izay nolazain'i Jaona Mpanao batisa ve ianao? Moa ve ny fiainanao mampiseho tsara ny finoana izay lazainao fa anananao?

Alakamisy 17-07-2008 : Lesona misy lanjany lehibe avy amin'i jaona

 
Vak. Kôl. 2:8. Inona no ambaran'io and. io aminao, ao amin'ny kolontsainao sy ny fanaon-drazanao? Inona no tsy maintsy tandremanao?

 

Manan-kambara betsaka mikasika ny fanaon-drazana ny Baiboly, ary kely amin'izany no tsara. Nisy fotoana, nanontany an'i Jesôsy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe nahoana ny mpianany no nandika ny fampianarana voatolotry ny razana fa tsy mba nanasa tanana izy ireo talohan'ny hihinanany (Mat. 15:2). Io fampianarana io dia nifototra tamin'ireo didy sy fitsipika najoron'ny Raby, fa tsy ny Soratra Masina.

Vak. Mat. 15:3 sy Mar. 7:13. Inona ireo hevitra voafaritra mazava tsara avoitran'i Jesôsy eto, izay mampiseho Indrindra ny antony mahatonga ny fampianarana voatolotry ny razana ho tena mety hamono ny finoana mihitsy?

Lafiny iray lehibe dia lehibe amin'ny asa nanirahana an'i Jaona Mpanao batisa ny hiteny hanohitra ny fampianarana voatolotry ny razana sy hampitodika ny olona indray ho amin'ny Teny nambaran'Andriamanitra. Izao no nosoratan'i EGW: "Inona moa no nahatonga an'i Jaona Mpanao batisa ho lehibe? Nakatony ny sainy mba tsy handray ireo fampianarana sy fanaon-drazana miavosa izay natolotr'ireo mpampianatra teo amin'ny firenena jiosy, fa nosokafany kosa handray ny fahendrena avy any ambony." - CC, f. 276.

Tsy voafatotry ny fampianarana voatolotry ny razana na ireo fomba fandaharan-teny nekena tamin'ny androny i Jaona Mpanao batisa. Niteny nanameloka ny fahotana tamin'ny endriny rehetra izy, hatramin'ny fijangajangana ka hatramin'ny tsy rariny teo amin'ny fiarahamonina. Na oviana na oviana no ambara amin'ny fomba mazava tsy misy fihambahambana ny hafatr'Andriamanitra, dia samy hafa ny fihetsika asetrin'ny olona izany. Nisy ireo namaly an'i Jaona Mpanao batisa tamin'ny fiampangana azy ho manana demonia (Mat. 11:18). Eny, toraka izany mihitsy koa ny nahazo an'i Jesôsy (Jao. 7:20).

Moa ve ratsy foana rehefa fanaon-drazana na fampianarana voatolotry ny razana? Nahoana no eny, na nahoana no tsia? Na inona kolontsaina misy antsika na inona, fomba ahoana no ahafahantsika mihazona lafin-javatra avy amin'izany kolontsaina izany kanefa mitoetra ho mahatoky amin'ny Tompo hatrany?

Zoma 18-07-2008 : Fianarana fanampiny

 
Vakio:  "Ilay feo tany an'efitra" - IFM, tt. 83-96.

 

"Nilarika an’i Jaona Mpanao batisa tany an 'efttra Andriamanitra hiarovana azy amin 'ny hery miasa mangina avy amin 'ny mpisorona sy ny raby, sy hanomanana azy amin 'ny asa manokana hanirahana azy. Tsy ohatra ho an 'ny vahoaka anefa ny hamafin 'ny fiainany sy ny nitokanany monina. I Jaona koa tsy nitarika ny mpihaino azy handao ny adidiny teo aloha. Nobaikoiny hampiseho mazava ny fibebahany izy ireo, tamin'ny tqetrany mahatoky amin'Andriamanitra eo amin'ny toerana izay efa niantsoany azy-IFM, 1.144.

"Amin'izao fotoana izao, mialoha indrindra ny fiavian'i Kristy fanindroany eny amin'ny rahon'ny lanitra, dia misy asa toy izay nataon'i Jaona tokony hotanterahina. Miantso olona hanomana vahoaka hijoro amin'ny andro lehiben'i Jehôvah Andriamanitra. Izao no hafatra notorina talohan'ny nanombohan'i Kristy ny asany teo amin'ny vahoaka: Mibebaha ianareo mpamory hetra sy mpanota; mibebaha ianareo Fariseo sy Sadoseo; 'mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.' Amin'ny maha-vahoaka mino ny fiavian'i Kristy tsy ho ela antsika, dia manana hafatra hoentina isika manao hoe: 'Miomàna hihaona amin'Andriamanitrao'' - Amô. 4:12." - GW, t. 55.

 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

 1.     Inona ireo loza mananontanona amin'ny fanarahana ny fampianarana voatolotry ny razana? Mba tena afaka manampy ny ftainanao ara-panahy ve ny fanaon-drazana na ny fampianarana voatolotry ny razana? Raha eny, amin'ny fomba ahoana? Miresaha ianareo iray kilasy mikasika ireo fanaon-drazana ao amin'ny kolontsainareo? Iza amin'izy ireo no mahasoa ny finoana, ary iza kosa no mifanohitra amin'ny finoana? Fomba ahoana no ahafantaranareo ny fahasamihafan'ireo, ary fomba ahoana no ahafahanareo manampy ny hafa izay mety ho sahirana amin'ny fialana amin'ireo fanaon-drazana manimba ny dia ataon'izy ireo amin'ny maha-Kristianina azy?

2.     Efa mba nandalo fanandramana "tany an'efitra" ve ianao? Raha efa nisy izany, azonao lazaina ve hoe inona? Inona no lesona nianaranao tamin'izany izay mety ho fitahiana ho an'ireo izay mandata fanandramana mitovy amin'izany?

3.     Jereo indray ireo fitoviana misy eo amin'ny iraka nampanaovina an'i Jaona sy ny iraka ampanaovina antsika amin'ny maha-fiangonana antsika. Manao tsara izany ve isika? Inona no azontsika hatsaraina? Fomba ahoana no ahafahantsika - dia isika tsirairay sy isika fiangonana - manampy eo amin’ny fanatanterahana io fiantsoana ambony io?

  

FAMINTINANA: Nahazo fiantsoana ambony hamboatra ny lalana ho an'i Jesôsy i Jaona Mpanao batisa. Misy lafiny maro itovizany amin'ny asa nomena hotanterahin'ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany ny asa nanirahana azy - hitory ny hafatr'i Elia hanomana vahoaka hihaona amin'Andriamanitra.

 


NY ATAO HOE : MPIANATRA Tari-dalana 1/08

Olona voafidy hafa kely

Izay nofanin’ny Mpamonjy hampiely

Olon-tsotra samy hafa firazanana

No nantsoinny Tompo ho mpianany.

 

Ny olona atao hoe: mpianatra

Dia vonona handray ny TeninAndriamanitra

Hanitsiana ny fiainany sy ny dia

Eo an-tongotr’llay Mpamonjy tia.

 

Izaho sy ianao indray no ataony manarato olona

Andao ny lehilahy sy ny vehivavy samy ho vonona

Ny anao adidy masina ny hoe: mpianatra

Raiso àry izany ho filamatra.

 

Tonon-taona vaovao indray ity

Hanehoantsika be ny «Asandrato Kristy»

Isika rehetra samy mpandray anjara mavitrika

Ka ny hafatra marina no voaparitaka.

 

Tadidio ny lesona misesisesy

Fa manitsy ny fiainantsika ho mpandresy

Ka vidio izy sady ianaro

Ny fanahy sy ny tena koa ho voaaro.

Amena!

 

Bezara Justin

Fiangonana Advantista Antanambao Maroantsetra

 


 

Filentehan’ny masoandro Antananarivo:

ZOMA  : 5 ora 36 minitra

SABATA :5 ora 36 minitra

www.advantistalyon.com
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006