Telovolana 3 : L'évangile, 1844 et le jugement

Lesona faha 4 : EO AMINTSIKA NY ZANAK'ANDRIAMANITRA

Daty : 19-07-2008 hatr@ 25-07-2008. Toko dinihina : Mat.23; Mar.9:12; Lio.24:7; Jao.1:1-14,29; Heb.29.

Tsianjery : Izay hatramin'ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana.1 Jao.1:1

Sabotsy 19-07-2008 : Ilay zanak'andriamanitra nonina tamintsika

HEVI-DEHIBE: Tsy nisy olon-kafa ankoatra an'i Jesôsy teo amin'ny tantara ka nanana akony lehibe tokoa teo amin'izao tontolo izao na nampisy firehan-kevitra maro samy hafa. Ny hoavin'ny fiainantsika tsirairay avy dia mihantona eo ambonin'ilay fanontaniana tokana sady lehibe izay napetrak'i Jesôsy manao hoe: "Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza? "Mat.16 : 15
 
Miady hevitra ny olona sasantsasany amin'izao fotoana izao raha efa nisy hatrizay hatrizay i Jesôsy; mazava dia mazava tokoa anefa ireo porofo ara-tantara. Ny maha-lzy Azy sy ny zava-kendreny no fototry ny olana. Lehilahy tsara fanahy fotsiny ihany ve Izy sa Zanak'Andriamanitra mihitsy?
  
"Ny olona iray izay olona fotsiny ihany kanefa nanao fanambarana toy izay nataon'i Jesôsy dia tsy ho mpampianatra ikoizana amin'ny anatranatra omeny velively. Na izy olona tsy dia salama saina loatra na izy no devolin'ny helo. Raha tsy Zanak'Andriamanitra io lehilahy io, Zanak'Andriamanitra hatramin'izay ka hatramin'izao, dia olona adala na izay mbola ratsy kokoa noho izany izy." — MC, t. 52

Miainga amin'ny ny maha-Tenin'Andriamanitra ny Baiboly isika Advantista ka izay lazainy mikasika an'i Jesôsy dia marina. Tsy handany fotoana amin'izay petra-kevitra sy feno tsikera kanefa tsy misy dikany isika, mikasika ny hoe: tena nilaza an'izao sy izao ary nanao an'izatsy sy izaroa voalazan'ny Baiboly marina tokoa ve Jesôsy. Mino ireo zavatra ireo isika Advantista satria voasoratra ao amin'ny Tenin'Andriamanitra izany.

Na izany na tsy izany, raha tsy afaka hino ny Baiboly isika, dia inona no azontsika inoana?

 

Alahady 20-07-2008 : Iza moa i jesosy? – fizarana 1

Tao anatin'ny taonjato maromaro izay dia efa niady hevitra mikasika an'i Jesôsy ny olona, nihira sy nanoratra momba Azy, nitory Azy, nanozona Azy, nanao horonan-tsary mihetsika mikasika Azy, ary maty ho Azy mihitsy aza; ny ankamaroan'ny olona eto amin'izao tontolo izao anefa ankehitriny no tsy mahafantatra Azy, na tsy mahalala afa-tsy izay nataony ho azy.

Raha toa ka misy olona manontany anao hoe Iza moa izany Jesôsy izany? Inona no havalinao, nahoana?

Na inona no tao anaty valin-teninao na inona dia tokony ho voafaritra tao fa Zanak'Andriamanitra i Jesôsy, maty noho ny fahotantsika Izy ary nitsangan-ko velona indray. Tena tsara ny filazana fa nanao fahagagana Izy fony tety; nanao toriteny miezinezina; nanambara tamintsika ny toetran'Andriamanitra. Tsy dia misy dikany loatra anefa ireo rehetra ireo amin'ny farany raha toa ka tsy tonga ho faty teo amin'ny toerantsika i Jesôsy, ka nahazoantsika ny teny fikasan'ny fiainana mandrakizay (mila mitaky izany ho an'ny tenantsika aloha isika)

Nahoana no zava-dehibe tokoa eo amin'ny fahatakarantsika ny maha-lzy an'i Jesôsy ny fahafatesany sy izay notanterahan'izany? Mar. 9:12; Lio. 24:7; Jao. 1:29; Rôm. 5:15-21; Heb. 2:9.

Lehilahy sy vehivavy manana ny maha-izy azy tokoa manerana ny tantara no efa nahavita zava-mahatalanjona maro, toa vao mainka manaitra noho izay notanterahin'i Jesôsy avy any Nazareta aza ny zava-bitany
 
Raby "tsy ôfisialy" rahateo moa Izy ary vohitra kely tsy dia manao ahoana loatra sady teo ambany fanapahan'ny Rômanina no niaviany; maty tanora Izy ary mpanara-dia vitsy monja izay feno tahotra sy hakiviana no navelany
 
Etsy an-kilany anefa, rehefa takatsika tsara hoe iza moa i Jesôsy sy izay nataony tety, dia ho fantatsika fa tsy misy amin'izay vitan'olombelona hafa no mendrika indrindra raha ampitahaina Aminy.
 
Tsy hisy dikany avokoa mantsy amin'ny farany izay rehetra efa nataon'ny olona teto amin'ity tontolo ity raha tsy nisy an'i Jesôsy sy izay efa nataony ho antsika, satria ho zava-poana ihany izao tontolo izao sy izay rehetra ao aminy raha tsy Jesôsy sy ny fahafatesany.
 

 

Alatsinainy 21-07-2008 : Iza moa i jesosy?- fizarana 2

 
Inona no nampiavaka an'i Jesôsy teo amin'ny tantaran'ny olombelona? Azo antoka fa tsy resaka antokon-tseraseram-bahoaka na ara-barotra izany. Tsy mba nanana izany Izy. Tsy ny hareny koa. Tsy nananany rahateo izany, fara fahakeliny tsy araka ny fahazoan'izao tontolo izao ny atao hoe harena. Tsy nanana fahefana ara-pôlitika horesahina ihany koa Izy. Mifanohitra amin'izany aza, tsy niditra velively teo amin'ny resaka hery ara-pôlitika Izy

Nananan'i Jesôsy tokoa ny fahefana, saingy fahefana tsy mijery ny an'ny tena izany, Nanasitrana ny aretina Izy, nanarina fiainana ary nataony tsy nanan-kambara ny mpivavaka mpihatsaravelatsihy. Nilaza tamin'ny mpianany Izy indray mandeha hoe: "Fantatrareo fa izay eken 'ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy. Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy. Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon’izy rehetra" - Mar. 10:42-44. Tsy io indrindra ve no teny sahaza ho an'ireo izay mikatsaka fahefana ara-pôlitika an-tery setra? Sa ahoana?

Vakio ny Jao. 1:14. Inona no hita ao amin'ireo andininy ireo ka milaza amintsika ny antony maha-hafa kely sy manokana an'i Jesôsy eo amin'ny tantaran'ny olombelona iray manontolo?

Matetika loatra no amakiantsika ireo teny malaza ireo, hany ka mitady hohadinointsika ny lanja lehibe dia lehibe ananany. Diniho ny akon'izay voalazan'i Jaona amintsika. Tokony ho teny feno fanantenana ireo, indrindra indrindra raha ampitahaina amin'ny siansa môderina, izay manao antsika rehetra izao ho vokatry ny zava-nitranga lehibe tsy nampoizina, nateraky ny hery tsy hay tohaina samihafa teto amin'ity tontolo rehetra ity, ka nampisy tamin'ny kisendrasendra ny taranak'olombelona.
 
Raha lazaina amin'ny teny hafa dia izao, tsy zava-boarin’ïlay Andriamanitra anankiray izay tia antsika isika ary tonga "nofo ka nonina tamintsika" (Jao. 1:14), fa fifangaroana singa simika maro samy hafa fotsiny ihany izay niforona teto ambonin'ity planeta ity. Koa satria tsy misy dikany sy tanjony izany fiforonantsika izany dia tsy misy heviny sy tanjony ihany koa ny fiainana sy ny fahafatesana. Mifanohitra tanteraka amin'ilay fanantenana natolotra antsika tamin'ny alalanï Jesôsy tokoaizany.

Inona no hitanao fa mitondra fampaherezana manokana eo amin'ireo andininy ao amin'ny Jao. 1 ireo? Soraty ny hevitrao ka ento eo amin'ny kilasy amin'ny Sabata.

 
 

 

Talata 22-07-2008 : Jesosy teo amin'ny mpanota sy ny mpamory hetra

Mety ho Zanak'Andriamanitra mandrakizay i Jesôsy kanefa olombelona ihany koa Izy izay niaina sy nonina teto amintsika. Nanana karazam-pifandraisana teo amin'ny samy olombelona Izy, teo amin'ny samy mpianakavy ary samy mpinamana. Tsy dia teo amin'ny fananany fifandraisana tamin'olon-kafa loatra no zava-mahatalanjona mikasika an'i Kristy; tsia tsy izany velively, fa ny nisafidianany hifanerasera tamin'ny karazan'olona samihafa.

Vakio Mat. 11:19; Mar. 2:15,16; Lio. 15:1,2. Karazan'olona manao ahoana no nifaneraseran'i Jesôsy? Karazan'olona manao ahoana eo amin'ny fiarahamonina misy anao no mety ho efa naneho fihetsika toy izay nataon'ireo olona "manan-kaja" kokoa?

Tonga haneho ny toetran'Andriamanitra amin'izao tontolo rehetra izao i Jesôsy tamin'ny alalan'ny fiainany sy ny fahafatesany. Nifanerasera tamin'ireo izay noheverina ho ratsy fiaina araka ny fijerin'izao tontolo izao i Jesôsy mba hampitany hafatra mikasika ny toetran'Andriamanitra sy mikasika izay heveriny ho tsara sy ratsy. Saika izay miseho ety ivelany ihany no hitantsika olombelona (1 Sam. 16:7); kanefa Andriamanitra dia mijery ny fo izay mazàna tsy hitantsika.

Vakio Mat. 21:28-32. Ahoana no anampian'io antsika hahatakatra ny antony nifaneraseran'i Jesôsy tamin'ny karazan'olona toy izany? Inona no hafatra lehibe azontsika "mpivavaka sy olo-manan-kaja" raisina avy amin'io?

Tsy tahaka antsika i Jesôsy fa nahafantatra ny fo; hitany avokoa izay mitranga ao anatin'ireo izay tena tsy misy vidiny sy tsy misy antenaina, raha ny ety ivelany no jerena. Hitany ihany koa ny ao am-pon'ireo izay toa tena olo-marina sy mpivavaka. Mety hifamitaka isika, na ny tenantsika mihitsy aza no fitahintsika, saingy tsy Andriamanitra velively
.
 

Inona no toe-tsainao eo anatrehan' ny "mpamory hetra sy ny mpanota" eo amin'ny fiaraha-monina misy anao? Manao ahoana ny fisainan'ny fonao raha ampitahaina amin'ny an'ny fariseo sy mpanora-dalana? (Tadidio fa ireo olona ireo dia mpamita-tena tokoa)

 
 

 

Alarobia 23-07-2008 : Miampanga ireo mpihatsaravelatsihy

 

 

"Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa arîndrinareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; fa hianareo tsy miditra; ary izay miditra dia tsv avelanareo hiditra" -Mat. 23:13.

 
Matetika no asehontsika ho malemy fanahy sy malefaka i Jesôsy rehefa niasa tamin'ny fomba mandefindefitra ho an'ny mpanota. Tsy izany ihany anefa no sary iray manontolo asehon'ny Baiboly.
 
Mifanohitra amin'izany aza, fampitandremana mahery vaika no natosak'i Jesôsy tamin'antokon'olona manokana tamin'ny fotoana nilana izany.
 
Araka ny fantatsika rehetra dia nanao teny mahery tamin'ny ankamaroan'ireo mpitondra ara-pivavahana teo amin'ny Isiraely fahiny i Jesôsy, teny izay tena mahery vaika tokoa.
 
Marina tokoa fa tahaka ny sasantsasany amin'ireo mpaminanin'ny Testamenta Taloha mihitsy ny fandrenesana Azy indraindray, ary tsy mahagaga izany satria nanindry mandry azy Izy hanoratra izay nataon'izy ireo. Araka izany àry dia mifona ho an'ny olony hatrany i Jesôsy nandritra ny taonjato maromaro izay. Moa tsy izany koa va no ataony amin'izao fotoana izao?
 
 

Vakio ny Mat. 23. Inona avy ny fiampangana nataon'i Jesôsy tamin'ireo mpitarika? Ahoana no hisokajianao azy ireo? Iza amin'ireo araka ny eritreritrao no ratsy indrindra, inona no antony? Raha azonao fintinina amin'ny fehezan-teny vitsivitsy ny votoatin'ny fitarainany dia inona no hosoratanao?

 
Raha tena mamaky tsara ianao dia ho hitanao fa mahatalanjona avokoa ireo zavatra rehetra niampangan’i Jesosy azy ireo. Misy foto-kevitra tena mazava anefa mivoitra eto : Mpihatsaravelatsihy ireto lehilahy ireto, ka manakona ny haratsian’ny fanahiny amin’ny finoana sy fitiavam-bavaka an-kosotra ihany.
 
Inona no karazana fitiavam-bavaka ivelambelany isaloranao ? Manao  ahoana ianao rehefa any amin'ny takontakona sy rehefa eny imason'olona? Ahoana no mety ho fandraisan'ny fiangonanao anao raha toa ka fantany ny tena maha-izy anao marina? Ahoana no ataonao mba ho araka izay fahitan'ny olona anaô ny tena toetranao?

 

Alakamisy 24-07-2008 : Fitiavana ny mpihatsaravelatsihy

"Fa Andriamanitra mampiseho ny fltiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy" - Rôm 5:8

 

Inona no hafatra raketin'io andininy voalaza etsy ambony io? Manao ahoana no tena fandraisantsika izany? Izany hoe: fantatsika ve fa maty ho an'ny mpanota ratsy indrindra, eny, fa na dia ho an'ireo mpihatsaravelatsihy vao novakintsika omaly aza i Jesôsy?

 

Mahatalanjona tokoa ny fiainan'i Jesôsy noho izy tsy nandao velively ny iraka nampanaovina Azy, dia ny hamonjy ny very, eny, fa na dia tao anatin'ny toe-javatra sarotra indrindra aza. Tao an-tsainy mandrakariva ny hahasoa ny hafa na dia nihantona teo amin'ny hazo fijaliana aza Izy, ary na dia nanaisotra ny ainy aza ny vesatry ny otan'izao tontolo izao. (Jereo Lio. 23:34,42,43; Jao.19:26). Lesona lehibe tokoa izany ho antsika voaantso ho mpanara-dia Azy.

.

Ireo mpitarika ara-pivavahana no niantefan'ny fanakianana nataon'i Jesôsy. Hitantsika omaly ireo fanakianana mahery vaika nataony taminy araka izay hita ao amin'ny Mat. 23

.

Vakio ny Mat. 23:37. Inona no maha-samy hafa azy io amin'ny andininy hafa rehetra ao amin'ny toko, raha ny fomba nanehoana azy no jerena? Inona no ambaran'izany amintsika mikasika an'i Jesôsy sy ny fihetseham-pony, eny, fa na dia manoloana ireo izay vao nampangainy teo aza?

 

Inona no fitsipika ho antsika eto izay tena lehibe tokoa? Ahoana no andraisantsika izay hitantsika eto ka hampiharana izany eo amin'ny fiainantsika sy ny fifandraisantsika amin'ny hafa, na dia amin'ireo izay mandà ny fakantsika ny fony aza?

 

Tsy mora ny asa misiônera. Jereo izay nitranga tamin'i Jesôsy fony Izy tety. Jereo ny fomba fihetsiky ny maro nanoloana izany. Nampiseho fitiavana sy fikarakarana ary fangoraham-po anefa i Jesôsy, eny, fa na dia tamin'ireo izay ratsy fanahy indrindra aza. Tsy tokony ho fahatezerana na alahelo noho izany no asetritsika ireo izay mandà antsika fa tokony ho fangorahana sy fitserana ary faniriana hikarakara kosa. Rehefa mandà tsy hihaino ny olona dia tsy isika tsy akory no laviny fa Jesôsy.

.

Inona no avalinao an'ireo izay tsy dia manisy vidiny loatra ny fijoroanao ho vavolombelona? Ahoana no ataonao mba hananana fangoraham-po, fa tsy alahelo na fahatezerana? Nahoana no vao mainka haharatsy ny toe-javatra ny alahelo sy ny fahavinirana?

 

Zoma 25-07-2008 : Fianarana fanampiny

Vak. «Lozanareo Fariseo!» - IFM, tt. 651-664

 "Nihevitra ny tenany ho hendry loatra ny Fariseo, ka tsy nety handray fampianarana avy amin’i Kristy, marina loatra izy ka tsy nila famonjena, ambony sy be voninahitra loatra izy ka tsy nila ny voninahitra avy amin’i Kristy. Niala tamin’izy ireo ny Tompo ka nitady olon-kafa hanaiky ny hafatry ny lanitra. Ireo mpanarato tsy nahita fianarana kosa sy ilay mpamory hetra teny an-tsena, ary koa ilay vehivavy tany Samaria, ny olon-tsotra toy ireny no nihaino Azy tamim-pifaliana, ka azo noharina tamin 'ny siny vaovao hasiana divay vaovao. Ny fitaovana ampiasaina ao amin'ny filazantsara dia ireo fanahy izay handray amim-pifaliana ny fahazavana alefan 'Andriamanitra ho azy. Ireo no mpiasa hizara ny fahalalana ny fahamarinana ho an 'izao tontolo izao. " - IFM, t. 287

.

"Mety hahavita zavatra betsaka ao anatin'ny fotoana fohy monja isika raha toa ka hiasa tahaka ny nataon'i Kristy. Hitondra vokatra ho antsika ny fandinihana ny fomba fampianarany. Nataony izay hahatakaran'ny sain'ny sarambabem-bahoaka Azy. Mora azo sy tsotra ary mahafaoka be ny fomba fiteniny. Naneho sary an'ohatra avy tamin'ireo zava-mpiseho nahazatra indrindra ny mpihaino Azy Izy. Nasehony an-tsary tamin'ny alalan'ny zava-boary ny fahamarinana iehibe sy maharitra mandrakizay, toy izany no nampifandraisany ny lanitra sy ny tany. — Ev, t. 565.


FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEV1TRA:

 

1. Nahoana no tsy tsara ny mihevitra an'i Jesôsy ho mpampianatra ara-panahy Iehibe fotsiny ihany? Inona no fanantenana ananantsika raha toa ka mpampianatra ara-panahy Iehibe fotsiny ihany i Kristy? Jereo ilay tenin'i C. S. Lewis tao amin'ny fampidirana ny lesona Sabata. Nahoana io no foto-kevitra mahery vaika izay manohana ny maha-Andriamanitra an'i Kristy? Na, tena manohana tokoa ve izany? Iza indray àry Jesôsy araka ny hevintsika, raha toa ka tsy Zanak'Andriamanitra Izy?

 
2. Ifanakalozy hevitra eo amin'ny kilasy ny valin-teninao mikasika ny fanontaniana farany tao amin'ny lesona Alatsinainy.

3. Na inona na inona no mety holazaintsika mikasika ny Fariseo dia misy foto-kevitra iray tsy tokony hohadinointsika.Mambran'ny fiangonan' Andriamanitra sisa izy ireo, notsongaina ho amin'ilay finoana tokana teo amin'ilay tontolo izay nanana ny fahamarinana ankehitriny. Inona no hafatra sy fampitandremana ho antsika eto?

 

FAMINTINANA:

Ny tantaran'i Jesôsy no tantara tena Iehibe indrindra eo amin'ny tantaran'izao tontolo izao. Tsy ny fomba fiaina sy ny tokony hifampitondrantsika samy isika fotsiny ihany no asehon'ny fiainany sy ny fampianarany fa ny lalana mankany amin'ny fiainana mandrakizay ihany koa, amin'ny alalan'ny finoana ny famonjena nentiny ho antsika tamin'ny nahafatesany teo an-kazo fijaliana.

 


 

Filentehan’ny masoandro Antananarivo:

ZOMA  : 5 ora 38 minitra

SABATA :5 ora 38 minitra

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006