HEVI-DEHIBE: Nanome mandrakariva izay nilain'ny olona i Jesôsy. Inona no azontsika raisinsa avy amin'ny ohatra navelany mba hanaovantsika toy izany koa?
Nanome mandrakariva izay nilain'ny olona i Jesôsy. Inona no azontsika raisina avy amin'ny ohatra navelany mba hanaovantsika toy izany koa?
Hita eo amin'ny fanambanin'ny Sarivongan'ny Fahafahana (Statue de la liberté) ireto andalan-teny nosoratan'i Emma Lazarus pôeta ireto, izay nalaina avy tao amin'ny "The New Colossus": "Ento eto, amiko ireo vahoakanao marobe, reraka sady mahantra ka mangetaheta fatratra ny fahafahana."
Maneho fakan-tahaka ny asan'i Jesôsy ny teniny, izay nilaza hoe: "Mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka miana amiko; fa malemy fanahy sy tsy miavona am-po Aho: dia hahita fitsaharana ho
ho an'ny fanahinareo hianareo" Mat. 11:28,29.
Antony nanosika ny endriky ny asan'i Kristy rehetra ny fangoraham-po. Niasa tamin'ny karazan'olona rehetra Izy, tsy nijery ny sarangany ara-piarahamonina, ny maha-lahy na ny maha-vavy azy, na koa ny fiaviany. Nampiseho fitiavana sy famelan-keloka tsy misy fepetra lzy teo amin'ny fiainany ka nandoavany ny onitry ny otantsika teo amin'ny Tenant', tamin'ny alalan'ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana.
Hojerentsika misimisy kokoa i Jesôsy sy ny fomba fiasany amin'ity herinandro ity, ka hianarantsika izay azontsika ianarana mba hiasantsika tahaka izay nataony koa.
Vakio ny Mat. 4:25 sy ny Lio. 6:17. Inona ireo zava-dehibe roa hita mazava tsara ao amin'ireo andininy ireo mikasika ny fihetsiky ny olona manoloana ny asan'i Kristy? Inona ihany koa no ambaran'ireo foto-kevitra roa ireo amintsika momba ny fahombiazan'ny asan'i Kristy?
Tsy nisy fitateram-bahoaka tarnin'izany fotoana izany; misy nandeha fiaramanidina na fiara na koa bisikiletaka ka namoniy hijery an' i Jesôsy. Mifanohitra amin'izao androntsika izao ny fivezivezena tamin'izany andro izany fa ela sy mahavalaka ary mampidi-doza tokoa. Tsy nisakana ireo vahoaka marobe ho tonga mba handre an'i Jesôsy anefa izany.
Inona no ambaran'ireto andininy ireto amintsika mikasika ireo antony nanosika ny olona sasany ho avy mba handre an'i Jesôsy? Mar.5:5.29;Jao. 12:9; 6:15.
Samy nanana ny antony nanosika azy avy ireo vahoaka izay nanaraka an'i Jesôsy. Tao ny nandre fa nanana ny tenin'ny fiainana lzy sady niteny tamin'ny fahefana ka nitady sakafom-panahy avy Taminy ireo.Tao ny nitady fanasitranana ara-batana ho an'ny tenany na ho an'ny namany na ho an'ny havany ihany koa. Tao koa ny sasany izay naniry ny hahalala raha lzy ilay nampahantenaina hanafaka azy amin'ny Rômanina, ary tao ny nasesiky ny fahalianana fotsiny ihany. Nisy fotoana nifanitsa-kitro tokoa ny vahoaka ka nahavoatery Azy tsy maintsy niditra tanaty sambokely mba hampianatra azy ireo mihatakataka kely kokoa (Mat. 13:2). Nitombo isa izay tsy izy ny vahoaka ka niloa-bava ny Fariseo nanao hoe: "Indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao"Jao. 12:19.
Valio ao anaty paragrafy iray ny valin'ity fanontaniana ity: Inona no manosika ahy hanaraka an'i Jesôsy? Ento eo amin'ny kilasy ny valin-teninao amin'ny Sabata.
Voasintona hanaraka an'i Jesôsy ny vahoaka. Milaza i Marka fa nihaino Azy "tamin'ny hafaliana" (Mar. 12:37) ny olona ary "talanjona tamin'ny fampianarany" (Mar. 1:22; 11:18). Niteny sy niasa matetika tamin'ny vahoaka marobe Izy. Nisy ihany koa anefa ny lafiny iray hafa mikasika ny asan'i Kristy.
Jereo ireto andininy manaraka ireto. Inona no zavatra tokana iraisan'izy ireo? Inona no hafatra lehibe alefan'izany ho antsika mikasika ny asa manoloana antsika? Jao. 3; 4; 9:1-7.
Fototra niorenan'ny asan'i Jesôsy ny fikasihana mivantana. « (…) Lasa Jesôsy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra (...)" - Lio. 8:1.
Am-polon-tanonany maromaro no nietezan'ny hafatra nampitainy nanerana izao tontolo izao tamin'izany fotoana. Antony tokana ihany no nahatanterahan'izany: nikasika manokana ny fiainan'ny olona ny tanan'ny Mpampianatra, ka ireo fiainana ireo, indrindra indrindra fa ny an'ny mpianany 12 lahy no nanohy nikasika manokana ny an'ireo hafa ihany koa.
Efa nahita an'i Jesôsy nifandray tamin'ny olona ireo mpianatra 12. Efa hitany ny fomba nanambarany teny fampiononana sy fampaherezana tamin’ireo izay "nampahantraina ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry" - Mat! 9:36.
Efa teny i Jesôsy nilaza hoe: "Mankenesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako" Mat11:28-30.
Misy hafatra manintona kokoa noho izany ve ho an'ny olona kivy sy trotraka am-panahy ka mitady fampaherezana sy fiadanana?
Nahoana no tena lehibe tokoa ny fikasihana manokana? Ahoana no nitahiana anao tamin'ny alalan'ireo izay nanokana fotoana hiasa manokana taminao? Hevero ireo fomba ahazoanao mampiasa nofanomezam-pahasoavana sy ny fotoana anananao mba hiasa mivantana sy amin'ny tsirairay avy amin'ireo mila fanampiana.
Nitarika ny zavatra rehetra nolazain’i Jesôsy sy nataony ny iangoraham-po. Mariho hoe impiry tokoa moa ireo mpanoratra ny Fiazantsara no nilaza fa ‘’feno fangorahana" na "honena’’ Izy. Midika ho fanamelohana amin'ny fomba mahery vaika ny ota izany indraindray. Nisy fotoana tena niteny mafy ireo mpitarika ara-pivavahana tokoa i Jesôsy kanefa nataony tamim-pitiavana mandrakariva izany.
Ivon'izany fanehoana fangoraham-po izany ny famelan-keloka. Matetika tokoa i Jesôsy no nampianatra sy nanambara famelan-keloka. Raha heverina ny maha-izy ny teôlôjia kristianina, izany hoe ny ilan'ny mpanota ny famelan-keloka avy amin'Andriamanitra dia tsy mahagaga raha toa ka izany no foto-kevi-dehibe teo amin'ny fiainan'i Jesôsy sy ny fampianarany.
Inona no ambaran'ireto andininy ireto amintsika mikasika ny fameian-keloka? Mat. 18:21,22; Lio. 23:34; Jao. 8:1-11; Efes. 4:32; 1 Jao. 2:12.
Ampitovin'i Jesôsy matetika amin'ny trosa lehibe ny fahazoana famelan-keloka noho ny fahasoavany. Alao sary an-tsaina hoe misy olona manana vola an-tapitrisany aminao kanefa dia nofoanany izany trosa izany. Eritrereto hoe hanao ahoana re ny fihetseham-ponao e! Toy izany koa ny fahasoavan'Andriamanitra, ka ny antony nahafoana ilay trosa dia ny tenan'i Jesôsy mihitsy no nandoa azy ho antsika.
Nampianarin'i Jesôsy ombieny ombieny àry fa tokony hamela ny hafa ihany koa izay efa voavela heloka. Tsy mendrika ny anarana entiny ny Kristianina tsy mamela heloka. Hevero ilay fanoharana momba ilay mpanompo tsy mahay mankasitraka (Mat. 18:21-34), ny tantaran'i Maria sy i Simôna . Fariseo (Lio. 7:36-50), eny fa na dia ny vavaka nampianarin'ny Tompo aza manao hoe: "Ary mamela ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay" - LiO. 11:4.
Tsy ho sarotra ny mahatakatra ny anton'ny fampirisihana mafy antsika mba hianatra hamela heloka ny hafa raha heverintsika izay nitranga teo amin'ny hazo fijaliana sy izay ; nafoin'Andriamanitra mba hahafahana mamela ny fahotantsika. Hevero ange ny amin'ny tontolo misy antsika sy ny mety hahafakely azy raha toa ka hianarantsika ny mamela heloka ny hafa e! Hevero ny fiovana hisy tsy eo amin'ny pôlitikan’izao tontoto izao ihany fa eo amin'ny fifandraisantsika manokana sy ny fianakaviantsika ary ny ankohonantsika.
Manao ahoana ny haben'ny fankahalana sy ny fahatezerana ary ny ngidy mitoetra ao anatinao noho ny tsy mbola fanekenao hamela heloka? Ahoana no hianaranao mamela heloka bebe kokoa an'ireo izay nanao ny tsy mety taminao?
Vakio ny Jao. 1:14. Inona no zava-mahatalanjona fonosin'io andininy io? Inona no ambarany amintsika mikasika ny toetran'Andriamanitra?
Hevero ny halehibe sy ny maha-saro-takarina izao tontolo rehetra izao rehefa mieritreritra ny valin-teninao ianao.
Nisy fiheverana iray nipoitra nandritra ny taona 1700-1899. Tsy inona izany fa ny firoboroboana izay tsy izy teo amin'ny fiovam-penitra ara-tsiantifika, izay antsoina hoe "déisme" na finoana ny fisian'Andriamanitra noho ny antony ara-javaboary ihany fa tsy voatery noho ny fanambarana. Mampianatra tokoa izany fa namorona antsika Andriamanitra saingy tsy dia miditra loatra amin'ny . fiainantsika andavanandro Izy fa navelany isika hiady irery ho an'ny tenantsika eo.
Araka io fomba fijery io izany dia tahaka ny famantaranandro izay nofahanan'Andriamanitra izao tontolo izao ka avy eo nilaozany. Namorona ny lalàn'ny zava-boariny Andriamanitra ary tsy maintsy miaina araka izay vitantsika eo ambanin'izany lalàna izany isika. Toy ny ray aman-dreny izay manabe ny zanany hatramin'ny faha-18 taonany izany ka rehefa tonga izay fotoana izay dia hoy izy hoe: "Eny àry anaka, efa mahaleo tena ianao izao. Tsy ho hitako intsony ianao ka dia mahità ny soa."
Tsy ilay Andriamanitra voaiaza ao amin'ny Baiboly izany andriamanitra izany, tsy i Jesôsy Kristy izany izay tonga anankiray amintsika, niara-nonina tamintsika, nitafy ny maha-olombelona antsika ary maty noho ny otantsika tao amin'izany maha-olombelona Azy izany, tsy ilay Andriamanitra voalaza ao amin'ny Jao. 1:1-14 izany.
Midika hoe "manangana lay" na "rnonina ao an-day" ny teny grika nandikana ny hoe: "nonina" ao amin'ny Jao. 1:14. Tsy mba nonina lavitra ireo olona niasany Jesôsy rehefa tonga teto amin'ity ,iany ity. "Nanangana ny lainy" teo aminy Izy, ary nitoetra sy niasa teo amin'izy ireo - nifandray taminy araka ny sokajy nisy azy avy.
Averin'i Matio ampiasaina ilay teny faminanian’i Isaià mikasika ny virijiny iray izay hiteraka zazalahy atao hoe Imanoela ka tondroiny mivantana ho i Jesôsy izany. Nadikany mihitsy aza ny hevitry ny hoe Imanoela - "Amintsika Andriamanitra" - Mat. 1:23.
Ankoatra ny nahatongavany ho faty mba ho avotra ho antsika dia tonga teto an-tany i Jesôsy hampiseho amintsika ny tena toetry ny Ray. Nisy fotoana aza, i Filipo nanontany an'i Jesôsy hoe: "Asehoy anay ny Ray".
Inona no navalin’i Jesôsy an'i Filipo tamin'izay (Jao.14:8-11)? Inona no ambaran'ny valin-tenin'i Jesôsy amintsika mikasika ny tena toetran'Andriamanitra marina? Lafiny inona avy amin'izany toetra izany no miseho mazava tsara? Misy sasantsasany amin'izany ve hitanao fa mampiahiahy? Raha misy izany, inona avy izy ireo? Ento eo amin'ny kilasy ny ahiahinao mikasika izany raha misy.
Hain'i Jesôsy ny nifandray tamin'ny olona. Nokendreny ho sahaza azy ireny ny lahateniny. Tsy mba nampiasa fomba fiteny ara-pilôzôfia na ara-teôlôjia lalina Izy na dia nanambara ny fahamarinana lalina indrindra aza. Voambolana tsotra sy fampiasa andavanandro ary takatry ny olona rehetra no nampiasainy ary zavatra izay azon'ny olona ampiharina eo amin'ny fiainany.
Naka ohatra avy tamin'ny zava-boary na ireo zavatra fahita ao an-tokantrano Jesôsy teo amin'ny fampianarany, Noresahiny ny amin'ny farantsa (Lio. 15:8-10); lehilahy mpamafy voa amin'ny tany (Mar. 4:26-29); ny masirasira sy ny koba (Mat. 13:33); ondry (Mat. 18:12-14); ny aviavy (Mar. 13:28-32) - ary zavatra hafa maro izay misy ifandraisana amin'ny fiainan'ny olona.
Misafidiana fanoharana vitsivitsy avy amin'ireo voatanisa eo ambony eo ireo. Vakio izany. Inona no tian'i Jesôsy hasongadina amin'ny tsirairay avy amin'izy ireo? Nahoana no tena mifanaraka amin'izany tokoa ireo sary ireo? Apetraho amin'ny tenanao ity fanontaniana ity: Raha toa ka miara-miaina amintsika ara-nofo mihitsy i Jesôsy amin’izao fotoana izao, dia inona ireo sary an'ohatra mety hampiasainy mba hanasongadinana ireo hevitra ireo?
Angamba misy zavatra tsikaritrao eo am-pamakiana ireo fanoharana ireo, saika mifanaraka tsara aminizao fotoana izao avokoa ireo sary ireo. Izany hoe tsy voafetran'ny fotoana sy ny toerana izy ireo, dia tahaka ny hafatra asehony ihany koa.
Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra ny mety ho antony nampiasan'i Jesôsy ireo sary manokana ireo?
Fanoharana madinidinika maromaro no hita ao amin'ny Matio izay nampiasain'i Jesôsy hamaritana ny fanjakan'ny lanitra. Nolazainy fa tahaka ny "voan-tsinapy" (Mat. 13:31) ny fanjakan'ny lanitra; toy ny "masirasira" (and.33); "harena nafenina tany an-tsaha" (and. 44); "mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa" (and. 45); "harato-tarihina" (and. 47); "tompon-trano, izay mamoaka avy amin'ny firaketany zava-baovao sy ela." (and. 52); "lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa. hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony'' (Mat. 20:1); "mpanjaka izay nanao fampakaram-bady ho an'ny zanany lahy" (Mat, 22:2)
Inona amin'ireo ohatra ireo no mety aminao indrindra? Nahoana no nampiasa sary maro dia maro sy samy hafa toy izany i Jesôsy kanefa zavatra iray loha ihany no tiany haseho? Inona no hafatra tian'ny Tompo hampitaina amintsika amin'ny alalan'ny fampiasana ireo sary samy hafa ireo mba hahaizantsika hijoro ho vavolombelona amin'ny hafa?
VAKIO : "Mandehana any amin'ny firenena rehetra", -IFM, tt 875-888.
Tena ilaina tokoa ny fandraisana manokana eo amin'ny fomba fampianarana tena izy rehetra. Nifandray tamin'ny isam-batan'olona i Jesôsy rehefa nampianatra. Tamin'ny fifampîkasohana sy fifaneraserana manokana no nanofanany ny 12 lahy. Matetika no tamin'ny fomba tsy natrehin'ny be sy ny maro ary tamin'ny mpihaino iray ihany no nanomezany ny fampianarany sarobidy indrindra.Teo amin'ilay raby manan-kaja izay nanatona Azy indray alina tany an-tendrombohitra Oliva, ary koa teo amin'ilay vehivavy natao tsinontsinona teo amin'ny fantsakan'i Sikara no namelarany ireo haren-tsarobidy indrindra; hitany tao amin'ireo mpihaino ireo mantsy ny fo mangetaheta sy ny saina misokatra ary ny fanahy vonon-kandray. Na dia ireo vahoaka nifanitsa-kitro teo Aminy matetika dia matetika aza dia tsy nataon'i Kristy ho olombelona tongatonga ho azy fotsiny teo.
Niteny mivantana tamin'ny fanahy sy nisarika ny fo tsirairay avy Izy. Nijery ny endriky ny mpihaino Azy Izy, tsikariny ny fiovana nisoritra teny amin'izany endriny izany, ny fijeriny koa izay milaza fa nahatratra ny atifanahiny ny fahamarinana; koa dia mientanentana ao am-pony ny haravoana mitarika ho amin'ny firaisam-po." — Ed, t. 231.
1. Nanomboka tamin'ny taona 1983 no efa nananganan'ireo mpisava lalan'ny Asa Maneran-tany ny ankamaroan'ny Fiangonana Advantista vaovao manerana izao tontolo izao. Miara-belona amin'ireo olona iasany ireo Advantista laika ireo, ka iraisany avokoa na ny eo amin'ny lafiny ara-piarahamonina izany na ny toe--karena. Nahoana araka ny hevitrao no nahomby be toy izany izy ireo?
2. Ifanakalozy hevitra eo amin'ny kilasy ny valin-teninao mikasika ireo fanontaniana any amin'ny faran'ny lesona Alahady sy Alarobia.
3. Araka ny hitantsika dia ny fikasihana manokana no tena ivon'ny asan'i Jesôsy. Tamin'ny fomba ahoana no nanekenao an'i Jesôsy vokatry ny fikarakarana manokana nataon'ny olona taminao? Zarao ny fanandramanao ka apetraho amin'ny tenanao ity fanotaniana ity: Ahoana no fomba hanatsaran'ny fiangonanao ny fomba fiasany eo amin'ny fikarakarana ny olona manodidina azy amin'ny fomba manokana?
4. Koa satria namela ny ohatry ny fitiavana sy ny fandraisana manokana i Jesôsy dia tokony hekentsika avokoa ve izany izay rehetra maniry hivavaka ao amin'ny fiangonantsika, na manao ahoana fomba fiainany na manao ahoana?
FAMINTINANA: Tsy tia ny fahotana i Jesôsy ilay Mpamonjy be fiantrana fa tia ny mpanota kosa. Tokony ho môdelin'ny fijoroantsika ho vavolombelona amin'izao fotoana izao ny fomba fiasany teo amin'ny fikarakarana ny vahoaka sy ny isam-batan'olona. Afaka maneho fitiavana sy mamela heloka ny hafa ihany koa isika noho ny famonjena efa noraisintsika tamin'ny alalany.
Filentehan’ny masoandro Antananarivo:
ZOMA : 5 ora 43 minitra
SABATA :5 ora 43 minitra