Telovolana 3 : L'évangile, 1844 et le jugement

Lesona faha 7 : NY APOSTOLY JAONA

Daty : 09-08-2008 hatr@ 15-08-2008. Toko dinihina : Mat.8:21,22 ; Mar.10:35-45 ; 1Jao ;2Jao. ; 3Jao.

Tsianjery : Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako . 3 Jao.4

Sabotsy 09-08-2008 : Fampidirana


HEVI-DEHIBE:

Anisan'ny mpandray anjara tiana indrindra ao amin'ny Baiboly ny apostoly Jaona. Inona no azontsika ianarana avy aminy?
Lahiantitra iray nonina tao Efesôsy ny apôstôly Jaona araka ny lovantsofina iray niampita teo amin'ny fiangonana. Tsy maintsy nentin'ny mpanaradia azy ho any am-piangonana izy noho ny toe-pahasalamany marefo dia marefo, Izao no mba teny nolazainy rehefa nivory izy ireo: "Anaka, mifankatiava ianareo."
Leon'ny nandre azy namerimberina mandrakariva ireo teny ireo ny mpanara-dia azy ka nanontany hoe: "Mpampianatra ô, nahoana no izany foana no lazainao?"
Izany no didin'ny Tompo," hoy ny navaliny. "Ary raha izay fotsiny ihany no ataon'ny olona dia ampy izay!"
Na marina na tsia io tantara io dia voarakitra ao aminy kosa ny fotokevitr'i!lay "zana-baratra" niova ho "zanaka be fitiavana sy fahasoavana" nony farany.
Hitantsika ao amin'ireo Epistily na taratasy telo nosoratan'i Jaona ny fon'ny lehilahy iray izay manana fiainana asesiky ny fitiavana; hitantsika ao ihany koa ny sasantsasany amin'ireo andalan-teny mampahery indrindra ao amin'ny Baiboly. Anisan'ny malaza indrindra ity manaraka ity: -Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, fiay Marina " -1 Jao. 2:1.
Hodinihintsika misimisy kokoa amin'ity herinandro ity ny fiainana sy ny asan'ity andrin'ny fiangonana kristianina voalohany ity.

Alahady 10-08-2008 : Fiantsoana manokana

Teo am-perin'asa tao anatin'ny sambokelin'ny mpanarato, no niantsoan'iJesôsy an'i Jaona sy Jakôba rahalahiny mba hanaraka Azy. "Dia niantso azy niaraka tamin'izay Izy, ary izy mirahalahy nanadao an'i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin'ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an'i Jesosy"   Mar. 1:20.

Avereno vakina tsara ny Mar. 1:20. Inona no fitsipika lehibe azontsika raisins avy amin'io mikasika ny hevitry ny hoe manara-dia an'i Jesôsy? Jereo koa ny Mat. 8:21, 22; Lio. 14:26; Fil. 3:8.

Hanova mandrakizay ny fiainany ny fanapahan-kevitr'i Jaona mba hanaraka an'i Jesôsy sy handao ny raharaha fanaony niaraka tamin-drainy. Mitantara an-tsipiriany indrindra mikasika ny fiantsoana nataon'i Jesôsy i Lioka - Lio. 5:1-11.

Inona no andininy hita ao amin'ny Lio. 5:1-11 ka mbola mampita ihany koa ny hevitrizany hoe mpànara-dia an'i Jesôsy? Mbola inona ihany koa no tiana hasongadina ao?

Tsy iadian-kevitra fa mila manolo-tena feno sy tanteraka izay manara-dia an'i Jesôsy, Tompon'ny zavatra rehetra i Jesôsy ka mendrika ho Azy ny zavatra rehetra. Tsy mitaky ny fontsika feno fitiavan-tena anefa Izy, tsia, tsy izany velively. Fantany tsara ny ady manjô antsika, satria raha vao misy hirika kely, ampahany amin'ny tena tsy mbola voatolotra tanteraka, dia hanararaotra hampiasa izany ilay ratsy mba hanapotehana antsika. Mila manolo-tena tanteraka ho an'ny Tompo àry isika noho izany.
Nanao izany koa i Jaona. Koa raha tokony hanarato trondro izy dia naleony nanokana ny fiainany sisa hanaratoana olona ho an'ny fanjakan'ny lanitra, lzao tontolo izao no sahan'asan'i Jaona nanomboka teo — hitondra fanantenana sy fanasitranana ary vaovao, mahafaly ho an'ireo izay tena mila izany. Mety hahazo lesona mafimafy izy amin'izany fanoloran-tenany tanteraka ho an'i Jesôsy izany, kanefa vonona ny hianatra izany izy na inona na inona fahoriana hanjo.

Manao ahoana ny fanoloran-tenanao ho an'i Jesôsy? Efa nandao ny zavatra rehetra ho Azy ve ianao? Ahoana no ahafantaranao ny toerana tena misy ny fonao? Inona no fiovana tokony hataonao?

Alatsinainy 11-08-2008 : Zana-baratra

Nomen’i Jesôsy anaram-bosotra manokana hoe « zana-baratra » na Boanerjesy amin’ny teny arameanina i Jaona sy Jakôba rahalahiny. Manondro ny toetran’izy ireo moa izany, izay nahitsin’i Jesôsy tamin-kalemem-panahy.

 

Vakio ny Mar.10 : 35-45. Inona no nangatahin’i Jakôba sy Jaona ? Inona no navalin’I Jesôsy azy ireo? Inona no ambaran’izany amintsika mikasika ny toetran’ireo lehilahy ireo?

 

Nampiseho fizahozahona mampidi-doza ihany koa I Jaona sy ny rahalahiny. Nanontany azy I Jesôsy ho  valin’ny fangatahiny raha afaka hiombona anjara amin’izay hanjo Azy. “Hainay ihany”, hoy izy nihambo – Mar.10:39.

 

Indray andro I Jesôsy sy ny mpianany niala tany Galilia ka nitodi-doha ho any Jerosalema.

Arak any  efa fanaony ihany dia namaky avy hatrany an’ny Samaria I Jesôsy fa tsy nandeha nihodinkodina tao mba tsy hifanena tamin’ireo samaritana nankahalaina. Nalefany mialoha I Jakôba sy I Jaona mba hahita toerana hatorian’izy ireo ny alin’iny. Niditra tao amin’ny vohitra anankiray ary izy ireo saingy tsy nanaiky hanray azy ny olona tao rehefa nahafantatra  fa ho any Jerosalema izy ireo.

Inona ihany koa no fantatra mikasika ny toetran’izy ireo avy amin’ny fihetsiny manolona io tsy fandraisana azy ireo io? Lio.9:54.
 

Fifanoherana lehibe tokoa no hitantsika eo amin’ilay Jaona tantaraina eto sy ilay Jaona nanoratra ireo epistily taty aoriana. Niova be tokoa izy; niova toetra! Azo antoka anefa fa tsy nitranga mora foana na tao anatin’ny indray alina monja izany. Nisy lesona mahery vaika noraisin’I Jaona tao ka izany no nahatonga azy ho misionera lehibe nony farany.


Tantarao ny sasantsany amin’ireo lesona mahery vaika vao noraisinao tsy ela izay. Inona no nianarana avy tamin’izy ireo?

 

Inona ihany koa ireo fomba hafa nety nahazoanao nianarana izany fa tsy voatery tamin’ny alalan’ny fahoriana?Inona ihany koa ny lesona hafa ilainao hianarana? Inona avy ary ireo fiovana tokony hisy amin’ny fiainanao amin’izao fotoana mba tsy ho ao anaty toe-javatra sarotra ianao vao handray lesona?

 

Talata 12-08-2008 : Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i jaona

Betsaka ny zavatra tian’I Jaona hotantaraina, mihoatra noho izay azony atao aza, noho izy vavolombelona nanatri-maso sy nandany fotoana niaraka tamin’I Jesôsy.

 

Vakio ny Jao. 21:25. Inona arak any hevitrao no hafatra ezahin’I Jaona hampitaina amin’ny alalan’io fanambarana io? Inona no fanantenana hitantsika ao amin’io andininy io?

 

Na dia tsy afaka manambara amintsika ny zavatra rehetra aza I Jaona dia eo ambanin’ny fitarihan’ny fanahy masina kosa no ampianarany antsika ny anankiray amin’ireo fahamarinan-dehibe indrindra, dia Jesôsy Kristy tonga nofo izany. Tsy afaka hitarika antsika na oviana na oviana amin’io fahamarinana io ny filôzôfia n any siansa na ny lôjika. Nampiasain’Andriamanitra kosa anefa I Jaona mba hanambara izany amintsika.

 

Milaza ny amin’ny Teny I Jaona na ny logos amin’ny teny grika ao amin’ny andininy voalohany amin’ny filazantsara nosoratany. Manondro ilay tenin’Andriamanitra izay namorona izao tontolo izao eto ny Teny, ho an’ny mpamaky Jiosy, ary koa ny fampianarany sy ny lalàny izay mitarika ny fomba tokony hiainantsika ny fiainantsika (jereo Deo.32:45-47).

 

Manana heviny hafa kosa ny logos ho an’ny mpamaky grika. Herin’aina izay mihazona izao tontolo rehetra izao tsy hikoro ny logos. Ny logos no mandanjalanja ny firafitry ny ravin-kazo iray, ny firindran’ny fizaran-taona ary ireo kintana eny an-danitra. Samy nanoratra momba ny logos avokoa ireo olon-kendry toa an-dry Heracleitus, Plutarch, Philo, ary Platon sy ireo olon-kendry stôika maro samy hafa.

 

Manao ity fanambarana manaitra ity I Jaona na ho an’ny mpamaky jiosy ion a ny mpamaky grika: Tsy inona akory io logos io fa olona. Tonga nofo ilay logos ary niditra an-tsehatra teo amin’ny tantaran’ny taranak’olombelona, tamin’ny toerana voafaritra sy fotoana voafaritra ary niaraka tamin’ny zava-kendrena mazava, dia ny hitondra ny famonjena ho an’ny taranak’olombelona.

 

Vakio ny Jao. 1:1-3,14. Inona no hevitr’io? Soraty araka izay fahazoana azy indrindra izay ambaran’ny Tompo amintsika eto.

 

Niditra teto amin’ny taranak’olombelona I Jesôsy Mpamorona antsika ka tonga olombelona. Ampy hahatalanjona antsika izany; etsy andanin’izany, ny antony nahatongavany dia ny ho faty noho ny otantsika, nambara tamintsika tamin’ny alalany ihany koa ny toetran’Andriamanitra izay tokony hahatonga antsika handohalika amin’ny fo feno fankasitrahana sy amin’ny finoana ary amin’ny fankatoavana feno fanetren-tena.

 

Alarobia 13-08-2008 : Mpanome fiainana

« Fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo » - Jao. 20 : 31.

 

            Fintinin’ni Jaona ao amin’ireo teny ireo ny antony nanoratany ny Filazantsara sy ny zava-kendren’ny fiainany iray manontolo, dia ny hitarika ny olona hino an’i Jesosy mba hahazoan’izy ireo ny fiainana mandrakizay. Ao amin’i Jesosy irery ihany no misy ny fiainana mandrakizay, izany no fot-kevi-dehibe manerana ny Testamenta Vaovao iray manontolo.

 

Zahao ireo andininy ireto mba hahafantarana ireo zavatra sasany nolazain’i Jaona mikasika io foto-kevi-dehibe io, dia ny an’ny « fiainana » izany. Rehefa eo am-pamakiana azy ianao dia jereo koa hoe aiza ho aiza no ahitanao fa tsy ny fiainana mandrakizay ihany no resahina amin’ny hoe « fiainana » fa ny fiainana amin’izao fotoana izao mihitsy ? Jao. 6 : 35 ; Jao. 6 : 36 ; Jao. 10 : 28 ; Jao. 12 : 25 ; Jao. 14 : 6 ; Jao. 17 : 3.

 

            Ny olombelona irery ihany no afaka mibanjina ny foto-kevitry ny fiainana mandrakizay na dia maty aza ny zava-boary rehetra ambonin’ny tany, izany no maha-zava-dehibe indrindra ireo teny fiakasana mikasika ny fiainana mandrakizay ireo. Isika irery ihany no afaka mahatakatra ilay tevana makadiry misy eo amin’ny fiainantsika fohy dia fohy sy ny mety hahazoana ny fiainana mandrakizay. Mandindona antsika isa-tsegondra eo amin’ny fiainantsika izay ifamatoanan’ny lalan-dra tsentsina, mpamily mamo tampona, ary ny otri’aretina VIH, toa tsy misy fiafarana.

 

            Fanantenana mahagaga tokoa ary no ananantsika, satria fantantsika fa tsy ny fahafatesana no farany ; mifanohitra amin’izany aza, torimaso toy ny indray mipy maso fotsiny ihany izany ho antsika ka dia ho fantantsika avy eo fa hiaraka amin’i Jesosy mandrakizay isika.

 

            Ahoana no tokony ho fiantraikan’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay eo amin’ny fomba fiainantsika amin’izao fotoana izao ? Manao ahoana no mety ho mbola fiainanao kanefa efa fantatrao fa anananao ny teny fikasana mikasika ny fiainana mandrakizay.

 

Alakamisy 14-08-2008 : Manokana ny fotoana miaraka amin’i jesosy

 

« Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy mba nahita an’Andriamanitra”
 
Inona no tian’I Jaona hambara mikasika ireo tsy mba nahita an’Andriamanitra? Inona no tiany hasongadina? Ahoana àry no fomba ahitan’ny olona iray an’Andriamanitra?
 
Betsaka ny zavatra tsy maintsy nianaran’I Jaona avy tamin’I Jesôsy. Mbola saro-piaro tamin’ny maha-izy azy ihany izy sady tsy nandefitra tamin’ny hafa na dia efa nandany ny fotoany tao anatin’ny fanatrehan’I Jesôsy be fangoraham-po aza. Nandrara olona tsy hamoaka demonia tamin’ny anaran’I Jesôsy izy indray manadeha satria tsy mba mpianatr’I Jesôsy ireo (Mar. 9:38). Nampianatra azy tamin-kalemem-panahy Jesôsy nanao hoe: “izay tsy manohitra antsika dia momba antsika”- (and.40).
 
Nitombo tanjan-tsaina I Jaona teo anilan’ny Mpampianatra. I Jaona irery ihany no nijanona teo an-tongotry ny hazo fijaliana tamin’ny fotoana nanomboana an’I Jesôsy fa nandositra kosa ny mpianatra sasany.Hita teo amin’ny fomba nametrahan’I Jesôsy ny reniny ho eo ambany fikarakaran’I Jaona ny fankasitrahany azy – (Jao. 19:26,27).
 
Vakio ny 2 Kor.3:18. Inona no fitsipika lehibe hita eto? Inona avy ireo fomba hahazoantsika mampihatra io fitsipika io eo amin’ny fiainantsika?
 
Tsy ho vitanao ny tdsy hanamarika ny hatsaram-panahy sy famoram-po ary fangoraham-po hita manerana ny epistily nosoratan’I Jaona raha mamaky azy ireo ianao. Fahasamihafana lalina amin’ilay Jaona hita ao amin’ny Filazantsara tokoa no hita eto. Nisy zava-mahagaga tanteraka nitranga tamin’ity lehilahy ity. Fantatsika mazava loatra izany fa: niaraka tamin’I Jesôsy izy ka niova tanteraka vokatr’izany fanandramana izany ny fiainany sy ny toetrany.
 
Vakio ireo epistily telo, 1Jao., 2Jao., ary 3 Jao.
Jereo ny toetra voambara ao anatiny. Ahoana no nanovan’I Jesôsy ny fiainan’I Jaona? Lafiny inona eo amin’ny fiainanao koa no mila fiovana? Inona avy ireo dingana ataonao mba hamelana an’Andriamanitra hitondra izany fiovana izany?

Zoma 15-08-2008 : Fianarana fanampiny

Vakio « Jaona, ilay mpianatra malala » -VM, tt. 475-482.

 
« Raha nirehitra ny fanenjehana mahatsiravina indrindra dia nampiasa ny heriny rehetra i Jaona apostoly mba hampahery ny finoan’ny mpino. Nanao fanambarana izay tsy azon’ireo fahavalo notoherina izy, ka nanampy ny rahalahy hitolona amin-kerimpo sy amim-pahatokiana amin’ny fahavalo izay nampijaly azy. Rehefa toa nivembena ny finoan’ny kristiana noho ny fanoherana mahery vaika tsy maintsy natrehiny, dia mbola namerimberina ihany ny fampaherezany ilay mpianatra malalan’ny Tompo, na dia efa lahiantitra sy trotraky ny fitspana aza izy, ka tamin’ny fiteny feno hery mahatalanjona no nitantarany ny amin’Ilay Mpamonjy nohomboana nefa natsangana indray. » - VM, t. 503.
 
« Efa antitra dia antitra tokoa i Jaona. Nanatrika ny nandravana an’i Jerosalema sy ny nandevonana ilay tempoly miezinezina. Ary satria izy no sisa velona tamin’ireo mpianatra nanana firaisana tanteraka tamin’i Kristy fony fahavelony, ny toriteny nataony izay nampiseho fa Jesosy no mesia sy mpanavotra izao tontolo izao, dia nisy hery lehibe tamin’izay rehetra nihaino azy. Tys nisy nisalasala taminny fahatsoram-panahy, ka maro no niova fo rehefa nihaino azy » - VM, t. 504.
 
 
FANONTANIANA HIFANANKALOZAN-KEVITRA :
 
  1. Avereno vakiana indray ireo Epistily telo nosoratan’i Jaona. Inona ihany koa ireo zavatra hafa hita eo amin’ny toetran’I Jaona ka hita eto? Inona no teny mahery vaika hitanao ao ho an’ireo tsy mba manaraka ny fahamarinana? Ahoana no hanampian’io antsika hahatakatra ny amin’ny tena fitiavana?
  2. Ahoana no fahatakaranao ny atao hoe mitombo toetra? Ahoana no fisehon’izany? Ahoana no hanovan’I Jesôsy ny fiainantsika? Mitantara ny amin’ireo toe-javatra mari izay idiran’ny hery hafa ankoatra ny an’ny olona tokoa ny Baiboly. Na eo aza izany, misy ihany koa ve ny toe-javatra izay isian’ny fiovana avy hatrany eo amin’ny toetran’ny olona iray, tsy amin’ny herin’olombelona, toy ireny hoe jamba nampahiratina na boka nodiovina ireny? Raha tsy misy, inona no antony? Inona no ambaran’ny valin-teny amintsika mikasika ny fomba fitomboan-toetra?
  3. Resaho eo amin’ny kilasy ny valin’ireto fanontaniana ireto: manao ahoana ny fitiavana sy fandraisana ny hafa ananan’ny fiangonanao? Inona no zavatra azonao atao mba hanampiana ny fianagonanao ho tia ho tia sy mahay mandray ny hafa bebe kokoa?
 
FAMINTINANA:
Efa nanandrana voalohany indrindra ilay fitiavan’ny mpamonjiny manome fiainana ny apostoly Jaona ka navelany hikoriana teo amin’ny teniny sy ny asany izany fanandramana izany.
Mampatsiahy antsika ny fiainany sy asasorany fa lehibe indrindra ny fitiavana eo amin’ny fiainana kristianina, ary tokony ho tonga fototry ny asantsika rehetra izany fitiavana izany.    

  


Filentehan’ny masoandro Antananarivo:

ZOMA  : 5 ora 43 minitra

SABATA :5 ora 43 minitra

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006