HEVI-DEHIBE:
Anisan'ny mpandray anjara tiana indrindra ao amin'ny Baiboly ny apostoly Jaona. Inona no azontsika ianarana avy aminy?
Lahiantitra iray nonina tao Efesôsy ny apôstôly Jaona araka ny lovantsofina iray niampita teo amin'ny fiangonana. Tsy maintsy nentin'ny mpanaradia azy ho any am-piangonana izy noho ny toe-pahasalamany marefo dia marefo, Izao no mba teny nolazainy rehefa nivory izy ireo: "Anaka, mifankatiava ianareo."
Leon'ny nandre azy namerimberina mandrakariva ireo teny ireo ny mpanara-dia azy ka nanontany hoe: "Mpampianatra ô, nahoana no izany foana no lazainao?"
Izany no didin'ny Tompo," hoy ny navaliny. "Ary raha izay fotsiny ihany no ataon'ny olona dia ampy izay!"
Na marina na tsia io tantara io dia voarakitra ao aminy kosa ny fotokevitr'i!lay "zana-baratra" niova ho "zanaka be fitiavana sy fahasoavana" nony farany.
Hitantsika ao amin'ireo Epistily na taratasy telo nosoratan'i Jaona ny fon'ny lehilahy iray izay manana fiainana asesiky ny fitiavana; hitantsika ao ihany koa ny sasantsasany amin'ireo andalan-teny mampahery indrindra ao amin'ny Baiboly. Anisan'ny malaza indrindra ity manaraka ity: -Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, fiay Marina " -1 Jao. 2:1.
Hodinihintsika misimisy kokoa amin'ity herinandro ity ny fiainana sy ny asan'ity andrin'ny fiangonana kristianina voalohany ity.
Teo am-perin'asa tao anatin'ny sambokelin'ny mpanarato, no niantsoan'iJesôsy an'i Jaona sy Jakôba rahalahiny mba hanaraka Azy. "Dia niantso azy niaraka tamin'izay Izy, ary izy mirahalahy nanadao an'i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin'ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an'i Jesosy" Mar. 1:20.
Avereno vakina tsara ny Mar. 1:20. Inona no fitsipika lehibe azontsika raisins avy amin'io mikasika ny hevitry ny hoe manara-dia an'i Jesôsy? Jereo koa ny Mat. 8:21, 22; Lio. 14:26; Fil. 3:8.
Hanova mandrakizay ny fiainany ny fanapahan-kevitr'i Jaona mba hanaraka an'i Jesôsy sy handao ny raharaha fanaony niaraka tamin-drainy. Mitantara an-tsipiriany indrindra mikasika ny fiantsoana nataon'i Jesôsy i Lioka - Lio. 5:1-11.
Inona no andininy hita ao amin'ny Lio. 5:1-11 ka mbola mampita ihany koa ny hevitrizany hoe mpànara-dia an'i Jesôsy? Mbola inona ihany koa no tiana hasongadina ao?
Tsy iadian-kevitra fa mila manolo-tena feno sy tanteraka izay manara-dia an'i Jesôsy, Tompon'ny zavatra rehetra i Jesôsy ka mendrika ho Azy ny zavatra rehetra. Tsy mitaky ny fontsika feno fitiavan-tena anefa Izy, tsia, tsy izany velively. Fantany tsara ny ady manjô antsika, satria raha vao misy hirika kely, ampahany amin'ny tena tsy mbola voatolotra tanteraka, dia hanararaotra hampiasa izany ilay ratsy mba hanapotehana antsika. Mila manolo-tena tanteraka ho an'ny Tompo àry isika noho izany.
Nanao izany koa i Jaona. Koa raha tokony hanarato trondro izy dia naleony nanokana ny fiainany sisa hanaratoana olona ho an'ny fanjakan'ny lanitra, lzao tontolo izao no sahan'asan'i Jaona nanomboka teo — hitondra fanantenana sy fanasitranana ary vaovao, mahafaly ho an'ireo izay tena mila izany. Mety hahazo lesona mafimafy izy amin'izany fanoloran-tenany tanteraka ho an'i Jesôsy izany, kanefa vonona ny hianatra izany izy na inona na inona fahoriana hanjo.
Manao ahoana ny fanoloran-tenanao ho an'i Jesôsy? Efa nandao ny zavatra rehetra ho Azy ve ianao? Ahoana no ahafantaranao ny toerana tena misy ny fonao? Inona no fiovana tokony hataonao?
Nomen’i Jesôsy anaram-bosotra manokana hoe « zana-baratra » na Boanerjesy amin’ny teny arameanina i Jaona sy Jakôba rahalahiny. Manondro ny toetran’izy ireo moa izany, izay nahitsin’i Jesôsy tamin-kalemem-panahy.
Nampiseho fizahozahona mampidi-doza ihany koa I Jaona sy ny rahalahiny. Nanontany azy I Jesôsy ho valin’ny fangatahiny raha afaka hiombona anjara amin’izay hanjo Azy. “Hainay ihany”, hoy izy nihambo – Mar.10:39.
Indray andro I Jesôsy sy ny mpianany niala tany Galilia ka nitodi-doha ho any Jerosalema.
Inona ihany koa no fantatra mikasika ny toetran’izy ireo avy amin’ny fihetsiny manolona io tsy fandraisana azy ireo io? Lio.9:54. Fifanoherana lehibe tokoa no hitantsika eo amin’ilay Jaona tantaraina eto sy ilay Jaona nanoratra ireo epistily taty aoriana. Niova be tokoa izy; niova toetra! Azo antoka anefa fa tsy nitranga mora foana na tao anatin’ny indray alina monja izany. Nisy lesona mahery vaika noraisin’I Jaona tao ka izany no nahatonga azy ho misionera lehibe nony farany. Tantarao ny sasantsany amin’ireo lesona mahery vaika vao noraisinao tsy ela izay. Inona no nianarana avy tamin’izy ireo?
Inona ihany koa ireo fomba hafa nety nahazoanao nianarana izany fa tsy voatery tamin’ny alalan’ny fahoriana?Inona ihany koa ny lesona hafa ilainao hianarana? Inona avy ary ireo fiovana tokony hisy amin’ny fiainanao amin’izao fotoana mba tsy ho ao anaty toe-javatra sarotra ianao vao handray lesona?
Betsaka ny zavatra tian’I Jaona hotantaraina, mihoatra noho izay azony atao aza, noho izy vavolombelona nanatri-maso sy nandany fotoana niaraka tamin’I Jesôsy.
Vakio ny Jao. 21:25. Inona arak any hevitrao no hafatra ezahin’I Jaona hampitaina amin’ny alalan’io fanambarana io? Inona no fanantenana hitantsika ao amin’io andininy io?
Na dia tsy afaka manambara amintsika ny zavatra rehetra aza I Jaona dia eo ambanin’ny fitarihan’ny fanahy masina kosa no ampianarany antsika ny anankiray amin’ireo fahamarinan-dehibe indrindra, dia Jesôsy Kristy
Milaza ny amin’ny Teny I Jaona na ny logos amin’ny teny grika ao amin’ny andininy voalohany amin’ny filazantsara nosoratany. Manondro ilay tenin’Andriamanitra izay namorona izao tontolo izao eto ny Teny, ho an’ny mpamaky Jiosy, ary koa ny fampianarany sy ny lalàny izay mitarika ny fomba tokony hiainantsika ny fiainantsika (jereo Deo.32:45-47).
Manana heviny hafa kosa ny logos ho an’ny mpamaky grika. Herin’aina izay mihazona izao tontolo rehetra izao tsy hikoro ny logos. Ny logos no mandanjalanja ny firafitry ny ravin-kazo iray, ny firindran’ny fizaran-taona ary ireo kintana eny an-danitra. Samy nanoratra momba ny logos avokoa ireo olon-kendry toa an-dry Heracleitus, Plutarch, Philo, ary Platon sy ireo olon-kendry stôika maro samy hafa.
Manao ity fanambarana manaitra ity I Jaona na ho an’ny mpamaky jiosy ion a ny mpamaky grika: Tsy inona akory io logos io fa olona.
Vakio ny Jao. 1:1-3,14. Inona no hevitr’io? Soraty araka izay fahazoana azy indrindra izay ambaran’ny Tompo amintsika eto.
Niditra teto amin’ny taranak’olombelona I Jesôsy Mpamorona antsika ka
« Fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo » - Jao. 20 : 31.
Fintinin’ni Jaona ao amin’ireo teny ireo ny antony nanoratany ny Filazantsara sy ny zava-kendren’ny fiainany iray manontolo, dia ny hitarika ny olona hino an’i Jesosy mba hahazoan’izy ireo ny fiainana mandrakizay. Ao amin’i Jesosy irery ihany no misy ny fiainana mandrakizay, izany no fot-kevi-dehibe manerana ny Testamenta Vaovao iray manontolo.
Zahao ireo andininy ireto mba hahafantarana ireo zavatra sasany nolazain’i Jaona mikasika io foto-kevi-dehibe io, dia ny an’ny « fiainana » izany. Rehefa eo am-pamakiana azy ianao dia jereo koa hoe aiza ho aiza no ahitanao fa tsy ny fiainana mandrakizay ihany no resahina amin’ny hoe « fiainana » fa ny fiainana amin’izao fotoana izao mihitsy ? Jao. 6 : 35 ; Jao. 6 : 36 ; Jao. 10 : 28 ; Jao. 12 : 25 ; Jao. 14 : 6 ; Jao. 17 : 3.
Ny olombelona irery ihany no afaka mibanjina ny foto-kevitry ny fiainana mandrakizay na dia maty aza ny zava-boary rehetra ambonin’ny tany, izany no maha-zava-dehibe indrindra ireo teny fiakasana mikasika ny fiainana mandrakizay ireo. Isika irery ihany no afaka mahatakatra ilay tevana makadiry misy eo amin’ny fiainantsika fohy dia fohy sy ny mety hahazoana ny fiainana mandrakizay. Mandindona antsika isa-tsegondra eo amin’ny fiainantsika izay ifamatoanan’ny lalan-dra tsentsina, mpamily mamo tampona, ary ny otri’aretina VIH, toa tsy misy fiafarana.
Fanantenana mahagaga tokoa ary no ananantsika, satria fantantsika fa tsy ny fahafatesana no farany ; mifanohitra amin’izany aza, torimaso toy ny indray mipy maso fotsiny ihany izany ho antsika ka dia ho fantantsika avy eo fa hiaraka amin’i Jesosy mandrakizay isika.
Ahoana no tokony ho fiantraikan’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay eo amin’ny fomba fiainantsika amin’izao fotoana izao ? Manao ahoana no mety ho mbola fiainanao kanefa efa fantatrao fa anananao ny teny fikasana mikasika ny fiainana mandrakizay.
Vakio « Jaona, ilay mpianatra malala » -VM, tt. 475-482.
Filentehan’ny masoandro Antananarivo:
ZOMA : 5 ora 43 minitra
SABATA :5 ora 43 minitra