HEVI-DEHIBE:
Tonga anisan'ireo misiônera lehibe indrindra tsy mbola hitan'izao tontolo izao hatrizay i Petera, ilay Petera novaina, na dia eo aza ireo lesona sasantsasany mbola ilainy ianarana.
Hitantsika tamin'ny herinandro lasa ny fiovana mahatalanjona teo amirfi Petera, ny niovan'ny toetrany mpivadibadika ka nahatonga azy ho andrin'ny fiangonana. Mety ho mora tokoa ny nanaisotra ny anarany tsy ho eo amin'ny fanompoana ny Tompo taorian'ny fahalavoana nampidi-doza nanjo azy. Tsy izany anefa araka ny hitantsika ny fikasan'Andriamanitra ho an'ity mahery fo be kilema ity.
Taorian'ny namerenana amin'ny laoniny ny toetran'i Petera dia nanolotra tanteraka ny fiainany ho an'ny iraka tokana izy: hizara sakafom-panahy amin'ireo andian'ondrin'i Jesosy - na ny ao anatin'ny vala izany na ny ety ivelany.
Hitantsika tamin'iny herinandro iny koa izay nataon'i Kristy tamin'ny fiainan'i Petera ka nahatonga azy ho misiônera lehibe. Ho hitantsika amin'ity herinandro ity kosa ny vokatry ny asany. Hodinihintsika ny sasantsasany amin'ireo fanandraman'i Pétera rehefa nitana anjara asa goavana teo amin'ny asan'ny fiangonana voalohany izy sy teo amin'ny fitoriana ny filazantsara tamin'ny Jentilisa.
Misy lesona sasany manan-kery tokoa eto ho antsika amin'izao fotoana izao avy amin'ny tantaran'i Pétera, dia ny fahombiazany sy ny tsy fahombiazany izany.
Misy lesona sasany manan-kery tokoa eto ho antsika amin'izao fotoana izao avy amin'ny tantaran'i Pétera, dia ny fahombiazany sy ny tsy fahombiazany izany.
"Ary izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny flangonako; ary ny vavahadin'ny flainan-tsy hita tsy haharesy azy"-Mat. 16:18.
Anisan'ireo teny miteraka adihevitra be indrindra ao amin'ny Baiboly iray manontolo irea Niorina tamin'ny tomba nandikarîny olona ny hevitr'io andininy io hy ankamaroan'ny tantara kristianina.
Midika io ho an'ny maro fa nanorina ny fiangonany teo amin'i Pétera i Jesôsy, ka izy no ilay antsoina hoe "papa voalohany," ary izy (Petera) no vatolampy resahin'i Jesôsy eto.
Ny sasany kosa anefa mandika izany araka izay tena nilazan'i Jesôsy azy: lanao no Petera, saingy eto ambonin'ity Vatolampy ity kosa, dia ny Tenako izany, no hanorenako ny flangonako. Voaporofo mazava tsara tokoa ny fahamarinan'io farany io araka izay ho hitantsika eto ambany.
Tsy naorina teo ambonin'olombelona mpanota na oviana na oviana ny fiangonan'Andriamanitra, na toy inona tombontsoa nananan'i Petera na toy inona, na ny fanomezam-pahasoavana nananany na koa ny halehiben'ny anjara asany. Sanatria amin'Andriamanitra izany! I Jesôsy ihany no Vatolampy, fototra iorenan'ny fiangonany.
Mandry fehizay isika rehetra, ao anatin'izany i Petera, na inona anjara asa na toerana tanantsika na inona, raha mbola mitoky eo amin'io fototra io isika, dia Ilay Vatolampy izany. Amin'ny fanoloran-tena tanteraka amin'ny finoana sy ny fankatoavana (jereo Mat. 7:24) ny teny sy ny didin'ny Tompontsika ihany anefa no hahavitantsika izany. Marina tokoa fa fantatry ny Tompo ny hôavin'i Petera sy izay ho fiovany kanefa azo antoka fa tsy hataony ho vatolampy iorenan'ny fiangonany na oviana na oviana i Pétera izay olombelona mpanota ihany.
Toa nandray avy hatrany ny anjara asan'ny mpitarika teo amin'ireo mpino niisa 120 teo ho eo i Pétera rehefa niverina tany an-danitra i Jesôsy, Mazàna no voatonona voalohany indrindra amin'ireo apôstôly hafa ny anarany ao amin'ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly, ary izy no nitarika ny mpino teo amin'ny fisafidianana apôstôly iray hafa hisolo an'i Jodasy.
Araka ny hitantsika tamin'ny herinandro lasa teo anefa dia tsy vao taorian'ny Pentekôsta akory, izay nijoroany ka nitoriany ny filazantsara tamin-kery tamin'ny vahoaka no nahitantsika amin'ny fahafenoany ny fiovana mahatalanjona teo amin'ny fiainan'i Pétera (Asa. 2:14-41). Olona 3000 no nanaiky an'i Jesôsy sy natao batisa vokatry ny asan'ny Fanahy Masina tamin'ny alalan'ny fitorian-teniny.
Ny niarahany tamin'i Jaona apôstôly izay namany efa ela ho any an-tempoly mba hivavaka no fotoana manaraka ahitantsika an'i Petera.Tamirïizay izy no nanao ny fanasitranana voalohany voalaza ao amin'ny Asan'ny Apôstôly raha nanasitrana lehilahy iray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny izy (Asa. 3:6-8).
Ampitahao ny Asa. 3:6,12,13; 4:10. Inona ilay foto-kevitra tokona izay iraisan'ny tenin'i Pétera?
Nifampizara ny fananany rehetra ireo mpino teo amin'ireo dingana voalohany niorenan'ny fiangonana kristianina, nivory isan'andro mba hivavaka izy ary nahazo fahafinaretana tamin'ny fiarahany. "Nidera an 'Andriamanitra sady nahita fitia tamin 'ny vahoaka rehetra " - Asa. 2:47 - izy ireo. Nandeha tsara avokoa ny zavatra rehetra teo ambanin'ny fitarihan'ny apôstôly.
Niseho amin'izay ny olana rehefa nitombo ny fiangonana. Fantatra tamin'izay fa nila rafi-pandaminana izy. Tsapan'i Pétera sy ireo apôstôly hafa fa mila fandanjalanjana araka ny tokony ho izy ny asa fiantrana sy ny tena fototr'asa nanirahana azy. Izao no fanapahan-keviny: "Tsy mety raha mandao ny tenin Andriamanitra hitandrina latabatra izahay. " - Asa. 6:2.
Nitsangana teny amin'ny faritra vaovao ny fiangonana vaovao, ary vao mainka nihasarotra tamin'izay ny fandaminana tokony hatao amin'ny fiangonana. Niankinan'aina tokoa ny nanàovana izay hahatamana tsara ny mpino sy ny hampafana tsara azy tao amin'ny finoany vaovao.
Nanomboka nandefa misiônera tsiroaroa ny fiangonan'i Jerosalema (nanaraka ny ohatra napetrak'i Jesôsy rehefa nandefa ny apôstôly sy ny mpianatra tsiroaroa Izy).
Inona no nataon'ireo mpitarika tany Jerosalema rehefa nandre ny amin'ireo antokona mpino vaovao izay natsangan'i Filipo tao Samaria izy ireo? Asa. 8:14. Na ihany koa, oviana no niorina ny fiangonana vaovao tao Antiokia? Asa. 11:19-26. Inona no maha-zava-dehibe ireo asà ireo?
Hitantsika manerana ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly i Pétera sy ireo mpitarika ny fiangonana hafa tao Jerosalema mijery akaiky ny fandrindrana sy ny ara-panahy mikasika ny fitomboana haingana dia haingana nisy teo amin'ny fiangonana, indrindra indrindra fa teo amin'ireo Jentilisa. Tsapan'izy ireo fa mora dia mora tokoa ny niverenany tamin'ny fanompoan-tsampy na koa ny fironany nankany amin'ny fampianaran-diso. Mbola zaza amin'ny finoana no nahatongavan'ireo mpino vaovao teo amin'i Jesôsy ka nilainy aloha ny nofahanana tamin'ny "ronono"-n'ny Teny mba hifahatra tsara amin'ny foto-pampianarana tsy azo. hozongozonina.
Inona ihany koa no azonao atao hanampiana ny mambra vaovao mba hifahatra mafimafy kokoa amin'i Jesôsy sy ny hafatra entintsika? Nahoana moa raha miahy
mambra iray vaovao ho eo ambany fikarakaranao ianao ka manampy azy mandrakariva aloha?
Niova ny fiainan'i Pétera taorian'ny Pentekôsta ka nanjary andry maherin'ny fiangonana izy. Mbola nisy ihany anefa ny zavatra tokony hianarany. Tahaka ny fahitan'ireo apôstôly namany dia nihevitra izy fa ho an'ny Jiosy ihany aloha ny asa nanirahana azy.
Vakio ny Asa. 1:8. Inona no zavatra izay nolazain'i Jesôsy ka tokony ho nanampy an'i Pétera sy ireo hafa hahatakatra fa tsy ho araka izay anampoizany azy akory ny fandehan-javatra, tara fahakeliny eo amin'ny resaka asa fitoriana?
Nomena fahitana i Pétera ao amin'ny Asa. 10:1-14 izay nitaomana azy hihinana biby maloto. Gaga dia gaga tamin'izay nolazaina azy izy amin'ny maha-Jiosy azy ka namaly toy izao: "Sanatria Tompoko! Fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. " - Asa. 10:14. Tahaka ny fitaomana ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito anankiray ao amin'ny fahitana izany mba hifoka sigara sy hisotro toaka.
Mazava loatra fa tsy nangataka ara-bakiteny an'i Pétera hihinana zava-padiana tsy akory Andriamanitra - tahaka ny tsy hangatahany antsika ihany koa mba hifoka sigara sy hisotro toaka. Fanoharana ihany ny fahitana izay nomena an'i Pétera. Nanontany tena ny amin'ny hevitr'izany izy tamin'ny voalohany (and. 17), kanefa fantany mazava amin'izay ny heviny rehefa nasaina nankany amin'ny franon'i Kôrnelio jentilisa izy.
Vakio ny Asa. 10:28-43. Inona no tena hevitr'ilay fahitana? Inona amin'izay izao no zavatra takatr'i Pétera ka tsy fantany teo aloha?
Raha ho antsika amin'izao fotoana izao dia fantatsika mazava tsara fa hafatra ho an'izao tontolo izao manontolo ny filazantsara, saingy tsy maintsy ho fahagagana tanteraka izany ho an'ny olona tahaka arïi Pétera izay niala avy tamin'ny fomba fiheviny teo aloha. Zava-dehibe tokoa àry ny tsy hamelantsika ny hevitra mibahana mialoha avy amin'ny kolontsaintsika hanajamba ny masontsika, na inona andraikitra tanantsika ao am-piangonana na inona. Tena ilaintsika tokoa tahaka an'i Pétera ny fahazoana. fahitana mivelatra kokoa mikasika ny asa nanirahana ny fiangonana.
Inona avy ny sasantsasany amin'ireo zavatra anao manokana, na koa ara-kolontsaina, ka nanajamba anao ary tsy maintsy nialanao? Na ihany koa, izay mbola anananan'ny maro ao amin'ny fiangonanao? Ahoana no hahazoanao fomba fijery mivelatra kokoa?
Teraka hatrany ny tsy fifankahazoana sy ny tsy fitovian-kevitra na dia miara-miasa ho amin'ny iraka tokana aza ny mambran'ny fiangonana ao amin'i Kristy. Tsy misy hafa amin'izany ny fiangonana kristianina voalohany.
Tsy misy hafa amin'izany koa i Pétera. Nisy ny fitahiana manokana avy tamin'Andriamanitra ary zava-dehibe indrindra ny asan'ny fiangonana, kanefa na dia i Pétera aza dia mbola nila fitomboana ihany taorian'ny Pentekôsta. Mahafinaritra tokoa ny mandre fa mbola nampiasa azy ihany Andriamanitra na dia teo aza ny fahadisoany.
Vakio ny Gai. 2:11-14. Inona ihany no zavatra tsy mbola takatr'i Pétera eto?
Sahiran-tsaina i Paoly satria noheveriny ho nanao ny fihetsiky ny mpihatsaravelatsihy i Pétera. Nanomboka nifanerasera tamin'ny Jentilisa i Pétera taorian'ny nahazoany fahitana mikasika ny zava-padiana sy ny nihaonany tamin'i Kôrnelio. Voatsikeran'ireo Jiosy kristianina tany Jerosalema izy noho izany (Asa. 11:2). Niaro izany fihetsiny izany i Pétera hany ka nanova ny fomba fisainan'izy ireo ny teniny. "Ary rehefa nandre izany ireo dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana" (and. 18).
Nahatsiaro tofoka indray izao i Paoly raha nahita fa niova ny fitondran-tenan'i Pétera rehefa avy nitankosona tamin'ny Jentilisa izy. Toa voaporitr'ireo Jiosy kristianina izy ka niala tamin'ny faharesen-dahatra nisy tao aminy. Nanjary tsy nety niara-nihinana tamin'ny Jentilisa indray izao izy satria tsy naniry ny hahatafintohina ireo Jiosy kristianina. Tafmtohina tamin'ny fihetsik'i Pétera kosa anefa i Paoly na dia nandrara aza izy tany an-toeran-kafa fa tsy tokony hanafintohina ny rahalahy malemilemy kokoa ny rahalahy izay matanjatanjaka, ara-pinoana (1 Kôr. 8:9-14).
Miharihary tokoa anefa na izany aza, eo amin'io resaka fifaneraserana amin'ny Jentilisa io, fa nihevitra i Paoly apôstôly fa fitsipika lehibe indrindra sy mibahan-toerana tokoa ny lafiny fitoriana amin'ny hafa sy ny lafiny maha-iray ihany ny olon-drehetra ao amin'i Kristy
Vakio ny 1 Kôr. 8:9-14. Inona no resahin'i Paoly eto? Ahoana no handraisanao izay lazainy eto ka hampiharanao izany amin'ny tenanào sy ny fiangonana misy anao? Inona no zavatra mety hataonao ka manafintohina.ny mambra izay malemilemy kokoa?
"Ny fanehoam-pitiavana nataon'i Kristy tamin'i Petera dia misy lesona ho an'io mpianatra io sy ho an'ny namany koa. Na dia nandà ny Tompony intelo aza i Pétera, dia tsy nihena na oviana na oviana ny fitiavana nasehon'i Kristy taminy. Tokony hampiseho amin'ny mpanota fahari-po sy fitiavana ary famindram-po toy izany koa i Petera rehefa mampianatra ny Tenin 'Andriamanitra. Nitaona azy haneho ny nitiavan 'i Kristy azy ny fahatsiarovany ny fahalemeny sy ny faniavany, ka mba hataony amin 'ny ondry sy ny zanak'ondry atolotra hokarakarainy koa izany fitiavana izany. " - VM, rf. 454-455.
"Taorian'ny tsy fahombiazana rehetra teo amin'i Petera, taorian'ny nahalavoany sy ny namerenana azy tamin'ny laoniny indray, ny fanompoana maharitra nataony, ny fifankahafantarana akaiky dia akaiky nisy teo amin'izy sy Kristy, ny fahalalany ny fahadiovana sy ny fahitsian'ny fomba amam-pitsipik'i Kristy; taorian'ny fampianarana efa noraisiny, ary ireo fanomezam-pahasoavana rehetra sy fahalalana arahin'ny fahaiza-mitory sy mampianatra ny Teny dia tsy ho hafahafa ihany ve ny hoe nanafina sy nidify ireo fitsipiky ny filazantsara izy, noho ny tahotra ny olona na noho ny tahotra ho afa-baraka?
Tsy ho hafahafa ve izany hoe niroaroa saina izy, na koa sady tsy nomba ny atsy no tsy nomba ny aroa teo amin'ny toerana nisy azy? Andriamanitra anie hanome ny tsirairay avy ny fahatsapana fa tsy mahay manao na inona na inona izy ka hamily ny sambony avy hatrany sy tsy amhvtahotra ho eny amin'ny fitodiana. Ny fahasoavany tsy manam-paharoa irery ihany no afaka miaro ny tongotsika tsy ho tafintohina (MS122,1897)." - SDABC, b. 6, tt. 1108,1109.
FANONTANIANAHIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1. Ifanakalozy hevitra eo amin'ny kilasy ny olana mikasika ireo malemilemy finoana kokoa ao amin'ny fïangonana ka mety ho tafintohin'ny tomba amam-panao sasantsasany. Aiza ho aiza ny fiahiantsika azy ireny? Inona no fitsipika tokony harahintsika mba tsy hanaovantsika tahaka an'i Pétera ka hamoizantsika zava-kendrena ambonimbony kokoa eo amin'ny fiezahantsika tsy hanafintohina ny hafa?
2. Zava-doza mandrakariva ny avonavona ara-panahy. Ahoana no
hiarovantsika tena amin'izany, indrindra indrindra fa raha mahomby be tokoa isika eo amin'ny fahazoana fanahy sy ny fiasana amin'izy ireny, na koa eo amin'ny lafiny fiainam-piangonana ? Ahoana no anampian'ny Tompo ny mpanompony mba hanetry tena mandrakariva?
3. Moa ve ny fiangonanao voalamina tahaka ny klioba iray sa tahaka ny fikambanana natao hiasa? Raha izany no izy, inona no azonao atao mba hamerenana ny fiangonanao amin'ny tokony ho izy indray ho amin'ny asa fototra tokony hataony?
FAMINTINANA: Nandalo alina maizin'ny fanahy ny apôstôly i Petera talohan'ny fahafatesan'i Kristy sy nandritra izany ary taorian'izany. Mbola nomena azy indray ny tombontsoa ho mahatoky amin'ny Tompony rehefa nitsangana tamin'ny maty Jesôsy. Nanokana ny fiainany ho an'izany asa lehibe izany i Parika ny fïangonana tamin-kery hatrany izy nandritra ireofihaikana maro samy hafa nisy tamin'izany fotoana izany.
Filentehan’ny masoandro Antananarivo:
ZOMA : 5 ora 48 minitra
SABATA :5 ora 48 minitra