HEVI-DEHIBE:
Anjara asa tsy dia manao ahoana loatra matetika no nomena ny vehivavy kanefa asehon'ny TV fa manana lanja lehibe eo amin'ny fampandrosoana ny fiangonana izy ireny.
Nitana anjara toerana goavana teo amin'ny tantaran'ny Baiboly ny vehivavy. Tao ireo mpanjakavavy tsara fanahy sy ratsy fanahy, zatovovavy mahitsy toetra, reny mpivavaka, vehivavy mpitarika nanan-kery ara-pahefana, vehivavy mahay mandresy lahatra ny vadiny, vehivavy malala-tanana, mpijangajanga, mpaminany, diakona, mahay mandray vahiny ary mpanohana mahatoky sady naman'i Jesôsy.
Nitana anjara fototra tokoa ny vehivavy eo amin'ireo tantara toy ny an'i Estera sy Debôrà, Hitantsika manerana ny Baiboly fa nanampy tamin'ny tomba maro teo amin'ny fampandrosoana ny fanjakan'ny lanitra ny vehivavy nomena iraka.
Mahita ohatra maro isika ao amin'ny TV ny amin'ny fomba nitondran'i Jesôsy ny vehivavy. Maro ihany koa ireo vehivavy izay nanaraka an'i Jesôsy ka nanohana Azy ara-bola (Lio. 8:1-3) sy nikarakara izay nilainy (Mar. 15:41). Imbetsaka i Jesôsy no niasa, indrindra indrindra ho an'ny vehivavy. Nandao an'i Jesôsy ny ankamaroan'ny mpianany tamin'ny fotoana nahafatesany, nisy vehivavy kosa anefa nahatoky ka nijanona niaraka Taminy teo an-kazo fijaliana. Mbola vehivavy ihany koa no vavotombelona voalohany tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty.
Hojerentsika amin'ity herinandro ity ny vitsivitsy ihany amin'ireo vehivavy voalaza ao amin'ny TV. Mety ho fohifohy ihany ny tantarany kanefa anjara asa tena iankian'aina teo amin'ny asan'ny fiangonana tokoa no notanany.
Tsy navela hiharihary be loatra teo amin'ny fiainariny"be sy ny maro ny vehivavy amin'ny kapobeny teo amin'ny fiarahamonina nisy an'i Jesôsy sy niasany. Mpijery fotsiny ihany izy ireo nandritra ny fanompoam-pivavahana rehefa Sabata fa tsy mba nahazo anjara. Tahaka ny Jentilisa dia nomena toerana manokana tany ivelan'ny Sinagôga izy, izay tsy hahafahany mandehandeha mivoaka. Misy heviny lehibe tokoa fa teo ambanin'ny kianja nisy ny lehilahy no nasiana azy ireo.
Teny imasom-bahoaka dia voafetra ihany ny firesahan'ny lehilahy amin'ny vehivavy, eny, fa na dia amin'ny vadiny aza. Tsy navela handinika ny Torah na ireo boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly ny vehivavy; tsy navela hikasika ny Soratra Masina mantsy izy ireo ndrao dia mamindra loto aminy.
Hafa tamin'izany kosa anefa ny fomba fijerin'i Jesôsy. Zanaka tiany tokoa ny vehivavy, toy ny lehilahy ihany. Natao ho azy ireo ny fahafatesany toy ny ho an'ny lehilahy ihany.
Tsy navela hampianatra vehivavy ny raby tamin'izany fotoana izany kanefa nataon'i Jesôsy tamim-pifaliana izany. Nisy fotoana aza i Maria anabavin'i Lazarosy nipetraka teo an-tongony tahaka ny ankizy mpianatra (Lio. 10:38-42).
Nandika ny lalàna mikasika ny fanendrena vehivavy tsy madio araka ny lalàna seremôniely i Jesôsy ao anatin'ny toko roa amin'ny filazantsaran'i Lioka Nanendry ny zazavavikely iray efa maty izy ka namelona azy indray (Lio. 8:41,42,49-55); namela ny vehivavy narary nandeha ra nanendry Azy (Lio. 8:43-48); ary namela vehivavy ratsy fitondran-tena hanasa ny tongony (Lio. 7:37-39). Vakio avokoa ireo tantara ireo. Inona araka ny hevitrao ny fitsipika nitarika an'i Jesôsy handika izany lalàna izany? Ahoana ihany koa no azo ampiharana ireo fitsipika ireo amini’zao fotoana izao?
Nandrodana ireo fefy nisy teto an-tany sy teo amin'ny samy olombelona i
Karazana fitsarana an-tendrony manao ahoana no mbola ao aminao mikasika izay mety ho sokajin'olona misy? Ahoana no ahafantaranao ireo fitsarana an-tendrony ireo? Zava-dehibe mihoatra noho izany aza, ahoana no tsy maintsy handresenao izany?
Naharitra sady nangidy tokoa ny fisàrahana nisy teo amin'ny Jiosy sy ny Samaritana (jereo ny 2 Mpanj. 17:24-41 raha maniry hahalala ny fiandohan'ny tantara ianao). Nanao izay tsy hahatanterahan'ny asa ny Samaritana rehefa niverim avy tany Babilôna ny babo ka niezaka hanangana ny tempolin'i Jerosalema sy ny mandany. (Jereo ny Ezrà 4:7-22 sy Neh. 4:1-5). Nandrehitra ny fankahalana teo amin'izy roa tonta ny toe-javatra tahaka io sy ny tsy fitovian-kevitra mikasika izay tena toerana marina hananganana ny tempoly. Nisy mihitsy aza ny fotoana izay niantsoan'ny antokon'olona iray an'i Jesôsy ho azon'ny demonia na Samaritana ho fanarabiana Azy (Jao. 8:48)
Namakivaky an'i Samaria no lalàna akaiky sady haingana indrindra raha ho any Jerosalema any atsimo miainga avy ao Galilia ary avaratra. Naleon'ny oiona anefa matetika dia matetika tokoa ny nihodina manodidina an'i Samaria rehefa mandalo eo - na dia teo aza ny haratsy sy ny halaviran'ny lalàna, mba hialana amin'ireto fahavalo lehibe efa hatry ny ela ireto.
Gaga dia gaga ilay vehivavy satria nanontany azy Izy raha afaka haka rano ho Azy hosotroiny. Nanaitra azy ilay fangatahana satria Jiosy i Jesôsy ary izy kosa Samaritana sady izay indray vehivavy!
Tsy naveian'i Jesôsy hanembantsembana ny asany velively ny fomba amam-panao ara-piarahamonina. Ahoana no fomba handanjalanjanao ny tsy fanomezana fanafintohinana ny fiarahamonina sy ny fanaovana ny mety?
Vakio ny Jao. 4:1-40, ny fihaonan'i Kristy tamin'ilay vehivavy. Tamin'ny fomba ahoana no nampifandraisan'i Jesôsy ny fiainan'ilay vehivavy andavanandro sy ny toe-javatra nisy teo aminy tamin'ny fahamarinana ara-panahy tiany hozaraina? Izany hoe ahoana no nahafahany nampita izay zavatra nilainy ara-panahy?
Faly dia faly tokoa ilay vehivavy noho ny zavatra efa hitany sy reny, hany ka niverina tany an-tanànany izy sady navelany hatramin'ny sininy (Jao. 4:26). Efa nifanena tamin'ny Mesia izy, ary tsy maintsy nizara ny vaovao tamin'ny hafa.
Ny fitaomany azy ireo ho tafahaona amin'llay Lehilahy nahafantatra ny tantaram-piainany no ampahany voalohany tamin'ny fanambarany (and. 29). Hitantsika eto ny fahamarinana tsotra saingy tsy tontan'ny ela mikasika ny fijoroana ho vavolombelona. Tsy ny hanova ny fon'ny olona no asa nanirahana antsika. Ny asantsika dia ny mamafy voa sy ny mitondra ny olona ho eo amin'i Jesôsy. Eo kosa ny Fanahy Masina no mandray an-tanana ny fibebahany.
Rehefa nahatsapa izany ny olona avy eo nony tafahaona tamin'i Jesôsy dia nilaza hoe: "Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre. ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. " (Jao. 4:42).
Vehivavy samaritana no nampiasain'i Jesôsy, sady antsan'ireo izay tsy dia nanan-daza firy loatra teo amin'ny fitondran-tenany, mba ho vavolombelona ho Azy. Toy ny hoe niniany natao mihitsy ny nandika ireo fadin-drazana sy ireo hevttra efa napetraka rehetra tamin'izany fotoana izany. Inona no lesona tokony hotsoahintsika avy amin'io mikasika izay natao hiasa sy tsy natao hiasa ho an'ny Tompo?
Voalaza matetika manerana ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly sy ny Epistily nosoratan'i Paoly fa nisy ny vehivavy izay nitana anjara asa teo amin'ny fiangonana voalohany. Tsy nivavaka tany am-piangonana ireo Kristianina tany am-boatohany fa nivory tany an-tokantranon'otona kosa, ary matetika nanodidina ny latabatra fisakafoana.
An'ny vehivavy toa an-dry Lidia ny ankamaroan'izany tokantrano izany. Mpivarotra lamba volomparasy no raharahany. Tany Filipia any Makedônia no nihaonan'i Paoly sy Silasy ary Timoty sy Lioka taminy, rehefa niara-nivavaka indray Sabata tamin'andiana vehivavy nivory teo akaikin'ny renirano izy ireo.
Maro ireo vehivavy niavaka tamin'ny tomba fiainany sy ny fanompoany teo amin'ny fiangonana voalohany na dia teo aza ny sakantsakan'ny fomba amam-panao sy ny fihevitry ny fiarahamonina mikasika azy ireo. Tsy manome tsipiriany firy loatra ny Baiboly, saingy mazava kosa fa nitana anjara asa mavitrika teo amin'ny asan'ny fiangonana ny vehivavy.
Vakio ny Asa. 21:9. Inona no fitsipika lehibe azontsika raisina avy amin'io lahatsoratra fohy io?
Vehivavy maro ao amin'ny TV no fantatra noho ny asa soa nataony. Jereo ireto andininy ireto. Inona no azontsika raisina avy amin'izy ireo sy izay efa hita tany aloha mikasika ny toerana sarnihafa izay notanan'ny vehivavy teo amin'ireo fotoana voalohandohany nisian'ny fivavahana kristianina? Asa. 9:36; Rôm. 16:7,12; Fil. 4:2,3; Filem. 2.
Na lehilahy ianao na vehivavy, inona no fomba mahomby indrindra hampiasanao ny talentanao eo amin'ny asa fanompoana sy fitoriana?
"Vantany vao nahita ny Mpamonjy ilay vehivavy Samaritana izay niresaka tamin'i Jesôsy teo amin'ny fantsakan'i Jakôba dia nitondra ny hafa hankeo Aminy. Naneho ny maha-misiônera mahomby kokoa azy izy tamin'izany noho ireto mpianatr'i Jesôsy. Tsy nahita na inona na inona tao Samaria ny mpianatra ka nampirisika azy ireo ho amin'ny asa. Nifantoka tamin'ny asa lehibe izay mbola hatao any amin'ny hoavy ny eritreritr'izy ireo. Tsy hitany akory fa efa feno voa nilonjehitra nanodidina azy ka mila jinjaina. Tamin'ny alalan'ilay vehivavy nataon'izy ireo tsinontsinona anefa no nahatonga ny vahoaka iray vohitra handre an'i Jesôsy." - MH, 1.102
2. Ambaran'i EGW fa naneho ny tenany ho misiônera mahomby kokoa noho ny mpianatr'i Jesôsy ilay vehivavy teo amin'ny fantsakana. Inona no hery manokana entin'ny vehivavy eo amin'ny asan'ny fiangonana? Raha tsy hidirantsika lalina ny olana miteraka adihevitra be mikasika ny fanendrena ny vehivavy ho amin'ny asam-piangonana, ahoana kosa no hanohanantsika sy hampiasantsika tsaratsara kokoa ny vehivavy izay anisan'ny manana anjara ao anatin'ny fihetsehana ataontsika sy ny hafatra entintsika?
3. Resaho eo amin'ny kilasy ny amin'i Jesôsy sy ilay vehivavy samaritana. Raiso io tantara io ka apetraho eo amin'ny kolontsaina sy tontolo misy anao. Alao sary an-tsaina Jesôsy miasa amim-pahavonona tokoa ho an'ny olona izay ataon'ny kolontsainao tsinontsinona sy ankahalainy, olona izay tsy ifampiresahan'ny be sy ny maro akory. Inona no azonao ianarana avy amin'io fampiharana io mikasika ny maha-izy marina ny asa fitoriana ny filazantsara?
FAMINTINANA: Toa tsy dia mivantana loatra ny anjara asa notanàn'ny vehivavy manerana ny TV. Jesôsy sy ny ny apôstôly Paoly anefa matetika no nanolotra vehivavy - noho ny asam-pitiavana sy famindrampo teo aminy sy mba hampandrosoana ny asan'ny fiangonana.
Filentehan’ny masoandro Antananarivo:
ZOMA : 5 ora 49 minitra
SABATA :5 ora 48 minitra