Telovolana 3 : L'évangile, 1844 et le jugement

Lesona faha 13 : " INTY AHO IRAHO AHO": NY MPAMINANY ISAIA

Daty : 20-09-2008 hatr@ 26-09-2008. Toko dinihina : Lev. 16:30; 17:11; Isa. 6:1-10; 49:6; Jer. 3:22-, Mat. 28:18-20; Heb. 1:2.

Tsianjery : : "Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanan hoe: Iza no hirahiko? Ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho" - Isa. 6:8.

Sabotsy 20-09-2008 : Fampidirana

HEVI-DEHIBE:

Mpaminany mafana fo tamin'ny vanim-potoana niainany i Isaià, izay tsy nitsitsy teny mihitsy nanameloka ny fahotana sy ny kolikoly, fa niandany tanteraka tamin'ny rariny sy ny fahamarinana kosa, sady naminany mikasika ny fiavian'ny Mesia. lnona ireo fitoviana mety ho hitantsika ho an'ny tenantsika ankehitriny?
Ivon'ny asa nanirahana an'i Isaià ny fanavaozana ny fanjakan'i Joda tany atsirno. Tsy nitsitsitsitsy mihitsy izy nanameloka ny fahotana sy ny kolikoly ary ny fikomian'ny firenena tamin'Andriamanitra.
Nitatra nihoatra lavitra ny fanavaozana tany Joda anefa ny asa nanirahana an'i Isaià. Tsinjony fa ho avy ny andro hanatanterahan'i Joda ny iraka haneho an'Andriamanitra amin'izao tontolo izao. Tsy tokony hitodika amin'ny ao anatiny fotsiny i Joda; nanana tanjona izy dia ny asa nanirahana azy ho any amin'ireo firenena hafa rehetra. Hoy Andriamanitra araka ny fanambarana nataon'i Isaià: "Hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, ho fanazavana ny jentilisa "' - Isa. 42:6.
Very io fahitana mivelatra mikasika ny asa anirahana azy hipaka hatrany amin'ny tany manontolo io tamin'ny tanna taty aoriana. Tsy  hitantsika ny fahatanterahan'io fahitana mikasika ny fitoriana ny filazantsara amin'izao tontolo rehetra izao io raha tsy tamin'ny fotoana niasan''i Jesosy  sy tamin'ny fotoana niasan'ny apôstôly ao amin'ny bokin'ny Asan'ny apostôly. Antsoina koa isika ho anisan'ny mpanatanteraka izany fahitana izany amin'izao androntsika sy amin'izao vanim-potoana misy antsika izao.

Alahady 21-09-2008 : Lozako!


Vak. Isa. 6-.1-6. Inona no nanjo an'i Isaià?

Nentin'Andriamanitra tamin'ny fahitana ho ao amin'ny efitra misy ny seza fiandrianan'Andriamanitra i Isaià. Andriamanitra mihitsy no hitany tao, nipetraka teo ambonin'ny seza flandrianana iray, "avo sdy manerinerina" - - Isa. 6:1.
Toe-javatra mahatalanjona no naseho an'i Isaià tao amin'ny fahitany mikasika ny efîtra misy ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Hitany ny ebaneban'akanjon'Andriamanitra nameno ny tempoly sy ireo zava-manana aina manidina nanana elatra enina antsoina hoe Serafima. Reny izy ireo nifampiantso nidera an'Aniriamanitra. Ampoizina fa nahery vaika tokoa ny feon'izy ireo satria nanozongozona ny fanambanin'ny tokonana sy nahatonga ny tempoly ho feno setroka.

Ampitahao ny fahitan'i Isaià sy ny an'ireo olona hafa nanao fanandramana nahita an'Andriamanitra tahaka azy. Nitovy ny fihetsika nasehon'izy ireo. Toy inona moa izany fihetsika izany? Inona no lesona lehibe azontsika raisina avy amin'ireny fihetsika ireny mikasika antsika sy ny fifandraisantsika amin'ny Mpamorona antsika? Eks. 20:18,19; Mpit. 13:22; Jôba 42:5,6; Apôk. 1:17.


Ho setrin'ny fahitany" ny Mpanjaka     dia Jehovah Tompon'ny maro"
dia nihoraka i Isaià nanao hoe:"  Lozako! Maty aho! fa lehilahy maloto , sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako "Isa.6:5.
Ny teny hebreo hoe 'damah', izay nadika hoe 'maty' eto, dia manana hevitra hoe 'nesorina' na 'vita'. Ny dikan-tenin'ny Baiboly KJV dia mandika koa io teny io hoe 'maty' (Sal. 49:12,20) sy hoe 'ringana' (Nôs, 4:6). Io teny io dia maneho fa tena nahaketraka tanteraka an'i Isaià ilay fanandramana, Ny fahitana an'Andriamanitra dia nanampy an'i Isaià hahafantatra marina ny tenany mitaha amin'ny Mpanao azy.


Nahoana angaha ny fahitana an'Andriamanitra no nahatonga izany fihetsika izany? Moa ve izany manampy antsika hahazo an-tsaina ny antony nahatongavan'i Jesôsy ho olombelona mitafy nofo aman-dra mba haneho amintsika hoe ohatra ny ahoana marina moa Anddamanitra?

Alatsinainy 22-09-2008 : Voavela ny fahotanao

Ny fihaonan'i Isaià tamin'Andriamanitra dia fotoana mahatalanjona, tsy araka ny mahazatra. Fanandramana nisy fiantraikany tamin'ireo vavahadintsainy rehetra izany, araka ny filazalazany azy: Nahita ny Serafima manana elatra enina izy, ary nahita an'Andriamanitra teo ambonin'ny seza fiandrianany; nandre ny feon'ny Serafima nitalakotrokotroka izy; nanimbolo ny setroka tao amin'ny tempoly izy; ary nahatsapa sy nanandrana ny vainafo natehiky ny Serafima teo amin'ny molony (Isa, 6:1-6).
Araka ny hitantsika tao amin'ny lesona omaly dia resin'ny tsy fahamendrehany i Isaià taorian'io fanandramana nahitany an'Andriamanitra io. Eny, ny teny naloaky ny vavany ao amin'ny Isa. 6:5 dia tena fiaikena ny fahotany sy ny an'ny fireneny tokoa.


Inona no anton'ny fanantitranterana hoe ``maloto molotra"? Moa ve izay notenenin'izy ireo fotsiny no fahotan'i Isaià sy ny fireneny? Mety ho tandindona mampiseho inona izany? Jer. koa Ohab. 13:3; Mat. 12:37; Lio. 6:45.


Raha vantany vao  niaiky heloka i Isaià dia nisy Serafima naka vainafo avy teo amin'ny alitara any an-danitra, nanidina nankeo amin'i Isaià, ka natehiny ny molony izany.


Vak. Isa. 6:6, 7. Inona no zavatra mitranga eto? Inona no asehon'izany fihetsika izany? Inona no hafatra azontsika raisina ho an'ny tenantsika avy amin'izany?


Raha ny tenan' Isaià sy ny amin'i Isaià fotsiny, dia izao: lehilahy maloto molotra izy ary tsy manana na inona na inona atolotra an'Andriamanitra. Kanefa tamin'ny alalan'ny asan'ny Tompo mihitsy dia voavela ny fahotan'i Isaià. Ny teny hebreo izay nadika hoe voavela dia avy amin'ny foto-teny hoe 'qaphar', izay mandrakariva nadika ao amin'ny TT hoe 'manavotra' na 'fanavotana' (jer, Eks, 29:36; 30:10; Lev, 16:30; 17:11). Ny tiana hambara dia izao: Raha tsy niditra an-tsehatra Andriamanitra, raha tsy voavela na voasarona ny fahotany (fantatra koa fa ny hoe 'qaphar' dia manana hevitra hoe voasarona; jer. Gen. 6:14), dia tsy ho afaka nanao na inona na inona ho an'ny Tompo i Isaià. Tsy maintsy natao  ara-dalàna aloha ny fifandraisany amin'Andriamanitra izay vao azon'ny Tompo nampîasaina izy.


Inona ireo zavatra eo amin'ny fiainanao izay mibahana ka tsy ahafahan'Andriamanitra mampiasa anao? Tsy maintsy milefitra amin'ny inona ianao mba ho voavela ny fahotanao?

Talata 23-09-2008 : "inty aho , iraho aho"

Rehefa sandre ny antson'Andriamanitra i Isaià, dia namaly avy hatrany izy nanan hoe: "Inty aho, iraho aho- - Isa. 6:8. Mariho fa talohan'ny nahafantarany ny andinindinin'ilay iraka hasaina hotanterahiny no namalian'i Isaià ilay antso jer, koa Heb, 11:8).
Tsy hoe namaly ny antso i Isaià satria mino izy fa ananany ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta ilaina amin'izany, na satria fantany fa hahavita asa tsara izy. Ary tsy hoe namaly ny antso izy satria nahaliana azy ilay asa (tsy fantany akory aza hoe inona moa izany asa izany). Namaly ilay antso i Isaià satria fantany fa na dia tsy mendrika aza izy, Andriamanitra kosa dia mendrika. Na dia tsy manan-kery aza izy, Andriamanitra kosa dia manana ny hery sy ny fahefana rehetra. Raha izy dia mety tsy ho nifidy izany asa izany ho azy, saingy asa nofidin'Andriamanitra ilay izy.


Vak. ilay andraikitra Lehibe mba handeha sy hampianatra ny firenena rehetra - izay andraikitra lehibe indrindra ao amin'ny Soratra Masina manontolo angamba - (Mat. 28:18-20). Vakio tsara ny tapany voalohany amin'io andraikitra io. Nahoana no fizaràna iray lehibe tsy azontsika lalovana fotsiny io?


Tena misy lanjany lehibe ilay teny hoe " Koa... ". Ny hany antony mahatonga antsika ho afaka mandeha sy mampianatra ny firenena rehetra dia' satria isika mandeha amin'ny herin'llay Anankiray Izay manana ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.
Raha amin'ny herin'ny tenantsika fotsiny mantsy dia tsy afaka ny handeha isika. Raha miantehitra amin'ny fahaizantsika isika, dia tsy afaka ny handeha. I Jesôsy, izay manana ny "fahefana rehetra" na "ny hery eo amin'izao tontolo rehetra izo (jereo Asa. 17:28; Heb. 1:2; Kôl. 1:16) no mandrehitra ny afon'ny iraka ampanaovina antsika.
Raha mety isika dia homen'Andriamanitra antsika ny hery na ny fahefana ilaintsika hoenti-manatanteraka ny iraka nomeny antsika. Nodioviny ny molotr'i Isaià maloto (Isa.6:7); nomeny an'i Maria ny Fanahy Masina sy `ny herin'ny Avo indrindra" (Lio. 1:35); nivavaka ho an'i Petera i Jesôsy (Lin. 2732): nanosotra an'i Saoly tamin'ny fanahy Masina lzy (ASa, 9:17,18): Izy no nametraka ireo teny teo am-bavan'i Jeremia (Jer. 1:9). Moa latsa-danja noho izany  ve no tokony hantenaintsika ankehitriny amin'izao vanim-potoana lehibe dia lehibe amin'izao tantaran'ny tany izao


Inona no misakana anao tsy hanao misimisy kokoa ho an'ny Tompo? Inona ireo fiovana tsy maintsy hataonao? 'Ahoana no ahafahanao mianatra ny hiantehitra amin'ny herinAndriamanitra fa tsy amin'ny fanomezam-pahasoavana anananao, na inona izany na inona?

Alarobia 24-09-2008 : Ny fiantsoana an'i isaia

Vakio ny baiko nomen'Andriamanitra an'i Isaià (Isa. 6:9,10). Ahoana no tokony handraisantsika ny zavatra nolazain'Andriamanitra tamin'i Isaià eto?


Ny ankamaroan'ny dikan-tenin'ny Baiboly, anisan'izany ny KJV (King James Version) dia mahatonga ny fiheverana fa ny tian'ireo andininy ireo hambara dia hoe fanahy inian'Andriamanitra ny manadonto ny fo sy ny sain'ny olona. Nefa  raha mamaky tsara ireo andininy ireo ianao, dia hitanao fa somary misy fanebahana, somary misy fanesoana kely ao amin'izy ireo. Nahoana moa Andriamanitra izay miangavy mandrakariva ny olony mba hihaino Azy, mba hahaino Azy,mba hahatakatra  ny heviny,  mba hanokatra ny fony aminy, mba hahafantatra Azy, mba hitodika  aminy sy hiverina aminy ka hositraniny -- no milaza io zavatra lazainy io raha tsy hoe zavatra hafa no tiany hambara?


Vakio ireto toko sy and. ireto - Ahoana no tokony ho fahazoantsika azy ireo raha tarafina amin'ny alalan'ireo and. vao hitantsika teo ireo? Deo. 30:6; Ohab. 2:5; Jer. 3:22; 4:1.


Hita manerana ny Baiboly manontolo fa Andriamanitra dia niantso ny olony mba hihaino sy hankato Azy, ary hiverina Aminy ka hositraniny. Araka ny efa fantatsika anefa dia maro no tsy nihaino. Araka izany, ny zavatra toa mitranga eto izany dia izao: Milaza tsotra fotsiny ny fomba hamalian'ny olona
an'i Isaià Andriamanitra eo, tsy milaza ny zavatra tiany hitranga na zay zavatra hataony mba hitranga izy tsy akory, satria mandà mandrakariva ny fampitandremana ataon'i Isaià ny olona, dia lasa mihamafy ho azy ny fon'izy ireo. Izany anefa akory tsy milaza fa izay no vokatra notadiavin'i Isaià na notadiavin'Andriamanitra – Ny mifanohitra amin'izany aza no izy fa ny Baiboly manontolo dia fiantsoan'Andrîamanitra ny olona mba hanao izay rehetra nasain'i Isaià hatao; araka ny efa fantatsika anefa dia maro no tsy manao izany.


Ahoana ny amintsika ankehitriny? Moa ve isika tsy mitovy amin'ireo olona tamin'ny andron'i Isaià? Ary na dia tsy misy azontsika hatao firy, angamba, ho an'ny hafa, ahoana kosa ny amin'ny tenantsika – tsirairay? Ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy tafalatsaka ao amin'ny fandrika ara-panahy tahaka izay voalaza ao amin'i Isaià isika?

Alakamisy 25-09-2008 : Fanazavana ny jentilisa

Nivelatra bebe kokoa mihoatra noho ny fanavaozana anli Joda ny iraka nampanaovina an'i Isaià. Nampahita fahitana ny amir'i .1erosalema koa izy ny amin'ny maha-fahazavana eo amin'ny havoana azy, ny amin'ny mahavavolombelona ho an'ny firenena rehetra azy maneho Ilay hany terra Andriamanitra marina sy maneho ireo didiny: "Ni, tenclroinbohitra mis), nY tranon'i Jéhovah dia aorina ary pyjentilisa rehetra hitanjozotra hankany" - Isa. 2:2.


Amin'ny maha-Advantista antsika, ahoana no ahazoantsika ny anjara asantsika eo ammin'ny fanatrarana ny olona any ivelany, ary amin'lzao tontolo izao? Jer. Apôk. 14:6.


Vakio Isa. 42:6,7. inona no anjara asa iantsoan'Andriamanitra ny Joda mba hotanany? Ahoana no fahitantsika ny tenantsika eo amin'izay andrailkîtra izay ankehitriny?


Vakio Isa. 49:6. inona no ifandraisan'izany amintsika – Advantista Mitandrina ny Andro FahaFito?


Tamin'ny faramparan'ny taona 1860 vao nahatsapa ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito fa nirahina ho any amin'ny tany hafa izy. Noheverin'ireo Advantista voalohany fa tamin'ireo antokon'olona samihafa tany Amerika avaratra irery ihany no tokony hanatanterahan'izy ireo ny baiko ny amin'ny fitoriana ny Filazantsara. Olona avy tamin'ny kolontsaina maro samy hafa no tao amin'ny fiarahamonina tany Amerika, koa nihevitra ireo Advantista voalohany fa teo an-toerana tany Amerika ihany dia vitan'izy ireo ny nanatratra ny firenena sy ny foko-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra. Araka ny soso-kevitr'i Arthur Spalding dia "fandaminana manatsotra sy  manamaivana ny asa" ho an'ny Fiangonana Advantista tany am-boalohany ny fiheverana fa voafaritra ho an'i Amerika avaratra fotsiny ihany ny iraka nampanaovina azy. – OHSDA, b. 2, t. 193.
Tsy ela akory taorian'izany anefa dia azon'ity fiangonana tanora ity antsaina fa voafetra loatra ny fahitany, koa niroso izy nanomboka nanorina ny fiangonana tany Azia, taty Afrika, tany Eorôpa, tany Pasifika ary nanerana ny tany rehetra, asa izay azontsika tsirairay andraisana anjara amin'ny fomba samihafa.


Inona ireo fomba ahafahanao, na ahafahan'ny fiangonanao mihitsy koa aza, mandray anjara bebe kokoa amin'ny fitoriana ny filazantsara amin'ny any ivelany, mitondra ny famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany" -Asa. 13:47?
   

Zoma 26-09-2008 : Fianarana fanampiny

Vak. "Ny niantsoana an'i Isaià", MM, tt. 251-257.
"Io fahazoana antoka ny fahatanterahan'ny fikasan'Andriamanitra farany io dia nitondra herim-po tao am-pon'i Isaià. Na dia nivondrona nilahatra hiady tamin'ny Joda aza ve ireo fahefana tety an-tany? Na dia tojo fisakanana sy fanoherana aza ve ilay mpitondra hafatr'i Jehovah/hafatry ny Tompo? Efa nahita ny Mpanjaka, dia Jéhovah Tompon'ny maro, i Isaià, efa nandre ny hiran'ireo Serafima izy, manao hoe: "Henika ny voninahiny ny tany rehetra" (and. 3); nananany ny teny fikasana izay nampanantena fa homban'ny herin'ny Fanahy Masina, mampiaiky ny fahadisoana ireo hafatr'i Jehôvah ho an'i Joda mpiodina; koa nisikina herim-po ilay mpaminany vonona hanatanteraka ilay asa nanoloana azy.
Nentiny niaraka taminy foana ny fahatsiaroyana io fahitana io nandritra ny asa mafy naharitra fotoana ela izay nanirahana azy. Nandritra ny 60 taona na maherin'izany no nijoroany teo anoloan'ny taranak'i Joda tamin'ny maha-mpaminany nitory ny fanantenana azy, nihasahy nihasahy hatrany tamin'ireo filazany mialoha ny fandresen'ny fiangonana amin'ny ho avy». – ARSH, 11 Martsa 1915.
"Tsy very maina tsy akory ny fampaherezana nataon'ny mpaminany Isaià an'i Joda hibanjina ilay Andriamanitra velona, ka hanaiky ny fanomezana maimaimpoana atolony. Nisy ireo izay nandray tsara izany teny izany ka nahafoy ny sampiny mba hivavaka aminAndriamanitra. Nianatra ny hahafantatra ny fitiavana sy ny famindrampo ary ny fiantrana ao amin'ny Mpanao azy izy ireo. Nanohy tamin'ny fampirisihana ny fanavaozana tsy miverin-dalana, ny teny nataon'ilay mpaminany teo amin'ny andro nampahory nampahamaloka ny tantaran'i Joda izay tsy namela afa-tsy olom-bitsy teo amin'ny tany. "Amin 'izany andro izany" hoy ny nambaran'i Isaià, -dia hanandratra ny  Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijety ny Iray Masin 'ny Isiraely (...)» - Isa. 17:7. - MM, t. 265.


FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1. Nahoana ny mpaminany no tsy tian'ny olona mihitsy? Alaivo sary antsaina hoe niverina tonga velona indray Isaià ary miasa amin'ny mahampaminany azy amin'ny Fiangonana Advantista. Inona, araka ny hevitrao no tsy maintsy holazainy? Hiova ve ny hafatra entiny? Ahoana ny fahitantsika an'i EGW? Maro amintsika angamba no maneho aminy fihetsika mitovy amin'izay nasehon'ny maro teo amin'ny Isiraely tamin'ireo mpaminany? Mifanakaloza hevitra.
2. Lazao fotsiny hoe inona no anjara asantsika eo amin'ny asa manerantany nanirahana ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Ahoana no ampifandanjantsika ireo zavatra ilaintsika eo an-toerana amin'ny asa fitoriana amin'ny any ivelany, sy ny antson'Andriamanitra hampiely io hafatra io any amin'izao tontolo izao? Fomba ahoana no hijoroantsika ho mahatoky amin'ireo antso anankiroa ireo?

FAMINTINANA :Nanaiky hanatanteraka iraka avy tamin'Andriamanitra, izay sady tsy tian'ny olona, no tsy nisy vokany tamin'ny lafiny maro, ny mpaminany Isaià. Iraka ihany koa izay niafara tamin'ny fanapahana ny tenany tamin'ny tsofa hizara roa izany. Na izany aza anefa dia nisy fiainan'olona vaovao nandritra ny fotoana nanaovany ny asany ary mbola tsapa mandraka ankehitriny ny herin'ny teniny.


Filentehan’ny masoandro Antananarivo:

ZOMA  : 5 ora 53 minitra

SABATA :5 ora 54 minitra

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006