Telovolana 4 : Commencements et appartenance. Le livre de la Genèse

Lesona faha 1 : NY TOETRAN'ANDRIAMANITRA : FOTOTRY NY FANAVOTANA

Daty : 27-09-2008 hatr@ 03-10-2008. Toko dinihina : Sal.139:1-4; Isa. 46:10; Jao 1:4; Rôm. 5:8; 8:37-39; 1 Jao. 5:11, 12

Tsianjery : Izay manambara ny farany hatramin'ny voalohany, ary nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola natao akory; dia Ilay manao hoe ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra.Isa. 46:10

Sabotsy 27-09-2008 : Fampidirana

HEVI-DEHIBE: Ny asam-pamonjena ataon'Andriamanitra dia mivoaka antsitrapo avy amin'ny tena maha-Izy Azy; izy io dia tsy mitaky ny mpanota handresy lahatra Azy ho tia azy ireo.

Maro ny misitery momba an'Andriamanitra, ny zavatra momba Azy, ny maha-Izy Azy, ny fahamasinany, ny heriny, izay tsy haintsika takarina. Na izany aza anefa dia misy lafiny iray momba Azy, izay manomboka azontsika takarina, dia ny fitiavany, fitiavany izay naseho tamintsika tamin'ny alalan'ny asam-panavotana nataon'ny Zanany, asa izay mahakasika antsika isambatan'olona, asa izay maneho ny fivelaran'ny tena maha-Izy an'Andriamanitra sy ny Tenany,
Amin'ity herinandro ity isika dia hanomboka handalina ny fototry ny famonjena, ary hataontsika izany miaraka amin'ny fanekena fa ny hery izay mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny famonjena antsika dia ny fahalebiazana sy ny fitiavan'ilay Andriamanitsika. Tsy nisy zavatra ivelan'Andriamanitra nanery Azy hanao izay nataony ho antsika tamin'ny alalan'ny Zanany. Tetsy an-danin'izany dia noho ny maha-Izy Azy ihany no nandrotsahany ny fitiavany sy ny fahasoavany ho an'ity tontolo efa lavo ity.

Alahady 28-09-2008 : Andriamanitra mandrakizay


Inona no ifandraisan'ny hoe "Ary amin'ny voalohany Andriamanitra nahary (...)"(Gen. 1: 1) amin'ny maha-Izy an'Andriamanitra? Mialoha ny hamalianao dia vakio ihany koa ny Gen. 21:33 sy Sal. 90:2.


Sarotra ho antsika ny manakatra ny endriky ny mandrakizay. Voary manam-piafarana isika (fara faharatsiny eto amin'ity fiainana ity). Fantatsika fa ho faty isika izany hoe, ny zava-drehetra izay mahakasika antsika dia mandalo avokoa: eo izy anio kanefa mbola ho levona indray andro any. Ny zava-drehetra eto amin'ity izao tontolo izao ity dia nanam-piandohana ary mbola hanam-piafarana. Mifanohitra amin'izany anefa, ny fiheverana fa Andriamanitra dia tsy nanam-piandohana ary tsy hanam-piafarana mihitsy, dia tsy mora takarina, indrindra ho an'ny eritreritra zatra misaina ny manampiafarana.


Vakio ny Sal. 102:25-27. Mihatra amin'iza io andalana io ao amin'ny TV? (Jereo Heb. 1:10-12). Inona no hafatra eto, miaraka amin'ny ao amin'ny Sal. 90:2, momba ny faharetan'ny fisian'Andriamanitra?


Koa satria mandrakizay Andriamanitra, koa satria Izy efa nisy talohan'ny zava-drehetra nohariana, dia mitoetra lalandava Izy. Ny zava-boary kosa dia mifanohitra amin'izany. Isika rehetra dia mila rivotra, rano, ary sakafo, mba hihazonana ny fisiantsika (Gen. 1:29), Andriamanitra kosa anefa tsy mila na inona na inona mba hahavelona Azy. Hatramin'izay, talohan'ny naharian'Andriamanitra ny zava-drehetra, dia tsy nisy afa-tsy Andriamanitra irery ihany. Efa nisy izany Izy ary tsy miankina amin-javatra. Izy no manana ny fiainana ao Aminy. Izy irery ihany, izay manana ny fiainana ao Aminy, ilay Tokana Mitoetra Mandrakizay, no afaka mamerina ny fiainana ho an'ny mpanota nibebaka. Ny fiainana miforona, na izao na mandrakizay, dia samy avy amin'Andriamanitra avokoa, ilay Lehibe Mpanome fiainana, jereo Jao. 1:4; 1 Jao. 5:11,12). Miankina Aminy isika amin'ny zava-drehetra.


Eritrereto ny fiankinanao amin'Andriamanitra, amin'ny fiainanao eto antany amin'izao fotoana izao. Manao ahoana mihoatra lavitra noho izany ny amin'ny fiainana mandrakizay? Ahoana no tokony hampirisihan'ny fahalalana izany fiankinana izany anao, hanana fanetren-tena? Nahoana ny fieboeboana,no toetra maharikoriko eo imasonAndriamanitra?

Alatsinainy 29-09-2008 : Andriamanitra dia fitiavana

Ny misiterin'Andriamanitra dia mihoatra lavitry ny haintsika takarina. Izy dia tsy zavatra azontsika katsahina amin'ny herin'ny tenantsika (Jôba 11:7). Ny Baiboly dia tsy manome antsika famaritana voarindra sy ara-pilôzôfia momba ny maha-Izy an'Andriamanitra. Ny Baiboly dia maneho ilay Andriamanitra izay maneho ny Tenany amin'ny alalan'ny asany sy ny fomba fifandraisany amintsika. Lasa fantatsika hoe iza moa Izy, amin'ny alalan'ny zavatra lazainy amintsika momba ny Tenany; raha tsy izany dia kely fotsiny no haintsika momba Azy.
Ny Soratra Masina dia milaza amintsika fa Andriamanitra dia fitiavana, izany hoe, ny antom-pisiany dia fanolorana ny Tenany, ary miseho amin'ny alalan'ny fiheverany ny mahasoa ny hafa izany.


Inona no ambaran'ireto  and. manaraka ireto amintsika momba ny toetra sy ny maha-Izy an'Andriamanitra? Sal. 118:1-4; Rôm. 5:8; 8:37-39; 1 Jao. 4:8,9,16.


Ny fanambarana hoe "Andriamanitra dia fitiavana"  no mitondra antsika ho amin'ny ivon'ny avo indrindra ary,milaza amintsika hoe: (1) Ny "Andriamanitra dia fitiavana" dia midika fa ny fiezahana mamantatra ny fanahin'Andriamanitra dia haneho fa izany, ara-natiora, dia fitiavana. Ny fahazoana ny maha-Izy an'Andriamanitra dia zava-dehibe eo amin'ny fototry ny fanavotana. (2) Ny "Andriamanitra dia fitiavana" dia midika fa Izy dia Tena iray izay tia mifandray; ankafiziny amin'ny maha-Izy Azy ny fiarahana amin'ny voariny. Ary ao amin'izany fifandraisany amin'ny olona izany indrindra no anehoany ny fitiavany. Raha tiantsika ho fantatra raha toa Andriamanitra ka tia antsika na tsia, dia tsy mijery ny fahatsapantsika sy ny fihetseham-pontsika isika, fa mijery ny fomba hitondrany antsika na dia mpanota aza , isika; (3) "Andriamanitra dia fitiavana" dia midika fa tsy misy zavatra hafa ankoatra an'Andriamanitra, manetsika Azy ho tia antsika. Koa satria Andriamanitra dia fitiavana, dia tsy ilaintsika akory, eny, tsy vitantsika aza ny manao ny tenantsika ho maha-te ho tia mba hahatonga antsika hoekeny. Ary azo antoka fa tsy misy mihitsy zavatra maneho ny fitiavany amintsika, mihoatra noho ny drafi-panavotana. Tamin'ny fotoana nahalavo indrindra antsika tamin'ny fahotana, i Kristy no lasa Mpanelanelana antsika, Mpanafaka, ary Mpamonjy, dia fanehoana ambony indrindra ny fitiavan'Andriamanitra ny taranaka lavo.


"Raha izany no nitiavan Andriamanitra antsika (dia mba tokony  hifankatia kosa isika." - 1 Jao. 4:11. Inona avy ireo fomba azo tanterahina ahafahanao maneho fitiavana amin'ny hafa? Inona no zavatra eo amin'ny fiainanao, izay mety hanakana anao tsy haneho izany fitiavana izany?

Talata 30-09-2008 : Andriamanitra amin'ny maha-mpamorona azy


"Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika ary Azy isika, dia olony sy ondry fiandriny." - Sal. 100:3.
Ny Soratra Masina dia sady mazava no tsy misy hisalasalana. Raha tsy misy io fahamarinana fototra io dia tsy misy heviny ny fahamarinana ara-Baiboly. Amin'ny lafiny iray, ny Andriamanitra Mpamorona dia midika fa tsy nisy talohany na talohan'ny asa famoronany (Rôm. 4:17; Heb. b. 11:3) Ny hoe Andriamanitra Mpamorona dia midika fa ny zava-drehetra dia Azy, ary miankina amin'ny heriny sy ny asa soa ataony amin'ny fanolorana izay mahavelona (Sal. 24:1,2; 104:10-14). Ny hoe Andriamanitra Mpamorona dia midika fa ny famoronana dia maneho ny voninahitra sy ny herin'ilay Mpamorona (Sal. 19:1-3; Rôm. 1:20).


Inona no nampanantenain'ny Mpamorona ho an'ny tontolo simban'ny fahotana? Isa. 65:17; Apôk. 21:1.


Ambaran'ny Baiboly mazava tsara fa Andriamanitra dia namorona sy mitana ny zava-drehetra amin'ny alalan'ny herin'ny Zanany (Jao. 1:1-3; Heb. 1:2,3). Ny fanavotana no vahaolana avy amin'Andriamanitra, ho an'ny olan'ny fahotana teo amin'ny voariny. Raha tokony hamela antsika hijinja ny vokatry ny fahotana sy ny fikomiana Izy – dia ny faharavana mandrakizay izany, dia nametraka drafi-pamonjena.


Ahoana no hamaritan'i Paoly ireo izay ao amin'i Kristy? 2 Kôr. 5:17.


Ny herin'Andriamanitra izay niseho nandritra ny famoronana izao tontolo izao ihany, no mbola hery ampiasainy amin'ny famerenana amin'ny laoniny indray ny olombelona lavo, ho araka ny endriny. Nataony nisy ny zava-drehetra, tamin'ny alalan'ny herin'ny Teniny (Sal. 33:6); ary ankehitriny dia amin'ny alalan'ny teniny tonga nofo tao amin'i Kristy ihany no hamerenany antsika amin'ny laoniny indray. (Jao. 1: 1, 12,13; 2 Kôr. 4:16).


Moa ve misy zavatra izay noforonin'ny tenanao manokana ka tananao, zavatra izay nisasaranao sy notandremanao? Amin'ny fomba ahoana no mahatonga ilay hoe rehefa ianao no namorona ilay izy dia manampahefana aminy? Manao ahoana ny fihetseham-ponao ny amin'izay zavatra nataonao? Amin'ny fomba ahoana no ahafahan'izany fampitahana izany manampy antsika amin'ny fahatakarana ny dikantsika eo imason'Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika?

Alarobia 01-10-2008 : Andriamanitra masina


Vakio Isa. 40:25 sy Isa. 57:15. Inona no ambaran'ireo and, ireo amintsika momba ny maha-Izy an'Andriamanitra?


Ny fahamasinan'Andriamanitra dia tsy endrik'Andriamanitra irery ihany fa maneho hoe iza moa Izy, avy ao amin'ny Tenany ihany. Hevitra fototra roa fara faharatsiny no mitambatra ao anatin'ny fahamasinany.
Voalohany, izy io dia mamaritra fa Andriamanitra dia tokana. Ny teny hoe masina matetika dia manondro izay zavatra napetraka ho fampiasan'ny Tompo irery ihany. Fa rehefa ampiasaina amin'Andriamanitra kosa ny teny hoe "masina" dia manamafy ny maha-tokana Azy, sady tsy mety ampitahaina amin'iza na iza. Tsy misy na dia iray aza eto amin'izao tontolo izao, tahaka ilay Andriamanitsika izay tena lehibe sy mahafinaritra indrindra (Jereo Isa. 46:5, 9), ary Izy irery ihany no mendrika ny fiankohofantsika.
Faharoa, ny hoe masina Andriamanitra dia tsy midika fa hoe any lavitra be any Izy, ka tsy azontsika hatonina ary tsy afaka miaraka amintsika. Tsy misaraka ny fahamasinany sy ny fitiavany. Ny fahamasinany dia miseho amin'ny alalan'ny finiavany hitoetra ao amin'ireo olona feno fihaikana sy fietrena. Amin'ny alalan'ny fanatonana azy ireo sy ny fitoerana ao aminy no hamelan'ilay Iray Masina ny voariny, handray anjara amin'ny fahamasinany.


Inona no fampanantenana hita ao amin'ity and. manaraka ity? 2 Kôr. 5:21.

Ny fahamasinan'Andriamanitra dia tsy mandefitra amin'ny fahotana, fa miady hanohitra izany kosa. (Isa. 5:24, Hôs, 9:15, Rôm. 1:18) "Hianao izay madio maso ka tsy te hitsinjo ny ratsy ary tsy mahajery fahoriana. " -Hab. 1:13. Ny fankahalan'Andriamanitra ny fahotana no mahatonga filàna Mpanelanelana. Andriamanitra dia nanendry fomba ahafahana manamasina ny mpanota, ka hahafahan'izy ireo mifaly amin'ny fiarahana Aminy indray. Azo tanterahina amin'ny alalan'i Kristy izany ary ao Aminy ny zava-miafin'ny fitambaran'ny fanavotana sy fahamasinana. Ilay Masina dia teraka toy ny zazakely teto amin'ity planetan'ny fahotana sy tsy fahadiovana ity (Lio. 1:35), hanamasina antsika amin'ny alalan'ny herin'ny fahafatesany nanavotra. "Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin'ny nanaterana ny tenan 'i Jesosy Kristy indray mandeha" .    Heb. 10:10.

 

Hoy ny olona iray: "Inona no antony hilako Mpamonjy? Tsy dia ratsy toetra anie aho e, azo antoka fa tsy dia ratsy tahaka ny maro hafa." Ahoana no hanampian'ny fahazoantsika ny fahamasinan'Andriamanitra, amin'ny famaliana izany olona izany araka ny tokony ho izy?

Alakamisy 02-10-2008 : Andriamanitra mahay ny zava-drehetra


Inona no ambaran'ireto and. ireto amintsika momba ny fahalalan'Andriamanitra? Sai. 139:1-4,15,16; Isa. 46:10; Mat. 10:30.

Mahay ny zava-drehetra Andriamanitra, izany hoe "fantany ny zavadrehetra" (1 Jao. 3:20). Tsy misy miafina Aminy. "Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia ahanjahanja sy aharihary eo imason'ny Tompo. Ny sehatra rehetra eo amin'ny famoronany dia heniky ny fanatrehany, noho izany dia fantany avokoa ny habeny (Sal. 139:7-10). Ny fahalalany antsika dia tanteraka sy feno. Andriamanitra irery ihany no tena manana ny tanjona satria Izy irery ihany no mahalala ny zava-drehetra, amin'ny alalan'ny fomba fijery isan-karazany mitombina,
Tsy vitan'ny hoe fantatry ny Tompo avokoa ny zava-drehetra, fa dia fantany tanteraka ihany koa izay hitranga amin'ny hoavy (Isa. 46:10; Mat. 26:34,74,75). Tsy miafina Aminy akory ny hoavy na ny lasa na ny ankehitriny.

Inona no ambaran'ny 1 Pet. 1:19 amintsika momba ny zavatra hitan'Andriamanitra mialoha mahakasika ny nipoiran'ny fahotana?

Midika zava-dehibe ny fahaizan'Andriamanitra ny zava-drehetra, eo anatrehan'ny fototry ny fanavotana. Koa satria Andriamanitra mahay ny zavadrehetra dia tsy zavatra tsy ahitany fanafana tsy akory ny fahotana. Ilay Andriamanitra izay mahalala tanteraka ny voariny dia efa nahalala mialoha momba ny fahalavoan'ny iray amin'ny Kerôbimany, noho izany dia namolavola drafitra Izy mba hiatrehana ny olan'ny fahotana, eny, fa na dia mbola talohan'ny nitoerany tao amin'ny olombelona aza: "Teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran 'ny fàhasoavana be lavitra. " - Rôm. 5:20. Noho izany, ny fa napahan-kevitr'Andriamanitra hamonjy antsika dia voaafina any amin'ny mandrakizay, ary naseho tao amin'i Kristy. Io no ilay zava-miafina voafina hatry ny fony fahagola" - Rôm. 16:25. "Ilay voàfina tao amin'Andriainanitra izay nanan ny zavatra rehetra" -Efes. 3:9. Talohan'ny  namoronan'Andriamanitra zavatra dia efa hitany mialoha ny niandohan'ny fahotana, ka nanapa-kevitra handresy izany Izy fa tsy handositra izany amim-pahatahorana, Amin'ny fomba fijery avy any ambony, i Kristy dia "ilay Zanak'Ondry izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.  Apôk. 13:8.


Mahalala ny zavatra rehetra momba anao Andriamanitra, na dia izay tsy sahin'olona hovinavinaina akory aza. Na dia eo aza anefa izany fahalalany izany dia mbola tiany hatrany ianao. Ahoana no fomba hanampian'izany anao ny amin'ny fomba hitondrana ny hafa, na dia eo aza ny fahadisoany?

Zoma 03-10-2008 : Fampidirana

FIANARANA FANAMPINY:

Andriamanitra sy ny Fanavotana: "Rehefa eo am-pieritreretana ny drafi-panavotana lehibe isika, izay vao afaka mankasitraka tanteraka ny toetran'Andriamanitra. Ny asa famoronana dia fisehoan'ny fitiavany, kanefa ny fanomezan'Andriamanitra ho famonjena ny taranaka meloka sy potika ihany, no maneho ny halalina tsy manam-petran'ny halemem-panahy sy ny fangorahana ambony indrindra." TC, b. 5, t.739.

Famelan-keloka sy Fahamarinana: "Rehefa nandalina ilay toetra avo indrindra teo amin'ny hazavan'ny hazo fijaliana isika, dia mahita famindrampo, halemem-panahy, ary famelan-keloka miharo amin'ny tsy fanavakavahana sy ny fahamarinana. Hitantsika eo amin'ny seza fiandrianana ilay Iray izay mitondra eo amin'ny tanany sy ny tongony ary ny lanivohony, ny mariky ny fampahoriana    niaretana    mba    hampihavanana    ny    olombelona amin'A ndriamanitra. Mahita Ray isika, izay mitoetra tsy manam-piafarana eo
amin'ny hazavana tsy hay hatonina, kanefa dia mandray antsika ho eo Aminy, amin'ny alalan'ny fahamendrehan'ny Zanany. Ilay raho-mitataon'ny valifaty izay tsy mampanantena afa-tsy fahotana sy fahadisoam-panantenana ihany, rehefa eo anatrehan'ny hazavana mitaratra avy eny amin'ny hazo fijaliana, dia maneho ny soratanan'Andriamanitra manao hoe: ho ela velona anie ianao ry mpanota, ho ela velona! Ianao izay fanahy nibebaka sady mino, ho ela velona anie ianao! Efa naloako ny fanafahana anao." - AA, t. 333,

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA :

•    Ivereno jerena ny hevi-dehiben'ny lesona tamin'ity herinandro ity. Endriny hafa inona amin'ny maha-zava-dehibe maha-Izy an'Andriamanitra, no azonao heverina, ary inona no anjara toerana tanany amin'ny drafipanavotana?
•    Inona no azontsika ianarana momba ny fahamasinan'Andriamanitra, izay hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny hevitry ny hoe tokony ho masina amintsika?
•    Misy olona sasany miady hevitra amin'ny resaka fahafantaran'Andria[manitra zavatra mialoha, sy ny fahalalahantsika amin'ny fanaovan-javatra. Hatraiza ny fahalalahantsika eo amin'ny safidintiska raha toa ka efa fantatr'Andriamanitra mialoha ny safidy izay horaisintsika? Resaho ny amin'izany.

FAMINTINANA:

Ilay Andriamanitra izay manana ny fiainana ao amin'ny Tenany, no hany tokana afaka mamerina ny fiainana amintsika. Tiany isika, tsy hoe satria nisasarantsika ilay fitiavana, fa satria Izy dia fitiavana ary manohy mitia antsika na dia eo aza ny otantsika. Te hamerina antsika amin'ny laoniny ihany koa Izy, ary faka manao izany Izy satria Izy no Mpamorona. Amin'ny maha-Andriamanitra masina Azy, izay tsy afaka mandefitra ny fahotana eo anatrehany, dia afaka manamasina antsika amin'ny alalan'i Kristy Izy. Ny fahalalany tsy hita fetra rehetra dia maneho fa ny fahotana dia tsy tranga tsy nampoizina, fa zavatra izay efa hitan'Andriamanitra mialoha ary efa niomanany ny fiatrehana izany.


 

FILETEHAN'NY MASOANDRO (ANTANANARIVO)

 

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006