Telovolana 4 : Commencements et appartenance. Le livre de la Genèse

Lesona faha 4 : NY FANAVOTANA SY NY FANAPAHAN- KEVITR'ANDRIAMANITRA

Daty : 18-10-2008 hatr@ 24-10-2008. Toko dinihina : Rôm. 3:19-22; Rôm. 5:6-8; 5:20,21; Efs. 1:4; Kôl. 1:26,27; 2 Tim. 1:8,9; Tit. 1:2.

Tsianjery : Rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany, hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, dia ho ao aminy»

Sabotsy 18-10-2008 : Ny fanavotana sy ny fanapahan-kevitr'andriamanitr

HEVI-DEHIBE: 

Efa nanampo ny hisehoan'ny fahalavoana Ilay Andriamanitra Telo izay Iry ary tamin'izany no namolavolana drafitra hoenti-mamaha ny olana vokatry ny fahotana taloha elaben'ny nitrangan'izany.

Ny olombelona dia nomena fahalalahana ara-tsaina izay tsy mba hita tamin'ireo voary hafa noforonin'Andriamanitra teto amin'ity tany ity. Raha vao natolotr'Andriamanitra azy ireo izany fahalalahana izany dia azy tanteraka ka tsy azony nalaina tamin'izy ireo intsony, raha tsy hoe angaha misy fanovana ifotony ilay toetra maha-izy azy sy ny maha-olombelona azy mihitsy. Azon'ny olombelona atao tsara ny mampiasa izany fahalalahana izany amin'ny fanehoana asa tsara izay atao amim-pitiavana, amin'ny fo feno fankasitrahana ary amim-pankatoavana tanteraka, na hampiasa azy koa fa handà ny fanomezan'ny fiainana sy tsy hankato ny Tompo. (Raha tsy nahalala ny atao hoe tsy fankatoavana àry ve ny olombelona dia tsy ho nanana fahalalahana tokoa?)

Nisy hetsika nataon'Andriamanitra tamin'ny nanampoizany ny tsy maintsy hitrangan'izany tsy fankatoavana mahatsiravina îzany, Dia novolavolain'Andriamanitra tao an-tsainy àry ny drafi-panavotana ary taloha elaben'ny namoronany ny olombelona, sy nipoiran'ny ratsy sy ny fahotana no nanaovany izany. Drafitra naorina tao amin'i Jesôsy Kristy sy ny asany izany

Alahady 19-10-2008 : Ny zva-miafin'ny fitiavan'andriamanitra

 

Vakio Rôm. 5:6-8. Araka ireo andininy ireo dia inona no nanosika an'Andriamanitra hitondra famonjena ho antsika tamin'ny alalan'i Jesôsy?

 Tsy noterena hamonjy ny taranak'olombelona Andriamanitra. Tsy hoe zavatra tsy maintsy nataony ny asam-pamonjena. Sarotra ny mieritreritra hoe hiteny toy izao Ilay Andriamanitra Telo izay Iray: «Raha mba nanao an'itsy na iroa izao isika dia tsy ho lavo tao amin'ny fahotana î Adama sy i Eva. Noho izany dia tsy maintsy hanao zavatra hamonjena azy ireo amin'izao fomba ratsiny izao isika.» Ny nataon'ny olombelona ihany anefa no nahatonga azy ireo hahita ny maha-izy azy marina taorian'ny fahalavoany: «Indro, izao ihany no hitako: nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kqfa maro izy» - Mpit.T. 7:29.

Raha nahatsapa fa voatery Andriamanitra tamin'ny namonjeny antsika dia ho nanjary zavatra mendrika ho antsika ny famonjena. Ny mifanohitra amin'izany anefa no marina satria tsy mendrika ny hovonjena isika nefa dia natolotr'Andriamanitra ho antsika an-tsitrapo izany. Izany no mahatonga ny asam-pamonjeny ho zava-manan-danja loatra ho antsika satria nataony ho antsika izany, tsy hoe voatery nanao izany Izy tsy akory fa nisafidy ny hanao izany noho ny fitiavany. Tsy misy fanerena hanao zavatra ho antsika voariny velively amin'llay Mpamorona.

 Vakio Rôm, 3:19-22. Inona no ambaran'i Paoly amintsika eto ny amin'ny fomba nanavotana antsika? Inona no anjara asan'ny lalàna eo amin'ny famahana ny oiana vokatry ny fahotana?

Noho ny fahotana dia tsy ho vitan'ny olona mihitsy, amin'ny alalan'ny fitandremana ny lalàna, ny hanorina indray ilay fifandraisana voalohany nisy teo aminy sy Andriamanitra. (Jer. Rôm. 8:3; Gai. 3:21), Tsy mahavonjy antsika ny lalàna, toy ny hoe tsy hampiverina ny maty amin'ny fiainana indray tsy akory ny famahanana ilay vatana mangatsiaka. Raha toa ka misy zavatra tsy maintsy hitranga dia Andriamanitra ihany no handray fepetra mikasika izany. Ary dia nataony tokoa izany tamin'ny fanambarana ny fahamarinany izay nasehony tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy teo amin'ny hazo fijaliana. Tonga ao amin'ny mpino, amin'ny alalan'ny finoana fa tsy noho ny asan'ny lalàna velively io fahamarinany avy amin'Andriamanitra io. Raha toa ka zavatra tokony ho azontsika amin'ny alalan'ny fankatoavana fotsiny ny famonjena dia tsy maintsy ho nataon'andriamanitra izany mba hanavotany antsika, saingy nadray fanapahan-kevitra Izy hamonjy antsika mila famelan-keloka ny olombelona ary hamerina indray ilay fifandraisana maharitra sy mandrakizay Aminy amin'ny alalan'ny asan'Ilay Zanany Lahy Tokana, dia Jesosy Kristy.

Inona no manan-danja kokoa ho anao: ny olona manao zavatra tsara sy mahafinaritra anao ve satria voatery hanao izany izy sa hoe noho ny fitiavany anao no mahatonga azy hanao izany? Nahoana?

 

 

Alatsinainy 20-10-2008 : Ny zava-miafin'ny fahasoavan'andriamanitra

«Izy no ananantsika fanavotana amin'ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany» - Efes.1 : 7

Mety tsy ho sarotra angamba ny hieritreritra fa tamin'ny nidiran'ny fahotana teto amin'ity tany ity dia nanontany tena ireo voary manan-tsaina sy fahendrena teto amin'izao tontolo izao izy ireny. Natao hanambara koa ny zavatra tsy mbola fahitany taloha, dia ny amin'ny fitiavana sy ny herin'Andriamanitra izay aseho eo amin'ny fiainan'ny olombelona anatin'ny fahalavoana.

Nandresy ny fahotana teto amin'ity planeta ity tamin'ny herin'ny fahasoavany Andriamanitra. Tao anatin'izany toe-javatra izany no nisehoan'Andriamanitra izay feno fahavononana haneho hatsaram-panahy sy hamindra fo amin'ny voariny mpanota sy mpikomy. Hoy i Jesôsy raha nanambara ny Ray: «Fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy» - Lio. 6:35

 

Inona no hevitry ny fifanoherana eo amin'ny fahotana sy ny fanambarana ny fahasoavan'Andriamanitra izay resahin'i Paoly eto? Rôm. 5:20,21

 

Ao amin'ny Baiboly, ny fahasoavana dia endriky ny fitiavan'Andriamanitra ary miitatra sy miparitaka amin'ny fomba manokana ho an'ny mpanota. Toy ny hoe mampiseho ilay toetran'Andriamanitra feno hery, tsy miova ary maharitra izany, izay mikatsaka mandrakariva ny hamerenana indray ireo voary mpanota ho amin'ny firindrana miaraka Aminy,

Ny hevitra ara-Baibolin'ny teny hoe fahasoavana dia manamafy fa fanomezana ho antsika ny asam-panavotana nataon'i Kristy, asa izay tsy tokony natao ho antsika akory. Ny hevitra ambadiky ny fahasoavan'Andria-manitra dia izao:  Tsy azo ialan-tsiny sady tsy azo hamarinina ny fahotantsika ary fahafatesana mandrakizay no mendrika antsika, saingy tsy fahafatesana fa ny fanantenana sy ny teny fikasan'ny fiainana, fiainana mandrakizay mihitsy aza no azontsika. Farany, naseho teto amin'izao tontolo izao tamin'ny fomba samy hafa tao amin'i Kristy sy teo amin'ny asany ity toetran'Andriamanitra mahafinaritra ity. Ao Aminy ary tsy maintsy ao Aminy irery ihany no hahitantsika ny tombon-tsoan'ny «haren 'ny fahasoavany» ka hifaliantsika amin'izany (Efes. 1:7)

.

Vakio 2 Kôr. 8:9. Inona no resahin'i Paoly eto? Ny tena zava-dehibe dia ity: ahoana no nanaovanao fanandramana ho an'ny tenanao manokana ity karazana fahasoavana resahina eto ity? Tamin'ny fomba ahoana no nampiova ny fiainanao vokatry ny zavatra nataon'i Kristy ho anao?

 

Talata 21-10-2008 : Drafitra mandrakizay

Tsy noterena hamonjy antsika Andriamanitra rehefa lavo isika kanefa dia nataony ihany izany. Fanampin'izany, tsy fanapahan-kevitra tonga taorian'ny zava-nitranga tsy akory izy ity, izay tena lafo vidy taminy tokoa.

 

Vakio Efes. 1:4;  Kôl. 1:26,27;  2 Tim. 1:8,9;  Tit. 1:2.

 

Inona no ambaran'ireo and. ireo amintsika ny amin'ny fotoana nanorenana ny drafi-panavotana?

 

Manambara zavatra marobe mikasika ny zava-miafin'llay Andriamanitra ny TV.

.Voalohany, «fony tsy mbola ary akory ny fanorenana izao tontolo izao» - Efes. 1:4, dia efa voarafitra ny drafi-panavotana. Midika izany fa taloha elaben'ny nahalavoan'ny olombelona tao amin'ny fahotana dia efa namolavola drafitra ho vahaolana amin'ity loza ity Ilay Andriamanitra Telo izay Iray.

 Faharoa, «voafina hatramin 'ny fahagola sy ny taranaka maro» - Kôl. 1:26 ny zava-miafina momba an'Àndriamanitra. Tsy hoe voavoatra mialoha fotsiny ny drafitra fa efa voafaritra mazava ihany koa ny fotoana hanatanterahana azy. Araka izany dia voaafina tao amin'llay Andriamanitra Telo izay Iray hatry ny fahagola izy.

.Fahatelo, mampahafantatra manokana ny momba an'i Kristy ity zava-miafina ity (Kôl. 1:27), izay milaza ny zava-miafin'ny maha-olombelona Azy, ny asa nanirahana Azy, ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fanelanelanana ataony ho an'ny taranak'olombelona mpanota.

 Ny Filazantsara kristianina (Etes. 6:19), io no fototry ny vaovao mahafalin'ny famonjena amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy.

Fahefatra, ity zava-miafina ity dia voafaritra mazava tsara fa ny tanjon'Andriamanitra ao amin'i Kristy, dia ny «hanangonanany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’I Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tanv. dia ho ao Aminy» - Efes. 1:10.

 Natao mba hamerenana amin'ny laoniny indray ny firindran'ny tontolo izay ravan'ny fahotana ny drafi-panavotana ka tao amin'ny maha-olombelona an'i Kristy sy tamin'ny alalany no nahazoana nanatanteraka izany. Efa hita mazava tamin'ny fiombonan'ny Jentilisa sy ny Jiosy tao am-piangonana (Efes. 3:6) ny fahombiazan' izany zavatra izany.

 Fahadimy, nanjary fanta-daza tamin'ny alalan'ny fahatongavan'i Kristy teo amin'ny tantaran'ny olombelona ilay zava-miafina izay novolavolain'llay Andriamanitra Telo izay Iray mangingina tany talohan'ny namoronana izao tontoio izao. Na talohan'ny nanorenana izao tontolo izao aza dia efa natao hanavotana ny tany ny drafitr'Andriamanitra, ary tafiditra ao anatin’izay hovonjena isika tsirairay avy izao.

 

Inona no fanantenana azonao sintonina ho an'ny tenanao manokana avy amin'ilay fahamarinana mahatalanjona, dia ny drafitr'Andriamanitra izay nataony mba hamonjena anao na dia tsy mbola nisy akory aza ianao

Alarobia 22-10-2008 : Ny lalan'ny hazo fijaliana

Afaka nitondra vahaolana tamin'ny fikomian'ny olombelona tamin'ny fomba maro samy hafa Andriamanitra. Azony natao ny nandringana an'i Adama sy i Eva avy hatrany, eny, fa na dia ny planeta manontolo aza. Azony natao koa ohatra ny nandray fanapahan-kevitra ny hamoy azy ireo ho anjara ratsiny any, izany hoe azony natao ny namela azy ireo hiatrika ny voka-dratsin'ny fahotana, izay tsy azo ihodivirana, satria dia fahafonganana mandrakizay izany.

 Nisy zavatra anankiray izay tsy azon'Andriamanitra natao anefa:  tsy afaka ny tsy hahalala fotsiny izao ny fikomian'ny olombelona izy ka atao toy ny hoe tsy nisy na inona inona na nitranga ary hamela ny fifandraisany amin'izy ireo hitohy toy ny taloha ihany.

 

Inona àry no nataon'Andriamanitra nony farany? Tsy naringany izy ireo, tsy nafoiny, tsy nodiany tsy fanfatra ihany koa fa indro Izy nanatanteraka ilay tanjona mandrakizay, dia ny tanjon'ny famonjena amin'ny alalan'i Kristy.

 

Vakio Mar. 10:45; Gal. 1:4;  2:20;  Efes. 5:2 ary Tit. 2:14, Inona no hevi-dehibe miverimberina ao amin'ireo and. ireo? Inona no ambaran'izany amintsika ny amin'ny drafi-panavotana?

.

Raha vao nanolo-tena hamonjy antsika Andriamanitra dia tsy nieritreritra safidy marobe hanaovana izany Izy fa fomba tokana ihany no noraisiny. Tsy misy afa-tsy amin'ny alalan'i Kristy tonga nofo, ny asa nanirahana Azy, ny fahafatesany, ny fitsanganany amin'ny maty ary ny fanelanelanana ataony no ahafahana mamaha ny olana nateraky ny fahotana. Raha fandringanana mandrakizay no miandry antsika dia tonga nanolo-tena ho antsika kosa i Jesôsy. Tsy azontsika nosakanana ny fahatongavan'i Kristy ho nofo sy ny fahafatesany mba haha-voavonjy antsika. Amin'ny teny hafa dia izao: lalan-tokana ihany ny mankany an-danitra ary amin'ny alalan'i" Kristy voahombo teo amin'ny hazo fijaliana izany

 Raha tao amin'ny sahan'i Getsemane i Jesôsy, niaritra ny fahoriana mafy ny amin'ny fahatesana (Mat. 26:36-46), sady nilanja ny fahotan'izao tontolo izao, dia nanatona ny Ray Izy ary nanontany Azy raha toa ka misy na tsia fomba hafa mety hanatanterahana ny famonjena ny taranak'olombelona. Ny fahanginan'Andriamanitra no valin-teny tonga. Tsy misy fomba enti-mamaha ny olana mianjady amin'ny olombelona afa-tsy ny sorona ataon'i Kristy ihany.

 Tao amin'ny zava-miafin'ny kômitin'ny lanitra talohan'ny namoronana izao tontolo izao dia efa nanolo-tena ho faty hisolo antsika sy ho avotra ho antsika Ilay Zanak’Andriamanitra. Tsy nisy fomba hafa ankoatra izay !

 Averina indray fa tsy noterena hamonjy antsika Izy fa nataony an-tsitrapo sy tamim-pitiavana izany. Ka raha vao tapa-kevitra ny nanatanteraka ny famonjena i Kristy dia tsy nisy nahasakana ny fahafatesany intsony na dia natao an-tsitrapo aza izany. «Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray. Tsy misy manaisotra ny aiko Amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy» - Jao. 10:17,18

 

Alakamisy 23-10-2008 : Ny drafitr'andriamanitra naseho tao amin'i jesosy.

Araka ireto and. ireto dia inona no nilain'i Jesôsy natao mba hahatanteraka ny asam-panavotana izay nanirahana Azy? Lio. 4:43;  9:22;  17:25;  19:5;  22:37;  24:7;  24:26;  24:44.

 

Ao amln'ireo and. ireo dia saika ahitantsika ny teny hoe «tsy maintsy» izay azo adika hoe «tena ilaina» (teny grika: «dei»). Maneho toe-javatra manan-danja loatra teo amin'ny fiainan'i Jesôsy izany teny izany. Nifantoka tany amin'ny zavatra tsy maintsy nataon'i Jesôsy ny fiainany manontolo mba hahatanteraka ny iraka nampanaovina Azy: «Isika tsy maintsy (tena ilaintsika ny manao) ny asan 'lzay naniraka  Ahy» - Jao. 9:4. Tamin'ny fiantombohan'ny asany teny anivon'ny vahoaka dia izao no nolazainy tamin'ny mpianany: «Tsy maintsy mitory  ny teny soa mahafaly ny amin 'ny fanjakan 'Andriamanitra any amin 'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy» - Lio. 4:43. Hita mazava tsara tamin'ny fahavonany hanatanteraka ny drafitr'AndrIamanitra ho famonjena ny taranak'olombelona ny asa nanirahana an'i Jesôsy. Ny toe-javatra tsirairay niseho teo amin'ny fiainany dia anisan'izany drafitra izany avokoa. Ohatra izao: Raha nahita an'i Zakaiosy Izy dia nanao taminy hoe: «(...) tsy maintsy (mila) mitoetra ao an-tranonao Aho anio» (Lio, 19:5).

 Mbola nihoatra lavitra ny tsy maintsy hitoriana ny vaovao mahafalin'ny fanjakan'Andriamanitra anefa ny tanjon'ny iraka nampanaovina an'i Jesôsy. Nisy lalan-tsarotra, maizin-kitroka tsy maintsy nizorany mantsy. Tsy maintsy nandeha nankany Jerosalema Izy. Azony natao ange ny nifidy ny tsy ho any e! Saingy fantany tsara fa tena nilaina ho amin'ny fanatanterahana ny drafitr'AndrIamanitra izany ka dia «natoron 'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy (mila) hankany Jerosalema Izy ka hampijalin 'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina» - Mat. 16:21. Nankany Jerosalema Izy satria tsy maintsy holavin'ilay taranaka ratsy (Lio. 17:25), hatao ho anisan'ny mpanota (Lio. 22:37) ary hasandratra eo amin'ny hazo fijaliana (Jao. 3:14; 12:34). Tsy ampy hahatanteraka ilay iraka anefa ny fahafatesany fa tsy maintsy nitsangana tamin'ny maty Izy (Asa. 17:3), noraisina tamin'ny voninahitra ary hitoetra any an-danitra mandra-pahatanterak'ireo faminaniana rehetra (Asa. 3:21). Nanaraka ilay drafitra mandraklzay izay niarahan'llay Andriamanitra Telo izay Iray napetraka i Jesôsy.

 

Inona avy ireo zavatra eo amin'ny fiainanao izay tsy maintsy hataonao, izany hoe tena ilainao ny manao azy, ary inona kosa ireo zavatra tsy ilainao hatao? Fomba ahoana no hanavahanao azy ireny, ary inona no maha-zava-dehibe ny fahaizana manavaka izany?

 

Zoma 24-10-2008 : Fampidirana

FIANARANA FANAMPINY:

Famaritana ny atao hoe «fahasoavana»: «Raha tsy lavo izao isika tsy nahafantatra akory ny hevitry ny teny hoe: fahasoavana. Tian'Andriamanitra ireo anjely tsy mba mahalala ota izay manao ny asa asainy tanterahina sady mankato ny baikony rehetra, saingy tsy mba nomen'Andriamanitra azy ireo ny fahasovana. Tsy mahalala na inona na inona ny amin'ny fahasoavana ireo mponin'ny lanitra ireo; tsy misy ilany izany rahateo satria tsy mba nanota izy ireo tsinona. Ny fahasoavana dia toetran'Andriamanitra aseho ho an'ny olombelona tsy mendrika. Tsy isika no mitady azy fa nalefa mba hitady antsika kosa izy. Mahafaly an'Andriamanitra ny mampitoetra ny fahasoavany amin'izay rehetra mangetaheta izany, tsy hoe satria mendrika izany isika fa noho isika tsy mendrika mihitsy!» - MLT, t. 100.

Fanavotana: Tsy vahaolana tratra aoriana: «Hatrizay no efa nitoetra ny tanjona sy ny drafi-pahasoavana. Talohan'ny nahariana izao tontolo izao no efa nifanarahana tamin'ny tolo-kevitr'Andriamanitra fa hoforonina ny olona ary hanan-kery sy fahefana hanao ny sitrapon'Andriamanitra. Tsy niafina tamin'ilay mahefa ny zavatra rehetra anefa ny fihodinan'ny olona sy ny vokatr'izany, saingy tsy nahasakana Azy tsy hahatanteraka ny tanjony mandrakizay izany toe-javatra izany, satria hanorina ny seza fiandrianany amin'ny fahamarinana Jehôvah. Fantatr'Andriamanitra hatrany am-piandohana izay hiafarana (...) noho izany dia tsy vahaolana tratra aoriana velively ny fanavotana.» GAG, t. 129.

«Tsy hoe natao ho faty fotsiny Izy fa nahalala marina koa ny henatra sy ny fietrena; tsy maintsy niaritra ny fampahoriana mahatsiravina natao taminy Izy. Tsy nisy fanerena tamin'ny nitondrana Azy hatramin'ny fahafatesana mahamenatra teo amin'ny hazo fijaliana, fa dia natolony ho fanatitra noho ny ota ny fanahiny. Ny sain'Andriamanitra izay vonona hamonjy izao tontolo izao no sain'i Kristy, Ny fitiavana nananan'ny Ray no fitiavana tao Aminy ary io fitiavana io no nanosika Azy.» BE, 25 Nôv. 1895.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

  Araka ny fanambaran'i EGW izay hitantsika eo ambony dia nohazavainy tsara fa efa fantatr'Andriamanitra mialoha ny amin'ny hahalavo antsika, ary koa ny vokatra aterak'izany dia fahoriana sy fijaliana. Koa nahoana no mbola namorona antsika ihany Izy? Inona no antony nanaovany izany na dia efa fantany izao aza ny zavatra hitranga? Ahoana no hamalian'ny paragrafy manaraka izany fanontaniana izany? Ahoana no hanampian'ny fahoriana niaretan'i Jesôsy antsika hahafantatra bebe kokoa ny antony hamelan'Andriamanitra ny fahoriana hihatra amintsika?                                                                                                                                                                       Manorata andalan-tehy iray takila hamintinanao izay zavatra nanaitra sy nahasarika anao indrindra tamin'ny lesona tamin'ity herinandro ity. Ento eo amin'ny kilasinao izany dia zarao amin'ny hafa.

FAMINTINANA: Tsy hoe nandray fanapahan-kevitra hamonjy antsika fotsiny Andriamanitra fa nataony an-tsitrapo mihitsy izany noho ny toetrany be fitiavana. Izany fanapahan-kevitra izany, izay maneho ny toetrany mpamindra fo sy feno fahasoavana dia efa nataony hatrizay sy ho mandrakizay, vita talohan'ny namoronana antsika ary nitaky ny fahafatesan'llay Zanak'Andriamanitra, izay natao sorona noho ny ota. Niseho ary tanteraka teo amin'ny fiainan'i Jesôsy sy ny asa nanirahana Azy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty ny drafi-panavotana.

 


FILETEHAN'NY MASOANDRO (ANTANANARIVO)

 

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006