HEVI-DEHIBE:
Efa nanampo ny hisehoan'ny fahalavoana Ilay Andriamanitra Telo izay Iry ary tamin'izany no namolavolana drafitra hoenti-mamaha ny olana vokatry ny fahotana taloha elaben'ny nitrangan'izany.
Ny olombelona dia nomena fahalalahana ara-tsaina izay tsy mba hita tamin'ireo voary hafa noforonin'Andriamanitra teto amin'ity tany ity. Raha vao natolotr'Andriamanitra azy ireo izany fahalalahana izany dia azy tanteraka ka tsy azony nalaina tamin'izy ireo intsony, raha tsy hoe angaha misy fanovana ifotony ilay toetra maha-izy azy sy ny maha-olombelona azy mihitsy. Azon'ny olombelona atao tsara ny mampiasa izany fahalalahana izany amin'ny fanehoana asa tsara izay atao amim-pitiavana, amin'ny fo feno fankasitrahana ary amim-pankatoavana tanteraka, na hampiasa azy koa fa handà ny fanomezan'ny fiainana sy tsy hankato ny Tompo. (Raha tsy nahalala ny atao hoe tsy fankatoavana àry ve ny olombelona dia tsy ho nanana fahalalahana tokoa?)
Nisy hetsika nataon'Andriamanitra tamin'ny nanampoizany ny tsy maintsy hitrangan'izany tsy fankatoavana mahatsiravina îzany, Dia novolavolain'Andriamanitra tao an-tsainy àry ny drafi-panavotana ary taloha elaben'ny namoronany ny olombelona, sy nipoiran'ny ratsy sy ny fahotana no nanaovany izany. Drafitra naorina tao amin'i Jesôsy Kristy sy ny asany izany
Vakio Rôm. 5:6-8. Araka ireo andininy ireo dia inona no nanosika an'Andriamanitra hitondra famonjena ho antsika tamin'ny alalan'i Jesôsy?
Tsy noterena hamonjy ny taranak'olombelona Andriamanitra. Tsy hoe zavatra tsy maintsy nataony ny asam-pamonjena. Sarotra ny mieritreritra hoe hiteny toy izao Ilay Andriamanitra Telo izay Iray: «Raha mba nanao an'itsy na iroa izao isika dia tsy ho lavo tao amin'ny fahotana î Adama sy i Eva. Noho izany dia tsy maintsy hanao zavatra hamonjena azy ireo amin'izao fomba ratsiny izao isika.» Ny nataon'ny olombelona ihany anefa no nahatonga azy ireo hahita ny maha-izy azy marina taorian'ny fahalavoany: «Indro, izao ihany no hitako: nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kqfa maro izy» - Mpit.T. 7:29.
Raha nahatsapa fa voatery Andriamanitra tamin'ny namonjeny antsika dia ho nanjary zavatra mendrika ho antsika ny famonjena. Ny mifanohitra amin'izany anefa no marina satria tsy mendrika ny hovonjena isika nefa dia natolotr'Andriamanitra ho antsika an-tsitrapo izany. Izany no mahatonga ny asam-pamonjeny ho zava-manan-danja loatra ho antsika satria nataony ho antsika izany, tsy hoe voatery nanao izany Izy tsy akory fa nisafidy ny hanao izany noho ny fitiavany. Tsy misy fanerena hanao zavatra ho antsika voariny velively amin'llay Mpamorona.
Vakio Rôm, 3:19-22. Inona no ambaran'i Paoly amintsika eto ny amin'ny fomba nanavotana antsika? Inona no anjara asan'ny lalàna eo amin'ny famahana ny oiana vokatry ny fahotana?
Noho ny fahotana dia tsy ho vitan'ny olona mihitsy, amin'ny alalan'ny fitandremana ny lalàna, ny hanorina indray ilay fifandraisana voalohany nisy teo aminy sy Andriamanitra. (Jer. Rôm. 8:3; Gai. 3:21), Tsy mahavonjy antsika ny lalàna, toy ny hoe tsy hampiverina ny maty amin'ny fiainana indray tsy akory ny famahanana ilay vatana mangatsiaka. Raha toa ka misy zavatra tsy maintsy hitranga dia Andriamanitra ihany no handray fepetra mikasika izany. Ary dia nataony tokoa izany tamin'ny fanambarana ny fahamarinany izay nasehony tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy teo amin'ny hazo fijaliana. Tonga ao amin'ny mpino, amin'ny alalan'ny finoana fa tsy noho ny asan'ny lalàna velively io fahamarinany avy amin'Andriamanitra io. Raha toa ka zavatra tokony ho azontsika amin'ny alalan'ny fankatoavana fotsiny ny famonjena dia tsy maintsy ho nataon'andriamanitra izany mba hanavotany antsika, saingy nadray fanapahan-kevitra Izy hamonjy antsika mila famelan-keloka ny olombelona ary hamerina indray ilay fifandraisana maharitra sy mandrakizay Aminy amin'ny alalan'ny asan'Ilay Zanany Lahy Tokana, dia Jesosy Kristy.
Inona no manan-danja kokoa ho anao: ny olona manao zavatra tsara sy mahafinaritra anao ve satria voatery hanao izany izy sa hoe noho ny fitiavany anao no mahatonga azy hanao izany? Nahoana?
«Izy no ananantsika fanavotana amin'ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany» - Efes.1 : 7
Mety tsy ho sarotra angamba ny hieritreritra fa tamin'ny nidiran'ny fahotana teto amin'ity tany ity dia nanontany tena ireo voary manan-tsaina sy fahendrena teto amin'izao tontolo izao izy ireny. Natao hanambara koa ny zavatra tsy mbola fahitany taloha, dia ny amin'ny fitiavana sy ny herin'Andriamanitra izay aseho eo amin'ny fiainan'ny olombelona anatin'ny fahalavoana.
Nandresy ny fahotana teto amin'ity planeta ity tamin'ny herin'ny fahasoavany Andriamanitra. Tao anatin'izany toe-javatra izany no nisehoan'Andriamanitra izay feno fahavononana haneho hatsaram-panahy sy hamindra fo amin'ny voariny mpanota sy mpikomy. Hoy i Jesôsy raha nanambara ny Ray: «Fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy» - Lio. 6:35
Inona no hevitry ny fifanoherana eo amin'ny fahotana sy ny fanambarana ny fahasoavan'Andriamanitra izay resahin'i Paoly eto? Rôm. 5:20,21
Ao amin'ny Baiboly, ny fahasoavana dia endriky ny fitiavan'Andriamanitra ary miitatra sy miparitaka amin'ny fomba manokana ho an'ny mpanota. Toy ny hoe mampiseho ilay toetran'Andriamanitra feno hery, tsy miova ary maharitra izany, izay mikatsaka mandrakariva ny hamerenana indray ireo voary mpanota ho amin'ny firindrana miaraka Aminy,
Ny hevitra ara-Baibolin'ny teny hoe fahasoavana dia manamafy fa fanomezana ho antsika ny asam-panavotana nataon'i Kristy, asa izay tsy tokony natao ho antsika akory. Ny hevitra ambadiky ny fahasoavan'Andria-manitra dia izao: Tsy azo ialan-tsiny sady tsy azo hamarinina ny fahotantsika ary fahafatesana mandrakizay no mendrika antsika, saingy tsy fahafatesana fa ny fanantenana sy ny teny fikasan'ny fiainana, fiainana mandrakizay mihitsy aza no azontsika. Farany, naseho teto amin'izao tontolo izao tamin'ny fomba samy hafa tao amin'i Kristy sy teo amin'ny asany ity toetran'Andriamanitra mahafinaritra ity. Ao Aminy ary tsy maintsy ao Aminy irery ihany no hahitantsika ny tombon-tsoan'ny «haren 'ny fahasoavany» ka hifaliantsika amin'izany (Efes. 1:7)
.
Vakio 2 Kôr. 8:9. Inona no resahin'i Paoly eto? Ny tena zava-dehibe dia ity: ahoana no nanaovanao fanandramana ho an'ny tenanao manokana ity karazana fahasoavana resahina eto ity? Tamin'ny fomba ahoana no nampiova ny fiainanao vokatry ny zavatra nataon'i Kristy ho anao?