HEVI-DEHIBE: Hanehoana ny fomba isan-karazany nanambaran'Andriamanitra ny drafi-pamonjeny, an-jato taona maro talohan'ny hazo fijaliana.
Vantany vao nanolotra vahaolana ho an'ny zava-misy mahafaty sy ny herin'ny fahotana ny Tompo, dia nanambara ilay vaovao mahafaly tamin'ny olombelona lavo Izy. (Ny misiônera voalohany teto amin'ny tantaran'izao tontolo izao dia tsy ny voaforona, fa ny Tenan'ny Mpamorona mihitsy!). Nampanantenain'ny Tompo ihany koa fa io fampanantenana io – dia ny fanavotana izany – dia vaovao mandrakariva ary velona ao an-tsain'ny olombelona, satria tian'ny Tompo ho vonona ny olony rehefa ho tanteraka amin'ny alalan'ny Tenan'i Jesôsy io fampanantenana io. Manerana ny tantaran'ny olony ao amin'ny TT, Andriamanitra dia namorona fitsipika sy lalàna izay mifandray mivantana amin'ny drafi-pamonjeny ka manazava ny fiasan'izy io. Tamin'ny alalan'ny fanaovana fanatitra, ny asa fisoronana, eny fa na dia ny mpanjaka aza (ny tenany no mariky ny Mesia), dia efa nampiomana mialoha ny amin'llay fanatitra ambony indrindra, dia ny fiavian'llay Tena Mpisoronabe, sy ny fanjakan'ilay Mesia Andriana, ka amin'ny alalany no hanatanterahana ny drafi-pamonjen'Andriamanitra.