HEVI-DEHIBE: Ho fanehoana fa ny fomba fanaovana fisoronana ao amin'ny TT, dia manondro ny fisoronana ataon'i Kristy.
Ao anatin'ny baiboly, ny fomba fanaovana fanatitra dia natao mba hanazavana ny fomba hamahan'Andriamanitra ny olan'ny fahotana. Ny ràn'ny biby atao sorona no ivon'ny fisoronana. Alatsaka ny ain'ilay biby, amin'izay voavonjy ny fiainan'ilay mpanota mibebaka. Tandindon'ni Jesosy ilay biby, izay nanolotra ny fiainany ho solontsika.
Rehefa mitondra ny fanatiny eo amin'ny Tompo ny mpanota mibebaka, dia miaiky izy fa mpanota izay mendrika fahafatesana. Kanefa ihany koa izy dia maneho finoana, fahatokiana fa ny Tompo dia hanolotra famelankeloka ho azy, amin'ny alalan'ny fanekena ho tonga sorona hisolo azy. Tena ilaina tokoa ny fandraisana andraikitra noho ny amin'ny fahotantsika (izany dia fantatra amin'ny hoe : fibebahana sy fiaiken-keloka). Ireo izay mahatsapa ny tenany ho mpanota mila famelan-keloka ihany, eo anatrehen'ny fazavan'ny hazo fijaliana, ka mahita amim-panetren-tena fa i Kristy no ilay Zanak'Ondrin'Andriamanitra mitondra ny fahotany, no hahazo fanadiovana.
Efa hatry ny oviana no ahitantsika resaka niandohan'ny biby atao fanatira ao anatin'ny baiboly ? Jereo Gen 3:21 ; 4:3-5.
Ao anatin'ny baiboly, ilay atao fanatitra sy ilay mpanota mibebaka izay mitondra azy dia fantatra fa mifanakaiky, ka ny fiainan'ilay biby dia misolo ny fiainan'ilay olona, ary ny ràn'ilay biby no lasa fitaovana fanavotana (Lev 17:11)
Vakio ny Lev 17:11. Inona no hafatra lehibe indrindra entin'io and. io ho antsika ?
Sary an'ohatra maro no hita ao amin'ny fomba fanaovana fanatitra ara-baiboly.
- Voalohany, koa satria ny fahafatesan'ny biby dia misolo ny fahafatesan'ny olona, ny asa fisoronana izany dia asam-pamonjena, endrika isehoan'ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fitiavany. Vonona hanaiky ny fahafatesan'ny zava-boary hafa izy mba hihazonana ny fananan'ny olombelona fiainana, ka hanohizany ny fiarahana amin'izy ireo.
- Faharoa, ara-baiboly, ny ain'ny biby dia tsy tena mahaavotra ny ain'ny mpanota ; noho izany, ny fahafatesan'ireo izay atao sorona dia sary an'ohatra fotsiny ihany. Fa mihoatra noho izany, izy io dia manondro ny fahafatesan'ny taranak'ilay vehivavy, dia i Jesosy izany, izay nanolotra ny ainy hisolo ny maro (Mar 10:45).
- Fahatelo, ny famonoana ilay biby atao sorona ihany koa dia manazava ny maha-zava-doza ny fahotana sy ny maha-lafo vidy ny famelàna. Nety ho tena narary tamin'i Adama sy Eva ny fanalana aim-biby ; azo antoka izany na dia tamin'ireo israelita aza. Ny dingana hirosoana amin'izany no nanampy azy ireo hahatakatra fa ny fahotana dia tsy misaraka amin'ny fahafatesana, fa ny famelan-keloka kosa dia tsy mba mitovy amin'izany raha eo anatrehan'ny fahotana. Ny vidiny andoavan'Andriamanitra ny fanafahana antsika dia ny "rà sarobidin'i Kristy, ilay Zanak'Ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina" 1 Pet 1:19.
Tamin'ny fotoana nidiran'ny fahotana teto amin'izao tontolo izao, dia efa nametraka fomba fanaovana fanatitra Andriamanitra, izay naneho ny fomba fizotr'ireny sary an'ohatra sy fomba fampianarana ireny. Ny fanatitra voalohany natolotr'i Adama sy Eva dia fanantenan-dehibe mahafinaritra ny amin'ny fiavian'ny Mpanavotra, fanantenana izay natolotra teo anivon'ny fanaintainan'ny fahamelohana sy fahafatesana.
Manao ahoana ny fandraisanao ny tena olan'ny fahotana ? Mety ho hita amin'ny fomba famalianao ity fanontaniana manaraka ity ny valin'izany : fahoriana manao ahoana no atrehin'ny tenanao amin'ny fiezahana hihoatra izany fahotana izany ? Jereo 1 Pet 4:1.
Ny bokin'ny Levitikosy dia milaza an-tsipiriany ny olan'ny fahotana sy ny tsy fahadiovana, kanefa izy io dia manamafy manokana ny lohahevitra mahakasika ny fahadiovana / tsy fahadiovana na fandotoana / fanadiovana. Ny tsy fahadiovana dia heverina ho isan'ny famotehana ny fifanekem-piarahana, toy ny fahotana an'eritreritra ihany. Ny toromarika momba ny tsy fahadiovana dia natao hamolavolana ny isiraelita mba hifady ny zavatra izay mety handoto azy ireo. ny lalàna mahakasika ny fanadiovana dia nampianatra azy ireo momba ny fomba mety hamerenana indray ny fahadiovany eo anatrehan'ny Tompo.
Maro ny loharanon'ny tsy fahadiovana, ary tsy azo sorohina ny sasany amin'izy ireny. ohatra, misy fahalotoana izay atrehin'ny vehivavy mandritra ny fiterahana (Lev 12). Eo amin'izay lafiny izay izao ny fahalotoana dia vokatr'ilay rà mivoaka eo am-piterahana (lev 12:4,5,7 ; jereo ihany koa ny Lev 15:19-30 fa misy karazana fahalotoana hafa). Heverina ho maloto ihany koa ny olona izay mitsi-trà (Lev 15:1-15, 16-18).
Ny isam-batan'olona amin'ireo tranga ireo dia mpitondra loto avokoa ; noho izany izy dia tsy afaka mikasika na iza na iza na zava-masina. mazava ho azy fa ny fanamafisana ny resaka fisasana dia fampirisihana ho amin'ny resaka fahadiovana. misy tombony ara-teolojika ihany koa anefa izany. Ny olona tsy madio dia tsy mahazo mikasika ny olon-kafa ary tsy mahazo mankao amin'ny fitoerana masina. "Ny tsy fahadiovana" izany dia lasa sary an'ohatra anehoana ny fisarahan'ny olona amin'Andriamanitra sy ny hafa. izany hoe ny tsy fahadiovana matetika dia miaraka amin'ny fahafatesana. Misy ifandraisany amin'ny vatana maty hatrany izy io matetika (Nom 6:6,7,11), aretina (lev 13 sy 14), rà maloto mivoaka (fomba hamerezana ny aina), ary famoahana tsirin'aina izay "voa" an'ny fiainana.
Naloto tanteraka ilay boka ary noheverina fa maty (Nom 12:9-12). Efa eo am-baravaran'ny fahafatesana ilay olona maloto ary tsy afaka amin'izany toerana izany raha tsy amin'ny alalan'ny fombafomba fanadiovana. Raha tsy izany izy dia ho tafasaraka tanteraka amin'Andriamanitra sy ny olon'Andriamanitra (Lev 15:31). Ny fomba fijerin'ny baiboly ny fahalotoana dia maneho fa efa ara-boajanahary eo amin'ny olombelona ny fahazoana fahalotoana, avy amin'ny tontolo izay tsy madio raha ara-pototra. Mila fanadiovana izy ireo mba hahafahany manatona maimaim-poana ny Tompo. Tena azo tanterahina izany fanadiovana izany, amin'ny alalan'ny ran'ilay atao sorona (Lev 12:8).
Vakio ny Efes 2:11-13. Na dia tsy hita ao aza ny teny hoe fahalotoana dia manao ahoana ny fomba fijery azy, araka ny fanazavana etsy ambony, hita ao amin'ireo and. ireo ? Inona no karazana "fahalotoana" atrehintsika ankehitriny ? Ahoana no fomba hanadiovana antsika amin'izany ?
Vakio ny Lev 4:3,13,22,27. Inona no ambaran'ireo and. ireo amintsika momba ny fahotana, sy ny hoe iza no mila fanafahana noho ny amin'ny fahotany ? Jereo Rôm 3:23 ; 5:12.
Maro ny lesona azontsika hianarana avy amin'ireo fanatitra noho ny fahotana ireo.
Voalohany, ny karazam-biby entina atao fanatitra dia miankina amin'ny fahefana ara-bolan'ny tsirairay avy (Lev 5:7-12), izany no maneho fa ny Tompo dia mahatakatra ny fahefana araa-bolan'ny olona. Ho antsika kosa izao no tsy tokony hohadinoina : ny famonjena amin'ny alalan'i Kristy dia ho an'ny olona rehetra, tsy hijerena ny fari-piainany eto ammin'izao tontolo izao.
Faharoa, ilay atao fanatitra dia tokony tsy hisy pentimpentina, salama tsara, tsy misy kilema (Lev 4:3). Ny mpanota dia misy kilema sady voapentimpentina ara-môraly, fa tsy mba toy izany kosa ilay fanatitra izay maneho ny Zanak'Andriamanitra.
Vakio ny 1 Pet 1:18,19. Zava-dehibe miendrika inona teo amin'i Jesosy no hita mialoha teo amin'ireo fanatitra tsy misy pentimpentina ireo, ary nahoana izany endrika izany no zava-dehibe amintsika sy ny drafi-pamonjena ? Rôm 5:19, 2 Kôr 5:21, Heb 4:15.
Hevi-dehibe hafa tsara hotadidiana : ilay fanatitra atokotra noho y ota dia sady manafaka amin'ny fahotana tsy niniana natao sy ny niniana natao (Lev 5:1-5), ary ny fahalotoana efa mahazatra (Lev 12:6,7). Inona no lesoa tsara horaisintsika amin'izany ? Tsy misy fahotana izay tsy azon'Andriamanitra avela raha toa ny mpanota ka mibebaka ny amin'izany. Ny fahalotoana ara-drariny sy ny mahazatra dia nesorina an-tsary an'ohatra tamin'ireo mpanota mibebaka, tamin'ny alalan'ny rà fisoroana. Ny ràn'i Kristy irery ihany anefa no afaka manadio amin'ny fahotana. Ny vaovao mahafaly ho antsika, hita mialoha ao anatin'ireny fanatitra ireny, dia ny hoe na nanao ahoana ny lasantsika na ahoana, na ratsy be toy inona aza ny fahalavoantsika, dia ao amin'i Kristy no ahazoantsika famerenana amin'ny laoniny indray, fanasitranana sy famelan-keloka ary fanadiovana.
Indraindra dia mora ihany ny manahy noho ny amin'ny famonjena anao. Tsara mihitsy aza angamba matetika ny mametra-panontaniana ny amin'ny momba anao eo anatrehan'Andriamanitra. Etsy an-danin'izany dia misy ireo olona mieritreritra fa efa voavonjy, kanefa rehefa tonga ny farany dia tsy ho voavonjy akory (Mat 7:22,23). Ahoana no ahafahanao mahazo ny antoka ilainao, sady tsy mirehareha be loatra ny amin'izany anefa ?
Inona no anjara asan'ny mpisorona sy ireo olona eo amin'ny fisoronana voalaza ato amin'ireto and. ireto ? Lev 4:5-7 ; 28-31.
Maro ny fomba amam-panao izay tena zava-dehibe rehefa miezaka mankatra momba ny fanatitra fisoronana. Rehefa entin'ilay mpanota mibebaka ao amin'ny fitoerana masina ilay biby atao fanatitra, dia apetrak'ilay mpanota eo ambonin'ny lohan'ilay biby ny tanany. Amin'ny fanatitra atao isan'andro, ilay fametrahan-tanana dia arahina teny hoe : "hahazoany fankasitrahany izany, hanaovana fanavotana ho azy" (Lev 1:4), milaza fa misy mihevitra tanteraka ilay mpanota sy ilay biby atao fanatitra. Amin'io fotoana io indrindra ilay atao fanatitra no mijoro ho an'ilay olona, eo anatrehan'Andriamanitra, mitondra ny fahotan'ilay olona.
Ilay olona ihany no mamono ilay atao fanatitra, na izany aza anefa dia misy miavaka kely ihany (Lev 1:14,15 ; 5:8). tena manana ny heviny io asa fisoronana io rehefa apetraka eo amin'ny resaka fahamelohana sy fisarahana izay endrika ahitan'ny mpanota mibebaka ny tenany. Noho ny fandikana ilay fifanarahana dia lasa nitodi-doha ho amin'ny fahafatesana ny olona, kanefa kosa ny fahafatesana dia mihatra amin'ilay atao sorona fa tsy amin'ilay mpanota mibebaka, ilay manana fiainana navotan'Andriamanitra.
Tsy afa-misaraka ny fahotana sy ny sazy. Ny famindrana ilay iray dia mitaky ny famindrana ilay iray ihany koa. Ny fahatanterahan'izany dia hita tamin'ny fahafatesan'i Kristy teo an-kazo fijaliana, izay toerana namindrana ny otantsika taminy ka nitondrany ilay fahafatesana izay tokony ho antsika.
Etsy an-danin'ny fametrahan-tanana sy ny fahafatesan'ilay biby, dia fomba iray hafa ihany koa ny fitondrana ilay rà ao amin'ny fitoerana masina, izay fomba hitondrana ny fahotana ao. Misy fotoana izay hanaparitahana azy ao anatin'ny tabernakely ihany koa (Lev 4:6), ary fotoana izay hanosorana azy eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra hodorana (and. 30). Rehefa tsy entina ao amin'ny alalan'izay fomba izay ao anaty tabernakely ny fahotana, dia entina ao amin'ny alalan'ny mpisorona. Amin'izany fotoana izany no tsy maintsy hihinanany ny mofon'ilay fanatitra noho ny ota, ary entin'ny tenany manokana izany ny fahotan'ny vahoaka (Lev 10:17). Andriamanitra no mandray andraikitra noho ny otan'ny mpanota mibebaka. izany no manondro ny asa fisoronana ambony ataon'i Kristy ho antsika.
Eritrereto ny hevitr'ireny fanatitra ireny sy ny zavatra izay tondroiny : Kristy maty teo amin'ny toerantsika noho ny otantsika. Ahoana no tokony ho fiantraikan'ny fahamarinan'ny fahafatesany eo amin'ny fiainantsika ? Mihoatra noho izany, inona no fiantraikan'izany fahafatesana izany ao amin'ny tenanao manokana ?
Inona no asan'ny fanatitra dorana ? Lev 1:3-9 ; 22:17-22.
Ao amin'ny levitikosy, ilay fanatitra dorana dia fanati-panavotana, mibahan-toerana kokoa anefa ny asany hafa. Koa satria ilay fanatitra dia dorana tanteraka eo amin'ny alitara ary nekena ho an'ilay olon, dia maneho fanoloran-tena tanteraka ho an'ny Tompo izany. Izy io ihany koa dia natolotra ho fanati-panalam-boady na fanati-tsitrapo (Lev 22:17-22). Ny fanati-panalam-boady dia entina aorian'ny fahatanterahan'ilay voady, ho fanehoana fankasitrahana ny Tompo. Ny fanati-tsitrapo dia fanehoana ny fanoloran-tena sy fisaorana ary fifaliana.
Inona no asan'ny fanati-pihavanana ? Lev 7:12,16.
Ny fanati-pihavanana dia tsy azo atolotra ho fanati-pisaorana, na fanati-panalam-boady, na fanati-tsitrapo (Lev7:12,15,16). izany dia maneho fa ny fanaovana fanatitra izany dia fotoana mahafady (1 Sam 11:14,15 ; 1 Mpanj 8:62,63). Ny fanomezan'ny Tompo ny nofon'ilay fanatitra hohanin'ireo olona mpiankohoka miaraka amin'ny havany sy namany eo anatrehany (deo 12:17,18), dia manondro fa ilay fanatitra dia manamafy ny fihavanana amin'Andriamanitra sy ny Israelita hafa (Deo 27:7 ; 1 Mpanj 8:63).
Inona no asan'ilay fanatitra hohanina ? Lev 2:1-10.
Ilay fanatitra hohanina dia avy amin'ny vokatry ny tany ary fanehoana ny fanomezan'Andriamanitra maimaim-poana ho an'ny olona. An-Andriamanitra ny zava-drehetra, kanefa angatahiny ny olona mba hitondra sombiny kely avy amin'izany, ho fanehoam-pankasitrahana (Deo 26:9,10). Izy io dia niaraka tamin'ny "siran'ny faneken'Andriamanitra" (Lev 2:13). Tany amin'ny firenena tatsinanana ny sira dia nampiasaina ho fitehirizana, noho izany izy io dia sary an'ohatra mifandraika tsara amin'ny toetoetry ny fanekena izay mampitambatra (2 tant. 13:5). Ny fanatitra dia maneho ny fahavononan'ilay olona hitahiry ny fanekem-piarahana amin'ny Tompo.
Hitantsika ao amin'ny TT ny karazana fanatitra maro izay manana ny asany mifameno, fa fanatitra tokana ihany kosa no hitantsika ao amin'ny TV. Inona no ambaran'izany mikasika ny zava-boary sy ny herin'ny fanatitr'i Kristy ? Inona no antoka azonao raisina ho an'ny tenanao avy amin'ny alalan'io fanatitra tokana io ?
FIANARANA FANAMPINY:
"I Kristy no namolavola ny fomba fanaovana fanatitra, ary nomena an'i Adama izany ho fanehoana Mpamonjy izay ho avy, hitondra ny otan'izao tontolo izao ary ho faty hanafaka azy. Tamin'ny alalan'i Mosesy no nanomezan'i Kristy tari-dalana voasoritra ho an'ny zanak'Israely, mahakasika ny fanatitra fisoronana (...) Biby madio sy manana ny lanjany ihany, izay mendrika indrindra anehoana an'i Kristy, no nekena ho fanatitra ho an'Andriamanitra (...)" - SDG, t.225.
"Mistery tamin'ny maro ny antony nahatonga ny fangatahana fanatitra fisoronana maro tamin'ny fomba amam-panao fahiny, nahoana no fanatitra maro alatsaa-drà no nangatahina hoentina eo amin'ny alitara ? Izao anefa ny fahamarinan-dehibe izay tokony hotsaroan'ny olombeloa sy horaketina ao an-tsaina ary ao am-po : "tsy misy fanafahana raha tsy misy rà alatsaka" Tamin'ny fanatira rehetra nalatsa-drà no nanehoana ny zanak'Ondrin'Andriamanitra izay mitondra ny fahotan'izao tontolo izao". - SDABC, b. 7, t. 932
"Hatramin'ny fanambaràna natao tamin'ny menarana tany Edena, 'hampifandrafesako hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany' - Gen 3:15, dia fantatr'i Satana fa tsy manana fahefana eto amin'izao tontolo izao intsony izy (...) Tamim-pahalianana lehibe no nijereny ny fanatitra natolotr'i Adama sy ny zanany. Tamin'ireny fotoana ireny no nahitany ny sary an'ohatry ny fifandraisana amin'ny tany sy ny lanitra. Nanolo-tena hanapaka izany fifandraisana izany izy. Ratsy ny fomba nanehoany an'Andriamanitra ary navdiny ho zavatra hafe ny fombafomba izay mitondra ho eo amin'ny Mpamonjy. Notarihina hatahotra an'Andriamanitra ny olona, ary nambara fa izy no ilay mifaly amin'ny fahapotehan'izy ireo. Ilay fanatitra izay tokony hanehoana ny fitiavan'Andriamanitra dia natolotra ho fanamaivanana ny fahatezerany fotsiny ihany." - DA, t. 115.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA
- Araka ny nambaran'i EGW etsy ambony, dia navadik'i Satana ny hevitry ny fanatitra. Ahoana no mahatonga antsika ho ambanan-doza eo amin'ny famadihana ny hevitry ny fanatitr'i Kristy ? Inona avy ireo fomba fijery ny hazo fijaliana, izay mety hanova izany fomba fihevitra izany ?
- Tsy mba tahaka ny Israelita, isika dia tsy manana zavatra manana tombambidy izay mampahatsiahy antsika ny vidin'ny fahotana isan'andro ; izany hoe isika izany dia tsy miaina amin'ny fisian'ny fanatitra lalandava, tahaka ny an'ny Israelita tany an'efitra. Inona anefa no fomba ahafahantsika mihazona eo anatrehantsika ilay fahafatesan'i Jesosy ahafahantsika mihazonaa eo antrehantsika ilay fahafatesan'i Jesosy mahagaga ho antsika, amin'izay tsy hohadinointsika mihitsy ny zavatra nataon'i Kristy mba hanolorana antsika ny fanantenana ho amin'ny fiainana mandrakizay ? Hazavao amin'ny teny mora ampiharina ny fomba ahafahanao manokana ny zava-drehetra anananao ho an'ny Tompo. Inon no hevitr'izany ary ahoana no fomba ahafahanao manatontosa izany ?
FAMINTINANA
Andriamanitra dia nametraka ny fomba fanaovana fanatitra taorian'ny nidiran'ny fahotana, ho fampahatsiahivana ny olona momba ny lanjan'ny famelan-keloka sy ny fanaovana sorona ny Zanany tsy ho ela. Fanatitra isankarazany no natolotra mba hanafoanana ny fahotana voafaritra, hanadiovana amin'ny fahalotoana, ary ho fanehoana ny fahatsapana lalina sy fanetren-tena ary fiderana avy amin'ny mpanota mibebaka.
FILETEHAN'NY MASOANDRO (Antananarivo)