HEVI-DEHIBE:
Mijery ny asa fanavotana nataon'i Kristy, indrindra indrindra araka ny nanambaràna azy tao amin'ny fanompoam-pivavahana natao tao amin'ny fitoerana masina tamin'ny Andro Fanavotana.
Nodiovina indray mandeha isan-taona tamin'ny fahotana sy ny fahalotoan'ny Isiraely ny fitoerana masina israelita, ary nafindra tamin'ireo fanatitra isan'andro moa izany ota sy fahalotoana izany. Ny fomba amam-panao isan-taona dia naneho ara-tandindona ilay fotoana izay hamaranan'Andriamanitra avy eo amin'ny fonenany ao an-danitra ny olan'ny fahotana, ka haveriny ho amin'ny firindrany hatrany am-boaiohany indray izao tontolo rehetra izao.
Hianarantsika mandritra ity herinandro ity ny hevitra ara-tandindon'ny Andro Fanavotana, ary koa ny fomba fanehoan' ny fitoerana masina teo amin'ny Isiraely ny fitoerana masin'Andriamanitra ao an-danitra, izay efitra misy ny seza fiandrianany eo amin'izao tontolo rehetra izao.
Hodinihintsika akaiky ihany koa ireo mpisorona tao amin'ny Testamenta Taloha ary ny fomba fanehoan'ny asa fanelanelanana nataony ny asan'i Kristy amin'ny maha-Mpanelanelana sy Mpifona ho antsika Azy ao amin'ny fitoerana masina ao an-danitra.
Inona no ambaran'ireto and. manaraka ireto amintsika mikasika ny anjara asan'ny fitoerana masina eo amin'ny fanandramana sy ny fiainan'ny Zanak'Isiraely? Eks. 25:8,22; 29:42,43; Sal. 28:2; 132:7; 138:2.
Nifantoka tao amin'ny fitoerana masina izay fonenan'Andriamanitra teto ana-tany, ary koa natao tao anatiny ny fanompoam-pivavahana fanaterana fanatitra teo amin'ny Zanak'Isiraely. Ivon'ny fiainana sy ny fahamasinan'ny Isiraely izany. Namaha ny olan'ny ota tao amin'io toerana tokana io Andriamanitra. Nasainy nanangana alitara teo an-kianjan'ny fitoerana masina ny Zanak'Isiraely, ary teo ambonin'izany alitara izany no nametrahana ny ra avy tamin'ny fanatitra mba hanaovana fanavotana ho an'ny olona (Lev. 17:11). Fanehoana azo tsapain-tanana ny aina ny ra ary an'Andriamanitra izany ka tokony haverina Aminy avy eo ambonin'ny alitara.
Eo amin'ny drafi-panavotana dia mampiseho ny ain'ilay mpanota mibebaka ny ain'ilay biby, ka ny fahafatesan'ilay biby tsy manan-tsiny no eken'Andriamanitra fa tsy ny an'ilay mpanota. Tandindon'ny fanatrehan'Andriamanitra ny alitara (Sal. 43:4), ary amin'ny fanekeny ny fanatitra no andraisany andraikitra mikasika ny fahotan'ilay olona. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia izao no lazain'i Jehôvah amin'ny Zanak'Isiraely: "Raha nanota ianao ka maniry ny ho afaka amin'io hery manandevo io dia ento ety Amiko izany, eto amin'ny fonenako, fa Izaho no hiahy izany, Ento ety Amiko izany!" Nandao ny fitoerana masina ny Zanak'Isiraely rehefa notahin'Andriamanitra sy nohamarinin'ny fahasoavany (Sal. 24:3-5; 118:26).
Tandindon'ny asan'i Jesôsy ilay tena Mpisoronabentsika izany rehetra izany. Fonenan'Andriamanitra eo amin'izao tontolo rehetra izao ny fitoerana masina ary toerana ihany koa izay .' hanapahany amin'ny maha-Mpanjakan'izao tontolo rehetra izao Azy. Io ihany koa no toerana izay hamahana ny olan'ny fahotana. Alitara izay nanolorana fanatitra ho antsika ny hazo fijaliana. Milaza amintsika Andriamanitra amin'izao fotoana izao hoe: "Raha maniry ho afaka amin'ny fahotana ianao, ary hahazo famelan-keloka, mankanesa eo amin'ny alitaram-panatitra izay nandoavan'ny Zanako lahy tokana ny honitry ny otanao!"
Nisy olona nanontany ny namany anankiray hoe: "Ahoana no fomba hahafantarako hoe manao ahoana marina moa Andrimanitra?" Izao no valin-teny azony: "Jesôsy eo amin'ny hazo fijaliana jerena, maty noho ny fahotan'izao tontolo izao Izy." Ahoana no fomba anambaran'ny hazo fijaliana amintsika ny endrik'Andriamanltra? Inona no fampaherezana sy fanantenana azonao tsoahina ho an'ny tenanao avy amin'io fanehoana an'Andriamanitra io?
Nahoana no tena nilaina tokoa ny fananana mpisorona izay nanao raharaha tao amin'ny tempoliny? Nom. 18:1-8.
Anjara asa fototry ny mpisorona ny manelanelana an'Andriamanitra sy ny olona, Naneho an'Andriamanitra teo anatrehan'ny olony ny mpisorona mandritra ny asa fampianarany (Deo. 33: 10). Nifandray akaiky tamin'io anjara asa io ny andraikitry ny mpisorona mikasika ny fanambarany ny sitrapon'Andriamanitra amin'ireo izay nitady ny fitarihany (Nom. 27:21). Mpitsara ihany koa no asan'ny mpisorona tao amin'ny fitoerana masina. Natao teo anivon'ny fitoerana masina mantsy ny fitsarana ambony indrindran'ny tany (Deo. 17:8-13; 21:5). Tompon'andraikitra manokan'ny fitahiana ny olona izy ireo (Deo. 10:8; 21:5). Nisolovava ny olona teo anatrehan'Andriamanitra izy. Teo amin'ny anjara asa maha-mpisolovava azy no nitondrany ny olona ho eo amin'ny fanatrehan'i Jehôvah (Eks. 28:9-12,29).
Hita indrindra indrindra nandritra ny fanompoam-pivavahana fanaony isan'andro ny anjara asany amin'ny maha-mpanelanelana azy. Izy no niandraikitra ny alitara nisy ny fanatitra dorana ary nanao izay nirehetan'ny afo mandrakariva teo amboniny, sy nanala ny lavenona ary nanisy kitay vaovao (Lev. 6:10-13). Nasiany fanatitra hodorana teo amin'io alitara io amin'ny maraina ary anankiray hafa amin'ny hariva (Nom. 28:3-8). Niditra tao amin'ny fitoerana masina ny mpisoronabe nandritra ny fanompoam-pivavahana isan'andro mba hamboatra ny lela fanaovan-jiro ary handoro didin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehôvah (Eks. 30:7,8). Isaky ny misy Isiraelita nitondra fanatitra dia nanao sorona izany ho azy ny mpisorona mba hanao fanavotana ho an'ilay mpanota (Lev. 1:5-9; 4:25,26,34,35).
Nisy tanjona telo lehibe nasehon'ny anjara asa fanelanelanana nataon'ny mpisorona. Voalohany, nanambara izany fa misy ny fomba hamitranana ny fihavanana na dia eo aza ilay elanelana lehibe misy eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona. Faharoa, nanambara ny fanirian'Andriamanitra hiaraka amin'ny vahoakany izany. Io dia fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra hitady ny fomba hanakekezana azy ireo na eo aza ny fahotany. Fahatelo, raha avy teo amin'ny toeran'ny Zanak'lsiraely indray dia nampifandray azy tamin'llay Iray Masin'ny Isiraely ny asa fisoronana ary nanome azy ny tombontsoa ho voadio amin'ny fahotana sy ny fahalotoana. Tsy nisy fiatoana ny asan'ireo mpisorona mpanalalana mba hahatonga ny olona ho afaka hanatona an'Andriamanitra mandrakariva ka hahita fahasoavana sy famindrampo.
Mazava loatra fa nanondro an'i Jesôsy Kristy Mpanompon'Andriamanitra sy Mpanalalana fara tampony eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona izany rafitra manontolo izany e.
Tafiditra ho anisan'ny "fanjakam-pisorona" (1 Pet. 2:9) noho ny asan'i Kristy. Inona no anjara asanao ao amin'izany aza fisoronana izany? Ahoana no hanaovanao ny anjara asan'ny "mpisorona" ho an'ny olona hafa?
Maneho ny famahana farany ny olan'ny fahotana sy ny fahatontosan'ny famonjena araka ny hita teo amin'ny fanompoam-pivavahana isan'andro ny fanompoam-pivavahana rehefa Andro Fanavotaria. Tsy maintsy nodiovina ny tabernakely iray manontolo, ny efitra Masina sy ny Masina Indrindra. Tsy maintsy nodiovina izy ireo noho ny "fahalotoan'ny Zanak'lsiraely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra" - Lev. 16:16. Nafindra tao amin'ny fitoerana masin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ireo fanatitra nentin'ny mpanota nibebaka ireo fahotana ireo. Voaverina amin'ny fahadiovany sy ny fahamasinany tamin'ny voalohany ny tabernakely mandritra ny Andro Fanavotana. Amin'io andro io izay indray mandeha isan-taona no misy sombin-toerana kely lavitry ny ota sy ny fahalotoana tahaka ny Saha Edena. Nanome fanombohana vaovao ho an'ny vahoaka isiraelita io fiverenana" amin'i Edena io, izay nankalazaina isaky ny faran'ny taona. Nanondro fanombohana vaovao eo amin'ny firindran'izao tontolo rehetra izao izany (ampitahao amin'ny Dan. 10:35).
Vakio manokana ny Lev. 16:16,17,21,30,33,34. Inona no hevitra voasongadina manokana hitanao ao? Ny fahotan'iza no voakasika tamin'io andro io, raha ampitahaina amin'ny fanompoam-pivavahana isan'andro? Lev. 1:1-4.
Ireo and. ireo dia milaza fa mahafaobe izany fanadiovana izany satria ny fahotana rehetra vitan'ny olona rehetra no voaresaka ao anatiny. Isiraely iray manontolo no voakasik'izany. Izany no hetsika farany nataon'Andiamanitra mikasika ny olan'ny fahotan'ny Isiraely tamirïio taona io, ary mampiseho taratra mialoha ny hetsika farany hataony momba ny fahotana amin'ny andro farany izany (Heb. 9:28).
Inona no nandrasan'Andriamanitra tamin'ny vahoakany nandritra io andro io? Lev. 23:26-31.
Marina tokoa fa mahafaoka ny olona rehetra ny Andro Fanavotana ary tafiditra ao ny firenena iray manontolo kanefa tsy maintsy nanana anjara asa ny isam-batan'olona teo amin'ny fanoiorana tanteraka ny momba azy ho an'Andriamanitra, "Hofongoirma tsy ho amin'ny fireneny" (Lev. 23:29) ireo izay hita ho tsy miankina amin'ny Tompo ka manetry tena tanteraka eo anatrehany.
Mety ho henjana ny fandrenesana izany kanefa ny toetry ny famonjena feno haja sy mahatahotra no tiana hasongadina. Mampitombo indrindra ny faharetan'ny fiarahan'ny olona iray amin'Andriamanitra ny fandalovana izany,
Amin'ny heviny iray, ahoana no tokony "hiorian"' ny fanahintsika isan'andro isan'andro? Inona no hevitr'izany? Jer. Mat. 16:24,25; Rôm. 6:1-13; Heb. 12:4.
Vakio izay voasoratra mikasika ny fombafomba natao tamin'ny osilahy-faditra ao amin'ny Lev. 16:20-22. Inona no lesona nampitaina tamin'io fombafomba io? Mifantoha manokana amin'ny fihafaran'io biby io raha ampitahaina amin'ireo hafa rehetra nampiasaina nandritra ny fanompoam-pivavahana.
Tsy fomba iray nentina nanavotana tsy akory ilay "osilahy-faditra" (Hebreo; Azazel) fa fitaovam-pitaterana fotsiny ihany izy mba hitondrana ny ota sy ny fahaiotoana ho any an'efitra. Ahoana no ahafantarantsika izany?
Voalohany indrindra, rehefa vitan'ny mpisoronabe ny asam-panavotana ao amin'ny fitoerana masina vao afindra ao amin'io biby io ny ota sy ny fahaiotoana. Faharoa, tsy atolotra ho fanatitra tsy akory ilay osilahy; tsy alatsa-dra. izy ary noho izany dia tsy misy ny ra hanaovana fanavotana. Fahatelo, "mitondra/milanja" ny fahotan'ny olona izy, kanefa tsy midika akory izany fa misolo toerana azy ireo tahaka ny nataon'i Jesôsy izy, Mikasika io dia asehon'ny tontolon-kevitra fa midika hoe "mitondra" mankamin'ny toerana anankiray, izany hoe any an'"efitra" (Lev. 16:22) ny matoanteny ampiasaina eto. Rehefa entina hilazana ny asan'llay Mpanompon'Andriamanitra io matoanteny io dia tokana ny heviny: "Izy no nitondra ny foliotait 'ny inaro" (Isa. 53:12). Tsy hoe entiny any amin'izay tiany tsy akory izany fahotana izany fa Izy mihitsy no mandray andraikitra ary amin'ny aialan'izany no hamelany ny fahotantsika. Izany no atao hoe fanavotana fa tsy izay nataon'ilay osilahy-faditra tsy akory.
Fombam-pivavahana natao hanesoran-javatra kosa no natao tamin'ilay osilahy; raha lazaina amin'ny teny hafa dia: izao, fitaovana nentina namongorana na namafana zavatra izay tsy tokony ho eo an-tobin'ny Isiraely ny osilahy-faditra, dia ny fahotana sy ny fahaiotoana izany.
Nisy ny fifanandrinana teo amin'Andriamanitra sy ny hery iray hafa nandritra ny Andro Fanavotana. Naneho anAndriamanitra ilay osilahy natao filokana ho an'i Jehôvah; ary ilay osilahy natao fiiokana ho an'i Azazeîa kosa naneho ilay herin'ny fafjavalo, dia ny demonia izay loharano tara tampon'ny fahotana sy ny fahaiotoana. Tamin'ny namindrana ny fahotan'ny vahoaka tao amin'i Azazela tamin'ny alalan'ilay osilahy no nanomezana anarana io hery io ho loharano niandohan'ny ota. Nanaiky ny ota sy ny fahalotoan'ny olony Andriamanitra mba hanadio azy ireo amin'izany saingy tsy midika akory izany fa Izy no niandohan'ny ratsy. Manambara ara-tandindona ny fandresena farany ananan'ny fahamasinana sy ny fahadiovana amin'ireo herin'ny ota sy ny fahaiotoana ary ny ratsy ny Andro Fanavotana. Milaza mialoha sahady ny fotoana izay hanapahan-kevitra indray mandeha, ny amin'ireo fiampangana notarihin'i Losifera tany an-danitra izany. Hizaka ny vokany i Losifera araka izany noho ny namoronany ny fahotana. Nametraka tsikelikely, ny fanantenana tao amin'ny olony i Jehôvah tamin'ny alalan'io fombam-pivavahana io. Ho avy izay hisian'ny famoronana vaovao noho ny henni Kristy no tondroiny amin'izany, hp avy izay tsy hisy fahafatesana na fahoriana na ny herin'ny ota intsony (Apôk. 21:3,4).
Inona avy ireo foto-kevitra tafaray amin'ny matoanteny hoe "manao fanavotana" ao amin'ireto toko sy and. ireto? Lev. 4:31; 16:18,19,30; 17:11.
Ao amîn'ny Levitikosy, na dia manao ny raharahany amin'ny maha-mpanalalana azy mandritra ny fanompoam-pivavahana mikasika ny fanavotana aza ny mpisorona dia tsy izy ireo tsy akory no manavotra amin'ny ota. Manome famelan-keloka Andriamanitra rehefa vita ny fanompoam-pivavahana (Lev. 4:26; ny tsy filazana ny mpanatanteraka io asa voalaza farany io dia manambara fa Andriamanitra no mamela heloka). Zavatra anankiray izay tanterahin'Andriamanitra ho an'ny olony ny fanavotana. izy no "manao fanavotana ho an 'ny taniny sy ny olony " (Dec 32:43; jereo koa ny Sal. 65:3; 79:9). Avelan'Andriamanitra hikoriana eo amin'ny mpanota ny fitiavany amin'ny alalan'ny fanavotana.
Midika hoe mamafa na manadio ny teny hebreo nadika hoe manao fanavotana ao amin'ny Levitikosy (Heb. Kipper). Atao amin'ny tabemakely, ny alitara ary ny tandroky ny alitara ny fanadiovana, izay midika hoe diovina izy ireo, sasana amin'ny fanimban'ny ota sy ny fahaiotoana. Ny sary tiana haseho dia hoe voaverina amin'ny toetrany voalohany, afaka tamin'ny fanimban'ny ota sy ny fahaiotoana izy ireo. Rehefa ampiharina amin'ny mpanota mibebaka izany dia mbola mitana ny hevitry ny hoe manadio amin'ny ota sy ny fahaiotoana ihany ny matoanteny.
Mety hilaza ny hevitry ny hoe 'mividy indray' ihany koa ny hoe fanavotana satria amin'ny alalan'ny ran'ny biby atao fanatitra no anisian'ny fanadiovana. Amin'ny fandatsahana ny ra/ain'ny biby atao sorona no anafahana ny olona iray amin'ny ota (Lev. 17:11). Atao sorona eo amin'ny toeran'ny mpanota, izany hoe misolo toerana azy izany biby izany, ary noho izany dia mividy indray ny ain'ilay olona (jereo Mat. 20:28, 1 Tim. 2:6).
Hita ihany koa ao amin'ny Levitikosy ny fampiasana ny matoanteny manao fanavotana, mandritra ireo fanompoam-pivavahana samihafa. Tsy azo heverina mihitsy araka izany ny filazana fa asa iray loha monja no tondroin'izany. Raha hazavaina tsotra dia hoe ambaratonga eo amin'ny fanatanterahana zavatra iray ny fanavotana fa tsy toe-javatra tokana mitranga amin'ny fotoana iray monja. Fantatra amin'ny hoe fanavotana ny hetsika rehetra atao ao amin'ny fitoerana masina mandritra ny taona; manomboka amin'ireo fanatitra isan'andro (Lev. 5:10) ka hatramin'ny Andro Fanavotana (Lev. 16:34), miampy ireo fombafomba rehetra eny anelanelany. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia hoe fitambaran'ireo asam-panadiovana ataon'Andriamanitra ho an'ny Isiraely mandritra ny taona ny fanavotana, tafiditra ao anatin'izany ny fanaovana fanatitra sy ny asa fanelanelanana ataon'ny mpisorona ary ny fanesorana farany ny ota sy ny fahaiotoana mandritra ny Andro Fanavotana. Dia tahaka izany no nanehoana ara-tandindona ny toetry ny asam-panavotana ataon'i Kristy ho antsika, mahafaoka ny rehetra tokoa ny toetr'izany asam-panavotana'izany.
Andriamanitra irery ihany no afaka manadio amin'ny fahotana, ary ny ain'i Kristy mihitsy no nalatsaka tamin'izany. Inona no tokony holazain'izany amintsika mikasika ny haratsin'ny fahotana? Nahoana àry no tsy ankahalaintsika mihoatra noho izay ataontsika ny fahotana? Ahoana no mahatonga ny fanaovana fahotana hampihena ny fankahalantsika azy?
FIANARANA FANAMPINY:
"Koa noho ny maha-filohan 'ny ratsy an 'i Satana sy maha-mpitaona azy hanao ny ota rehetra nahatonga ny Zanak'Andriamanitra ho faty, dia mitaky ny hampiharana aminy ny fanamelohana ho faty ny fahamarinana. Tsy tonga lafatra ny asan 'ny Mpamonjy ho fanavotana ny olona, raha tsy amin'ny alalan'ny fanafoanana ny loto izay mandoto ny fitoerana masina any an-danitra. Hisy izany rehefa tafafindra eo ambony lohan'i Satana ampiharana ny famaizana farany, toy izay natao tamin'ny fanompoam-pivavahana ka namaranana ny fivoriana isan-taona tainin 'ny fanadiovana ny fitoerana masina sy nyfamindrana ny ota eo ambonin 'ny osilahy-faditra. " PM, t. 363.
"Voambolana tsy azo asaraka mandrakariva ny ra sy ny aina ary dia fantatra ho mifanindran-dalana hatrany ireo eo amin'ny hevin-teny iray amin'ny fiteny hebreo. Heverina ho loharanon'aina ny ra noho io firaisana akaiky io, ary afaka manavotra aina izy satria maneho ny aina ny ra (Gen. 9:4; Deo. 12:23). Manao fanavotana ho an'ny ain'ny olona iray ny ra satria ao amin'ny rany no misy ny ain'ny va-manan'aina. Misy aina iray atao fanatitra ho an'ny iray hafa. Manatanteraka ny fanavotana ny fandatsahana ilay ra mpisolo toerana eo amin'ny alitara satria nomena ny ain'ilay anankiray izay nanota ny ran'ilay tsy manan-tsiny." — NAC, t. 236.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
• Avereno jerena ireo ambaratongam-panatanterahana ny fanavotana sy ny fanadiovana ao amin'ny fitoerana masina teto an-tany, ampitahao amin'ny fomba andravan'i Kristy ny otantsika izany raha ny tena izy kanefa tsy mamotika antsika akory.
• Olona maro no mahita fa sarotra ny mahatakatra ny antony tsy maintsy nahafatesan'ny biby tsy manan-tsiny maro mba hanesorana ny fahotana. Inona no lesona lehibe ho antsika mikasika ireo fahafatesana ireo? Inona no tokony hambaran'izany amintsika mikasika ny toetry ny fahotana?
• Nodinihintsika nandritra ny herinandro ny amin'ny "fanadiovana" amin'ny fahotana. Inona no hevitr'izany eo amin'ny fiainan'ny olona iray izay mitaky ny ran'i Kristy? 1 Jao. 1:1:7. Inona no hevitr'izany hoe voadio ho afaka amin'ny fahotana?
• Ento eo amin'ny kilasy amin'ny Sabata ny valin-teninao mikasika ilay fanontaniana farany ao amin'ny lesona Alatsinainy. Ampitahao ny valin-teninareo. Ahoana no hanatanterahantsika isam-batan'olona ary koa ny fiangonana, amin'ny fomba tsaratsara kokoa ny anjara asantsika amin'ny maha-"mpisorona" antsika?
FAMINTINANA:
Ny Andro Fanavotana no fahatontosan'ny fanadiovana isan'andro ny Isiraeiita tamin'ny fahotana. Maneho ara-tandindona ny fotoana izay hahatontosan'ny hery manadion'ny fahafatesan'i Kristy amin'ny alalan'ny asam-pitsarana izany.
FILETEHAN'NY MASOANDRO (Antananarivo)
Zoma 14.11.2008 : 6 ora 11 mn
Sabata 15.11.2008 : 6 ora 11 mn