Telovolana 4 : Commencements et appartenance. Le livre de la Genèse

Lesona faha 12 : TAFARAY AMIN'I KRISTY

Daty : 13-12-2008 hatr@ 19-12-2008. Toko dinihina : Rôm. 5:19; 6:3-6; 8:9; 2 Kôr. 5:17; Gal. 4:5-7; 6:15; Ep 4:24; Kol 3:10.

Tsianjery : Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 2 Kor.5:17

Sabotsy 13-12-2008 : Fampidirana

HEVI-DEHIBE:

Mitohy ny asa fampihavanana ataon'i Kristy raha iny Izy fa miantso antsika mba ho tonga anisan'ilay taranaka vaovao atsangany ao amin'ny tenany.
Ny fanaovan'i Kristy sorona ny tenany dia miantoka ny zavatra rehetra ilaintsika ho famonjena antsika. Ao anatin'izany ny fahafahana manana firaisana sy firaiketam-po maharitra aminy. amin'ny maha-Mpamonjy sy Tompo Azy. lo fanakambanana ao amin'i Kristy io, amin'ny alalan'ny fombampivavahana fanaovam-batisa, no fandraisantsika anjara amin'ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin'ny maty; izany no fanekentsika fa ny fahafatesany dia fahafatesantsika satria maty nisolo antsika Izy. Araka izany dia tonga tafaray aminy isika. Ao amin'io firaisana io, dia tsy vitan'ny hoe angatahintsika ho antsika fotsiny ireo tombontsoa tsy manam-petra rehetra avy amin'ny sorona nataony, fa tonga anisan'ilay taranaka vaovao atsangany ao amin'ny tenany koa isika. lo firaisana amin'i Kristy io, amin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy, dia aseho amin'ny fomba mivaingana hita maso amin'ny fikambanantsika amin'ny fiangonana amin'ny maha-tenan'i Kristy azy. Araka izany ny hoe tafakambana amin'i Kristy dia tsy inona fa manana firaisana manokana aminy sy manana firaisana amin'ny mpiara-mivavaka ao amin'ny zava-miafina momba ny Fiangonany.

Alahady 14-12-2008 : Ireo taranak'olombelona karazany roa

Diniho ireo lafin-javatra mitovy sy mifanohitra eto ambany ka lazao ny ambangovangony amin'ny toetry ny taranak'olombelona lasa mpanota noho i Adama sy ny toetry ny taranak'olombelona vaovao nofororonin'i Kristy:

 
ADAMA
KRISTY
1. Zanak'Andriamanitra (Lio. 3:38)
1. Zanak'Andriamanitra (Lio. 3:22)
2. Tsynankato(Rôm. 5:19)
2. Nankato (Rôm. 5:19)
3. Nampiditra ny ota (Rôm. 5:12)
3. Nitondra fahasoavana ho an'ny rehetra (Rôm. 5:20-22)
4. Nampiditra ny fanjakan'ny fahafatesana (Rôm. 5:17)
4. Nahatonga ny fanjakan'ny fiainana hometymisy (Rôm. 5:17)
5. Mpanota avokoa ny taranany
rehetra (Rôm. 5:19)
5. Maro no hatao ho marina amin'ny
alalany (Rôm. 5:19)
6. Nitondra fanameiohana
(Rôm. 5:18)
6. Nitondra fanamarinana (Rôm. 5:18)
7, Maty ny rehetra ao aminy
(1 Kôr. 15:21)
7. Hatao velona ny rehetra ao Aminy
(1 Kôr. 15:21)

Alatsinainy 15-12-2008 : Firaisana amin'i kristy

Fomba ahoana no anehoan'i Paoly ny fanakambanana ny olombelona ao amin'i Kristy? Rôm. 6:3-6; 2 Kôr. 5:17.

Tsy misy olona avy hatrany dia ao amin'i Kristy nefa tsy miaraka amin'ny fanoloran-tena manokana amim-pinoana ho Azy. Ny fanakambanana antsika amim-pinoana ao amin'i Kristy dia miseho eo amin'ny batisa. Goavana ny lanjan'io fombam-pivavahana io.
Voalohany, fanambarana am-pahibemaso izany fa ny fahafatesan'i Kristy dia fahafatesantsika, ary amin'ny alalan'ny fitsanganany tamin'ny maty dia anisan'ny olom-baovao, taranaka vaovao isika. Faharoa, "natao batisa ho amin 'ny fahafatesany" isika. Tamin'ny alalan'ny batisa no nikambanantsika taminy tao amin'ny fahafatesany ho sorona, ka nanorenantsika fifandraisana maharitra taminy. Fahatelo, ny hoe "natao batisa ho amin'i Kristy dia hazavain'i Paoly fa midika, hoe "niara-maty tamin'i Kristy"' isika (Rôm. 6:3, 8) ary novelominy "niaraka tamin’i Kristy » (Kôl. 2:13). Izany dia fiteny fandraisana anjara, izay maneho fa ny fahafatesantsika ny amin'ny ota sy ny fiainam-baovao iainantsika dia tsy mitranga raha tsy ao amin'ny firaisana amin'i Kristy irery ihany, ary tsy mitranga na oviana na oviana izany raha tafasaraka aminy.
Raha lazaina amin'ny teny hafa dia Izao, ireo tombontsoa feno avy amin'ny fahafatesan'i Kristy dia tsy lasantsika raha tsy rehefa mikambana aminy amim-pinoana ao amin'ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin'nymaty isika, ary amin'izay ihany. Ny. hoe miara-maty aminy dia midika hoe manaiky Azy ho Mpamonjy antsika. Ny hoe manaiky Azy ho Mpamonjy dia midika hoe mahita Azy ho llay Zanak'Andriamanitra maty eo amin'ny hazo fijaliana noho ny fahotantsika sy ny fikomiantsika, sy hoe miaina amin'ny fanandramana ny fibebahana sy ny batisa ary ny famelan-keloka Asa. 2:38). Ny tena fiovam-po marina dia mitaky mihoatra noho ny fahafantarana sy ny fanekena ny fahamarinana ara-Baiboly. Mitaky ny fanekentsika ny tena toetrantsika marina, dia ny maha-mpanota antsika izy mba hahatonga antsika hahatsapa fa raha misaraka amin'i Kristy isika, dia fiainana andevozin'ny ota sy ny fahafatesana tanteraka no anjara miandry antsika, ary tsy ho voaova tanteraka izany toetrantsika mampamoy fo izany raha tsy amin'ny fanatonantsika an'i Jesôsy irery ihany. Izany no mitranga rehefa miray amin'ny fahafatesan'i Kristy isika.
 
Farany, ny fanakambanana antsika ao amin'ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty dia midika fa tonga hany Tompontsika Izy. Ny fandraisantsika anjara amin'ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty dia maneho fa tsy manapaka antsika intsony ny ota. Nanontany i Paoly manao hoe: "Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?" - Rôm. 6:2. Ho azy dia tsy azo eritreretina izany hoe Kristianina fehezin'ny herin'ny ota izany. Fantany tsara anefa hoe, na dia efa very seza eo amin'ny fiainantsika aza ny ota, dia mbola mitady hanapaka antsika indray izy. Izany no mahatonga azy hanoratra hoe: "Koa aza avela ny ota hanjaka amin 'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny jUany' - Rôm. 6:12. Azo tanterahina izany amin'ny aialan'ny herin'ny Fanahy Masina raisina eo amin'ny batisantsika. Ny fandraisantsika anjara amim-pinoana amin'ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin'ny maty dia tsy afa-misarakaary vavolombelona maneho fa Azy isika (Gai. 3:27,29; Kôl. 2:12).

Talata 16-12-2008 : Ao amin'i kristy

Ahoana no fahazoantsika ny hevitry ny teny hoe "ao amin'i Kristy", araka ny fanambarana ao amin'lreto toko sy and. ireto? Rôm. 16:7; Gai. 3:28; Efes. 1:1; Kôl. 1:28; 1 Tes. 4:16.

Amin'ny fomba maro samy hafa no ampiasan'i Paoly ny teny hoe "ao amin'i Kristy. Misy fotoana ampiasan'i Paoly io teny hoe "ao amin'i Kristy" io hilazana    zavatra    ataon'Andriamanitra    ao    amin'i    Kristy.    Ohatra: "Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy" - 2 Kôr. 5:19. Hevitra roa lehibe no voizin'io teny io eo, dia ny hoe: I Kristy irery ihany, ary tsy misy hafa, no fitaovana fampihavanana ampiasain'Andriamanitra ary ao amin'ny tenan'i Kristy sy ao amin'ny asany no misy ny fampihavanana. Ny tiana hambara amin'izany dia hoe ao amin'ny firaisana aminy irery ihany no ahafahantsika manana zo aminy. Ny marina dia izao, ny tombontsoa rehetra momba ny famonjena hita ao amin'ny sorona nataon'i Kristy dia ao aminy irery ihany no ahazoantsika azy. Ao anatin'izany ny fahasoavana (Etes. 1:2), ny fanomezàna fiainana mandrakizay (Rôm. 6:23), ny fiantsoan'Andriamanitra ho amin'ny fiainam-pahamasinana (Fil. 3:14), ny fifidianana (Etes. 1:4), ny fanavotana (Kôl. 1:14), ny fanamarinana (Gai. 2:17), ny famelan-keloka (Etes. 4:32), ary ny fanamasinana (1 Kôr. 1:2). Voaforona tao aminy mba hanao asa tsara isika (Etes. 2:10); ao aminy no ahafahantsika manatona an'Andriamanitra (Efes. 3:12), mipetraka any an-danitra isika ankehitriny ao aminy (Efes. 2:6), manana lova isika ao aminy (Efes. 1:10, 11), mandresy isika ao aminy (2 Kôr. 2:14), mahayny zavatra rehetra isika ao aminy (Fil. 4:13), mamaka tsara sy miorina mafy isika ao aminy (Kôl. 2:7). Ireo rehetra ireo sy ny maro hafa koa dia antsika ao amin'ny firaisantsika amin'i Kristy irery ihany.
Ampiasaina koa io teny hoe "ao amin'i Kristy" io hanehoana fa ny zavatra rehetra ataon'ny Kristianina dia ataony ao amin'ny firaisany aminy: Mifaly ao aminy isika (Fil. 3:1), mirehareha isika ao aminy (Rôm. 15:17), mitoetra tsara tsy azo hozongozonina isika ao aminy (Fil. 4:1), mahery isika ao aminy (Efes. 6:10), ary manao asan'ny finoana isika ao aminy (Gai. 5:6).
Ny teny hoe "ao amin'i Kristy" dia miresaka koa momba ny anankiray amin'ireo voka-dratsin'ny ota manimba indrindra. Nampihataka antsika hanalavitra ny ivo sy nahatonga antsika tsy hahita izay lalan-kaleha ny ota, nametraka antsika teo ambany fanapahan'ny hery miasa manginan'ny ratsy. I Kristy kosa ankehitriny no ivon'ny fiainantsika izay niandohana ary Izy no mampitodika ny maha-isika antsika sy ny ataontsika rehetra ho amin'ny lalana tokony haleha. Io ivo io dia ivelantsika ankehitriny, ao amin'i Kristy, ary ao aminy no ahafantarantsika ny tenantsika sy ny anjara be voninahitra nomanina ho antsika. Ny firaisantsika aminy fa tsy ny fitiavan-tenantsika no tokony hamaritra ny zavatra rehetra ataontsika.
Ivereno jerena ireo zavatra rehetra nomena antsika ao amin'i Kristy ireo dia anontanio ny tenanao hoe: Raisiko ho ahy ve ny zavatra rehetra nampanantenaina antsika tamin'ny alalan'i Kristy? Raha tsia, inona no antony?

Alarobia 17-12-2008 : Ao amin'i kristy: ny fanahy sy ny fiangonana

 

Diniho ny Rôm. 8:9, vakio ny fanazavana manaraka eto, dia ezaho hazavaina amin'ny teny ampiasainao, avy eo, ny hevitra raketin'ireo andalan-teny ireo.
Misy fifandraisana ety dia ety amin'ny Fanahy sy i Kristy. Misy hevitra maromaro ao amin'ny Rôm. 8:9, izay mendrika ny hifantohan'ny saintsika, Voalohany, Misy fifanoherana eo amin'ny hoe ao amin'ny nofo sy ny hoe ao amin'ny Fanahy. Ny mpino dia tsy ao amin'ny nofo; izany hoe, tsy fehezin'ny toetra ara-nofo lavo tao amin'ny fahotana izy ireo, tsy eo amin'ny toeran'ny mpanohitra an'Andriamanitra ka tsy afaka milefitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra (and. 6-8). Fa ao amin'ny Fanahy kosa izy ireo; izany hoe, velona ara-panahy izy ireo (and. 10), tonga zanak'Andriamanitra (and. 14), ary tsy manapaka azy ireo ny ota. Lalam-piainana roa tsy afaka mifanaraka no soritsoritarïireo andalan-teny ireo. Hay iray voalohany dia an'ilay oiona taloha ary ilay faharoa kosa dia an'ilay olom-baovao, an'ilay taranaka vaovao ao amin'i Kristy.
Faharoa, ny hoe ao amin'ny Fanahy ny olona iray dia midika hoe an'i Kristy izy. Izany dia milaza fa ny hoe miray amin'i Kristy dia mitovy amin'ny hoe ao amin'ny Fanahy. Ny tiana hambara dia hoe amin'ny alalan'ny Fanahy no ifandraisan'i Kristy amin'ny mpino. Ny firaisana aminy dia firaisana amin'ny Fanahy. Ireo fanomezàna izay antsika ao amin'i Kristy dia voalaza koa fa fanomezàna antsika ao amin'ny Fanahy. Ohatra, hamarinina sy hamasinin'ny Fanahy isika (1 Kôr. 6:11), manana "fanamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Mas ina" isika (Rôm! 14:17), ary koa sady manana firaisana amin'ny Fanahy isika no manana firaisana amin'i Kristy (1 Kôr. 1:9, Fil. 2:1).
Zava-dehibe indrindra koa ny mahatsiaro fa ny firaisana amin'i Kristy amin'ny alalan'ny batisa dia tsy azo sarahina amin'ny firaisana amin'ny tenan'i Kristy, dia ny firaisana amin'ny fiangonana izany. Ny hoe natao batisa ho amin'i Kristy dia tsy inona fa izao: "Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray" - izany hoe, natao batisa isika rehetra ho iray ao amin'ny fiangonana, izay tenan'i Kristy (1 Kôr. 12:13). Ny sary anehoana ny fiangonana hoe tenan'i Kristy dia milaza ny firaisana sy ny fifampiankinan'ny samy mpino sy ny fifampiankinany amin'i Kristy. Ny firaisana toy izany dia hita taratra na misehû eo amin'ny fiainana iainana ao amin'i Kristy/ao amin'ny Fanahy. Ny mambran'ny fiangonana matetika dia fantatra amin'ny anarana hoe ireo "ao amin'i Kristy"; milaza izany fa indraindray ny hevitr'io teny io dia tsotra fotsiny hoe "Kristianina", amin'ny heviny hoe miaina amin'ny fiainana voafarltr'izay nataon'i Kristy ho azy ireo tanteraka.
Jer. ny fiainanao tao anatin'izay 24 ora lasa izay. Zava-misy hita maso inona no manaporofo fa miaina "ao amin'i Kristy" ianao? Hita taratra eo amin'ny tomba ifandraisanao amin'ny mambra hafa ao amin'ny fiangonana, izay anisan'ny tenan'i Kristy koa, ve ny firaisanao amin'i Kristy? Amin'ny fomba ahoana?

Alakamisy 18-12-2008 : Ao amin'ny kristy : ny fanahy sy ny fiangonana

Diniho ny Rôm. 8:9, vakio ny fanazavana manaraka eto, dia ezaho hazavaina amin'ny teny ampiasainao, avy eo, ny hevitra raketin'ireo andalan-teny ireo.

Misy fifandraisana ety dia ety amin'ny Fanahy sy i Kristy. Misy hevitra maromaro ao amin'ny Rôm. 8:9, izay mendrika ny hifantohan'ny saintsika. Voalohany, Misy fifanoherana eo amin'ny hoe ao amin'ny nofo sy ny hoe ao amin'ny Fanahy. Ny mpino dia tsy ao amin'ny nofo; izany hoe, tsy fehezin'ny toetra ara-nofo lavo tao amin'ny fahotana izy ireo, tsy eo amin'ny toeran'ny mpanohitra an'Andriamanitra ka tsy afaka milefitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra (and. 6-8). Fa ao amin'ny Fanahy kosa izy ireo; izany hoe, velona ara-panahy izy ireo (and. 10), tonga zanak'Andriamanitra (and. 14), ary tsy manapaka azy ireo ny ota. Lalam-piainana roa tsy afaka mifanaraka no soritsoritan'ireo andalan-teny ireo. Ilay iray voalohany dia an'ilay olona taloha ary ilay faharoa kosa dia an'ilay olom-baovao, an'ilay taranaka vaovao ao amin'i Kristy.
Faharoa, ny hoe ao amin'ny Fanahy ny olona iray dia midika hoe an'i Kristy izy. Izany dia milaza fa ny hoe miray amin'i Kristy dia mitovy amin'ny hoe ao amin'ny Fanahy. Ny tiana hambara dia hoe amin'ny alalan'ny Fanahy no ifandraisan'i Kristy amin'ny mpino. Ny firaisana aminy dia firaisana amin'ny Fanahy. Ireo fanomezana izay antsika ao amin'i Kristy dia voalaza koa fa fanomezana antsika ao amin'ny Fanahy. Ohatra, hamarinina sy hamasinin'ny Fanahy isika (1 Kôr. 6:11), manana "fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina" isika (Rôm. 14:17), ary koa sady manana firaisana amin'ny Fanahy isika no manana firaisana amin'i Kristy (1 Kôr. 1:9, Fil, 2:1).
Zava-dehibe indrindra koa ny mahatsiaro fa ny firaisana amin'i Kristy amin'ny alalan'ny batisa dia tsy azo sarahina amin'ny firaisana amin'ny tenan'i Kristy, dia ny firaisana amin'ny fiangonana izany. Ny hoe natao batisa ho amin'i Kristy dia tsy inona fa izao: "Fanahy iray ihany no nanaovambatisa antsika rehetra ho tena iray" – izany hoe, natao batisa isika rehetra ho iray ao amin'ny fiangonana, izay tenan'i Kristy (1 Kôr. 12:13). Ny sary anehoana ny fiangonana hoe tenan'i Kristy dia milaza ny firaisana sy ny fifampiankinan'ny samy mpino sy ny fifampiankinany amin'i Kristy. Ny firaisana toy izany dia hita taratra na miseho eo amin'ny fiainana iainana ao amin'i Kristy / ao amin'ny Fanahy. Ny mambran'ny fiangonana matetika dia fantatra amin'ny anarana hoe ireo "ao amin'i Kristy"; milaza izany fa indraindray ny hevîtr'io teny io dia tsotra fotsiny hoe "Kristianina", amin'ny heviny hoe miaina amin'ny fiainana voafaritr'izay nataon'i Kristy ho azy ireo tanteraka.

Jer. ny fiainanao tao anatin'izay 24 ora lasa izay. Zava-misy hita maso inona no manaporofo fa miaina "ao amin'i Kristy" ianao? Hita taratra eo amin'ny fomba ifandraisanao amin'ny mambra hafa ao amin'ny fiangonana, izay anisan'ny tenan'i Kristy koa, ve ny firaisanao amin'i Kristy? Amin'ny fomba ahoana?

Zoma 19-12-2008 : Fampidirana

 FIANARANA FANAMPINY:

 "Nanome fisiana ivelan'ny Tenany ho an'ny olombelona i Kristy. Ny hitondra ny olombelona ho ao amin'i Kristy, ny hitondra ny taranaka lavo ho iray amin'Andriamanitra, no asan'ny fanavotana. Nandray ny toetra maha-olona i Kristy mba ho iray aminy ny olona tahaka ny maha-iray Azy amin'ny Ray, mba ho tia ny olona tahaka ny itiavany ny Zanany lahitokana Andriamanitra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra ny olona ka ho tanteraka ao aminy." – SLM, b. 1, t. 251.
"Ao amin'i Kristy" ve ianao? Tsia raha toa ianao tsy manaiky fa mpanota diso, malemy, voaheloka, Tsia, raha toa ianao manandra-tena sy manao ny tenanao ho reharehanao. Raha misy zavatra tsara ao aminao dia noho ny famindrampon'ny Mpamonjy iray be fangorahana izany. Ny nahaterahanao, ny lazanao, ny harenao, ny talentanao, ny toetra tsara anananao, ny fitiavambavaka ao aminao, ny fitiavanao ny mpiara-belona aminao, na zavatra hafa ao aminao na zavatra hafa misy ifandraisany aminao, dia tsy hampisy fatorana mampiray ny fanahinao amin'ny Kristy. Ny firaisanao amin'ny fiangonana (...) dia tsy misy ilàna azy raha tsy hoe angaha ka mino an'i Kristy ianao. Tsy ampy ny hoe mino ny momba Azy; tsy maintsy mino Azy ianao. Tsy maintsy miantehitra tanteraka amin'ny fahasoavany mahavonjy ianao." – 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA

 
•   Samy misy ao anatintsika amin'izao fotoana izao ilay olom-baovao sy ilay olona taloha. Fomba ahoana no anaovanao fanandramana isan'andro ny fisian'ireo olona / toetra anankiroa ireo? Iza amin'ireo no miseho mora foana ety ivelany ary toa mandeha ho azy ery izany? Fa nahoana?
•    Mampanantena lanitra vaovao sy tany vaovao ny Soratra Masina; izany hoe, ny zavatra rehetra ety dia ho voafaoka, hanjavona tsy ho hita intsony mandrakizay. Moa ve ny fahatsapana fa mandalo ny zavatra rehetra tsy tokony hanampy antsika eo amin'ny fametrahana izay zavatra hataontsika loha laharana eo amin'ny fiainantsika?
•    Lazalazao amin'ny fomba azo tanterahina ny dikan'izany hoe "ao amin'i Kristy" aminao. Misy akony eo amin'ny fomba ifandraisanao amin'Andriamanitra sy amin'ny hafa ve izay fanandramana izay?
•    Tokony hisy fiantraikany tsara eo amin'ny fiainam-piangonana ny sary anehoana ny fiangonana hoe tenan'i Kristy. Amin'ny fomba ahoana? Inona no mihazona ny mambra hitambatra ho tena iray ao amin'i Kristy? (Kôl. 3:14). Fomba ahoana no ahafahanao mandray anjara tsara kokoa hahatonga ny fiangonana ho iray eo amin'ny hafatra toriny sy ny iraka tanterahiny?
 

FAMINTINANA

I Adama, tamin'ny alalan'ny fahotany, no antony nampisy taranak'olombelona tafasaraka tamin'Andriamanitra. Tonga anefa i Kristy, nanana firaisana tamin'Andriamanitra, nandresy ilay fahavalo, maty noho ny fahotantsika, ary nanangana tarakana vaovao, taranaka manana firaisana amin'Andriamanitra, afaka amin'ny hery manandevon'ny ota sy ny fahafatesana. Araka ny toetsika dia anisan'ilay taranaka taloha isika nefa tonga anisan'ilay taranaka vaovao amin'ny alalan'ny finoana Azy, Toy izany no anombohantsika fiainam-baovao, manana firaisana amin'i Jesôsy sy ny fiangonany.


FILETEHAN'NY MASOANDRO (Antananarivo)

 

www.advantistalyon.com
Herinandro 38 taona 2009
Herinandro 37 taona 2009
Herinandro 36 taona 2009
Herinandro 35 taona 2009
Herinandro 34 taona 2009
Herinandro 33 taona 2009
Herinandro 32 taona 2009
Herinandro 31 taona 2009
Herinandro 30 taona 2009
Herinandro 29 taona 2009
Herinandro 28 taona 2009
Herinandro 27 taona 2009
Herinandro 26 taona 2009
Herinandro 25 taona 2009
Herinandro 24 taona 2009
Herinandro 23 taona 2009
Herinandro 22 taona 2009
Herinandro 21 taona 2009
Herinandro 20 taona 2009
Herinandro 19 taona 2009
Herinandro 18 taona 2009
Herinandro 17 taona 2009
Herinandro 16 taona 2009
Herinandro 15 taona 2009
Herinandro 14 taona 2009
Herinandro 13 taona 2009
Herinandro 12 taona 2009
Herinandro 11 taona 2009
Herinandro 10 taona 2009
Herinandro 09 taona 2009
Herinandro 08 taona 2009
Herinandro 07 taona 2009
Herinandro 06 taona 2009
Herinandro 05 taona 2009
Herinandro 04 taona 2009
Herinandro 03 taona 2009
Herinandro 02 taona 2009
Herinandro 01 taona 2009
Herinandro 52 taona 2008
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006