Telovolana 1 : Famille terrestre et famille spirituelle

Lesona faha 6 : FISEDRANA NY MPAMINANY

Daty : 31-01-2009 hatr@ 06-02-2009. Toko dinihina : Isa 8 :20 ; Jer 18 :6-10 ; Jôna 3, 4 ; Mat 7 :20 ; Ga 2 :11-14.

Tsianjery : Aza manao tsinontsinona ny faminaniana,fantaro ny zavatra rehetra; hazony mafy izay tsara - 1Tes. 5:20,21

Sabotsy 31-01-2009 : Fampidirana

Milaza mazava ny foto-pinoana faha-18 fa "Anankiray amin'ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina ny faminaniana. Marika famantarana ny fiangonana sisa io FP io, ary voaseho teo amin'ny asan'i EGW, izay mpitondra hafatry ny Tompo. Loharanom-pahamarinana mitohy sady misy fahefana ireo asasorany, ka manolotra fampaherezana ny fiangonana, tari-dalana sy fampianarana ary fanitsiana. Ataony mazava tsara ihany koa fa ny Baiboly no faneva izay isedrana ny fampianarana sy ny fanandramana rehetra." - SDAB, 1988, t. 247.

(Jereo koa Joe. 2:28,29; Asa 2:14-21; Heb. 1: 1-3; Apôk. 12:17; 19: 10.)

Eken'ny fiangonana ho mpaminany vavy Rtoa White, na dia tsy manao ny tenany ho izany na oviana na oviana aza izy. Izao no nosoratany tamin'ny taona 1905: "Manao ahy ho mpaminany ny olona sasany, kanefa tsy noraisiko ho ahy velively izany anaram-boninahitra izany. Ataoko fa tsy andraikitro ny manondro ny tenako ho izany." — SIM b. 1, t. 36. Amin'ity herinandro ity isika dia hijery akaikikaiky kokoa ny FPF ananany. 

 

Indray mitopy maso: Ahoana no fomba nifandraisan'Andriamanitra tamin'ny mpaminaniny? Inona avy ireo fisedrana ara-Baiboly ny tena mpaminany marina? Inona no atao hoe: faminaniana misy fepetra? Tsy mba mety diso ve ny mpaminany? Nahoana isika no mino fa avy amin'Andriamanitra ireo fahitana sy nofy ara-paminaniana azon'i EGW?

 

Alahady 01-02-2009 : Nofy sy fahitana

"Ary rehefa izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo. ny lahiantitrareo hanonofy ary ny zatovolaninareo hahita fahitana " - Joe. 3:1.

Ahoana no fomba nifandraisan'Andriamanitra tamin'ireo olona izay nantsoiny haminany? Gen. 15:1; Nom. 12:6--8; Dan. 7:1.

Fantatsika avy ao amin'ny SM fa nampiasa ny nofy sy ny fahitana Andriamanitra tamin'ny voalohany mba hifandraisana amin'ireo mpitondra ny hafany. Nanana anjara asa lehibe ny nofy ara-paminaniana teo amin'ny fotoan'andron'ireo patriarka (Gen. 20--41), teo amin'ny asan'i Daniela (Dan. 1- -7), sy teo amin'ny fitantarana mikasika ny nahaterahan'ny Mpamonjy (Mat. 1:20; 2:12; 19:22). Matetika dia matetika ny fahitana no voalaza ao amin'ny asasoratry ny mpaminany (Isa. 1:1; Ezek. 1:1; Dan. 8:1; Obad. 1:1; Nah. 1:1) ary ny ao amin'ny bokin'ny Asa (9:10;10:3;11:5;16:9;18:9).     

Nandray fahitana sy nofy ara-paminaniana miisa roa arivo teo ho eo i EGW nandritra ny 70 taona niasany (1844-1915). "Indraindray aho no nentina lavitra dia lavitra tany amin'ny hoavy ary naseho ahy izay zavatra hitranga. Naseho ahy indray avy eo ny zavatra efa lasa. Tsy tsaroako avy hatrany avokoa tsy akory izay hitako, aorian'ny fandraisako ny fahitana, ary tsy dia mazava amiko aza ny tena foto-keviny raha tsy manoratra aho. Miseho eo anoloako araka ny nahitako azy tao amin'ny fahitana mihitsy àry ny toe­javatra rehetra, ka afaka manoratra amin-kalalahana aho." — SIM, b. 1, t. 36,

Matetika no nisy olon-kafa koa nanatri-maso azy nandritra ny fanomezana ny fahitana. Hitan'izy ireo tamin'izany ny tranga sasantsasany teo amin'ny toe-batany - tsy niaina izy, nisy hery tsy avy amin'ny tenany tao aminy (tsy nisy afaka nanetsika ny rantsam-batany), ary tsy nisy fantany mihitsy ny zava-mitranga manodidina azy. Nitsangana ho vavolombelona ny amin'ny toetry ny fahitany izay mihoatra ny herin'olombelona, na ny Advantista na nt' tsy Advantista. Izao no nolazain'i J.N Loughborough tao amin'ny fivorian'ny Foibe Maneran-tany tamin'ny taona 1893: "Efa indimampolo teo ho eo aho no nahita ny Anabavy White teo am-pahazoana fahitana. Efa nisy ny mpitsabo manam-pahaizana manokana izay nandinika azy nandritra ny fahitana, ary nambaran'izy ireo taminay fa tsy hain'izy ireo hazavaina ireo zava-miseho mikasika ny fahitany." - GCDB, 29 Jan. 1893.
Inona no fanandramana tsapanao mikasika ny asasoratr'i EGW? Tamin'ny fomba ahoana no niasan'izy ireo teo amin'ny fiainanao arapanahy? Esory avokoa izay mety ho hevitra mibahana mialoha ao antsainao mikasika ireo asasorany, fa mamakia ny sasantsasany amin'izy ireo. Inona no ambaran'izy ireo aminao mikasika ny mpanoratra?

 

Alatsinainy 02-02-2009 : Mifanaraka amin'ny baiboly


Inona no anankiray amin'ireo fisedrana lehibe indrindra ny tena mpaminany marina (Isa. 8:20)? Nahoana no tokony ho tena zava-dehibe tokoa izany?

Lalàna (torah, amin'ny teny Heb.) no voambolana ara-Baiboly iraisana ka entina hilazana ireo asasoratr'i Mosesy avy tamin'ny tsindrimandy (Den. 4:44; 31:9); ny vavolombelona kosa dia entina hilazana ny teny fanamarinana ataon'ny mpaminany (2 Tant. 23:11; Jao. 3:32). Raha lazaina amin'ny teny hafa dia hoe: tsy maintsy mirindra tsara amin'izay efa nambaran'Andriamanitra teo aloha izay lazain'ny mpaminany. Na dia nety ho nanampy fanambaràna hafa mikasika ny drafi-pamonjena aza ireo mpaminany taty aoriana, dia tsy manohitra izay efa voalazan'Andriamanitra izany. Hanjary tandindomin-doza mantsy amin'izay fotoana izay ilay toetran'Andriamanitra tsy miovaova (Mal. 3:6) eo anatrehan'ny fanambaràna ataony ho an'ny taranak'olombelona.
Hitantsika ao amin'ny Jer. 28 ny ohatra anankiray ny amin'io fisedrana ny tena mpaminany marina io. Naminany i Jeremia fa hanompo ny mpanjakan'ny Babilôna mandritra ny 70 taona ny Isiraely (Jer. 25:11). Taona vitsivitsy talohan'ny hifaranan'ny 70 taona dia nanambara i Hanania, zanakalahin'i Azora: "Tao anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: 'Efa notapahiko ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona, ka ao anatin'ny roa taona no hampodiako amin'ity tanàna ity nyfanaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah mbamin'ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babylona.  Jer. 28:11-4.4
Koa satria tsy nifanaraka tamin'izay nolazain'i Jehôvah tamin'i Jeremia tamin'ny voalohany izany, dia nanome hafatra anankiray ho an'i Jeremia indray Izy: "Mba henoy ry Hanania: Tsy naniraka anao Jehovah fa hianao dia nampitoky ity firenena ity ho amin'ny lainga. Koa izao no lazain'i Jehovah: ( ... ) amin'ity taona ity ihany no hahafatesanao, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notorinao, ka dia maty tamin'ny volana fahafito tamin'inv taona iny ihany i Hanania mpaminany" Jer. 28:15-17.

Ny tena mpaminany marina rehetra dia efa nanao ny asasoratr'ireo mpaminany teo alohany ho baorina famaritan-taninny asany. Tot' izany koa ny an'i EGW. Afaka milaza marimarina izay rehetra efa zatra mamaky ny bokiny fa nampiasa betsaka ny SM izy. Miorina lalina dia lalina eo amin'ny Baiboly izy ary manondro mandrakariva ny andinin-tSoratra Masina, sady mifanaraka tsara amin'ny Baiboly izay soratany. Na dia tsy teôlôjianina aza izy, ary tsy nanao fanadihadiana sy fanazavana be ny Baiboly, ny hafany kosa dia mifanaraka amin'ny hafatry ny SM.

Nahoana no tsy maintsy ny firindrana amin'ny Baiboly no fisedrana farany ataontsika amin'izay rehetra mahakasika ny fitondran-tena, sy ny ara-panahy ary ny ara-teôlôjia? Nahoana no tsy maintsy manana fahefam-pisedrana farany isika, indrindra eo amin'ny resaka ara-panahy sy ara-teôlôjia?

Talata 03-02-2009 : Faminaniana tanteraka


Vakio ny Jer. 18:6-10. Inona no fitsipika lehibe hita eto mikasika ny fahatanterahan'ny faminaniana?

Anisan'ny ahafantarana ny tena mpaminany marina ihany koa, ny fahatanterahan'ny faminaniany (jereo ny 1 Sam. 9:6; Jer. 28:9, Fit. 3:37). Mety tsy ho tanteraka ihany koa anefa ny faminaniana raha toa ka niova fo ny vahoaka izay nanaovana izany. Izay ilay antsoina hoe faminaniana misy fepetra, ary zava-dehibe ho antsika ny fahatakarana izany.

Diniho ny Jônà 3 sy 4. Inona no tokony hoheverina tsara eo amîn'ny fanaovana ilay fisedrana ny fahatanterahan'ny faminaniana?

Miankina amin'ny asa sy ny toetry ny olona voakasik'izany ny fahatanterahan'ny ankamaroan'ny faminaniana (afa-tsy ireo faminaniana Daniela momba ny andro farany sy ny Apôkalipsy). Nanan ny fanambaràna mazava tsars, izay nomen'Andriamanitra azy i Jônà, fa "horavana" i Ninive (Jônà 3:4), ao anatin'ny 40 andro. Tsy nitranga mihitsy anefa izany. Mpaminany sandoka ve izany i Jônà? Mazava loatra fa tsia. Nisy fepetra mantsy ilay faminaniana; niankina tamin'ny fomba namalian'ny olona ny hafatra nomen'Andriamanitra azy ireo ny fahatanterahan'izany faminaniana izany.
Io fitsipika io no mety hanazava ny antony tsy nahatanterahan'ny faminaniana manokana nataon'i EGW tamin'ny taona 1856. Izao mantsy no nambaran'i EGW tamin'ny taona 1856: "Naseho ahy izao fikambanana izao tao amin'ny Foibe. Hot' ilay anjely: "Ny sasany ho sakafon'ny kankana, ny sasany hiharan'ireo loza fito farany, ary ny sasany mbola ho velona sy hitoetra eto ambonin'ny tant' ka hafindra amin'ny fiverenan'i Jesôsy." – TFC, b. 1, ft. 131,132.
Ireo izay velona tamin'izany, dia mazava ho azy fa efa maty amin'izao fotoana izao. Ahoana no hanazavantsika izany? Tsy inc-a io fa ilay faminaniana misy fepetra araka ny hita tery aloha. Tsy maintsy tadidiantsika ny nilazana tamin'i EGW fa ho tonga amin'ny fotoan'androny ny fanjakan'Andriamanitra. Izao no nosoratany tamin'ny taona 1896: "Raha toa ka nanao ny asa voatendry hataony, araka ny nanirahan'Andriamanitra azy ireo, izay milaza azy ho manana fanandramana velona miaraka amin'Andriamanitra, dia efa ho voaomana mialoha izao tontolo rehetra izao fa ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe i Jesôsy Tompo." – RH, 6 Okt. 1896.
Izao no nosoratany ao amin'ny boky faran'ny Testimonies for the Church, izay naely tamin'ny taona 1909: "Raha toa ka nanao ny andraikiny avy ny miaramilan'i Kristy tsirairay, raha toa ka nampaneno ny trômpetrany avy ireo mpiambina ny mandan'i Ziona, dia efa talohan'izao no ho nandrenesan'izao tontolo izao ny hafatra fampitandremana. Saingy mbola ho an-taonany maro tokoa anefa ny asa. Raha mbola natory ny olona dia efa nisongona antsika i Satana." – TF, b. 9, t. 29. Misava ny olana raha toa ka ampiharintsika ny fitsipiky ny faminaniana misy fepetra, momba ilay fahitana azony tamin'ny taona 1856. Jereo ihany koa ny lesona Zoma.

Alarobia 04-02-2009 : Manambara an'l 'jesosy, ilay andriamanitra sady olombelona


Inona no anankiray amin'ireo olana natrehin'i Jaona tamin'ny fotoan'androny; ary inona no nolazainy fa famantarana iray hafa hahalalana ny tena mpaminany marina? 1 Jao. 4:1,2.


Anankiray amin'ireo olana tamin'ny andron'i Jaona ny amin'ny mahaolombelona an'i Kristy. Tena nofo sy ra marina ve Izy, sa mody niseho ho nanana vatana fotsiny ihany, araka ny ampianarin'ny sasany? Nanjary zavadehibe tamin'i Jaona tokoa ny fahatakarana sy ny fanambaràna fa tena olombelona marina i Jesôsy, hany ka nilaza izy fa izany no fisedrana ny tena mpaminany marina.
Mivelatra kokoa io fisedrana io noho ny hoe mino fotsiny fa tonga olombelona i Jesôsy. Tafiditra ao anatin'izany ny zavatra rehetra ampianarin'ny Baiboly mikasika an'i Jesôsy. Nitafy ny maha-olombelona Izy noho ny tanjona manokana. Tonga olombelona Izy mba hiaina fiainana tsy misy ota, ary maty ho an'ny taranak'olombelona mpanota. Mbola lehibe kokoa noho izany aza, tonga olombelona Izy, mba ho afaka hiasa ho antsika ao amin'ny fitoerana masina ao an-danitra, rehefa avy nitsangana tamin'ny maty sy niakatra any an-danitra. Afaka mahatakatra sy miara-mizaka ny fahalementsika ny Mpisoronabentsika, satria efa nalaim-panahy tahaka ny olombelona rehetra ihany koa Izy (Heb. 4:14,15).
Ny tena mpaminany marina rehetra dia hitaona ny olona ho eo amin'i Jesôsy, ilay Andriamanitra sady olombelona, Mpamonjy ary ohatra ho an'ny taranak'olombelona rehetra. Voatokana hanao izany indrindra ny fiainan'i EGW. Izao no nosoratany:
"Ny zavatra rehetra ho antsika i Jesôsy, - ny voalohany, ny farany, ny tsara indrindra amin'ny zavatra rehetra. Jesôsy Kristy, ny Fanahiny, ny Toetrany, no manome endrika vaovao ny zavatra rehetra; izy no tenan-tenona sy ny lava-tenona, vaha mandrafitra ny tenantsika manontolo (.) fa Kristy no velona ato anatintsika. Mitaratra ny Endriny amin'ireo rehetra manodidina antsika isika amin'ny fibanjinana Azy mitohy HT, andiany 1, famoahana faharoa 2008, t. 161.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fanandratan'ny tena mpaminany marina an'i Jesôsy Kristy? Asa 4:12.


Efa tafiditra tao amin'ny ankamaroan'ny fiangonana kristianina rehetra amin'izao fotoana izao ny fanahin'ny Ekiominisma sy ny foto-kevitra "postmoderne", izay efa eo am-pamotehana ny maha-tokana ny fivavahana Kristianina, ary indrindra indrindra ny lanjan'i Jesôsy Kristy amin'ny mahaMpamonjy izao tontolo izao Azy. Izao anefa no nosoratan'i EGW: "Ny fibanjinan'ny taranak'olombelona lavo an'i Jesôsy sy ny fandraisany Azy ho Mpamonjy tokana no hany fanantenana ho azy,' TM, t. 367. "Ny fahamarinana ara-Baiboly sy ny fivavahana ara-Baiboly ihany no hijoro amin'ny fisedran'ny fitsarana." — FCE, L 127, "Andeha hasandrantsika i Jesôsy Mpamonjin'ny olombelona. Resaho ny fitiavany, ambarao ny heriny." - ST, 18 Mar. 1889. Jereo ihany koa ny lesona Zoma.

Alakamisy 05-02-2009 : Ny fisedrana amin'ny alalan'ny voan'ny hazo


Inona no nolazain'i Jesôsy tao amin'ny toriteniny teo an-Tendrombohitra, mikasika ny famantarana ny tena mpaminany marina? Mat. 7:20


Ny tontolon-kevitr'io fanambaràna io dia ny fampitandreman'i Jesôsy ny mpianany mikasika ireo mpaminany sandoka (Mat, 7:15). Nampiharin'i Jesôsy tarnin'ny fiainan'ny mpaminany ilay fitsipika -ny hazo tsarsa mamoa voa tsara ". Inona no karazam-boa aterak'izy ireo? Inona no hery miasa mangina entin'ny fampianaran'izy ireo eo amin'ny hafa?
Mitaky fotoana maharitra ny fisedrana amin'ny voan'ny hazo. Nandritra ny fitopolo taona no niainan'i EGW sy niasany teo ambanin'ny mason'olona antapitrisany maro, izay feno fanakianana, tsy finoana be ihany, fisalasalana, ary fiahiahiana, misy mihitsy aza ny manohitra ankarihary azy. Fahadisoana maro samy hafa ary fivadibadihan-kevitra no nasehon'ireo mpanohitra azy ary mbola asehon'izy ireo amin'ny fahafaham-po lehibe momba azy.


Inona no ambaran'ireto and. ireto amintsika mikasika ny fahalemen-toetra hita eo amin'ireo olona sasany izay nanana ny FPF? Gen. 12:12,13; Jônà 1:1-3; Asa 15:36-39; Gal. 2:11-14.

Tsy mahatonga azy ho tsy mety lavo na tsy misy ota mihitsy mazava loatra, ny maha-mpaminany ny olona iray. Nanana fahadisoana i EGW ary nanana ny fahaleman-toetrany ihany koa izy, tahaka ny olona rehetra. Tahaka izao itateran'ny gazety tany an-toerana azy izao, izay tsy Advantista, anefa ny fandeham-piainany, rehefa maty izy: "Ohatra mendrika ny halain'ny rehetra tahaka ny fiainan-dRamatoa White ( ... ). Mpianatr'i Kristy nanetry tena sady nafana fo izy ary nanao soa mandrakariva ( ... ). Ny fahafatesany dia mariky ny antso atao amin'ny mpitarika malaza iray hafa eo amin'ny fisainana ara-pivavahana, ary anankiray hafa koa izay - manana fiainana heniky nyfanaovan-tsoa, eo amin'ny fiainany efa ho feno sivy folo taona, heniky ny teny feno hatsaram-panahy ary vavaka mafana ho an'ny taranak'olombelona rehetra." – CHR, 23 Jol. 1915.
Sarotra amin'ny olona sasany ny manaiky ny asa maha-mpaminany azy, satria ilaozan'izy ireo mijanona eo amin'ny tsipirian-javatra sasany eo amin'ny asasorany, ka tsy mahita izay sary lehibe kokoa: dia ny fomba nampiasan'Andriamanitra azy hanangana ity fiangonana ity; ireo fomba fijery mahatalanjona voarainy avy tamin'Andriamanitra; ary ny fandraisana anjara nataony tamin'ity fiangonana ity.


Inona avy ireo tombontsoa lehibe amin'ny fananana FPF hita eto amintsika? Inona avy ireo fiaikana mety haterany?

Zoma 06-02-2009 : Fampidirana

FIANARANA FANAMPINY

 Vakio ny "The Bible Prophets Wrote for Our Time," SIM, b. 3, tt. 338,339; ny "Make It Known to Others," EY, tt. 60-72.
"Rehefa naseho teo  anoloako ny tiana horesahina dia toa efa ho tonga amin'ny fahataperany ny fe-potoan'ny asan'i Kristy. Voampanga ho mpamitaka ve aho satria nitohy ho lavalava kokoa ny fotoana, tsy araka izay lazain'ny fanambaràna? Ahoana ny amin'ny filazan'i Jesôsy sy ny mpianany? Voafitaka ve izy ireo? Izao no nosoratan'i Paoly ho an'ny Kôrintianina: 'Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, mba ho toy ny tsy manam-bady ny manana amin'izao sisa izao; ary mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; ary mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly' -1 Kôr. 7:29,30.
"Izao koa no lazainy ao amin'ny epistily ho an'ny Rômanina: 'Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika nyfiadian'ny mazava'- Rôm. 13:12.

"Asehon'ireo anjelin'Andriamanitra eo amin'ny hafatra entiny fa efa fohy ny fotoana. Toy izany mandrakariva no nanehoana izany tamiko. Marina tokoa fa nitohy ho maharitraritra kokoa ny fotoana tamin'ireo vaninandro voalohandohany nanomezana izany hafatra izany. Tsy niseho aloha araka ny nanantenantsika azy ny Mpamonjintsika. Tsy nahomby ve izany ny terin'Andriamanitra? Sanatria! Tokony hotsaroantsika fa arahina fepetra ireo teny fikasana sy fampitandremana avy amin'Andriamanitra. " — SIM, b. 1, t. 67


FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

•    Nahoana no manjary tsy mahatoky ny asa faminanian'i EGW ny Advantista sasany? Mety ho anisan'ny anton'izany olana izany ve ny fomba nanehoana ny asany? Hazavao.
•    Tsongay ireo ampahan-dahatsoratra sasany tianao indrindra avy amin'ny asasorany ka vakio indray izy ireo. Inona momba azy ireo no mahatonga anao ho tia izany? Inona no hafatra omeny ao amin'izany ampahandahatsoratra izany? Ento, ary zarao eo amin'ny kilasy ny valin-teninao.
•    Misy olona sasany mampiasa ny asasoratr'i EGW ho fahefana farany amin'ny lafin-javatra rehetra. Nahoana no maha-diso hevitra azy izany? Inona no zava-doza lehibe aterak'izany fomba fisainana izany eo amin'ny fiangonantsika? Inona avy ireo lafiny sasantsasany izay ampisan'ny fiangonana izany amin'ny tsy izy? Inona avy ireo vokatra sasantsasany aterany?

 

www.advantistalyon.com
Herinandro 38 taona 2009
Herinandro 37 taona 2009
Herinandro 36 taona 2009
Herinandro 35 taona 2009
Herinandro 34 taona 2009
Herinandro 33 taona 2009
Herinandro 32 taona 2009
Herinandro 31 taona 2009
Herinandro 30 taona 2009
Herinandro 29 taona 2009
Herinandro 28 taona 2009
Herinandro 27 taona 2009
Herinandro 26 taona 2009
Herinandro 25 taona 2009
Herinandro 24 taona 2009
Herinandro 23 taona 2009
Herinandro 22 taona 2009
Herinandro 21 taona 2009
Herinandro 20 taona 2009
Herinandro 19 taona 2009
Herinandro 18 taona 2009
Herinandro 17 taona 2009
Herinandro 16 taona 2009
Herinandro 15 taona 2009
Herinandro 14 taona 2009
Herinandro 13 taona 2009
Herinandro 12 taona 2009
Herinandro 11 taona 2009
Herinandro 10 taona 2009
Herinandro 09 taona 2009
Herinandro 08 taona 2009
Herinandro 07 taona 2009
Herinandro 06 taona 2009
Herinandro 05 taona 2009
Herinandro 04 taona 2009
Herinandro 03 taona 2009
Herinandro 02 taona 2009
Herinandro 01 taona 2009
Herinandro 52 taona 2008
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006