Telovolana 1 : Famille terrestre et famille spirituelle
Lesona faha 7 : NY ASAN'IREO MPAMINANY
Daty : 07-02-2009 hatr@ 13-02-2009. Toko dinihina : Hôseà 12:14Tsianjery : Mpaminany no nentin’i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy
Araka ny fanambaràna be dia be hita ao amin'ny Baiboly dia tsy mora velively ny fiainan'ny mpaminany. Tsy naningana tamin'izany i EGW, ary na dia tsy niatrika ireo fitsapana izay natrehin'ireo mpaminany ao amin'ny Baiboly aza izy (naiditra am-ponja, notoraham-bato, sns.), dia maro ireo fitsapana nihatra taminy izay tsy nisy valaka tamin'ireny. Nandritra ireo taona voalohandohany niainany, ankoatra ny ady tamin'ny aretina sy tamin'ireo fanafihan’i Satana maro samy hafa, dia tena nahantra dia nahantra sy voatery niankin-doha tamin'ny hafa izy sy i James teo amin'ny lafiny toeram-ponenana sy fanaka. Maty tanora ny roa tamin'ireo zanak'izy ireo efatra, ary i James dia nanao ny ainy tsy ho zavatra, nandeha nitety toerana maro, nitory teny nanoratra boky, nitarika ilay fiangonana kely tsy mbola ary elatra akory, asa mafy nandreraka aina azy tokoa, ka nitarika ho amin'ny fahafatesany tamin’ny taona 1881, teo amin'ny faha-60 taonany. Nandritra ireo 34 taona farany niainan'i EGW, dia zara raha nahafinaritra indraindray ny tontolo nanodidina azy izay nanohizany ny asany.
Amin'ity herinandro ity isika dia hijery ny sasany amin'ny asany sy ny fomba itovian'izany amin'ny an'ireo mpaminany ao amin'ny Baiboly.
Indray mltopy maso:
Moa ve ny fitoriana ny filazantsara ao amin'ny TV tsy mitovy amm'ny fanambaràna ny famonjena ao amin'ny TT? Nahoana ireo Advantista nitandrina ny andro fahafito tany am-boalohany, izay nipoitra avy tamin'ny fihetsehana notarihin'i Miller, no tsy nanaiky ny hisian'ny rafitra fandaminana ny fiangonana? Inona ireo fomba sasany nampitan'ireo mpaminany ny hafatr'Andriamanitra tamin'ny vahoakany?
Aiza no ahitantsika ny filazantsaran'ny famonjena ao amin'ny TT? Gen. 22:1-14; Lev. 4:27-31; Isa. 53.
Nohazavaina tamin'i Adama sy i Eva ny drafi-pamonjena raha vao nanota izy ireo; naseho an-tsary tao amin'ny fizahan-toetra an'i Abrahâma teo an-tendrombohitra Moria sy tao amin'ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny fitoerana masina naorin'i Mosesy izany. Ireo fombam-pivavahana tao amin'ny fitoerana masina dia natao ho an'olona tantsaha izay niara-niaina akaiky dia akaiky tamin'ny bibiny. Ireo biby natao fanatitra dia naneho ny fahafatesan'i Kristy eo amin'ny hazo fijaliana, ary ny fanompoam-pivavahana nataon'ny mpisorona dia nampiseho ny asa fanompoana ataony any amin'ny fitoerana masina any an-danitra.
Moa ve ny fitoriana ny filazantsara ao amin'ny TV tsy mitovy amin'ny fanambaràna ny famonjena ao amin'ny TT? Jao. 1:29; Rôm. 3:21-26.
Raha niandrandra tamim-pinoana ny Mesia ny olona tamin’ny andron’ nyTT, ny TV kosa dia mitodika ny lasa mijery ny famonjena efa tanteraka tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy. Izay nataon'Andriamanitra hitsaboana ny fahalavoan'ny olombelona tao amin'ny fahotana no ifantohan’ireo testamenta anankiroa ireo.
Izany ihany koa no ifantohan'ny asasoratr'i EGW, fa mihoatra ny valo arivo ny filazana momba ny filazantsara hitantsika ao ary tokotokony no enina arivo eo ho eo ny filazana manokana momba an'i Jesôsy Kristy sy ny fanaovany sorona ny tenany teo amin'ny hazo fijaliana. Ilay Kristy teo amin'ny hazo fijaliana sy ny hazo fijalian'i Kristy no ifantohan'ny hafatra entiny. Nandrisika ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito izy mba hanandratra an'i Jesôsy Kristy eo anatrehan'izao tontolo izao. "Amin'ireo rehetra milaza azy ho Kristianina, dia ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito no tokony ho loha-laharana amin'ny fanandratana an'i Kristy eo anatrehan'izao tontolo izao." - GW, t. 156. " I Kristy, naseho tamin’ ireo patriarka, voambara an'ohatra tamin'ireo fanompoam-pivavahana nitondrana fanatitra, vita sary teo amin 'ny lalàna, ary nasehon 'ny mpaminany, Izy no haren 'ny Testamenta Taloha. I Kristy teo amin 'ny fiainany sy ny fahafatesany ary fitsanganany, i Kristy naseho tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina. no haren 'ny Testamenta Vaovao" - HF, t. 120, "Ny fanatitra nataon'i Kristy ho fanonerana ny ota no fahamarinana lehibe, ary ireo fahamarinana hafa rehetra dia mitangorona manodidina izany (...) lo no tokony ho fototry ny lahateny rehetra torin’ny pasitorantsika." - GW, t. 315.
Manao ahoana ny habetsahan'ny fotoana laninao hisaintsainana momba an'i Jesôsy, fisaintsainana mifantoka amin'ny fiainany sy izay nataony ho anao? Moa tsy hatanjaka kokoa ny finoanao raha toa ny eritreritrao ka mifantoka maharitra kokoa amin'i Kristy sy ny fanolorany ny tenany ho fanatitra ho fisoloana anao?
Nanendry an'i Paoly sy ireo apôstôly 12 - misy ny sasany amin'izy ireo nanana ny FPF - mba hitarika sy hitondra ny fiangonana kristianina voalohany. Inona ireo sehatra sasany voafaritra mazava tsara anomezan'i Paoly sy ireo apôstôly toro hevitra sy tari-dalana ny fiangonana? Asa.6:1-7; 1 Kôr. 5:1-5; 7:10-16; Tit. 1:5; 1 Jao. 4:1-3.
Niatrika olana maro ireo mpitarika ny fiangonana voalohany. Fahalotoam-pitondran-tena, fihemorana, fandaminana fiangonana, ary raharaha hafa maro be no nibabana ny fotoana sy ny sain'ny fiangonana voalohany. Nitondra sy nitantana ny vahoakan'Andriamanitra mifanaraka amin'ny sitrapon'ny Tompo izay voambara ireo mpaminany sy ireo apôstôly.
Nisy tolona mazava tsara koa natrehin'ny fiangonantsika tamin'ireo fotoana voalohandohany niorenany. Nandritra ireo 20 taona voalohany nijoroan'ny fiangonantsika dia tsy nisy ny fandaminam-piangonana; araka izany dia tsy nandray karama ny pasitora; nanao asa hafa ny mpitoriteny mba ho anto-pivelomany. Afaka nitory avokoa na iza na iza raha nahatsapa izy fa voaantso hanao izany, ary vokatr'izany dia niroborobo tokoa ny fampianaran-diso. Ankoatra izany, ireo trano fiangonana sy ny trano fanontam-pirinty 'Review and Herald' dia nisoratra tamin'olona ka olana maro no nety ho naterak'izany. Nandritra ny taona maro i James White dia nampirisika mafy ny amin'ny hisian'ny fandaminana fa tsy nahita fahombiazana firy izy tamin'izany.
Taorian'izany, tamin'ny taona 1654, dia namoaka lahatsoralra mikasika ny filaminam-piangonana ramatoa White. "Nasehon'ny Tompo fa natahorana sy natao tsirambina loatra ny filaminan'ny filazantsara. Tokony halavirina ny fombafomba; saingy, ny fanaovana izany dia tsy tokony hanaovana tsirambina ny filaminana. Misy filaminana any an-danitra. Nisy filaminana tao amin'ny fiangonana fony i Kristy tely an-tany, ary taorian'ny fialàny dia notandremana an-tsakany sy an-davany ny filaminana teo anivonïreo apôstôliny (...) Naseho ahy ny loza mety hilranga noho ireo olona mandehandeha mitety faritra kanefa tsy nantsoin'Andriamanitra (...) Hitako fa azo arindrina io varavarana io, izay idiran'ilay fahavalo mba hanakorontanana sy hahatonga ny ondry hiroahana. Nanontaniako ilay anjely ny fomba ahafahana mandrindrina azy. Hoy izy : Tsy maintsy mandositra miery ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fiangonana ka hanjary hiorina tsara eo ambonin'ny filaminan'ny filazanlsara, izay nohadinoina sy natao tsirambina." - EW,tt.97,100
Enin-taona taty aoriana indray anefa - tamin'ny taona 1860 - izay vao nekena tany Michigan ny anarana iray hiantsoana ny fiangonana. Tamin'ny taona 1861 no niorina ny Federasionan'i Michigan, ary tamin'ny taona 1863 kosa no niorina ny Foibe Eran-tany.
Miresaka ny olona indraindray hoe tsy te ho anisan'ny fiangonana voalamina Iray. Inona ireo tombontsoa azo amin'ny maha-ao anaty rafi-pandaminana iray anao? Ahoana no ahafahanao manompo tsara kokoa ao amin'ny fiangonana voalamina sy ahafahanao manampy amin'ny fitondrana vaha olana eo amin'ireo lafiny momba azy izay inoanao fa azo ampiasana fanatsarana?
Inona ny sasantsasany amin'ireo faharatsiana izay notoherin'ireo
mpaminany, ary inona ireo zavatra mitovy amin'izany hitanao amin'izao androntsika izao? 1 Mpanj. 18:21; Isa. 1:10-14; Amô. 5:12; Mal. 3:8-10; Mat. 3:7-10
Nirahin'Andriamanitra ny mpaminany mba hanohitra ny tsy rariny eo amin'ny fiarahamonina, hanongotra ny fanompoan-tsampy, hitsipaka ny fahalotoam-pitondran-tena, ary hanameloka ny fivavahana manaraka fombafomba fotsiny sy ny fïhatsaram-belatsihy. Nisy fotoana, toa ny feon'izy ireo irery no tsapan'izy ireo fa hany feo naningana (1Mpanj19:14]; kanefa ny fanoheran'izy ireo dia fanoheran'Andriamanitra ary nambara izy ireny na inona na inona mety ho vokany.
Nataon'i EGW ahoana ny hafatra faniniana ho an'olona tsirairay ?
Tahaka ireo mpaminany fahiny, tsy maintsy nanameloka ota tsy misy mahafantatra afa-tsy ilay olona sy Andriamanitra i EGW. Asa tsy nahafinaritra azy izany. "Nentiko ny fanambarako ary nolazaiko ireo zavatra naseho ahy mikasika ny tantaran'ireo olona sasany nanatrika teo, nananatra azy ireo ny amin'ny loza mety hanjo azy sy nanameloka ny zavatra tsy mety nataony. Nolazaiko fa toerana sarotra tena tsy mahafinaritra no nametrahana ahy. Rehefa nisy fianakaviana sy olona tsirairay naseho ahy tamin'ny fahitana, ny tranga matetika dia izao: ny zavatra naseho ahy mikasika azy ireo dia resaka tsiambaratelo, fanamelohana ota miafina. Niasa nandritra ny volana maromaro tamin'ny sasany tamin'izy ireny aho, mikasika ny fahadisoana nataony izay tsy nisy fantatr'oiona mihitsy, Rehefa mahita ireny olona ireny malahelo endrika ireo mpiray fanantenana amiko, sy mandre azy ireny milaza ny fisalasalany mikasika ny faneken'Andriamanitra azy, ary koa ny fihetseham-pon'izy ireny feno hakiviana, dia nomen'izy ireo tsiny aho, toy ny hoe izaho iny ery no tokony homena tsiny noho ny fitsapana mianjady aminy (...) Ny fanamelohana fahotan'olona manokana no asa nanahirana nankinina tamiko. Raha nanome fanazavana feno mikasika ny fihetsiko sy ny zavatra nataoko aho, mba hisorohana ny fiahiahiana sy ny fialonana, ka nilaza ampahibemaso ny zavatra tokony ho notehirizina ho tsiambaratelo, dia ho nanota tamin'Andriamanitra aho sy ho nanao fahadisoana tamin'ireny olona ireny Tsy maintsy notazoniko ho tsiambaratelo, nokoboniko ho ahy samirery tao am-poko tao, ireo fanakianana fahadisoan'olona manokana. Avelao ny olona tiitsara, afaka manao izany izy, fa izaho tsy hivadika mihitsy amin'.ny fitokisana napetrak'ireo olona nania sy nibebaka, tamiko, na hanambara amm'ny hafa ny resaka izay tsy tokony ho fantatr'oiona afa-tsy ireo olona meloka ihany " - TC, EGW, b, 1, tt. 584,585.
Raha nanome hafatra an'i EGW ho anao ny Tompo, Inona, araka ny hevitrao, no ho voalaza ao? Fa nahoana? Fa ny tena zava-dehibe, inona no havalinao izany?
Inona ny sasany amin'ireo fomba nampitan'ny mpaminany ny hafatr'Andriamanitra tamin'ny olony? Nom. 9:1-5; Jer. 37:16, 17; Ezek. 4:1-6; Kôl. 4:16.
Nobaikoin’Andriamanitra ny mpaminany hizara amin'ny olona ireo hafatra noraisin'izy ireo avy taminy. Nisy fotoana nanambaràn'izy ireo ny tenin'Andriamanitra tao anatin'ny lahateny iray teo anatrehan'ny fivorian'olona maromaro. Nisy kosa fotoana hafa nizaran’izy ireo ny teny fanambaràna nentiny tamin'ny resaka manokana tamin'olona. Matetika dia nasaina noraketin'ny mpaminany an-tsoratra ny hafatra voarainy, amin'izay tsy ireo olona velona tamin'izany fotoana izany ihany no handre izay tian'Andriamanitra hambara, fa ny taranaka rehetra aty aoriana koa.
Rehefa nandray ny fahitany faharoa i Ellen Harmon (anaran'i EGW fony izy mbola mpitovo) tamin'ny volana Desambra 1844, dia nolazaina taminy fa tsy maintsy mandeha mitantara amin'ny hafa izay naseho taminy izy. Nivavaka izy tao anatin'ny andro maromaro, mba hesorina aminy io enta-mavesatra io, saingy nanakoako tsy tapaka tao an-tsofiny ny tenin'ilay anjely hoe: "Ampahafantaro ny hafa izay nambarako taminao." - LS EGW, t. 69.
Nandritra ny taona 1845 àry dia indro i Ellen Harmon, niaraka tamin'ny rahavavy Sarah na namana hafa, fa nandeha namangy ireo mpomba an'i Miller teo aloha nonina tany Maine sy New Hampshire ary Massachusetts, izay niaina ilay fanandramana Fahadisoam-panantenana Lehibe tamin'ny 22 Oktôbra 1844, ka nozarainy tamin'izy ireo ireo fahitana voalohany voarainy. Resy lahatra i James White, mpitory teny mpomba an'i Miller teo aloha, fa marina ny fahitana hitany, koa iny izy fa nanomboka niara-dia taminy sy tamin'ireo namany, ary tamin'ny taona 1846 dia nivady i James sy i Ellen.
Hatrany am-boalohany tao amin'ny asa fanompoana nataony i EGW no efa nasaina nanoratra koa ireo zavatra nambara taminy. Matetika ireo hafatra ho an'olona manokana no nampahafantarina ireo olona niantefan'izany hafatra izany tamin'ny alalan'ny taratasy («testimonies»na teny vavolombelona, matetika no anarana niantsoana ireny taratasy ireny). An'arivony ny hafatra toy ireny no niainga avy tao an-tranony nalefa paositra, tao anatin'ny taona maro nifandimby. Izao no nosoratany mikasika azy ireny : "Ampahafantariko anareo ao amin'ireny taratasy soratako ireny, ao amin'ireo teny vavolombelona entiko ireo, izay zavatra nampahafantarin'ny Tompo ahy," - TFC, b. 5, t. 67. Namela pejy aman’ hetsiny teo ho eo i EGW rehefa nodimandry, nisy tamin'izy ireny efa nivoaka anaty boky na gazetyiboky, nisy tsy mbola nivoaka.
Midika inona ho anao manokana ny asasoratr'i EGW? Mifanakaloza hevitra ao amin'ny kilasy mikasika ny valin-teninao
Inona ny sasany amin'ireo faminaniana ao amin'ny Baiboly izay tanteraka? Isa. 44:28; Jer. 25:11; Dan. 9:24-27
Tokony ho dimampolo amby zato taona tany ho ary talohan'ny andron'i Kirosy, no naminany i Isaià fa hisy mpanjaka antsoina hoe Kirosy hitondra ny Jiosy hiverina avy any Babilôna ary hanorina indray ny tempoly any Jerosalema. Ny fahatanterahan'io faminaniana io dia hita ao amin’ ny Ezrà 1:1-4
Nilaza mialoha ny fe-potoana haharetan’ny fahababoana any Babilôna i Jeremia, ary i Daniela indray dia nilaza mialoha ny fotoana hisehoanny Mesia, efa mila ho eninjato taona talohan’ny nahaterahan'i Jesosy. Ireo faminaniana roa ireo dia samy manome porofo mampiharihary fa avy amin’ny tsindrimandry ny SM.
Raha ny mikasika an'i EGW koa d« hitantsika fa maro amin’ ireo faminaniana nambarany no tanteraka. Tamin’ny 12 Janoary 1661, ohatra, telo volana talohan'ny nipoahan'ny ady an-trano tany Amerika dia nahita fahitana ramatoa White tao amin'ny fiangonana any Parkville, any Michigan; naseho azy tao amin'izany fahitana izany: sahan'ady feno olona maty sy miala aina miampatrampatra etsy sy eroa. Notantarainy ny zavatra hitanv, ka hoy izy tamin'ireo olona nihaino: 'Hisy lehilahy ato amin'ity trano ity hamoy ny zanany lahy amin'io ady io." - PUR, b. 1, t. 463). Tsy latsaky ny fianakaviana dimy tao amin'ilay efitrano tamin'io andro io no namoy zanaka lahy tamin'ny Ady an-trano tany Amerika.
Naminany i EGW tamin'ny taona 1885 hoe: "Rehefa hanatsotra ny tanany eo ambonin'ny hantsana handray ny tanan'ny fahefana rômanina nyfivavahana prôtestanta, rehefa hanakatra eo ambonin'ny hantsana hifamihin-tànana amin'ny spiritisma (fiantsoana avelo) izy (...) Amin'izay fotoana izay,dia aoka ho fantatsika fa tonga ny fotoana ho an'ny asa mahatalanjona ataon'i Satana, ary akaiky ny farany." - TFC, b. 5, t. 451.
Tamin'ny fotoana nanoratany ireo teny ireo, dia mbola sakay sy maso, tena mbola niady ny Prôtestanta sy ny Katôlika. Mbola tena lavitra be any amin'ny hoavy any izany hoe fihetsehana fampiraisam-pinoana izany tamin'ny taona 1885. Niova be mihitsy anefa ny zava-nisy taty aoriana. Ohatra anankiray fotsiny amin'izany: Tamin'ny 29 Martsa 1994, dia filohandohan'ny mpisorona 39 avy amin'ny fiangonana prôtestanta ara-pilazantsara sy ny fiangonana katôlika rômanina no nanao sonia taratasy iray mitondra ny lohateny hoe "Ny Fiangonana Ara-pilazantsara sy ny Katôlika Miaraka: Ny iraka Tontosain'ny Kristianina amin'ny Taonarivo fahatelo" -fahatanterahan'ny firehana ara-paminaniana mampitampim-bava tokoa.
FIANARANA FANAMPINY:
Vakio "The Messenger of the Lord at Work." (Ny Iraky ny Tompo eo am-perin'asa), tt. 73-89; "Ny lalàn'Andriamanitra tsy azo ovana," HM, tt. 447-463.
Rehefa ireo fiangonana lohandohany any Etazonia, izay miray noho ny amin 'ny foto-pinoana iarahan’izy rehetra manaiky, no hiasa mangina amin'ny fanjakana mba hanamqfy ny lalàna ataony sy hanohana ny asa natsangany, amin 'izay dia ho nanao sarin 'ny ambaratongam-pahefana Romana i Amerika Protestanta ka ny fampiharana sazy ataon'ny fanjakana amin ireo izay misaraka aminy no vokatr'izany tsy azo sakanana." -HM, t. 459.
Efa ho dimampolo amby zato taona mahery izao ny Advantista no nampitandrina izao fontolo izao mikasika io fihavanan'ny Katôlika sy ny Prôtestanta ho avy io - dia tamin'ny fotoana indrindra izay niheverana fa toa tsy ho tanteraka velively izany fihavanana izany raha ireo zava-niseho teo amin'ny tontolon'ny pôlitika sy ny fivavahana no itarafana izany. Marina fa ankehitriny efa tena lasa tsy azo ihodivirana intsony ilay hoe tsy ho tanteraka velively; imbetsaka tokoa izao ny Katôlika sy ireo antokom-pivavahana prôtestanta maro samy hafa no efa mivory miaraka, mikaon-doha mikasika foto-kevitra maro dia maro. Ny tena mahaliana dia ity - ary izany dia mifanaraka amin'izay nosoratan'i EGW zato taona mahery lasa izay - ny Prôtestanta no tena miroso amin'ny marimaritra iraisana, tsy mampino, izany rehetrs izany dia ny mba hahatonga io firaisana amin'i Rôma io ho tanteraka. Na dia maro aza ny zavatra mbola hïtranga, ireo toe-javatra ireo dia mitarika ho amin'ny fahatanterahan'ny faminaniana izay mahagaga tokoa, sy porofo mitohoka amin'ny tenda iray hafa manamarina fa nanana ny FPF i EGW.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
• Araka izay mety ho tratranao, manaova fikarohana kely mikasika ny toe-javatra niainana teo amin'ny ara-pivavahana tany Amerika tany amin'ny taonjato faha-18 tany, indrindra indrindra mikasika ny fifandraisan'ny Katôlika sy ny Prôtestanta. Ento eo amin'ny kilasy izay fantatrao momba izany amin'ny Sabata, avy eo dia mifanakaloza hevitra mikasika ny faminaniana nataon'i EGW tamin'izany fotoana izany mikasika an'i Rôma sy ny Prôtestanta.
• Miresaha ny amin ny fankahalan’ny olona sasany ny lamina ara-pivavahana. Inona ireo fitarainana ataon'izy ireny ? Mitombina ve ireny fitarainana ireny matetika ? Raha eny no valiny, inona no azontsika atao amin’ny maha -fiangonana voalamina antsika mba hahitana vaha olana araka izay azo atao ho an'ny sasany amin’ireny zavafra ireny izay mahatonga izany fankahalana izany ?
• Fomba ahoana no mety hanararaotana ny asasoratr’i EGW ? Inona ireo foto-kevitra azontsika arahina mba hiarovantsika tena amin'ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy io FP mahatalanjona io ?
Mizotra amin'ny lalam-piainana kristianina
izany no lohatenin'ny sakafom-panahintsika amin'ny
telovolana faharoa 2009
nomanin'i Reinder Bruinsma,
niaraka tamin'ny Kômity mpanomana
ny Lesona Sekoly Sabata ao amin'ny
Foibe Eran-tany, teo ambany
fitarihan'ny Fanahy Masina