Telovolana 1 : Famille terrestre et famille spirituelle

Lesona faha 8 : NY FAHEFAN'NY MPAMINANY

Daty : 14-02-2009 hatr@ 20-02-2009. Toko dinihina : Eks 4:10-16 ; 1 Sam 12:1-14 ; 2 Mpanj 22: 10-13; Jer 36:22-31; Mar 1:21-27; Asa 16:25-34.

Tsianjery : Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.Fantaro ny zavatra rehetra; hazony mafy izay tsara.

Sabotsy 14-02-2009 : Ny fahefan'ny mpaminany


Misy loha hevitra miverimberina foana ao anatin'ny Baiboly iray manontolo: Miteny amin'ny olona amin'ny alalan'ny mpaminany Andriamanitra; anjaran'ny olona kosa ny manaiky na mandà izay voalaza. Marina tokoa fa raha mandà ny tenin'ny mpaminany ny olona dia tsy ireny mpaminany ireny tsy akory no laviny fa llay naniraka azy ireny mihitsy.
Zavatra tena matotra, tsy azo atao kitoatoa ny filazana fa miteny amin'ny anaran'Andriamanitra. Raha milaza izany ianao, ary natao hanatanteraka izany dia tsarovy fa mpitondra tenin'llay Mpahary izao tontolo izao ianao ary tsy andraikitra maivamaivana izany fa tena lehibe tokoa. Andraikitra mavesatra izany! Indrisy anefa! Ny ankamaroan'ny tantara ao amin'ny Baiboly dia ahitana izany hoe Andriamanitra miteny amin'ny olona amin'ny alalan'ny mpaminany izany, kanefa nolavin'ny olona izay voalazany.
Mila mitandrina isika mba tsy hamerina ireny fahadisoana nataon'ny olona fahizay ireny amin'izao vaninandro misy antsika izao.


Indray mitopy maso. Nahoana no tsy tena sitrapon'i Mosesy ny ho tonga mpaminanin'Andriamanitra fa nanaiky tsy fidiny izy? Fahefana toy inona no nananan'ireo mpaminany ireo tamin'ny Isiraely, eny, fa na dia ireo tsy nanoratra boky tao amin'ny Baiboly aza? Misy fahasamihafany ve ny fahefana ananan'ny mpaminany madinika sy ny mpaminany lehibe? Ary ny mpaminany nanoratra boky tao amin'ny Baiboly sy ny tsy nanoratra?

Alahady 15-02-2009 : Ny mpaminany amin'ny maha-mpitondra tenin'andriamanitra azy


Vakio Eks. 4:10-16. Resaka nifanaovan'Andriamanitra sy i Mosesy io. Inona no nitranga teto ary inona no lesona azontsika raisina avy amin'ity fifanoloan-toerana ity ny amin'ny fomba hiantsoana ny mpaminany sy ny fomba fiasany?


Araka ny fandaminana napetrak'Andriamanitra, «nanjary andriamanitra» ara-bakiteny ho an'i Arôna mihitsy i Mosesy (jer. Eks. 4:16), ary i Arôna no mpitondra teny na mpaminanin'i Mosesy (Eks. 7:1). Izany no mamaritra marimarina ny fifandraisana ety sy feno fifankazarana amin'Andriamanitra sy ny mpaminany rehetra; izy ireo tokoa mantsy no mpitondra teniny, mpampita ny hafatra avy Aminy. Fanampin'izany, raha mijery ny tantaran'i Mosesy sy i Arôna isika dia mahita fa nampianatra ny mpaminany izay tokony hataony Andriamanitra mba hahatonga azy ireo ho mpitondra teny tokoa. 1 Mosesy anefa dia azo lazaina fa nanaiky ho mpaminany tsy fidiny. Araka ny fijoroana ho vavolombelona nataon'i EGW dia nambarany fa nanaiky tsy fidiny ny antson'ny Tompo taminy voalohany koa izy. «Tao amin'ny fahitana faharoa, herinandro taorian'ny nisehoan'ilay voalohany, no nanehoan'i Jehôvah tamiko ny lalan-tsarotra tsy maintsy hodiaviko, ary nilazany fa tsy maintsy mandeha aho hanambara amin'ny olona izay naseho ahy. Nasehony ahy tamin'izany koa fa hisedra fanoherana lehibe aho amin'ny asako ka ho vontom-pahoriana ny foko, saingy ampy ho ahy ny fahasoavan'Andriamanitra ka hanohana ahy mba tsy ho fefika. Sahiran-tsaina aok'izany aho taorian'ilay fahitana satria manondro ny andraikitra tokony horaisiko mihitsy ilay izy, dia ny handeha hivoaka ho eny anivon'ny olona eny ary hanambara ny fahamarinana amin'izy ireny. Narefo dia narefo anefa ny fahasalamako satria mbola tao anatin'ny fanaintainana tanteraka aho teto, ary raha ny fijery ahy dia fotoana fohy izany sisa no hahavelomako. Vao 17 taona monja angamba aho tamin'izany e! sady mbola kely no osa, tsy misy ilan'ny fiarahamonina ahy mihitsy; olona saro-kenatra aho, mpitsoaka an-daharana ka mafy tamiko izany hoe hifanehatra amina vahiny na olona tsy mahazatra ahy izany.
Nandritra ny andro maromaro izay nitohy hatramin'ny alina no nivavahako mba hanesorana amiko ity enta-mavesatra ity ka omena holanjain'izay olona hita fa hahazaka izany. Tsy niova anefa ny fahazavan'ny fandraisana andraikitra ary nanakoako tsy tapaka tao an-tsofiko foana ny tenin'ny anjely:" Ampahafantaro ny hafa izay nasehoko anao!" LS EGW, t.69

 Amin'ny fomba ahoana no iantsoana antsika, izay tsy ijerena ny toerana misy antsika ao amin'ny fiangonana, ka hanatanterahantsika ilay teny hoe:" ampahafantaro ny olona izay efa nasehoko anao!". Inona no efa nasehon'Andriamanitra anao? Ahoana no ahazoanao mizara izany amin'ny hafa?

 

Alatsinainy 16-02-2009 : Ny fahefan'ilay teny tonga nofo


«Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomma ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany» - Mat. 28:18.
Ao amin'ny Mat. 21:23, rehefa nampianatra i Jesôsy dia nanontany azy ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe: «Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome anao izao fahefana izao?» Novalian'i Jesôsy tamin'ny fomba fitenin'ny Raby ilay fanontaniana, izay narahiny fanontaniana amin'ny heviny hafa? «Ny batisan'i.Jaona. ary taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona?» (and. 25; jer. and. 24-27). Eo amin'ny adihevitra fanaon'ny Raby dia ny fanontaniana ahodina amin'ny endriny hafa no lalana mankany amin'ny valin'ilay fanontaniana voalohany, ilay fanontaniana fototra izany. Ka raha mandà ny hamaly ny fanontanian'i Jesôsy ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona dia handà ny hamaly ny fanontanian'izy ireo koa Izy; izao no antony: rehefa mandà ny hahafantatra ny herin'Andriamanitra tamin'ny asa nanirahan'i Jaona izy ireo dia tsy misy antony goavana tokony hiadiana hevitra ny momba Azy (i Jesôsy io), izay avy amin'Andriamanitra rahateo koa


Inona no ambaran'ireto and. ireto, amintsika ny amin'ny fahefana ananan'i Jesôsy? Mat. 7:28,29; Mar. 1:21-27; Lio. 8:22.25; 9:1; Jao. 5:25-27.

I Kristy ilay Mpahary (Jao. 1:3) sady Mpanavotra antsika (Rôm. 3;24) no manana ny fahefana ambony indrindra. Izy no mpitsara ambony farany sady tokana, ary ao Aminy no hitsarana ny fiainana. Izy no ivo sady tanjon'ny fahefan'Andriamanitra. Ambaran'ny Filazantsara araka izany fa nahatalanjona ny vahoaka ny fampianarany satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy (Mat. 7:29).
Hitantsika ao anatin'ny Filazantsara iray manontolo fa nanana fahefana mihoatra noho ny an'olombelona i Kristy. Namela heloka Izy (Mar. 2:10), namoaka demonia (Mar. 315), nanan-jo hahalala sy hitsara ny ao am-pon'ny olona (Jao, 2:24,25), ary manome fiainana mandrakizay (Jao. 10:28). Fahefana nomen'ny Ray an'i Kristy io fahefana nentiny nanatanteraka ny asany teto an-tany io '(Jao. 17:2). Na inona na inona nataon'i Jesôsy, anisan'izany ireo fahagagana rehetra vitany, dia tanteraka tamin'ny alalny fiankinany sy ny fiaraha-miasany tamin'ny Rainy (Jao 28:18), Nanana fahefana tsy nianam-petra Izy (Mat. 28:18) ary izany no nahafahany nanome fahefana ny mpianany   (Mar, 6:7) sy hahazoany mitsara ny olona rehetra amin'ny farany (Jao. 5:27)

Talata 17-02-2009 : Ny fahefan'ny teny voasoratra


Ampit. ireto fihetsika sy valin-teny amin'ny teny voasoratr'Andriarnanitra ireto: 2 Mpanj. 22:10-1 3; Jer. 36:22-31. Na dia tsy hanao fihetsika mahery vaika tahaka ireo vahoaka hita ao amin'ireo and. ireo aza isika, dia ahoana no hanehoan'ireo toe-javatra ao amin'ny tantara ireo ny valinteny fototra tamin'ny  teny voasoratr'Andriarnanîtra.


Azon'ny olona atao ny mandà ny Tenin'Andriamanitra ankehitriny na dia tsy mandoro izany mivantana sy ampahibemaso toy ny nataon'ity mpanjaka iray ity aza, fa mety hataony ho fihomehezana izany, lazainy fa tsy fantany akory ny momba azy, heveriny ho efa lany andro na koa tsy anisan'ny manan-danja sy fahefana eo amin'ny tantara intsony.
Izao anefa: tsy misy afaka hanao tsinontsinona ny fahefan'ny SM, ary tsy ho afa-maina amin'izao koa izay minia manao izany. Na ho ela na ho haingana tsy maintsy hizaka ny vokatry ny fandavany ny Tenin'Andriamanitra izy (na lahy io na vavy). Voambara sady voaporofo ao amin'ny teny voasoratra, ka ho fantatry ny olona rehetra ny toetra sy ny sitrapon'Andriamanitra, ny antom-pisian'ny olombelona ary ny tanjon'Andriamanitra ho an'ny taranak'olombelona rehetra. Mety tsy hisy vokany eo no ho eo ny fandavany ny teny voasoratra saingy hiafara any amin'ny fahaverezana mandrakizay izany.
"Notondroiny ho fahefana tsy azo iadian-kevitra ny SM, ary tokony hanao izany koa isika . Tokony haseho amin'ny Tenn'Andriamanitra tsy hita fetra ny Baiboly amin'ny maha tompon'ny teny farany azy eo amin'ny adi-hevitra rehetra sy amin'ny maha fototra iorenan'ny finoana rehetra azy" - HF, t. 24

Nanandratra ny Tenin'Andriqnanitra hatrany Rtoa i EGW nandritra ny fiainany manontolo. Tamin'ny fifanoherana nisy teo amin'ny siansa sy ny SM no nanoratany ity teny ity: «(... ) tsy natoky ny hein'ny tenin Andrianianitra [izy ireny], izay hery tsy azo tsaratsaraina  foana amin 'ny fahalalana lazaina hoe ara-tsiansa. Ny.fahaizan 'olombelona dia tsy azo ianteherana mandrakariva » - PM. t. 100,
Ny taona 1909 no nanatrehany farany ny fivoriamben'ny Foibe Erantany. Teo am-pamaranana ny toriteny farany nataony tamin'io fotoana io dia noraisiny ny Baiboly, nosokafany ary notazoniny tamin'ny tanany roa izay natsotrany, dia hoy izy: «Ranadahy sy rahavavy malala, indro atolotro anareo ity Boky ity.» - EGW LEY, t. 197,


Diniho ny fihetsikao manolona ny SM. Apetraho amin'ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto: Toy inona no fotoana laniko handinihako azy? Manao ezaka amim-pahamatorana hanaraka ny fampianarana omeny ve aho? Raha mamaky azy aho, moa ve miezaka ny hitady ireo diso ao aminy fotsiny? Ahoana no fihetsiko eo anatrehan'ireo andalanteny izay hitako fa manafintohina na maneho hevitra tsy dia ankafiziko loatra? Inona no lesona azoko hianarana avy amin'ny valin-teniko?

Alarobia 18-02-2009 : Ny fahefan'ny teny voambara


Fahiny, noho ny havitsian'ny fitaovana enti-manoratra sy noho ny hamaroan'ny olona tsy mahay mamaky teny, dia nanana ny lanjany tokoa ny teny aloaky ny vava. Inona no fiantraikan'ny teny naloaky ny vavan'Andriamanitra tamin'ny olona, araka ny hita ato amin'ireto and. ireto? Jer. 38:1-4; Jao. 3:1-10; 6:51-66; Asa. 16:25-34.


' Manana anjara asa anankiroa ny Tenin'Andriamanitra na naloaky ny vava izany na voasoratra. Noharin'i Paoly tamin'ny sabatra roa lela izany, «ka manindrona hatramin'ny fampisarahana  ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo» - Heb. 4:12.
Ato amin'ny tontolo-kevitr'ity tenin'i Paoly eto ity, ny «Teny» dia entina hilazana ireo hafatra izay notorina tamin'ny lsiraely fahizay sy ny Kristianina (Heb. 4:2).
Tahaka ny antsikely fampiasan'ny mpitsabo rehefa mandidy, dia afaka hiditra any anatintsika any koa ny teny nolazain'Andriamanitra, hanasitrana sy hampody amin'ny laoniny ny «fahasalamantsika», na mety hampitsiry aretina mahafaty izay hiafara amin'ny fanamelohana mandrakizay. Rehefa tsy arahin'ny finoana avy amin'ny mpihaino azy ny teny notorina dia tsy hitondra voka-tsoa ho azy ireo akory izany.
Na dia tsy ny olona rehetra tao am-piangonana aza no nanam-paniriana sy vonona hanaiky ny fahefan'ny faminanian'i EGW, dia hita kosa fa nihaino ny anatra nomeny ny fiangonana an-kapobeny ary nahita tombontsoa tamin'izany.
Ity tantara manaraka ity dia maneho ireo zava-tsoa azon'ny fiangonana tamin'ny fanarahana ny toro hevitr'i EGW. Ohatra, tsy niova mihitsy ny rafitry ny fiangonana izay napetraka teo anelanelan'ny taona 1863 (fotoana niorenan'ny Foibe Eran-tany) sy 1901. Nohajaina ny rafitra fototra najoro ary tsy novana. Fa rehefa nandroso ny asa teo amin'ireo sehatra samihafa dia nisy fikambanana isan-karazany naorina ho fampivoarana ireo departemanta teo (ohatra tamin'izany ny fijoroan'ny sampana «Medical Misionary» (fitsaboana), «Sabbath School» (Sekoly Sabata), «Religions liberty» (fahafahana ara-pivavahana), «Tract Society», sns). Ary satria fikambanana mahaleo tena izy ireo izay notantanana kômity mahaleo tena ihany koa fa tsy tao anatin'ny fikambanan'ny Foibe Eran-tany, dia nisy fifaninanana matetika teo anivon'izy ireo. Etsy an-danin'izay anefa, ny fanapahan-kevitra goavana rehetra mahakasika ny asa maneran-tany dia andraikitr'olona maromaro tao amin'ny Foibe Eran-tany tany Battle Creek.
Ny andro nialoha ny fivoriamben'ny Foibe Eran-tany tamin'ny taona 1901 dia nihaona tamin'ireo mpitondra fiangonana i EGW ary nampirisika azy ireo hanova rafitra hitondrana ny fiangonana; fiovana miezinezina mihitsy no notakiny hatao teto. Araka izany, rehefa nisokatra ny fivoriana dia napetraka aloha ireo fandaminan-draharaha fanao mahazatra fa nanendry ny kômity (izay nahitana olona teo amin'ny 75 teo) hiasa ho amin'ny rafi-pandarninana vaovaon'ny fiangonana. Vokany, nihanivelatra ny kômitin'ny Foibe Eran-tany satria nanjary anisan'ireo departemanta ireo fikambanana maro samy hafa nahaleo tena teo aloha; naorina ihany koa ny Fivondronambe (Union) mba hahazoan'ireo mpitondra eo amin'ny sahan'asa mandray fanapahan-kevitra eo amin'ny faritra iadidiany ka tsy hiandry foana ireo fanapahan-kevitry ny kômity avy any Battle Creek.


Nekena tamim-piraisan-tsaina tanteraka ary naharitra ny fisedran'ny fotoana ny rafi-panldaminana vaovaon'ny fiangonana. Na nisy aza ireo fanovana madinidinika sy fampivelarana teny an-tsefatsefany teny dia mbola io hatrany ny rafitry ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito mandraka ankehitriny.

Alakamisy 19-02-2009 : Ny fahefan'ny mpaminany tsy mpanoratra ny baiboly

Ankoatra ireo mpaminany mpanoratra, toa an-dry Isalà sy Amôsa dia misy mpaminany maro hafa koa hita ao amin'ny SM saingy tsy anisan'ny tafiditra ao amin'ny «canon» (boky ao amin'ny Baiboly) ny asasoratr'izy ireny. Inona no ambaran'ireto, ind. ireto amintsika mikasika azy ireny sy ny asasorany? 1 Tant. 29:29; 2 Tant. 9:29; 12:15.


Raha eo amin'ny fototra (sources) nahafantarana ireny mpaminany ireny dia anisan'ny nitanisa boky momba ny faminaniana 6 fara fahakeliny izay nosoratan'izy ireny ny bokin'ny tantara: tao ohatra ry Gada, Natana, Ahiana, Semaia ary Ido (mpaminany na mpahita no fiantso azy ireny).


Inona no fahefana nananan'ireo mpaminany tsy mpanoratra tao amin'ny «canon»? 2 Sam. 12:1-4; 1 Mpanj. 11:29-30; 14:2-18; Lio. 7:28.


Ny bokin'i Mosesy no nantsoina hoe SM tamin'ny andron'i Davida, saingy tsy vao indray mandeha i Davida no nanontany ny amin'ny fahefana nananan'i Natana. Fantany fa mpaminany tokoa i Natana ary feno fahefana ny teny izay nambarany na dia tsy nanana boky nanaporofo izany tao amin'ny Baiboly aza izy.
Andeha hatao hoe nisy ireny mpanao fikarohana rakitry ny ela ireny nahita boky iray nosoratan'i Natana. Tokony hampidirina ho fanampin'ny Baiboly ve ilay boky? – Tsia, fa hàjanona ho boky ivelan'ny «canon» fotsiny izy. Ary raha toa ka misy resaka teôlôjia hita ao dia hijanona ho fanambaràna feno fahefana ivelan'ny «canon» ihany koa izany.
Ny atao hoe «canon» dia fitambarana boky maromaro, izay teo ambany fitarihan'Andriamanitra, dia natao ho fitsipika mifehy ny fiainana sy ny finoan'ny vahoakan'Andriamanitra ary amin'ny alalan'izany no handraisana fepetra amin'izay atao rehetra, Voarakitra ao amin'ny «canon» ny zavatra rehetra ilain'ny olona ho fantatra raha te ho voavonjy izy. Izao anefa: tsy izay rehetra nosoratan'ny mpaminany tamin'ny alalan'ny tsindrimandry tsy akory dia hita ao anaty Baiboly avokoa. Ohatra: fantatsika tsara fa nanoratra taratasy marobe noho izay hitantsika ao amin'ny TV ankehitriny i Paoly (1 Kôr. 5:9; Kôl. 4:16). Koa.raha mahita ny iray amin'ireny taratasiny ireny isika dia tsy hampidirina ho anisan'ny Baiboly tsy akory izany fa hajaina ho taratasy feno fahefana ivelan'ny «canon» fotsiny ihany.
Azo ampitahaina amin'ny fahefana ananan'ny mpaminany tsy nanoratra boky tao amin'ny Baiboly ny fahefana anananan'i EGW. Tsy fanampin'ny «canon» tsy akory ny hafatra noraisiny avy amin'Andriamanitra ho an'ny fiangonana, ary tsy hoe Baiboly iray hafa koa ny asasorany na rnanana izy karazam-pahefana hita ao amin'ny Baiboly, Amin'ny farany dia ny Baiboly ary ny Baiboly ireny ihany no fahefana fara tampony ho antsika.


Nahoana no tsy maintsy porofoina amin'ny alalan'ny Baiboly ny asasoratr'i EGW? Nahoana no tsy izy (i EGW io) no fahefana farany eo amin'ny resaka foto-pampianarana?
  

Zoma 20-02-2009 : Fianarana fanampiny


Tamin'ny taona 1982 dia nanomana fanambaràna mahakasika ny fifandraisan'ny Baiboly sy ny asasoratr'i EGW ny kômitîn'ny Foibe Eran-tany. Izao no voasoratra tao amin'izany fanambaràna izany: «Fanekena: 1) Mino isika fa tenin'Andriamanitra avy any an-danitra ary azo avy amin'ny tsindrimandrin'ny Fanahy Masina ny SM. 2) Mino isika fa boky 66 ihany izay misy ny TT sy TV no mandrafitra ny «canon»-n'ny SM. 3) Mino isika fa ny SM no fanorenan'ny finoana sy ilay fahefana farany eo amin'ny resaka fampianarana sy fampiharana. 4) Mino isika fa ny SM no Tenin'Andriamanitra amin'ny fitenin'olombelona. 5) Mino isika fa ny SM no mampianatra antsika fa ho hita miharihary eo amin'ny fiainan'ny fiangonana kristianina ny FPF, aorian'ny andron'ny TV. 6) Mino isika fa ny asa nanirahana an'i EGW sy ireo asasorany no fanaporofoana ny FPF, 7) Mino isika fa nanindry  mandry' an'i EGW ny Fanahy Masina, ary ny asa sorany izay vokatr'izany tsindrimandry izany dia azo ampiharina sady feno fahefana ho an'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. 8) Mino isika fa tafiditra ao anatin'ny tanjon'ny asasoratr'i EGW ny tari-dalana ho amin'ny fahafantarana ny fampianaran'ny SM sy ny fampiharana azy, arahin'ny fampirisihan'ny faminaniana ho an'ny fiainana ara-panahy sy ara-môraly. 9) Mino isika fa zava-dehibe eo amin'ny fikolokoloana ny ain'ny fiangonana sy ny firaisan'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ny fanekena ny FPF nananan'i EGW. 10) Mino isika fa ny fampiasan'i EGW ireo loharanon-kevitra an-tsoratra na am-bava sy ny fanampin'izany dia ahitana fampitahana amin'ireo asasoratra ao amin'ny Baiboly.


Fandavana: 1) Tsy mino isika fa samy hafa ny endrika (qualité) na ny herin'ny (degré) tsindrimandry tamin'ny asasoratr'i EGW sy ny SM. 2) Tsy
mino isika fa fanampin'ny «canon»-n'ny SM ny asasoratr'i EGW. 3) Tsy mino isika fa fanorenana sy fahefana faran'ny finoana kristianina tahaka ny SM ny asasoratr'i EGW. 4) Tsy mino isika fa azo ampiasaina ho fototry ny fampianarana (doctrines) ny Baiboly ny asasoratr'i EGW. 5) Tsy mino isika fa azo ampiasaina hanoloana ny fianarana ny SM ny asasoratr'i EGW. 6) Tsy mino isika fa amin'ny alalan'ny asasoratr'i EGW irery ihany no hahatakarantsika ny hevitry ny SM. 7) Tsy mino isika fa manamaivana ny hevitry ny SM ny asasoratr'i EGW. 8) Tsy mino isika fa zava-dehibe ary tena ilaina eo amin'ny fanambaràna ny fahamarinana raketin'ny SM ho an'ny fiarahamonina an-kapobeny ny asasoratr'i EGW. 9) Tsy mino isika fa ny asasoratr'i EGW no vokatry ny fahamasinana sy ny fivavahana kristianina tokana. 10) Tsy mino isika fa manda ny fisian'ny tsindrimandry tamin'ireo asasorany ny fampiasany ireo loharanon-kevitra an-tsoratra na am-bava sy ny fanampin'izany.»
Izao no tsoa-kevitra azo sintonina avy amin'izany rehetra izany: ny fahafantarana marina (tsy fisian'ny hevi-diso) ny tsindrimandry sy ny fahefana nisy teo amin'ny asasoratr'i EGW dia hahafahana misoroka ireto toe-javatra roa ireto: 1. ny fiheverana fa mitovy amin'ny «canon»-n'ny SM ny asasorany sy ny fomba fiasan'izy ireo. 2. Ny fiheverana fa literatiora kristianina efa mahazatra, tsotsotra fa tsy manan-danja ny SM sy ny as soratr'i EGW.


FANONTANIANA IFANAKALOZAN-KEVITRA
Diniho ireo lisitra notanisaina teo ambony ireo. Ahoana no hanampian'izany anao mba hampahazava aminao ny mombamomba an'i EGW sy ny asasorany? Inona no fanontaniana mety hipoitra avy amin'izany?

www.advantistalyon.com
Herinandro 38 taona 2009
Herinandro 37 taona 2009
Herinandro 36 taona 2009
Herinandro 35 taona 2009
Herinandro 34 taona 2009
Herinandro 33 taona 2009
Herinandro 32 taona 2009
Herinandro 31 taona 2009
Herinandro 30 taona 2009
Herinandro 29 taona 2009
Herinandro 28 taona 2009
Herinandro 27 taona 2009
Herinandro 26 taona 2009
Herinandro 25 taona 2009
Herinandro 24 taona 2009
Herinandro 23 taona 2009
Herinandro 22 taona 2009
Herinandro 21 taona 2009
Herinandro 20 taona 2009
Herinandro 19 taona 2009
Herinandro 18 taona 2009
Herinandro 17 taona 2009
Herinandro 16 taona 2009
Herinandro 15 taona 2009
Herinandro 14 taona 2009
Herinandro 13 taona 2009
Herinandro 12 taona 2009
Herinandro 11 taona 2009
Herinandro 10 taona 2009
Herinandro 09 taona 2009
Herinandro 08 taona 2009
Herinandro 07 taona 2009
Herinandro 06 taona 2009
Herinandro 05 taona 2009
Herinandro 04 taona 2009
Herinandro 03 taona 2009
Herinandro 02 taona 2009
Herinandro 01 taona 2009
Herinandro 52 taona 2008
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006