Telovolana 1 : Famille terrestre et famille spirituelle

Lesona faha 12 : NY FITAHIANA AVY AMIN'NY FANOMEZAM-PAHASOAVAN'NY FAMINANIANA

Daty : 14-03-2009 hatr@ 20-03-2009. Toko dinihina : Eks. 17:14; 34:27; Lev 11:1-8; Deo 6:4-7; Isa 44:8; 49:6.

Tsianjery : Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.

Sabotsy 14-03-2009 : Ireo fitahiana avy amin'ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana (fpf)

 

Tamin'ny vanim-potoana nifandimby rehetra teo amin'ny tantara ao amin'ny Baiboly dia niasa tamin'ny alalan'ny mpaminany ny Tompo -anisan'izany ireo mpaminany tsy nanoratra boky ao amin'ny Baiboly -mba hampahery sy hanondrotra ny vahoakan'Andriamanitra ary hanome fampitandremana azy ireo. Na dia nisy aza fotoana indraindray tsy mamim-bahoaka ny hafatra nentin'izy ireo, na dia diso aza matetika ny fahazoana ny antony nanosika azy ireo, dia tanjona tokana ihany no tao an-tsain'ireo olona rehetra ireo: hitahy sy hanasoa ny fiangonan'Andriamanitra. Ary inoana marimarina fa tsy nisy hafa tamin'izany i EGW sy ny FPF nananany.
Amin'ity herinandro ity isika dia hijery ny sasany amin'ireo fitahiana tonga amin'ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny FPF. Inoana marimarina fa ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, araka izao ahafantarantsika azy ankehitriny izao, dia tsy ho nisy angamba raha tsy teo ny toro hevitra nomen'Andriamanitra an'ity fihetsehana ity tamin'ny alalan'ny Fanahin'ny Faminaniana (FF).

Indray mitopy maso: Nahoana no nifidy ny Isiraely ho vahoakany manokana Andriamanitra ary inona no tanjona nokendreny tamin'izany? Tamin'ny fomba ahoana no nanabeazana ny tanora teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'ny TT? Inona ny sasany amin'ireo toro hevitra momba ny fahasalamana nomen'Andriamanitra ny Isiraelita? Nahoana no nosoratan'ny Isiraelita teo amin'ny tolam-baravaran'ny tranony ny Tenin'Andriamanitra? Tamin'ny tomba ahoana no nampiasan'i Jehôvah ny FPF mba hanasoavana ny fiangonana?

Alahady 15-03-2009 : Iraka ampanaovina

Nahoana   no   nifidy   ny   Isiraely   ho   vahoakany   manokana Andriamanitra? Deo. 7:7,8; Isa. 44:8; 49:6.

Nifidy ny Isiraely Andriamanitra mba ho vavolombelony. Ny firenena rehetra ambonin'ny tany dia natao hiombona amin'ireo fitahiana izay homeny ny vahoakany. Ny Isiraely dia natao haneho ny fiderana Azy (Isa. 43:21), hitory ny voninahiny eo anivon'ireo firenena (Isa. 66:19), ary ho fanazavana ny jentilisa.

Inona no iraka ampanaovina ny fiangonana kristianina, ary manatanteraka tsara io iraka io ve izy? Mat. 28:19,20.

Vanim-potoana roa lehibe teo amin'ny tantarany no nisian'ny fitaran'ny fiangonana kristianina. Ny vanim-potoana voaiohany dia tamin'ny fotoana niorenany tamin'ny taonjato voaiohany sy faharoa; ny vanim-potoana faharoa kosa dia nandritra ny taonjato fahasivy ambin'ny folo, izay antsoina koa hoe taonjaton'ny famitana iraka. Taorian'ireo fifohazana lehibe tamin'ny taonjato fahavalo ambin'ny folo sy ny voalohandohan'ny taonjato fahasivy ambin'ny folo dia nanangana fikambanana maro mampiely Baiboly sy mandefa misiônera tany Eorôpa sy tany Amerika ny fiangonana kristianina, ary tao anatin'ny 100 taona dia nitombo izy: raha 18%-n'ny mponina maneran-tany izy tamin'ny taona 1800, dia lasa 34% tamin'ny taona 1900.
Tamin'ireo folo taona voaiohany teo amin'ny tantaran'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, dia nino izy ireo fa nanatanteraka ny baikon'Andriamanitra hampianatra ny firenena rehetra ny fiangonana rehefa nitory fotsiny tamin'ireo mpifindra monina tany Amerika Avaratra. Izao anefa no nosoratan'i EGW tamin'ny taona 1871: "Tokony hanana ny fahaizana amam-pahalalana manokana ilaina ny tanora amin'ny fifankazarany amin'ny fiteny hafa, mba hahafahan'Andriamanitra mampiasa azy ireo ho fitaovana hampita ny fahamarinana mahavonjy amin'ireo izay any amin'ny firenena hafa." -LSEGWt 204.

Taorian'izany dia nahazo nofy nanaitra tokoa izy tamin'ny taona 1874, dia ny hizara ny hafatry ny anjely fahatelo amin'izao tontolo izao. Nolazaina taminy tao amin'ilay nofy hoe: "Voafetra loatra ny hevitra kolokoloinareo momba ny asa ho amin'izao vanim-potoana izao (...). Handeha amin-kery any amin'ny faritra rehetra eto amin'izao tontolo izao ny hafatra, any Oregon, any Eorôpa, any Aostralia, any amin'ireo nosy any an-dranomasina any, any amin'ny firenena rehetra sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra (...) Voafetra ny finoanareo, tena kely dia kely. Mila velarina be mihitsy ny fahitanareo ny asa. - LSEGW, tt. 208,209.

Tamin'io taona io ihany no nanendrena tamin'ny tomba ôfisialy an'i J. N. Andrews ho misiôneran'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito voalohany. Nankany Soisa izy sy ny zanany tamin'izay fotoana izay, ary telo taona taty aoriana dia nalefa tany Scandinavie ny fianakavian'i John G. Matteson. Amin'ireo firenena 229 eto amin'izao tontolo izao eken'ny Firenena Mikambana ho ara-dalàna dia firenena maherin'ny roanjato amin'ireo izao no misy asa ataon'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito miorina ao aminy.

Ahoana no ampifandanjantsika ireto: miasa ho an'ny fanahy any am-pitan-dranomasina etsy an-daniny, nefa koa, etsy an-kilany, tsy atao tsirambina ny sahan'asa eo amin'izay misy antsika?

Alatsinainy 16-03-2009 : Fanabeazana

Tamin'ny fomba ahoana no nanabeazana ny tanora teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'ny TT? Inona ireo foto-kevitra lehibe mikasika ny lafiny ara-panahy amin'ny fanabeazana mendrika rehetra, izay azontsika raisina avy amin'ireto toko sy andininy ireto? Gen. 18:19; Deo. 6:4-7,20-25.

Tamin'ny alalan'ireo toro mariky ny rainy no nampianarana ny ankizy hebreo izay nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakany tamin'ny lasa, izay tokony ho fomba fiainany eo anatrehany, ary ireo teny fikasan'Andriamanitra ny amin'ny hoavy. Nampianarina azy ireo koa ireo fahaizana manokana ilainy mba hahatonga azy ireo ho olona mahomby ao amin'ny fiarahamonina misy azy. Izany fanabeazana izany àry, araka izany, dia fanabeazana eo amin'ny lafiny fahaizana asa sady toro marika ara-panahy sy ara-pivavahana koa.

Tany am-piandohan'izao fihetsehana advantista izao tany aloha indrindra tany no efa nitsiry ny hevitra teo anivon'ireo mpamaky laintsika, izay nitarika ho amin'ny fiezahana maro hanorina sekoly ho an'ny ankizy advantista, kanefa tsy nisy tamin'izy ireny naharitra ela.

Taty aoriana, tamin'ny fiandohan'ny taona 1872, dia nahazo fahitana mikasika ireo tena foto-kevitry ny fanabeazana marina i EGW. lo fahitana io no fototra niaingany nahatonga azy hanoratra pe}y miisa 30 mirakitra ireo foto-kevitra ireo. Anisan'ireo zavatra nosoratany tao anatin'izany ny hoe: "Mila sekoly isika, ka ao amin'izany sekoly izany no ampianarana ireo vao nirotsaka ho amin'ny asa fanompoan'ny mpitandrina, fara fahakeliny ireo taranja iraisana eo amin'ny fanabeazana, ary koa ahafahan'izy ireo mianatra tsara kokoa an-tsakany sy an-davany ireo fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra ho amin'izao fotoana izao." - FCE, tt. 45,46.

Tamin'ny volana May 1872 dia neken'ny Kômitin'ny Foibe Eran-tany ho andraikitra ny fitantanana sekolim-piangonana iray eo an-toerana, any Battle Creek, any Michigan, ka nisokatra tamin'ny fomba ôfisialy ny varavaran'ny sekoly advantista voalohany tamin'ny 3 Jona (roa ambin'ny folo ny isan'ny mpianatra tamin'izay). Roa taona taty aoriana, mpianatra 100 no nisoratra anarana tao amin'ilay sekoly ambaratonga ambony vao naorina tao Battle Creek.
Ankehitriny, enina arivo mahery ny isan'ny sekoly sy sekoly ambaratonga ambony ary université advantista, izay mikarakara mpianatra iray tapitrisa mahery manerana izao tontolo izao.

Toa inona no tokony ho toetoetry ny sekoly advantista ankehitriny? Ahoana no tokony hampiavaka azy amin'ireo sekoly hafa? Ataovy lisitra ireo toetra manokana mampiavaka azy ka mifanakaloza hevitra mikasika ireo ao amin'ny kilasy.

Talata 17-03-2009 : Fahasalamana

Hoy Andriamanitra tamin'ny Isiraelita: l"Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hanao izay mahitsy eo imasony... dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana.'" Eks. 15:26. Inona ny sasany amin'ireo toro hevitra momba ny fahasalamana nomen'Andriamanitra azy ireo? Lev. 7:22-26; 11:1-8; 13:46.

Nandritra ny taonjato maro no efa niely teo anivon'ny olona velona tamin'ny taonjato antenantenany (moyen âge) ny tahotra sy ny horohoro ateraky ny habokana sy ny pesta ("peste noire"). Rehefa tsaroan'ny mpitondra fiangonana fa natoka-monina, tsy navela hiharo tamin'ny fiaraha-monina ny olona voan'ny habokana tao amin'ny Baiboly, ary nampihariny tamin'ireo olona tratry ny habokana sy ny pesta io fitsipika io, vao nitsahatra ireo antambo ireo.

Ny ankamaroan'ireo mpamaky lay advantista dia tsy inona fa mpanavao teo amin'ny lafiny fahasalamana. Tamin'ireo fivoriambe tamin'ny andro Sabata tamin'ny taona 1848, dia an-kevitry ny nipetraka nanodidina latabatra iray izy ireo niara-nisakafo antoandro, ary nihinana kôtletan-kisoa. Tamin'ny fahitana tamin'ny taona 1848 no naseho tamin'i EGW fa manimba fahasalamana ny paraky sy ny dite ary ny kafe, kanefa naharitra an-taonany maro ny fandresen-dahatra ny mambra momba izany.

Tamin'ny 6 Jona 1863 dia nahazo fahitana i EGW, ary tamin'izay no naseho taminy ny ilàna ny fanavaozana ara-pahasalamana: "Hitako fa adidy masina ny fitandremana ny fahasalamantsika, sy ny manaitra ny hafa hahatsiaro ny adidiny." - SIM, b. 3, t. 280. Roa taona taty aoriana,tamin'ny 25 Desambra 1865, dia naseho taminy fa tokony hanangana Ivon-toerana momba ny fahasalamana ny Advantista mitandrina ny andro fahafito. Ny ivon-toerana momba ny fanavaozana ara-pahasalamana "Western Health Reform Institute" tao Battle Creek, izay nisokatra tamin'ny taona 1866, dia anankiray amin'ireo hôpitaly sy toeram-pitsaboana maherin'ny telonjato, izay tantanan'ny fiangonana ankehitriny.

Inona no azontsika ambara amin'ireo izay milaza fa nadikan'i EGW avy tamin'ireo olona hafa mpanavao eo amin'ny lafiny ara-pahasalamana tamin'ny androny ny hafatra momba ny fahasalamana nentiny?

Nisy fikarohana natao, vao tsy ela izay, tao amin'ny hafatra momba ny fahasalamana nentin'i EGW, izay nampiseho fa misy fahasamihafana be eo amin'ny hatsarany ny foto-kevitr'i EGW momba ny fahasalamana sy izay nohafatrafaran'ireo olona hafa mpanavao eo amin'ny lafiny ara-pahasalamana tamin'ny androny. "Ambony dia ambony ny isan-jaton'ireo foto-kevitra momba ny fahasalamana nambarany no voaporofon'ny siansa môderina momba ny fitsaboana fa marina... ambany kosa ny isan-jaton'ireo foto-kevitra momba ny fahasalamana avy amin'ireo loharanon-kevitra lazaina fa nadikany no voamarina ara-tsiansa. Izay elanelana izay dia mampiseho fa tsy mety ho loharanon-kevitra hitany tetsy na teroa avy tamin'olombelona tamin'ny andro nahavelomany no nahazoany ny fahalalana momba ny fahasalamana nananany." - PHC, tt. 87,88.

Ny hafatra momba ny fahasalamana dia fanomezana mahatalanjona avy amin'Andriamanitra ho antsika. Tahaka ireo fanomezana rehetra avy aminy, dia nety ho nisy ny fanararaotana azy, ary tena nisy tokoa moa izany. Inona no azontsika atao mba hiarovana io fanomezana io tsy ho lasa ozona?

Alarobia 18-03-2009 : Fanontana boky sy fampielezam-boky

Araka ny voalazan'ny Soratra Masina, dia i Mosesy no olona nanoratra voalohany ireo tenin'Andriamanitra (Eks. 17:14; 34:27; Deo. 31:24). Ny Baiboly, ankehitriny, no boky natonta betsaka indrindra sy be mpamaky indrindra teo amin'ny tantara.

Nasaina nosoratan'ny Isiraelita taiza ireo tenin'ny lalàna? Inona, araka ny hevitrao, no antony nanomezana izany baiko izany? Deo. 6:1-9; 11:18-20.

Fomba fanao nanjaka hatraiza hatraiza tany amin'ny Faritra Atsinanana Akaiky ('Proche Orient') tamin'ny andro fahiny ny fanoratana ohabolana na fanambaràna lehibe teny amin'ny toerana miharihary mora tazan'ny maso tamin'ny trano fonenan'izy ireo. Miharihary izany any amin'ny firenena silamo sy eo anivon'ny firenena tandrefana mihitsy koa aza. Ahitana soratra eo amin'ny trano any aminïreo nosy britanika ary koa any Alemaina sy Aotrisy ary Soisa.
Tany Isiraely, ny tanjona nokendrena tamin'ny fanoratana ny Tenin'Andriamanitra teo amin'ny tolam-baravaran'ny trano fonenan'izy ireo dia ny hihazonana ny fampianaran'Andriamanitra ho tazan'ny mason'izy ireo sy ho ao an-tsain'izy ireo mandrakariva, ary izany dia ho fampahatsiahivana azy ireo mandrakariva mba hitandrina ny didin'Andriamanitra.

Inona no anjara asa notanan'ny fanontana boky sy ny fampielezam-boky teo amin'ny tantaran'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito tany am-piandohany?

Tsy avy tamin'ny fahendren'olombelona ny asa fanontana boky sy fampielezam-boky ato amin'ny fiangonantsika. Nahita fahitana i EGW tamin'ny taona 1848, tao an-tokantranon'i Otis Nichols tany Dorchester, any Massachusetts. Hoy izy tamin'i James, rehefa nifarana ilay fahitana: "'Manana hafatra ho anao aho. Tsy maintsy manomboka manonta gazety kely ianao izay tsy maintsy haelinao amin'ny oiona. Aoka ho kely izany amin'ny voalohany; fa rehefa mamaky ny olona, dia halefany aminao ny vola ilaina hoenti-manonta izany, ka ho fahombiazana hatramin'ny voalohany izany. Naseho ahy fa miainga avy amin'izany fiandohana kely izany izy io ary ho tahaka ny fiam-pahazavana mandeha manodidina izao tontolo izao.'" - LSEGW, t. 125.
"'Riam-pahazavana nandeha nanodidina izao tontolo izao!'" Fomba ahoana no hahatanteraka izany? Ho avy tsy ho ela i Jesôsy. Nefa ny Advantista mbola vitsy dia vitsy. Sady tsy nisy olona nanan-karena na nanam-pahaizana be teo anivon'izy ireo. Ary izao tontolo izao, he, indrisy, tsy mino. Indra anefa vehivavy tanora iray, maminany fa misy asa fanontana sy fampielezam-boky, hatomboky ny vadiny izay tsy manam-bola na dia ariary aza, hitombo mandra-pahatonga izany nanodidina ny tany? Lasa anefa ny enim-bolana mahery, indro i James White fa tsy mbola afaka nanao akory na dia ny fiandohana kely indrindra aza, dia ny fikarakarana ny fanontana gazety iray misy takila valo, miisa arivo, izay tsy aloa tolo-botsotra akory ny vidiny. Ankehitriny anefa ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia manana trano famoaham-boky maherin'ny dimam-polo, ary ny hafatra izao dia efa atonta sy torina amin'ny fiteny roapolo sy roanjato mahery.

Inona no akon'ny pejy voasoratra eo amin'ny fanandramana ara-panahy ataonao manokana?

Alakamisy 19-03-2009 : Teolojia

Teo amin'ny tantara nifandimbindimby rehetra ao amin'ny Baiboly, dia nampiasa ny FPF Andriamanitra hiarovana ny vahoakany amin'ny fahadisoan-kevitra ara-teôlôjia. Tsy misy hafa amin'izany ny asa fanompoana nataon'i EGW. Tsy maintsy niady tamin'ny toe-tsain'olona karazany maro niziriziry tamin'ny heviny ('fanatisme') izy tamin'ny andron'ny fiangonantsika tany am-boalohany. Nisy ny nilaza azy ho tanteraka, teo ny nilaza fa tsy tokony hiasa intsony, ary nisy indray ny sasany mbola nanohy nametra fotoana hafa hiverenan'i Kristy. Tamin'ny toe-javatra nanahirana tamin'ny andron'i Kellogg sy ny fampianarany, tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-19, dia namonjy ny fiangonana tamin'ny foto-pampianaran'izy ireo ('panthéisme') ny toro hevitra nomeny - [foto-pampianarana milaza fa ao amin'ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao Andriamanitra - izany hoe, araka ny finoan'izy ireo, Jzao tontolo izao sy Andriamanitra dia iray ihanyj. Tamin'izany fotoana izany koa, saika niady irery izy tamin'izany, dia nitarika ny fiangonana hiala tamin'ny 'semi-arianisme' ('arianisme' amin'ny ampahany) izy [ny 'arianisme' dia foto-pampianarana ijoroan'ireo tsy mino fa Andriamanitra i Jesôsy] ho amin'ny foto-pampianarana ijoroantsika, dia ny finoana an'Andriamanitra Telo Izay Iray izany. Rehefa nitady hanova ny fampianarana momba ny fitoerana masina i A. F. Ballenger, dia nijoro tsy azo nohozongozonina nanohitra izany izy. Nandray anjara lehibe tsy azo nohozongozonina koa i EGW tamin'ny fihazonana ny fiangonana tamin'ny androny tsy ho latsaka lalina tao amin'ny légalisme' (toe-tsaina fatra-pitandrina ny lalàna); niaraka tamin'i A. T. Jones sy i E. J. Waggoner izy, nalaza tamin'ny fiandaniany tamin'ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana an'i Kristy irery ihany, tsy miaraka amin'ny asan'ny lalàna.

Taorian'ny nahafatesany, dia mbola nanohy nanome tari-dalana ho an'ny fiangonana hatrany ny asa sorany. Vao tsy ela izay amin'izao vanim-potoana izao, dia nanondro mazava ny lalan-kombana teo amin'ny olana momba ny famoronana ny asa sorany, famoronana izay iantefan'ny famelezana - eny, famelezana avy amin'olona ao anatin'izao laharana misy antsika izao mihitsy koa aza.

Inona no ampianarin'ny TT momba ny niandohan'ny fiainan'olombelona? Gen. 1:1-3; Eks. 20:8-11; Sal. 33:6; Isa. 42:5.

Araka ny voalazah'ny TT dia tao anatin'ny henemana no namoronan'i Jehovah ny aina teto amin'ity tanintsika ity. Yom no teny hebreo izay nadika hoe andro ao amin'ny Gen. 1. Rehefa miaraka amin'ny isa io teny io ao amin'ireo bokin-tantara ao amin'ny Baiboly, dia elanelam-potoana maharitra 24 ora ara-bakiteny foana no tiana hambara (jer. ohatra Gen. 7:11; Eks. 16:1). Rehefa nitsahatra tamin'ny andro fahafiton'ilay herinandron'ny famoronana Andriamanitra dia nanorina ny Sabata ho tsangam-bato fahatsiarovana mandrakariva ny fahavitan'ny asa famoronana nataony. Raha lazaina amin'ny teny fohy dia izao: Eo ambony fototra ara-Baiboly tsy mihontsina isika raha mifikitra amin'ny Famoronana naharitra enina andro ara-bakiteny, na dia eo aza ireo feo - misy eo anivontsika mihitsy aza izy ireny -mandahatra milaza zavatra hafa.               <
Ary na dia efa ho zato taona lasa aza izay no nahafatesan'i EGW, eto koa dia mbola manome antsika fanantitranterana io fahamarinana ara-Baiboly lehibe io ny teniny: "Nentina .niverina tany amin'ny famoronana aho tamin'izay, ka naseho ahy fa ny herinandro voalohany, izay nanatanterahan'Andriamanitra ny asa famoronana tao anatin'ny henemana sy nitsaharany tamin'ny andro fahafito, dia mitovy indrindra amin'ny herinandro hafa rehetra." - SG, b. 3, t. 90.

Na dia eo aza ny fanambaràna mazava ao amin'ny Baiboly, na dia eo aza ny fanantitranteran'i EGW izany, dia misy amintsika mbola mikiry ihany milaza fa an-tapitrisa taonany maro nisian'ny fivoarana miandalana no nampiasain'Andriamanitra mba hamoronana ny ain'olombelona. Inona ireo ohatra hitanao ao amin'ny Baiboly maneho olona efa voasaringotra loatra tamin'ireo firehan-kevitra tamin'ny androny hany ka tsy hitany intsony ny fahamarinana manan-danja lehibe? Fomba ahoana no iarovantsika tena mba tsy hahatafalatsaka antsika ao amin'izany fandrika nampiasaina efa hatry ny ela izany?


Zoma 20-03-2009 : Fianarana fanampiny

 Vak. ny TMF, tt. 103-123; "Source and Aim of True Education", Ed., tt. 13-19, sy "Relation of Education to Rédemption", Ed., tt. 28-30.

Maro amin'ireo foto-kevitra momba ny fiainana mahasalama hita ao amin'ny boky nosoratan'i EGW no efa nampianarin'ireo mpitondra fanavaozana ara-pahasalamana hafa velona tamin'ny androny, saingy tamin'ny fomba voafetra. Misy hevi-diso sy zavatra tafahoatra ny mety maro anefa hita ao amin'ny fampianaran'izy ireny, hevi-diso sy hevitra mihoampampana izay efa nihatahan'i EGW noho ireo toro marika azony avy tamin'Andriamanitra. I Sylvester Graham sy i James Jackson, mpanao fanavaozana ara-pahasalamana nalaza tamin'ny andron'i EGW, ohatra, dia samy nampianatra hoe "Aza mihinan-tsira". I EGW kosa anefa dia nanoratra hoe: "Mampiasa sira kely ihany aho, sady manana sira mandrakariva, satria ny sira, raha ny marina, dia tsy manimba fahasalamana velively fa tena ilain'ny ra. - TTC, b. 9,1.162.
Anisan'ny fahadisoan-kevitra nampianarin'ireo mpanao fanavaozana ara-pivayahana tamin'ny taonjato faha-19, izay nihatahan'i EGW koa ny hoe: aza manapa-bolo; aza misotro rano -aoka ny zavatra sotroinao ho avy amin'ny voankazo irery ihany; rehefa mihinan-kena, ny taviny indrindra indrindra no aoka hohanina; ny olona vondraka dia olona salama; aza mampiasa savony, sns. (Jereo ny boky PHC, tt. 77,78.)

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA :

• Iverenonareo iray kilasy jerena ny valin'ny fanontaniana farany ao amin'ny fizaran-desona Alatsinainy.
 

•Velona amin'ny andro sy ny vanim-potoanan'ny siansa isika ankehitriny. Ho an'ny olona maro velona amin'izao vanim-potoana izao dia ny siansa irery ihany no tomba ahalalana ny marina. Mahaliana fa amin'ireo zavatra rehetra ampianarintsika (ny fiavian'i Kristy fanindroany, ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana, ny toetry ny maty, sns.), dia anankiray ihany no azo hamarinina ara-tsiansa: tsy inona izany fa ny hafatra momba ny fahasalamana. Saintsaino maharitra ny mety haterak'izany eritreritra izany.

• Isika Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia manitrikitrika'- ary rariny raha manao izany isika - fa ny foto-pampianarana rehetra ijoroantsika dia ilaina ho avy ao amin'ny Baiboly avokoa, ary avy ao amin'ny Baiboly irery ihany. Etsy an-danin'izay, raha inoantsika fa hita taratra teo amin'i EGW ny FPF, moa tsy tokony homena lanja sy hitokiana koa ve ny asa sorany momba ny foto-pampianarana? Ahoana   no   ahafahantsika   mandanjalanja   tsara   ny   fomba ampiasantsika ny asa sorany hiatrehana sy hamahana ireo olana ara-teôlôjia izay miteraka ady hevitra?

• Tahaka ny Baiboly ihany, dia misy zavatra mikasika ny asasoratr'i EGW izay tsy azontsika. Ahoana no ahatahantsika miaro tena mba tsy ho tafalatsaka ao amin'ny tomba mahafaty, dia ny fifantohana fotsiny amin'ny olana na ny zava-manahiran-tsaina, ka manjary very an-javona, tsy hitantsika ilay sary an-kapobeny lehibe kokoa?

RAHA...TADIDIO... !

Raha ny fibanjinana no tsy ampy, Tadidio, fa Josôsy indray no miafy Roho ny Teniny no hadinoino Tadidio, fa ny Tompo izay no soloina. Raha ny fianarana impito no tsy feno, Tadidio, fa io Jesôsy malahelo Raha ny fiambenana no tsy lefy, Tadidio, fa Jssôsy iry ivolan'ny fefy. Raha ny fiandrasana no tsy vonona Tadidio, fa ny ainao no hatao sorona Raha toa ka tsy nisy ra nalatsaka, Tadidio, fa tsy nisy ny ho afaka.
Raha ny fanavotana no tsy natao, Tadidio, f'izao rehetra izao dia ho lao Raha tsy nanaiky Kristy Tadidio, fa voahorona ity tany ity. Raha mba ianao no ho mpankatô Tadidio, fa Kristy mihitsy no ho faly qloha Raha isika rshetra izao no ho voavonjy Tadidio, fa sambatra tokoa Ilay Mpamonjy.

* Razandtimampianina Faralalry Joseph
Antsahahmteraka Ambatondrazaka
Alaotra Mangoro

www.advantistalyon.com
Herinandro 38 taona 2009
Herinandro 37 taona 2009
Herinandro 36 taona 2009
Herinandro 35 taona 2009
Herinandro 34 taona 2009
Herinandro 33 taona 2009
Herinandro 32 taona 2009
Herinandro 31 taona 2009
Herinandro 30 taona 2009
Herinandro 29 taona 2009
Herinandro 28 taona 2009
Herinandro 27 taona 2009
Herinandro 26 taona 2009
Herinandro 25 taona 2009
Herinandro 24 taona 2009
Herinandro 23 taona 2009
Herinandro 22 taona 2009
Herinandro 21 taona 2009
Herinandro 20 taona 2009
Herinandro 19 taona 2009
Herinandro 18 taona 2009
Herinandro 17 taona 2009
Herinandro 16 taona 2009
Herinandro 15 taona 2009
Herinandro 14 taona 2009
Herinandro 13 taona 2009
Herinandro 12 taona 2009
Herinandro 11 taona 2009
Herinandro 10 taona 2009
Herinandro 09 taona 2009
Herinandro 08 taona 2009
Herinandro 07 taona 2009
Herinandro 06 taona 2009
Herinandro 05 taona 2009
Herinandro 04 taona 2009
Herinandro 03 taona 2009
Herinandro 02 taona 2009
Herinandro 01 taona 2009
Herinandro 52 taona 2008
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006