Telovolana 2 : Ttre du trimestre 2 2006

Lesona faha 1 : FITIAVANA

Daty : 28-03-2009 hatr@ 03-04-2009. Toko dinihina : Isa.53; Mat. 22:37-39; I Kor.13; I Jao.3,4

Tsianjery : Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo. I Kor.13:13

Sabotsy 28-03-2009 : Fampidirana

Alahady 29-03-2009 : Fitiavana

Rariny loatra raha ny tari-dalana fianarana Baiboly miresaka momba ireo hevitra fototry ny finoana kristianina no manomboka amin'ny loha hevitra momba ny fitiavana. Marihin'ny apôstôly Paoly fa, na dia zava-dehibe aza ny finoana sy ny fanantenana ary ireo lafiny hafa amîn'ny fivavahana kristianina, dia ny fitiavana no iantombohan'izany rehetra izany. -Tsinontsinona - isika, boy izy, raha tsy misy fitiavana (1 Kôr. 13:2).
Hoy i Sophocle, filôzôfa grika velona tamin'ny taonjato fahadimy tany ho any talohan'ny nahaterahan'i Kristy: "Teny iray no manafaka antsika amin'ny vesatra sy ny zava-mahorin'ny fiainana.
Tsy inona io teny io fa ny teny hoe fitiavana." Marina tokoa ireo teny ireo, saingy na izany aza dia tsy fantatr'io olon-kendry grika io ny halalin'ny fitiavana izay hotorin'ny Mpamonjintsika ho ren-tany ho ren-danitra sy hasehony eo amin'ny fiainany ho ohatra halaintahaka.
Andriamanitra dia fitiavana. Ka na inona na inona toetra hafa mahaAndriamanitra anAnd ri aman itra, na inona na inona nataony sy ataony ary mbola hataony — izany rehetra izany dia fanehoana ny fitiavany avokoa. Mampahery io fitiavana io nefa sarotra takarina ihany koa. Ny fitiavan'Andriamanitra dia mihoatra lavitra noho izay mazàna antsoin'ny olombelona hoe fitiavana, izay tsy inona indraindray fa fihetseham-po fotsiny, tsy lalim-paka akory, na fitiavana mihelina ihany izay mifangaro fitiavan-tena sy fimatimatesana amin'ny harena matetika. Tsy hoe manana fitiavana na mampiseho fitiavana fotsiny Andriamanitra. Izy mihitsy no fitiavana.

Indray mitopy maso: Efa naseho tamin'ny fomba maro ny fitiavan' Andriamanitra ny olombelona, ny lehibe sy malaza indrindra amin'ireny dia ny hazo fijaliana. Amin'ny maha-mpanaraka an'i Jesôsy antsika, dia ny fitiavantsika ny hafa tahaka ny nitiavan'i Kristy antsika no asetrintsika ny fitiavany.

 

Alatsinainy 30-03-2009 : Ny fitiavana -rafitry ny fiainana-salotry ny fiainana

Mila mihinana sy misotro isika raha te ho velona. Raha tsy misy rano hosotrointsika na sakafo hohanintsika dia vetivety foana dia hifarana hatreo ny fiainantsika. Mba hahatonga antsika ho velona, amin'ny tena hevitr'io teny io, anefa dia mila fitiavana koa isika. Ny fiainana tsy misy fitiavana dia karazam-piainana tsy tena an'olombelona. Efa ao anatintsika ao rahateo ny filàna handray fitiavana. Mila ny fitiavan'ny rat' aman-dreny isika. Mila ny fitiavan'ny fianakaviana sy ny namana isika. Ilaintsika ny ho anisan'ny fiarahamonina be fitiavana. Tahaka ny ilantsika ny handray fitiavana ihany anefa no ilantsika koa ny manome fitiavana. Tsy tena olombelona isika raha tsy mahay mitia. Aoka anefa hazava: ny tena fitiavana dia tsy manomboka amintsika. Ny Mpamorona antsika no mahary ao anatintsika ny fahafahana mitia. (Jer. Gen. 1:26 sy Jao. 3:16).

Ahoana no maha-tena zava-dehibe indrindra ny fitiavana eo amin'ny fiainan'ny mpanaraka an'i Kristy? Mat. 22:37.39; 1 Kôr. 13:1.3; 1 Jao. 3:14.

Ny fitiavan'Andriamanitra foana no mandeha aloha, izay vao ny fitiavantsika. Na inona na inona zavatra hafa lazaintsika momba ny fitiavana, tena lehibe dia lehibe tokoa io hevitra io. Ny tena fitiavana dia "tsy fihetseham-po vetivety (..) Fa fitsipika mitoetra sy iainana avy amin'Andriamanitra. Tsy afaka hitsiry ao amin'ny fo tsy voaova izany. Ao amin'ny fo anjakan'i Kristy ihany no ahitana azy. 'Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha. ' (1 Jao. 4:19). Io no fitsipika mifehy ny toetran'izay nohavaozin'ny fahasoavanAndriamanitra." - VM, t. 487.
Ilay mpanoratra britanika malaza, C.S. Lewis, dia mampiasa ny teny hoe "Fanomezana-fitiavana" sy hoe "Filàna-fitiavana" hanavahana ny fitiavan'Andriamanitra sy ireo endriky ny fitiavan'olombelona.  Marina fa mitady ny fitiavantsika mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra Andriamanitra, saingy tsy araka ny fomba ilàntsika fitiavana avy aminy sy avy amin'ny olombelona namantsika no ilany ny fitiavantsika. "Tsy [maintsy] manomboka any amin'ny tena fanombohana isika, ka amin'izany dia ny fitiavana no hery avy amin'Andriamanitra. Fanomezana-fitiavana io fitiavana tany am-boalohany io. Ao amin'Andriamanitra dia tsy misy hanoanana ilaina homena fahafaham-po, fa fahabetsahana izay maniry ny hanome." — FL, t. 121. Ny fitiavana olombelona dia ilaina hovan'ny fitiavan'Andriamanitra, amin'izay isika dia afaka hanome fitiavana araka ny fomba tena mitovy amin'ny an'i Kristy — sady manohy hatrany maniry fatratra fitiavana avy amin'ny hafa.

Araka ny fanandramana niainanao, inona no fahasamihafana misy eo amin'ny fitavan'olombelona sy ny fitiavan'Andriamanitra? Ilay karazany manao ahoana amin'ny fitiavan'olombelona no ohatra tsara indrindra maneho ny fitiavan'Andriamanitra? Fomba ahoana no ahafahantsika maneho tsara kokoa ny fitiavan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika?

Talata 31-03-2009 : Ilay andriamanitra ao amin'ny tt — andriamanitra fitiavana

Voalaza matetika fa ao amin'ny TV ihany no ahitana miharihary ny fitiavan'Andriamanitra, fa Ilay "Andriamanitra ao amin'ny TT" kosa dia Andriamanitra fahamarinana sy fahatezerana. Raha mandinika tsara ny Baiboly manontolo anefa isika dia hahita fa tsy manana toetra mizarazara toa izany Andriamanitra. Marina fa tao amin'i Kristy no nanehoana tamin'ny fatra feno indrindra ny fitiavan'Andriamanitra (araka ny sary anehoan'ny TV azy), fa Ilay Andriamanitra tamin'ny andron'ny TT koa dia tsy latsa-danja noho izany, fa Andriamanitry ny fitiavana fara tampony Izy. Tsy miova Andriamanitra (Jak. 1:17). Tsy niova miandalana Izy tsy akory ka ilay Andriamanitra fahatezerana na Andriamanitra fahamarinana, indro fa lasa Andriamanitra fitiavana. Mandrakizay ny fîtiavan'Andriamanitra. Ireto teny nataony ho an'ny vahoakany ao amin'ny TT ireto dia azo ampiharina amin'ny fotoana rehetra: "Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao." — Jer. 31:3.

Jer. ireto porofo vitsivitsy misy lanjany lehibe ireto, izay maneho miharihary ny fitiavan'Andriamanitra tamin'ny andron'ny TT, araka ny lisitra eto ambany, dia ampio porofo mazava hafa vitsivitsy maneho ny fitiavany, hita any amin'ny toerana hafa ao emin'ny TT, ireo,
•    Ny fitiavan'Andriamanitra tamin'ny famoronana (Gen. 1:26-31; 2:21-25).
•    Manome vaha olana ho an'ny olana momha ny fahotana (Gen. 3:15; 22:8; Isa. 53).
•    Ny fanomezana ny Sabata (Eks. 31:12-171,
•    Ny fanomezana tsy tapaka ny faminaniana (Amô, 3:7).
Misy tantara sy fanambarana ao amin'ny TT izay sarotra ny mahazo azy, raha ny ivelambelany fotsiny ihany no jerena, Marina fa misy resaka ra mandriaka sy ady vakintsika ao. Aza hadinoina anefa fa tsy miova ny fanehoana an-tsary an'Andriamanitra ho Andriamanitry ny fanekena, Izay mitaona olona ho eo aminy ka tsy mahafoy azy ireny, na dia efa impiry impiry akory azy izy ireny no mihodina miamboho Azy.

Inona no havalinao rehefa tojo fanontaniana mikasika ny .ady sy ny ra mandriaka ao amin'ny TT ianao? Ahoana no ampifanarahanao ny baikon'Andriama nitra handringana firenena iray manontolo (ny fakan'ny Isiraely ny tany Kanàna ho fananany, ohatra) amin'ny fiheverana hoe Andriamanitra fitiavana Izy?

 

 

Alarobia 01-04-2009 : Ilay andriamanitra ao amin'ny tv — andriamanitra fitiavana

Nahoana no tonga teto an-tany i Jesôsy    Nahoana no tsy maintsy nijaly Izy, ary nilaina ve ny nahafatesany teo amin'ny tanam-bokovoko? Ary
nahoana no ho avy indray Izy ka hamerina ity tany ity ho amin'ny toerany tsy nisy pentina tany am--boalohany  Tsv nisy fomba hafa ve? Raha tsy nisy, nahoana no maharitra ela ery vao voavaha tanteraka ny olana momba ny fahotana? Tsy afaka mamaly ireo fanontaniana ireo isika . Noho ny
fahendreny tsy hita lany dia namolavola    drafitra Andriamanitra hialana amin'ny kizon'ny fahotana amin'ny fomba  tsara indrindra araka izay azo atao. Noho Izy Andriamanitry masina, dia tsy azony nodian-tsy hita ny fikomiana fanoherana ny lalàny tsy misy tsiny; noho Izy fitiavana, dia tsy afaka ny hitazana fotsiny Izy ka hamela ny voariny ho faty, tsy manao izay fara heriny hamonjena azy ireo,
"NY fahamasinan'Andriamanitra dia tsy inona fa ny fahadiovany mendrikaja izay tsy afaka ny handefitra amin'ny faharatsiana ara-pitondrantena. Ny fitiavan'Andriamanitra indray dia tsy inona fa ny sandriny mivelatra amimpangorahana sy amim-pahalemem-panahy hamihina ny mpanota. Ny fahamasinan'Andriamanitra dia tsy inona fa ny fisarahany amin'izay zavatra tsy madio sy amin'ny faniratsirana ny zava-masina, Ny fitiavan'Andriamanitra indray dia tsy inona fa ny fahavononany ho eo amin'ny toeran'ireo tsy madio ka horaisina ho anisan'izy ireo mba hanampiany azy ireo ( ... ) Ny fahatezeran'Andriamanitra dia miankina amin'ny fepetra fa ny fitiavany kosa dia mandrakizay." — GAPWHL, ft. 140-143,

Inona no ambaran'ireto toko sy and. ireto mikasika ny hafatra ao amin'ny TV momba ny fitiavan'Andriamanitra?

•    Ny fanomezan'Andriamanitra ny Zanany lahy (Jao. 3:16)
•    Ny fanomezan'ny Zanaka ny tenany (Fil. 2:5-8)
•    Ny fanomezana ny Fanahy Masina (Jao. 14:15-18; Asa. 2:1-4)
•    Ny fahafahana mampiasa ireo fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy (Efes. 4:11-13)
•    Ny fahazoana antoka ny famonjena (1 Jao. 3:1-3)
•    Hoavy mandrakizay eo anivon'ny tontolo anjakan'ny fitiavana (2 Pet. 3:13)

Ahoana no amintinanao ny hafatra mikasika ny fitiavan'Andriamanitra ao amin'ny TV?

Ahoana no ahafahana milaza fa mifanaraka tsara amin'io foto-kevitra ankapobeny momba ny fitiavan'Andriamanitra ao amin'ny TV io ny hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apôk. 14:6-12? Lazain'! EGW "marimarina" fa vaovao mahafaly momba ny fanamarinana amin'ny finoana ny hafatry ny anjely fahatelo. Ahoana no ahafahana milaza fa izany rehetra izany dia mifanaraka amin'ny foto-kevitra momba ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona?
 

Alakamisy 02-04-2009 : Fitiavana no asetry

Ny zava-misy mahatsiravina eto amin'ity izao tontolo mihoapampana [ny ho ambony, ny hanan-karena, sns], fankahalana, fifaninana, kolikoly, ary ady. Raha mbola ireo foto-kevitr'ilay andrianan'ny fahamaizinana no avelan'ny mponina eto amin'ity izao tontolo izao ity hitarika azy ireo, na fanahy iniana izany na tsy nahy, dia tsy mety hisy fahafahan'ny fitiavana mivelatra. Hoy i Mera Teresa indray mandeha: "Raha mitsara olona isika, dia tsy hanam-potoana hitiavana azy ireo."
Raha tena niova fo marina isika ka tonga mpianatry ny Tompo, dia ho foto-kevitra hanjaka ao amin'ny fiainantsika ny fitiavana. Na inona na inona fahalementsika, dia hitombo mandrakariva amin'ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny olombelona toa antsika isika. Amin'ny tena heviny marina, ny fiovam-po dia fiovana todika – fialàna amin'ny fitiavan-tena ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa. 

Inona ny foto-kevitra miafina tokony ho tsikaritsika eo am-pandinihana ireo didy nomen'Andriamanitra antsika? Moa ve hafa ny fiasan'io fôtokevkra io hatramin'ny nahatongavan'i Kristy teto amin'ity izao tontolo izao ity? Deo. 6:5,6; Mat. 22:37-40.

Raha tena efa voaovan'i Jesôsy Kristy marina isika, dia ny fitiavany no toetra hampiavaka ny fifandraisantsika amin'ny hafa. Na dia mety hisy aza olona sasany tsy azoazontsika, dia antsoina isika ho tia ny olona rehetra, na dia ny olona tena fahavalontsika indrindra aza. Tsy ireo olona ifaneraserantsika ihany no hahazo tombontsoa avy amin'izany, hiharihary koa fa ho fitahiana lehibe ho antsika izany. Omeo fitiavana sy raiso tsara tsy misy fepetra anie ireo izay mihaona aminao e, fa ho hitanao ny zavatra mitranga.

Tokony ho vontom-pitiavana ny zavatra lazaintsika sy ataontsika. Amin'ny fomba ahoana? Mat. 5:44; 25:31-46; 1 Pet. 1:22.

Raha esorin'ny mambran'ny fiangonana tsy ho eo aminy ny fanompoana ny tenany amin'ny endriny rehetra, ary raisiny ho ao am-pony ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fifankatiavana izay nameno ny fon'i Kristy, dia haneho mandrakariva ny heriny amin'ny alalan'izy ireo ny Raintsika any an-danitra. Aoka ny olony ho voasintona miaraka amin'ny tadin'ny fitiavan'Andriamanitra. Ho fantatr'izao tontolo izao amin'izay fotoana izay ny herin'Andriamanitra manao fahagagana, ary hiaiky izy ireo fa lzy no Hery sy Mpamonjy ny olony izay mitandrina ny didiny, – SDABC, b. 7, t. 940.

Fitiavana sa fitiavan-tena sy tsy fiheverana afà-tsy ny tena ('égocentrisme') no efa toetranao rahateo ary miseho ho azy ? Inona ireo dingana azonao tanterahina, mba hialanao amin'ny "Izaho"-nao ka hanehoanao fitiavana amin'ny hafa?izao ity dia fitiavantena, faniriana jamba

 

Zoma 03-04-2009 : Fitiavana hita vatana


I Jesôsy Kristy no ohatra fara tampony alaintsika tahaka. Raha manontany tena isika hoe ohatra ny ahoana no tokony ho fitiavantsika, ny Mpamonjintsika fotsiny no aoka hojerentsika. Hitantsika ao aminy ny ohatra tonga lafatra. Raha amin'ny maha-olombelona, dia nanana antony maro tsy itiavana na ankahalana olona maro mihitsy i Kristy. Nialona ny fahombiazany ireo mpitondra fivavahana hany ka nanan izay hanorisorenana Azy mandrakariva izy ireo ary tamin'ny farany aza dia nanapa-kevitra ny hamono Azy mihitsy izy ireo. Nahoana moa Izy no tokony ho tia ireny olona ireny? Nisy fotoana, na ny fianakaviany aza tsy nanohana Azy. Raha ny mpianany indray dia matetika izy ireo no niady izy samy izy ary tamin'ny fotoana nilàna azy ireo indrindra dia tsy teo izy ireo. Ahoana moa no fitiavany azy ireo amin'ireny fotoana ahafoizan'izy ireo tanteraka Azy ireny?
Ankoatra izany rehetra izany, dia naneho ny fitiavany tamin'ny fomba manokana tamin'ireo izay tsy mba noheverin'ireo mpitondra fivavahana tamin'ny androny loatra Izy: tao ny vehivavy (anisan'ireny ny vehivavy janga), ny olona tratry ny habokana, ny olona avy any Samaria, ireo' rômanina mpanjana-tany, ary ireo mpamory hetra.

Diniho tsara ireto ohatra azo tsapain-tanana vitsivitsy ireto, ahitana an'i Jesôsy naneho fitiavana tsy mitady ny azy, tao anatin'ny toe-javatra izay ho sarotra amin'ny ankamaroan'ny olona ny hanao toa izany: Lio. 17:12-19; Jao. 13:1-17; Jao. 19:25-27,

Tokony hisy akony eo amin'ny maha-mplanatra antsika ny fisehon'ny fitiavan'Andriamanitra teo amin'ny asa fanompoana nataon'i Jesôsy? Amin'ny fomba ahoana? 2 Kôr. 5:14; Fil. 2:2.

Ny fitiavan'i Kristy no manery anay, hoy ny apôstôly Paoly (2 Kôr. 5:14). Somary mampisalasala ny dikan-teny anglisy, satria raha ny firafitry ny teny grika fototra dia sady azo adika hoe «ny fitiavana avy amin'i Kristy» izany no azo adika koa hoe «ny fitiavantsika an'i Kristy». Ireo hevitra roa ireo dia samy azo hamarinina ara-pitsipi-panoratana sy ara-pitsipi-pitenenana ary marina koa ara-teôlôjia. Rehefa misy takatry ny saintsika ny fahalehibiazan'ny fitiavan'i Kristy, dia hiteraka fitia valy fitia izany, ary hanome antsika ny faniriana miredareda hizara izany fitiavana izany amin'ny hafa.

www.advantistalyon.com
Herinandro 38 taona 2009
Herinandro 37 taona 2009
Herinandro 36 taona 2009
Herinandro 35 taona 2009
Herinandro 34 taona 2009
Herinandro 33 taona 2009
Herinandro 32 taona 2009
Herinandro 31 taona 2009
Herinandro 30 taona 2009
Herinandro 29 taona 2009
Herinandro 28 taona 2009
Herinandro 27 taona 2009
Herinandro 26 taona 2009
Herinandro 25 taona 2009
Herinandro 24 taona 2009
Herinandro 23 taona 2009
Herinandro 22 taona 2009
Herinandro 21 taona 2009
Herinandro 20 taona 2009
Herinandro 19 taona 2009
Herinandro 18 taona 2009
Herinandro 17 taona 2009
Herinandro 16 taona 2009
Herinandro 15 taona 2009
Herinandro 14 taona 2009
Herinandro 13 taona 2009
Herinandro 12 taona 2009
Herinandro 11 taona 2009
Herinandro 10 taona 2009
Herinandro 09 taona 2009
Herinandro 08 taona 2009
Herinandro 07 taona 2009
Herinandro 06 taona 2009
Herinandro 05 taona 2009
Herinandro 04 taona 2009
Herinandro 03 taona 2009
Herinandro 02 taona 2009
Herinandro 01 taona 2009
Herinandro 52 taona 2008
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006