Mpampianatra sandoka manaparitaka hevi-diso eo anivon'ny olona masina hoe,Fijery mivaona mikasika ny toetra maha-Izy an'i Jesosy? Ady hahazoana fahefana ao am-piangonana? Hevi-diso ara-teôlôjia hatreny ambolny dabiliom-piangonana? Vahoaka mila fahazoana antoka ny famonjena ? Ny hafa mila mahafantatra fa ny finoana dia tsy maintsy mitarika ho amin'ny fankatoavana ny lalàna?
Toa ny zava-misy ao amin'ny fiangonantsika ankehitriny izy izany, sa tsy izany?
Ireo anefa dia ampahany amin'ireo olana izay noresahin'i Jaona tao amin'ireo epistily telo fohy nosoratany ao amin'ny Testamenta Vaovao, roarivo taona lasa izay.
Marina tokoa ny tenin'i Sôlômona : "Fa tsy misy zava-baovao akory aty ambanin'ny masoandro ". Mpit.T 1:9b. Kanefa i Jaona dia tsy mifantoka amin'ny olona fotsiny fa misarika ny saina ho eo amin'Andriamanitra Ray sy zanaka; nosoritany hoe iza izy ireo, ary inona no nataony ho antsika, ka na inona no tokony hataontsika ho setrin'izany.
Indray mitopy maso: Nahoana no inoantsika fa i Jaona no nanoratra ireo epistily ireo? Iza no nanoratany? Inona ireo zavatra nanahiran-tsaina azy. Fomba ahoana nop niatrehany ireny? Inona no fanantenana azontsika raisina avy amin'ireo boky ireo?
Tsy miantomboka amin'ny tari-dresaka mazava fampiasa rehefa manoratra taratasy ny epistily voalo-hany nosoratan'i Jaona. Na inona na inona antony, ny mpanoratra dia tsy mampahafantatra ny tenany. Ny taratasy
faharoa sy fahatelo no maneho ny mpanoratra ho ilay olone antsoina hoe: loholona". Ireo taratasy roa ireo ihany koa no mampahafantatra antsika hoe iza no nanoratany, dia vehivavy voafidy iray sy olona iray antsoina hoe Gaio. Tsy dia mivelatra loatra anefa ity fampahafantarana ity ka mahatonga fanontaniana maromaro hipetraka; na izany na tsy izany anefa dia avy ao amin'ireo taratasy ireo ihany no ahafantarantsika ny momba ilay mpanoratra.
Ny fomba fanoratra mitovy sy ny voambolana ampiasaina dia toa maneho fa iray ihany ny mpanoratra ny 1, 2, 3 Jaona. Inona no ambaran'ireo taratasy telo ireo mikasika azy? Rehefa maraky ianao dia ny sasany amin'ireo fiteny ampiasainy ho an'ireo izay anoratany ao amin'ny taratasy, ankoatra ny zavatra hafa, no aoka ifantohanao. 1 Jao. 1:1-3;2:1,18;4:4;2 Jao. 1, 12; 3 Jao. 1, 13, 14.
Mibaribary fa vavolombelona nahita maso an'i Jesôsy ny mpanoratra. Toa nanana fifandraisana akaiky tamin'ireo mambran'ny fiangonana izay nanoratany ihany koa izy, satria fomba fiteny maneho fitiavara no iantsoany azy ireo, dia ny hoe "anaka". Nitana ny toeran'ny mpitarika tao amin'ny fiangonana izy ary mihoatra ny indray mandeha izy no nilaza fa na ho ela na ho haingana, dia hamangy ireo izay nanoratany izy. Ny fitovian'ireo teny ampiasaina sy ireo foto-kevitra amin'izay hita ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, ary koa ny fanambarana nataon'ireo rain'ny fiangonana, dia maneho fa ny apôstôly Jaona no mpanoratra.
Izany rehetra izany dia mampivoitra hevitra anankiray tera manan-danja tokoa. Tena zava-dehibe ny ikatsahantsika hampivelatra fifandraisana feno hatsaram-panahy sy fiheverana mamy ary fitiavana amin'ireo manodidina antsika. Tena mazava avy amin'ireo taratasy ireo fa tia sy niraki-po tamin'ireo olona ireo i Jaona ary faniriany ny hahita azy ireo mahery ao amin'ny Tompo. Tsy isalasalana na dia kely akory azy fa tena nanampy hery lehibe ny fahefan'ny teniny ny fitiavana izay nasehony tamin'izy ireo. Tena lesona lehibe ho an'ireo rehetra maniry ho vavolombelon'i Jesôsy sy ny fahamarinana izay nomeny antsika amin'ny maha-fiangonana antsika izany.
Zavatra anankiray ny hoe manana fahalalana mikasika ny toetra maha-Izy an'Andriamanitra, ny drafi-pamonjena, ny fiavian'i Jesôsy fanindroany, ary ny andro Sabata marina. Kanefa inona no mitranga amin'ny fijoroantsika ho vavolombelona raha tsy maneho ny fitiavana sy ny toetran'Andriamanitra izay namorona ireo fahamarinana ireo ny fiainantsika? Manana fahamarinana atolotra angamba ianao? Tsara izany, saingy hatraiza ny fitiavana sy ny fiheverana ny lafa asehonao miaraka amin'ny fanambaranao izany fahamarinana izany?
Lohahevitra manan-danja maromaro no hitantsika ao amin'ny epistily voalohany nosoratanî Jaona, na dia toa tsy miroso araka ny fanehoana hevitra samihafa mifandimbidimby ('progression linéaire') aza ny fizotry ny resaka ataon'ny apôstôly. lzany fanamarihana izany dia nitarika ny manampahaizana mpandalina ny Baiboly sasany hamoaka fehin-kevitra hoe amin'ny fomba miverimberina no anehoan'i Jaona ny heviny; izany hoe, iverenany indray ny lohahevitra efa nambarany saingy amin'ny'lafiny samy hafa. Araka izany dia zavatra mitovy ihany no resahina fa amin'ny fomba fijery isankarazany.
Vak. 2 Jao. 1-13. Araho ny fizotry ny fisainany. 2 Jao. 1-3; 2 Jao. 4; 2 Jao. 5, 6; 2 Jao. 7-11; 2 Jao. 12, 13.
Velorn-pisaorana an'Andriamanitra ny apôstôly ao arniri'ny 2 Jaona noho ny fahitany fa mandeha amin'ny fahamarinana ny zanak'ilay vehivavy. Miresaka momba ny fitiavana sy ny fankatoavana ihany koa izy. Avy eo dia mifantoka amin'ny mpampianatra sandoka ny resaka ataony, resaka izay efa nolazainy tao amin'ny epistily voalohany. Ampiasainy indray ny teny hoe ''antikristy". Ao amin'ny teny famaranana i Jaona dia maneho ny faniriany hamangy ny mpamaky azy. Mampita fampamangiana ihany koa izy,
Ahoana no ifandraisan'ireo taratasy roa voalohany, izay miresaka ny amin'ny mpampianatra sandoka, amin'ny 3 Jaona izay tsy misy resaka momba izany? Azo eritreretina hoe zavatra iray ihany no resahina ao amin'ireo epistily telo ireo fa amin'ny fomba fijery samy hafa fotsiny. Raha mampitandrina ny amin'ny mpampianatra sandoka ny 1 sy 2 Jaona, ny 3 Jaona kosa dia mampiseho, teo amin'ny tranga iray manokana, fa niezaka nifehy ny olana ny mpitarika ny fiangonana.
Any amin'ny faritra maro eto arnin'izao tontolo izao dia toa hevitra tany amin'ny taon-jato salasalany ('moyen âge') tany izany hoe "fîvavahana ôrtôdôksa" (fivavahana mifanaraka amin'ny foto-pinoana heverina hany marina) izany; mampahatsiaro zavatra ny olona izany, toy ny: 'inquisition' (fitsarana ataon'ny mpitondra fivavahana ireo heveriny ho heretika – mpanaraka foto-pinoana diso); tamin'izany fotoana izany dia nampijaliana sy novonoina ny olona izay tsy ôrtôdôksa loatra teo amin'ny foto-pinoany momba an'Andriamanitra (teo amin'ny teôlôjiany). Noho izany dia maro no tofoka tamin'izany hoe ôrtôdôksa (foto-pinoana heverina fa hany marina) izany, ka nilaza marimarina fa ny hany ilaina dia fitiavana, tsy an-kijery izay fampianarana. 1 Jaona anefa, na dia nanizingizina momba ny fitiavana aza, dia tsy nalaina ny hifandahatra tamin'ny hevi-diso mikasika an'Andriamanitra. Inona no ambaran'izany amintsika mikasika ny tokony hataontsika manoloana ny hevi-diso arapinoana ao amin'ny fiangonantsika?
Averimberin'i Jaona amintsika ny fîlazana ny aiitony nanoratany ny epistiliny voalohany. Ahoana, hoy izy? 1 Jao, 1:4; 2:12.14; 5:13
Marina tsy azo lavina sy manantitraniitra, izay voalaza rehetra ireo. Asehon'ny tontolon-kevitra anefa fa tsy maîntsy ao anatin'ny , tontolon-kevitra manodidina ireo olana goavana nisy tao amin'reo fiangonana izay nanoratany ao amin'ny 1 Jaona no ahatakarana ny hevitr'ireo fanambarana ireo. Misy fanambarana mafonja momba ny mpampianatra sandoka ity epistily ity. Izy ireo dia antsoina hoe "antikristy". in-efatra io teny io ao amin'ny 1 Jaona, ary indray mandeha kosa ao amin'ny 2 Jaona; ankoatra ireo dia tsy ampiasaina na aiza na aiza ao amin'ny Baiboly izy io,
Ireo antikristy ireo dia nanana fiheverana diso momba an'i Jesôsy, fiheverana izay nisy akony teo amin' ny fomba fiaina kristianina nivelornany. Miharihary fa tsapan'i Jaona hoe ilaina ny mandinika ny momba ireo fampianarana ireo. Ary nataony tamin'ny fomba hentitra sy tsy nisy, marimaritra iraisana izany.
Asehon'ny mpanoratra amin'ny endriny tsara anefa ny tena fivavahana kristianina ary ny toetra tsara ananany no ifantohany. Arniri'ny fanoherany ny fahadisoana ara-teôlôjia sy ny fahadisoana ara-poto-kevitra momba ny lalàmpitondrantena ('éthique') entin'ireo mpampianatra sandoka no anehoan'i Jaona ny porofo manohana ny firaisan'ny Ray sy ny Zanaka, ny fanekena ny famelan-keloka avy amin'Andriamanitra ary ny fiainana anjakan'ny foto-kevitry ny fitiavana.
Sady mampahery ny mambran'ny fiangonana izy amin'izany sy mampitandrina amin'ny fomba fahitan an'i Kristy tsy mifandrify amin'ny tena iey momba Azy, ary mampitandrina amin'ny fitondran-tena kristianina, no manantena indrindra koa hamerina ny sasany amin'ireo izay efa nandao ny fiangonana.
Tsy voalaza ao amin'ny 1 sy 3 Jaona ny antony nanoratany ireo epistily ireo, kanefa azo an-tsaina izany. Ny zava-kendren'ny 2 Jaona dia ny hampitandrina ny mambran'ny fiangonana amin'ny fampianaran-diso sy ny fitsipi-pitondrantenan'ireo mpampianatra sandoka voalaza ao amin'ny 1 Jaona.
Voalazan'ny 3 Jaona fa nisy fiadiana fahefana tao amin'ny fiangonana. Niezaka ny haka an-keriny ny fahefana rehetra i Diôtrefa, Araka ny hita dia niezaka izy, tamin'ny fampiasany ny olana mikasika ny foto-pinoana diso, ny hametraka ny fototry ny fahefan'ny tenany.
Tsy noheverin'i Jaona ho olana maivamaivana tsy akory ireny fampianaran-diso ireny, saingy ny fanantitranterana ny marina no nentiny niatrika azy ireny. Misy foto-kevitra lehibe ho antsika eto: Mora dia mora tokoa ny ho lasa sahirana fatratra miady amin'ny hevi-diso ka izany indray no ifantohantsika fa tsy ny fahamarinana. Inona no fomba, anao manokana, entinao miatrika izay heverinao ho diso: Moa ve ianao mifantoka amin'ny hevi-diso ka mitera-pahavoazana amin'ny fahamarinana izany? Ahoana no hanazaranao ny tenanao hiatrika olana amin'ny fomba mahomby kokoa, manomboka izao?
Hita manerana ny 1 Jaona i Jesôsy. Izy no ivon'ity boky ity. Iza moa Izy araka ity epistily ity? 1 Jao. 1:1; 1 Jao. 1:2, 5:20; 1:3, 4:15; 2:1; 2:8; 2:22; 4:14; 5:20.
Marina fa voatonona matetika noho i Jesôsy Andriamanitra Ray ao amin'ny 1 Jaona, fa ny olana ho an'ny fiangonana taloha ary mety ho olana ho an'ny mambran'ny fiangonana ankehitriny koa dia ny mikasika ny Zanaka. Mety nitovy hevitra tamin'ny lafiny maro ny mambran'ny fiangonana sy ny mpampianatra sandoka raha ny momba ny toetra maha-Izy ny Ray no resahina. Fa tsy nitovy intsony kosa ny hevitra rehefa mikasika an'i Jesôsy ny resaka, na teo amin'ny maha-olombelona Azy izany na ny teo amin'ny maha-Andriamanitra Azy. Ny olana dia hoe "tonga tamin'ny nofo" ve i Jesôsy sa tsia (1 Jao. 4:2) sy ny hoe "izy ve no Kristy" (1 Jao. 2:22).
Eo anivon'izany rehetra izany no anamafisan'i Jaona mazava tsara fa tsy azo sarahina ny Ray sy ny Zanaka. Na dia amin'izao androntsika izao aza dia misy olona sasany - misy amin'izy ireny Kristianina – mihevitra fa afaka manana fifandraisana amin'Andriamanitra izy, kanefa tsy miraharaha izay momba an'i Jesôsy. Ho azy ireny dia olona mahagaga fotsiny i Jesôsy.
Mazava anefa ny fanambaran'i Jaona: Raha mahalala ny momba an'i Jesôsy ianao nefa tsy manaiky Azy ho Mesia sy Zanak'Andriamanitra, dia tsy hanana fifandraisana mahavonjy amin'Andriamanitra Ray ianao.
Misy andininy 105 ao amin'ny 1 Jaona, ary eo amin'ny 45 amin'ireo no miresaka momba an'i Jesôsy. Inona no ambaran'izany mikasika ny toerana tanana'i Jesosy ao amin'nity taratasy ity? Araka ny fahafantaranao ny fahamarinana, moa ve ivon'izany fahamarinana izany Jesosy? Izany hoe moa ve hianao variana loatra amin'ny daty sy ny tabilao maneho an-tsaryu ny faminaniana ary ny foto-pampianarana, ka tsy mahalala an'i Jesosy sy ny famelan-keloka ary ny fahasoavany atolony ho an'ny tenanao manokana? Raha izany no zava-isy, ahoana no ahafahanao miova? Nahoana hianao no tsy maintsy miova? ( jer. Jao. 17:3)
Tsy maneho an'i Jesôsy amin'ny lafiny samy hafa fotsiny ny epistily nosoratan'i Jaona, milaza amintsika fa Izy dia hatramin'ny voalohany (1 Jao. 1:1), tonga tamin'ny nofo Izy (1 Jao. 4:2), nitoetra ho marina sy madio ary tsy nisy ota Izy (1 Jao. 2:1; 3:3, 5), fa manantitrantitra ny asa fanompoana notanterahiny sy ny asany koa ireo epistily ireo.
Mifandray lalina ny hoe iza moa i Jesôsy sy ny hoe inona no nataony. Ny fandavana ny maha-Andriamanitra Azy sy ny maha-olombelona Azy dia midika koa ho fandavana ny asa fanompoana tanterahiny amin'ny maha-Mpamonjy sy maha-ohatra ary maha-Tompo Azy, Ny famonjena amin'ny alalan'i Jesôsy dia miankina amin'ny toetra maha-Andriamanitra sady olombelona Azy. Raha tsy mahafantatra tsara araka ny tokony ho izy riy toetra maha-Andriamanitra sady olombelona an'i Jesôsy ianao, dia lasa manana hevitra hafa mikasika ny drafi-pamonjena sy ny olan'ny fahotana no hiafaranao. Mety hoheverina ho zavatra maivamaivana ny fahotana, eny mety holavina mihitsy aza (1 Jao. 1:6-10), toe-tsaina izay azo antoka fa hanana hery miasa mangina tokoa eo amin'ny fitondrantena kristianina sy eo amin'ny foto-kevitry ny lalàm-pitondrantena, na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana.
Inona no ambaran'i Jaona amintsika mikasika ny asa fanompoana tanterahin'i Jesôsy sy ny asany? Izany hoe, inona ireo teny fikasana atao amintsika noho izay efa nataon'i Jesôsy ho antsika sy izay mbola ataony ho antsika ankehitriny? 1 Jao. 1:7; 2:25,28; 3:8,16; 5:18; 2 Jao. 3.
Mitaky valiny avy amintsika ny zavatra efa nataon'i Jesôsy ho antsika amin'ny maha-Mpamonjy Azy, sy izay ataony ho antsika amin'ny maha-Mpisolovava Azy. Ny famelan-keloka, ny fahazoana antoka ny famonjena, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny fanantenana ny fiaviany fanindroany, sy ny fampanantenana fa ho tahaka Azy isika ary hahita Azy, dia izay tena endriny tokoa, dia tsy hamela ny fontsika tsy hitepo fitiavana ho Azy. Mino Azy isika, tia Azy, manaraka Azy, mankatô Azy, ary mitoetra ao Aminy sy ny fampianarany.
Jer. ny sasany amin'ireo teny fikasana voalaza etsy ambony. Inona amin'ireo no tena manan•danja indrindra aminao? Nahoana? Inona amin'ireo kosa no mety mbola tsy anaovanao fanandramana eo amin'ny fiainanao ankehitriny kanefa tokony hanaovanao? Inona angaha no anton'izany, ary inona no azonao atao mba hahatsapanao tsaratsara kokoa ny mahaharena sarobidy ireo teny fikasana ireo?