Sambatra ireo rehetra
Mino sy mandray
Tsy mampisy izay fepetra
Ankatoavana ny Ray.

Sambatra ireo izay
Manaiky sy milaza.
Ka voavonjy ireo fanahy
miverina ho zaza.

Sambatra ny vonona sy sahy
Mijoro tsy mihemotra.
Ka na misy mampanahy,
Ny finoana no maha-repotra.

Sambatra zay mialoka amind-Ray
Tsy mba hanana mahaory
Fa ny Tompo no miahy
Na miaina na matory.

Sambatra izay miresaka tsy tapaka
Na amin’eritreritra na amy vavaka
Ka tsy ho irery velively
Fa ambenin’ny anjely.

Sambatra izay mizara na tsy misy
Fa rehefa maty tsy hankafy, indrisy!
Ny harena tsara hary
Dia ny mitia an-Janahary!
 

Auteur: Rindramalala Rafanomezantsoa

Source : http://www.facebook.com/Rindramikalo